Tadiom-pitiavana

« Pejy 54 | Main | Pejy 56 »

Pejy 55
2006/06/11,23:14

  Vao vita ny asan'i Mahefa dia ny hamonjy ny tranony no nahamay azy indrindra. Naleony aloha tsy nifampiantso an-telefaona intsony ambara-pahatongany any aminy.   Ahoana ary hoy izy niasa sainy mafy no ahafantaran’i Alexia an' izany, izahay sy Malala anefa nifanaraka tsara fa mbola tsy amin’izao fotoana izao no hilazana izany aminy, sa i Ratrema ve no tsy mahazo resaka?
Raha fantatr’i Alexia ve izany tsy izaho aloha no nantsoiny voalohany, marina fa mety hampikorontana ny sainy ny tampoka ny fahafantarany fa izaho no tena rainy, nefa dia ho sahin’i Malala ve ny hanao izany?
Atao ahoana, mila raharaha mihitsy letsy ialahy ity ry Mahefa! Hoy ihany izy nanohy anakampo.

Misy zavatra marobe mbola tsy mazava amiko hatramin’izao ny tantaran’ity fianakaviana ity? Fa inona marina no tena olana?
Tamin’izaho tany Antananarivo mantsy, ilay nifankahita voalohany tamin’i Malala, dia ahoana ary no tonga dia nahasahiany tonga dia niray tamiko nefa izy aza tsy mahafantatra ahy akory. Izy anefa olona manambady izao. Mety tena nisy olana mihitsy izany teo amin’ny fiainan-tokantranony. Tsy mifanaraka ve izy sy Ratrema? Fifanandrifian-javatra koa tsy nisy tahaka iny. Marina mafy.

Na hanontany fahazato sy arivo aza aho ny amin’izay fiainan’izy rehetra, dia tsy maintsy hisy foana ny marina tsy fambara, nefa tokony ho fantatro.
Dia ahoana koa ilay silipo tavela tao an-dakoziako indray mandeha iry? inona koa no nitranga tamin’iny. Asa mihitsy, fa olona tahaka ny inona marina ity Malala ity e! Ny toetrany aloha dia mifanipaka amin’i Vololona, ny vatana sy ny endrika no maro ifandraisana, fa ny fomba fisainany, na ny toetrany dia tena mifangarika be mihitsy ary izay no mahatonga ahy tsy hihevitra ny hiray aminy intsony. Izy aloha dia ahatsiarovako an’i Vololona mihitsy e. Ampy ho ahy koa anefa i Alexia.

Misy zavatra tsy mazava amiko mihitsy e. Ohatran'ny hoe noterena an-kolaka izany i Malala handeha aty hanampy sy hikarakara an’i Alexia. Marina fa zanany saingy tsy naterany, fa na dia izany aza anefa, izy no efa solon-dreniny. An an ! tena tsy hiditra amin’i Malala intsony aho kah. Izy raha teo koa moa vadin’olona! sshhh aleo ho any fa manahirana. Hoy ihany i Mahefa miresaka amin'ny tenany  sady ny niha nanakaiky ny tranony rahateo koa ny diany.

Vao tafiditra ny tokontany i Mehefa dia najanony teo ivelany ny fiarany. Vao teo an-dalantsara izy dia tsinjony i Malala sady mitrotro an'i Cynthia no  misonanina tsara ery eo ambony seza lava mijery fahitalavitra.

- "Ahoana Malala, nanao ahoana ianareo rehetra tato izay?"
- "Tsara daholo ka, fa ahoana ? tsy nisy naninona mihitsy izahay."

Gagagaga i Mahefa, fa misy inona ary ato an-trano? Hoy izy sady somary niherikerika nijery ny manodidina azy izy. Te-hitantara mafy amin’i Malala izy ny amin’izay resaka nataony tamin-dRatrema fa toa niahotra kely aloha.

- "Ary i Alexia izay moa aiza izao?"
- "Ao amin’ny efitranony ao izy ka, mety matory angamba, fa efa elaela izy izay tsy nidina."
- "Fa misy inona?"

Tsy niteny aloha i Mahefa, nifampijery fotsiny izy sy Malala.

- "Aleo aho aloha ho any aminy e!"

Dia gaga i Mahefa fa toa tsy nahoan’i Malala akory ny resany, tahaka ny tsy mahalala zavatra mihitsy ny anao vavy. Fa misy inona ary? Hoy izy vao maika sahiran-tsaina sady namonjy niakatra ny tohatra nankany ambony rihana.
Nodondominy mora aloha ny varavarana, tsy nisy namaly, dia nosokafany fa tsy nihidy. Io Alexia matory eo ambony fandriana. Nanatona izy hijery raha matory marina tokoa. Hay, indro ity "zanany" mipitrapitra fotsiny tsy miteny tsy mivolana fa toa lasa saina lalina. Ny masony bongon’ny ranomaso sady mifariparitra mena. Somary nitodika niakatra izy raha nahita an’i Mahefa, dia niarina nefa nanondrika ny lohany teo ambony lohaliny indray.

- "Alexia," hoy i Mahefa, "maninona ianao anaka?"

Tsy namaly aloha i Alexia fa toa nisento lalina vao nanokatra ny vavany.

- "Mavesatra amiko loatra, mila tsy ho zakako intsony ny fiainako," hoy izy tamin’ny feo vizana dia vizan’ny toloko.
- "Alexia an ! izaho eto afaka hanampy anao hanamaivana izany. Mba tantarao amiko izay manahirana anao e!" Sady namonjy nipetraka teo ambony fandriana koa i Mahefa namihina ity zanany teo amin’ny sorony roa.
-Raha mba teto mantsy Papa dia nitony kokoa ny foko, izy hatrany no manana teny hentitra hamahana izao olako izao. Raha mba nihaino azy aho hatramin’ny voalohany dia mety tsy nandalo izao lanja mampianjera ahy izao. Tena izao fao tena tsapàko ny dikan’ilay teny hoe  « ny ana-dRay aman-Dreny toy ny tsipak’ombalahy, ka raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina».
Mahefa an! hoy i Alexia, iza no olona afaka hanampy ahy? sady nibanjna vetivety ny mason’ity "rainy" izay tsy fantany akory izy.
- "Aza manao izany ianao ry Alexia an! nifampiantso teo izahay sy Ingahy Ratrema ny amin’ny olanao, izay no antony nahatongavako aloha. Tantarao e! Inona avy izany marina fantatrao rehetra izany, naniraka ahy mantsy ny rainao fa tsy mitombin-tsaina mihitsy izy any Antananarivo, tonga dia izaho no nametrahany ny hafatra hiresaka mivantana aminao!
- "Nitady ny marina aho, dia nahita tokoa, kanjo ilay marina fantatro toa tsy ho zakako akory ny mibaby azy, nefa tsy azoko alana ato an-damosiko intsony. Nahoana re no mianjady amiko izao rehetra izao e!"
- "Alexia an ! avia horohako izany zanako izany," sady nalefany teo amin’ny takolany ny molony!

Izay, oroka vetivety izay dia tsapan’i Alexia nandalo teo amin’ny takolany toa nanambara fitiavana taminy. Hafanana vetivety, toa nampitraka azy koa.
Nifampijery maharitra izy mianaka. Tsy nifampiteny fa toa nifampita hafatra, nefa hay hafatra tsy nifankahazo.
I Mahefa nihevitra fa efa fantatr’ity zanany fa izy no rainy, I Alexia kosa indray toa nihevitra fa ilay fitiavana nitsiry ao aminy hoan'i Mahefa iny nohamafisin'ny oroka teo amin'ny takolany teo iny. Nampanantonin’i Alexia mora tamin’ny molotr’i Mahefa ny azy, nakimpiny ny masony sady nalefany tsimoramora ihany.
Niala tampoka nefa i Mahefa, tsy sahy niteny, nivarahontsana amin’ity nitranga. Vao nisokatra ny mason’i Alexia tsy nahazo izay notadiaviny, dia nifampijery indray izy mianaka.
- "Mahefa an! fa maninona e? sady notazominy ny ny takolak’ity lehilahy hanorohany indray ny molony.
-An, an! Aoka ry alexia, tsy sahiko ny hanao izao, tsy mety amintsika.
Somary kivy ny anao vavy, ny tanany efa mamihina tsara ny saokan’i Mahefa, somary natosiny hitsilany ity «rainy» sady noteneniny hoe:
- "Ianao ihany no fantatro fa afaka hanaisotra izao vesatra mila hampitolefika ahy izao; Fantatrao tsara fa mitoky fitiavana aminao aho ary ny fanomezanao ny fitiavanao ho ahy fotsiny dia ampy hanala ny adin-tsaiko. Mahefa an ! aza asiana sakana ny fiarahantsika." Sady niezaka mafy ny hanoroka an’i Mahefa ihany i Alexia. Niezaka mafy haingana araka izay azony hatao hanala an’i Alexia teo amboniny anefa i Mahefa. Nitontona tery ambony fandriana ity zanany vavy. Tsy hitan’i Mahefa zay natao. Niarina izy, toa tsy tantiny indray ny nahita an’i Alexia manomboka nifokofoko mafy mila hitomany.
- "Alexia an! tsy fantatrao tokoa ny marina!
- " An, an ry Mahefa an! ny marina dia izao, menatra ny amiko ianao nefa tianao tokoa aho fa afeninao. Tsy sahinao aseho na amin’iza na iza, eny na dia aminao ihany aza!"
- " An, an, tena diso hevitra ianao ry Alexia an ! tsy afaka hanao izany aho" sady nigogogogo nitomany koa i Mahefa. Nandalo tao an-tsainy ny mafy niainan’izy sy Vololona tamin’ny fisarahana tampoka efa ho roapolo taona lasa izay.
- "Tsy afaka manao izany aho satria ny marina tokony ho fantatrao dia izao " IZAHO NO RAY NITERAKA ANAO,"  hoy ihany Mahefa sady nidradradradra nitomany izy.
 
- " RAY NITERAKA AHY, RAY niteraka ahy, izany ve ??? ray niteraka ahy……………"

Nihodina tamin’i Alexia ny tany aman-danitra ; toa nivalombalona teo anoloany izay sary rehetra mba hitany, tsy tantiny intsony fa nidaboka teo ambony fandriana indray izy dia tsy nahatsiaro tena intsony.

Tamin’izay, nisokatra ny varavarana, iny i Malala niditra sady nahare izay notenenin’i Mahefa farany. Taitra izy nahita an’i Alexia fanina sy nidaraboka teo ambony fandriana. I Mahefa latsa-dranomaso toa tsy nahita hatao amin’ity zanany.
Very hevitra i Malala. Efa fantany fa na ho ela na ho aingana dia hiboraka ny marina, nefa ny fiantraikany no tsy nampoiziny mihitsy.

- "Mahefa an! aza variana mitoloko eo ity ianao e! safotra ange i Alexia e! Jereo ity izy! " Sady nokosokosehiny ihany ny tanan’i Alexia rehefa avy nareniny teo ambony fandriana.
- "Mety tsara izao ataonao izao, tsy maintsy maka rivotra madio tsara izy aloha. Aleo voahaina ny varavaran-kely. Nefa tsy mety, ririnina mamirifiry izao, tsy azo atao mihitsy. Tohizo ihany aloha izao ataonao izao fa haka fitsofan-drivotra any ambany aho mba hampivoivoy tsara ny ato anaty efitra."
Vetivety dia niverina izy, natsatony haingana tamin'ny herin'aratra dia nalefany. Novelombelomina teo i Alexia. Nakàna ranomanitra notohofana teo amin’ny orony. I Malala koa moa tamin’io taitra tampoka tamin’ilay nitranga teo, ka toa fanimpanina izany. Mbola naharin-tena tsara ihany aza anefa izy na dia izany aza. Rehefa hitany fa eo am-pelatanan’i Mahefa tsara ity zanany dia lasa naka toerana aloha izy. Izy eo ampipetrahana eo no tsinjony ny fidainy. Tonga dia ny hiantso an-dRatrema avy hatrany no nandalo tao an-tsainy voalohany.

Izy ndeha hanindry ny larahan'ingahy Ratrema iny anefa no tsaroany fa hay moa  any ambany rihana ny poketrany misy ny laharana tiany antsoana. Nitsangana izy nidina tany ambany haka azy. Asa anefa na dia nanao ahoana fa ny  laharan’ny fidain'i Hery no sendra azy. Tapa-pevitra tampoka teo izy fa hiantso an’i Hery, dia notsindriany ilay laharana ary dia nantsoiny.
Tafiditra ny antsony saingy indrisy fa « Ce numéro n’est plus en service,  Efa tsy miasa intsony tompoko io laharana io.» no feo henony tao sady niverimberina foana toa nandreraka ny sofiny. Tsy hitan’i Malala izay natao, toa manampy trotraka azy koa ilay hafatra vao henony teo. Naninona i Hery hoy izy nanomboka niasa saina mafy. Nidina tampoka ny tosi-drany, nihafanina izy ary tsy ela taorian'izay dia nidaraboka tamin’ny tany ka nanjera ilay vazy tsara tarehy tsy lavitra azy teo. Taitra i Mahefa tany ambony rihana naheno ilay dobodoboka tany ambany rihana. Nihazakazaka izy nivoaka ny efitra nisy an'i Alexia sady namonjy nidina. Fa dia inona loatra ary ity miseho androany ity hoy izy aneritreritra sady niezaka nanarina an'i Malala.

Tadiom-pitiavana ([email protected])

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype