Teny andalana hody i Tojo sy Alexia,..
- " Fa inona marina no tena mahatonga anao te hianatra ao amin'ity American Univerity of Paris, ity ry Alexia?" hoy i Tojo somary nitopy kely tany amin'ny Alexia ny masony.
- " Te hanohy fianarana any Etazonia aho ry Tojo indray andro any ah. Izay no mba tena nofinofiko hatrizay na dia tsy mbola nolazaiko na tamin'iza na tamin'iza aza."
- " Miheritreritra ny handeha lavitra mihitsy anie ianao izany e, dia ahoana izany aho?" hoy i Tojo nananihany sady toa nitsapa izay mety ho fihetseham-pon'i Alexia?
- " Ahoana amin'ny ahoana?... Tsy azoko?" hoy i Alexia gaga toa tsy nanampo fanontaniana sangy zary tenan'ity tovolahy nitondra ny fiara teo anilany.
- " An, an, an, mba manala aminao fotsiny aho fa tsy maninona akory kah. Izaho anie be sangisangy ry Alexia. Mbola tsy arakao foana ve?"
- " Fa ianao angaha moa tia ahy?" hoy i Alexia toa matotra tampoka teo tamin'ity fanontaniana napetrany.
- " Eny e, ..." sady niahotra kely aloha i Tojo toa tsy nahita havaly ity fanontaniana mivantambatana niantefa tany aminy." Voasarika aminao aho ry Alexia fa tsy haiko raha mahatsapa toa izany koa ianao?"
- " Tena marina ve izany zavatra lazainao izany ry Tojo sa hoe mampiresaka ahy fotsiny ianao?" sady lasa kely tany amin'i Hery tampoka ny eritreritry Alexia. " Tena tia ahy tokoa ve ity Tojo ity sa hanadala ahy fotsiny, dia ataoko ahoana i Hery?" hoy ihany ny eritreriny lasa lavitra. Tsapany ho finaritra anefa ny sainy mahatsapa fa misy olona mampiseho fahalianana aminy. Henony fa injay nisy hafanana nitosaka tampoka nanenika ny tarehiny iray manontolo.
- "Tena marina izany Alexia a!" hoy i Tojo namaly sady tsy sahy nijery an'i Alexia fa ny lalana izoran'ny fiarany ihany no nobanjininy. Tamin'izay fotoana izay indrindra no tsinjon'i Alexia nisy toerana fijanonanana somary mivoaka kely ny arabe tsy lavitra azy ireo ka hoy i Alexia hoe:
- " Ajanony kely etsy mihitsy aloha ny fiara ry Tojo dia ndao isika sy ianao hiresaka?"
Tsy nampoizin'i Tojo iny fiangaviana nataon'i Alexia iny sady tsy nampoiziny ihay koa hoe hivadika resaka matotra be ohatran'izao ilay sangisangy nataony teo.
Nijery ny fitaratra fitazanana ny fiara any aoriana aloha i Tojo vao nampirehitra ny jiro filazana fa hivily miankavanana rehefa mby akaiky ilay fiviliana ary dia niroso moramora nakeo amin'ilay toerana maladalaka notondroin'i Alexia.
Nifampijery kely izy roa nony tafajanona tanteraka ny fiara sady niara nitsiky toa samy te hilaza zavatra saingy samy tsy nisy sahy na koa hoe tsy te hilaza izay ao antsainy.
- " Alefaso ary ny resakao " hoy i Tojo fa ianao no nangataka ny hijanonantsika eto.
- " Efa tsikaritro ihany aloha ireny fihetsikao rehetra ireny ry Tojo ary tsy afeniko aminao fa voasarika aminao koa aho. Misy itovizana be amin'ilay olona miaraka amiko any Madagasikara mantsy ianao raha ny tena marina e. Mahatsiaro finaritra izany aho rehefa miaraka aminao ary dia mahatsikaritra an'io daholo na i Dada na i Neny..." somary nitsiky toa faly tany anaty izany i Tojo naheno izay voalazain'i Alexia. "rehefa nieritreritra anefa aho ry Tojo" hoy ihany Alexia nanohy rehefa avy eo dia " ohatran'ny tsy ho haiko izany hitia olona anakiroa izany. Tiako be mantsy izay olona any Madagasikara izay ary ambonin'izay mandalo olana goavana mihitsy izy amin'izao fotoana izao any. Ianao aloha dia olona tsotra sady tsara fanahy ary dia tena lanin'ireo ray aman-dreniko toetra mihitsy saingy aleo re mba hijanona ho eo amin'ny sehatry ny finamanana ihany ny amintsika raha sitrakao?" hoy i Alexia somary namaranana tamin'ny feo malefaka ny teniny.
Gina tanteraka ny tovolahy. Tafaondrika kely teo amin'ny familiana aloha izy vao nitraka moramora. Tsy nampoiziny ny zavatra nolazain'i Alexia teo. Mifanohitra tamin'ny eritreriny ny fanapahan-kevitry ity farany. Henon'i Tojo fa nihanafana tampoka teo ny lohany sady toa nanganohano ny masony. Tsy te hiteny na inona na inona izy raha ny sitrapony nefa fantany fa miandry azy mafy mba hisoka-bava ity tovovavy mipetraka eo anilany.
- " Inona moa no azoko tenenina ry Alexia" hoy i Tojo ila tsy hahaloa-peo. " Izay moa no fantatrao fa mety dia hajaiko ny safidinao."
- " Aza fady Tojo fa tsapako hoe tena nandiso fanantenana anao aho an. Tsy tiako anefa ny miolakolaka sy ny mampanantena poakaty ka aleoko tsoriny e."
- " Tsy diso mihitsy ny eritreritro nihevitra fa zaza vavy tsara fo sady tsotra ianao ry Alexia. Mahatoky amin'izay nomenao ny fonao. Olona toa anao mihitsy no mba nofinofisiko ho ravaky ny fiainako indray andro any." Hoy i Tojo niezaka nampahery tena nony avy eo.
- " Aza manahy ianao Tojo fa amin'ny fotoana tsy hampoizinao dia hifanena amin'izay olona izay ny lalanao ah."
- " Enga anie" hoy ilay tovolahy somary naneho tsiky niharo henatra.
- " Ekenao ve izany ny hoe ho mpinamana tsy mifankafoy izaho sy ianao?" hoy i Alexia nony avy eo te haka toky sao dia tsy te hahita azy intsony i Tojo aorian'izao resaka ifanaovan'izy roa izao.
- " Aza manahy ianao ny amin'izay ry Alexia fa tsy hanary ny finamanako aminao aho. Mila amboariko fotsiny ny saiko isaky ny mahita anao aho" sady nitsiky i Tojo te hampita amin'i Alexia fa efa tony izy.
- " Avy ary enao ho fihiniko" hoy i Alexia ho mariky ny dina ifanaovantsika sady nanatonantona teo akaikin'i Tojo kokoa izy. Somary sahirana ihany anefa satria tery tao anaty fiaraka saingy tsy nanakana azy roa tsy hifamihina izany. " Tiako ho fantatrao ry Tojo fa ho raisiko ho namana akaiky ahy indrindra eo amin'ny fiainana ianao" hoy i Alexia somary nibitsibitsika moramora teo amin'ny soroky ity tovolahy nony avy eo.
- " Misaotra amin'ny fahatokisana Alexia" hoy i Tojo namaly mora koa rehefa samy namonjy nipetraka tsara tamin'ny sezany avy izy roa.
- " Ndao amin'izay andeha hody" hoy i Alexia sao dia mitebiteby i dada any antrano.
Inona tokoa fa tsy ela taorian'ny niagan'izy roa dia injay naneno ny finday tany amin'i Alexia.
- " Allo! Dada?" hoy ity tovovavy nahita avy hatrany ny anaran'i Mahefa niseho.
- " Aiza ho aiza ianareo izay anaka?"
- " Efa aty andalana hody mihitsy izay ry Dada fa afaka dimy ambinifolo minitra eo izahay tonga any antrano."
- Eny ary!" hoy i Mahefa sady notapahany ny antso. ....
Tonga tao amin'ny tranon'i Alexia.
- " Izay Tojo fa misaotra betsaka an. Hiresaka amin'i Dada aho dia antsoiko ianao rahampitso. Aza malahelo an. Izaho tsy mankaiza fa eto ihany, sady ianao namako be moa e?" hoy i Alexia niezaka nampahery ity tovolahy fantany fa somary naratra tany ampony.
- " Eny ary," hoy i Tojo. " Nahafinaritra ny niaraka taminao na dia saika nampitomany aza, " sady mody nitsiky izy toa te hampita amin'i Alexia fa diso fanantenana tokoa izy.
Novelomin'i Tojo ny fiarany dia lasa izy namonjy ny fodiany. ....
Novohan'i Mahefa ny varavarana. Nanoroka azy teo amin'ny takolaka vetivety fotsiny i Alexia dia namonjy nametraka ny poketrany teo ambony latabatra.
- " Fa maninona izany zanako izany no ohatran'ny manjombon-tarehy? " hoy i Mahefa tsy nihambahamba nanontany.
- " fa inona no mahatonga an'i Dada manontany an'izany?" hoy i Alexia niezaka nanamboatra ny fijorony sy ny endriny mba hanafenany ny aditsainy izy nivoaka ny fiaran'i Tojo teo.
- " Efa mba ela niainana ihany anie aho anaka" hoy i Mahefa somary nisarika anjanany handeha hamonjy hipetraka teo amin'ny seza lava eo amin'ny efitrano fandraisam-bahiny.
- " An, an, an. Sahirana ny saiko ry dada fa ohatran'ny nanao sangisangy izay i Tojo tamiko androany rehefa nolazaiko izy hoe izaho maniry ny hanohy ny fianarako any Etazonia indray andro any dia hoy izy hoe ary ahoana hono ny aminy izany. Gaga be aho dia nasaiko nanjanony mihitsy moa ny fiara dia niresaka tsara izahay ary dia nolazainy fa te hiaraka amiko hono izy... Saika halaim-panahy hanaiky ihany aho saingy tsapako hoe mbola mavesa-danja lavitra ato anatiko ny fitiavana an'i Hery dia notsoriko taminy fa namana akaiky no tena tiako andraisana azy. "
Nihaino tsara sady namela an'ity zanany hampita ny tao ampony rehetra i Mahefa.
- "Aza atao manahirantsaina be anao izany anaka. Izay zavatra tsapanao no nambaranao azy ka tsy misy mahadiso anao amin'izany mihitsy...Ahoana anefa hoy izy rehefa no lavinao ny faniriany?"
- "kivy tanteraka izy ry dada sady tsapako tamin'ny feo navoakany mihitsy fa saika hitomany izy saingy tsy te hamitaka azy aho. Tsy mahatsapa fitiavana aminy koa aho raha ny tena marina eh. fitiavan'ny mpinamana no tena tsapako aminy, asa anefa na hainy ny manavaka an'izay?"
- "Marina ny anao ry Alexia, izay sitraky ny fonao tanterahina. Azoko tsara mihitsy ny zavatra tsapanao satria efa nandalovako."
- " Nandalovan'i dada ahoana?" sady ohatran'ny taitra kely i Alexia nijery an'i Mahefa.
Nitantara ny fihaonany tamin'ilay tovovavy nandrato fianarana tany Etazonia amin'izay i Mahefa sy ny antony tsy naharaikitra ny fiarahan'izy roa na dia nifandray sady tsy nifankafohy tsy nisy ohatran'izany aza.
- " Mitovitovy amin'ny zavatra iainako izao mihitsy izany tantaranao izany ry Dada an!" hoy Alexia. " Dia aiza izao izay Ramisarivo izay amin'izao fotoana izao. Mbola any Etazonia ihany ve izy?"
Nitamberina kely tao antsain'i Mahefa ny fiarahany tamin'i Ramisarivo fony izy nandalo tany Etazonia. Niserana tao antsainy ny endrik'ilay tovovavy toa nahasodriana azy nefa tsy nety tena nambabo ny fony.
- " Tsy fantatro hoe aiza izy izao anaka. Niha nihena tsikelikely ny fifandraisanay na tamin'ny fifandefasana mailaka izany na tamin'ny antso antelefona ary nony farany dia tsy heno intsony izy moa izaho koa tsy niezaka nitady azy. Ohatran'ny mbola nanantena mafy ny hihaona tamin-dreninao koa aho raha ny tena marina" sady velon-tsento kely ny lehilahy.
- "Dia ahoana izany izao ianao io? Tsy hanambady intsony?"
Tsy nampoizin'i Mahefa ilay fivatambatanan'i Alexia rehefa miresaka. Teo vao tsikariny fa misy itovitovizany amin'ny reniny ihany ny fomba firesaky ity zanany.
- "Ianao ity dia tena reninao navela mihitsy an." Hoy i Mahefa somary nitsiky kely.
- " Fa maninona kah!" hoy i Alexia te hahalala mafy izay tian'i Mahefa lazaina.
- " Tso-po, sady tsara fanahy, nefa mivatambatana rehefa miresaka."
- " Izaho tokoa aloha dia izay e. Efa mahazo an'izay fanamarihana izany ihany aho matetitetika fa tsy mbola mety haiko foana ny manontany ankolaka ny zavatra tiako ho fantatra,... ary tsy novalian'i Dada anie ny fanontaniako teo eh?"
- " Hay moa!" hoy i Mahefa na dia niniany nahodina aza ny resaka mba handinihany ny valiny homena ity zanany vavy.
- " Taorian'ny nahafatarako fa maty reninao izay aho vao nieritreritra ny amin'izay zavatra nanontanianao izay anaka. Tsy ataoko raharaha tsy maintsy atao ilay izy fa raha sanatria ka mifanojo amin'ny olona mety andrian'ny foko ve aho tsy hilaza aminao eny ihany."
- " Hitadiavako ve i Dada e" hoy i Alexia somary nanadrohadro an-drainy sady nitsangana teo amin'ny seza nipetrahany.
- " Aza mbola mandeha aloha ianao" hoy i Mahefa nony avy eo" Misy vaovao tiako lazaina anao"
- " Vaovao ratsy sa vaovao tsara " hoy i Alexia sady niverina nipetraka indray izy. Ny masony amin'io tsy miala teny amin-drainy toa miezaka mitady valiny mialoha ny tena ilazan'i Mahefa ny vaovao.
- " Ho avy aty amintsika i Hery"
- " Zany ve ry dada? Rahoviana? " hoy i Alexia sady tafatsangana mihitsy niala teo amin'ny toerany izy nanatona an'i Mahefa sady nisintona azy hitsangana mba ho fihininy.
- " I Dada ve no nanafatra azy sa ahoana?" hoy izy nibitabitaka sady niandrandra nijery ny tarehan'i Mahefa.
- " Eny e, tsy hoe izaho no nanafatra azy fa ny dokotera any Madagasikara no nilaza fa misy fandidiana maika mila atao amin'ny lohany. Misy ra mandry tavela mantsy hono ao amin'ny lohany ao."
Tsy nahateny indray aloha i Alexia na dia diboky ny hafaliana be aza ny fony teo. Lasa lavitra ny sainy nieritreritra ny zavatra mbola handalovan'i Hery. Toa tsy azony sary antsaina mihitsy izany i Hery tsy salama sady malemy eo ambony fandriana izany.
- " Dia iza no miantoka ny fandefasana azy aty ry Dada, manambola an'izany ve izy?"
- " Aza be ahiahy ny amin'izay ianao anaka fa efa mikarakara an'izay aho. Misy dokotera vavy izay namany no mikarakara azy ... Mihary no anarany, io no hanatitra azy aty?
- " Misaotra betska dada a! Sambatra mihitsy aho manana anao antra olona sady be fitiavana. Tsy andriko mihitsy izay fotoana hahitako an'izay malalako izay ry Dada. Mba azonao anontaniana an'izany dokotera izany ve raha mba misy laharana ahazoako miresaka mivantana amin'i Hery any amin'ny hopitaly androany, sa mbola tsy afaka miresaka izy?"
- " Ananako mihitsy ny laharan'io Dr Mihary io hoy i Mahefa fa aleo hantsointsika mianaka izy rehefa avy eo hanontaniana ary? Fa nanao ahoana aloha ny dianao sy Tojo tany androany fa toa variana be isika mianaka izany?
- "Nahafinaritra kah. Ny niafarany teo fotsiny no iny efa notantaraiko an'i dada teo iny...Nitety toerana roa samihafa izahay androany fa ilay ao amin'ny American University of Paris ao amin'ny 6, Rue du Colonel Combes no ohatran'ny tena andrian'ny saiko," sady navoakan'i Alexia ihany ireo atotantaratasy nomena azy tany.
- " Inona izany no sampana tinao ianarana anaka?"
- " Ity resaka International Business Administration" ity ry dada no tena tiako an. Mba afaka manampy an'i Papa any Madagasikara amin'ny raharaham-barotrany aho amin'izay indray andro any raha ilaina izany moa fantatro hoe tsy ho sahirana mihitsy aho mitady asa raha manana MBA na aiza na aiza toerana hipetrahako.
- " Tsy mba hanao mpitsabo ohatra ahy angaha ny zanako" hoy i Mahefa nanahihany anjanany sady notsongoiny kely ny takolak'i Alexia.
- " Ahoana moa ilay fitenintsika Malagasy hoe " ny adala moa hoy izy no toa an'iza..." sady toran'i hehy i Alexia nandamindamina ireo taratasy niparitaka nojeren'izy mianaka.
- " Ka tsy izay mihitsy anie no hevitr'iny fomba fitenenana iny ry Alexia e? " hoy i Mahefa lokin'ny hehy koa amin'ity sangisangin-janany.
- " Eny eh!, fantatro mihitsy izany fa mba te hanadala anao fotsiny aho. Tsy hoe tokony mba hikendry hahavita mihoatra izay nataonao ve moa izany aho sa tsy izay?
- " Izay aloha no fahazoako azy koa" hoy i Mahefa fa asa na mbola misy heviny hafa. Fa hono hoy aho, tsy voatery hanomana TOEFL ve izany indry raha hiditra mianatra ao?"
- " Toa tsy izay fotsiny aza no tadiaviny fa efa ireto voatanisa eto ireto" hoy i Alexia sady nasehon'i an'i Mahefa ilay taratasy.
- " Mila mianatra miteny anglisy amin'izay izany ny zanako! Hiteny anglisy indray izany isika mianaka ato antrano?"
- " An,an, an!" hoy i Alexia. " Tsy te hanadino ny teny gasy nahalehibe ahy aho fa aleo aho any ivelany any no mitady fomba hampiarana azy.
- " Mino aho" hoy i Mahefa " fa misy toerana afaka manampy andry hanomana an'ireo fanandinana ireo ao amin-dry zareo fa anontanio any rahampitso" Nony afaka kelikely,...
- " Ndao hivoaka hisakafo any amin'n restaurant" isika mianaka androany hariva fa ohatran'ny kamokamo ny hahandro aho izany hoy i Mahefa, sa mazoto ny hahandro indry?"
- " An, an, an. Ohatran'ny kamo koa aho izany fa ndao ary hihinana any ivelany." Hoy i Alexia tsy naka sarotra sady nandray ny poketrany. " Tsy aleo ve anefa aloha antsoina ilay dokotera naman'i Hery izany vao mandeha isika?"
- " Ndao ary " hoy i Mahefa sady navoakany ny taratasy kely tany anaty paosiny mirakitra ny laharan'i Mihary.
Tadio ([email protected])
- Tsy "epidural hematoma" ve izy izany Dokotera" hoy i Mihary nony avy eo somary nibitsibitsika. "Mafy loatra mihitsy izany dona nahazo ny lohany izany ka nahatonga ity lalandra ity ho tapaka an." Sady notondroin'i Mihary ilay lalandra madinika miseho teo amin'ny sary. " Soa ihany aloha fa ato anelanelan'ity taolana ity sy ny rakotry ny atidoha no nivainganan'ny ra fa raha tsy izany an..." sady ohatran'ny nihivingivin-doha ilay dokotera nampiseho ny tahony sy ny ahiahiny ny amin'izay mety hiseho.
- " Aleo averina any amin'ny efitra misy azy aloha izany i Hery " hoy ilay dokotera tompon'andraikitra voalohany nony avy eo tamin'i Mihary " ...dia ho dinihintsika haingana izay tokony hatao fa tsy azo ampiandrasina ela izy ity."
...
Tao amin'ny biraon'i Mihary izay tsy dia lavitra ilay toerana fitarafana.
- "Mety afaka miantoka ny fandefasana azy hoatsy La Réunion ve anefa io tovolahy namanao io ry Mihary?"
- "Izy aloha toa tsara asa fidiram-bola ihany raha ny fahalalako azy fa izay tahiriny any indray no tsy fantatro?"
- "Aleo aloha ary izany resahintsika izy izao dia ho hitantsika eo izay hatao rehefa avy eo" sady nitsangana teo amin'ny seza nisy azy ilay dokotera ary dia nitsangana nivoaka nanaraka azy koa i Mihary.
Tsy nahitana teny firy i Mihary teny andalana. Lasa lavitra ny sainy ny amin'izao zavatra mahazo an'i Hery izao. Mihasarotra izy izany hoy izy tany antsainy tany. Dia noho izaho ve no nahatonga an'izao rehetra izao? Tsy maintsy manampy an'i Hery aho raha mbola azoko atao ihany koa hoy izy tapakevitra tanteraka.
Afaka minitra vitsy dia tonga tao amin'ny efitra nisy an'i Hery izy ireo. Efa i Fano indray moa no nisolo toerana ny fiandrasana ny marary tamin'io fotoana io. Vao niditra ny efitrano i Mihary sy ilay dokotera namany dia indro fa niara nitopy tany ny mason'izy roalahy mianaka. Toa tsy mahandry izay valin'ny fizahana natao fotoana vitsy teo aloha. Hita taratra teny amin'ny endriny fa toa nisy hafaliana niserana tao amin'i Hery rehefa nifanojo tamin'ny mason'i Mihary ny masony. Miha miverina tsikelikely tokoa ny fitadidiany
- "Efa azoazo?" hoy i Mihary tamin'ny endrika mirana tamin'ity tovolahy nambabo tanteraka ny fony.
- "Efa tsy dia maninona kah!" hoy i Hery toa miezaka mampatanja-tsaina manoloana ny toe-java misy andalovany.
- " Nanao ahoana ny fahitanareo azy tao Dokotera" hoy ihany i Hery nony avy eo nanohy sady liana fatratra ny amin'izay vokatry ny fizahana natao azy.
- " Tsy dia misy atahorana aloha ny ain'ise" hoy ilay dokotera nanomboka ny teniny toa miezaka mafy hampilamina ny sain'i Hery " saingy misy fandidina tsy maintsy atao hanesorana ilay ra mivaingana tavela eo anelanelan'ny taolana sy ilay fonosana mandrakotra ny atidohan'ise. Azo atao tsara io fandidiana io ary betsaka ny antoka ny amin'ny hahombiazany.
Gina tanteraka ny anao lahy teo ampandrenesana ity vaovao netin'ilay dokotera.
- "Tsy manana safidy hafa afatsy izay fandidiana izay ve moa izany aho?" hoy izy nony avy eo.
- " Satriko tokoa r'ise ny hilaza zavatra hafa amin'ise fa tsy maintsy fandidiana ihany no ahafahana manala io vongan-dra mandry ao amin'ny lohan'ise io"
Nivadibadika ny sain'i Hery manoloana ity fanapahan-kevitry ny mpitsabo azy ity. Nanomboka nanenika azy ny tahotra. "Tsy manan-tsafidy anefa aho raha izany " hoy izy aneritreritra fa dia izay fitondran'Andriamanitra eo izany sisa."
- " Eny ary Dokotera fa tsy maintsy mivonona aho fa mbola mamy izany te ho sitrana izany moa" sady nanompy maso kely tany amin'i Mihary izy.
Tsinjony fa toa onena azy fatratra ny mason'ity farany.
- "Ka eo indrindra no tena ilainay resaka amin'ise. Tsy mbola azo tanterahina eto amintsika mantsy ity karazana fandidiana iray ity. Atsy amin'ny nosy La Réunion izao no akaiky indrindra na koa hoe any Frantsa."
Niontana indray ny fon'i Hery vao naheno fa tsy ho vita eto Madagasikara ny fandidiana azy. Ketraka tampoka ny saina aman'eritreriny.
- " Izany ve Dokotera tsy ho vola be? Ny saram-pitanterana handefasana ahy any aloha ho voalohako ihany" sady tsaroany tampoka ilay fikasany ny handeha hoany Frantsa hamonjy an'i Alexia sy ny fikarakarana pasipaoro nataon'izy sy Tahiana. " ... fa ny saram-pitsaboan'ny hopitaly no tena ho raharaha. Izaho mantsy tsy mba manana ireny fiantohana ny lany amin'ny fitsaboana toy ny an'ny olona any ivelany ireny!" Nakimpin'i Hery indray aloha ny masony toa mitady fitoniany izy handihany akaiky izay tokony hataony.
- " Mbola hamonjy marary hafa aho" ilay dokotera nony avy eo fa aleo rahariva aho miverina eo indray izany ny amin'izay fanapahan-kevitra ho raisintsika sa ahoana?
- " Eny ary! " hoy i Mihary sady naroson'i Mihary akaikikaiky kokoa an'i Hery teo ampandriana ny seza nipetrahany.
- " Ahoana letsy ny atao an'ialahy ity?" hoy i Fano avy nanatona an'i Mihary ihany koa.
- " Tsy manan-tsafidy aho raha ny fahitako azy ry zareo fa na izany izaho mety ho faty na hanantakaitra ka tsy aleo ve miroso amin'izany fandidiana izany!"
- " Marina mihitsy ny anao " hoy i Mihary nankahery ity namany toa valaky ny aditsaina tampoka teo mieritreritra ny zavatra tsy maintsy ho diaviny. " Azo tanterahina tsara io fandidiana io kah". Inona ary hoy i Mihary eo ampitoerana eo no azoko anampiana an'ity Hery ity. Nanavotra ahy teo ambavahoana ny fahafatesana izy ka tsy maintsy ampiko, sady izay indray mbola izaho ihany koa no fototr'izao mahazo azy izao" hoy ihany izy nanohy niresaka an'eritreritra sady nahatsiaro ilay zava niseho taminy tany Mahajanga sy ilay fotoana vitsy nialohan'ny nitrangan'ny loza.
- " Aleo aloha aho hiantso an'i Nenitoa Tahiana vetivety izany hilaza aminy an'ity vaovao ity dia ho hitantsika eo izay eritreririny, sa ve i Fano no hiantso azy?"
- "An, an, an , aleo ianao ihany no miresaka aminy" hoy ity farany " fa ianao anie no tena afaka manazava amin'ny antsipirihany ny antony tena tsy maintsy handefasana azy any ivelany e." Somary sorena kely aloha i Mihary naheno ny valin-tenin'ity dadafaran'i Hery saingy tsy dia nahoany loatra ka avy hatrany izy dia namoaka ny finday tao anaty paoketrany sady lasa nivoaka kely tany andalan-tsara ary dia nanindry ny laharan'i Tahiana:
- " Allo? ... Allo? Tantine Tahiana?"
- " Allo! , iee, izaho ihany ity aky fa ahoana? Nanao ahoana ny tany amin'ny fitarafana anikeo?"
- " Ka izay indrindra no iantsoako anao fa angaha tsy loza fa nisy vonga-dra tavela ao amin'ny lohan'i Hery ka mila didina haingana izy." Hoy i Mihary somary mibitsibitsika.
- " Andriamanitro o! Izany ve aky? "
- " Tena tsy nampino ahy ilay izy eh! ...Tsy vita eto amintsika anefa ny fandidiana azy fa mila entina atsy La Réunion na any koa hoe any Frantsa izy!"
- " Izany a? henjakenjana ny vola ho lany amin'izany sa ahoana ny fahitan-dry azy?"
- " izy aloha dia tsy vitan'ny tsy manam-bola ka izay indrindra no niatsoako anao handinihina tsara izay tokony hatao. I Fano moa nanatrika teo tamin'ny fotoana niresahan'ny dokotera tamin'i Hery saingy tsy nilaza izay tena heviny loatra izy ka tsy haiko be ihany izay tena any antsainy any."
- " Ahoana ny hevitry i Hery?" hoy ihany i Tahiana nanadihady.
- " An, an, an, izy moa ve nanda fa ny zavatra noteneniny dia ny hoe mety tsy ho voalohany ny saram-pitsaboana fa ny saran-dalana ihany no ananany.
- " Ahoana re izany e? ... Aleo aloha ary aho hiantso an'i Malala hampita aminy an'ity vaovao ity sao dia mba mba afaka manampy ry zareo dia antsoiko indry rehefa avy eo.
Nony afaka kelikely...Naneno ny finday tany anaty poketran'i Mihary.
- " Allo, Dr Mihary ihany ity mihainao anao?"
- " Malala naman'i Tahiana ihany aky ity a!, Manao ahoana, ... ahoana aky izany vaovao nolazain'i Tahiana ahy teo izany?"
- " Tsy atahorana ve?" hoy ny feo toa mangovitra henon'i Mihary.
- " Raha tafala haingana aloha ilay vongan-dra dia tsy misy ahiana loatra ny aminy fa ny olana dia ny fiantohana ny fitsaboana sy ny toerana hitondrana azy. ... tsy efa notenenin'i Tahiana taminao moa hoe ..."
- " Iee! Efa noteneniny kah!" hoy i Malala tsy namela an'i Mihary hanohy. " I Ratrema aky nilaza hoe aleo mba anontaniana ihany aloha ny hevitry Mahefa sy Alexia alohan'ny tena andraisana fanapahan-kevitra hentitra ka asa na miombom-kevitra aminay indry?" Somary narary kely ny fon'i Mihary naheno indray ny anaran'i Alexia voantonona. Vetivety ihany anefa dia nisinda izany satria tsapany fa misy zavatra hafa manandanja kokoa noho ny hasarotam-piarony dia ny famonjena ity tovolahy toa mampijaly ny fony.
- " Hevitra mety ihany koa aloha izay!" hoy i Mihary. " antsoy haingana aho izany raha vao henonao ny hevitry ry zareo an."
- " Eny, eh! " hoy i Malala. " Izao dia izao ihany aho dia hiantso".
- " Rehefa avy eo izany Mme Malala a!"
- " Eny ary aky ry Mihary fa apetrako vetivety aloha izany ianao" sady notapahin'i Malala ny antso.
Any Paris, Frantsa ...
Eo ampandinihina ny taratasy mirakitra ny marary iray izay iandraiketany tao amin'ny biraony i Mahefa no injany fa naneno ny finday teny aminy. Nojereny ny tarehimarika niseho. " Avy any Madagasikara izy izany" hoy izy aneritreritra sady notsindriany ilay bokotra afahahana mandray ny antso:
- " Allo! Profesora Mahefa ihany ity?... Malala?"
- " Izaho ihany ity" hoy i Malala niezaka ny ho tony.
- " Inona ny vaovao" hoy i Mahefa "tsy nananosarotra ny fizàrana ny fiainana any amintsika indray? "
- "Somary sahirana kely fotsiny kah. Fa izao hoy aho no tena niantsoako anao. Ao akaikinao ao angaha i Alexia?"
- " An, an, an. Aty ampiasana aho io. Lasa nandeha niaraka amin'i Tojo naka torohevitra ny amin'ny fomba fidirana hianatra amin'ny anjerimanontolo malaza iray eto Paris izy?"
- " Hay!" hoy i Malala toa niserana tampoka tao antsainy ny endriky Tojo sy ny fiarahan'izy roa. " F'angaha tsy loza fa nolazain'ilay dokotera vavy mikarakara an'i Hery tamiko teo fa mila didina haingana hono i Hery hanalana an'izany vongan-dra mandry ao amin'ny lohany izany."
- " Hnnn! Hnnn!" hoy i Mahefa toa tsy nahita havaly. " Rahoviana izy izany no ho didina?"
- " Eo indrindra no tena olana sady ilana hevitra aminao fa tsy vita eto Dago hono ilay izy fa tsy maintsy entina atsy La Réunion na aty aminareo aty Frantsa"
- " Misy olom-pantatrareo na i Hery angaha ao La Réunion?" hoy i Mahefa
- " Izahay mivady aloha tsy mahalala na iza na iza any e, ianao angaha mahafantatra?"
- " Misy dokotera mpiara mianatra tamiko izay no lasa miasa any amin'ny hopitaly iray ao Saint-Pierre any sady Neurochirurgie mihitsy no niarany taty. Aleo fa hantsoiko izy sao mba afaka manampy anareo."
Vao tapitra anefa ny tenin'i Mahefa teo dia tsaroany tampoka ilay resak'izy sy Alexia ny amin'ny hoe hanafarana an'i Hery hoany Frantsa.
- " Malala, mbola ao ve ianao? Ohatran'ny tsy henoko intsony mantsy ?"
- " Mbola ato tsara mihitsy aho fa mieritreritra an'izany soson-kevitra arosonao izany aho eh. Ilay fomba handoavan'i Hery ny saram-pitsaboana any ivelany no tena maha vaka ny saiko?"
- "Izao e, ary ity angamba no mety kokoa. Aleo alefa mankaty aminay izy dia izaho no hisahana ny fitsaboana azy rehetra. Raha mba afaka miantoka ny saran-dalany fotsiny ianareo na izy dia tena tsara."
" Izany ve ry Mahefa?" sady toa nihiratra tampoka ilay tarehin'i Malala somary niketrona rakotry ny adintsaina teo. " Tena azonao antoka ve izany fanapahan-kevitrao izany?"
- " Olon-dehibe anie aho ry Malala no miresaka aminao e. Efa voasainako tsara izany zavatra lazaiko anao izany fa izao, Ampifandraiso amin'izany dokotera mitsabo an'i Hery izany aho handaminanay ny antsipirihany rehetra"
- "Eny ary, izay dokotera vavy toa hoe mpiara mianatra tamin'i Hery taloha izay no tsara ampifandraisana aminao fa izy mantsy no tena mikarakara be an'i Hery ao izao miaraka amin'i Tahiana namako. Eny e, ilay dadatoa sa dadafaran'i Hery koa aloha toa hitako tao. Mihary no anaran'ilay dokotera. Ity ny laharan'ny fidainy fa tonga dia antsoy izao dia izao ihany izy raha afaka ianao." Sady notononin'i Malala ny laharan'ny fidain'i Mihary.
- " Aleo fa antsoiko izy izany. Raha tsy tafa antso aho izany androany dia io dokotera Mihary io no anontanianareo ny fandehany sa ahoana?"
Nifanao veloma teo izy roa dia niantso avy hatrany an'i Mihary i Mahefa.
- " Allo! Dr Mihary?"
- " Allo, Dr Mihary indrindra ity tompoko, fa avy aiza izao azafady?"
- " Avy aty Frantsa aho io miantso anao io. Profesora Mahefa, fianankaviana akaiky an'i Mme Malala sy ingahy Ratrema aho?"
- " Faly mahalala tompoko! Inona no azoko anampianana anao izay raha tsy mahadiso?"
- " Ny mikasika an'i Hery no niantsoako anao dokotera. Mieritreritra aho hoe maninona moa raha aty amin'ny hopitaly iasako aty Frantsa no andefasanareo azy? Sa ahoana ny eritreritrao?"
Nidobodoboka ny fon'i Mihary naheno ny soson-kevitra naroson'i Mahefa.
- " Ka hisy ohatran'izany aiza indray moa tompoko?"
Dia nanazava ny zava-nisy sy ny fitsaboana mila atao amin'i Hery teo i Mihary.
- " Karakarao ny antontan-taratasy rehetra momba azy ary." Hoy i Mahefa rehefa avy eo.
Nisy hevitra tampoka nitsiry anefa tao antsain'i Mihary teo ampihainoana an'i Mahefa tao anaty telefona.
- " Mila olona manaraka azy i Hery sao misy fahasarotana tampoka eny andalana ka raha tsy dia manahirana anao mba azonao andefasana taratasy fampiantranoana koa ve aho hanaterako azy any?"
Somary hafahafa tamin'i Mahefa aloha ny naheno ity fiangaviana nataon'i Mihary ity. Taiza hoy izy aneritreritra no nisy dokotera nanolon-tena hanatitra ny marariny avy any Madagasikara ho aty Frantsa ohatran'izany fotsiny eo?
- " Dia ahoana ny asanao sy ny saran-dalana?" hoy i Mahefa toa tsy dia nahatoky loatra.
- " An, an, an. Izaho ihany no mikarakara an'izay fa aza manahy ny amin'ireo ianao...mpinamana mpiara mianatra mantsy izaho sy Hery tany amin'ny kilasy famaranana. Mahatsiaro ho manana adidy aminy aho raha ny tena marina ary ny fotoana toa izao indrindra no tena tokony hitondrako fanampiana ho azy."
- " Hay! Izay vao mazava amiko fa somary gaga kely ihany mantsy aho tamin'ilay fiangavinao teo." hoy i Mahefa nanomboka nahazo ny antony nanosika ity mpitsabo hahafoy vola aman-karena sy ny asany hanampy an' i Hery.
- "... tsy misy olana izany Dr Mihary fa mahazo miomana ny handeha koa izany ianao e. Karakarao haingana ny fividianana tapakila fa izaho hikarakara ny fandraisana anareo aty. Ity ny laharako fa ny anao moa efa nomen'i Malala ahy teo."
"Asa na hanao ahoana izao ny hafalian'i Alexia raha maheno izy hoe hoavy i Hery? ... eny e, hitsabo tena moa no alehany aty fa inoako anefa fa hisy azy ny hafaliana hahita an'ilay olontiany indray." Hoy i Mahefa tany ampony tany nony avy namarana ny resaka nifanaovana tamin'i Mihary. Tadio ([email protected])
- " Tsy izany hoy aho ry Mahefa fa nandeha nitady an'i Hery tany ampiasana araka ilay fiangavian'i Alexia aho ary dia tena zavatra tsy nampoizina no sendra ahy tany fa hoe voan'ny lozam-piarakodia teny amin'ny lalan'ny fahaleovantena teny hono i Hery andro vitsivitsy lasa izay ary dia eny amin'ny hopitaly izy amin'izao fotoana izao.
- " Ahoana tsara hoe Ratrema?" hoy i Mahefa toa tsy nino ny zavatra henony.
- "Voadonan'ny fiara nirimorimo teo amin'ny valahany hono ny fiara karetsaka nitondra azy ary dia voa mafy mihitsy izy. "
- " Tena raharaha izany marina. Manao ahoana anefa hono izy amin'izao fotoana izao?
- " Eo indrindra no tena raharaha sady mahavaky ny lohanay mivady ry Mahefa. Nandeha tany mantsy izahay io atoandro io... Fa tena mbola tsy mahatsiaro tena i nedala raha ny tena marina. Nisy fotoana kely fotsiny hono izy no nifoha dia ohatran'ny nidelira niantsoantso ny anaran'i Alexia. Ireo namany sy ilay dadafarany no nilaza an'izay."
- " Ny fomba hilazana an'izay amin'i Alexia koa izany izao no raharaha. Efa nanontany ahy foana mantsy izy sao dia efa niantso ahy ianao nampita ny vaovao momba an'i Hery. Tsssss!...ahoana re izany e!"
- " Ka vaka ohatranao izany koa anie izahay mivady hoe ahoana no fomba hilazana azy ity vaovao ratsy ity e. Ianao izao no heveriko hoe mety mba afaka miresaka moramora aminy. Tsy fantatra mihitsy koa mantsy izay ho fihetsiny sy hitranga raha vao maheno izao vaovao izao izy...fa angaha tsy tena raharaha izy ity ry Mahefa?
- " Tena raharaha tokoa izy izany ringahy Ratrema. Aleo ary hiresaka moramora aminy aho rehefa avy eo dia ho hitako eo indray izay atao fa antsoiko ianao rahampitso na rehefa kelikely eo ihany."
- "Eny ary fa mba amboary ao ny sainy Mahefa fa tena matahotra mafy mihitsy izahay ato. Sao dia te hiresaka kely amin'i Malala aloha ianao alohan'ny hanapahana azy?
- " An, an, an aleo aho amin'ny manaraka miresaka aminy fa mampamangy ao fotsiny hoe" sady naforitry Mahefa moramora ny telefona finday teny antanany. Namonjy nipetraka kely teo ambonin'ilay seza tsy dia lavitra azy teo aloha izy naka saina sady nanontany tena ny amin'ny fomba tokony hilazana amin'i Alexia izay tsy manampo na inona na inona ny amin'izay nanjo ity olontiany any Madagasikara. Tapakevitra ny hivoaka ny efitra nisy azy i Mahefa nony farany ary dia namindra moramora nakeo amin'ny toerana fandraisam-bahiny izay nijerevan'i Alexia ny fahitalavitra.
- " Dada, efa hitanao ve ity documentaire anakiray mandeha ity?" hoy izy tamin'i Mahefa sady nientanentana ery.
- " Fa documentaire resaka inona izy izany? " hoy i Mahefa somary nanompy maso teo amin'ny sary mandeha.
- " Hay, Machu Picchu?" hoy i Mahefa nanohy tsy namela an'i Alexia hanazava.
- " Efa hitanao koa angaha?"
- " Efa tany amin'io toerana io mihitsy aho efa taona lasa izay. Mahalasa fisainana be ny mandinika io toerana io ry Alexia. Ohatran'ny hoe mitondra anao miverina any amin'ny lasa mihitsy izay topazan'ny masonao. Efa ela angaha izy io no nandeha?
- " An, an, an vao nanomboka mihitsy fa tantarao ahy hoe ny dianao tany izany fa ohatran'ny mahaliana ahy. Mbola hiverina handeha mantsy izy ity amin'ny manaraka dia aleo ny an'i Dada aloha no henoiko voalohany raha efa tany any i Dada."
Somary sadaikatra kely aloha i Mahefa naheno ity fiangavian-janany satria zavatra hafa mihitsy no antondiany teo aminy. Hitany fa mety hahamora kokoa ny resaka ataon'izy mianaka anefa ilay fitantarana kely ny diany tany Machu Picchu dia naleony nisafidy ny hanome fahafahampo anjanany aloha izay vao tena miditra moramora amin'ny tena tiany hambara. Namonjy naka toerana tsy dia lavitra an'i Alexia teo ambonin'ilay seza lava malemilemy misy fiankinana izy dia nanontany hoe:
- " Efa fantatrao hoe any Peru no misy an'ity tananan'i Machu Picchu ity? Tsy niteny i Alexia fa ny lohany fotsiny no nahatokatony sady nitsiky izy.
- " Vao teo vao teo no nahafantarako azy kah!" sady toran'ny hehy kely izy.
- " Ay! Raha te hoany izany ianao ohatra dia mandeha fiaramanidina ianao mandrapahatonga ao Lima na koa hoe tonga dia mandeha mivantana any Cusco ianao. Avy eo Cusco indray ianao no mandray fiarandalam-by mankany amin'ilay tanana antsoina hoe Aguas Calientes. Ny foko indiana antsoina hoe Incas no nipetraka tao amin'io toerana io taloha. Tsy nisy nahafatatra ny fisian'io tanana vita amin'ny rary vato niorina antampokavoana ohatran'io mihitsy aloha raha tsy vao tamin'ny 1911 angaha izy izay. Mahatonga saina ilay toerana e." hoy ihany i Mahefa toa sondriana tampoka nanazava. Toa adinodinony ny tahony hilaza ny vaovao mampalahelo mikasika an'i Hery tamin'i Alexia.
- " Mandehana amin'ny google dia soraty hoe Machu Picchu fa dia ho hitanao ao daholo ny momba azy io."
- " Mahavariana izy izany" hoy i Alexia toa nientanentana ery nihaino ny fanazavana nomen'i Mahefa.
- " Rahoviana aho no mba ho afaka hoany?"
- " Tonga any foana ianao rehefa tena maniry ny ho any" hoy i Mahefa tsy naka sarotra sady somary naka toerana tsara nitodika tany amin'i Alexia.
- "F'izao ry Alexia ah! Niantso teo i papanao..?"
- " Zany ve? Dia ahoana hoy izy? Nahita an'i Hery ve hono izy?"
- " Nahita azy tokoa izy mivady saingy nisy lozam-piarakodia nahazo azy hono vao andro vitsivitsy lasa izay dia any amin'ny hopitaly izy amin'isika miresaka izao"
- " Izay ary la efa nahiako" hoy i Alexia sady novonjeny notampenany tamin'ny tanany anakiroa ny tarehiny sady niankohoka teo amin'ny lohaliny izy.
- " Efa nanindry mandry ahy mihitsy fa misy zavatra mahazo azy any" sady nanomboka nifokofoko nitomany ny anao vavy.
- " Mitonia aloha ianao anaka" hoy i Mahefa nony avy eo fa efa eo ampikarakarana azy ireo havany sy Ratrema mivady.
- " Ahoana no nahavoa azy? Hoy ihany i Alexia mbola nisefosefo sady namafa ny ranomasony. I Mahefa moa tamin'io fotoana io efa tafakisaka teo akaikiny sady niezaka namihina azy mba hampitony ny alahelony.
- " Tsy tena fantatro ny tena zava-nitranga anaka fa ho fantantsika miandalana eo ihany moa izany fa araka ny nilazan-dRatrema ahy teo dia hoe niantsoantso ny anaranao hono izy tamin'ny fotoana nahatsiarovany tena kely izany angaha?
Vao naheno an'izay i Alexia dia vao maika nigogogogo nidradradradra. Teo i Mahefa vao tonga saina hoe tokony tsy niteny azy an'izay aho saingy efa voateniny moa ka dia niezaka niantrika ampahatoniana ny zava-nisy teo fotsiny izy aloha.
- " Hery a!" hoy ihany i Alexia sady mitomany. " Maninona ianao any e! Aza ilaozanao aho e! mijaly aho raha ilaozanao. Tsy misy dikany amiko intsony ny fiainana,..."
- " Alexia" hoy i Mahefa. " Tsy maty anie izy fa nisy dona mafy nahazo ny vatany fotsiny angamba ka izay no mahatonga azy mbola tsy mahatsiaro tena. Raha nisy fotoana nahatsiarovany tena kely izany dia mbola betsaka ny fanantenana ny aminy."
- " Ndao isika hiantso an'i Madagasikara fa tena te hiresaka mafy amin'i papa aho izany eh!" sady mbola nanohy nifokofoko ihany i Alexia.
- " Hiantso azy isika" hoy i Mahefa "fa mila mitony aloha ianao, Izay zany zanako izany!" sady nosafosafoin'i Mahefa ny lamosin'ity zanany vavy trotraky ny alahelo.
- " Andraso aloha hangalako rano mangatsiaka kely vetivety ianao mba ho sotroinao" hoy ihany i Mahefa sady nitsangana moramora izy nakeo amin'ny vata fampangatsiahana tao andakozia.
- " Ity anaka sotroy fa manampy anao mba ho tonitony ity. Maka aina tsara aloha dia miantso any Madagasikara isika mianaka". Eny ary hoy i Alexia tamin'ny lohany nihatokatoka sady nisotro ny rano nomen'i Mahefa azy ihany. ...
Vao nahazo an'i Ratrema i Alexia,
- " Papa, manao ahoana izy ao?" sady nanomboka nifokofoko indray ny anao vavy.
- " Alexia," hoy i Ratrema niezaka ny ho tony dia tony naheno ny feon-jananany nanako tao anaty telefona. ' Aza manao ohatran'io ianao anaka fa eto izahay mikarakara azy. Tiako ho fantatrao fotsiny fa tiany ianao ary ny anaranao hono no nantsoiny."
- " Efa notenenin'i dada ahy teo izay " hoy i Alexia amin'ny feo somary kentsokentson'ny tomany sy ny alahelo.
- " Tiako anie izy iny Papa, ndeha hody any aho hijery azy fa tena tsy mandry mihitsy izany saiko izany" Taitra tampoka i Ratrema naheno ity soson-kevitra naroson-janany. Niahotra kely aloha izy vao namaly,
- " An, an, an Alexia. Aleo aloha hotsaboina tsara izy dia ho hitantsika eo izay hatao manaraka. F'angaha moa ianao tsy hoe hanohy fianarana any indray?" hoy ihany i Ratrema miezaka manary dia ity zanany difotry ny alahelo sy tomany.
- " Eny e!, te hianatra aty aho fa saika hoe mba te hahita azy kely fotsiny aho dia avy eo miverina aty indray."
- " Aleo dinihitsika tsara izay anaka fa amboary ny sainao an. Misy maromaro izahay no mikarakara azy aty. Niresaka tamin'ilay dokotera vavy anisan'ny nikarakara azy sady namany izahay anikeo ary nilaza izy fa misy fanantenana ny aminy fa aza dia alefa lavitra ny sainao anaka."
- Eny e!" hoy ihany no navalin'i Alexia toa tsy dia resy lahatra loatra amin'ny fanazavana nentin'ingahy Ratrema rainy. " Aza adinonareo mihitsy ny mampita vaovao aty amiko na rahoviana na rahoviana an" hoy i Alexia nony ela ela niezaka nampatanja-tsaina.
- " Aza matahotra ianao anaka fa tsy ataoko ambanin-javatra ny amin'izay. Mandehana aloha ianao makamaka aina dia rahampitso aho miantso sa ahoana?
- " Eny ary Papa?" hoy i Alexia nanaiky tsy sazoka ny fiangavian'i Ratrema.
" Lazao azy rehefa mifoha izy fa tia be azy aho".
- " eny anaka" hoy i Ratrema namaly moramora. "ataoko tsara lazaina any aminy ny hafatrao. Izay an!" sady tapaka ny antso tany amin'i Alexia.
Toa tsy nampino an'i Alexia ny zavatra henony sy niainany teo. Adinony tanteraka ny momba an'i Machu Picchu sy ny faniriany mba te hoany indray andro any. Ny momba an'i Hery sy ny fitiavany no nameno tanteraka ny sainy.
....
Tany amin'ny Hopitaly. Raha mbola variandresaka tamin'ny fandalovan'i Ratrema sy Malala teo izy telo mianadahy no tsinjon'i Tahiana tampoka fa toa nihetsika kely indrany ratsan-tanan'i Hery teo ambony fandriana. Taitra nikoropaka ny anao vavy sady nosintoniny haingana i Mihary hitodika hijery.
- " Tena manomboka mihetsika tokoa izany tananay izany!" hoy i Mihary nitsiky moramora toa velom-panantenana. Nitsangana nanatona ny fandriana daholo izy telo. Niha navitrika hatrany ny fihetsik'ireo rantsana izay toy ny maty teo aloha ary tsy ela taorian'izay dia nihetsika koa ny lohan'i Hery toa te hiharina izany nefa tsy afaka. Novonjen'i Mihary noesorina haingana ny sarona nanarona ny mason'ity tovolahy. Hafaliana moa ny azy fa ny nialan'ilay sarona no ela dia nanokatra moramora ny masony i Hery. Nifampijery izy telo mianadahy sady velon-tsiky no namonjy nifamihina toy ireny olona velon-kafaliana mahita ny ekipa tohanany mandrobaka ny fandresena ireny. Hita fa mbola tsy tena mahatsiaro saina izany anefa i Hery fa toa nivandravandra nijery ny valin-drihana fotsiny.
- " Hery a! Hery!" hoy Tahiana nony avy eo sady nanatona moramora teo akaikin'i loham-pandriana nisy an'i Hery izy. Nihodina moramora nanaraka izay niavian'ilay feo ny lohan'i Hery.
- " Tahiana ihany ity! Manao ahoana ianao izay?" Nisokatra moramora ny molotry Hery sady niteny tamin'ny feo malefaka hoe,
- " Fa aiza aho izany?"
- " Aty amin'ny hopitaly ianao" hoy i Mihary velon-tsiky
- " Aiza i Alexia teo?" hoy i Hery nony avy eo toa ireny nanantena an'i Alexia ho anisan'iray tamin'ireo nanatrika azy teo.
- " Tsy eo izy" hoy i Fano " Fa i Ratrema sy Malala no tonga teo nijery anao. Vao haingana teo mihitsy ry zareo no lasa"
Tsy namaly i Hery fa niverina nibanjina ny valin-drihana indray izy aloha. Lasa nandeha niantso ilay mpitsabo namany izay nandray antanana ny fitsaboana an'i Hery haingana i Mihary sady nanazava ny zava-nitranga.
- " Vaovao tsara izany nentinao izany" hoy ilay dokotera fa ndeha hisika hijery azy any izao dia izao.
... - " Efa nanahy be ihany aho an. Isaorana an'Andriamanitra fa velona soamatsara izy. Ny zavatra mampanahy ahy kely fotsiny dia mety misy ratra any anatin'ny lohany any ka aleo izy ho tarafina rahampitso maraina " hoy ilay dokotera nony avy nijery an'i Hery sady nandeha nitokana kely niresaka tamin'i Mihary.
- " Marina mihitsy izany fa dia rahampitso izany isika mikarakara an'izay." Hoy i Mihary.
- " Havana akaiky anao moa izy io?" hoy ilay dokotera tamin'i Mihary nony avy eo.
- " An, an, an. Eny e! azo lazaina hoe havako ihany izy na dia hoe namako aza no tena marina." Sady somary niahotra ny anao vavy.
- " Hay! Karakaraintsika tsara izy fa aza manahy ianao. Rahampitso izany tonga dia ary amin'ny efitrano fitarafana isika mianadahy no mihaona sa ahoana?"
- " Eny ary!" hoy i Mihary velon-tsiky tanteraka sady maika ery handeha hamonjy teo anilan'ny fandriana nisy an'i Hery.
...
- " Allo! Tahiana ve izao? ... Malala ihany aky ity a!"
- " Ahoana? Tena tsy nampoiziko mihitsy aky iny nahatongavanareo taty amin'ny hopitaly anikeo iny an. Tsy afeniko fa ohatran'ny nahavelom-panantenana ahy izany, fa izao aloha ny vaovao. Nifoha i Hery ary dia niresaka kely taminay izy?"
- " Izany ve? Misaotra anao Andriamanitro! Marina ve aky izany?"
- " Ka efa hoe nifoha hoy aho izy ary dia nanontany hoe aiza hono no misy azy, nankaiza hono i Alexia teo, sns... Hafaliana ny anay telo! Ohatran'ny hoe ny nandalovan-dry no nandrasany dia taitra izy"
- " De ahoana hoy i Dokotera Mihary?"
- " An, an, an. Nijery azy teo daholo izy roa. Mbola misy mpiara miasa amin'i Mihary koa mantsy miara mitsabo azy eo"
- " Tsara izany aky fa dia tena faly mihitsy aho maheno an'izany vaovao izany. Asaiko miantso an'i Alexia izany i Ratrema rehefa avy eo mampita ny vaovao. Efa ratsy mihitsy aky ny saiko nijery azy tsy nihetsika teo ambony fandriana anikeo iny fa tsy afeniko an-dry a!"
- " Izaho koa aloha e, saingy mbola niezaka nanatanja-tsaina ihany aho na dia izany aza."
- " Fa hono hoy aho, mba resaka tsetratsetra tsy aritra ny ahy ity, taiza hono no nifankahalalan'i Hery sy Dr Mihary?"
- " Saro-piaro angaha ity indry sa ...?" sady namonjy nivoaka ny efitrano moramora i Tahiana.
- " Fa angaha rehefa manontany an'izany dia hoe saro-piaro, tsy mpinamana fotsiny ry zareo akory?"
- " An, an, an... Eny e! mpinamana ry zareo ary mpiara mianatra tamin'ny kilasy famaranana hono raha ny filazan'ilay zana-drahavaviko azy.
- " Zana-drahavavin-dry izany i Dr Mihary?"
- " Ie. Izay mihitsy. Tena kely mihitsy anie ity tanana misy antsika ity e."
- " Marina tokoa izany! Izay izany aky fa rahampitso aho mandalo any a. Lazao azy fa handalo eo aho rahampitso fa tena mbola valaka be koa tsinona aho fa izao vao tena mitaky indray ny torimasoko ..." hoy i Malala toa nionona tamin'ny fanazavana azony.
- " Eny ary aky fa rahampitso izany e! antsoy aho alohan'ny hiangain-dry aty dia mba manao fotoana eto izany isika fa i Mihary mantsy no hiandry azy ato anio alina." Sady notapahan'i Tahiana ny antso no namonjy niverina tao anefitra nisy ny marary izy.
Vao tafiditra anefa i Tahiana dia gaga nahita an'i Mihary sy Fano mipetraka akaiky dia akaiky eo amoron'ny fandriana nisy an'i Hery. Nanomboka nanontany ny zavatra niseho taminy i Hery. Sarotra tamin'i Mihary ny tena hampatsiahy azy ny tena zava-nisy fa dia notsotsoriny fotsiny tamin'ny hoe
- " Nandeha fiara karetsaka ianao no nisy fiara nirimorimo nandona anareo ka izay no nahavoa anao toy izao"
- " Saika maty aho lahy!" hoy i Hery nony avy eo toa niezaka nitsiky ho mariky ny fidifirany ny fahafatesana.
- " Tena saika maty tokoa ianao" hoy i Mihary namaly ny tsikiny tamin'ny feo malefaka. " Isaorana an' Andriamanitra fa veloma soamatsara ianao izao" sady nanomboka nanazavazava ny hitondrana an'i Hery ho tafarina ny ampitso maraina izy. Ninian'i Mihary tsy nolazaina mihitsy aloha ny momba an'i Alexia izay natahorany hamoha tanteraka ny fitadidian'ity marary tsaboina ka dia noezahiny nahodina amin'ny zavatra hafa foana ny resaka. ... Ny ampitso maraina tao amin'ny toeram-pitarafana.
Nasehon'ilay dokotera namany an'i Mihary ny sary teo amin'ny fitaratra mampiseho ny taova ao amin'ny lohan'i Hery. Nikentrona kely ny anao vavy toa tsy nino ny zavatra hitany. Nitodika tany amin'ilay dokotera namany indray izy. Toa samy tsy nisy nahateny izy roa fa nifampivandravandra fotsiny teo.
Tadio ([email protected])
Nony afaka kelikely dia tsy naharitra i Malala fa namaky ny fahanginana tao anaty fiara nisy azy efa-mianaka.
- " Manao ahoana ny fandehan'ny orinasa aky chéri?, fa inona marina no tena nitranga fa ianao moa tsy nety niteny tamiko fa hoe aleo aho rehefa tonga aty ilazanao azy?"
- " Raharaha sarotra ilay izy ry Malala fa aleo rehefa tonga any antrano isika miresaka azy milamina" hoy i Ratrema sady nivily namonjy an'iny lala-manitsy mivoaka any Alarobia avy eo Ambohimanarina iny izy hamonjy ny tranon'izy ireo eny Ivandry. Nanomboka niketriketrika ny sain'i Malala nanontany tena ny amin'ny olana mety mianjady amin'ny vadiny sy ny orinasa.
Tsy ela taorianan'izay dia indro fa migadona eo anoloan'ny vavahady be miditra ao antananany i Malala mianakavy kely. Toa nahatsapa finaritra izany ny anao vavy nahita ity toerana mahazatra azy. " Hafa ihany lahy izany tonga aty amin'ny an'ny tena izany!" hoy izy tany ampony tany. Nasainy nampidirin'ny mpanampy tany antrano ny entana dia iny izy mivady miaraka ny ankizy nanaraka avy ato aoriana.
- " Tonga soa izany vadiko izany!" hoy i Ratrema sady nosintoniny hanatona azy akaiky i Malala sady norohany moramora teo amin'ny molony nony lasa ireo mpanampy roalahy. " Banga anao mihitsy ity tonkatranon-tsika ity." Hoy ihany Ratrema toa niha fenofeno hafanana izany ny tarehany. "Ilaiko mihitsy ny fisinao eo amin'ny fiainako ry Malala a!"
- " Misaotra aky chéri fa mila anao koa aho ary tsapako mihitsy ny fahabanganao tamin'ny namelanao anay irery tany andafy tany." Nisento kely aloha i Malala nony avy eo vao nanohy
- " Ity vaovao ratsy momba an'i Hery sy ny resaka orinasa ity no hitako manembatsembana ny fahasambarako tonga soamatsara eto anilan'ny vadiko"
- " Aza alefa lavitra ny eritreritrao aloha fa efa ndeha hijery an'i Hery isika rehefa kelikely. Ny resaka orinasa indray dia inoako fa hahita vaha olana isika" hoy ihany Ratrema sady norohany moramora indray ny handrin'ny vadiny.
- " Mahatsapa fahatoniana izany aho rehefa eto anilako ianao " hoy i Ratrema nony avy eo. Teo vao tena tsapan'i Malala ny hasarobidiny eo anatrehan'ny vadiny.
- "Aleo aloha aho handro vetivety" hoy i Malala "dia mba makamaka aina kely isika vao mandeha misakafo sa ahoana?"
- " Eny ary!" hoy i Ratrema sady nandeha nanantona an'i Toky sy Cinthya tsy dia lavitra teo izy.
- " Nihalehibe tany andafy tany letsy ialahy ry Toky kely nefa vao vetivety ihany anie izay tsy nifankahitantsika izay eh". Vao hitan'i Toky fa tamy nanatona azy ny dadany dia inyizy no nIhazakazaka hifanena aminy ihany koa sady namelatra ny tanany anakiroa toa mangataka ny hibatana azy...
Ny nialan'i Malala teo amin'i Ratrema anefa no ela dia niverina tao aminy indray ny fahamaizana te hahalala mafy izay tena nanjo an'i Hery. Nifamadibadika tao antsainy daholo izao eritreritra ratsy isan-karazany rehetra izao. Toa tsy andriny ny fotoana handehanana any amin'ny hopitaly. Midobodoboka mafy ny fony raha vao mieritreritra an'i Hery sady toa mangoritsin'ny tahotra ny vatany.
...
Namonjy natoritory teo ambony fandriana i Ratrema nony avy eo toa miandry ny vadiny hamonjy azy. Tsy ela taorian'izay tokoa dia Indro tamy nanatona azy i Malala manao akanjo malefaka ireny fitondra avy mandro ireny.
- " Tsy andriko mihitsy ny nahatongavanao ry Malala" hoy i Ratrema sady nikisaka nanakaiky kokoa ity vadiny izy.
- " Izaho koa anie!" hoy i Malala ohatran'ny namaly tsy sazoka izany. "Asa na mbola reraky ny dia anefa aho na manao ahoana fa tena ohatran'ny tsy manana aina hanomezana fahafaham-po anao izany mihitsy aho izao? Maninona raha amin'ny hariva vao manao isika?"
Ohatran'ny notapohina ranomangatsiaka ny vatan'i Ratrema naheno ilay tenin'i Malala farany teo ka avy hatrany dia nalefaka avy hatrany ilay filahiany efa somary nibotsina tsikelikely teo ampieritreretana ny fahafinaretana mety ho azony miaraka amin'ny vadiny.
- " Tsy maninona ary!" hoy izy " fa azoko tsara ny havizananao sady mety nanampoka anao koa ilay vaovao ratsy momba an'i Hery teo. Rehefa vonona ny handeha ianao dia ilazao aho fa handeha hoany amin'ny hopitaly izany isika" hoy i Ratrema niezaka nanamboatra saina sady te hampitony ny fiasan-dohan'ity vadiny.
- "Aleo ary hatoritory kely fotsiny isika dia mandeha misakafo any ivelany rehefa avy eo sady tonga dia mandeha mivantana any amin'i Hopitaly. Tsy efa fantatrao hoe aiza no toerana misy azy?" Hoy i Malala naka toky ny amin'ny hahitana an'i Hery io andro io ihany.
- " Efa fantatro kah" hoy Ratrema sady niarina moramora niala teo ampandriana izy.
...
Teo ampisakafoanana tao amin'ny hotely mihaja iray eto andrenivohitra.
- " Saika hoe rahariva moa aho vao te hiresaka aminao mikasika ny orinasa fa ohatran'ny tsy andriko ilay izy dia aleo hazavaiko tsotsotra aminao ny fandehany." Hoy i Ratrema toa somary nitankisina tsy dia nahazo aina teo amin'ilay seza nipetrahany.
Na dia ny momba an'i Hery aza no nameno ny sain'i Malala dia tsy afa-niala intsony izy fa dia voatery naneho fahavononana hihaino ity vadiny izay tsinjony fa toa niha malok' endrika tampoka.
Nanomboka nitantara ny zavatra novantaniny avy any ampitan-dranomasina amin'izay ary i Ratrema. Nohazavainy tamin'i Malala teo ny fahabangana ara bola goavana diavin'ny orinasa, ny hetram-panjakana tsy maintsy aloha, ny tsy aneken'ny banky hanpindram-bola azy ireo intsony sy nahavoatery azy nanao antoka ny tranon-dry zareo eny Ivandry amin'ilay namany. Teo i Malala vao tafatombina tsara tamin'ny resaka resahin'i Ratrema ny sainy. Toa tsy mampino azy ny zavatra henony. "Dia ho sanatriavin'ny vava ve" hoy izy tany antsainy tany "dia ho lasan'izany olona izany io trano ipetrahanay io?" Adinon'i Malala tampoka teo ny momba an'i Hery aloha.
- " Dia rahoviana no tokony hamerenanao ny volan'izany namanao izany " hoy i Malala toa mangovitra sady mijery tsara an'i Ratrema mipetraka amin'ny eo amin'ny seza mifanatrika aminy.
- " Mbola manana roa volana aho" hoy i Ratrema " Fa raha vao dify kosa anefa io dia izay ny amin-tsika fa dia votsitra ny trano... Tsy maintsy mitady vaha olana hafa isika fa tena tsy foiko ho lasan'olona io trano io kah. Tao daholo no lehibe ny zanako ka tena tsy foiko mihitsy e... Inona no mety ho hevitra hitanao?" hoy Ratrema sambany nanontany an'i Malala amin'ny fanapahan-kevitra goavana mikasika orinasa sy ny fiainan'izy ireo tahak'izao. Niherikerika nijery ny manodidina azy teo aloha i Malala tsy nanampo ity fanontaniana miantefa eny aminy vao namaly:
- " Tena tsy hitako izay hatao Ratrema fa aleo aloha aho hieritreritra dia rahariva indray isika miresaka fa tena mila sainina milamina izany zavatra izany. Aza manary toky fotsiny fa mino aho fa tsy maintsy hisy làlana hosokafan' Andriamanitra hoantsika" sady noraisiny moramora ny tanan'i Ratrema nipetraka teo ambony latabatra mba hankahery azy.
- " Misaotra Malala a. Mahatsiaro sambatra aho manana anao" sady nitsangana i Ratrema no nametraka ny hafaliam-po hoan'ilay mpandroso sakafo teo ambony latabatra. Tsy ela taorian'izay dia indro izy mivady nizotra moramora namonjy ny fiara tao ivelany.
Afaka antsasa-kadiny taty aoriana...
Niantsona teo amin'ny fametrahan'ny mpamangy ao amin'ny hopitaly fiara i Ratrema. Tsy dia nahitana teny firy loatra moa i Malala teny andalana. Niha mafy indray ny fidobodoboky ny anao vavy. Noezahiny naverina tao antsaina ny endriky Hery. Dia sanatria ve hoy izy dia tsy ho ohatran'izay no zavatra ho hitako ato? ...Efa azon'i Ratrema tamin'ny maraina avokoa moa ny laharan'ny efitrano nisy an'i Hery dia indro izy mivady namikiviky moramora niakatra ny tohatra sy namakivaky ny lalantsara lava be hoany amin'ity tovolahy izay nampisavoaravoara ny fiainan'izy ireo.
Niahotra kely aloha izy mivady nony tonga teo ambaravarana fa toa nisy olona maromaro tao amin'ilay efitrano. Sendra nahatsikaritra an'ireto mpivady nisalasala anefa ny iray tamin'ireo tao anatiny ka dia namonjy nivoaka sady nanontany:
- " Misy azo anampiana anareo ve tompoko?"
- "Saika hanontany fotsiny izahay raha ato no itazonana an'i Hery, ilay tovolahy voan'ny lozam-piarakodia tamin'iny làlan'ny fahaleovantena iny, andro vitsivitsy lasa izay?"
- " Fa iza moa ianareo" hoy ihany ilay tovovavy nanohy nanadihady.
- " Namany akaiky izahay, i Malala no anarako ary izy no Ratrema vadiko" hoy i Malala toa tsy namela an'i Ratrema hamaly ilay fanontaniana.
- " Faly mahalala anareo tompoko. Ato indrindra izy ary io mbola matory tsy mahatsiaro tena io. Izaho no Dr Mihary. Sady mpitsabo ato aho no namana akaiky an'i Hery ihany koa. Mandroso ary ianareo" hoy ihany i Mihary sady nanome seza ireto mpivady izay sambany vao hitany. Betsaka ny fanontaniana nifandimby nifanesisesy tao antsainy teo ampahitana ireto mpivady toa olona manan-katao mitady an'i Hery ireto. Mbola tsy henoko niresadresaka ny fisian'izy ireto tamiko mihitsy i Hery hoy ihany izy tany antsainy tany. Mino anefa aho fa misy ifandraisany akaiky aminy izy ireo matoa misahirana mankaty mihitsy. Raha mbola somary lasa fisainana kely teo moa i Mihary no nandeha nifampiharahaba tamin'i Tahiana sy Fano ry ingahy Ratrema mivady.
Valaka i Malala tamin'ny zavatra hitany. Moa tsy toa ireny tsy misy aina ireny intsony ny fahitany an'i Hery matory eo amin'ny farafaran'ny hopitaly. Nanganohano ny ranomasony. Tsaroany avokoa ireny fotoana mamy niarahany tamin'i Hery rehetra ireny. Dia ho sanatria ve dia ho faty na hanan-kilema mandrakizay ity rain-janako ity hoy izy tany antsainy tany. Toa tsy nanaiky ny sainy na dia kely dia kely aza ny tsirim-panantenana tao ampony mihaino ny fanazavana nomen'i Mihary an'i Ratrema.
- "Efa ho telo andro izy io izao" hoy i Mihary "no tsy nahatsiaro tena. Nisy tapaka moa ny taolan'ny feny dia efa io nasiana platira io hitazona azy tsy hihetsiketsika. Miandry azy hifoha izahay izao. Nisy voadona mafy ihany koa tamin'ny hoza-masony ka izay no nahatonga anay nanapa-kevitra ny hanarona ny masony ohatran'io. Mbola tsy tena fantatra aloha izay tena fandehany fa raha vao mahatsiaro saina izy dia ho tarafina amin'izay ny lohany hahitana raha zavatra mandalo ihany ilay fahajambana andalovany izao na hoe mety hijanona ho takaitra mandra-maty ho azy mihitsy."
- " Mbola tsy nahatsiaro tena mihitsy ve izany izy io " hoy i Ratrema nitompy maso tany amin'i Mihary sady nifindra haingana nijery ny tarehin'i Hery izay mitsilany eo ampandriana.
- " Nisy fotoana izy taitra kah. Izay no nanome fanantenana anay fa efa natahotra ihany aloha izahay tamin'ny voalohany. Ni-delira niantsoantso an'i Alexia izy...Toa hoe fofombadiny lasa nalefa notsaboina any andafy any izany Alexia izany raha araka ny fahafantarako azy " hoy ihany i Mihary nanohy.
Gina tsy nisy nahateny ingahy Ratrema mivady fa ny mason'izy ireo fotsiny no nifampijery toa nifanontany an'eritreritra. Nisento kely aloha i Ratrema vao nanohy hoe:
- "Zanakay vavimatoa izay Alexia notadiaviny izay. Vao anikeo moa aho vao naheno ny vaovao ary dia izao hitanao tonga aty izao. Ramatoa vadiko aza mbola reraky ny dia lavitra avy any Paris fa dia tsy nety mandry mihitsy ny sainay raha tsy tonga aty izahay.
- " Ianareo izany no ray amandrenin'i Alexia" hoy i Mihary tamin'ny feo somary malefaka. " Niresaka matetika tamiko momba an'i Alexia tokoa izy ry izy mivady ary dia tena tiany tokoa izany zanakareo izany..." sady niserana tao anatin'indray mipi-maso tao antsain'i Mihary indray ilay hariva nanomezan'i Hery azy ilay rojo volamena izay noheveriny ho fanehoam-pitiavana azy. Tadidiny fa nitady fitiavana mafy tamin'i Hery izy saingy toa nahatsapa ho voatosi-boho tanana. Tsaroany ihany koa ny hadisoam-panantenany ary toa mbola hitan'ny masony tsara mihitsy izy nirintona nivoaka ny trano fiasany sady nandray ilay fiara karetsaka izay narahin'i Hery avy ato aoriana ary dia niafara tamin'iny lozam-piaradia iny ... toa tsy tiany ho heritrerentina intsony anefa ny tohiny avy eo...
"Izahay ireo hitanao ireo moa no ohatran'ny hoe havany akaiky eto na dia namany fotsiny ihany aza." Hoy i Mihary nanohy ny resany rehefa avy eo.
- " Dia misaotra anareo be dia be" hoy i Malala fa raha tsy nisy anareo izany izy dia asa izay nanjo azy.
- " Marina tokoa izany " hoy i Ratrema nanohy " fa raha misy ilanareo fanampiana dia aza misalasa miantso anay mivady sady navoakany ny baoritra kely misy ny laharan'ny fidainy sy ny adiresin'ny birao fiasany eny Ankorondrano sady nomeny an'i Mihary.
- " Hoavy mitsidika eo ihany izahay mivady na mifandimby mandalo aty. Mba ilazao mihitsy izahay raha vao misy vaovao ny momba ny fikarakarana azy na ny toe-pahasalamany an!" hoy ihany i Ratrema nony avy eo sady toa nioman-komana ny handeha.
- " Tsy misy isaorana" hoy izy telo mianadahy mianaka toa saika niara-namaly saingy i Mihary ihany no nitohy nanohy avy eo nanao hoe
- " Aza manahy ianareo fa ianareo no antsoiko voalohany raha vao mifoha eo izy."
- " Eny ary" hoy Ratrema fa hangata-dalana aloha izahay mivady fa mbola reraka mafy ramatoa vadiko sady nanolotra valopy avy any ampaosiny izy hoan'i Mihary. "Ity mba misy fanampiana kely avy aminay mivady hanampiana amin'ny fitsaboana ny mararintsika."
- " Na dia tsy fianankaviana aza moa aho" hoy i Mihary dia raisiko izy ity satria izahay telo no miara mitsabo azy eto dia onera be ny nialany sady marary iaraha manana ny antsika io fa dia misaotra. Aza manahy ianareo fa miantso aho raha vao misy vaovao na dia anio ihany aza."
Nitopy teny amin'ny Hery indray ny mason'i Malala. Toa tsy mino ny sainy fa io ilay tovolahy tomady sady bikana mpanome fahafinaretana azy sady nanova tanteraka ny lalam-piainany. Tsy maintsy miverina aty ihany aho rahariva na rahampitso hoy izy tany antsainy tany fa aleo aloha hody kely haka saina amin'izay tokony hatao.
Nanantona manokana an'i Tahiana tamin'izay i Malala nony avy eo sady ohatran'ny nibitsibitsika moramora hoe:
- " Fa dia nanao ahoana loatra aky ity indry no tsy henoheno mihitsy. Raha tsy i Ratrema nandeha nanontany tany ampiasan'i Hery ve izany dia tsy ho nahafantatra an'izao mihitsy izahay?
- " Ialako tsiny be dia be akia fa tena be loatra ny erehan'ny lohako niakitra ny zava-niseho taty ah. Efa nieritreritra ny hiantso an-dry ihany aho hay moa indry no tonga taty mialoha... Manao ahoana i Alexia any?
- " Eny e, mba gagagaga fotsiny aho hoe zavatra ohatran'izao ve no mitranga dia kobokoboninareo aty fotsiny. ... efa mihatsara mihitsy i Alexia kah! Ny tena mahavaka ny sainay mivady izao dia fomba hilazana aminy ny vaovao. Asa izay hanjo azy. Izy mihitsy mantsy no nagataka tamin'i Ratrema ny hitadiavana an'i Hery tamin'izaho niala tany. "
- " Raharaha tokoa aky izany" hoy i Tahiana toa vaka mihaino ity namany.
- " Aleo akia aloha handeha izahay fa miverina eo aho na antsoiko indry rehefa avy eo." Sady lasa namonjy nanao dia maika hanenjika an'i Ratrema efa namindra moramora tao andalan-tsara izy.
Hita soritra teny amin'izy roa ny hakiviana raha iny izy ireo nidina ny tohatra hivoaka ny hopitaly iny. Toa adinon'i Ratrema ilay disadisa teny amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato mialoha ny nitondra an'i Alexia tany Frantsa. Ontsa an'ity tovolahy indray ny tenany.
- " Ahoana izany ny hevitrao" hoy i Malala tamin'i Ratrema.
- " Ahoana ny amin'ny ahoana moa no tinao tenenina ry Malala " hoy ity farany.
- " Ny fomba hampitana ny vaovao amin'ny Alexia izao no tena ho raharaha" hoy ingahy Ratrema nony avy eo. "Hanao ahoana re izy raha ilazana izao vaovao mampalahelo izao?"
- " Na tiantsika na tsy tiantsika" hoy i Malala "dia tsy maintsy tsorina aminy ny marina fa sao sanatria ny vava ka misy fivadihan-javatra tampoka eo izay vao tena mety ho raharaha be ny mety ho vokany."
Sady namoha ny varavaran'ny fiarany ingahy Ratrema no nijery ny famataran'ora teny antanany. Mbola mety afaka miantso an'i Profesora aho izao hoy izy tany antsainy tany sady noraisiny ny fiday nihantona teo amin'ny fehikibony. Naka toerana tsara tao anaty fiara izy nony avy eo. I Malala moa amin'io fotoana io naka toerana moramora ihany koa sady nangina tanteraka toa lasa fisainana lalina mandinika ny zavatra rehetra niandry azy taty Madagasikara. "Inona loatra re ity mahazo anay mianankavy ity eh" hoy izy tany antsainy tany. Ho tafavoaka amin'izao olana izaho ihany ve?
Nony afaka iray minitra...
- " Allo, Profesora Mahefa? ...ingahy Ratrema ihany ity! Manankorontana anareo mianaka fa azafady indrindra?"
- " An, an, An. Tsy misy olana mihitsy" hoy i Mahefa henon'i Malala nanako amin'ilay famoaham-peon'ilay telefona finday.
- " Ao akaikinao ao angaha i Alexia?"
- " Atsy anefitra fandraisam-bahiny atsy izy mijery fahitalavitra , hantsoiko vetivety ve?"
- " An, an, an. Aleo aloha isika mirahalahy no miresaka dia avy eo hita eo izay hatao" hoy i Ratrema somary nandamina ny feony.
- " Eny ary ry ingahy Ratrema fa alefaso fa mihaino anao aho " sady nandeha nivadika nikatontrano moramora tao amin'ny efitrano fatoriany izy.
Tadio ([email protected])
Tapakevitra i Rado fa hanome izay tadiavin'ity vehivavy sendra nandalo tamin'ny fotoana tsy nampoiziny teo amin'ny fiainany ity. Narosony hidina lalindalina tany anaty atin'akanjon'i Malala tany ny tanany ankavia ary ny tanany ankavanana indray kosa dia nitohy nanafosafo moramora ny lohan'ity farany. Niverina nikipy indray ny mason'i Malala toa nankafy ny safosafon'izato olon-tsy fantany fa nahasarika azy tsotra izao fotsiny. Tiany ny mahatsapa ny fahasahian'ilay tovolahy mamakivaky tsy ampihambahambana ny tenany iray manontolo. Zipo fotsy malefaka vita amin'ny lamba landy ireny moa no teny ankoditr'i Malala. Elastika no nitazona azy teo ambalahany ka tsy nananosarotra tamin'ny ratsan-tananan'i Rado ny nitsofoka tao anatiny. Tsy ela akory dia tonga teo amoron'ilay dongona teo anelanelam-pen'i Malala izy. Somary niahotra kely aloha i Rado sady nijery ny manodidina azy. Tsaroany tampoka mantsy fa tsy irery akory izy roa. Efa voaentanin'ny filana anefa i Rado ka tsy poa toy izay dia efa niroso moramora niditra tao anatin'ilay silipon'i Malala ny rantsan-tanany vitsivitsy. Somary taitra kely ny anao vavy sady ohatran'ny hoe ndeha hanakatona ny feny vao naheno ny safosafon'i Rado efa tafapaka hatreo amin'ny tampon'ny zohim-pahafinaretany. Iny Malala mbola varimbariana iny no nampidinin'i Rado hiditra lalindalina ny fanondrony sy ny fanondro adalany. Niontana kely ny fon'ny tovolahy nahatsapa fa hay efa tena hotsaky ny rano tanteraka ny fivavian'i Malala. Navezivezin'i Rado moramora tamin'izay ary ny rantsantanany anankiroa nony avy eo sady somary nataony niaka-nidina rehefa avy nampandaloviny kely teo amin'ilay kitsom-pahafinaretan'i Malala izay tena nihijitra aoka izany. Tsapan'i Malala fa miha manenika ny tenany ny hasambarana. Novelariny kely ny feny hisabaka tsara mba ahafahan'ny tanan'i Rado nanafosafo tsara ny fivaviany efa tena lonaka tanteraka. Toa tsy misy zavatra tian'i Malala ho tadidiana intsony tamin'izay fotoana izay afatsy ny fahafinaretana tsapany miha mananika tsikelikely ny tenany iray manontolo. Henony fa nihamafy ny fisefony sady toa niha nafana ny fofon'aina nivoaka tamin'ny vava orony. Niezaka naina moramora izy mba tsy hanaitra ny manodidina na dia toa ila tsy ho voafehiny intsony aza izato fahasambarana mananika ny vatany. Nampidirin'i Rado lalina tany anatin'i Malala tany ny rantsantanany iray ka tsapany fa toa somary mikentron-tarehy izay i Malala isaky ny voakasiny ilay faritra misy nofo kely mihantona ao anatin'ny fivavian'i Malala ao. Noverenany nokasihina indray ilay faritra ka somary nimaona tsirom-pahafinaretana izay ny anao vavy. Teo i Rado vao tena nahatsiaro fa mety tsy hahatana ny haka fafiny ampahanginana ao intsony i Malala raha mitohy izao ataony azy izao ka dia novonjeny notapenana haingana tamin'ny tanany ilany ny vavan'i Malala mba ty hamoaka feo. Toa vao maika nampihodina ny bokotra fampandehanana tao anatin'i Malala anefa izany fihetsiky Rado toa manakana azy izany ka vao maika nitankisina tamin'ny toerana natoriany teo ny anao vavy sady toa nanenjika ireo rantsan-tanana niditra sy nivoaka ary namakivaky ny halavan'ny zohim-pahafinaretany. Natahotra tampoka i Rado nanoloana ny zava nisy fa toa miha tsy tompon'ny tenany hatrany ilay vehivavy omeny fahafinarentana. Tamin'izay fotoana izay indrindra no nisy vehivavy lehibe iray nipetraka tsy dia lavidavitra kely teo alohan'i Rado nizotra nanatona ny lalantsara hoan'ny amin'ny toerana fivoahana izay tany aoriana. Nahenan'i Rado avy hatrany ny fihetsin'ireo rantsantanany havia mbola tavela teo anelakelam-pen'i Malala sady nikoropaka haingana ny tanany ankavanana nanarona tsara ny lamba nirakofan'i Malala izay efa ila ho latsaka tamin'ny tany. Nihiratra tampoka i Malala sady niandradra nijery an'i Rado toa manontany hoe fa maninona no ajanonao. Tsy namaly anefa i Rado fa ny tanany ankavia no nosintoniny moramora hiala tao anaty silipon'i Malala. Niondrika moramora i Rado nony avy eo dia nibitsibitsika tamin'i Malala izay niondana teo amin'ny feny hoe:
- "misy olona!!".
Kivy be ny anao vavy fa tapaka tampoka ilay hasambarana efa henony ila handifotra azy teo.
- " Aoka izay!" hoy i Rado niverina nibitsibitsika teo ampoto-tsofiny indray " fa rehefa tonga any Tana tohizana". Tsy namaly anefa i Malala fa ny masony no naverina nakipy. Toa sorena tampoka izany no fahatsapany ny tenany. Toa nandalo tamin'ny sofiny fotsiny ilay tenin'i Rado tamin'ny teo ny amin'ny hanohizana ny fiarahan'izy ireo rehefa tonga any Antananarivo. Niverina tao antsainy tampoka ny endriky Ratrema tonga mitsena azy eo Ivato afaka ora vitsivitsy.
- " izay izany " hoy izy tany antsainy tany. I Rado moa tamin'io fotoana io tsy niteny fa toa nanaraka ambokony fotsiny izay tian'ity vehivavy atao.
Samy varimbariana tamin'izay noheritrerentina avy teo izy roa ary dia resin-tory ihany no niafarany. Ny feo manga somary mikasokasoka an'ilay hotesy nilaza fa miditra ny moron-tsiraky Madagasikara izy ireo no nanaitra ireto olon-droa toa samy tsy nahazo izay tena notadiaviny. Ny ankamaroan'ny mpandeha moa tamin'io efa somary taitra avokoa ary efa avy nisakafo maraina aza. Niharina moramora I Malala nony kelikely sady nijery ireo zanany mbola sondrian-tory no nanontany an'i Rado izay efa tafafoha mialoha.
- " Tonga ve?" hoy izy
- " Efa kely sisa " hoy i Rado nitsiky nijery azy. " Natory tsara?" sady ohatran'ny nanao fijery hafahafa izay i Rado tamin'i Malala toa te hampita hafatra mihoatra lavitra noho izay naloaky ny vavany.
- " Enao mampijaly!" hoy i Malala tamin'ny feo miangoty miaro henatra sady ohatran'ny nahankiny moramora teo amin'ny soroky Rado ny lohany. " Menatra anao aho" hoy izy nony avy eo nanohy. " Vao omaly ve isika no nifakahalala dia ireny no zava-bitan-tsika?" sady nangala-maso tany amin'ity tovolahy teo akaikiny izy.
Tsy namaly avy hatrany aloha i Rado fa toa namadibadika ny voambolana tao amin'ny tahiriny.
- " izaho no tena menatra anao" hoy i Rado nony avy eo. Mbola tsy nanao zavatra toa ireny mihitsy aho. ... efa mba nonofinofisiko ihany anefa aloha ilay hoe hiaraka amin'ny olona tsy fantatro amin'ny fotoana tsy ampoiziko ety ambony fiara manidina fa tsy noheveriko ho tanteraka. Dia ahoana izany izao ny tohiny? " sady nijery tany amin'i Malala ilay tovolahy.
- " Tsy haiko!" hoy i Malala. " Za io hitanao manan-janaka roa be izao io, ny vadiko rahateo koa hoavy hitsena anay ao Ivato rehefa avy eo, de ..." sady niahotra kely izy aloha.
- " Izaho koa aloha efa manambady saingy tsy mbola mananjanaka eh" hoy i Rado toa ila tsy hahaloam-peo. Tsy haiko anefa ry Malala fa ohatran'ny misy zavatra tsapako aminao izany ah"
Teo vao tonga saina i Malala naheno ity tenin'i Rado farany ity.
- " Rado ah!" hoy izy nony avy eo. " Tsy manome tsiny anao aho nefa tsy te handratra ny fonao na koa hoe hanimba ny tokantranonao ka aleo ataontsika ho toy ny tsy nisy ihany ireny zavatra niainantsika teo ireny. Sa tsy mety aminao izay?"
- " Eny e, mety misy mahamarina ny teninao fa aleo ary ataoko hoe nanonofy fotsiny aho tamin'izay niainako sy tsapako rehetra teo. Tiako ho fantatrao fotsiny anefa fa somary diso fanantenana kely aho fa mbola nanantena be mantsy aho hoe mbola hitohy ilay izy rehefa tonga aty Dago isika"
- " Na izaho koa aza anie diso fanantenana saingy aleo samy manamboatra saina isika". Toa nisy fahanginana kely aloha teo amin'izy roa izao vao nanohy moramora i Malala hoe:
- " Tsy fantatra koa anie izay haloaky ny hoavy ". Toa te hanamboatra ny sain'ity tovolahy lasa saina tsy fantatra izany ny anao vavy..
- " Mety mbola afaka mihaona aminao ve aho rehefa tonga isika?" hoy i Rado nony avy eo.
- " Ahoana moa no tsy ho afaka mihaona" hoy i Malala "saingy tsy afaka mampanantena ny hitohizan'ny fiarahantsika aho. Tsy fantatro hoe inona marina no tena miandry ahy aty Dago" sady toa niverina tao antsainy tampoka ny resaka nifanaovan'izy sy Ratrema vadiny faram-parany tamin'ny telefona.
- "Firy ny laharana mety ahazoana miantso anao ry Malala?" hoy i Rado toa nisisika izany nony avy eo.
- " Sarotra be ilay hihantsonao ahy ry Rado fa hanahirana ahy amin'ny vadiko kah. Raha manana adiresy mailaka ianao dia aleo aho any no manoratra dia ho hitantsika eo, sa ahoana?"
Na dia tsy nahafapo loatra an'i Rado aza ny valinteny azony dia navoakany moramora ihany ny karatra misy ny fomba ahazoana mifandray aminy na amin'ny telefona na amin'ny mailaka sady natolony an'i Malala.
- " Tsara tarehy kely izy izany" hoy i Malala. " Hita mihitsy hoe avy any Etazonia ianao. Anoratako ianao fa aza matahotra fa raha tsy mihaona intsony dia any anaty mailaka indray izany miresaka sady ohatran'ny nokapohiny kely ny fen'ilay tovolahy toa diso fanantenana.
- " Manorata rehefa mazoto ianao" hoy i Rado mody tsy rototra toa nankahery tena. " Telo herinandro ihany aho no aty Dago dia miverina any aminay any amin'ny be kintana indray." Hoy izy nony avy eo.
....
Niantsona ny seranam-piaramanidina teo Ivato ny zotra Air Madagascar nitondra an'i Malala telo mianaka. Nikenokenona aoka izany ireo mpiasa mpandray ny mpandeha vao tonga. Dondona dia dondona ery ny mpandeha hivoaka sady mitazana eo amin'ny varavaran-kely. Toa mikisaka ny fandehan'ny segodran'ny famataran'ora miandry ny hidonan'ilay tohatra eo amin'ny varavaran'ny fiara. Noraisin'i Malala i Cinthya sy ny entana iray nony avy eo ary i Rado kosa no nitantana an'i Toky hamonjy ny lalantsara fivoahana. Hafa mihitsy ny rivotry gasikara raha mitaha tamin'ny rivotra mangatsiaka nilaozana tany Eoropa.
Miramirana aok'izany avokoa ny mpandeha midina ny tohatra hamonjy ny trano fandraisan'entana. Nasain'ilay polisy vavy nandeha teo amin'ny filaharana voalohany avy hatrany i Malala sy Rado miaraka amin'ny ankizy nony avy eo na dia somary taraikiraiky aza ry zareo vao tafiditra tao. Tazan'i Ratrema izay niandry tery ivelan'ny rindrina fitaratra akaikin'ny fisavana entana avy hatrany ny vadiny aman-janany na dia tsy mbola nahita azy aza. Nidobodoboka ny fony fa toa efa ela loatra no niandrasany an'io fotoana io. "Tonga ihany lahy ianareo telo mianaka " hoy izy anakampo. " Misaotra anao aho Andriamanitro o fa nontantanao tamin'iny lalana lavitra iny ny ankohonako" hoy ihany izy toa nivavaka tany anatiny tany sady manara-maso tsara ny toerana alehan'i Malala sy i Toky izay notantaran'i Rado. Taitra kely aloha i Ratrema nahita an'i Rado toa mitantana anjanany. " Mba iza koa ary iny tovolahy iny " hoy i Ratrema somary niady saina. Vetivety ihany anefa izany eritreritra izany dia afaka tao antsainy raha iny hitany fa tamy nanantona ilay rangahy mijoro miaraka amin'ny zandary mpisava entana i Malala narahin'ilay tovolahy mbola nampiketrika ny sainy.
- " Ary tena tsara tarehy mihitsy anie ity vadiko ity" hoy izy mandinika an'i Malala avy any ambony ka hatrany ambany. Tadidiny tampoka tamin'izay koa anefa ny endriky Mme Corine izay toa nampatsiahy tebiteby niserana tao anatiny.
Eritreritra niserana daholo ihany anefa izany fa indro tamy nanatona ny varavaram-be fivoahana ny fisavana i Malala telo mianaka niaraka tamin'i Rado. Hazakazaka ny an'i Ratrema nanatona ny vadiny. Toa adinony ny fisian'ilay tovolahy nitantana an'i Toky fa dia ny hanoroka sy ny hamihina an'i Malala no nahamaika azy.
- " Tonga soa aty amintsika" hoy izy. " Manina anareo mafy mihitsy aho. Tsy nisy olana teny andalana?"
- " Tsy nisy olana kah. " hoy i Malala. " Faly be koa aho aky mahita anao" Efa tsy andriko ery." Niherika tany amin'i Rado i Malala nony avy eo sady namonjy nitodika tany amin'ny vadiny no sady niteny hoe" "Mba mila misaotra kely an'ity tovolahy avy any Etazonia ity ianao Ratrema fa raha tsy nisy azy izahay telo mianaka nanomboka tany Paris an, tena sahirana mihitsy! Rado no anarany." Hoy ihany i Malala sady somary nitopy kely tany amin'ny Rado ny masony miandry fatratra izay ho fihetsiky i Rado manoloana an'i Ratrema.
- " Misaotra betsaka r'ise fa tena sahirana ise, An, an dia mba mila mandalo kely misakafo any antrano izany ise rehefa malalaka sa ahoana?"Tsy i Rado anefa no afaka namaly ny tenin'i Ratrema fa i Malala no avy dia nitsatsaingoka hoe:
- " Telo herinandro fotsiny anie izy hono no eto dia miverina any Etazonia indray e."
- " Eny eh, na dia izany aza ve tsy aleo mba mandroso kely any antrano mba ho fisaorana ny fanampian'ise an'ireto vady amanjanako ireto?"
Toa tsy araky ny nieritreretan'i Rado sy Malala aza mihitsy ny zava niseho ka dia toa nanaiky tsy sazoka i Rado nony farany.
- " Eny re tompoko fa efa nomeko an'i ramatoa vadinao any moa ny fomba ifandraisana amiko ka mba anoraty mailaka aho izany ry Mme Malala amin'ny Alatsinainy dia hampitaiko aminao eo ny programako" Sady nangata-dalana tamin'ny fihetsiny ihany i Rado niherikerika nijery ny rahalahiny izay efa sasa miandry tsy dia lavitra teo tonga nitsena azy.
- " Eny ary" hoy i Malala "fa anoratako ianao fa dia miala sasatra tsara fa lavitra iny lalana iny" sady ohatran'ny nanaovany tsiky toa manohy ny teniny ilay tovolahy.
...
- " Avelao ho entindry zalahy iretsy ny entana" sady nantsoin'i Ratrema hanatona ireo tovolahy mpanosika entana efa niandry tsy lavitra teo. Asa izay nahazo an'i Ratrema teo fa dia hoy izy tamin'i Malala hoe:
- " F'angaha tsy raharaha be ry Malala ny zava-misy aty fa tena vaky mihitsy ny lohako mieritreritra azy" hoy i Ratrema toa tsy dia tena nisaina loatra ny mety ho akon'ny teny navoakany.
- " Fa misy inona" hoy i Malala sadaikatra sady nanao tsara jery an'ity vadiny.
- " Niantso tany ampiasan'i Hery aho dia nilaza ry zareo tao fa hoe voan'ny lozam-pifamoivoizana hono i leiry andro vitsivitsy lasa izay ary dia mbola any amin'ny hopitaly foana hatramin'izao."
- " Ahoana tsara hoe Ratrema" hoy i Malala saika nitambotsitra nianjera niaraka tamin'i Cinthya eny antrontrony.
- " Eh, eh. Toneo tsara aloha ny fonao fa efa mahatsiaro tena hono izy.
Vao maika anefa nanampitrotraka ny fahatairan'i Malala ny nahenoany an'ilay hoe " efa mahatsiaro tena hono izy".
- " Fa tena saika maty mihitsy izany izy raha izany Ratrema a!" sady namonjy nipetraka teo amin'ilay sisin'arabe ndeha hidina hamonjy ny kianja malalaka fametrahana fiara iny i Malala. Niahotra kely aloha i Ratrema toa nikoropaka tampoka izany nahita ity vadiny ila tsy hahazaka tena hitsangana.
- " Malala a," hoy izy nony avy eo sady somary niodrika nakeo akaikin'i Malala izy. " Ndao aloha hody any antrano dia rehefa tony tsara isika mandeha mijery azy any amin'ny hopitaly".
Izay fampanantenana ny handehanan'izy ireo hijery an'i Hery any amin'ny hopitaly izany no toa nanome tanjaka tampoka an'i Malala nitsangananany niaraka tamin'ny zazakely teny antanany. I Toky moa nandritra izay fotoana izay dia toa tsy dia maharaka loatra hoe inona no mitranga fa ny fitaritana an'i Ratrema hamonjy ny fiara izay efa tsy dia lavitra teo ihany no nasesiny.
Nalohan' i Ratrema ny hafaliam-po hoan'ireo tovolahy nanatitra ny entana tao anaty fiara dia indro izy efa mianaka fa nitodi-doha hiakatra ny renivohitra.
- " Manao ahoana izay zanako vavy ao izay" hoy i Ratrema toa te hanova ny resaka tamin'i Malala nony efa tonitony ity farany izay tsy nahitana teny na dia indray mandeha akory aza nanomboka teo Ivato mandrapiditra an'i Talatamaty.
- " Efa tena miha tsara mihitsy izy. Vao avy nanao fizahana tany amin'ny hopitaly izy ny omalin'ny niaiganay tany. ...Eisy! Hay moa ianao niresaka taminy tamin'ny telefona ary koa..."
Somary nangina kely aloha i Ratrema vao nanohy indray.
- " Ahoana izao no hilazana an'ity vaovao ity amin'i Alexia? Tena tsy mampino ahy le izy eh!.."
- " Ny inona?" hoy i Malala somary taitra indray.
- " I Alexia nilaza fa nanonofy ratsy be momba an'ilay adala lahy iny...dia inona tokoa fa sanatria ny vava hoe tena hitan'i zanako vavy tamin'ny nofy mihitsy ny zavatra nanjo azy taty. Fa tena afaka mifandray an'eritreritra foana ve ny olona na dia mifanalavitra be aza eh? Tena tsy mampino! Tsy haiko hoe ahoana izao no fomba hampitako an'ity vaovao ity amin-janako nefa dia tena miandry ahy mafy izy any izay." Hoy ihany Ratrema sady toa nihivingivina ny lohany mieritreritra izato olana miampy olana tsy maintsy ho vahany.
Tadio
[email protected]