Tadiom-pitiavana

« Pejy 77 | Main | Pejy 79 »

Pejy 78
2006/09/06,00:29
Ny  nahavitan'ny fandroan'izy roa no ela dia indro i Ratrema sy Malala nanao dia maika namonjy ny efitrano fandriana. Nakaton'i Ratrema haingana ny varavarana dia iny koa izy no nanala ny akanjo lava miloko ran'ombalahy  mivolombolona servieta malefaka teny aminy hamonjy an' Malala izay efa tafatsofoka tao anatin'ilay lamba fotsy malefaka nandrakotra ny fandrinan'izy roa.
- " Avy haingana aky chéri fa mangatsiaka be aho" hoy i Malala tamin'ny feo miangoty. " Sady ampio kely an'itsy lamba firakotra matevina itsy aloha vetivety"
Tsy namaly Ratrema fa ny fihetsiny nandray ilay lamba teo antongom-pandriana izay narakotrany ny velaran'ny fandrianan'izy roa no nanehoany fa voarainy tsara ny fangatahan'ity vadiny. Namonjy niditra tao anaty lamba amin'izay izy nony avy eo sady nitankisinkisina nakeo akaikin'i Malala.
Nihodina nihorinana i Malala hifanatrika tamin'ny vadiny sady nanomboka nanafosafo ny lamosiny.
- " Manina  be an'ilay nanaovanao ahy tany Paris talohan'ny niverenanao taty Madagasikara  iny aho " hoy i Malala somary nibitsibitsika moramora amin'ity andefomandriny.
- " Izaho koa anie tena manina anao mafy" hoy i Ratrema sady nampanatonony moramora hifanohoka tamin'ny molony ny molotry ny vadiny.
- " Tsapako fa tena mila anao eo anilako eo foana aho ry Malala" hoy i Ratrema nanohy ny teniny rehefa somary nihataka kely izy nony avy eo. Niserana tampoka tao antsainy anefa tamin'izay segondra izay ny endriky i Corine izay noheveriny fa mba afaka hanampy azy sy ny orinasany amin'izao olana mianjady aminy izao. Henony nihorona tampoka ny hodi-dohany nahatsiaro ilay fotoana niarahan'izy sy Corine farany sy ny nahatratraran'ny vadin'i Corine azy ireo tao  ampiasany. Tsy te hiheritreritra iny fotoana iny ny saina aman'eritreriny saingy henony fa toa nibosesika tao aminy ny faniriana te hilaza amin'i Malala ny fandehan'ny toe-java-misy izay tsy maintsy mbola ho vahany.
- " Malala ah!" hoy i Ratrema somary niahotra kely niantso ambadiny tamin'ny feo somary farimparina.
- " Ahoana chéri!" hoy i Malala somary nitsiky sady nitohy nanafosafo ny sandrin'ny vadiny ihany.
- " Tena misy zavatra tena manahirana ny lohako mafy mba tiako ho zaraina aminao ity " hoy i Ratrema tapakevitra ny hamaky resaka ny amin'ny olana mianjady aminy.
- " Resaho fa mihaino anao tsara aho Ratrema ah " hoy i Malala sady somary nihataka kely izy ahafahany tena mijery tsara an-dRatrema izay somary namonjy natory mihorirana ihany koa hiresaka aminy. 
Dia nanomboka nitantara ny fandehan'ny olana rehetra tamin'ny vadiny teo i Ratrema. Saika voalazany avokoa izay tokony ho tenenina afatsy ilay fotoana nahatratraran'ny vadin'i Corine azy tao ampiasana ihany sisa...

- " De ho votsitra ve izany ity tranontsika ity Ratrema? " hoy i Malala nony avy eo. Hita ho tena very hevitra tampoka teo.
- " Raha ny tena marina aloha" hoy i Ratrema namaly " dia izay tokoa no tena izy saingy  rehefa tena nisaintsaina lalina ny fandehan'izy ity aho dia ohatran'ny te hanolotra an'izao soson-kevitra izao an'ilay rangahy nampindram-bola antsika, sao dia mba mety ihany izy?"
- " Hoe ahoana?" hoy i Malala liana dia liana fatratra ny amin'izay hevitra hitan'ity vadiny.
- " Nieritreritra aho" hoy i Ratrema " hoe maninona moa raha resahina ilay rangahy iny raha vonona ny ho mpiombon'antoka amintsika ao amin'ny orinasa? Izany hoe lasa mampiasa vola ao amintsika izany izy, sa ve tsy mety izany eritreritro izany?" hoy ihany Ratrema sady nifantoka teny amin'ny tarehan'i Malala ny fijeriny miandry fatratra izay mety ho hevitry ity farany.
Nangina tanteraka aloha ny efitrano nisy azy roa nandritra ny segondra vitsivitsy. Tsy nampoizin'i Malala ary tsy noheritrerentiny mihitsy tokoa matnsy izay vaha olana hitan'i Ratrema izay. Ny fanontaniana nibahana tao antsainy anefa nony avy eo dia ny hoe hanaiky an'izany tolon-kevitra izany tokoa ve ilay rangahy.
- " Dia ahoana raha tsy mety izy," hoy i Malala toa te hanontany raha efa misy hevitra hafa hitan'i Ratrema raha mandamoka io hevitra voalohany hitany io.
- " Raha tsy mety moa izy izany dia lasany ny trano" hoy i Ratrema sady nisento kely izy niheritreritra ny zavatra mety hiseho.
- " Tena tsy foiko mihitsy ity trano ity ry Malala. Be ny zavatra raketin'izy ity" hoy i Ratrema " fa tsy maintsy mitady fomba hafa aho hamerenana ny volan'olona"
- " ...Dia rahoviana izany ianao no mieritreritra ny hiresaka amin'ilay olona?"
- " Hitanao mety ihany ve anefa izany hevitro hanasa azy hampiasa vola amin'ny orinasantsika izany?"
- " Ohatran'ny tsy hitako hoe misy hevitra hafa firy intsony aloha" hoy i Malala sady naka toerana tsara izy. " Enga anie mba hanaiky fotsiny izy fa raha tsy izany de asa fotsiny izay hanjo antsika..."
- " Tsy manana safidy tokoa aho ry Malala fa aleo andramana aloha sao dia mba manaiky ihany izy fa tena efa andohalika ity ranombary ity" hoy i Ratrema.
Afaka tanteraka ny fanirian'izy roa ny hiray aranofo teo fa ny olana mianjady amin'ny fianany no toa lasa samy nibahana tao antsain'izy ireo.
- " Andao izany aloha hatory" hoy i Malala " Fa ataovy izay fomba hihaonanao haingana amin'ilay rangahy io. Iza tsara moa no anarany?" hoy ihany Malala nanohy sady niverina nitsilany hiatrika ny torimasony io alina io.
- " Tsy tadidiko ilay tena anarany feno" hoy i Ratrema fa ingahy  Ramanana no tena ahafantarako azy"
- " Antsoy izy izany " hoy i Malala " dia hohitantsika eo indray izay tohiny fa aza be eritreritra aloha fa ndao hatory amin'izay" sady novonjeny notakarina ilay famonoana jiro tsy dia lavitra ny andoha fandrianany teo.
- " f'angaha tsy hoe mbola haka tsirony amiko eto ambony fandriana ianao izao" hoy i Ratrema somary nanatsafa kely an'i Malala.
- " An, an, an!" hoy i Malala tsy niherika tany amin'i Ratrema akory. " Ohatran'ny tapaka tanteraka mihitsy ilay fahazotoako teo. " Rahampitso indray !" sady nakimpiny moramora ny masony niezaka nitady torimaso. Tsy namaly i Ratrema fa ny tanambadiny fotsiny no noraisiny moramora dia norohany sady hoy izy hoe"
- " Matoria tsara ary izany vadiko izany" dia iny koa izy no niezaka nitady torimaso iny alina iny.

Ny ampitso maraina...
Vao maraina i Mihary dia indro namikiviky nandeha tany ampiasan'i Tahiana araka ny fotoana efa nifanomezan'izy mirahavavy mianaka tamin'ny antso io maraina io ihany.
- " Manao ahoana aky izy ao?" hoy i Tahiana nanontany ny toe-pahasalaman'i Hery rehefa vita ny fifampiarahaban'izy mianaka.
- " Efa miresaka be mihitsy izy ao fa dia izy mbola mila didina haingana io no tena tsy mampandry ny saiko." hoy i Mihary. " Niresaka tamin'i Alexia" moa izy omaly araka ireny efa noteneniko anao anikeo ireny dia tena ohatran'ny velombelom-bolo izany ihany koa izy eh.
- " Gaga andry ity mihitsy aho ry Mihary!" hoy i Tahiana nony avy eo nanohy ny resaka. " Dia  tena tapakevitra ny handeha hanatritra azy any Frantsa tokoa ve ity indry ity?"
- " Efa matotra be ny hevitro ny amin'iny ry nenitoa fa dia ny hikarakara ny taratasy rehetra izany izao aloha no imasoako."
- " Indry aloha dia nandova tanteraka ny toetran'-drenin-dry e. Mahavita manao zavatra tsy azo eritrerentina mialoha mihitsy...  Eny e!, tsy dia misy maharatsy an'izay ihany koa aloha." Hoy i Tahiana.
- " Izay ve no fahitanao ahy?" hoy i Mihary somary gaga amin'izao fanamarihana nataon'ity nenintoany.
- " Mba resaka fotsiny koa aky ny ahy iny fa ndao amin'izay isika handeha, efa nomen'i Hery andry ve ny fanalahidin'ny tranony?"
- " Ity antanako ity" hoy i Mihary sady natolony an'i Tahiana moramora ilay lakile.
Nivoaka ny toeram-piasan'i Tahiana izy ireo dia nanakana ilay fiarakaretsaka sendra nandalo teo.

Tsy ela taorian'izay dia nigadona teo amin'ny varavaran'ny tranon'i Hery i Mihary sy Tahiana. Vao tafiditra tao anatiny.
- " Vohay haingana aloha ny varavaran-kely hidiran'ny rivotra madio" hoy i Tahiana sady nanodro ny toerana tokony haleha tamin'i Mihary " Ohatran'ny mitady hisy fofona lao sahady izy izany ah."
Niserana kely tao antsain'i Tahiana ny fotoana nandalovany tao amin'ity trano ity. Nitsiky kely fotsiny izy tany anatiny tany nahatsiaro ny tsirom-pahasambarana niainany niaraka tamin'i Hery tao. Efa tantara fotsiny tokoa moa ireny hoy izy tany anatiny tany.
Vetivety dia hitan'i Tahiana sy Mihary ny zavatra notadiaviny dia indro izy roa vavy mianaka fa namikiviky namonjy ny hopitaly mba hanaovan'i Hery sonia ny seky tsy mbola misy tarehim-bola hoentina hividianana ny tapakilany sy ireo taratasy ho fenona maro isankarazany. Izay no ela dia lasa izy roavavy namonjy ny biraon'ny zotra an'habakabaka teo Analakely sady nikarakara ny fahazon-dalana mivoaka hoany Frantsa.

Tany amin'ny hopitaly nandritra izay fotoana izay...
- " Mbola tsara vintana lesy ialahy ry Hery tsy vita tanteraka tamin'iny loza iny fa saiky ratsy anie iny e" hoy i Fano mipetraka tamin'ny seza tsy dia lavitra ny fandriana nisy an'i Hery
- " Mbola tsy afaka misioka aho aloha aho izao ry Fano" hoy i Hery " fa mbola tsy tafavoaka ny ala! Mbola ho didina anie aho, ary raha sanatria moa ka misy ny tsy fihetezan-javatra dia ..." sady toa tsy te hiheritreritra an'ity zavatra saika holazainy loatra i Hery.
- " Marina ny tenin'ialahy" hoy i Fano toa nahatsiaro diso nampitsidika an'izay resaka izay. Fa izao lesy eh. Misy vaovao ity. Tapaka ny hevitro fa hifamatotra amin'i Tahiana aho an."
- " Marina tokoa ve izany?" hoy i Hery somary niarina kely teo amin'ny fandrianany.
- " Tena resaka matotra izany ry Hery ary efa hevitra tapakay roa"
- " An, an, an. Tsara izany ry " Da'toa," hoy i Hery somary nitsiky kely " Tena mankasitraka an'izany fanapahan-kevitrareo roa izany aho. Dia rahoviana no hatao ny raharaha? Aleo mihitsy mba rehefa tavaferina aho vao atao, sa ahoana?"
- " Ialahy indray ve lesy no hatao diso anjara amin'izany" hoy i Fano miramirana naheno ilay teny feno fanantenana navalin'i Hery azy teo.
- " Avadiko kely indray aloha ny tafa, fa ahoana lesy izany ialahy niresaka tamin'i Alexia omaly alina izany?  Manao ahoana izy any izay?"
Niontana kely ny fon'i Hery naheno ny anaran'i Alexia voantonona. Tsapany ho mitondra herinaratra mampangoritsina ny tenany iray manontolo mihitsy ny feo avoakan'ny fanononana ny anaran'ilay olontiany io.
- " Ohatran'ny nanonofy aho ry Fano a!" hoy i Hery feno fientanam-po. Tena tsy nampoiziko ilay izy ary ohatran'ny nitondra fahavitrihana tampoka ho ahy teo mihitsy ny naheno ny feony. Tiako izy iny e. Be izay vehivavy nandalo tamin'ny fiainako izay fa tsy misy mahasolo ny toerany...tsy andriny mihitsy hono ny hahitana ahy?"
- " Ary ialahy kah!" hoy i Fano nitsatsaingoka.
- " Izany ve moa ho hita ho lazaina intsony fa dia efa tena dondona mihitsy aho ny handeha amin'ny Alahady."
- " Vaovao tsara izany" hoy i Fano. " Apetraho amiko daholo fotsiny ny momba momba ny tranon'ialahy aty fa izaho no mikarakra azy amin'ny fotoana tsy maha eto an'ialahy.
- " Misaotra Da'toa ah!" hoy i Hery mody tsy naka sarotra.
- " Ohatran'ny tsy mahazatra ahy lesy ilay antsoin'ialahy hoe Da'toa, Da'toa izany fa aleo hifampiantso amin'i anarana ohatran'ny teo aloha fotsiny ihany kah!"
- " Ka ianareo anie izany efa hampaka-bady atsy ho atsy ka tsy aleo ve mba omena an'izay anaram-boninahitra izay sa ...?
- " Leity koa letsy!... " hoy i Fano sady nitsangana moramora teo amin'ny seza nipetrahany izy nandeha namonjy naka an'ilay gazety nipetraka teo ambony latabatra tsy lavitra teo.
- " Marina izany Da'toa, ndray, Fano mantsy eh!" hoy i Hery sady nampiakariny moramora tao amin'ny hatony ny tanany anakiroa toa ireny olona maka bahana hieritreritra ireny.
Nony hariva tao amin'ny hopitaly,...
- " Vita daholo ny fanomanana ry Hery fa vonona ny handeha isika" hoy i Mihary nientanentana nilaza ity vaovao.
- " Misaotra betsaka Mihary an. Manana havana tokoa aho manana anareo telo mianadahy mianaka mikarakara ahy kah. Tsy ho voavaliko mihitsy fa dia Andriamanitra hamaly soa dia mba samy ho tojo izay irian'ny fony daholo ianareo rehetra.
- " Tsy misy fisaorana ry Hery " hoy i Tahiana fa sitrana haingana ianao dia modia haingana koa sa hijanona any? Sady nitsiky  kely ny anao vavy?
- " Tsy fantatro izay ho fandehany any " hoy i Hery " fa dia izay hahasalama ahy aloha izany no atao dia eo indray isika mahita izy hoy i Jaojoby."
Nihomehy kely izy telo mianadahy nihaino an'i Hery teo.
- " Ary ianao izany anie lasa ohatran'ny be vazivazy ry Hery e" hoy i Tahiana tsy naharitra.
- " An, an, an. Tsy misy resaka vazivazy mihtisy izany resako izany" hoy i Hery fa resaka tena matotra be ohatran'ny anareo sy Da'toa Fano." Vao maika toran'ny hehy nikakaka i Tahiana sy Mihary naheno an'ilay hoe Da'toa Fano.
- " F'angaha efa fantatrao?" hoy i Tahiana tamin'i Hery.
- " Aza atao mandritra ny fotoana tsy maha eo ahy fotsiny ny mba fangatahako" hoy i Hery toa tsy namaly ny fanontaniana niantefa tany aminy.
- " Ianao angady nanana sy vy nahitana indray ve" hoy i Mihary no ho hadinoin-dry zareo amin'izany fa sitrana haingana fotsiny ianao hidiran'izy roa amin'ny lalindalina."
- " Izay mihitsy !" hoy i Tahiana. I Fano moa amin'io fotoana io ohatran'ny sadaikatra dia sadaikatra tsy nahita ho tenenina firy izany fa dia nanaraka izay onjan'ny fandehan'ny resaka fotsiny teo.
Tany amin'ny biraon'i Ratrema ny tolakandro io...
- " Izay ilay izy ry ingahy Ramanana araka an'ireny resan-tsika mirahalahy anikeo maraina ireny. Ahoana ny fanapahan-kevitrareo mivady?" hoy i Ratrema liana fatratra ny amin'izay valin-teny entin'ity olona manambola aminy.
- " Raharaha sarotra izy ity ry ingahy Ratrema ka aleo aloha hifampidinika amin'ireo zanako koa aho izao hariva izao dia mba mihaona indray isika mirahalahy rahampitso" hoy i Ramanana hita ho misalasala amin'ilay tolotra nomena azy.

 

 

Mbola hitohy.

Tadio ([email protected])

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype