Tadiom-pitiavana

PEJY 82
2006/09/29,05:33
   Raha vao nigadona tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Charles de Gaules izy mianaka dia tsy andrin'i Alexia ery ny hijerena izay voalaza teo amin'ireo filazana ny fahatongavan'ny fiaramanidina. Henony fa nidobodoboka mafy ny fony raha vao nahita ny anaran'ny zotra  Air Madagascar niseho teo.
- "Dada a! efa
tonga hono ry zareo fa ndao haingana!" sady noraisiny ny tanan'i Mahefa hanaraka azy.
Tamin'izay fotoana izay indrindra koa anefa no naneno sady nihovitrovitra ny finday tao ampaosin'i Mahefa.
- " Izay angamba ry zareo!" hoy izy sady noraisiny haingana ilay antso.
- " Allo! ... Pr Mahefa!" hoy ilay feo izay tsy dia vaovao firy tamin'ny Mahefa intsony.
- " Dr Mihary,
Tonga soa ianareo, aiza izao ianareo io?"
- " Efa tafavoaka ny fisavana pasipaoro izahay fa miandry anareo mianaka sisa" sady nohazavazavain'i Mihary ny toerana misy azy ireo.
- " Eny ary" hoy i Mahefa "efa tamy izahay fa aza mihetsiketsika eo izany " sady namindra maimaika ihany i Mahefa sy Alexia.
...

- "
Tonga isika ity ry Hery ka ahoana ny fihetsem-ponao hahita an'i Alexia indray?" hoy i Mihary tamin'ity tovolahy namparary ny fony hatrizay. Tsapany fa mbola nitempo fitia hoan'i Hery ny fony na dia niezaka mafy ary izy nanao an'izao rehetra izao hampitoniany ny tenany. Anisan'ny vaha olana faran-tapony heveriny fa hanampy hahasitrana azy ity fanaterana an'i Hery hihaona amin'i Alexia ity. Mihevitra izy fa rehefa hitany fa olonkafa mihitsy no tian'i Hery dia hahay hampihonon-tena amin'izay ny fony. Raha mbola variana kely teo i Mihary no namaly ny fanontaniany i Hery izay hita efa tena tsindrindaona fatratra.

- " Efa tena tsy andriko mihitsy ry Mihary ah? hanao ahoana re ny fihetsiny mahita ahy eto ambonin'ity fandriana ity eh" 
- " Aza be eritreritra ny amin'izany ianao ry Hery ah" hoy i Mihary " Rehefa tiany ianao dia tiany na ahoana na ahoana"
Tsy ela taorian'izay dia indro tokoa fa niditra ilay varavaram-pitaratra tsy lavitra teo i Alexia sy Pr Mahefa. Tsy tana fa dia nihazakazaka madinika mihitsy ny anao vavy namonjy teo amin'i Hery sady velon-tsiky tsy nisy ohatran'izany.

- " Hery !
Tonga soa. Hitako ihany ianao lahy nony farany! Ao ho rohako izany malalako izany" hoy i Alexia. Toa te handihindihy izany ny fahatsapany ny tenany noho ny hafaliana tsy omby tratra tsapany.  

- " Alexia fitiavako!" hoy i Hery sady nanomboka nijohy mora ny ranomaso nanenika ny tavany. "Mbola tinao tokoa ve aho? ... Mifona aho fa tena tsapako mihitsy ireny fampijaliana anao nataoko ireny."

- " An, an, aza mitomany ohatran'io ianao fa tsy mety... Aleo aloha izany ho any fa tadidio fotsiny hoe tia anao aho ary tia dia tena tia, Izany an?" hoy i Alexia nanambitamby mafy ity olontiany izay saiky namoizany ny ainy. " tsy avelako handeha lavitra ahy intsony ianao" Hoy ihany izy sady nosafosafoiny moramora ny lohan'ity tovolahy toa nahatsiaro fahasambarana
tonga eo anilan'ny tiany.
Samy tsy nisy nahaloam-peo na i Mahefa na i Mihary fa variana nijery ireto mpifankatia ela nifampiandrasana. Rehefa izay vao nanompy ny masony tany amin'i Mihary i Mahefa ary akory ny hagagany fa tsy iza akory ity olona manoloana azy ity fa i Ramisarivo ilay tovovavy nanaitaitra azy fahizay tany Etazonia. Nikoropaka ny anao lahy. Vahotra ny vavany. I Mihary koa moa tamin'io tsy naha hetsika tamin'ny toerana fa nijajirika toy ny labozia teo amin'izay nisy azy raha vao nahatsikaritra ny zava nitranga.
- " Tsy mampino!" hoy i Mahefa nony afaka kelikely rehefa avy nanagona ny heriny rehetra tao anatiny hiresahany tamin'ity tovovavy nambabo ny fony taona maromaro lasa izay.
- " Ianao marina ve io?" hoy Mihary namaly sady velon-tsiky toa tsy nino ihany koa sady nanatona moramora teo akaikin'i Mahefa. Nivadika ny fandehan'ny tantara fa nifantoka tany amin'ireto olon-dehibe indray ny mason'ireto zatovo mpifankatia. Tsy hay nafenina fa nisy hery nampifanintona azy roa ary dia nifamihina toa ireny mpifakatia ela tsy nihaonana ireny koa i Mahefa sy Mihary. Nitodika moramora tany amin'i Hery i Alexia te hanontany mafy hoe mifankahalala angaha ry zareo ireto. Na dia i Hery koa aza anefa dia tsy nanampo ny zava niseho ka dia nidanaka foana teo koa izy. 

Tsy naharitra i Alexia nony farany ka nanontany mivantana andrainy.
- " Fantatr'i Dada angaha i Dokotera Mihary?" sady nangalam-pijery kely tany amin'i Mihary izy?
- " Fantatro dia fantatro tokoa izy anaka. Tany Etazonia no nihaonanay voalohany. Tantara lava fa aleo rehefa any antrano aho mitantara azy aminao fa ndao aloha handeha fa efa vonona ry zareo hitondra an'i Hery any amin'ny hopitaly"
- " Hay! Tsara kosa izany!" hoy i Alexia sady somary nitsiky kely tamin'i Mahefa izy.

- " Tsy maninona ve ry Dada raha izaho no miaraka amin'i Hery" hoy i Alexia nony avy eo.
- " Tsy misy olana mihitsy anaka fa any amin'ny hopitaly izany isika mihaona rehefa avy eo an."

...
- " Hitako ihany lahy ianao" hoy i Alexia mantsy ity malalany. " Nisy fotoana aho tena efa namoy fo mihitsy, fa tsy afeniko anao ry Hery"
- " Faly aho fa tsy nafoinao sady tsy natakalonao an'iza n'iza  aho" hoy i Hery namaly moramora. " Izaho koa anie nijaly be tany eh. Mbola ho tantaraiko anao moa izay rehefa sitrana tsara aho. Tsy mety amiko mihitsy ny lavitra anao ka!" hoy i Hery sady nitodika moramora tany amin'ity tovovavy tsara tarehy teo anilany izy.
- " Raha hendry tsara amin'izay ianao dia tsy hiala eo akaikinao intsony aho" hoy Alexia tamin'ny feo miangoty feno hantahanta.
Nahatsiaro voatsindrona kely tao ampony i Hery naheno ny tenin'ity farany. Nitamberina tao antsainy ny adalany nifandimby hatrizay tany Madagasikara.
- " Tsapako mihitsy ny ditrako ry Alexia, ary manenina tongotra aman-tanana ny amin'izay vitako aho. Hiezaka aho ny hanonitra azy aminao ny amin'izao sisa izao!" hoy i Hery sady noezahany notakarina moramora ny tanan'i Alexia.
- " Efa tsara izay rehefa tsapanao ny lesoka mila harenina ka. Mamela anao aho " hoy i Alexia sady notsenainy ny tanan'i Hery dia nofihininy mafy.
- " Mba hendre tsara amin'izay moa e!" hoy ihany izy nanohy sady nitsiky malefaka nijery tany amin'i Hery.
- " Mahazo matoky ahy ianao ry Alexia" hoy i Hery nony avy eo "raha sitrana soamatsara eto aho dia ho hendry tanteraka sady hanao izay hahasambatra anao."
- " 'Zany? Tena ho hendry tsara amin'izay an? " hoy i Alexia sady nibitaky ny hafaliana tany anatiny tany. Efa ela no niandrasany teny mamy feno fampanantenana fiovana toy izany avy amin'ity olon-tiany ity mantsy.
...
Vao lasa ny fiara mpitondra marary nandehanan'i Hery sy Alexia dia indro i Mahefa  nanao dia maika namoha ny varavaran'ny fiarany hidiran'i Mihary.
- " Tsara tarehy anie izany fiaranao izany ry Mahefa eh!" hoy i Mihary sady niditra izy.
- " Tinao?" hoy i Mahefa sady nitsiky tamin'ity tovovavy nambabo ny fony.
Niditra ny fiara haingana izy nony avy eo sady nibanjina kely an'i Mihary vao nanainga. Tsiky malefaka no nasetrin'i Mihary ilay topy maso tany aminy.  Nangina tsy nisy niteny aloha izy roa nandritra iny lalana miholikolika mivoaka ny seranam-piaramanidin'i Charles De Gaules iny.
Tapa-kevitra ny hamaky ny fahanginana anefa i Mihary nony avy eo raha nahatsikaritra fa toa mihivingivin-doha izany i Mahefa eo ampitondrana ny fiara eo.
- " Mbola ao tsara ve ianao izany Mahefa?" hoy i Mihary somary nanatsafa azy
Tsy namaly aloha i Mahefa fa nitsiky kely fotsiny.
- " Mahavariana ny fiainana an!" hoy i Mahefa nony afaka segondra vitsy taty aoriana. " Zavatra tena tsy azo eritrerentina mihitsy no nampifanena ny lalantsika indray? ... Ary oviana tokoa ianao io no nody tany Dago?"
- " Vao haingana mihitsy kah" mbola tsy ampy herintaona akory, ary ianao angaha tsy mba mieritreritry ny hody amin'izay?  
- " Nisy fotoana aho ry Mihary tena nieritreritry ny hody tanteraka tany mihitsy saingy tsy araky ny nieritreretako azy daholo ny fandehan-javatra tany dia naleoko nanapa-kevitra ny hijanona aty ihany. Hamangy matetika any no kasaiko hatao... Fa naninona tokoa aloha ianao no tsy heno tampoka intsony taorian'ireny fiarahantsika tany Etazonia ireny eh?"
 - " Izaho tokoa moa izany no tsy heno tampoka ?" hoy i Mihary somary menamenatra. "... betsaka loatra ny zavatra nifamahofaho teo amin'ny fiainako tamin'ireny fotoana ireny ry Mahefa a, ny ankoatran'izay ohatran'ny tsapako hoe tia ahy ianao nefa ohatran'ny misy zavatra mbola nampiahotra anao izany dia naleoko mihitsy aloha niniana natsahatra ny fifandraisana taminao."
Tsy namaly avy hatrany i Mahefa fa nitsakotsako tsara ny zava-boalazan'ity farany. Tsapany ankehitriny fa vonona hitia an'ity tovovavy ity amin'izay ny fony rehefa fantany fa tsy misy an'i Vololona azony hantenaina intsony eo.

- " Mihary ah, " hoy i Mahefa " tsy diso mihitsy ny eritreritrao fa tena nisy zavatra mbola namatopatotra ahy tamin'ireny saingy efa nivaha tanteraka izany fatorana izany ankehitriny. Disoinao ve aho raha milaza aminao hoe tiako ho velomina hiredareda amin'izay ilay afom-pitiavanao izay mirehitra mitsilopilopy ato anatiko ato?"
Tampoka be tamin'i Mihary ity fangatahan'i Mahefa ity. Tsy noeritrerentiny mihitsy fa hihazakazaka be toy izany ny fivoaran'ity fihaonany tamin'i Mahefa ity. Tohina mafy anefa ny fony tamin'ny fahatsapany fa famboraham-pitiavana tsy misy holakolaka no miantefa any aminy. " Dia ho laviko ve " hoy izy tany antsainy tany. Ny hamono ny fitiavako  an'i Hery no tena antodiako taty hoy ihany izy niteny anakampo kinanjo famohazana ny fitiavako efa natory ity no sendra ahy. Inona re no hataoko. " Raha mbola lasa fisainana teo izy no injay henony nanakatra moramora teo amin'ny tanany ny tanan'i Mahefa. Toa izay dindon'i Mahefa nanakaiky azy izay no nanampy azy haka ny fanapahan-keviny. Tsy nisalasala intsony ny anao vavy fa avy hatrany dia noraisiny sady notsenainy tamin'ny safosafo ny tanan'ity lehilahy toa mitady fitiavana mafy aminy. 

- " Tsy afeniko koa ry Mahefa" hoy i Mihary nony avy eo " fa ohatran'ny nitselatra izany mihitsy ny foko raha vao nahita anao teo iny, te hamihina mafy anao izany aho fa tsy fantatro hoe inona no nahazo ahy. Raha tsy teo angamba i Alexia sy Hery dia asa izay niseho teo."
Heninka hafaliana tsy nisy ohatran'izany i Mahefa naheno ny zava-boalazan'i Mihary. Nanaiky ny hiaraka amiko indray i Mihary izany hoy izy tany antsainy tany.

- " Mahagaga ry Mihary izany fitondran'Andriamanitra izany. Isika izao tokoa ve no atao hoe nampihaonin'ny kisendrasendra sa ianao mihitsy no tena efa hoe anjarako?"
- " Asa tokoa re ry Mahefa fa dia tsy mampino izy ity fa dia tena zendana dia zendana koa aho... Hanaraka ahy hody any Dago izany ianao?"
Tsy namaly ny anao lahy fa tsiky feno fitiavana fotsiny no nasetriny ny hanihany nataon' i Mihary teo.
...
Tsy henon'i Hery sy Alexia mihitsy ny halaviran-dalana sy ny tabataba tao ivelany amin'ny fifamoivoizan'ny fiara maro be manao tohivakana mamakivaky ny tananan'i Paris. Ny varavaran'ny fiara fitanterana marary nivoha no nanaitra azy roa.
- " Tonga isika ry Hery a!" sady nitsangana teo amin'ny toerany izy namonjy nivoaka ny varavarana mba hanome lalana ireo mpiasan'ny hopitaly hiditra hanampy amin'ny famoahana an'i Hery hivoaka aty ivelany.

Afaka fotoana fohy,

Toa finaritra ery i Mahefa mandinika an'ireto zatovo mpifakatia. Nandalo niserana tao antsainy vetivety ny endriky Vololona teo ampahitana ity zanany vavy misomebiseby ery mikarakara izato olon-tiany.
- " Dia tena reniny navela mihitsy ity zanako vavy ity an" hoy izy tany antsainy tany. Tamin'izay indrindra anefa no nitopy tany amin'ny Mihary ny masony ary tsinjony fa mandinika azy fatratra ity tovovavy. "Izao aho vao mahatsapa fa vonona hitia anao tanteraka ry Mihary" hoy izy tany antsainy tany sady nanatona moramora an'i Mihary izy.
 - " Ary ianao mandinindinika be ahy an?" hoy i Mahefa mody nanadroadro.
- " Mahatsiaro ny andro lasa fotsiny aho kah" hoy i Mihary ila tsy hahajery an'i Mahefa.
Nitsiky fotsiny i Mahefa saingy toa sadaikatra izy satria tsinjony tampoka fa mandinika azy ireo fatratra i Alexia sy Hery tsy dia lavitra teo.
- " Aleo aloha aho hiresaka kely amin'ny Hery handamina ny rahampitso" hoy izy mantsy an'i Mihary.
- " Rahampitso maraina izany no atao ny fandidiana an'ise ry Hery ka maka aina tsara aloha  androany."
- " Vonona efa hatry ny ela mihitsy aho Profesora?" hoy ity tovolahy mandinika tsara ity rafozan-dahiny vaovao.
Tsy niandry izay fandaminana mety noheverin'i Mahefa anefa i Alexia fa avy hatrany izy dia nitsatsaingoka hoe:  
- " Aleo izaho no hijanona aty amin'i Hery ry dada a, ndana ianao sy Dr Mihary mody dia itondray akanjo madio fotsiny aho rahampitso maraina hisoloako. .. d aza adino ny miantso an'i Neny milaza hoe tonga soa aty ry zareo."
Nibitaka aok'izany ny tany anatin'i Mahefa na dia niseho ho tony aza ny fihetsiny sy ny feony tety ivelany.
- " Tena te hijanona ianao? " hoy i Mahefa tamin-janany vavy...
- " Lasa ary aloha izahay " hoy izy nanohy rehefa avy eo " Aza dia resahinao be loatra io zanak'olona io ry Alexia fa mbola reraky ny dia anie izy eh"
- " Aza manahy ianao ry dada fa karakaraiko tsara mihitsy izy an. Zany moa Hery eh" sady nosafosafoin'i Alexia ny lohan'i Hery sy ny takolany.

Lasa nivoaka ny efitra i Mahefa sy Mihary rehefa afaka fotoana fohy ary dia izy roa irery sisa no tavela teo.
Naka seza i Alexia dia io izy namonjy teo andoham-pandrinan'ity malalany.
- " Hery an," hoy izy nony avy eo
- " Ahoana izay ry Alexia malalako" hoy i Hery velon-tsiky sady nahatsiarotsiaro ireny fitiavana be nizaran'izy roa tany Madagasikara ireny.
- " Tsy avelako miverina any Dago any intsony ianao!"
- " D ahoana ny ..."
- " Tsy misy an'izany fa tsy mahazo miverina any ianao fa mijanona eto akaiko eto foana amin'izay"
- " Hanaiky an'izany ve i dadanao?" hoy i Hery tsy te hanohitra ity vetsovetsompon'i Alexia.
- " Haiko foana ny miresaka aminy sady izy koa anie efa nisy fotoana namporisika ahy ny hanafatra anao eh?"
- " Izany ve?" hoy i Hery somary tsy nanampo ity zavatra henony. " Lehilahy tsotra sady tsara fanahy ohatranao ihany raha ny fahitako azy iny an. Nandova azy mihitsy ianao raha ny toetra, fa ny fihetsika angamba ianao no nanahaka ny reninao" sady nitsiky kely i Hery
- " I Dada aloha dia tena tsotra sady antra olona tsy misy ohatran'izany, mbola ho tantaraiko anao moa ny tantarany rehefa any aoriana any, fa hono hoy aho, toa hoe namanao hono i Dr Mihary iny?"
- " Ie, namana mpiara mianatra tany amin'ny kilasy famaranana izy ry Alexia. Namako akaiky mihitsy fa avy eo izy moa nandeha nanohy fianarana tany Etazonia dia tsy nifankahita intsony izahay raha tsy efa taty aoriana elabe indray. Tantara lava ny aminy fa aleo rehefa sitrana aho sady manampotoana malalaka isika miresaka azy sa ahoana?"
- " tsy maninona kah!" hoy i Alexia sady nampanantonony moramora teo amin'ny molotry i Hery ny molony.
Henony toy ny nisy tselatr'afo namakivaky ny tenany iray manontolo. Efa ela tokoa mantsy izay niandrandrany izay oroka avy amin'i Hery izay ka henony toa nisamboaravoara mihitsy ny vatany. Tsy naharitra i Hery naheno ny halefaky ny molotry ity olontiany sy ny fisefosefony ka dia navoakany moramora avy ao anaty lamba ny tanany sady novonjeny nofihininy ihany koa ny lamosin'ity malalany.
- " Alexia! Tiako be ianao." Hoy ny monomonon'i Hery sady nifanoroka tsy nisy hafihafy ireto mpifankatia ela tsy nifankahitana. Niha niakatra ny filana tao anatin'izy roa. Nosafosafoin'i Hery ny volo sy ny tarehy soa an'ity olon-tiany. Raha ny sitrapony dia noesoriny tanteraka avokoa ny fitafiana teny amin'i Alexia iray manontolo saingy tsy azony natao moa izany ka dia ny fibadabadana izay hataony amin'i Alexia rehefa sitrana izy no notohizany.
Raha mbola varimbariana teo i Hery dia indro ny tanan'i Alexia fa tamy nandray sady nisintona malefaka ny tanany hiditra tao anatin'ilay irika marakaraka teo amin'ny lobaka nanaovany.  
- " Anao io " hoy i Alexia tamin'i Hery sady naveziveziny hanafosafo ny nonony  mbola tsara fono tao anaty taty nono ny tanan'i Hery. Nanomboka tsapan'i Alexia ny tsiron'ny hasambarana. Toa tsy mino izy fa manafosafo ny tenany indray ny tanan'ilay olon-tiany.
- " Tsy nahita tory mihitsy aho tamin'ny alina fa nieritreritra izao fotoana hihaonantsika izao foana" hoy ihany izy tamin'i Hery sady mangalam-pijery ery amin'ny varavarana sao misy olona mitazana. " Natahotra be aho fa sao dia tsy ianao ilay fantatro taloha no ho hitako hay tsy niova mihitsy ianao " sady navelany nisisika moramora hanapotsipotsitra ny loha nonony ihany i Hery amin'io.
- " Sitrana haingana moa ianao eh!" sady nihantahanta ihany ny anao vavy. " Ho  hitanao tsara mihitsy ny anaovako anao" hoy ihany  Alexia nanohy sady niarina moramora izy nanamboatra ny lobaka teny aminy.
- " Aza mbola hidina aloha Alexia!" hoy i Hery " izaho mbola te..."
- " An, an, an!" hoy ity farany "  Manjary mampijaly tena fotsiny eto isika fa aleo rehefa sitrana tsara ianao manaram-po tsara amin'ny vatako."

Tany antranon'i Mahefa tamin'io fotoana io...

Mbola hitohy.
Tadio (tadiompitiavana@gmail.com)

 


 

 

 

PEJY 83
2006/10/06,10:51

- " Mahefa, fa maninona anie ianao no tsy nisisika nitady ahy fa dia navelanao tany fotsiny aho rehefa tsy niantso anao intsony eh" hoy i Mihary tamin'ny feo miangoty sady mitana ny vera misy ranomboakazo vao nampidinin'i Mahefa ho azy.
Tsy
tonga dia namaly avy hatrany anefa ny anao lahy fa somary naka saina kely aloha sady mody sondriana nampidina rano mangatsiaka hosotroiny ihany koa. Namindra moramora nanatona teo akaikin'i Mihary izay nipetraka teo ambony seza lava izy nony avy eo sady namaly hoe:
- " An, an, an, ry Mihary a! aza alefa amin'izany intsony aloha ny sainao, ianao eto anilako no eritrereto, sa tsy tinao ho tanterahina amin'izay ireny vetsovetsom-ponao taloha ireny?" sady namonjy nipetraka teo akaikin'ity tovovavy toa manara-maso tsara ny fihetsiny iray manontolo i Mahefa.
- " Tena azonao antoka ve ry Mahefa fa mbola tia ahy ianao?" hoy ihany i Mihary  tsy sahy tena nijery tsara an'i Mahefa.
- " Raha nisalasala aho ry Mihary dia tsy toy ireny zava-nitranga teny amin'ny seranam-piaramanidina tamin'ny fotoana nahitako anao teo ireny ny fihetsiko."
- " Mba maka toky fotsiny aho kah" hoy i Mihary nitsiky sady nahankiny moramora teo antsorok'i Mahefa ny lohany.
Tsy naharitra ity farany fa avy hatrany dia nanainga moramora ny tanany hanafosafo ny volo lavan'ity tovovavy henim-pahasambarana tamin'ny fotoana tsy nampoiziny. Nangina tsy nisy niteny aloha izy roa fa ny feon'ny vata fampangatsiahana tao andakozia no sisa feo heno. Toa samy lasa fisainana tamin'ity fihodinan'ny fiainany tampoka teo. Tsy fantatry Mihary ny mety ho tohin'ny fiainany rahampitso fa ny zavatra tsapany tamin'izay fotoana izay dia tsy nisy afatsy fahatoniana tanteraka.  Adinony tanteraka ny momba an'i Hery sy ny tebitebiny amin'ny hahitany an'i Alexia. Tsy nanampotoana handinihina ny fihaonan'i Hery sy Alexia izy raha ny tena marina. Raha mbola varimbariana teo izy no injay henony misy hafanana manalokaloka ny tarehiny. Nakariny ny masony ary io tsinjony fa efa antomotra dia antomotra azy ny molotry Mahefa. Toa azom-panafody ny fahatsapany ny tenany. Nalemy izy ary tsy nanana hery hanoherana intsony fa dia namela an'ity lehilahy hanaram-po teo amin'ny molony teo. Nankimpiny ny masony. Tany Mahajanga no nahatsapany farany ny tsiron'izany oroka izany. Tsy te hieritreritra an'izany anefa izy fa fitiavana vaovao feno fanantenana no tiany hameno ny fiainany.  Raha mbola variana naka fahafinaretana tamin'ny orokorok'i Mahefa teo izy no Injay henony nivadika moramora tao andamosiny ny tanan'i Mahefa sady nanomboka nanafosafo malefaka ny tenany. Niakatra tanteraka ny filana tao anatin'i Mihary. Tsy tiany hifarana intsony izao zavatra tsapany izao fa satriny hitohy foana. Nihilana moramora izy hidaboka teo amin'ilay seza lava vita amin'ny hoditra sady nosintoniny hanaraka azy teo amboniny i Mahefa. Tsy nanohitra na dia kely akory aza ny anao lahy fa dia nanaraka izay nitondran'i Mihary azy. Nosokafany kely ny masony sady nitsiky tamin'i Mahefa izy.
- "Vahao ny bokotr'ity lobako ity" hoy izy tamin'ity farany tamin'ny fihetsika toa sahisahy. Ny nahazoan'i Mahefa ny baiko no ela fa indro izy nanokatra nibanabana ny tratran'ity tovovavy sady nampiharihary ireo nono be mirongaronga mbola voasarona taty nono tao anatiny. Saika ndeha hamaha ny hidin'ilay taty nono avy hatrany i Mahefa no nosakanan'i Mihary haingana.
- "Mbola tsy iny aloha Mahefa fa ity indray no manaraka" hoy izy sady notondroiny  ny pataloha teny aminy. Vaovao tamin'i Mahefa ity fihetsiky Mihary mihasahy mitaky ny zavatra tadiaviny ity saingy tsy nampaninona azy fa vao maika aza toa nampiredareda ny filana niakatra tao anatiny. Ohatran'ny nanonofy indray i Mahefa nahita ny hasohan'ny vatan'ity tovovavy efa nambabo ny fony. Henony fa nihafaingana ny fisefoany ary nanomboka nihateritery ny pataloha teny aminy.
- " Ao sokafy amin'izay ity " hoy i mihary sady noraisiny ny tanan'i Mahefa hakeo amin'ny ilay hidin'ny taty nonony teo anoloana.  Toa nijanona kely ny fahatsapan'i Mahefa ny fitempon'ny fony raha vao nahita ireo nono somary kelikely nefa tsara rafitra.
- " Io ho anao io!" hoy i Mihary " Anarano fo amin'izay itiavanao azy fa omeko anao ambongadiny"
Nitsiky heniky ny hasambarana ny vatan'i Mahefa. Nihodrika izy sady nampanantoniny moramora teo amin'ilay lohanon'i Mihary teo ankavanana ny molony. Ny tanany iray kosa amin'io nanafosafo ilay nono teo ankavia. notsetsafiny kely indray mandeha aloha sady narahiny kitikitika moramora tamin'ny lohalelany. Nikiaka i Mihary, tsy tanany fa nitroatra avokoa toy ireny nokakerin'ny herinaratra ireny ny tenany. Niverina nakeo indray anefa i Mahefa afaka segondra vitsy sady nitsentsitsetsitra toy ireny zaza kely menavava noana ny rononon-dreniny ireny. Tsy hitan'i Mihary intsony izay hasiany ny tenany. Lafatra loatra ny zavatra tsapany ka hany heriny dia nanakimpy ny masony hianoka izato fahasambarana manenika ny vatany.
Henony fa injay misy ranoka mirotsaka tsikelikely mamonto ny atin'ny fivaviany. Nohenjanin'i Mahefa indray ny lohalelany rehefa avy eo dia nakasokasony sady nahodinkodiny nanodidina ilay loha nonon'i Mihary efa nihenjana izay tsy izy. Nivadibadika ny mason'i Mihary. Toa te ho safotra izany ny fahatsapany ny tenany. Mbetika izy te hihiratra te hijery an'i Mahefa, mbetika izy te hikimpy tsy hihaino afatsy ny tsirony tsapany any anatiny any fotsiny.
- " Mahefa, tiako be izany ataonao izany!" hoy ilay tovovavy tsy naharitra intsony fa  nilaza ny tao antsainy.
- " Tinao?" hoy i Mahefa somary mingonongonona sady manohy ny orokoroka sy ny tsetsitra nanerana ny nonon'i Mihary. Tsy nisy navelany ho afa maina fa noleladelafiny avokoa ny tratran'i Mihary iray manontolo. Nampidininy moramora tamin'izay ny tanany hanafosafo ny fen'ity tovovavy efa miha malemin'ny fahafinaretana sady zara raha hahasokatra ny masony hijery azy.  Nampiakariny kely hanafosafo teo amin'ny andilan'i Mihary aloha ny tanany izay vao nafindrany teo atampon'ilay dongona mbola tsara fono tao anaty silipo manify mampiseho manjavozavo ireo volo kely ao ambaniny. S
afosafo malefaka  fotsiny aloha no nataony teo.  Tampoka tamin'ny tsy nampoizin'i Mihary, Injay fa henony ny tanan'i Mahefa mivezivezy amin'ny halavan'ny molotry ny fivaviany. Lafatra loatra izy. Nosokafany hivelatra kokoa ny feny. Injay fa henon'i Mahefa miainga moramora ny maonjan'i Mihary toa te hanenjika mafy ny toerana andalovan'ny tanany. Novonjeny norohana haingana aloha ny molotr'i Mihary fa tsy tantiny ny nijery ny molony efa mivontovonton'ny hasambarana somary nisanasana toa tsy mahatsiaro tena. Nikiaka kely kely ny anao vavy isaky ny ampandalovin'i Mahefa eo amin'ny kitson'ity farany ny ratsantanany. Satrin'i Mihary hiditra lalina any anatiny any ny tanan'i Mahefa iray manontolo. Toa miha tsy tompon'ny tenany intsony no fahatsapany azy. Tosam-pahasambarana no henony mananika ny tenany.
Niakatra ihany koa ny filana tao anatin'i Mahefa fa toa tsy ampy azy intsony ny ratsantanana iray fa dia telo avy hatrany no naveziveziny nivoaka niditra tao anatin'ilay zohim-pahafinaretan'i Mihary izay hotsaky ny hamandoana tanteraka. Nanomboka nimonomonona ity tovovavy. Te hiezaka hahazo izay tian'ity farany ho lazaina i Mahefa nefa toa tsy foiny ny hanapaka ny zavatra iainan'izy roa. Voatery tsy maintsy niarina kely ihany anefa izy nony avy eo fa tsapany toa nanelingelina azy ilay silipo mbola teny amin'i Mihary. Nahisany haka sisiny tsara mba hampiseho ireo molotra hotsaky ny hamandoana dia iny izy niverina nanohy ny nataony teo aloha indray. Vetivety dia mamon'ny filana indray i Mihary. Nafindran'i Mahefa moramora hanafosafo ny kibo sy ny nonon'i Mihary tamin'izay ny tanany ankavanana rehefa avy eo. Ny tanany ankavia kosa mbola nanohy nanafosafo fivavian'i Mihary iray manontolo. Raha mbola sondriana teo izy no injay henony fa nangovingovitra sady toa manenjika mafy ny onjan'ny tanany ny maojan'ity tovovavy. Tsinjon'i Mahefa fa efa tsy ho ela dia ho
tonga any amin'ny farantampom-pahasambaran'ny nofo ity olon-tiany ka dia notohizany hatrany ny safosafo sy ny horokoroka sady mijery tsara ny tarehin'i Mihary izy.   Tamin'ny fotoana tsy nampoiziny no injay henony nitaraina toa te hitomany sady niantsoantso " Maaaaheeeefaaa!" i Mihary. Azon'i Mahefa avy hatrany ny zava-nitranga. Ranoka fotsifotsy madio  tanteram-pahazavana no indro nifantsitsitra nivoaka ny fivavian'i Mihary. Nikoropaka haingana izy nitady izay azony sarangotina hamafana ity rano mitsonika tamin'ity malalany. Tampoka loatra ary tsy nampoiziny ilay fitrangany teo. Nitsangana haingana izy nony avy eo sady nihazakazaka nankany amin'ny efitrano fandroana naka izay servieta sendra azy. Nofafany aloha izay raraka tamin'ny seza izay vao namafa moramora izay ambiny tavela teo amin'ny fivavian'i Mihary izy. Niharina moramora i Mihary nony avy afaka kelikely sady menamenatra nitompy maso tany amin'i Mahefa.

- "Azafady aky Mahefa!" hoy ny voalohan-tenin'i Mihary. "Efa ela loatra aho no tsy nanao sady tiako be ny anaovanao ahy dia tsy tanako intsony fa tonga dia niakatra tany antampony mihitsy"
- " Mahalana be aho vao tena mamoaka rano ohatran'iny " hoy ihany i Mihary nanohy. " Tena nahazo fahafinaretana be aho mantsy"
- "Efa fantatro ny fisian'izy iny" hoy i Mahefa fa mbola tsy sendra fotsiny aho ka izay no nahataitra ahy teo...  Hay ohatran'ireny mihitsy izy ity".
- " Dia ahoana izany zaho amin'izao?" hoy i Mahefa te hananihany an'i Mihary nony avy eo.
- " Ndao aloha ento mandro aho dia rehefa avy eo ianao mahazo ny anjaranao any ambony fandriana" hoy i Mihary.
- " Tsy avelako ho
tonga vetivety ohatran'iny intsony ny anao rehefa avy eo" hoy i Mahefa fa maty antoka be aho raha izao no mitohy sady nobatainy hotrotroina i Mihary.

 ...

 Tany antranon'i Malala, ny ampitso maraina.
Injay fa naneno ny telefona nihantona teo amin'ny rindrina:
- " Allo, Mme Malala ihany ity, Manahoana tompoko"
- " I Patrick zanaky ingany Ramanana ihay ity e, manao ahoana ianao madama?"
- " Manao ahoana ianao" hoy i Malala somary sadaikadaikatra sady nahatsiaro tampoka ny tarehan'ilay tovolahy.
- " Saika mba hitady an'ingahy Ratrema aho azafady fa misy fanontaniana mba manitikitika ahy mafy" hoy  ny feon'i Patrick toa nanafosafo tao antsofin'i Malala.
- " Tena tara kely azy fotsiny  ianao Mr Patrick, vao teo mihitsy izy no lasa, maninona raha antsoinao any ampiasany izy afaka antsasakadiny eo ho eo,...sao dia mba azoko valiana ihany anefa ny fanontanianao ...Sa?" hoy i Malala toa liana fatratra ny amin'ny antony niantson'ity tovolahy ny vadiny vao maraina.
Nangina kely aloha i Patrick izay vao nanohy indray sady nilaza tamin'i Malala hoe
- " Maninona raha manao fotoana miara misotro ranomboakazo isika rehefa avy eo dia any no miresaka sa tsy afaka ianao?"

 Tsy nahateny aloha ny anao vavy. Toa tsy nampoiziny loatra ilay fivadihan'ny resaka teo ity. "Hafahafa ihany ny fijerin'ity Patrick ity ahy tamin'ny fotoana nihaonanay farany iny an" hoy izy anankampo "fantatro ny zavatra tiany hahatongavana fa aleo mody andehanako any ihany aloha handinihako izay tena paikany."

 - " Efa eo ampihomanana ny handeha hivoaka mihitsy aho io fa aiza no fotoanantsika izany" hoy i Malala. " Tsy resaka lava anefa fa mila mandalo eny  amin'ny trano Fitaratra eny Alarobia aho amin'ny atoandro"
- " Vetivety fotsiny kah" hoy i Patrick sady nanondro ny toerana hihaonany amin'i Malala teo izy.

 Nony afaka antsasakadiny mahery,

 Iny i Malala miakatra ilay tohatra kely miditra ao amin'ilay trano fialana hetaheta eo Ambohijatovo. Efa tonga mialoha kely noho izy teo anefa i Patrick na dia mbola tsy nivoaka tao anatin'ilay fiara maizim-pitaratra tanteraka aza. Nikoropaka nivoaka haingana ny tovolahy sady nanaraka avy ato aoriana nony avy eo. Raha eo ampiherikerehana teo i Malala no nifanojo ny mason'izy ireo. Nitsiky ny tovolahy ary dia namaly tamim-pitsikiana toa izany koa ny anao vavy.

 - " Noheveriko fa diso ny toerana nandehanako" hoy i Malala nitari-dresaka.
- " Efa folo minitra izay no nahatongavako teto " hoy i Patrick fa te hahita ny fahatongavanao fotsiny aho dia izay no tsy niandrasako taty anatiny... mba afaka mandinindinika tsara ny hakanton'ny bika aman'endrikao mantsy aho amin'izay raha ny tena marina."
Tsy namaly i Malala fa tsiky miharo fangarihana no nasetriny ny tenin'i Patrick. "Ho hitanao tsara ny hahazo anao fa miadaladala amiko eo" hoy i Malala tany antsainy tany.  Tery amin'ny latabatra nitokatokana somary takotakona ny daholo be tery izy roa no naroson'ilay tovovavy mpampandroso olona.
- " Ahoana, hiara hiasa ihany ve isika sa tsia?" hoy i Malala sahisahy nahita ny fihetsiketsik'ilay tovolahy taminy.
- " Ka ny amin'izay mihitsy anie no nitadiavako an'i Ratrema teo iny eh?"
- " Misy olana be angaha?" hoy i Malala somary taitaitra.
- " Eny eh! Misy sakana ihany ilay izy satria ilay rahalahiko tena tsy mazoto mihitsy, i Dada moa izany mihazohazo eo ampovoany eo fa miandry izay tena hevitro sisa"
- " Ary ahoana ny hevitrao? " hoy i Malala mody nitsiky te halalala fantatra izay ao andohan'i Patrick.
- " tena tinao ho fantatra ny hevitro?" hoy i Patrick sady nanatokatoka ny lohany no mibanjina tsara ny mason'i Malala
- " Izay mihitsy" hoy ity farany.
- " Sady te hanampy anareo aho no te hiaraka aminao koa"
- " Ahoana tsara hoe ry Patrick" hoy i Malala mody taitra tamin'ny zavaboalazan'ity farany.
- " zany e, te hiaraka aminao aho fa raha mazoto ianao dia alamiko ny lohan'izy mianaka"
Tsy niteny i Malala fa i Patrick izay nandray ny vera nisy ny ranom-boakazo teo anoloany no nodinihiny tsara.
- " Maninona ianao no tsy miteny " hoy i Patrick afaka segondra vitsy toa tsy naharitra an'i Malala mandinika mafy azy.
- " Mahalasa fisainana ahy izany zavatra lazainao izany ry Patrick" hoy izy. " Raha tsy hiaraka aminao aho izany dia tsy hanampy anay ianao?"
- " Ohatra ohatran'izay no mety ho fitrangany " hoy i Patrick mody tsy naka sarotra.
Nangina tsy niteny indray ny anao vavy. Lasa tany amin'i Ratrema sy ny zanany mianadahy ny sainy. Nalainy sary antsaina ny mety hanjo azy ireo raha tsy manaiky ny hiombon'antoka aminy ry Patrick mianankavy.
- " Ngaha moa ianao io tsy manambady?" hoy izy tamin'i Patrick nony avy eo niezaka ny ho tony.
- " Manambady aho fa manakana ahy tsy ho voasintona aminao angaha moa izany"
Ndeha ho faiziko ataoko mahalala tsara ahy ity bandy ity hoy i Malala anakampo fa ndeha aloha hakeko any izay zavatra tadiaviny.
- " Tena sur ianao fa te hiaraka amiko?" hoy i Malala .
- " Tsy isalasalako izany ry Malala a! vao nahita anao aho tamin'ilay fihaonantsika tany amin'ny biraon'i dada iny dia tena efa tapaka ny hevitro"
- " Tsy mora anie ny miaraka amiko" hoy i Malala " fa ampijalijaliako mihitsy eh"
- " Tsy olana izany fa rehefa manaiky fotsiny ianao dia omeko anao izay tadiavinao"
- " Ndao ary!" hoy i Malala sady nitsangana moramora izy rehefa avy nisotro ilay ambiny faraparany tao anatin'ny verany.

 Nalohan'i Patrick ny vola dia indro izy nivoaka sady nanokatra ny fiarany hidiran'ny Malala.
- " Aterinao eto ihany aho rehefa avy eo? " hoy ny anao vavy. " Ny fiarako mantsy iry miantsona ery ambany iry!"
- " Midira haingana" hoy i Patrick "fa tsy olana izany sady nakatony ny varavarana."
- " Ho aiza isika izany?" hoy i Malala nitodika tany amin'i Patrick.
- " Efa misy toerana nantsoiko teo handray antsika"
- " Mila
tonga any Alarobia alohan'ny amin'ny roambinifolo anie aho eh?"
- " Eny hoy aho," hoy i Patrick sady nosafoiny kely ny fen'i Malala ao anaty zipo.
Tsy niteny intsony i Malala fa ny mpandeha teny amin'ny arabe no nobanjininy mafy. Lasa ny fisainany mandinika izay ho mety ho tohin'izao fanapahan-kevitra noraisiny izao.
 Mbola hitohy.

 Tadio (tadiompitiavana@gmail.com)

 

PEJY 84
2006/10/11,18:43
 " Veloma i Patrick!" hoy i Malala sady nivoaka ny fiaran'ny zanak'ingahy Ramanana izy.  Niherikerika kely aloha ny anao vavy vao namonjy niampita iny arabe miakatra hoany Antaninarenina iny. Valabalaka no fahatsapany ny tenany ka dia naleony namindra mora sady nitehina ny valahany namonjy ny fiarany niantsona tsy dia lavitra teo. Vao tafiditra tao anaty fiara izy dia ny hijery ny tarehiny amin'ilay fitaratra nihantona teo anoloana no nahamay azy. " Lalina sady mena be izany masoko izany " hoy izy niteny irery tany antsainy tany. " Tsy ampoiziko ho mahay manao be ohatran'iny mihitsy ilay adala lahy iny" hoy ihany izy toa mbola manonofy ny tosam-pahasambarana nifampitohitohy namizana ny tenany iray manontolo. Navoakany ny boatin'ilay lokomena tany anaty poketrany dia nohosorany kely aloha ireo molotra roa vao avy nanaranan'i Patrick ny fony vao tsy ela akory teo. " Enga anie mba tsy ho tsikaritr'i Ratrema ity masoko mena be ity" hoy izy sady nampidiriny haingana ilay solomaso maintiny  dia iny izy no nirifatra  hamonjy ny Trano Fitaratra eny Alarobia. Afaka antsasakadiny taty aoriana,

- " Ela ela izany!' hoy i Mme Sahondra sady notohizany haingana tamin'ny hoe " Tonga dia mandrosoa hono ianao " ny fiarahabany.

- " Misaotra betsaka Mme Sahondra ah!" hoy i Malala sady nitsiky izy no namonjy namoha ny varavarana miditra makao amin'ny biraon'ingahy Ratrema vadiny.

Nitsangana teo amin'ny seza nisy azy avy hatrany i Ratrema raha vao nahita an'i Malala niditra sady mailaka ery hanoroka sady hamihina ity farany.

- "Ndao isika tonga dia handeha avy hatrany" hoy i Ratrema nony avy eo fa sao dia taraiky eto.

- " Handeha ho aiza?" hoy i Malala tsy nanampo.

- " Ndeha hisakafo atoandro re sa tsy noana ianao?"

- " Tena noana mihitsy aho izany kah." Hoy i Malala somary nahazo toky fa tsy nahatsikaritra fiovana loatra teny aminy ny vadiny.

- " Niantso teo mantsy ingahy Ramanana" hoy ihany i Ratrema nony avy eo " fa hoe mila mandalo haingana any amin-dry zareo hono isika anio tolankandro amin'ny 2 ora."

- " Fa maninona koa ary ry zareo ireny no manao programa tampotampoka be ohatran'izany ?" hoy i Malala sady nanaraka an'i Ratrema nivoaka ny lalantsara hivoaka ny birao ihany izy.

- " Aza atao mahasorena anao re izany ry Malala fa isika anie no mila ny fanampian-dry zareo eh!"

Nisakafo haingana izy mivady dia lasa namonjy ny fotoana teny Tanjombato tao antranon'ingahy Ramanana.

Samy vory teo daholo izy telo mianaka.  I Patrick hafa mihitsy no tsapan'i Malala nanoloana azy teo fa tsy ilay lehilahy nanaram-po tamin'ny filan'ny nofo niaraka taminy ora vitsivitsy teo aloha. Nanantena izy tany antsainy tany fa mba hanampy amin'ny fanapahankevitra ho raisin'ingahy Ranamana mianankavy ny fiarahany tamin'i Patrick teo.

Ingahy Ramanana avy hatrany no nitarika ny resaka sady niala tsiny noho ny fampiantsona tampoka an'izy mivady.

- " Tsy hitazona anareo ela izahay "Hoy ihany ingahy Ramanana " ...fa aleo angaha tonga dia ataontsika ady vomangan'i Kirijavola izy ity ka avy hatrany dia ny voamasony no potsirina."

Nifampijery haingana i Malala sy ingahy Ratrema toa mifanontany an'eritreritra ny mety ho ao ambadik'izao fanombohan-dresaka izao.

- " Niverina nifampidinika indray izahay telo mianaka ry izy mivady taorian'ireny fihaonantsika teto ireny ary dia nihevitra tokoa ny iray taminay fa mety hisy irika azo hamonjena ity orinasanareo ity saingy rehefa no fakainay lalina ny zava misy rehetra dia samy niara niaiky izahay telo mianaka tamin'ny farany fa mety kokoa ho anay ny tsy miditra ho mpiombon'antoka aminareo."

Samy ketoka tsy nahateny na i Ratrema na i Malala  naheno ny zava-boalazan'ingahy Ramanana. Tsy araky ny niheritreretan'i Malala azy mihitsy mantsy ny fanapahan-kevitra noraisin'izy telo mianaka. Raha azony natao ny nikiakiaka haneho ny fahadisoam-panantenany sady hanala ny hatezerany tamin'i Patrick dia izay no nataony. Vehivavy lehibe anefa ny tenany ka dia naleony nangina nanaja tena nikepoka samy irery tany anatiny tany ny nenina sy ny alahelo an'ity vadiny tsy mahalala na inona na inona ny zavatra nitraga. " Tsy nampoiziko!" hoy izy nisento lalina tany ampony tany. " Ataoko masaka homeko teny maharary azy mihitsy io Patrick, Patrick -ndoza io raha mifanena amiko eny andalana eny".

- " Halainareo avy hatrany ve izany ny trano ipetrahanay eny Ivandry " hoy ingahy Ratrema tamin'ny feo somary nangovitra sady nangata-maso tany amin'i Malala mba hanampy azy. Toa maizina tampoka taminy teo mantsy izay topazan'ny masony rehetra.

- "Eny tokoa hoy aho ry izy telo mianaka" hoy i Malala niezaka ny ho tony " tsy misy hevitra hitanareo mba hanavotana anay mihitsy ve izany?"

- " Izao ry izy mivady ah!" hoy I Patrick sady nafantony samy irery tany amin'ingahy  Ratrema ny fijeriny.

- "Tsy haka avy hatrany ny trano ipetrahanareo izahay. Fantatray tsara ny olana mianjady aminareo. Nanapa-kevitra izahay ny hanome enimbolana vaovao anareo mba hitadiavanareo vaha olana hafa"

Nisento tokana i Ratrema. Valaka ny saina aman'eritreriny.

- "Raharaha izy ity " hoy izy nandray fitenenana rehefa avy eo.

- " Misaotra anareo na dia izany aza nanaiky ny handinika an'iny soson-kevitra narosonay iny ary misaotra anareo koa nanome fanalavana ny fotoana hamerenanay ny volanareo."

Tsy andrin'i Malala sy ingahy Ratrema ny ivoahana an'ilay efitra fa raha vantany vao nisy irika hangatahan-dalana dia iny izy roa no nanainga.

Nanganohano ny mason'i Malala niditra ny fiara. Tsy tanany intsony fa avy hatrany dia nigogogogo ny anao vavy raha vao nihidy ny varavarana teo anilany.

- " Aza manao ohatran'io ianao Malala!" hoy i Ratrema sady nosintoniny moramora hiondana teo antsorony ny vadiny.

- "Aza manary toky izany ianao fa tsy maintsy mahita hevitra hafa isika" hoy ihany izy . Tsy azony antsaina anefa fa ketohan'ny nenina sy ny alahelo i Malala ary malahelo azy mafy ihany koa manoloana izao toe-java-misy mitranga amin'ny fiainan'izy ireo izao.

- " Ndao aloha tonga dia hody" hoy i Ratrema tamin'ny vadiny rehefa tonitony ny anao vavy. Rahampitso ianao maka ny fiaranao any ampiasana.

Fa nanao ahoana ny alina voalohany niarahan'i Hery sy Alexia...

- " Hery a!" hoy i Alexia. " Tena heniky ny hasambarana tsy misy ohatran'izany aho eto anilanao"

- " Izaho koa torak'izany ry Alexia havako" hoy i Hery miramirana. " azoko sary antsaina sahady izaho sy ianao mirihariha ao anatin'ny fahasambarana ao amin'ny tokantranon-tsika"

Nifanoroka kely indray ireto mpifankatia dia indro i Alexia nanafosafo moramora ny tratran'ity olon-tiany.

- "Alexia a!" hoy i Hery nony avy eo. " misy zavatra mba tiako resahina anao"

Somary taitra kely ity farany sady niarina mihitsy nijery an'i Hery.

- " Zavatra inona ry Hery?"

- " An, an, an. Tsy fantantro izay mety hitranga aorian'io fandidiana ahy rahampitso io ka aleoko tantaraina aminao daholo ny zava-nitranga tamin'ny fiainako taorian'ireny nifankahitantsika farany tany Madagasikara ireny" hoy izy.

Izay vao tony kely i Alexia. Naverina hidaboka teo amin'ny ondana indray ny lohany.

- " Tantarao fa tsy maninona kah. Tiako ho fantatra daholo koa amin'izay milamina ny saiko"

Dia nanomboka nitantara ny fiainany teo i Hery nanomboka tamin'ny fotoana nahavoazan'ny lozam-piarakodia an'i Alexia, ny fiarahany tamin'i Tahiana, ny fifanenany tampoka tamin'i Mihary ..."

- " Miaraka izany ianao sy Mihary?" hoy izy somary tafarina indray sady nanapaka ny fitantaran'i Hery.

- " Avelao moa aho aloha hitantara" hoy i Hery " dia ho fantatrao eo ihany ny valiny."

- "Hayyy! Izay vao azoko" hoy i Alexia nony afaka segondra vitsy.

- " Azonao amin'ny ahoana" hoy i Hery somary gaga.

- " Efa nisy olona nitantaranao ny fiainanao ohatran'izao ataonao izao ve ry Hery?"

Tsy namaly avy hatrany aloha i Hery fa somary naka toerana tsara izy hahitany ny endrik'i Alexia matory mitsilany eo akaikiny.

- " Nisy tokoa ry Alexia saingy tsy mbola nihaona tamin'ilay olona mihitsy aho"

- " Ahoana koa izany? Olom-pantatrao amin'ny telefona fotsiny izany?" hoy i Alexia mahazo antsaina tsara ny tian'i Hery ho lazaina fa mba te hanadala azy.

- " An, an, an, kah! Tena hafa mihitsy fa izaho moa tia mijerijery ny zava-misy any amin'ny aterineto io dia sendra an'izay "forum" tao amin'ny wanadoo izay aho, dia lasa nifandray tamin'izay olona nitondra pseudo hoe Tina izay."

- " Niarahanao koa izany io Tina io" hoy ihany i Alexia mody serina dia serina mihitsy mametraka ny fanontaniana.

- " Tsia dia tsia no valin'izay ry Alexia. Ny fiainako no voatantarako taminy. Saiky voalazako taminy amin'ny antsipirihany mihitsy eh. ..."

Nangina tsy niteny aloha i Alexia. Niady ny sainy nanontany ny tenany raha tokony hampahafantariny an'i Hery hoe iza tokoa moa io "Tina " nifandray taminy io. Tapaka anefa ny heviny tamin'ny farany fa fotoana tokony hifampitsorana ny marina izao hoy izy ka dia nihorirana moramora izy hifanatrika tsara tamin'i Hery.

- " Hery a, mety tsy hino ianao raha ilazako fa izaho anie ilay "Tina" nifandray taminao iny e.
- " Ahoana tsara hoe ry Alexia" hoy i Hery taitra sady tafa arina mihitsy.

- " Aza manao sangisangy ratsy ohatran'io moa eh"

- " An, an, an" hoy i Alexia sady nosintoniny hiverina hatory teo akaikiny indray i Hery.
- "Tsy misangisangy mihitsy aho milaza anao an'izany fa raha tinao ho fantatra dia noho ny zavatra nosoratanao tamiko tao aza no saika nampamohy fo ahy indray nony tonga taty"

- "Raharaha izany marina" hoy i Hery hankina tanteraka. " tsy misy miafina aminao intsony izany " hoy i Hery nony avy eo sady novonjeny nosafosafoina ny tarehin'ity olon-tiany. " Tia anao aho" hoy izy ary "tena tia anao"

- "Tia anao koa aho ry Hery" hoy i Alexia sady nampanantoniny moramora hanoroka an'i Hery ny molony.

 ...

 Nony ampitso tolakandro,

Vita soamatsara ny fandidiana natao an'i Hery. Indro izy natosika moramora hoany amin'ny efitra natokana ireo vao avy nodidiana. Mirakotra bandy fotsy avokoa ny lohany iray manontolo.

- " Efa nifoha izy " hoy i Mahefa tamin'i Mihary sy Alexia fa aza be eritreritra ianareo. Nandeha antsakany sy andavany ny fandidiana."  Miandalana anefa ny fahasitranany ka mila faharetana be dia be amintsika rehetra. "I Mihary izany no mijanona miandry aty amin'ny hopitaly androany hariva" hoy ihany i Mahefa nony avy eo fa aleo aho aloha hody haka sasatra sady i Alexia koa mba mila maka aina kely any antrano.

Efa niomana ny hijanona rahateo moa i Mihary ka dia iny izy mianaka no nanainga nitodi-doha nody.

- "Misaotra betsaka ry dada nanampy ahy sy Hery" hoy i Alexia nony teny andalana.

- " Tsy misy tokony isaoranao izany anaka" hoy i Mahefa fa adidiko amin-janako no ataoko. " Ny faniriako dia mba hanana tokantrano sambatra ianao any aoriana any"

- " Misaotra ry dada an, ianao koa torak'izany" sady nitopy kely tany amin'i Mahefa ny mason'i Alexia. Nitsiky i Mahefa. Azony tsara ny tian'ity zanany lazaina.

- " Ireny hitanao ireny ry Alexia no zava-misy" sady nanomboka nitantara ny momba an'i Mihary teo izy.

- " Faly aho rehefa sambatra ianao ry Dada a. Vonona ny handray an'i Mihary ho reniko aho raha izay no sitrakao"

 ...

Nivadibadika tsy nahita tory i Alexia teo ambony fandriana niheritreritra ny zavatra notantarain'i Hery azy sy ny zavatra notantarain'i Mahefa teny andalana. " Tiako ianao ry Hery, tiako tena tiako" izay no niverimberina nipololoitra ny molony nony avy eo. Raha mbola variana mamisavisa ny lasa sy ny hoavin'ny fiainany teo izy dia tsy fantany hoe nahoana fa toa nivadika ho  tononkalo mirindra ny eritreritra nandalo tao antsainy. Nosokafany ilay vata sarihana teo akaikin'ny loham-pandrianany dia noraisiny ny  penina sy ilay kahie kely fanoratany tao. Nosoratany ny anaran'ilay olon-tiany: Hery !

Hery!…………… Herin’ny fitiavako!

Anaran-tena kanto

Mirindra sy milanto

Ato anatiko ato!


Hery!……………..

Mambabo ity foko!

Manainga ny fanahiko!

Mampandefitra ahy!

Mandresy ny fitiavako!

………………………

Resinao tanteraka aho!

Malemy toy ny zaza!

Tsy afak’hisarangotra

Na dia voahitsaka aza!

 ………………………

 Andray inty vintako!

Loza inona no tsy hitako

Amin’ny fitiavako azy?

Marina tsy vazivazy!

 

Tapitra niarahany avy Reo karazam-behivavy

Lehibe, tanora, maitso volo

Efa nandramany daholo !

 

Milaza hanatitra marary Ilay hoe  Dr Mihary

‘tsy nampoiziko, fa….. ho reniko faharoa

Hay efa, ... nandalo gara koa!

 

Dada anefa tena tsapako Fa manaja ilay fitiavako

Ary tsy mivazivazy

F’haka ito farany... ho mariazy! ……………………..

 

Fa nahoana kosa lahy

Izany foko tena tia

toa hatramin’ny anio Dia soparan’ny tadio?

 

 

Ngoly ny fanahiko Rotika ny foko

Maizina ny atoandroko

Ka zary toa hikoro

Izay mba niriko ho aviko

 …………………..

Nefa,

Tiako ianao , tena tiako!

Efa ela nihafiako

Tsy hatakaloko an’iza

Na oviana… na oviana!

…………………

Dia ho sanatria ve ireto reniko ankiroa

Dia ho rafiko avokoa?

……………………

toa tsaroako niova tampoka

‘lay halefahana  tanatiko!

 ……………………

Tsy misy reniko ianareo

Sarisariny daholo

Fa ilay niteraka ahy

Efa any ambanin’ny rangolahy

…………………..

Tsia an! Tsy ekeko!

Tsy handefitra intsony aho

Manomboka hatreto

Fa ho rombasako ho ahy daholo

Izay  momba anao manontolo

F’efa …Nomeko anao ts’isy fetra

Ny tontoloko rehetra !

Ahy ianao, ahy irery

Izay no fantatro ao an-dohako!

Ahy ianao hatramin’ny farany

Ahy ianao! Izay no anarany!

LATINA

28/09/06

 

Mbola hitohy

Tadio (tadiompitiavana@gmail.com)

PEJY 85
2006/10/15,09:32

I Toky nilalao niaraka tamin'ilay mpanampy no nisarika ny mason'i Malala raha vao niditra tao antrano izy.
- " Mitombo ihany lesy ialahy ry Toky keliko" hoy izy aneritreritra sady lasa niampita tany amin'i Hery ny sainy. " Mba nanao ahoana tokoa ary izy any, efa vita ve izay ny fandidiana azy. Ho beep-evako kely ry zareo rahampitso maraina raha mbola tsy miantso eo anio hariva kah. Ohatran'ny mapitebiteby ahy izy izany"
Ny fanontanian'ingahy Ratrema tamin'ilay mpanampy no nanapaka ny eritreritry Malala teo.
- " Fa aiza i Cynthia" hoy i Ratrema?
- "Mbola matory izy, tompoko" hoy ny valinteny nomen'ity tovovavy mpitaiza."
- " Hay" hoy i Ratrema sady lasa nankany andakozia izy naka zava-pisotro hanalany ny hetahetany.
- " Mba itondray rano mangatsiaka koa anie aho Ratrema" hoy ny anao vavy sady namonjy ny tohatra miakatra ho any ambony rihana izy. Ny efitrano fatoriana no novonjeny avy hatrany. Valaka ny fahatsapany ny tenany ary reraka ihany koa ny saina aman'eritreriny. Tsy ela taorian'izay dia indro Ratrema niditra ny efitra niaraka tamin'ny rano mangatsiaka iray vera sady namonjy nitsotsotra teo akaikin'i Malala.
- " Raharaha letsy izy ity" hoy Ratrema sady nisento izy. " Iza re no olona mba afaka manampy antsika eh? Sady nandalo niserana tampoka tao antsainy ny endrik'i Corine.
" An, an, an" hoy izy niteny irery tany anatiny. " Afo nandoro ny lambako iny ramatoa iny ka tsy itanitaniako intsony kah". Toa mbola mangorintsina foana ny tenany iray manontolo nieritreritra an'iny indray andro iny.....Raha mbola lasa saina samy irery teo ingahy Ratrema no henony i Malala nitodika moramora tany aminy:
- " Ahoana ny eritreritrao Ratrema raha mba anontaniana i Mahefa sao dia afaka manampy?"
- " I Mahefa???? Tsy hahamenatra ve izany?" hoy i Ratrema somary nihaotraotra loha.
- " Mahamenatra tokoa aloha " Hoy ny navalin'ity vadiny " saingy andohalika ity ny ranom-bary Ratrema ka tsy hitako hoe ..."
- " Eny e!, marina ny teninao" hoy i Ratrema tsy namela an'i Malala hanohy ny resany.
- " Ka ahoana izany ny fomba hiresahana aminy, ohatran'ny sadaikatra ihany aho mantsy " hoy ihany Ratrema. " Efa tena betsaka izay zavatra nataony hoantsika izay ka tsy ohatran'ny hoe manararaotra ny fahatsorany ve isika?"
- " Ka misy hevitra hitanao ary ve?" hoy i Malala
- " Tena mbola eo ampandinihina an'izay mihitsy anie aho tamin'ianao nampitsidika ny momba an'i Mahefa teo eh!"
- " Izao no anaovana azy Ratrema, aleo aloha hiresaka amin'i Alexia aho dia hitako eo izay heviny sa tsy mazoto amin'izay ianao?" Hoy ihany i Malala.

Sento fotsiny no navaliny ny fanontanian'ny vadiny. Tsy tantin'ny sainy ny mieritreritra fa voatery hampiditra an'i Alexia amin'izao fahasahiranana mianjady amin'izy mianankavy izao izy.
- " Izaho moa mbola tsy nahita hevitra hafa fa aleo izany andramana izay eritreritrao izao dia ho hita eo ny tohiny" hoy i Ratrema nony avy eo nanaiky tsy fidiny ity soso-kevitry ny vadiny.
- " Ny mahavariana ahy amin'ny fiainana ry Malala" hoy ihany Ratrema tsy naharitra " dia ohatran'ny hoe miara tonga na indraindray manao tohivakana izany ny olana rehefa hitranga amin'ny fiainana sa ianao tsy mba mahatsikaritra an'izany?"
- " Tsy misy an'izany re Ratrema fa mba fifanandrifian-javatra fotsiny ny antsika ity indray mitoraka ity."
Tsy namaly ingahy Ratrema fa ny masony no nankipiny moramora hiezaka hiala sasatra kely mialoha ny sakafo hariva"...

Ny ampitso maraina tany ampiasan'ingahy Ratrema:
- Namory anareo tompon'andraikitra tampotampoka aho" hoy ingahy Tale." misy fanapahan-kevitra lehibe izay tsy maintsy noraisiko ka tsy maintsy ampahafantariko anareo. Mandalo olana arabola ny orinasan-tsika amin'izao fotoana izao. Mbola eo ampitadiavana vaha olana izahay mivady ankehitriny. Na izany aza anefa rehefa nandinika akaiky ny toe-bolantsika aho dia voatery tsy maintsy hanao fanamboarana eo amin'ny lafiny fandaniana."

Niherikerika toa nifampanontany tena ireo izay nanatrika an'ingahy Ratrema teo.
- " Tonga dia tsoriko ny resaka" hoy izy nanohy " fa ny dingana voalohany ataontsika dia ny famindrana ny biraontsika any amin'ny toerana moramora aloha mandra pa. Ny faharoa, tsy maintsy hampihena ny isan'ny mpiasa ihany koa isika"
Tsy tana intsony teo fa somary nihoraka ny tsirairay.
- "Ka iza izany no handeha ry ingahy Tale?" hoy ny iray tamin'ireo nivory teo tsy naharitra fa nitsatsaingoka.
- " Milamina tsara aloha ianareo" hoy ingahy Ratrema " fa ireo olona eo ambany fiadidinareo no voatery tsy maintsy hanesorana, samy mandinika ny sampan-draharaha iandraiketany avy any aloha izany ianareo anio sy rahampitso dia miverina mihaona tsirairay amiko indray rehefa avy eo handinihantsika azy akaiky."

Nangina ny tao amin'ny efitrano nivoriana. Samy lasa saina avokoa izay nanatrika.
- " Izay no izy ry zareo " hoy Ratrema tsy te hitazona ela ireo mpiasany " fa dia samy mahazo mamonjy ny asany amin'izay.

Mafy tamin'i Ratrema iny fihaonana tsy maintsy nataony teo iny saingy izay no heveriny fa vaha olana akaiky indrindra mba tsy hampitombo ny trosan'olona efa mihamavesatra andro aman'alina ao ambabeny.

Teny Ivandry nandritra izay fotoana izay:

- " Fa maninona aky no izao ianareo vao mba miantso" hoy i Malala tamin'i Alexia " Izaho aty tena efa mitaintaina mihitsy"
- " Ka tsy izany anie ry neny fa tena sahirana be izahay dia izay no tsy nahafahana eh?"
- " Vita ve ny fandidiana an'i Hery?
- " Vita soamatsara ry Neny ah. Io matory eo akaikiko io izy. I Dr Mihary no niandry azy taty tamin'ny alina..... fa ilazako zavatra i neny?"
- " Zavatra inona?" hoy i Malala somary taitra.
- " Tsy mampino anao mihitsy ity anakiray ity eh!"
Nangilantsofina tsara i Malala sady niezaka naminaviana izay resaka hoentin'ity zanany.
- " Mbola ao ve i Neny?" hoy i Alexia naka toky fa toa tsy henony tampoka ny feon'i Malala.
- "Mbola ato aky aho fa inona aloha izany zavatra tian-dry ho lazaina ahy izany eh"
- " Mino ve i neny raha ilazako hoe hanambady an'i Dada hono i Dr Mihary?
- " Ahoana tsara hoe aky?" hoy i Malala te haheno indray an'i Alexia hanamafy ny zavatra nolazainy.
- " Efa izay nolazaiko teo izay kah, hay hono efa niaraka tany Etazonia tany i Dada sy Dr mihary taloha ela be saingy tapaka ny fifandraisana avy eo dia izao nampihaonin'ny kisendrasendra izao indray ry zareo. Miramirana be foana izy ato"
- " Mba lalina retsy izany fandehan'izany. Tsy noheritrerentiko mihitsy. Hanao ahoana ny fahenon'i Papan-dry an'izany vaovao izany."
- " Fa izao Alexia ah, ...indry irery angaha no ao?" hoy i Malala nanohy ny teniny. " Misy fiangaviana mba tinay mivady atao amin-dry ity. I Mahefa moa no tena iantefan'izy ity fa indry izany no mba hampita azy any amin'i Mahefa"
" Fiangaviana ohatran'ny ahoana ary izany " hoy i Alexia niteny anakampo sady nitopy kely nijery tany amin'i Hery ny masony.
Nitsangana namonjy teo ankaikin'ilay varavaran-kely mahatazana any ivelany izy nony avy eo sady nanontany.
- " Fa misy inona ry neny?" hoy izy tamin'i Malala.
Dia nanomboka nanazava ny fandehan'ny olana mianjady amin'izy mianakavy teo i Malala. Ontsa dia ontsa ny fon'i Alexia mieritreritra ny olana mahazo ity fianankaviany.
- " Tsy fantatro ny toe-bolan'i dada aty" hoy izy tamin'i Malala "fa aleo aloha ary ho resahiko izy rahariva dia miantso anareo aho rahampitso maraina manome ny valiny."
- " Eny ary aky ry Alexia fa miandry izahay an" hoy Malala nanambitamby an'ity zanany dia nifaranan'izy mianaka teo ny resaka.

Tadio (tadiompitiavana@gmail.com)

PEJY 86
2006/10/22,00:48
Mbola samy makamaka aina teo ambony fandriana i Ratrema mivady nony ampitso maraina no injay fa naneno ny telefona tao antrano.
- " i Alexia angamba izay" hoy i Malala sady nikoropaka haingana izy nifoha ndeha hamaly ilay antso. Tsy diso tokoa ny eritreriny fa antso avy any
Paris  ilay izy. Tsy Alexia araky ny nanampoizany azy anefa no henony tao fa ny feon'i Mahefa.
- " Allo! Malala ihany ity, Manahoana?"
Nifampiarahaba sady nifampanontany teo aloha izy roa vao nampitsidika ilay resaka findramam-bola nolazain'i Alexia azy i Mahefa.
- " Ilay resakareo mianaka omaly iny no tena niantsoko ry Malala" hoy i Mahefa
- " Raharaha izany mahazo anareo izany" hoy ihany izy " Mety tsy ho afaka ny hanampy anareo anefa aho nohon'ny fandaniana be dia be tsy maintsy nataoko tao ho ao izay."
- " Dia tsy misy hevitra mihitsy ve ry Mahefa na dia ampahany fotsiny ihany aza?" hoy i Malala mbola tsy nanary toky.
- " Izay lazaiko anao izay ilay izy ry Malala. Lasa voatery namoaka ny tahiry fiandriko ary aho izao amin'ny fandoavana ny fitsaboana an'i Hery. Noraisiko ho adidy moa izy satria "zanako" raha teo ihany koa"
Tsy niteny i Malala fa ankina tanteraka.  Foana tampoka izay rehetra tao antsainy nandritra ny segondra vitsy.
- " Eny ary ry Mahefa fa misaotra betsaka anao niantso na dia tsy misy azonao atao ary. Betsaka tokoa ny adidy iantsorohanao ankehitriny ka tsy hita hifanomezan-tsiny."
- " Azafady indrindra Malala sady ampitao any amin'ingahy Ratrema any ny fialan-tsiniko" hoy i Mahefa somary sadaikadaikatra sady nanakatona ilay finday azo aforitra teny antanany.
 
Fantatry Ratrema avy hatrany tamin'ny valintenin'i Malala teo sy ny fihetsiny fa nandamoka iny eritreritra hila fanampiana tany amin'i Mahefa iny. Tsy azo antenaina izany ny any hoy izy anakampo. Trotraka vao maraina ny fahatsapany ny tenany. Ny valin-drihana no toa nataony tsara jery. "Inona ity nanjo anay mianankavy ity" hoy izy nanontany tena. I Malala namonjy nakeo akaikiny no nanapaka ny eritreriny.
- " Tsy afaka manampy hono izy" hoy i Malala malokendrindra niditra tao anaty lamba.
- " Efa fantatro Kah" hoy i Ratrema tsy dia rototra sady zara raha nitodika tany aminy.
- " Inona izany no hatao?" hoy i Malala nony avy eo te hanapaka ny fahanginana tampoka tao anefitrano fatorian'izy mivady. Tsy namaly anefa ingahy Ratrema fa toa badenin'ny adintsaina ny sofiny. 
  
Paris, roa herinandro taty aoriana.
 
Hita misongadina ny fihatsaran'i fahasalaman'i Hery.  Efa afaka miresaka izy. Indro i Alexia nitraka nitopy maso tany amin'i Hery sady nametraka ilay magazine teny antanany.
- " Manao ahoana izany malalako izany" hoy izy velon-tsiky nijery ity tovolahy vao nifoha tamin'ny torimasony io tolankandro io.
- " Efa tsy dia maninona aho kah" hoy i Hery sady nandray moramora ny tanan'ity olontiany.
- " Asa na rahoviana aho no avelan-dry zareo mivoaka" hoy izy te hanontany sao dia mba efa henon'i Alexia siosio tany ambadika tany ny zavatra tiany ho fantatra.
- " Herinandro hono sisa no ilaina hanaraha maso akaiky anao ato hoy i Dada tamiko anikeo maraina" hoy i Alexia   
- " Efa tsy andriko ery izy izany" hoy i Hery toa velom-panantenana nahatsapa fa velon'aina soamantsara taorian'iny fandidiana saro-pady natao tamin'ny lohany iny.
- " Tapaka ny hevitro ry Alexia fitiavako, fa raha vao salama eto aho dia hatao amin'izay ny raharahantsika"
- " Izany ve ry Hery ?" hoy i Alexia sady tafatsangana niala teo ambony fandriana izy sady velontsiky nanatona akaiky be ny molotr'i Hery.
- " Tena tapakevitra ny hiroso amin'izay ianao"
- " Tsy misalasala amin'izay intsony aho ry Alexia a. Efa ela mihitsy ary aho no tokony naka izay fanapahan-kevitra izay raha ny tena marina"
Heniky ny hasambarana i Alexia tany anatiny tany. " Ho tanteraka ihany lahy ny faniriako hatrizay" hoy izy anakampo.
 
Nony afaka kelikely, indro tamy niditra ny efitra nisy azy roa i Mahefa sy Mihary. Nitsikitsiky i Mihary vao nahita an'i Hery miramirana teo akaikin'i Alexia.
- " Efa tena velom-bolo mihitsy anie izany havako izany e!" hoy i Mihary mantsy ity sakaizany fahizay.
- " Efa mihatsara mihitsy aho hoy i Hery sady nangata-maso tany amin'i Mahefa izy.
- "
Marina mihitsy izany r'ise a!" hoy ity farany nanamafy. " Amin'ny Alatsinainy ise dia efa afaka mody fa any antrano isika manohy ny fitsaboana fanampiny."
- " Misy vaovao mahafaly tiako ho zaraina aminareo ity ry dada sy mama " hoy i Alexia  nony avy eo sady nitodika tany amin'i Mahefa sy Mihary izy. " Tapa-kevitra ny hiroso tanteraka amin'ny fanambadiana amin'izay izahay roa raha vao salama tsara eo i Hery"
- " Izany ve" hoy i Mihary nibitaka sady nanotrona an'i Alexia. Nandalo niserana tampoka tao antsainy ilay iraka nampanaovina azy fony izy teo ambavahaonan'ny fahafatesana tany Mahajanga. "Vitako ny anjarako" hoy izy tany antsainy tany.
- " Tsara izay fanapahan-kevitra noraisinareo izay anaka" hoy i Mahefa sady nitodika tany amin'i Hery izy. Efa eo ampikarakarana ny antotan-taratasy ahazoan'i Alexia mipetraka tanteraka aty Frantsa aho io ary raha vantany vao mivoaka izay dia afaka miroso amin'ny fanatanterahana ny raharaha isika. Ny vaovao mahafaly ankoatran'izay koa dia tapakevitra ny hifamatotra eo amin'ny sehatry ny fanambadiana ihany koa izaho sy Mihary."
- " Mahafinaritra izany ry Dada" hoy i Hery  sady nitsiky izy nijery ireto ho rafozany rahatrizay. Toa tsy mampino azy ny mieritreritra fa ilay olon-tiany taloha no ho lasa rafozam-baviny ankehitriny. Mihodikondina toa tadio tokoa izany fiainana izany hoy izy anakampo saingy finaritra aho mahita fa tojo izay olona afaka mamaly fitia azy i Mihary.
- " Tsinjoko fa ho sambatra ho toy ny anay roa koa ny tokantranonareo " hoy i Hery nony avy eo.
- " Ka maninona moa raha miaraka atao izany ny raharahantsika ?" hoy ihany ity tovolahy nanohy.
Toran'ny hehy izy telo mianaka naheno ity tolon-kevitry Hery farany iray ity.
- " Tsy ratsy ilay hevitra ry Mahefa ?" hoy i Mihary  sady nitodika tany amin'i Mahefa izy.
- " Maninona tokoa moa?"
- " Azo atao daholo izany raha tsy maika ianao" hoy i Mahefa sady nosintoniny moramora hiondana teo amin'ny sandriny ity farany.
   
Enimbolana taty aoriana.
- " Mme malala a! tongava haingana aty amin'i Hopitalin'i Soavinandriana ianao " hoy ny feo mangovingovitra tao anaty finday.
-  " Fa misy inona Mme Sahondra?" hoy i Malala nikoropaka sady nahafantatra tsara hoe iza no niantso azy.
- " tongava haingana aty fotsiny ianao fa tsy nahatsiaro tena tampoka tao ampiasana ingahy Ratrema io maraina io dia izy izao nentinay nankaty izao.
- " Andriamanitro o! fa loza inona ity manjo ahy!" hoy i Malala sady nihazakazaka nidina ny tohatra mankany ambany rihana izy.
- " Tamy aho " hoy izy sady notapahan'ilay antso dia iny izy no niridana  nivoaka ny vavahady raha vao avy nanafatrafatra an'i Zefa tao antokontany.
 
Afaka adiny iray taty aoriana. Indro i Malala notsenain'i Mme Sahondra sy ilay dokotera lahy niandry raharaha tao.
- " Mahaiza mionona madama" hoy i lay dokotera " fa izao no anjara sy lahatra.  niezaka nanao izay azo natao rehetra izahay hamonjena ny vadinao fa tsy tana  fa lasa nandao antsika izy."
- " Ratreeema vadimalalako!" hoy ny hikan' i Malala  dia iny izy no nitolefika niajera tamin'ny tany. Nikoropaka haingana ilay dokotera nanao izay hamelombelomana an'i Malala teo. Nentina niditra tao anefitra haingana izy nony avy eo. Niverina moramora ihany ny ainy nony afaka minitra vitsy.
 
- " Ratrema, maninoa re no dia nilaozanao izahay e!,  Mifona aho Ratrema, miverena ianao e. Ho aiza ny alehanay telo mianaka kely eh..." hoy ny sentosentony voalohany vao nahatsiaro saina sady nanomboka nigogogogo nitomany. Nihodina taminy ny tany aman-danitra. Tsy hitany intsony izay ho sarangotina. Inona intsony ny amiko hoy izy tany antsainy tany. Hanao ahoana ny hoavin'ireto zanako kely roa ireo, sady vao maika nikikiaka nitomany hanala ny alahelony amin'izao fahalasanan'ingahy Ratrema izao izy. Tsy hay nampihononina mihitsy ny anao vavy ka dia naleon'i Mme Sahondra sy ireo mpiara miasa taminy nanatrika teo aloha namela azy hanala ny fony teo.
Nanantona azy moramora taminizay i Mme Sahondra rehefa tonitony izy.
- " Tsy tokony ampandrenesina an'izao vaovao izao ve i Alexia ry Mme Malala?"
- " Eny eh," hoy i Malala sady nanomboka nifokofoko indray izy sady namoaka ny laharan'i Alexia tao anaty poketrany.
" Mbola misy credit kely azo iantsoana iny "hoy izy sady mitomany ihany. Noraisin'i Mme Sahondra ny finday teny antanan'i Malala dia izy no nametraka ny antso.
- " Allo!, "
_ "Allo" hoy i Mahefa vao nahita ilay laharan'i Malala niseho teo amin'ny findainy.
-  " Mba antsoy anie azafady tompoko ity laharan'i Mme Malala ity fa misy hafatra maika be momba ny papan'i Alexia"
- " Fa misy inona?" hoy i Mahefa mahimahina sady toa nahazo antsaina fa misy vaovao ratsy avy any Madagasikara.
- " Aleo fa tonga dia hiantso aho" hoy izy.
....
Injay tokoa fa naneno ny fidain'i Malala.
- " Allo, Malala ihany ity Mahefa" sady nijohy indray ny ranomasony. Manjavona ny fahitany ny manodidina azy.  Tsy nila fanazavana betsaka intsony i Mahefa fa takany avy hatrany ny zava nitranga.
- " Malala a! fa misy inona no mitomany tahaka izao ianao e?"
- " Maty ny vadiko ry Mahefa a! aiza no alehako e! Vonjeo aho fa tena very eh!..."
- " Tena marina hoe! Fa ahoana?" hoy i Mahefa sadaikatra sady ontsa dia ontsa naheno an'ity vehivavy  mitalao. Tsy i Malala ilay nihaona taminy tany Paris intsony io henony io fa i Malala trotraky ny adintsaina sady vesaran'ny alahelo.
- " Fa inona loatra no nahazo azy ry Malala?"
- " Tsy haiko tsara " hoy ity farany " fa toa hoe tapaka lalan-dra " hono izy.
Nihivingivin-doha i Mahefa naheno ity antony nahafaty an-dRatrema. Dia ho sanatria ve mbola vokatr'ilay olana noresahina tamiko enimbolana lasa izao nitarika ny fahafatesany izao eh. Noketohin'ny nenina ny fony saingy tsy misy azony natao koa anefa.
- " Mahaiza mionona Malala" hoy izy nony farany. " Izay no anjara fa dia amboary ny saina. ..."
- "izao dia izao ihany izahay efa mianaka dia hikarakara ny dia hiverenana any Madagasikara" hoy i Mahefa te hankahery an'i Malala.
- " Tongava haingana fa tena mila anjanako eto akaikiko eto mihitsy aho" hoy i Malala mbola mitsakotsako ahana vokatry ny tomany.
- "Miantso anao aho rehefa kelikely eo fa aleo aloha aho hampilaza amin-izy telo mianaka" hoy i Mahefa nanohy avy eo sady nampahery an'i Malala teo indray izy.
 
Tsy hay nampanginina i Alexia vao naheno ny vaovao ratsy avy any Madagasikara. " Papa, maninona re aho no dia tsy nahita ny nandehananao akory eh. Miverena papa..."hoy ny tolokon'ity tovovavy. Na i Hery izay toa sakay sy maso tamin'i Ratrema fony fahavelony aza dia tsy nahatana fa nilatsa-dranomaso nahatadidy ireo fotoana nahitany an'ingahy Ratrema faraparany.  Anio dia anio ihany isika dia hanainga hoy i Mahefa fa efa vita ny famandrihan-toerana fa mbola betsaka ny toerana malalaka.
 Ny ampitso,
 Vao maraina be tamin'ny dimy sasany d'efa nigadona tao Ivato ny fiaramanidina nitondra an'i Alexia sy Hery niaraka tamin'i Mahefa sy Mihary. Trano vory olona no novantanin'izy ireo tao Ivandry. Olo-manakaja maro no tonga nidodododo nitsapa alahelo ny fianankaviana iny andro tontolo iny. Anisan'ireny ry ingahy Ramanana mianankavy. Natanja-tsaina ihany i Alexia raha oharina tamin'i Malala amin'izao fahalasanan'ingahy Ratrema izao.
Na dia atao aza hoe fahoriana no nitondra an'i Hery niverina tao antranon'itompokolahy Ratrema dia finaritra ihany izy nifankahita tava indray amin'ireo zanany mianadahy. Dia ho sanatria ve ka ny fahorian'ny sasany tokoa no ho fifaliako hoy izy niteny irery tany anatiny tany.
- " Avia leitsy ialahy aty ampofoiko" hoy izy mantsy an'i Toky sady nobatainy hipetraka teo ampofoany ity tovolahy kely izay tena miha mitovy tarehy tsikelikely aminy. Toa afa-patorana tampoka izany ny fahatsapany ny tenany.
 
 
Tapabolana izay no nandevenana  an'itompokolahy Ratrema. Efa lasa niverina any Frantsa i Mahefa sy Mihary. I Alexia sy Hery kosa mbola nijanona aloha. Toa niova tao anatin'ny indray mipi-maso ny fiainan'i Malala. Niova ny bika aman'endriny. Vonton-dranomaso sady hatsatry ny alahelo ny tenany. Tantara sisa ilay Malala nipitipitika nambabo izay lehilahy rehetra andalovany. Maizina tanteraka aminy ankehitriny ny tany aman-danitra.
 Voatery namidy mora ambongadiny ny orinasa nandoavana ny trosam-panjakana. Lasan-dry ingahy Ramanana koa anefa ny trano. Tsy maintsy miala tao i Malala sy ny ankizy afaka iray volana.
Niala nenina tany amin'i Mahefa ihany i Alexia sao dia mba misy azony hanampiana tsy hamoizana ny trano ipetrahan-dreniny saingy tsy nisy na inona na inona azon'i Mahefa natolotra.
 
Nihatafahitsoka tanteraka tamin'ny lalina i Malala. Be loatra ny olana mifangaro mampiasa ny lohany. Tsapany tsara fa tsy ho azony intsony i Hery na dia rain-janany aza, fongana teo ampelan-tanany avokoa izay rehetra nisasaran'ingahy Ratrema vadiny ho azy. Nikiky moramora azy ny adintsaina ary dia tsy hainy nokobonina ho azy samy irery tao ampony intsony nony ela fa dia nivoaka tety ivelany.
 Hatairana ny an'i Tahiana indray mandeha raha sendra ndeha hamangy an'i Malala izy. Ny feon'i Malala miantsoantso mitabataba no henony manako entin'ny rivotra. Tsy nampino azy ny zavatra henony. De ho sanatria ve hoy izy tany antsainy tany. Niha mafy ny fandrenesany an'ilay feo. Natosiny hivoha mankany anatiny moramora ilay varavarana fidirana tao ambany rihana dia niditra izy. Tsy tapitapitr'izay, iny i Malala nidina ny tohatra sady nitabataba:
 - "Tsy omeko anao ity trano ity Ramanana a! ahy ity. Izaho sy Ratrema no nihary an'ity ka ahoana no omeko anao fotsiny tsotra izao. Ndana mandeha any fa tsy ilaiko!...lehilahy mitonantonana! Ataoko mahalala ahy tsara tena ry Patrick!  Aiza tena no hahita vehivavy milay ohatra ahy. ......@&%$#..."
 Talanjona i Tahiana sady ontsa ny fony nijery ny niafaran'ity namany. Dia izao ve sisa no niafaranao ry Malala e hoy izy anakampo sady nanatona moramora an'i Malala izy.
 
- " Mbay tany!" hoy i Malala sady toa tsy nahafantatra azy akory ity farany.
- " Malala ah" hoy i Tahiana mbola tsy tena nahafantatra tsara ny hasarotan'ny zavatra manoloana azy.
- " Efa hoe mbay tany hoy aho " sady nakifiny hianjera teo amin'ny gorodona i Tahiana. Teo vao tonga sainga ity farany fa olona tsy tompon'ny tenany intsony ity niresahany ity.  Nikoropaka haingana izy niarina sady namonjy ny varavarana mivoaka any antokontany.
- " Ndana daholo mivoaka any fa ahy ity trano ity" hoy indray i Malala nony avy eo sady nakarapony nohidiany avy any anatiny ilay varavarana.

 ....... 

"Tranobeko eny Ivandry!.......dray...... Tsy omeko anao Ramanana fa nataonao sinto-mahery........ hahahaha! ....... hihihihi!....... aiza ny vola be?............Ratrema vady malalako........ Hery aa!a!a!a!a!a!..... aiza ianao e!!!!!!!!!!...... oay.......... nankaiza ny lokomenako teo?................. nataondry aiza ry Alexia ny zanako a!.........      hihihihi! ... Manjakely ange indry izany ry Malala e!........." hoy ny kiakiakan'i Malala mitazatazana eo ambaravarakelin'ny efitrano iray eny Anjanamasina. 


 - " Andray ity niafaran'ity reniko" hoy i Alexia nifokofoko nitomany mitazana an'i Malala avy ety ivelany. Hanainga hoany Frantsa io hariva io tokoa mantsy izy sy Hery ary hoentin'izy ireo hanaraka azy i Toky sy Cynthia.

Mbola hitohy
Latina & Tadio (tadiompitiavana@gmail.com)


 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype