Samy gina nandritra ny 5 sengodra teo zahay telo. Samy nijery ny valin-drihana fa tsy nisy sahy nifampijery. Ny kikiakan'i Toky tany ambony no nanapaka tampoka izany fahanginanana izany. Nitsangana nanararaotra an'iny i Malala (izay moa no anarany) dia nisarongotiny niaraka taminy ny drap norakofanay. I Alexia sy Izaho miboridana be sisa no tavela teo. Nitsangana haingana koa aho de nampidiriko ny fitafiako. I Alexia angamba tamin'io mbola tena tsy tonga saina fa notopazako maso kely izy fa toa mbola mikipy ny masony. Fananararaotana hitsoaka no tato andohako avy hatrany kanjo tara loatra. Ny masony efa mivandravandra mibanjina ahy no tadidiko manaraka avy eo. Tsy misy soritra te hitomany teny amin'ny endriny sa ve tezitra loatra hoy aho nanontany tena? " Efa ela ve hoy izy ?". Tsy hitako zay navaly azy fa ny kiraroko no nezahiko nampidirina sady nivoaka ny efitra moramora aho tsy sahy nitodika tany aminy. Tafavoaka ny vavahady ihany aho saingy tsapako ohatran'ny lavitra be izany ilay nakeo ambavahadiny. Nisento ela ela aloha aho vantany vao tafavoaka taty ivelany no sady niteny irery nanopa tena no vaky hehy koa. Lasa mitapy angamba aho hoy ny eritreritro. Notohizako moramora ny diako sady namisavisa ny amiko sy Alexia aho. Izaho mantsy no nanala ny maha virjiny azy. Ny mamany indray koa anefa tsy azo lavina fa tena mbola mitana tsara mihitsy. efa 2 herinandro taty aoriana mbola tsy naharenesana akony iny zava-nitranga iny ka dia ny revy niaraka tamin'ireo namana mpiara misotrosotro aloha no nataoko mba hanamaivanako ny fiketriketrehana tao antsaiko.
Indray andro tsy nampoiziko, naharay antso antelefona tamin'ny fidaiko aho. Nojereko ilay laharana fa an'i Alexia. Vaka teo ny saiko, ho raisina ve sa havela haneno fotsiny eo. Tapaka ilay antso mandra-panapahako hevitra amin'izay hataoko. Aleo koa rangahy ho tapaka any hoy aho kinanjo, injay fa namerina niantso indray izy. Aleo rangahy raisiko hoy aho aneritreritra fa ohatran'ny misisika be izy izany. Vao namaly anefa aho dia hakory ny hatairako fa ny mamany no tao. Saika latsaka indray ny pipiako. Nilaza izy fa mila miresaka hono izahay telo mianaka: Alexia, Mama, ary Izaho izany. Tsy nanda aho fa dia nanaiky tsy sazoka. Nony tonga tokoa ary ny fotoana nifanarahana dia ny mamany mitrotro an'i Toky no tonga teo. " F'angaha tsy ho avy Alexia hoy aho tsy naharitra" . " An, an mila miresaka aminao mitokana aloha aho" hoy izy. " Tsy maintsy ampahafantarina an'i Alexia fa zanakao i Toky". " Fa ahoana? tsy izany anie no nifanarahantsika raha tadidinao tsara" hoy aho somary niaka-peo. " Tsy misy an'izany hoe fa ahoana-nao izany" Tsy nanampotoana hamaliana intsony aho fa i Alexia efa tamy manantona akaiky be anay telo mianaka no hitako. Asa na naninona teo aho fa te handray an'i Toky aho ary i Toky efa teny antrotroako no tonga teo aminay izy. L'amour a trois hoy izy tamin'ny feo hentitra fa 'zaho tsy handrafy ny reniko na oviana na oviana fa dia ampahafantariko anao tsara izany. Samy maka ny anjarany. Ila tsy hahajery azy aho nefa tsapako ihany koa fa toy ny nisy vato be naserorina tao andamosiko tao. Nisento mora aho no sady niezaka nitraka hibanjina azy. Tsy nahita ho tenenina. Izahay efa ao anaty fiara nizotra hoany antranon-dry zareo vao ohatran'ny niverina tsara ny saiko.Na dia nilamina aza ny amin'iny tantara iny, dia mbola nisy olana hafa indray mitambesatra eto ambony lohako: ilay papan'i Alexia. Ilay zanany ity toa nahazo ny fandehanjavatra ihany fa ity rangahy lehibe no asa... i Alexia moa efa nanaiky ihany tamin' ilay niresaka tamin'i Malala iny fa tsy hamoaka izao resaka izao na amin'iza na amin'iza. Fa na izany aza mbola ho lehibe ihany ity Toky ity ary ho hita be eo amin'ny tarehiny atsy ho atsy fa misy itovizana izahay mianaka. Indray alakamisy atoandro dia nifanao fotoana fa hitsangatsangana teny Tsimbazaza miraka amin'i Toky izaho sy Malala. Nataonao tao anaty poussette ny zazakely sady miresaka izahay roa. Tena tiako aloha ilay zanako ary ohatran'ny tsy nanenina izany aho nahazo azy. Tsy hitanay roa mihitsy anefa tamin'io fotoana io fa nisy olona nanaraka foana izahay hatramin'ny fotoana nifankahitanay io atoandro io. Raha iny izaho ndeha handray ny zanako nitomany iny indrindra no nipoitra tampoka ilay rafozandahiko: " dry! hay i Hery ihany ve ity e. Tena tsy fantatro mihitsy nareo rangaha raha atao tazan-davitra", "efa hatry ny atoandro aho no nanaraka anareo" hoy izy nanohy avy eo. " Noheveriko ho mampirafy ahy i Malala ka izay no nisahiranako nanaraka azy tetsy sy teroa. Azafady indrindra r'ise fa rehefa tia tokoa hono ny tena tsy maintsy saro-piaro. Ary aiza i Alexia no tsy niaraka taminareo?" Nitopy tany amin' Toky ny masony no sady niteny hoe " bonjour mon petit bébé " taminy izy. "Mihantahanta amin'i zokilahy an?" hoy izy nony avy eo. Nangalam-pijery tany amin'i Malala aho tamin'io fotoana io ary gaga amin'ny tena fahaizan'ny vehivavy mampitony ny fihetsehampony fa dia tena tony dia tony mihitsy ny fahitako azy ary ohatran'ny olona mpifakahalala fotsiny ireny izahay. Izaho moa tsy afenina fa dia tena tera-tsemboka hatrany anaty kilaotiko. " Inona indray no manaraka? hoy Ratrema nanohy, izay moa no fiantson'i Malala ny vadiny. "Efa hitako eto ihany ianao ka tsy aleo ve ho lazaiko anao eto ny tena tiako holazaina hatramin'izay ?" Dray dray dray!!! inona indray ary no mety holazain'ity antidahy ity hoy aho niketriketrika fa sao dia efa fantany ihany ary ny fandehanjavatra rehetra fa modiany manao sary adala fotsiny eo... " Tsy izany mantsy fa efa ela loatra ianareo sy Alexia no niaraka, ka tsy aleo ve mba atao fombafomba ianareo fa hainao ihany ny vavan'ny olona?" Saika tsy tana ny vavako tonga dia namaly azy hoe "Hay ve izay izany fotsiny e!!!" noheveriko fa hilaza inona teo koa ity izy.
| « | Febroary 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | |