Tadiom-pitiavana

PEJY 88
2006/12/28,16:18

TANTARA NOFORONINA - TENY MALAGASY MADIO - TSY AZON' NY ZAZA SY NY ZATOVO LATSAKY NY 18 TAONA VAKIANA

Fa tany andafin'ny riaka kosa tamin'io fotoana io...
Naka rivotra vetivety teo an-davarangana i Mahefa rehefa avy nivoaka ny efitra fandroana. Lamba voloina matevina no natafiny ilay akanjo mandry teny aminy. Lasa saina lalina mijery ireto ravina manomboka mihintsana tsikelikely tarafin'ny jiro manenika ny arabe fa hanomboka indray ny hirifirin'ny ririnina rehefa avy nitaty ny hafanàna migaingaina nandritra ny volana vitsivitsy.

Raha varimbariana teo anefa izy, nisy rivotra nitsoka somary mamirifiry no nanainga azy niditra tao amin'ny efitranony, indro i Mihary matory sy mandry am-pahatoniana eo ambony fandriany, toa tsy mahatsiaro izay manodidina azy akory.
Nandray ny fandriana ihany koa ny lehilahy rehefa nanakopaka ny ilan'ny lamba.
Hitany ilay olon-tiany mitafy akanjo manify dia manify manintona sy manaitra ny maso avy hatrany. Nosafoiny vetivety ilay lamba manopy mangirana ary tsapany ny halamany izay manasa azy hanohy avy hatrany ny fihetsiny teo.
Nefa ity olon-tiany toa mbola tsy mahare izany safosafony izany ihany fa tena any amin'ny lanitra fahafito angamba. I Mihary amin'io matory mihorirana manatrika azy, dia nandry koa i Mahefa, injay fa nakarin'i Mihary teo ambony feny ny tongony ilany sady vao mainka namikitra sy te-hamihina. izy amin'io mbola milomano anaty torimaso ihany.

Dia notohizan'i Mahefa indray ny safosafony nanaraka ny fen'i Mihary, niakatra tamin'ny takibany, ny sandriny dia nofaranany tamin'ny hatony, dia niverina nidina indray ary rehefa tonga teo amin'ny feny dia somary natosiny handry amin'ny lamosiny ilay olon-tiany izay tsy nananosarotra fa nanaiky avy hatrany koa, toa mifankahazo ny fihetsika rehetra na dia anatin'ny torimaso mamy aza ny iray.

Asa izay nofinofin'i Mihary fa somary mitsiky ny molony raha nandalo tamin'ireo tendrombohitra roa ny ratsan-tanan'i Mahefa, ny masony anefa mitory ny hamamin'ny torimaso izay ilomanosany hatrany.
Somary nifori-dohalika kely izy dia namelatra ny feny tsimoramora, manasa ity tanana hidina amin'ny lalindalina kokoa.

Norokorohan'i Mahefa no sady nokitikitihany hatrany ireo faritra mety hanaitaitra ity tovovavy rehetra, navelany haka aina tsara teo ambony fandriana, mandry amin'ny lamosina, hetsika toa hisintona ny nofin'i Mihary hanaraka tsara ny onjan'ny fahafinaretana nasafony ny vatana iray manontolo.
Rehefa mihenjana tsara iny ny filahiany dia manomboka nanorokoroka ny kibo i Mahefa ary ny tanany ilany no misitrika any ambany foitra hikaroka ilay faritra efa miakatra hafanana izay tsapany ka manery ny filahiany hihenjana bebe kokoa.

Somary natosiny ilay atin'akanjo farany dia ningain'i Mihary koa ny maojany sady toa nampiany mora hanala ilay lamba farany ; tamin'izay no nisokatra kely ny mason'i Mihary, vao nahita an'i Mahefa dia nitsiky izy.

Injay fa mitanjaka tanteraka izy roa, tampotampoka teo, nofihizin'i Mihary ilay filahiana no toa nosintoniny hanatona ny molony ilay faritra malama. Ny tanan'i Mahefa amin'io mikitikitika mora ilay faritra voloina manify manomboka mandomando ery.
Toa tsy hitany akory, injay fa reny ny molotra misintona tsimoramora ilay loham-pilahiana sady mankafy, toa manonofy izy, ny fihetsiky ny tanany no nataony mafimafy kokoa ho setrin'ilay natao taminy fa tena nankafiziny ny fanaovan'i Mihary azy.
Tsapany fa manomboka mitelina ny halavan'ny filahiany amin'izay i Mihary, ary niangaliany mora dia mora ary am-pitiavana ihany koa. Nalentiny ilay izy araka izay azony natao dia niverina namoaka azy avy eo. Dia niala teo. Tsy niteny i Mahefa fa navelany amin'izao sady azony ny tian'i Mihary hatao.
Injay fa tsapany ny tanan'i Mihary nanampy ny azy teo amin'ny faritry ny fahafinaretana. Toa nifandray an'ritreritra izy roa, niodina kely i Mahefa, nanatrika ity olon-tiany, nidina ambanimbany kokoa, rehefa nanakaiky ny lohany ilay faritra misy volo kely dia nisintona indray mandeha ny fofona teo izy, toa mampiakatra avy hatrany ny filany ilay izy fa dia roboka ny lehilahy nanome oroka mora ilay molotra toa misokatra miteny hoe : avia fa miandry anao aho.

Natohony teo ny vavany, ny fofona teo toa nahafinaritra azy, tamàna tampoka teo i Mahefa, nakariny kely ny molony hampisaraka tsara ireto hoditra malemy efa miha-mando hatrany. Injay ny tanan'i Mihary manafosafo ny lohany, toa manery indraindray hampitohoka mafimafy kokoa ny tarehin'ity lehilahy tiany amin'ilay faritry ny fahafinaretany.

Ren'i Mahefa fa manomboka misefosefo miadana ity tovovavy, manomboka mimonimonina ihany koa. Navoakany ny lelany, nanampy tosika, nampiany ny ratsan-tanany iray somary niditra mora tamin'ilay lavaka tsy mety tototra. Ny lelany amin'io mikarokaroka ilay hozatra kely efa mihenjana mafy ery ; tsapany amin'ny tsindry ataon'ny tanan'i Mihary amin'ny lohany ny fankafizany ny ataony.

Somary miala kely indray ny lohany, ny ratsan-tanany no nataony manindry mafy ny molotr'ilay fivaviana, mivezivezy, miaka-midina ; naveriny indray ny molotra sy ny lela avy eo.
Ny vodi-tongotr'i Mihary amin'io mivezivezy ao an-damosina ao, toa manotra miadana nefa mariky ny fankafizany ny onjam-pahasambarana midaboka toa ranomasina manenika ny vatany.

Afaka elalela kely.
-Chéri an ! chéri an ! mmmmhhhhhhh. Fa inona izany ataonao amiko izany akia an !

Tsy namaly i Mahefa fa ny lelany no nahetsiketsiny mafimafy kokoa.

Farany, injay fa nanainga ny maojany i Mihary, notazoniny elaela kely, ny tanany toa manosika mafy ny molony hiankina mafy amin'ilay fivaviana.
-hhhhhhhhnnnnnnnnnnnn !
Sady nikiaka indray mandeha i Mihary dia nidaboka toa tsy nahatsiaro tena intsony. Niala taminy avokoa ny ratsam-batany nanindry an'i Mahefa. Dia nitraka ity farany avy eo.
Ny mason'i Mihary amin'io mibanjina ny valin-drihana, mitsiky mora toa menatra tsy sahy mijery ity olona nampitobaka ny fahasambarana azony teo.

Dia naleon'i Mahefa niakatra amin'izay, somary nandady teo amboniny, nanafosafo ireo nono ka nahafinaritra azy ery ny nitsapa azy.
Tsy namelany fa nifanoroka indray izy roa, nampifangaro ny hanitry ny fahasambarana vao nodiavina teo.
-mmmmhhhh, hoy Mihary, tiako be ilay nataonao teo an ! izany chéri an !
-dia ahy amin'izay izao an ! hoy i Mahefa, sady niarina vetivety izy.

Nitingitingina mora teo ambony fen'i Mihary izy aloha, ny lohaliny miforitra tsara hitondra ny vatany mba tsy hanapotsitra be loatra ny taolam-pe fa mbola lavitra ny dia hataon'izy roa, somary nijoro ny lehilahy dia nataony ho hitan'i Mihary tsara ny firafitry ny filahiany, amin'izato izy mihenjana mafy, moa tsy miaramila miantrana ambava-basy, ny lohany mibontsina tsara ary maha-te-hamehy avy hatrany. Raha olona tia azy io dia satriny hitelina azy avy hatrany tsy ampiambahambàna.

Injay ny tanan'ity tovovavy havia nandray azy, nofenjainy kely aloha, ny ankihibeny no nasafony ilay lohany malamalama nivoahan'ny rano somary madity fotsy nefa mangarangarana.
Toa nosarihiny mora aho hanatona ny tarehiny bebe kokoa, nikisaka ihany koa i Mahefa, saingy vao teo ambony foitra dia nosakanany indray…

Iny ny tanan'i Mihary havanana nikopaka niala ny fandriana, nisintona ilay poketra teo amin'ny gorodona.
Kanjo, tsy takany ilay izy, niezaka ihany nefa tsy nety mihitsy…
-oooouuuuunnnnnn ! tsy takatro akia chéri ilay poketrako an ! sady navotsiny koa ilay tanana havia nanotra malefaka ilay filahiana teo, nefa i Mahefa efa tena nankafy ery.
-azafady akia ry tiako, mba alaivo ange ilay poketrako io fa tsy takatro e ! sady naveriny indray ny tanany namehy mafimafy kokoa ilay filahiana. Tazomy foana ho mafy tsara ity Balitako ity an !
-tsy maninona akia chérie an ! , niezaka nanoroka ny molotra indray ny lehilahy, sady nidaboka tamin'ny tratrany dia naka ilay poketra, sady hoy izy :
-Fa inona no tadiavinao ato e ? sady natolony anao ilay poketra.
-Dia tsy fantatrao ve ? aiza kosa akia chéri an ! Inona ary ô ?
-Ka raha tsy FIMAILO ve ho karohina amin'izao fotoana izao !
-hi hi hi, efa mahay maminany mihitsy ange ity olon-tiako ity e !

Nitsiky fotsiny aho aloha i Mahefa, namela azy hikaroka tao anatin'ilay poketra. Nefa … toa niha-nikentrona tampoka i Mihary fa tsy nahita na dia singany iray aza.
-" Non ! c'est impossible ". Tsy tokony ho hadinoko mihitsy izay ! Fa ahoana koa ary izany… tena marina e ! efa nividy mihitsy aho teo fa asa izay nalehany.
-I Chérie marina…
-Dia ahoana, tena miala tsiny akia chérie an ! tena raha vao tsy misy kapôty dia…
-Dia ahoana… ? hoy i Mahefa somary sadaikatra sady niala teo ambonin'ity olon-tiany..
-Dia tapitra hatreo ny androany ka atao ahoana moa !!!!
-Andray chérie, dia izany ve, sady nitsangana izy naka ny patalohany… dia ianao ve mihevitra fa … (sady navoakany tany anaty paosiny ilay fimailo mifono ranom-bolamena mivarahana iray).
-Ity malalako ity koa, dia efa nanaitra ahy teo mihitsy, izaho ange tena taitra be, tena hoy aho hoe : tapaka tampoka ny revy. Ka inona fa tsy ho rava ny tsena. Jereo ity filahianao aza miha-miroraka sahady.
-Azontsika atao ange ny mamerina ilay nataontsika teo hatramin'ny voalohany e !
-Ianao ity ko ! avia, omaeo ahy iny kapôty iny fa izaho no hampiditra azy.
-Fa dia nahoana kosa ary ry Mihary, izaho koa mba manisa ny androanao ary fantatro fa faha-14 androany, dia mbola misalasala foana ve ianao, na koa mitady fomba hafa , na maninona moa avela ho avy izay ho avy, ho antsika ihany ange io e !

Tsy niteny i Mihary, nakimpiny fotsiny ny masony, nahirany indray dia nasainy nandry nitsilany tamin'ny lamosiny aloha ny lehilahy, nosafosafoiny tamin'ny otra malefaka dia malefaka ny halavan'ny filahiany, injay fa mitosaka amin'i Mahefa indray ny aingan'ny fahafinaretana, nampihenjana indray ilay filahiana teo hiridiridy bebe kokoa. I Mihary toa miforitra sy miankohoka, manatona hatrany an'ny lohan'ilay filahiana teo, manorokoroka, ny lela no nanohy azy. Tena tsy nahatsiaro fahasambarana tahaka an'izany i Mahefa, fa sady nangitikitika nefa tena nahafinaritra azy. Dia indro fa natelin'i Mihary tsimoramora nanaraka ny lavany ilay taovam-pahasambarany, ny molotra roa nanery azy hihenjana bebe kokoa, fotoana vitsy monja dia navoakany ary nampidiriny toy ny olona efa manana traikefa ilay fimailo teo.

-Chérie an ! mifinjifinjy be !!!
-Ka normal izany akia an ! lohany ngeza be io, mandravarava mihitsy io izao !!!

Tsy niteny intsony i Mihary fa niezaka ny hipetraka teo ambon'i Mahefa, somary nitingitingina amin'izato lanjany mifintimpintina, ny tanany roa mihazona ilay filahiana misatroka fimailo, ny tapany ambany kibony kosa miezaka ny mitondrotra eo ambony lohan'i Mahefa, hitan'ity farany avy eo ilay tokontanin'ny hasambarana misy faritra voloina fohy kely itsonahin-drian-drano kely tarafin'ny hazavàna. Tsy ariny fa nampanatoniny teo ny molony sady :

-Avia akia chérie an ! avia aho tsentsafo fa tiako be ilay nataonao teo…

Tsy nisalasala i Mahefa, tonga dia namikotra tamin'ny valahin'ity tovovavy eo amboniny ny tanany roa, ny lohany natohony mafy sady ny lelany nivezivezy teo amin'ilay faritra mafana, niraraka tsimoramora ilay ranom-pahasambarana nanomboka nameno ny tarehiny, nefa dia nankafiziny hatrany.

-mmmhhhh, chérie an, tena mahafinaritra ahy mihitsy, milela-molotra mihitsy aho… hoy i Mihary sady ilay filahiana no orokorohany amin'izy efa misatroka.

-Chérie an ! tsy andriko intsony, mitady anao be mihitsy aho…
-Ouuuuiiii ! avia akia an,
tonga
dia ampidiro amin'izao toerako izao fa tena tiako be izao.

Navelany hiarina aloha i Mahefa, tonga dia nandohalika tao aoriany, hitany ny bikan'ny lamosina dia nofeheziny haingana, ny filahiany kosa manafosafo ilay faritra efa nolonahin'ny hamandoana tanteraka efa miandry ny hotolomim-potsiny…
Tampoka ny nampidirany azy, somary nanaitra ity tiany nefa tsy tafiditra lalina dia nosintoniny, naveriny indray hilentika amin'ny lalindalina kokoa, tena nakafizin'i Mihary hatrany…. Im-betsaka no nanaovany ilay izy… farany… nimonimonina teo i Mihary, reny maneritery ny hozatry ny fivaviana, manomboka mangovingovitra te-hidaboka fa nazominy mafy tsy hietsika…
Injay fa nikiaka sady niketoketoka niemponempona ny fivaviany…

-OOOhhhhhhh, chéri an !!! chériiiiii !!!! mmmmmhhhhhhhhhhhhh !!!

Tamin'iny niemponempona iny no natosik'i Mahefa mafy faran'izay hainy i Balita ary nitosaka avy tao aminy ilay ranom-pahasambarana madity nefa notohanan'ity fimailo hiaro azy.

-Chérie an !!! hoy iahy i Mahefa,
tonga
koa ny ahy….

Nisento lalina i Mahefa, tsy nisy nahaetsika aloha izy ireo, naka aina vetivety nanala ny fisefosefoana.
Tsy tantiny intsony fa i Mahefa no nanala voalohany ny taovany dia avy eo nidaboka tamin'ny fandriana…
Narahin'i Mihary koa sady niverina nanafosafo indray !!!!

-tena hainao mihitsy akia ilay izy an !!! hoy i Mihary …

Tsy namaly i Mahefa fa ny fahavizanana tany aminy no nanenika ny sainy, izy ilay vao avy niaina niaraka tamin'ilay tiany ilay hakanton'ny fahafinaretan'ny nofo. Niara-nisidina ilay lanitra fahafito kanefa tsy haharitra mandrakizay akory fa hipetraka ambonin'ny tany ihany…

Tsy nisy nifampiteny aloha efa ho 5 minitra, farany i Mahefa tsy naharitra fa nanontany hoe :

-Chérie an ! ny nahagaga ahy ho'aho, asa ! ! ! ! ! Mety ho tena tsy mahalala fomba mihitsy aho.
Izany hoe : efa ho herin-taona izay no nampanontany tena ahy mikasika ity fa aleoko apetraka androany e ! : Azoko fantarina ve hoe : iza no nisantatra ilay maha-virjiny izay nahasarotiny anao hatramin'izay ?
Notandremanao tahaka ny anakandriamaso mantsy ilay izy, nilokaloka mihitsy aza ianao fa aorian'ny mariazy mihitsy mba ho …. Tsy haiko re, fanontaniana kidaladala nefa isaky ny avy miray aminao aho dia lasa amin'izany foana ny saiko.
Tsy maninona akia an ! … raha azonao valiana ihany fa te-hahafantatra aho ! ! !
Teny Ivandry,...
Nirimorimo mafy ery ny fialàn’ny fiaran-dRamanana tao ivelan’ny tamboho tao, ny halaviran’ny feony no nahafantarana fa efa dify sahady izy mianaka. Dia niverina nangina ny tanàna, samy tsy nahateny, ny voron-kely misotsioka anatin’ity hafanàna migaingaina no feo nibitsika teo tokontany.

-Azafady indrindra re tompoko fa toa niaka-peo tampoka aho, hoy i Alexia, tsy fantatro mihitsy izay nahazo ahy teo fa nidobodoboka mafy ny foko vao nivatravatra avy any ry zareo teo.
-Tsy mampaninona izany anaka, hoy ingahy Randria, izahay aza no miala tsiny fa raha diso aoriana kely fotsiny izany izahay dia tsy maintsy nitady anareo hatraiza hatraiza. Fa dia tena toetran’i Tompokolahy rainao mihitsy ny tahaka ireny, ahatsiarovako azy mihitsy marina indrindra izy izay tezitra amin’ny rariny ananany izay, tsy manaiky lembenana fa sahy mijoro amin’ny heviny.
-Tsy haiko re ! tena tsy mba mpampiaka-peo amin’olona izany aho fa tahaka ny nisy hery hafa izany nanosika ahy hanohitra azy mianaka teo !
-Ka izay ilay toe-javatra tsy haintsika hazavaina mihitsy anaka fa tahaka ny hoe : mbola miara-miaina amintsika foana ny maty. Koa inona intsony moa izany fa efa voavaha ny olanareo, ity ny karatra misy ny laharan-telefaoniko dia efa io moa Me Ranaivoson hanaovantsika sonia ny taratasy rehetra, mandalova any amin’ny bankinay ianao rahampitso maraina haka ny anjara lovanareo. Raha misy moa ny olana madinidinika dia aza misalasala manatona ahy e !

Nitsatsaingoka anefa i Hery :

-Ka… izahay ange Atoa Randria, hanainga ho any andafin-dranomasina anio alina e, dia ahoana ny tokony hataonay ? Angaha tsy azo aroso izao hariva izao ny fanaovana izany rehetra izany ?
-Hery an ! hoy i Alexia, raha izaho manokana no anontanianao dia avotsitro avokoa aloha izany resaka handeha izany, zava-dehibe loatra ity mitranga ity. Tahaka ny mametraka hafatra amiko i Papa fa tokony hikarakara ny hany lova napetrany ho ahy aho aloha.
-Dia ahoana ny tapakila sy ny vola rehetra efa naloa ? Ahoana ny fianaranao, avela amin’izao ve ?
-Ka tsy niteny ve moa ianao tamin’ny maraina fa satrinao aza hijanona eto fa tsy handao ny tanindrazana, misy zavatra hosahanina indray ve… ?

-Izao re ry zareo an ! Fa mpifamofo moa izany ianareo ? hoy i Randria nanadihady.
-Eny tompoko, hoy izy roa !
-Zava-dehibe loatra, ary tena miankina amin’io vola napetrak’ingahy Ratrema io aza ny hoavinareo, ka avelanareo handalo fotsiny ve ? Eny e ! zonareo ny mbola mametraka indray ny vola amin’ny banky hampisy zanany, fa ity trano iadivanareo amin’izy mianaka teo ve … dia avelanareo fotsiny sa…asa aloha ry zareo ?

Nisento fotsiny i Hery, toa faly ihany izy ny hijanona, nefa te-handeha ihany fa ny sitrapony dia ny hamadika ny takila rehetra nirakitra ny fahadalàna niainany teto Madagasikara. Tsaroany tampoka koa ilay resak’izy sy Fano ny maraina amin’ilay mariazin’izy roa tokony hatrehina.

-Eny ary e ! Misaotra dia misaotra anareo izahay, hoy i Hery, fa tahaka ny misy lahatr’Andriamanitra izany nampifankahita antsika tahaka izao, mampanantena anareo koa fa hikarakara ary raha tsy efa milamina avokoa ny zavatra rehetra vao mihevitra ny hanainga izahay.
-Eny ary ry zareo, fa dia miandry anareo aho izany aho rahampitso maraina. Mikasika ilay adin-trano teo moa, io Me Ranaivoson afaka hakànareo torohevitra fa tena talentany mihitsy io resaka ady trano sy tany io.
-Angamba aloha tsy eto no iresahantsika izany, satria fantatro fa mbola seriny dia seriny ianareo, hoy ilay vaditany, fa ity ny kara-pahafantarana ahy dia mifampiresaka isika afaka andro vitsivitsy e ! Sa tsy izany hoy ianareo ?
-Inoako fa mety mihitsy izay e ! aleo izahay mirahalahy hanainga fa ny asa moa mbola betsaka ihany. Mamerina ny fisaorana anareo rehetra e ! Rahampitso izany.

Nifandray tanana izy ireo dia indreny izy mirahalahy nivoaka ny tanàna.
Vao nihidy ny vavahady dia iny i alexia niantsapy teny amin’i Hery sady nanoroka azy. Faly aok’izany, miramirana ery ny tarehiny, tsy hita soritra intsony ilay alahelo lalina nandrakotra ny tavany fotoana vitsy talohan’izao.
-Hery an ! Hery an ! i Papa no faly indrindra amin’izao mitranga izao. Aleo aho hiantso an’i Dada any an-dafy ilazako ny vaovao ! Ilazako koa izy fa hijanona aty volana vitsivitsy mihitsy aloha hikarakràna ny taratasy rehetra.

-Hijanona volana vitsivitsy ? hoy i Fano nahare ny resak’i Alexia ! Koa inona intsony moa izany fa tena avo ny lanitra ka tsy takatro. Izaho sy Tahiana aza efa saika hiangavy anareo roa ho vavolombelona amin’ny fisoratanay. Eee ! ! ! dia aleo ilazako dia ny izao i Tahiana fa mitady ny olona tokony hataonay vavolombelona mihitsy izahay izao. Mila aterina haingana any amin’ny firaisana mantsy ny anarana sy ny dika mitovin’ny kara-panondro.

Faly avokoa izy rehetra, i Toky kely moa mifaly havanja eran’ny tokontany, i Cynthia matory fatratra anaty fandriana kely. I Alexia amin’io toa mibaliaka eny amin’ny tarehiny ny hafaliana miresaka amin-drainy an-telefaona any an-dafy. Maty tokoa ny rainy nitaiza azy ary tsy hitany akory ny nahafatesany, nefa maty namela mamy ho azy sy izy dahy kely.

I Hery kosa, toa faly sahirana fa tsy mampandry ny eritreriny mihitsy ity Malala mbola tsaboina eny Anjanamasina. Anisan’ny
antony iray tiany hisintahana any ampitan-dranomasina mantsy ny tadiom-pitiavana nifanaovany tamin’i Malala izay nampahory azy efa ho taona maromaro izay, nefa dia ho rahona vaovao indray hanembatsembana ny fifankatiavan’izy roa.

Mbola Hitohy.


Tadiom-pitiavana
[email protected]

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype