Tadiom-pitiavana

« PEJY 84 | Main | PEJY 86 »

PEJY 85
2006/10/15,07:32

I Toky nilalao niaraka tamin'ilay mpanampy no nisarika ny mason'i Malala raha vao niditra tao antrano izy.
- " Mitombo ihany lesy ialahy ry Toky keliko" hoy izy aneritreritra sady lasa niampita tany amin'i Hery ny sainy. " Mba nanao ahoana tokoa ary izy any, efa vita ve izay ny fandidiana azy. Ho beep-evako kely ry zareo rahampitso maraina raha mbola tsy miantso eo anio hariva kah. Ohatran'ny mapitebiteby ahy izy izany"
Ny fanontanian'ingahy Ratrema tamin'ilay mpanampy no nanapaka ny eritreritry Malala teo.
- " Fa aiza i Cynthia" hoy i Ratrema?
- "Mbola matory izy, tompoko" hoy ny valinteny nomen'ity tovovavy mpitaiza."
- " Hay" hoy i Ratrema sady lasa nankany andakozia izy naka zava-pisotro hanalany ny hetahetany.
- " Mba itondray rano mangatsiaka koa anie aho Ratrema" hoy ny anao vavy sady namonjy ny tohatra miakatra ho any ambony rihana izy. Ny efitrano fatoriana no novonjeny avy hatrany. Valaka ny fahatsapany ny tenany ary reraka ihany koa ny saina aman'eritreriny. Tsy ela taorian'izay dia indro Ratrema niditra ny efitra niaraka tamin'ny rano mangatsiaka iray vera sady namonjy nitsotsotra teo akaikin'i Malala.
- " Raharaha letsy izy ity" hoy Ratrema sady nisento izy. " Iza re no olona mba afaka manampy antsika eh? Sady nandalo niserana tampoka tao antsainy ny endrik'i Corine.
" An, an, an" hoy izy niteny irery tany anatiny. " Afo nandoro ny lambako iny ramatoa iny ka tsy itanitaniako intsony kah". Toa mbola mangorintsina foana ny tenany iray manontolo nieritreritra an'iny indray andro iny.....Raha mbola lasa saina samy irery teo ingahy Ratrema no henony i Malala nitodika moramora tany aminy:
- " Ahoana ny eritreritrao Ratrema raha mba anontaniana i Mahefa sao dia afaka manampy?"
- " I Mahefa???? Tsy hahamenatra ve izany?" hoy i Ratrema somary nihaotraotra loha.
- " Mahamenatra tokoa aloha " Hoy ny navalin'ity vadiny " saingy andohalika ity ny ranom-bary Ratrema ka tsy hitako hoe ..."
- " Eny e!, marina ny teninao" hoy i Ratrema tsy namela an'i Malala hanohy ny resany.
- " Ka ahoana izany ny fomba hiresahana aminy, ohatran'ny sadaikatra ihany aho mantsy " hoy ihany Ratrema. " Efa tena betsaka izay zavatra nataony hoantsika izay ka tsy ohatran'ny hoe manararaotra ny fahatsorany ve isika?"
- " Ka misy hevitra hitanao ary ve?" hoy i Malala
- " Tena mbola eo ampandinihina an'izay mihitsy anie aho tamin'ianao nampitsidika ny momba an'i Mahefa teo eh!"
- " Izao no anaovana azy Ratrema, aleo aloha hiresaka amin'i Alexia aho dia hitako eo izay heviny sa tsy mazoto amin'izay ianao?" Hoy ihany i Malala.

Sento fotsiny no navaliny ny fanontanian'ny vadiny. Tsy tantin'ny sainy ny mieritreritra fa voatery hampiditra an'i Alexia amin'izao fahasahiranana mianjady amin'izy mianankavy izao izy.
- " Izaho moa mbola tsy nahita hevitra hafa fa aleo izany andramana izay eritreritrao izao dia ho hita eo ny tohiny" hoy i Ratrema nony avy eo nanaiky tsy fidiny ity soso-kevitry ny vadiny.
- " Ny mahavariana ahy amin'ny fiainana ry Malala" hoy ihany Ratrema tsy naharitra " dia ohatran'ny hoe miara tonga na indraindray manao tohivakana izany ny olana rehefa hitranga amin'ny fiainana sa ianao tsy mba mahatsikaritra an'izany?"
- " Tsy misy an'izany re Ratrema fa mba fifanandrifian-javatra fotsiny ny antsika ity indray mitoraka ity."
Tsy namaly ingahy Ratrema fa ny masony no nankipiny moramora hiezaka hiala sasatra kely mialoha ny sakafo hariva"...

Ny ampitso maraina tany ampiasan'ingahy Ratrema:
- Namory anareo tompon'andraikitra tampotampoka aho" hoy ingahy Tale." misy fanapahan-kevitra lehibe izay tsy maintsy noraisiko ka tsy maintsy ampahafantariko anareo. Mandalo olana arabola ny orinasan-tsika amin'izao fotoana izao. Mbola eo ampitadiavana vaha olana izahay mivady ankehitriny. Na izany aza anefa rehefa nandinika akaiky ny toe-bolantsika aho dia voatery tsy maintsy hanao fanamboarana eo amin'ny lafiny fandaniana."

Niherikerika toa nifampanontany tena ireo izay nanatrika an'ingahy Ratrema teo.
- " Tonga dia tsoriko ny resaka" hoy izy nanohy " fa ny dingana voalohany ataontsika dia ny famindrana ny biraontsika any amin'ny toerana moramora aloha mandra pa. Ny faharoa, tsy maintsy hampihena ny isan'ny mpiasa ihany koa isika"
Tsy tana intsony teo fa somary nihoraka ny tsirairay.
- "Ka iza izany no handeha ry ingahy Tale?" hoy ny iray tamin'ireo nivory teo tsy naharitra fa nitsatsaingoka.
- " Milamina tsara aloha ianareo" hoy ingahy Ratrema " fa ireo olona eo ambany fiadidinareo no voatery tsy maintsy hanesorana, samy mandinika ny sampan-draharaha iandraiketany avy any aloha izany ianareo anio sy rahampitso dia miverina mihaona tsirairay amiko indray rehefa avy eo handinihantsika azy akaiky."

Nangina ny tao amin'ny efitrano nivoriana. Samy lasa saina avokoa izay nanatrika.
- " Izay no izy ry zareo " hoy Ratrema tsy te hitazona ela ireo mpiasany " fa dia samy mahazo mamonjy ny asany amin'izay.

Mafy tamin'i Ratrema iny fihaonana tsy maintsy nataony teo iny saingy izay no heveriny fa vaha olana akaiky indrindra mba tsy hampitombo ny trosan'olona efa mihamavesatra andro aman'alina ao ambabeny.

Teny Ivandry nandritra izay fotoana izay:

- " Fa maninona aky no izao ianareo vao mba miantso" hoy i Malala tamin'i Alexia " Izaho aty tena efa mitaintaina mihitsy"
- " Ka tsy izany anie ry neny fa tena sahirana be izahay dia izay no tsy nahafahana eh?"
- " Vita ve ny fandidiana an'i Hery?
- " Vita soamatsara ry Neny ah. Io matory eo akaikiko io izy. I Dr Mihary no niandry azy taty tamin'ny alina..... fa ilazako zavatra i neny?"
- " Zavatra inona?" hoy i Malala somary taitra.
- " Tsy mampino anao mihitsy ity anakiray ity eh!"
Nangilantsofina tsara i Malala sady niezaka naminaviana izay resaka hoentin'ity zanany.
- " Mbola ao ve i Neny?" hoy i Alexia naka toky fa toa tsy henony tampoka ny feon'i Malala.
- "Mbola ato aky aho fa inona aloha izany zavatra tian-dry ho lazaina ahy izany eh"
- " Mino ve i neny raha ilazako hoe hanambady an'i Dada hono i Dr Mihary?
- " Ahoana tsara hoe aky?" hoy i Malala te haheno indray an'i Alexia hanamafy ny zavatra nolazainy.
- " Efa izay nolazaiko teo izay kah, hay hono efa niaraka tany Etazonia tany i Dada sy Dr mihary taloha ela be saingy tapaka ny fifandraisana avy eo dia izao nampihaonin'ny kisendrasendra izao indray ry zareo. Miramirana be foana izy ato"
- " Mba lalina retsy izany fandehan'izany. Tsy noheritrerentiko mihitsy. Hanao ahoana ny fahenon'i Papan-dry an'izany vaovao izany."
- " Fa izao Alexia ah, ...indry irery angaha no ao?" hoy i Malala nanohy ny teniny. " Misy fiangaviana mba tinay mivady atao amin-dry ity. I Mahefa moa no tena iantefan'izy ity fa indry izany no mba hampita azy any amin'i Mahefa"
" Fiangaviana ohatran'ny ahoana ary izany " hoy i Alexia niteny anakampo sady nitopy kely nijery tany amin'i Hery ny masony.
Nitsangana namonjy teo ankaikin'ilay varavaran-kely mahatazana any ivelany izy nony avy eo sady nanontany.
- " Fa misy inona ry neny?" hoy izy tamin'i Malala.
Dia nanomboka nanazava ny fandehan'ny olana mianjady amin'izy mianakavy teo i Malala. Ontsa dia ontsa ny fon'i Alexia mieritreritra ny olana mahazo ity fianankaviany.
- " Tsy fantatro ny toe-bolan'i dada aty" hoy izy tamin'i Malala "fa aleo aloha ary ho resahiko izy rahariva dia miantso anareo aho rahampitso maraina manome ny valiny."
- " Eny ary aky ry Alexia fa miandry izahay an" hoy Malala nanambitamby an'ity zanany dia nifaranan'izy mianaka teo ny resaka.

Tadio ([email protected])

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype