Tadiom-pitiavana

Pejy 23
2006/04/15,15:47
- "an ! tena . . . tsy haiko, fa . . . ."
Nojeren’i Alexia akaiky teo ampototry ny jiro,
- "Hery an ! an’iza hoy aho ity, dia sahinao ve?
- "Tsia, ry Alexia, azafady fa tena tsy afa-nanoatra aho."
Tsy hitan’i Hery intsony izay hambara fa tohina ny lelany. Very hevitra ary nisangodiana taminy ny tany aman-danitra.
I Alexia etsy toa nidobodoboka mafy ny fony, tsy fantany intsony ny lalan-kalehany, nahodiny teny amin’ny vatany ilay lamba lehibe dia nivoaka izy. I Hery etsy manenina ity zava-bitany, fanadinoana faharoa, lozan’ity lamba fotsy nanakona ny hamaintin’ny fiainako. Nihazakazaka izy nanaraka an’i Alexia, nisintona ny tanany nefa nakifiny.
- "Hery, dia sahinao ve ny nanao ahy tahaka izao. Fantatrao fa tiako ianao dia fitahinao amin’ny lainga tsara lahatra. Tononkalom-pitiavana nefa miharo famitahana ahy? Hery an ! tsy tantiko mihitsy izao. Handeha aho!"
Nanaovan’i Alexia ny akanjony, i Hery amin’io tsy hitany intsony izay hatao fa nitoloko teo amorom-pandriana fotsiny, vaky fo, very hevitra amin’izay fifonana tokony hataony.
Efa namoha ny varavarana ity tovovavy vao nidradradradra nitomany i Hery, nifona mafy fa tsy nohainoin’i Alexia intsony;
Efa tafidina any ambany i Alexia vao
tonga
saina ny lehilahy fa hiakanjo hanenjika ity malalany. Tsy tafakanjo tsara akory dia injay izy migodogodona midina ny tohatra nanaitra ny rehetra.
I Alexia efa eny antsorok’i Vero mitalaho mafy ny haterina hody sady latsa-dranomaso.
Tsy misy intsony ny hoe fa misy inona, fa gina ny rehetra, ny sasany tsy mahazo mihitsy izay mitranga. Hany herin’i Vero dia nitondra an’i Alexia tany anaty fiara ary nanakana an’i Hery sy ny namany tsy hanatona ity tovovavy lonahan’ny ranomaso ity aloha ambara-pahafantarana izay zava-nitranga.
Gaga i Ratrema nahita an-janany vavy mena maso sy mivaloharika tsy misy ohatr'izany miditra ny vavahady, fa izy mihitsy moa no namoha tany ivelany tany. Tsy navelany handroso koa ry Vero mivady vao nahita an-janany nitomany izy. Hany herin'iretsy mpivady niverina nandray ny fiarany ary nitodi-doha nody, tsy nihevitr'izay hijery izay niafaran'i Hery akory satria efa notantarain'i Alexia tamimbangovangony ny fandehany. Hay koa ingahy Ratrema tsy nipoizin-tory mihitsy iny alina iny fa lasa saina... Fantany tsara tany andohany tany fa i Hery no tao ambadik'iny fety io hariva io fa izy tsy te-hamasoka an'i Vero fotsiny. Somary nanaitra azy koa moa Razazavavy ka izany no tena nanginany satria, hoy izy, mety mbola misy andro hifankahitako amin'izy iny ihany any aoriana any.
Nosakambininy ny zanany ary nifamihina mafy izy mianaka namakivaky ny tokotany sy niditra tany an-trano. Mbola mando sy misavoritaka ny volon'i Alexia nefa tsy avy akory ny orana iny alina iny... azokazon-dRatrema ny fandehan-javatra nefa nangina izy ho fiaraha-miory amin'ity zanany...
- "Papa a, tena olon-tsy vanona izy iny!" hoy i Alexia sady nitomany mafy teo an-tratran-drainy indray izy.
- "Mangina anaka fa aza mitomany toy izao fa marary eo ianao. Aoka izay fa isika mianaka efa nahalala hatrizay fa tsy dia mazava loatra ny toe-tsain'izy iny..."
- "Nefa ange ry Papa ohatry ny efa niova ihany izy iny e! indrindra tato ho ato!"
- "Alexia a! ny olona toy ireny dia mijanona toy izay foana, mandrakizay!"
Toa hitan'i alexia indray ilay Rainy taloha, mananatra sy mora fo hatry ny nahakely azy. Hadinony ny fahotana mahafaty vitan-drainy fa reny ny fidobodoboky ny fony fantany fa tia azy. Tsy misy mahatoky mihoatra ny fitiavan'ny ray amandreny marina eto an-tany, hoy izy tany antsainy tany...
- "Alex a! ndana reitsy miakatra fa reraka a! rahampitso tohizana ny resaka..."
- "Papa a! ary ahoana ihany ianareo sy Mama?"
- "Eee! indrisy anaka! toa rano raraka angamba izy ity fa na izaho na izy toa tsy misy miezaka ny handravina izy ity e!"
- "Fa nahoana ianao ry Papa no minia tsy miezaka?"
- "Efa vehivavy lehibe ianao anaka ka tsy hanafenako inoninona: tsy nisy niafina taminao ny zioga nentiko hatramin'izay tato amin'ity tokatrano ity. Tsy nisy tsy nandeferako rehefa mety ho ditra sy hadalana isan-karazany, eny na dia nitranga tato amin'ny tokatranoko sy hatreny amin'ny fandrianan'ny fanambadiako aza, noleferiko teny foana... indray mandeha ve aho reitsy no solafaka dia hanaovana scène tsy misy ohatr'izany?
- "Papa! efa ela ihany ange ianao sy iny vehivavy iny no niaraka e!"
- "
Marina
izany fa izaho tsy nanana afa-tsy olona iray. I Malala iza no tsy efa hitako niaraka taminy?"
- "Tsy afaka hitsabaka izay fiainanareo mivady aho ry Papa fa anareo ny anareo sady mbola zanaka aho. Ny fiainako koa ity he ambony ambany, ny fiainantsika mianakavy ity, olona iray dia nahapotika azy... handeha hiakatra aho ry Papa hamisavisa izay hataoko fa bonne nuit ianao..." sady norohany teo amin'ny handriny ny rainy dia lasa izy niakatra. Nony nandingana zana-tohatra iray i Alexia no niverina tampoka tao an-dakozia hisotro rano mangatsiaka hampitoniany ny fony mafana loatra.
Saika tratra teo an-tohatra indray i Malala nihaino ny resak'izy mianaka teo. Hay reny ny nidinan-dRatrema sy ny resaka rehetra nataon'izy mianaka...
Niditra haingana tao anefiny izy ary nihodinkodina eran'ny trano...inona re no ataoko e? hoy izy nitana ny handriny...
Tampoka teo dia navoakany ny valizy be iray ary nampiriminy tao ny akanjony vitsivitsy. Nivoaka ny efitra izy ary niditra tao anefitranon'izy mianadahy kely. Nojereny kely ireto zanany mianadahy izay efa tena renoky ny torimaso, tsy mahalala izay rahona mitatao iainan'ny fianakaviany akory...I Toky mivelatra tanana toy ny fiaramanidina, asa manonofy hiakatra any amin'ireo anjelikely namany angaha izy io, ary i Cynthia toa minono ny tanany havia sady mandry mihorirana, tsy misy valaka amin'ireny saribakoly mahafatifaty ireny.
Ireo sisa no nanankinan'i Malala ny ho aviny ary tsy ahoany intsony izay harenan-dRatrema tazan'ny masony.
Noraofiny izay akanjon-jaza zakany dia nentiny tany anefitra hampiriminy ao anatin'ny valiziny, ary natosiny tao ambanin'ny fandrianany rehefa voahidy.
-Efa vonona ity ny entana fa dia hiandry ny andro ho maraina aho! hoy i Malala niverina namonjy fandriana haingana satria reny ny fikatrokatroky ny kapan-dRatrema.
Fa mba nanao ahoana kosa i Hery nony lasa ny vahiny?
Nisava ho azy ny hamamoan'izy efatra mianadahy nahare ny tabataba sy ny godogodona nidina ny tohatra teo ireny. Toy ny noroahana ry zareo fa indreny nanao izay azony atao hamonjy varavarana, samy nihanahana tsy nahazo resaka kanefa tsy te-ho tratra farany hiandronan'ny rihitra eo ka dia lasa izao, nifanosika nanao diabe teo daholo.
Tsy nisy inoninona hitan'i Hery izany rehetra izany...jenjin'ny ranomaso tanteraka izy ary nihodina taminy ny tany aman-danitra...nahatsiaro ny tenany ho very tanteraka izy...Nony elaela, nitraka izy ary ny loto sy ny trano misavoritaka ny nameno ny masony...Mikorontana toy ny tranony koa ny sainy ka tsy hitany marina izay atao, fantany izy fa tsy hahita tory amin'izany fahoriany izany. Nitsangana tsy fidiny ny anao lahy ary nanomboka nadroaka ireto vera sy lovia niparitaka eran-ny trano. Niondrika nitsindroka izay potika sigara nisisitsisika teny ambony latabatra ka tsy tao anaty cendrier.
Nalainy ny kifafa ary lasa izy namafa trano, niezaka ny hamafa ny alahelo tao anatiny ihany koa. Iny alina iny dia voahosony savoka ny trano ary tafaveriny ny entana rehetra. Toy ny tsy nisy iny fety iny taminy satria fahatsiarovana ratsy loatra hiraiki-tapisaka ao ampony. Fantany fa ho sarotra amin'ity indray mitoraka ity no hamerina ny olon-tiany. Tsy te-hanenjika ny tenany intsony anefa izy fa efa be izay latsa sy nenina izay... Poa toa izay dia nilamina ny trano, voasasa ny vera ary iny izy no niakatra natory miaraka amin'ny toaka mbola nanasaka tavoahangy, hany fanafody hitany hitsabo ny aretim-po mikiky ny ainy iny alina iny.
Hadinony anefa fa toaka ihany iny antanany iny: tsy hampikatona ny feriny akory fa alikaola vao maika hampangirifiry azy mafy ary hampangina vetivety fotsiny ny fahatsiarovany fa handoro ny atiny sy ny aferony rehefa mifoha izy ny maraina.

Teo ambavahadin'i Hery i Malala telo mianaka vao nijanona iny maraina iny. Hitany fa mbola mihidy avokoa ny varavarankely rehetra. Fantany fa mbola matory i Hery.
Notsindriany ny bokotra fanairana ka efa fanimpitony izy vao nisokatra ny varavarana tao ambany. Mbola fanin'ny toaka anefa izy ka nivandravandra nahita an'i Malala mitrotro an'i Toky ary eo amin'ny tany valizy be iray sy couffin misy an'i Cynthia kely.
- "Maninona aty nareo?" hoy i Hery gaga...
- "Ampandrosoy aloha izahay raha azonao atao!" hoy Malala nangata-dalana hiditra.
Rehefa avy nametraka an'i Toky teo ambony seza i Malala dia nanomboka nitantara ny fandehany rehetra, ny tsy inoany intsony ny fanambadiany andRatrema ary ny fahalalany ny nitranga iny alina iny...
- "Tsy hoe manararaotra ny fahavoazanao aho ry Hery," hoy izy niondrika, "fa tena tsy hitako izay aleha! vaky ny lohako."
- "Tsy sarotiny amin'izay hijanonanareo telo mianaka mihitsy aho, satria manana adidy be dia be aminao, sy amin'izy ireo, nefa fantatrao i Ratrema fa olona tsy hanaiky ho very voninahitra izany ka matahotra aho! izay no mampanahy ahy."
- "Hery a! tsy voatery ho fantany ange hoe aty izahay e, sa mety ianao raha mba any amin'ny Dadabe sy Bebenao izahay no mipetraka?"
- "Aoka itsy, hoy i Hery nanda mafy. Tsy ho hainao ny miaina any Ambanivohitra ry Malala fa sois réaliste a! ary raha maninomaninona any ny zazakely, aiza no entina? misy dokotera any sa farmasia?"
- "Aza tezitra toa io moa ry Hery a! efa mivadika koa ange ny saiko fa aza omena tsiny aho e!"
- "Eny aza, mijanona eto fa à condition que..."
- "Que? inona?" hoy i Malala gaga...
- "Qu'on ne fera jamais l'amour," hoy i Hery nitsangana sady niodina tsy hifanojoan'ny masony amin'ny an'i Malala.
- "Manaiky aho," hoy izy nanapoapoaka ny ratsan-tanany.
- "Andeha hiakatra any ambony," hoy i Hery nandray ilay couffin kely "fa halamintsika ny trano. Mety hevitra tsara ihany ny nankanesanao aty amiko satria tena tsy te-ho irery mihitsy aho izao sao manaonao foana ato."
Nosokafany avokoa ny varavarankely ary notarihiny tao amin'ny efitry Ramihary i Malala.
- "Amboarintsika ato dia ato izany no efitranonareo," hoy i Hery nanakipaka ny rideau sy namoha ny varavarankely hidiran'ny rivotra sy ny hainandro maraina. "Efa fotoana koa angamba izao hanesorana ny entan'i Mama amin'izay" hoy ihany izy ampisentoana.
Iny i Malala dia nisolo akanjo ary nampiditra jean hahazoany miasa. Nosokafany ny valizy ary navoakany tao ny kilalao isan-karazany izay zakany holalaovin'i Toky. Notarihin'i Hery tany anefiny izy dahy fa efa mba madio any tsinona ka tany no napetrany hilalao. Nasiany fanaka lehibe iray nibahana teo andalatsara tsy hahafahan'i Toky midina.
- "Tokony hasiana fefy izany eto," hoy izy ary hasiana takony daholo ireto prises miharihary ireto." Nojereny i Malala efa vonona amin'ny kifafa sy borosy tongotra ary lasa izy nitady scotch aloha farafaharatsiny hanampenany ireo zavatra mety hitera-doza ireo.
Nony vitany izay dia niverina namonjy an'i Malala indray izy ary namoha ireo armoaran-dreniny anakiroa..." Ataoko ahoana ireto akanjo ireto ry Malala?"
- "Toa tsaroako ianao tamin'ireny fisehoanareo sy Alex ireny fa nanana
havana
akaiky ihany, aiza izy ireny izao? maninona raha omena azy ireo izay mbola tsara?"
- "Hevitra mety izany ary ny ambiny?"
- "Asa, omena ny mahantra ohatra, tsy haiko! izany aloha no fanaon'ny olona ry Hery fa tsy haiko ka! reninao izy iny ka tsy sahy miteny be loatra aho..."
- "Aleo aho haka harona lehibe any ambany dia hatototra ao anatiny ao aloha. Amin'ny herinandro izany hita eo. "
- "Oadray! any ihany aho dia hoentiko miakatra eo ny berceau ko taloha!" hoy izy nitsikitsiky. "Mbola tena tsara mihitsy izy izay ary izany no tsy nanarian'i Mama azy. "Ho an-jafikeliko", hoy izy isaky ny tadiaviko ariana ilay izy..."
- "Tanteraka ihany ity ny teniny ry Malala..."
Malefaka dia malefaka ny feon'i Hery ka nahababo ny fon'i Malala izay miezaka ny tsy ho lavo intsony. Efa tantara hafa izao, hoy izy nanitsy ny sainy ary efa fiainana hafa...
- "Hery a! hitady asa koa aho," hoy izy nibanjina ity rain-janany...
- "Tsisy hevitra izany ry Malala fa ataonao aiza izy dahy? ny rainy efa tsy hitany, ianao koa hivoaka ho aiza? adidiko ianareo izao ary aza matahotra fa hiezaka mafy aho!"

Raha nody tao an-trano Ratrema iny hariva iny dia gaga fa nangina dia nagina ny tanàna. I Zefa mpiambin-tanàna no nitsena azy ary nitantara izay niseho. Tsy namaly i Ratrema fa niditra tao an-trano, nanipy ny palitaony teo ambony sezan'ny salon dia niakatra tany ambony. Novohainy tsirairay ny varavaran'efitra dia tsy nahita na iza na iza izy. Ny entan'i Alexia no tsy nisy nipika, izay izy vao nisento kely. Lasa indray izy nidina tany ambany dia naka ny findainy tao anaty palitaony.
- "Hery, allô?"
- "Ie, izaho ihany Monsieur Ratrema" hoy i Hery niavonavona koa
- "Tsy hi-creer problème amin'ise aho," hoy izy niteny moramora, "any angaha ry Malala? aza mandainga ialahy fa te hi rassurer ny tenako fotsiny aho, any ve izy?"
- "Ie, nankaty ry zareo..."
Nisento i Ratrema dia nakimpiny ny masony...
- "Ho alainao aty angaha ry zareo?" hoy i Hery
- "Tsia, aleo aloha izy ho any fa amin'ny manaraka aho miantso an'ise. Veloma ao amin'izy dahy ao."
- "Veloma!" hoy i Hery mbola saika hanohy resaka hanontany izay momba an'i Alexia, kanjo ny veloman-dRatrema no
tonga
aloha.
Niverina niakatra tany ambony indray i Ratrema ary nandamina ny efitranon-janany. Tiany loatra mantsy ireny zaza ireny sady mpiara-milalao aminy isan-kariva, hany ka nahatsiaro tena ho banga izy.
Efa hariva i Alexia vao niditra ny trano... Hatsatra kely ny tarehiny nefa velontsiky aoka izany izy nahita an-drainy.
- "Papa!" hoy izy sady nanoroka an-drainy izy.
- "Alexia!" hoy ny rainy namihina mafy azy...nahavariana an'i Alexia ilay fihina mafy nataon-drainy ka nihataka kely izy ,
- "Misy inona ry Papa?"
- "Lasa nipetraka any amin'i Hery i Malala," hoy izy hendratrendratra.
- "Any amin'i Hery? ary izy dahy?"
- "Lasany any koa!"
- "Papa a, ndao alaina any fa inona no
antony
hitondrany ireny zaza ireny any? ramatoa tsy misy saina, raha te-hiaraka amin'i Hery izy, tsy nadeha tany hatrizay, fa maninona ny zandriko no entiny any? sady amin'izay fahavaloko! hoy i Alexia niefonefon'ny hatezerana.."
- "E! aoka re anaka fa aleo aloha amin'izao a! tsaratsara ho anay aloha ny misara-toerana mba samy hieritreretanay..."
- "Fa tsy any amin'i Hery!" hoy i Alexia namaly andrainy...
- "Tsara kokoa aza izy any amin'i Hery amin'izay ny olona rehetra tsy hahalala izay miseho ato amintsika..."
- "Papa a, ny voninahitra aloha avelao any fa ahoana no hamelomany ireny zaza ireny aminao? ny karaman'i Hery? sa hanao inona ity Mama hono? olona tsy niasa hatrizay niainany!"
- "Hanampy azy ankolaka ihany aho," hoy Ratrema niverina nipetraka..."mbola vadiko izy ary any aminy ny zanako..."
- "Izaho aloha ry Papa miala tsiny fa izay hifanatri-tava an'i Hery dia tsy hisy mandrakizay a!"
- "Avelao aloha izany any fa inona ity hohanintsika? inona no masaka ao?"
- "Asa, andeha hojerena izay nandrahoin-dRazay ao..."
- "Ary lasa aiza Razay?" hoy i Alexia gaga nahita ny fatana nangatsiaka sy ny blouse fotsy nihantona tao andakozia...
- "Efa nolazain'i Zefa ahy fony aho vao tonga fa lasa nalefan'i Malala nandeha izy."
Natonton'i Alexia tamin'ny carreaux ny kitapony sy ny poketrany.
- "Papa, nefa izaho izany noana!" hoy izy nidongy tamin-drainy...
- "Ndao handeha hihinana any ivelany ary koa inona moa izany?" - "Dia inona no ho hanin'i Zefa ato?"
- "Entintsika izy ko maninona moa? hidina mafy ny trano dia lasa isika! sa tsy mazoto ianao anaka?"
- "Ka inona moa no atao eo? mba hinatra hanao lakozia amin'izay aho hoy i Alexia nitsindroka ny poketrany..."
Nihomehy ny rainy ary nandray ny lakilen'ny fiara sady nampiditra ny palitaony.
- "Zefa a!" hoy izy nipoitra teo ambaravarana. "Miomana ise fa hiaraka hisakafo aminay!"
Afaka atsasa-kadiny dia lasa izy telo niverina niditra ny renivohitra. Mahafinaritra ery ny mahita an'Iarivo mirehitra jiro amin'ny alina fa toy ny fanala manazava eny antsefatsefan'ny havoana izany. Mbola feno olona mivezivezy sy mitsangatsangana moa ny arabe satria Asabotsy hariva ny andro. Indreny ny mpifankatia mifampidoladola mamindra miadana hamonjy fodiana ka ny fisakambinan'izy ireny no nampamolivoly ny fanahin'i Alexia nahatsiaro ny fotoana rehetra niarahany tamin'i Hery...Ny feon'i Zefa avy ao aoriana no nanaitra azy tampoka nony nandalo teo Behoririka ry zareo raha iny handroso ho any Analakely iny.
- "Bema! i Bema marina," hoy izy nihoraka!
- "Iza indray ity i Bema?" hoy i Ratrema gaga fa anarana mbola tsy henony mihitsy izany...
- "I Bema rahalahiko!" hoy i Zefa, "izy mihitsy io, mijanona hoe M'se Ratrema?"
Naka toerana hijanonana i Ratrema ary nanalava ny masony hijery ireo olona mijoro miamboho eo ampihinanana vary mitsangana...
- "I Bema io e!" hoy ihany i Zefa nanamafy.
- "Mandehana jereo tsara aloha ry Zefa fa aza eo no miantso fotsiny a!" hoy i Alexia sorena sady nanara-maso ity mpiasany...
Nierika ilay tovolahy natao hoe Bema ka taitra mafy nahita an'i Zefa nitsikitsiky nanantona azy. Latsaka ny sotro teny an-tanany fa may koa izy hiarahaba an'i Zefa..
- "Mama a! ny rahalahiko marina!" hoy izy nitsinjaka, "i Zefa! hay ialahy mbola tany?"
- "Inty aho ka!" hoy i Zefa tsy nino koa ny fahitany ny rahalahiny...nifampijery bika izy roalahy, samy efa lehilahy lehibe...ny endrika no mbola tsy niova loatra na nandroso aza ny taona...
Niherika nijery an-dRatrema i Zefa ary hitany izy mianaka fa gagagaga, ka notarihiny hanantona teny i Bema.
- "Andraso aloha aho handoa vola!" hoy izy nisikotra ilay vola taratasy malotoloto tany ampaosiny handoavana ilay loha-kisoa matsiro vao nohaniny teo... Namafamafa molotra aoka izany izy aloha ary namafa ireo tanany tamin'ny patalohany vao nanatso-tanana hiarahaba an-dRatrema.
- "M'se Ratrema," izy no Bemananjara zandrikolahy!
- "Izy kosa no M'se Ratrema patiraoko!" hoy i Zefa faly ery
- "Fa efa ela angaha ianareo no tsy nifankahita?" hoy i Ratrema gaga..."toa mbola tsy reko mihitsy ny anaranao manko!" hoy izy.
- "Efatra mianadahy izahay no zanaky Dada sy Neny," hoy i Zefa niezaka namintina ny tantarany. "Tany Ambanivohitry Toamasina izahay no nipetraka, araka ny efa notantaraiko anao. Maty tamin'ireny rotaka tamin'ny 2002 ireny anefa ny Ray aman-dreniko ary ny zandriko roa vavy nentin'ny milisy an-keriny ka izahay roalahy samy nirifatra nitsoaka ary tsy nifankahita intsony raha tsy izao indray..." hoy izy latsa-dranomaso kely.
Nanganohano kely koa izy mianaka nandre izany tantara mahonena izany, hany ka tsy nisy te-hihetsika teo...
Samy nangina kelikely aloha, kanefa i Alexia tsy naharitra intsony ny hanohanany ka dia niteny:
- "Tsy aleo ve mihinana eto rehefa izany?" hoy izy
- "Asa!" hoy i Ratrema tsy te-hanaiky nefa koa tsy te-handà, nahita ireto olona be dia be milahatra mihitsy hihinana eo...
- "Sa hijanona eto ise ry Zefa hiresadresaka amin'ny zandrin'ise? alainay eo ise avy eo fa i Alexia tsy tiako hisakafo eo!" hoy izy nivantana.
- "Tsy maninoa M'se Ratrema ka! vao maika tiako," hoy izy namaly.
- "Ity ny vola ary hisakafoananareo roalahy dia eto ihany ny fotoana avy eo, afaka adiny roa! mety?"
- "Eny Tompoko," hoy i Zefa nanara-maso an-dRatrema namelona ny fiara.
Nony lasa izy mianaka dia samy nangina kelikely aloha...
- "Fa maninona aho no tsy avelan'i Papa nihinana teo?"
- "Dray! fa ianao ve adala e! taiza koa no nisy vehivavy nihinana tamin'ireny?" hoy i Ratrema nitrerona kely an-janany.
- "Oay! nisy vehivavy nihinana teo!" hoy i Alexia namaly kely, "sady izaho angaha voatery hihinana teny fa nentinao tato anaty fiara ny anjarako!"
- "Dia tsy leo doika mihitsy ianao ity ka! nandritry ny fiainako aho ry alexia niasa mafy mba tsy hahitanao izany mihinana eny amoron-dalana izany, nefa ity ianao te-hietry hidina..."
- "Papa a! diso hevitra ianao! tsy mahantra mihitsy ireny olona hitanao mihinana teo ireny! sady izao ange ry Papa e: tsy mba nisy mihitsy ny fotoana tamin'ny fiainako hifangaroako amin'ny olon-tsotra: tsy mba mana-namana aho, mihidy ao anatin'io villa be io foana aho rehefa tsy any ampianarana... te-hiova aho, te-hifanerasera aman'olona," hoy i Alexia
Lasa ho azy teo ny fisainan-dRatrema nihaino an-janany.
Marina izany fa tsy mba mana-namana afa-tsy Hery tokoa ity zanany. Nihidy tao anaty faribolan'ny fianakaviany sy ny fianarany ary ny fitiavany tao izy ka lasa te-hitroatra...efa fotoana angambany izao hanokafana ny lalany sao tara
loatra, hoy i Ratrema nisento kely.
- "Ka atombokao amin'ny inona ary ity fiovanao?" hoy i Ratrema nanatongilana ny lohany hihaino izay hevitra hafahafa mety holazain'i Alexia.
- "Asa? inona re? tsy afaka ny hieritreritra intsony aho aloha izao fa noana!" hoy izy nanova resaka.
Teny Ambatonakanga izy mianaka vao nijanona hihinana tao amin'ity hotely iray. Efa be be olona ihany tao sady nisy hirahira hialana voly. Hadino vetivety teo aloha ny sorisory sy ny olana mamatotra azy mianaka fa injany hira mamelovelo, mitory fitiavana no asandratr'itsy tovolahy mpihira; manome fahafinaretana ho an'izay rehetra nisakafo teo.

Lasa saina kely i Hery rehefa avy niantso iny Ratrema. Gaga izy nahita fa tsy tezitra mihitsy Ingahy lehibe. Nanontany tena izy hoe fa nahoana, nefa tsy hitany mihitsy ny valiny. Nanatona azy i Malala sady nandray ilay finday teny aminy.
- "Hery? fa iza ilay teo?" hoy izy sady nanokatra ilay finday izy hijereny ilay anaran'olona niantso teo...
- "Ratrema? dia ahoana?" hoy izy natahotra..
- "Nolazaiko azy hoe aty ianareo," hoy i Hery natahotra izay mety ho valiny...
- "Hay!" hoy i Malala nampifamatotra ny tanany. "Dia rahoviana hono izy no haka anay?"
- "Tsy haka anareo izy ka!" hoy i Hery nibanjina azy...
- "Tena hafoiny izany ireo zaza ireo?" hoy i Malala tezitra indray. Tany anatiny tany manko nisy tsirimpanantenana fa alain-dRatrema izy telo mianaka. Nanomboka nitebiteby i Malala ny amin'izay ho tohin'ny fiainany. Hatrizay manko dia teo foana i Ratrema niahy azy, ary tao antokatranony izy dia ny vavany fotsiny no misokatra dia
tonga
eo anatrehany izay tadiaviny.
Nandritr'izay roapolo taona nanambadiany izay, dia milomano tao anaty harena be izy ary tsy nandalo tao amin'ny sainy mihitsy hatrizay izany hoe tsy hisy izany. Efitra kely izao no hany hitoeran'izy telo mianaka. I Hery ity no voatery hiahy azy aloha...marina fa rain-janany nefa mbola tanora loatra i Hery sady mbola tokony hanana fiainana hafa noho izao sahady...
Fantatr'i Hery ny tany andohany, nangina tsy niteny anefa izy satria mba niasa koa ny sainy amin'ity fiainany, zary manan-janaka hokarakaraina tsy satry.
- "Malala a! fantatro sady azoko tsara izay mampiasa ny sainao, nefa mahereza ry Malala! anatra ho antsika angamba izao fiainana izao, ka samia isika hitraka... veloko ireo ary veloko ianareo fa aza matahotra!"
- "Misaotra ry Hery!" hoy i Malala.
Niandriandry ihany i Malala iny hariva iny sao hiverina hiantso i Ratrema nefa dia nangina ny finday, zary natory tsy nahatsiaro ny kiririoka fahiny intsony...Niverina tao an-tsainy ny fahiny, fony Ratrema tia azy, izy ilay saribakoly nampihantaina tao antokatranony. Tsy niakanjo afa-tsy izay avy any ampita ary tsy nivoaka ny trano raha tsy nihaingo. Fantany ankehitriny fa efa nivadika ny tantara ary izy no niala tao an-tokatranony...nefa mahatsiaro tena ho meloka izy nohon'ny nitondrany ny zanany hanalavitra ny rainy. Izy dahy izay tsy mendrika ny hijaly toa azy...fa zanak'olona manankarena!
Nony nahatsiaro izany izy dia
tonga
saina! teo izy vao namerina indray ny lasa tao andohany ary nahatsiarovany saina fa zanak'i Hery i Toky...i Cynthia indray dia araky ny échograpfie tamin'ireny no nikajiana azy hoe zanaky Ratrema, tsy hainy anefa izay tena marina...
Nandinika mafy teo ampitoerana teo izy dia tsaroany nihorohoro ny sainy... nanahy ireto zanany izy, izay mety halain-dRatrema raha mitohy izao fisarahana izao...kanefa mety tsy ho azon-dRatrema koa raha fantany ny marina rehetra! Vizana mafy ny sainy iny hariva iny ka resin-tory teo amin'ny sezalava tao amin'ny efitra fandraisam-bahiny izy. I Hery kosa no nanome sakafo sy nampandro ary nampatory an'izy dahy. Toy ny efa zatra sahady izy mikarakara an'ireto zaza.
Nidina izy avy eo ary nandrakotra an'i Malala izay efa resin-tory, nefa raha iny hamonjy tohatra hiakatra iny izy no niantso tampoka i Malala...
- "I Hery a! aza miakatra aloha fa avia eto fa misy tiako lazaina anao."
- "Hay ianao tsy matory akory?" hoy i Hery nitehina teo amin'ny arofanin'ny tohatra...
- "An an! nakimpiko fotsiny ny masoko fa lasan'eritreritra aho," hoy i Malala niverina nipetraka..."Hery a, misy zavatra tiako ho fantatrao..."
- Momba ny inona?" hoy izy variana
- "i Cynthia!"
- "Maninona i Cynthia, marary?"
- " An, an...mbola tsy nampiasa ny sainao mihitsy ve hoe iza no rainy?"
- "fa.., fa angaha tsy Ratrema? tsy tiako hiverenana intsony ireny lasa ireny ka!" hoy i Hery andeha hitsangana indray. Nefa notazonin'i Malala ny tanany ka indro izy nipetraka tsy fidiny.
- "Hery a! misy itovizana amin'i tompokovavy mamanao anie izy io e!
- "Angaha?" hoy i Hery nanongilana ny lohany..."fa tsy azoko, fa ahoana e! fa angaha tsy hoe an-dRatrema io zaza io? tsy izany ve no resaka nandeha taloha ireny?"
- "Ie, ny kajin-dRadoko fotsiny no nilaza izany fa he ity zazakely, io hariva nampirina ny entan'i Mamanao iny aho no nahita ny sariny fony mbola zaza, dia i Cynthia napetraka!"
Tsy nandry loha i Hery fa lasa indray aloha nisava ireto baoritra nadoboka tao andakozia iny andro iny... efa natsikafona daholo indray izay voampirina vao hitany ilay fitoeran-tsary efa vasoky ny taona.
Navadibadiny haingana ary io tokoa! i Cynthia sa i Mama? tena mitovy hoy izy nisento lalina...
Te-hifaly izy hanakatra ny lanitra fa misy ihany sarivongana mety hahatsiarovany ny reniny, izay lasa tsy nialany nenina akory, sady amin'izay sary mandehandeha, zanany! tsy misy hiadina hevitra akory...mahagaga azy no tsy nahitany izany teo no ho eo hatramin'izay!
Te-hitomany indray izy satria efa an-dRatrema ireo zanany ireo izao. Raha halain-dRatrema ny zanany dia hiala maina izy...
- "Dia ahoana?" hoy i Hery nijery an'i Malala izay nangina tanteraka nandritr'izay minitra vitsy izay..."dia ahoana ry Malala?"
- "Asa ry Hery, fantatrao angamba izao no mampitebiteby ahy!"
- "Izaho koa matahotra," hoy izy nanainga ny tongotry Malala tsy hikasika ny gorodona...
Nifamihina teo izy roa ary lasa ho azy ny tanan'i Hery nanafosafo ny volon'i Malala...nosafoiny koa ny sorony, ny lamosiny ary i Malala kosa nisisika tsy nihetsika. toa maka tsirony ery amin'izato tanan'i Hery malandilandy mikasika ny vatany...Nihorirana kely izy ary notakariny tamin'ny molony ny molotry Hery izay tsy nandà fa nanome izay notadiaviny...oroka naharitra ela, toa nitondra fanantenana, toa midika fahatokisana, toa mampahery tampoka ilay saina niady mafy teo, ary koa mitory fitiavana...ilay fitiavana efa nitsilopy nezahina novonoina, hay tso-drivotra malefaka fotsiny dia nety hampidedaka azy indray.
Nifanatrika ry zareo avy eo, ary nakarin'i Hery moramora ny akanjo ambonin'i Malala. Natsotran'ity farany ny tanany roa hahamora ny hialan'ity tee-shirt naneritery ireo tratrany efa nivoitra be. Nopihin'i Hery avy tao andamosina ny tadin'ilay soutien nanafina ny tratrany. Nohararaotin'i Malala io paoziny io namahany ny bokotry ny lobany hampiseho ny vatany tanora sady nofosana...
Tsy nisy teny izany rehetra izany, tsy nisy eritreritra fa dia lasa tamin'izao...toa tsianjery fotsiny tany antsaina tany dia vetivety dia niala ireo akanjo nanelingelina azy roa.
Ilay lamba notafian'i Malala teo sisa no nisaronan'izy roa ary indreo ny vatany zary nofo iray indray, toa tsy hisaraka intsony fa hijanona ho toy izao mandrakizay...hadino izao rehetra izao, hadino ny manodidina rehetra fa ny fanahiny kosa efa tafakatra any ambony tsy hita maso any,
fa nofo roa samy nangetaheta mafy ilay firaisana niriany ho tanteraka tany anaty tany saingy tsy sahy navoaka fa nahamenatr'olona, kanjo nifanena tampoka teo amin'ny toerana mangina, tao antaty fotoana tsy nampoizina...ka mbola mety hisaraka ve?

Pejy 24
2006/04/15,21:27

Mbola tsy nisy niteny ihany avy eo izy roa fa samy niala moramora, samy niakatra ny tohatra namonjy ny fandrianany...efa rava manko ilay fifanarahana napetraka aninkeheo, ka samy miandry izay ho tohiny...tsy te-hanenina intsony izy roa, nefa tany am-pony lalina tany, samy namolivoly ny fanahiny tao anaty bodofotsy tao: i Malala mbola manantena anaty ihany fa hipoitra eo ambaravarana i Ratrema rahampitso maraina hamerina azy any aminy indray, ka tsy hisy ny olany na ara-bola, na ara-tsosialy, ary hiezaka izy hamafa tanteraka an’i Hery eo amin’ny fiainany ary hanolotra ny fitiavany sy ny fiainany rehetra ho an-dRatrema, eny fa na somary tara aza izany...tiany hadinoina i Hery fa tsy hainy, I Hery izay avy niray taminy. Menatra ve izy? ny nofo ihany ve no mpiray azy roa? Sa noho izy rain-janany?
I Hery koa etsy andaniny toa faly, toa sahirana, satria indreo ao an-tranony ny zanany ary mitoetra ao aminy koa ny reniny izay fantany fa tia azy, kanefa sarotra aminy ny hanadino an’i Alexia, mariky ny fitiavana madio, fitiavana mbola tokony hanana ny hoaviny raha tsy nisy i Malala...
 ...
Vao nihiratra ny mason’i Hery iny maraina iny dia nanokatra ny solosainy izy. Efa tamin’ny herinandro izy no namoha ity farany ka liana dia liana ny hahita na dia sombina hafatra ihany aza. Nalaina ery izy io maraina io, ka naleony niverina tery ampandriana sady nitrotro ity milina hahafahany maka aina tsara hamaky izay ao anatiny ao. Toy ny tsianjery no hanokafany ny takelaka fahazoana miresaka. Nalahelo anefa izy fa tsy nisy inoninona ho azy tao. Napetrany teo amin’ny tany ny solosaina ary iny indray izy no nibonoka tao anaty lambany tao ka nitomany mafy... nahatsiaro ho singan’olona izy sisa, tsy nisy intsiny ny fanantenana tao aminy, nidradradradra tao izy ary resin-tory tampoka indray iny alahady maraina iny.

Efa atoandro be koa Ratrema vao nitsangana ary naniraka an’i Zefa hividy mofo maraina. Izy kosa no nankao andakozia hikarakara ny vary sosoa maraina ho an’izy roalahy. I Alexia moa fantany fa dité fotsiny ny azy rehefa maraina ka tsy dia nisahirana be izy fa namana rano fotsiny ihany.
Nangina dia nangina tao an-tranoben-dRatrema. Sambany indray izy vao niaina tao anaty fahanginana. Efa zatra mandre hehin-jaza ny sofiny ary tsaroany teo ny kilalao fanaon’izy sy Toky isaky ny alahady. Izy lehilahy lehibe efa misy volofotsy iny no mbola mandady eran’ny trano ihany sady taingenan’i Toky ary kapohany amin’ilay tanan-keliny hamindra haingana. Toa mbola hitany i Malala mampinono an’i Cynthia sady lokin’ny hehy no mampitandrina an-dRatrema tsy dia handoto akanjo loatra, fa saro-kosehina ny lohaliky ny patalohany...
Latsaka ny ranomasony...dia tsy hisy intsony ve izany rehetra izany e? Dia hanao ahoana izany ny fiainako? Ary ireto zanako?
Raha ny sitra-pony dia lasa izy hiridana haingana haka ny vady aman-janany, kanefa fantany tsara fa tsy izay no vahaolana satria na izy na i Malala mbola mila maka fotoana tsara handinihin-tena.
I Malala moa mbola fatoran’i Hery amin’ny hery tsy fantatra...asa inona? Ary izy mbola manana olon-tiana ihany koa, eny fa na dia vadin’olona koa aza no iarahany...
Tapaka anefa ny eritreriny fa indro i Zefa niditra tao an-trano nanolotra ilay mofo.
- "Fa ho aiza indray ise ry Zefa?" Hoy Ratrema nahita azy nivoaka ny trano.
- "Handeha hanao zaridaina aho izao maraina izao!" Hoy i Zefa nitsiky taminy...
- "Avia ise hisakafo fa toa tsy nihinana akory ise?" Hoy Ratrema nanasa azy hipetraka.
- "Ka tsy izany ange M’se Ratrema" hoy Zefa nanainga indray ny kasiketiny sady nihaotra ny lohany ho mariky ny fahagagany sy ny fahamenarany. Hatrizay manko izy tsy mba niray latabatra tamin’ny patiraony izany mihitsy, ary gaga izy tamin’ny fiovan-dRatrema tampoka teo...
- "Mazotoa homana r’ise fa io ny vary soa a! Tsy misy hena ato fa dia io ny saucisson teteho hihinanana azy! Sa kafe no tian’ise?"
- "Mmmety ity Mse Ratrema a!" Hoy i Zefa niondrikondrika ery nandrapaka ity vary sosoa mafana tany ambavany.
- "Aza matahotra ise ry Zefa fa manomboka androany dia miova tanteraka ny lalana mifehy ity trano ity. Ise indray izany aloha no miandraikitra ny raharaha ato an-trano sy ny fiambenana; tsy afaka ny hahita olona mahatoky izao dia izao aho ka dia miantehitra amin’ise!"
- "Mse Ratrema! Efa niteny izany ihany ianao fa i Bema....iBema manko omaly niteny tamiko hoe tsy mahita asa hono izy nefa efa manam-bady aman-janaka ka tsy mety ve raha mba raisinao izy?"
Niketrona kely Ratrema, toa nampatahotra azy izany handray olona tsy fantany izany, nahatsiaro kely ny tantaran’izy mirahalahy anefa izy ka nalahelo kely an’ity mpiasany mahafatra-po: - "hieritreritra ary aho ny amin’izay ary avelako ise rahariva handeha hijery azy sy htondra azy aty amiko."
Miramirana ery i Zefa niala teo ambony latabatra ary nandeha naka ny borosy handeha hamafa trano. Indro i Alexia nifanena taminy mbola bongobongo maso ary gaga nahita an’i Zefa velon-tsioka ery.
Nojereny fotsiny anefa ity mpiasany fa indro izy nitontona teo ambony seza hisakafo. Nitsangana haingana Ratrema haka ilay casserole teny ampatana hanao dite ho an’ny zanany.
- "Inona no ataonao androany?" Hoy izy nila resaka..
- "Andeha handehandeha aho," hoy Alexia fa omeo fiara.
- "Tsy aleo miaraka?" Hoy izy nanambitamby.
- "an an, te-handehandeha irery aho ry Papa fa aza atao mahatezitra a! Te-hiova rivotra kely aho, te-hanao ny fanaon’ny ankizy mitovy amiko aho..."
- "Eny ary," hoy Ratrema tsy te-hiady hevitra. Hitany teo amin’ny firesaky Alexia fa tapa-kevitra ny hanova fiainana izy ary tsy hisy hahasakana azy intsony.
- "Alex, a! tsarovy fa mbola eto aho anaka raha misy ilanao ahy."
- "Eny ry Papa," hoy Alexia nisafo ny tanan-drainy eo ampanosorana dibera ny mofo hohanin-janany izy.
Nony lany ny sakafony dia lasa izy niakatra tany ambony hisolo akanjo. Nampiditra pataloha jean teritery izay izy, akanjo novidian’i Malala ho azy taloha io fa tsy azoazony noho izy matetika manao akanjo; ary nampiditra akanjokely fohy tanana sy mampiseho foatra. Kapa kely no nampiarahany azy ary novahany ny volony tsy hifatotra.
Nidina izy avy eo hangataka ny lakilen’ny fiara tamin-drainy. Gaga kely i Ratrema nahita ny fiovan-janany, nefa hitany fa tsara tarehy i Alexia ary tsy manaratsy azy velively ny fomba fiakanjony.
Nomeny azy ny lakile ary indro izy nanaraka an-janany nivoaka ny trano. Raha teo ampamelomana fiara i Alexia dia io izy nandray ny angadikely teo amin’ny tany fa tapa-kevitra ny hanary dia hanao zaridaina.

Lasa saina mafy Alexia eny am-pitondrana fiara mizotra iny lalam-pirenena faha fito iny. Hery, Malala, Dada, Toky, Cynthia, Izy... mifandimby tao an-tsaina na sarim-pifaliana, na sarim-pahorina. Nandalo teo imasony avokoa ny fotoana rehetra niarahan'ny tamin'ilay voaloham-pitiavany, ary nampitsiky kely izato masony nanganohano. Saingy nanembatsembana izany revorevo izany ny rahon'ny fahoriany : fampirafesana, famitahana.
Nanjavozavo tampoka ny masony ary niverina tao an-tsaina ny nahazo azy vao nifoha maraina teo. Toa malemilemy tsy mahazaka tena ary misaleboleo. Tsy te ho lasa lavitra ny sainy ary hoy izy anankam-po : "Reraka loatra angamba no mahatonga izany ka tokony hanatona mpitsabo aho, aza hitako..."

Asabotsy moa ny andro ka somebiseby ny olona mitsangantsangana, ao ny mandeha miantsena. Rakotra olona n'aiza n'aiza toerana aleha indrindra amin'izao andro antomotry ny fety izao. Isan'ireny ny Grande Surface ary tsy ambaka ireny ny Jumbo Score etsy Tanjombato.
Andian-jatovo dimy lahy ranjanana no indro nigadona teo am-pidirana ary
tonga dia namonjy ny toerana fandoavam-bola nanambana basy ilay tovovavy mpikirakira vola. Tsy nisy nahetsika izay nilahatra teo ary tsy nisy nivolana. Lasa ireo vola rehetra tao anaty vata ary firavaka maromaro izay sendra ny tanan'ireto jiolahy. Efa dify any anaty fiara izy dimy lahy vao tonga
saina ny mpiambina ka namelona ny kiririoka ary niantso polisy faingana. Nitrena mafy ity fiara ary toy ny tselatra ny fialany teo anoloan'ny fiantsonan'ny fiara, ary lasa niridana. Nandeha mafy loatra ilay mpamily ka tsy tafajanona stop teo amin'ny tetezan'ny Tanjombato ka dia nifatratra tamin'ny fiara kely nandeha mora nentina tovovavy iray.

Tsy nitsahatra nijery famataran'andro Ratrema satria efa nihamaizina ny andro.
- Mba migafy kosa Alexia raha izao mbola tsy tafody ihany kah! hoy izy miteny irery.
Amin'ny fito ora sasany.
Tonga
ny fampahalalam-baovao amin'ny fahitalavitra ary nipetraka hijery Ratrema : "Lozam-piarakadia mahatsiravina no nitranga androany tetsy amin'ny tetezan'ny Tanjombato. Fiara mitondra ny laharana xxxx TAF no nodomina 4x4 iray. Efa eny amin'ny hopitaly Ravoangy ireo naratra mafy ary nisy koa ny maty tsy tra-drano"
- "Alexia, Alexia, maty aho zanako", hoy ny kiakan-dRatrema, "Alexia" sady nigogogo toa ireny zazakely ireny ity rangahy efa ho fotsy folo
Nofohazin-dRatrema tamin'ny torimasony i Zefa iny alina iny ary lasa izy roalahy mianaka niriotra teny amin'ny hopitaly. an-tongotra no nanaovan'izy roalahy iny lalana mangina mankany aminy iny hatreny amin'ny arabe ary efa ana taneraka ry zareo vao sendra taxi niasa alina nandalo hitondra azy teny amin'ny hopitaly.
Mbola nisefosefo mafy Ratrema teo ampanontaniana ny anaran-janany. Nikentrona ihany ilay rangahy teo ampidirana aloha sady namadibadika ny lisitra teny aminy...Niahotra kely ilay Rangahy, ary nikohakohaka, toy ny sakodiavatra mafy hanambara izay zava-pantany momba an'i Alexia...
- "Ato ve izy?" hoy Ratrema nanesika ny fanontaniany ihany..."Ato ve ny zanako?"
- "Mahazoa aloha ianao aina Ramose fa..."
- "Misy inona? fa misy inona? maninona ny zanako?" hoy Ratrema nanery ilay Rangahy hiteny. Raha azony atao dia nopotseriny mihitsy ny tendan'ilay rangahy hamboraka haingana izay vaovao azony omena...
- "Ramose a! ato ny zanakao saingy ... tsy ho afaka ny hijery azy mihitsy ianao izao"...hoy izy tony sady matotra.
- "Fa misy inona e!" hoy Ratrema tsy nanaiky. I Zefa amin'io mivandravandra fotsiny koa tsy mahita fomba hampanginana ity patiraony.
- "Mbola ao anefitra fandidiana izy amin'izao ora izao!" hoy ilay Rangahy taminy. Tena mafy dia mafy ny zavatra nahazo an-janakao Ramose ka ny vavaka sisa atao be...Efa manao izay fara-heriny ny dokotera rehetra. Tsara vintana aza izy satria sendra
tonga
ato ny professeur mpandidy mahay miasa any Eropa ka mikarakara azy...."
Tsy niteny Ratrema fa ny lohany no nahivingiviny..toa tsy mino izy, toa manonofy ny niheverany ny tenany. Te-hitomany izy nefa te-hangina koa tsy hiteny intsony. Efa elaela izy vao nahasoka-bava indray:
- "Fa inona no tena mahazo azy?" hoy izy nitraka hihaino izay holazain'ilay Rangahy.
- "Tsy fantatro marina Ramose fa izaho anie tsy mpitsabo e! vaovao mahatsiravina izy ity ka izany no nahenoako azy teo nohon'ny resaky ny mpitsabo nivezivezzy teo. Tsaratsara aminao miditra any manontany fa tsy te-hiteniteny foana aho!" hoy ilay Rangahy.
Tsy nahavita nisaotra akory Ratrema dia nimaona niditra tany anatiny tany. Jemby kely ny masony nohon'ny ranomasony sy ity jiro be ato amin'ny lalatsaran'ny hopitaly. Efa namindra elaela izy vao
tonga
teo ambaravaran'ny bloc opératoire. Tsy nisy na iza na iza anefa teo... soa i Zefa fa nanaraka azy tao aoriana ihany nampahery azy.
Efa ho adiny roa tato aoriana vao indro nivoha ny varavarana ary nivoaka avy ao ireo dokotera mpandidy telolahy be izao sy mpitsabo mpanampy vitsivitsy. Tsy niandry Ratrema fa
tonga
dia nisarangotra teny amin'ny iray amin'izy ireo:
- "Dokotera! ato ve ny zanakovavy?" hoy izy nitalaho.
Niketrona ny handrin'ilay dokotera izay nisy hatsembohana kely nipentipentina, nijanona izy ary nandray ny tanan-dRatrema...
- "Hay zanakao izy io?" hoy ilay Mpandidy...
- "Eny Tompoko," hoy Ratrema.
- "Pr Herimanjaka!" hoy izy maotina. "Mafy ny nahazo ny zanakao nefa efa nanao izay faraherinay izahay..."
- "Ka ahoana profesora?" hoy Ratrema niandry ny tohiny..
- "Voadona mafy ny lohany sy ny tratrany," hoy ilay Mpandidy..."tsy naninona anefa ny ati-dohany," hoy ihany izy namelona fanantenana kely teo amin-dRatrema... "ny taolan-tratrany no nisy tapaka ary efa nataonay izay mety..."Niahotra ihany ilay ddokotera vao nanohy indray...
"Voadona mafy ny kibony ary afaka ny zanany...."
- "Ny zanany?" hoy Ratrema taitra...
- "Miala tsiny Ramose," hoy ilay mpandidy nijery azy..."bevohoka efa ho roa volana ny zanakao"...Voatery nesorina koa anefa ny tranon-janany nohon'ny rà niangona sy ny faharovitana nahazo azy. Ny taova hafa koa misy voadona ihany fa mbola azo tsaboina amin'ny fotoana hafa..."
Ketraka Ratrema. Tafatombina teo amin'ilay seza lava izy. Nigogogogo teo izy nanala ny fony ary nitehina ny sorony ilay Dokotera.
- "Mahereza Ramose," hoy izy. Raha misy ilainao dia ato ihany aho hatramin'ny alahady fa garde aho izao. Miaraka amiko mijanona ato Pr Andriamahefa avy any andafy hanampy ahy.
- "Pr Andriamahefa?" hoy Ratrema
tonga
saina tampoka...toa anarana efa reko izay, hoy izy lasa saina.
- "Fantatrao angaha izy," hoy ilay Dokotera faly anaty fa nahay nanova izay tao an-tsain-dRatrema kely aloha hanary dia azy. Efa roapolo taona izay izy no nandao an'i Gasikara ka izao miverina mizara ny fahaizany eto antanindrazana indray. Tsara vintana mihitsy izahay io alina io sendra azy.
Nangata-dalana ilay Dokotera ary indro i Zefa sy Ratrema teo, samy ketraka sy tsy nahaloa-peo. Indro indray nivoha ilay varavarana ary nivoaka avy tao ny fandriana nisy an'i Alexia.
Nitsangana izy roalahy ary samy nijery...
Tsy nisy hamantarana azy intsony ilay zazavavy. Mifono bandy matevina ny lohany ary feno fantsona ny tarehiny. Misy platre be koa ny tratrany ary misarona ny kibony. Mbola tsy mifoha hono izy ary entina any amin'ny salle de reveil. Noraran'ireo mpitsabo mpanampy anefa i Ratrema tsy hanaraka andry zareo:
- "Ramose a! mandehana aloha mody maka aina," hoy ry zareo. Rahampitso miverena fa raha izao tsy misy inoninona ataonao aty. Miala sasatra tsara ary angony ny herinao fa izao vao ilaina izany."
Ankona Ratrema. Notarihin'i Zefa nody izy ary indreny izy roalahy nitsidaikadaika nitodi-doha hiverina any an-tranony.
Nony tany an-trano Ratrema dia nandray ny telefonina...nisalasala indray anefa izy ary tsy fantany akory hoe hiantso an'iza...I Malala no
tonga
tao an-tsainy tampoka...
- "Malala!"
- "Ratrema!" hoy i Malala mbola tao anaty torimasony...."fa misy inona?"
- "Malala! tongava haingana aty an-trano fa misy ilako anao..."
- "Ka ny zazakely matory..."
- "Avelao ny zazakely hatory fa asaivo haterin'i Hery ianao izao ankehitriny izao fa misy ilako anao. Tsy ilaiko miditra aty izy fa asaivo miverina hiandry ny zazakely. Haingana ianao!"
Nihataka kely i Hery raha nandre ilay telefonina naneno. Mbola teo ampiondanana tamin'i Malala izy manko talohan'izay. Nitsangana haingana i Malala ary poa toa izay izy dia vita akanjo. I Hery anefa mbola nibonoka tao anaty lamba tsy mahalala na inona na inona...
- "Hery, andao aho hatero fa miantso ahy Ratrema!" hoy izy nikoropaka.
- "Ratrema? amin'izao alina izao? fa olona adala angaha iny?"
- "Haingana ianao Ry Hery a! hatero ahy dia miverina haingana ianao hiandry an'izy dahy! izay no teniny."
- "Fa sao heverinareo fa andevokely mihitsy ary aho ka rehefa te-hifankahita ianareo na amin'ny firy na amin'ny firy dia tokony ho vonona aho. Ary nahoana no andrasako ny zazakely?"
- "Mbola hampahatsiahiviko anao indray ve ry Hery fa zanakao ireo?" hoy Malala nampiditra ny akanjo mafanany sady nandray poketra. "Haingana ianao fa mbola hitady taxi e!"
Niomana tsy sazoka i Hery sady ningonongonona izay tsy izy. I Malala kosa maika tsy nisy ohatr'izany fa nivaly ihany ny vavaka mangina notononiny tany anatiny tany. Tena nantsoin-dRatrema ihany aho! hoy izy lokiloky.
Indreny izy roa niara-nivoaka ny trano ary nihazakazaka handroso alohaloha kokoa hihazo ny sampanana mety hahitana taxi. 

Pejy 25
2006/04/17,11:54

Vao teny ambavahady i Malala dia notsenain-dRatrema sady nofihininy mafy. Gaga ihany i Malala satria tonga dia nigogogogo nitomany ity vadiny sady nitarika azy niditra tany antrano. I Hery moa teo ihany dia nitodi-doha nody tamin'ilay taxi notaingenany teo.
Tsy niandry nanontaniana akory Ratrema dia nitantara izay nitranga rehetra tamin'i Malala...Toy ny nanonofy ity renimpianakaviana nandre izay nolazaim-badiny.
Niala moramora tamin-dRatrema izy ary namonjy nipetraka teo amin'ilay tohatohatra kely miditra ao amin'ny tranony.
- "Tena marina ve izany Ratrema?" hoy izy toa tsy nino ihany. Noheveriny fa manao vazivazy ratsy Ratrema hitarihana azy mody.
- "Tsia ry Malala" hoy izy mbola nifokofoko. "Tena marina izany....inona no tombotsoako handainga aminao?"
Nitsangana i Malala ary nisarangotra mafy tamin-dRatrema izy ary nitomany nigogogogo mafy. "Manenina ny nataoko hatrizay niainako aho Ratrema fa izaho no anton'izao a! hoy izy nidradradradra ihany toa te-handritra ny ranomasony teo amin-dRatrema mba hanafoana izao loza mianjady amin'izy mianakavy izao. Notantanan-dRatrema izy hiditra tany antrano ary vetivety teo i Zefa dia naka rano mangatsiaka haingana hosotroindry zareo.
Gaga kely i Malala nahita an'i Zefa tao antrano sady manao blouse fotsy kanefa tsy naharototra azy akory izany. Ny sainy mbola any amin-janany vavy ihany.
- "Ratrema a! tena tiako tena tiako ange iny zaza iny" hoy izy namafa ny ranomasony..."na tsy naterako aza izy dia tsy niafina taminao ny fitiavako azy.
Indrisy anefa fa ny fitiavantenako no nanosihoseko azy ary tsy mba nila ady na nankahala ahy akory izy tamin'izany...."sady nitomany indray izy.
- "Tsara ianao rehefa
tonga
saina!" hoy Ratrema fa andeha aloha hatory isika fa rahampitso maraina mbola be koa ny atao...
- "Ratrema a! sao dia tokony hilazana ihany i Hery?"
- "Rahampitso maraina hampanalaiko an'i Zefa amin'ny taxi any ihany ry zareo fa aleo aloha ny zaza hatory tsara fa sao hanahirana eo koa raha maninomaninona.
Niakatra malaina tany ambony i Malala. toy ny mbola hitany teo ny zanany vavy mitsiky eny aminy. Tsaroany tampoka ny fahazazan'i Alexia, ny akanjony fony izy niditra nianatra, ny hafaliany isaky ny noely, ny fanomezany isaky ny fetin'ny reny. Teo amin'izay ankizivavy fantany nanodidina azy dia i Alexia no hitany nikambanan'ny hatsaran-tarehy sy ny hatsaran-toetra.
Niverina kely tany amin'ny zavatra notantarain-dRatrema anefa izy dia nihivingivin-doha..."tsy rariny! tsy rariny" hoy izy nankahala ny tenany. "tsy mendrika an'iny zaza iny izao nahazo azy izao! tokony ho izaho no voan'izany! izaho no olon-dratsy fa tsy izy!"
- "Mangina ianao ry Malala" hoy Ratrema nampionona azy. "Mitandrema ianao fa mbola kely ny zanatsika ka mila anao! aza miteniteny foana! Ankinintsika amin'Andriamanitra ny ain'i Alexia! tsy misy azontsika atao afa-tsy ny mivavaka sy mampahery saina!"

Efa ho maraina ny andro vao resin-tory i Malala. I Ratrema kosa dia tsy ni pi-maso fa niandry izay higadonan'ny tamin'ny enina maraina haniraka an'i Zefa haka an'i Hery sy izy dahy kely.

Tsy ela dia indro ny taxi nipoitra ka novohan'i Ratrema ny vavahady be hidirany. Nony tafavoaka tao izy telo mianaka dia niresaka vetivety tamin'ny mpamily Ratrema. Gaga i Hery nanontany tena izay resany kanefa tsy sahy nanatona akaiky.
- "Raikitra ary!" hoy fotsiny ilay sofera nitsiky tamin-dRatrema sy naka toerana teo antokotany hiandry azy.
Niherikerika i Hery fa tsy hitany ny fiara-dRatrema. Niditra nankany antrano izy: ny tanany ilany mitantana an'i Toky ary ny sandriny mivimbina ilay couffin misy an'i Cynthia.
Gaga izy fa tsy niteny azy ny hijanona eo ambaravarana Ratrema. Niditra izy ary indro i Malala mbola manao akanjo mandry nefa mivaloharika sy bongo maso aoka izany. Tsy niarahaba an'i Hery akory izy fa ireto zanany no nosarangotiny sady nofihininy tsirairay.
Noraisin'i Zefa ny tanan'i Toky ary nentiny tany ambony ito zaza hanohy ny torimasony. Namonjy nampinono an'i Cynthia kosa i Malala.
Niditra i Ratrema ary nisavika ny soroky Hery ary nitondra azy tao andakozia. Nihidy aman'efitra tao izy roalahy mianaka ka tsy nivoaka tao I Ratrema raha tsy afaka antsasakadiny taty aoriana. Niverina natory indray i Cynthia ary dia niangavian' i Malala i Ratrema mba hitondra azy:
- "Ratrema! azonao entina miakatra any ve izy ity azafady?" hoy i Malala niteny moramora.
Niverina nidina Ratrema iny izy efa teny antenantenan-tohatra iny ary noraisiny tamim-pitiavana ny zazakely hamonjy ny efitrano fandriany.
Nitsangana i Malala ary nankao andakozia. Indro i Hery miondrika tsy mahazaka ny lohany akory. toy ny akoho voakapoka ny fahitana azy avy ato aoriana...tsy nahatomany mihitsy izy na dia toa te-hikiakiaka mafy aza. Foana ny ati-dohany, banga ny fony rehetra...maina ny molony ary toa reny misy entana mavesatra eo ambony lohany...
- "Mila anao mahery izahay," hoy i Malala nanafosafo ny lohany...
Mbola tsy niteny ihany izy, nivontirika fotsiny ny masony...toa tsy ren'ny ainy akory ny rano natohoky Malala ny vavany hosotroiny....
- "Hery a! aza manao ohatr'io moa fa mila anao izahay izao!" hoy ihany i Malala niezaka ny hampatanjaka ity tovolahy nefa ny tenany koa aza dia nalemy ihany koa.
Nipoitra avy any Ratrema ary efa vita akanjo.
- "Ho any amin'ny polisy aho aloha izao maraina izao," hoy izy...manao fotoana any amin'ny hopitaly isika ratoandro amin'ny roa ambinifolo," hoy izy nijery an'i Malala. Aleo i Zefa no hijerijery ny zazakely fa hisy rahalahiny ho avy eo hiambina ny tanàna. Hono ho'aho, afaka tsy miasa ve ise ry Hery androany?" hoy Ratrema niteny moramora..
- "Hiantso aho izao dia izao ary halaiko daholo ny congéko iray volana."
- "Misaotra! hoy Ratrema nivoaka ny varavarana. Mifandamina ianareo izany," hoy izy nijery an'i Malala. "Izay fa ratoandro. "
Nanatona azy haingana i Malala sady nanoroka azy. Lasa i Ratrema namonjy ilay taxi teo antokotany.
Natosiky Malala tamin'ny fitombenany ny varavarana. Niankina teo izy ary nibanjina an'i Hery izay fotsy toy ny taratasy tampoka teo.
Indro i Hery niantoraka tany amin'i Malala ka nitomany mafy amin'izay..."izaho no anton'izao, hoy izy! noho izaho! noho izaho! tsy laitra nampanginina izy ka navelan'i Malala teo hanala ny fony.
Nangina tampoka ihany izy anefa ary nijery an'i Malala indray ..."inona izao no tokony hataoko?"
- "Antsoy ny fiasanao izao," hoy i Malala sady nijery teny amin'ny famataranandro lehibe mihantona amin'ny rindrina izy. Toy ny zazakely i Hery manatanteraka fotsiny izay baiko omena azy...

Efa tamin'ny 12 latsaka fahefany no nigadona teo anoloan'ny hopitaly i Malala sy Hery. Migaigaina mafy ny masoandro ary endrey ny soroky Malala manopy volombarahina mihitsy tratry ny masoandro. Tsy nisy niresaka izy roa fa samy nangina, hiandry izay iray sahy handray resaka voalohany. Niasa dia nihodikodina teo ampijoroana fotsiny i Hery. i Malala kosa lasa naka toerana teo ampototry ny tambohon'ny hopitaly. Tsy mbola azo idirana moa any raha tsy amin'ny roa ambinifolo ora ka dia tsy nisy azo atao afatsy ny miandry. Nivezivezy teny amin'ireo olona miandry tahaka azy ny mason'i Malala: variana izy mijery fa maro dia maro izany ny marary ato...indreo ireo mpamangy mivatsy haronkely misy sakafo avokoa. Be ny olona tazany no mafy ady sy hita hoe avy lavitra nefa mikiry tonga ihany hamita ny adidy amin-kavany; eo koa anefa ireo mpanana miaraka amin'ny fiara be na fiarakaretsaka, misomebiseby amin'ny entam-be sy harom-be, moa va tsy toy ny olona hifindra trano mihitsy.
Raha mbola variana teo izy no injao avy teo haviany Ratrema nandray ny sorony sady nanoroka azy. Nitsiky kely tamim-badiny izy no sady niezaka ny haneho maso miramirana, nefa hitan-dRatrema nisoritra tsy voahafin'ny manjamaso ny havizanany sy ny alahelony.
Namindra miadana izy roa, izay narahin'i Hery avy ato aoriana. Mbola mandalo zaridaina be koa moa vao tonga tanteraka any amin'ilay bâtiment misy an'i Alexia.
Nony mby teo ambaravarana dia niherika nijery an'i Hery i Ratrema, toa te-hanontany azy hoe "sahy miditra ve ialahy?". toa takatr'i Hery avy hatrany ny tao an-dohany ka nihemotra izy.
Tsy niteny Ratrema fa i Malala no narosony hiditra hialoha azy. Nijanona tampoka anefa izy vao nahita an'i Alexia nofonosin'ny bandy be sy ny platra.
Indro anefa fa ningain'i alexia kely ny tanany hilazany fa mifoha izy sady mahita tsara ireto ray amandreniny.
Nanatona ihany izy mivady. Nikoriana ny ranomason'i Malala, tsy nahateny izy fa nandohalika teo anoloan'ny zanany. I Ratrema kosa nanoroka an'i Alexia moramora sady nandray ny tanany nitsotra teo.
Nitsiky anefa Razazavavy nahita azy mivady. Toy ny tsy manaintaina azy ny vatany, na marary ny lohany, fa hita hoe faly izy. Tsy namoaka feo ny vavany nohon'ny havizanany nefa hita soritra teny amin'ny endriny fa matanjaka ihany izy raha izay nahazo azy izay.
Mbola tsy misakafo koa izy izao, sady tsy mahazo misotro rano koa. Tsy misy na inona na inona ny efitranony, afa tsy ny fandriana atoriany ihany sy ireo fantsona mipetapetaka eny aminy.
Nangata-maso an-dRatrema toa te-hanontany andRainy izy ka nanatona akaiky ny vavany ity farany hiezaka ny hihaino izay lazainy.
- "Aiza i Hery?" hoy izy nanadrana nisoka-bava.
- "Tianao ho hita izy?" hoy Ratrema , "tena marina?" Nanetsika ny tanany Alexia hanambara fa te-hahita azy izy. Nivoaka ny varavarana i Ratrema.
Nanantona an'i Alexia ny reniny ary nipetraka teo amorom-parafara sady nanafosafo ny sandrin-janany....toy ny tamin'ny mbola kely, tsy niteny izy fa ny masony fotsiny no nirotsa-dranomaso, tsy nety voatanany...Namihina ny tanany i Alexia toa nampahery azy indray.
Niditra i Hery avy eo, toy ny fanina izy nahita izay nojereny teo...niezaka ny hijoro tsara anefa izy sady namindra miadana. Nitsangana i Malala ary nanantona ny varavarana nisy an-dRatrema. Tsapany manko fa mila fotoana irery izy roa ka naleony nivoaka.
Nipetraka teo ambony fandriana izy. Kaodikaody ny masony ary zara raha mahajery ny olon-tiany izy. Tsy hitany akory izay lazaina, toa olona tsy misy antony mihitsy ny fiheverany ny tenany. I Alexia anefa nangata-maso taminy ery, ary indro izy nanokatra ny vavany...
- "Hery!" hoy izy nahateny malemilemy ihany.
Nihodina nijery azy i Hery ka nitsangana hanatona kokoa ny lohany. Faly izy fa reny ihany ny feon'ny olon-tiany...
- "Alexia, tena tia anao aho!" hoy izy niteny moramora .
- "Misaotra ry Hery! misaotra fa manampy ahy betsaka ny fitiavanao...Hery a! tena maharary aho!" hoy izy nibitsibitsika
- "Aiza no tena renao maharary?"
- "Ny lohako mbola tena tsy zakako, ary ato amin'ny kiboko ato tena misy maharary ahy, mamaly hatrany andamosiko...Ny tratrako koa..."
- "Sao hiantso dokotera aho?" hoy i Hery nitaintaina..
- "Efa ho avy hanao visite ry zareo izao," hoy i Alexia...
Tao andalatsara kosa, raha iny nivoaka iny izy mivady no indreo ny mpitsabo sy ny mpianatra mitety ny efitry ny marary sasantsasany. Tsy ela dia tonga teo amin'ny efitra misy an'i Alexia ry zareo. Nizarazara ho azy teo anefa ireo vondron'olona ireo, toa andeha hisakafo angaha. Ny mpitsabo mpandidy roalahy ihany no nanantona azy mivady...
Nony vita ny fiarahabana dia nandeha ny fanontaniana isan-karazany napetraky Ratrema. Nilaza ireto mpitsabo fa mbola mila fanaraha-maso be mihitsy ny marary sady mbola misy zavatra tsy mety ao amin'ny taovany ao.
- "Taova inona?" hoy Ratrema taitra indray...
- "Ny voany voadona mafy koa ka mila mpanome haingana arak'izay azo atao," hoy izy roalahy.
- "Ny voa? Dokotera a! inty aho! vonona aho! izaho rainy afaka manome tsara!" hoy Ratrema maika mafy mihitsy.
- "Misaotra anao," hoy ilay dokotera iray, "kanefa mety tsy ho vita eto ity fandidiana ity ka mbola be ny taratasy atao sy ny fanadihadiana atao moba anao raha mety na tsia...afaka miandry ve ianao amin'ny roa ora dia miresaka isika? andeha hisakafo aloha izahay dia rehefa avy eo!"
Lasa ireto mpitsabo ary nifampiankina teo aloha izy mivady, indro koa i Hery nivoaka avy any fa natory hono i Alexia.
- "Fa misy inona?" hoy i Hery gaga nahita azy mivady samy hatsatra teo.
Nohazavain-dRatrema azy vetivety teo izay rehetra nolazain'ny dokotera sy ny fanapaha-keviny hanome ny voany ho an-janany...
- "Fa angaha moa tena zanakao izy?" hoy Hery nitsaotsaona tampoka tsy nahatam-bava...
Nifampijery izy mivady, ary teo vao samy tonga saina. Tsy nihevitra izany mihitsy Ratrema teo, i Malala koa tsy nanampo hoe hay moa rainy ara-boajanahary izany no ilaina...ary ahoana no nahalalan'i Hery izany?
- "Azafady ry izy mivady," hoy izy menatra mafy " efa notantarain'i alex ahy daholo ny fiainanareo...miala tsiny indrindra."

Iny tolakandro iny dia niandry toy ny efa nifanarahana teo amin'ny biraon'ilay Mpitsabo Ratrema. I Malala moa tsy maintsy nody tany an-trano hampinono an'i Cynthia ary i Hery lasa niverina nody nanidy trano. Nanapa-kevitra mantsy Ratrema fa aleo aloha i Hery hitoetra any amindry zareo mandrapahatsaratsara an'i alexia fa manahirana ilay mifampiantsoantso foana. Tsy namakian-dRatrema loha intsony moa izay aferan'i Hery sy Malala fa ny sainy manontolo any amin'ny ain-janany sisa no mifantoka.
Efa ho amin'ny roa sy fahefany vao nigadona teo ambaravarana Radoko, nitsikitsiky izy nandray ny tanan-dRatrema sy nanasa azy hiditra tao amin'ny biraony.
Vao tafapetraka Ratrema dia nanomboka nanazava tamin'ity dokotera ity ny zava-mitranga, ny fiainana'i alexia hatramin'ny mbola kely, ny tsy fahalalany izay misy ny tena rainy, sy ny sisa rehetra...
Nangina kely izy roalahy aloha, vao nanomboka niteny Radoko...
- "Raha azoko tsara izany Ramose, ny vadinao no havana tena akaiky ny zanakao?...mbola misy fanantenana be dia be ihany manko raha tena nenitoany ny vadinao hijerena na compatible na tsia ilay izy...ny olana fotsiny dia izao: mety hanaiky ny hanome taova ho azy ve ny vadinao?"
Nitraka i Ratrema sady nanambatra ny felatanany anankiroa, toy ny mivavaka. Nankimpiny ny masony sady niteny izy hoe "tsy fantatro"...nony kelikely dia notohizany hoe " inona moa no handavany? tena tiany io zanany io hatramin'izay!".
Nitsangana Radoko ary nivadika tao aorianan-dRatrema indray:
- "Tsy azontsika atao ny manery azy fa miresaha aloha ianareo mivady anio hariva...ho hita eo izay lazainy fa izao no aza adinonao, na be aza ny fitiavana ao anatin'ny fon'ny olombelona, mbola eo koa ny fitiavany ny ainy manokana aloha...aza adinonina fa tena risque no raisin'izay hanome taova izay ka aza hodiana tsy hita, indrindra moa raha mbola kely anaka izy..."
Nangasiasy Ratrema nivoaka tao ary lasa namonjy moramora ny toerampiasany aloha hametrapetraka ny asany. Ny hariva izy vao manao fotoana amin'i Malala eny amin'ny hopitaly indray.
Tsy tafajanona ela tao an-tranony i Malala fa nony avy nampinono an-janany izy dia lasa nivoaka indray fa hividy thermos sy bodofotsy vaovao hateriny eny amin'i alexia hono. Te-hanary dia kely koa izy hijerijery mangazay fa ela izy tsy nandehandeha irery. Nahafaly azy ny asan'ndry Zefa mirahalahy fa afa-po tanteraka izy, na ny fahadiovana na ny zaridaina.
Nitety an'i Tsaralalana izy nampitaha vidin-javatra ary nony azony daholo ny entany dia tapa-kevitra ny hamonjy toerana hisotroana dite izy aloha fa nahatsiaro nangetaheta.
Feno mpitovo sy mpifankatia tao amin'ilay salon de thé nalehany. Sahirana ery izy nilanja ny entam-beny sy niandry toerana elaela...tsy andriny izay hipetrahany ary nony nanantona ilay tovovavy mpaka commande dia tsy tsaroany intsony ilay dite saika halainy teo.
- "Tena omeo izay glace ngeza indrindra aho!" hoy izy nisento tokana nahatsiaro ny haben'ny hanohanany sy ny hetaheta tao anatiny. Nihomehy ilay tovovavy nandray antsoratra dia lasa niodina.
Tsy ela dia tonga ilay coupe nisy ilay glace ary indro izy nanomboka nihinana moramora. Endrey ny filelafany ilay sotrokely, moa va tsy toy ireny zazakely tojo vatomamy ireny...nikimpy mihitsy izy nihinana azy teo. Soa fa toerana tsy manatrika olona no nisy azy. Tsy hitany akory anefa tery amin'ny latabatra ilany nisy lehilahy nibanjina azy hatramin'ny minitra voalohany nandinganany ny tokonan'ilay salon de thé, tena nandinika dia nandinika azy hatrany antapondohany ka hatrany ampaladiha...
Toa nanindry an'i Malala izany ireo maso roa nijery azy ireo ary niodina ny lohany hijery azy. Tsy tezitra anefa izy nijery ilay lehilahy fa maika aza novaliany tamin'ny tsiky malefaka rehefa nifanojo ny mason'izy ireo. Tafatsangana ilay lehilahy ary nanantona azy..
- "Vololona! Vololona, tena ianao ve ity? tsy niova mihitsy ianao!" hoy izy nandray tanana an'i Malala.
Gaga i Malala hoe iza koa ity Vololona lazainy...fantany tany antsainy tany fa Vololona no anaran'ilay zokiny efa maty efa taona maro izay, kanefa tsy misy olona mahafantatra io zokiny io intsony ka ninoany fa olonkafa no tian'ity lehilahy ity holazaina...
Tsy novaliany ilay lehilahy fa niarahaba fotsiny izy..
- "Afaka mipetraka eto aho ve?" hoy ilay lehilahy nierikerika...
- "Edrey tsy maninona ka! tsy aleo ve miara-mipetraka isika zokiolona sao lanin'ireto tanora maro dia maro ato ireto!" hoy i Malala nananihany...
Niverina teny amin'ny toerany ilay lehilahy naka ny kitapony sy ny palitaony ary indro niverina nipetraka teo amin'ny seza nanatrika an'i Malala indray.
- "Mahefa no anarako," hoy izy nanolo-tanana an'i Malala.
- "Malala! faly mahafantatra anao!" hoy ikala nitsiky.
- "Tena hahatsiarovako olona fantatro taloha ianao," hoy i Mahefa taminy, na tsiky, na fandeha...manana rahavavy angaha ianao sao dia mba...
- "Tsia," hoy i Malala namaly azy haingana..."efa maty ny rahavaviko!"
- "Azafady indrindra," hoy i Mahefa nitsatsaingoka...
Dia nandeha teo ny resaky ry zareo, ary tonga teo amin'ity bodofotsy be novidian'i Malala ity ny resaka...
- "Hanatitra an'ity eny amin'ny hopitaly mihitsy aho avy eo, hoy izy fa eny ny zanako, vao niditra alina fa voan'ny lozampiarakodia..."
- "Lozampiarakodia? sao dia ilay zanaky Ratrema mpanefoefo iry izany?"
- "Izaho eto anoloanao ny vadiny!" hoy i Malala namarana ny glace ny.
- "Dray, azafady Madame!" hoy izy menamenatra. "Tsy ampoiziko ho efa be taona ianao ka niteraka iny zazavavy iny sahady..."
Nitsiky fotsiny i Malala fa tsy te-hitantara betsaka amin'ity olona ity ny fiainany. Nitsangana izy hangata-dalana, nefa notazonin'i Mahefa ny ratsa-tanany saika hanao veloma azy...
- "Andraso aloha moa aho hanapitra an'ity dia hateriko ianao e! lalako ihany iny!"
Tsy nanda i Malala, fantany fa te-hiaraka aminy fotsiny izao ity Mahefa ity ko lalany ihany aho lalany ihany. Te-hanova ny sainy kely koa izy ka navelany hisosa amin'izao ny lalampiainany. Nanempotra azy i Hery, tsy azony hianteherana i Ratrema...
Naloan'i Mahefa ny vola dia lasa ry zareo namonjy ny fiarakodia nijanona teo ivelany. Tsy niala teny amin'i Malala mihitsy ny mason'i Mahefa. Toy ny mahita anjely izany izy, toy ny mamerina ny lasa tany aloha ela be tany...tena izy ary ve ity sa tsy izy, hoy izy naminany...tena mbola tanora anefa ity Malala...I Vololona tahaka ny efa lehibe, tokony ho efa dimampolo taona any raha ny fandehany...
Nisy embouteillage be anefa teo andohan'Analakely hihazo ny tonelina iny, voatery niato elaela mihitsy ny fiara rehetra...Nony ela dia nandroso ihany, kanefa nony tao anaty tonelina iny indrindra dia nikatso tanteraka ny fifamoivozana. Nakarindry zareo ny fitaratra nohon'ny setroka mila tsy hahazoana miaina tao ivelany tao. Niankina tamin'ny fiankinana tsara i Malala haka aina. Tsinjony fa tsy niala teny aminy mihitsy ny mason'i Mahefa...toa nahafinaritra azy ny zava-miseho fa toy ny olona efa nifankahazatra taminy mihitsy ity lehilahy ity. Sady mihaja no paozin'olona manampahaizana izany...
Nifampijery tao amin'ny maizina ry zareo ary indro nifanojo tampoka ny molony ary nifanoroka naharitra teo ry zareo. Toa nanaitra ny tsiahy, ny nofinofy, ny lasa, ny faniriany lalina indrindra tany anatiny tany ny molotry Malala ka fanina izy...
Efa nikiririoka impolo farafahakeliny ny klaxonn'ilay fiara tao aoriana vao taitra ry zareo ary namelona ny fiarany i Mahefa....
- "Malala a! maika ve ianao?" hoy izy
- "Manao fotoana amin'ny vadiko eny amin'ny hopitaly aho amin'ny fito!"
- "Mbola misy adiny iray sy sasany," hoy i Mahefa nitsiky kely, tsy aleo mivily ny amin'ny hoteliko aloha isika vetivety hiresadresaka? aza matahotra fa tsy haninona anao aho," hoy i Mahefa maotina. "Te-hahalala anao misimisy kokoa aho."
Efa fantatry Malala ny tian'i Mahefa atao, fantany fa lehilahy te-hiaraka aminy fotsiny ity olona ity, kanefa tsy niraika izy...aleo handeha amin'izao aloha! hoy i Malala tsy te-haka sarotra akory.
Nony teo akaikin'ny ranon' Anosy iny ry zareo dia niverina niakatra an'ilay fiakarambe teo Isoraka indray aloha ny fiara hihazo an'Antaninarenina. Nijanona ny fiara ary indreo ry zareo namindra hiditra tao amin'ilay hotely lehibe iray. Nony nigadona teo amin'ny reception, dia niteny ilay tovovavy teo:
- "Mr andriamahefa? inty ny lakile nao!"
Niakatra tany ambony tany ry zareo ary tsy ela dia tonga tao anatin'ilay efitrano lehibe, tsara tarehy sy mihaingo fatratra... Toy ireny mpifankatia ireny dia norohan'i Mahefa kely ny soroky Malala avy ao aoriana. Nakimpin'i Malala ny masony. Injao ny molotry Mahefa manoroka ny hatony, ny volony ary indro i Malala mihodina kely manolotra ny molony haka sombiny kely amin'izao oroka mafana sagy malefaka izao. Nifanatrika izy roa ary mbola nifanoroka ihany, nanomboka novohan'i Mahefa ireo bokotra kely madinika nanidy ny lobak'i Malala. Tsy namaly ity farany fa dia niandry fotsiny izay ho tohiny ihany.
Nony niala ilay lobaka dia nampidininy moramora indray ny zip nitazona ilay zipokelin'i Malala, indro nilatsaka tamin'ny tany ilay izy ary nanaraka avy any ilay slip dentelle kely fotsifotsy. Niondrika i Mahefa ary nanomboka nanoroka indray ny nonon'i Malala, nidina teo amin'ny kibony, ary raha iny handeha hanohy tany ambany iny i Mahefa dia nosarangotiny hiverina hiakatra. Tsy tezitra anefa i Mahefa fa nahazo izay tiany holazaina ka dia nanomboka namaha ny kravatiny, ny lobaka nanaovany, ny patalohany tao anatin'ny segondra vitsy. Notrotroiny i Malala dia nentiny teo ambonin'ilay fandriana lehibe. Efa samy vonona ny vatandry zareo izao ka tsy naharitra ela intsony dia indreo tafaray tanteraka, faly loatra i Mahefa, toy ny manonofy izy mikambana amin'i Malala, toa niverina tao andohany ny fahatanorany...toa tsy nanano sarotra ho azy ny niditra namakivaky ny vatan'i Malala, naka ny tsiro tsara indrindra tany anatiny tany.
Rehefa mihemotra iny izy, toa tsy andriny izay hiverenana haka misimisy kokoa, hahatsapa misimisy kokoa ny tsiron'ny fahasambarana iainany izao...i Malala koa, nanomboka nahatsapa fa hay tsy ilana fitiavana ny firaisana ara-nofo, tsy toy ny fangejan'i Hery azy amin'ny fony adala, na ny fitiavany andRatrema amin'ny mahavadiny azy, fa hafa dia hafa, firaisana tsy amin'ny fitiavana fa nohon'ny filan'ny nofo fotsiny ihany, tsy misy fatopatotra na sakatsakana, na moraly na sosialy. Nahatsiaro tena ho afaka izy, afaka amin'ireo fitiavana mangeja azy. Efa nisefosefo mafy ry zareo, toa te-mbola hanohy lavitra ny lalana noraisiny tsy ankiera na antery; kanefa tampoka teo dia lasa izay tsy azo notanana....nifamihina mafy izy roa toy ny tsy te-hamela handeha ny fahasambarana tsapany teo...
Nijanona teo ambonin'i Malala kelikely aloha i Mahefa vao nifindra teo anilany.
- "Fa maninona ato amin'ity hotely ity ianao," hoy i Malala nanapaka ny fahanginana nony nahita ireo valizy sy antontantaratasy maro eo ambony latabatra.
- "Ato aho no mipetraka mandra-pandehako indray!" hoy i Mahefa namaly azy..."tsy monina eto aho, hoy izy fa any ampita…"
- "Any ve ny vady amanjanakao?" hoy i Malala
- "Sady tsy manambady aho no tsy manan-janaka!" hoy i Mahefa...
- "Fa naninona? hoy i Malala lasa ho azy ny vavany, avy eo izy vao tonga saina ka niala tsiny…"
- "Azafady fa tsy fanontany izany!" hoy izy menatra.
- "Tsy maninona ka...efa saiky hanambady ihany aho ka"
- "Dia naninona?"
Nijery an'i Malala i Mahefa, toy ny nahazo toky taminy izany izy dia nambarany ny tantarany...
- "Efa roapolo taona mahery izay, nisy tovovavy niaraka tamiko, efa nifanaiky ny hivady izahay tamin'izany ary efa nanomana ny mariazy. Andro vitsy talohan'izay anefa dia nisy rotaka be teto Antananarivo ary voatifitra aho sy ilay namako tamin'izay. Maty teo noho eo ilay namako fa izaho mbola tafatsoaka ihany ary nafenin'izay fianakaviana izay. Notsaboindry zareo tao foana aho. Nisy hazalambo be tamin'izany fa samborina daholo izay olona anisan'ny nirotaka teo, ary amambolana mihitsy aho no nijanona tao amin'ireo olona ireo. Nalahelo ahy mafy ry zareo ka dia nataony izay hahalasa ahy tany andafy, ary nanao demande d'exil aho."
Nandritr'izay tantara izay dia nihorona ny hoditry Malala, tsy nahajery an'i Mahefa intsony izy, toa nivadika ny tany aman-danitra...
- "i Vololona ve no anaran'ilay saika ho vadinao?" hoy i Malala hendratrendratra...
-" Eny hoy i Mahefa tsy nijery azy akory...hatrizany fotoana izany aho, hatramin'izao dia tsy mitsahatry ny mitady azy foana...asa izy izay izao na lasa inona na lasa inona...izany no tena antony niverenako fa mbola tia azy aho, sady efa mpitondra hafa izao no eto antanindrazana ka afaka nody aho..."
- "Efa maty izy," hoy i Malala niteny, toy ny masinina ny vavany tsy voarefiny intsony izay lazainy..
- "Efa maty? f'angaha fantatrao izy?" hoy ihany koa i Mahefa namaly, toy ny masinina koa ny vavany. Efa niteny izany izy vao nisavika ny sandrin'i Malala:
- "Fa iza ianao? fa maty ahoana izy?"
- "Izaho no Malala, zandrin'i Vololona!" hoy i Malala nitomany, izaho ilay mbola kely tamin'izany. tsy Mahefa no nahalalako anao fa i andry! hoy ihany i Malala nifokofoko
- "Fa aiza i Vololona? marina ve fa maty izy?"
- "Marina izany," hoy i Malala sady naka toerana indray izy hitantara izay lasa rehetra...
- "Tsy hitanay intsony izay nisy anao, i Vololona anefa bevohoka be, dia nipoitra i Ratrema nanambady azy, maty teo ammpiterahana an'i Alexia anefa izy dia izaho no nikarakara anjanany, ary nanaiky ho vadian-dRatrema....mikorontana toy izany ny fitantaran'i Malala ilay tantara nefa dia azoazon'i Mahefa ihany...Nigororoana ny ranomasony nandre ny nahalasan'ilay olon-tiany...Samy nitomany teo ry zareo aloha..."
- "Zanako izany i Alexia, ilay marary ao amin'ny hopitaly io?"
- "Eny!" hoy i Malala...
- "Tena mbola mila fikarakarana be izy..." hoy ihany i Mahefa.
- "F'angaha efa hitanao izy?"
- "Izaho no nandidy azy alina!" hoy ihany Mahefa sady nitomany indray izy.
Nitsangana haingana i Malala namonjy ny efitra fidiovana, niomana faingana ry zareo dia indro nidina ny tohatra hamonjy ho any amin'ny hopitaly indray.. Samy tsy nahitan-teny ry zareo teny andalana kanefa hita samy te-hisikotra izay fiainan'ny tsirairay avy koa....
- "Malala a! tao aorianan'i Vololona, dia ianao indray no vehivavy niray tamiko!" hoy i Mahefa nibanjina ny lalany sady namindra vitesse.
Nangina i Malala sady gaga...

Pejy 26
2006/04/18,15:20
Nisara-dalana ry zareo nony tonga teny amin'ny hopitaly. I Mahefa moa namonjy ny varavaran'ny mpiasa mpitsabo, fa i Malala kosa niandry teny ivelany, toy ilay aninkeheo ihany. Tsy ela i Ratrema dia tonga ary noraisiny ireo entamben'i Malala. Nipoitra avy any koa i Hery nivimbina harombe misy sakafo mafana, sao hono efa misakafo i Alexia ka noana be eo. Niara-niditra izy telo rehefa nivoha ilay vavahady. Teny andalana dia efa nolazalazain-dRatrema andry zareo ny resak'ilay dokotera. Tsy niala teny amin'i Malala mihitsy ny mason'i Hery hamantarany izay tao ampoin'i Malala momba ity famindrana voa ity. Tsy namaly anefa i Malala fa lasa tany amin'i Mahefa ny sainy rehetra. I Mahefa, ilay lakilen'ity olana ity. Izy no ray niteraka an'i alexia ka izy no tompon'andraikitra voalohany amin'izany. Indrisy anefa fa sarotra ho azy ny hanazava an-dRatrema ny nahalalany an'i Mahefa ka naleony tsy natao fantatry ry zareo aloha ny resaka. Naketoketony fotsiny ny lohany ho mariky ny fihainoany ilay resaka dia izay, tsy niteny izy tsy nivolana. Tsapan-dRatrema fa tsy moramora ny mandray fanapahankevitra toy izany, satria eo aloha ny ainy, ary mbola eo koa izy mianadahy kely. Voatsikaritry i Hery anefa fa tsy tao amin'ilay resaka mihitsy ny lohan'i Malala fa tany ankafa. Nivonto ny fony nahita ny haratsiandohan'i Malala izay tsy mihevitra afa-tsy ny tenany ihany hatramin'izao, nefa fotoana tena ilan'i Alexia ny fanampiany mihitsy ny toa izao.
Niara-niditra tao anefitra izy telo nony tonga tao ambony rihana. Efa naharina sahady ny lohan'i Alexia ary namahana ny fehiloha namatotra azy. Notapahindry zareo fohy kely ny volony ka saiky tsy fantatra ny endriny. Ontsa i Hery ary tsy nahajery azy...nahatsiaro tena ho diso mihitsy izy. Efa afaka misakafo moa izy ka dia navoakan'i Malala ny sakafo nomanin'i Hery...
I Hery no nitolo-tena hamahana azy, kanefa nosakanan'i Alexia izy fa aleo hono i Malala no hamahana azy sady te-hiresaka amin-dReniny koa hono izy.
Nivoaka izy roalahy ary mahamahana indray i Malala sao hilaza inona aminy ity zanany. Mody tsy taitra mihitsy izy aloha sady nanohy namahana an-janany moramora. Naodin'i Alexia anefa ny lohany ary nobanjininy tsara ny reniny...
- "Mama a! niresaka tamiko teo i Pr Andriamahefa, ilay nandidy ahy omaly!"
Taitra mafy i Malala...Niresaka inona sahady??? hoy izy tany antsainy tany...
- "Nohazavainy tamiko fa mila voa vaovao hono aho fa simba ny ahy..."
- "Dia ahoana ry alex, dia ahoana hoy izy?"
- 'An an, izay fotsiny no nolazainy...lasa eritreritra aho ry Mama, ianao izany sisa no tena afaka manampy ahy..."
- "Ka.."
- "Mama a! tsy te-hanery anao aho fa sahy ve i Mama?"
- "Inona moa anaka no isalasalako raha izay no hahavonjy anao?" hoy i Malala nirotsa-dranomaso...tsy vitany ny handa an'i Alexia izay nanantena valiny mahafa-po avy aminy. Izy rahateo no efa nanaiky tamin'ny maty fa hikarakara ity zazavavy ity ka na dia nohon'ny zokiny ihany aza dia nekeny ny zava-misy. Tsy fotoana koa izao hilazana an'i Alexia ny momba ny rainy ka naleony notatazana irery ny andraikitra.
- "Misaotra ry Mama!" hoy i alexia nitsiky taminy sady namihina ny ratsan-tanany...."hatry ny nahazaza ahy ry Mama tsy mba nahatsiaro tena ho kamboty mihitsy aho tamin'ny fikarakaranareo...na inona na inona fitondran-tenanao dia tsy nanome tsiny anao mihitsy aho satria mbola kely ianao dia efa nivesatra ahy tsy fidiny…"
- "Alexia a! aza miresaka be aloha anaka fa hano ny sakafo hanovozana hery...aza adino anaka fa sitra-poko no nanaiky hitaiza anao fa tsy voatery mihitsy aho tamin'izany...ataovy aloha izay hahazoanao hery fa ialina amin'ny fandidiana anao manaraka izany."
Nitsikilo kely teo ambaravarana Ratrema ary niditra nony nahita fa tsy miresaka intsony izy mianaka. Efa nanasa ny lovia i Malala ary namoaka ny bodofotsy tao anaty fonosany. Gaga i Hery nahita ireto bodofotsy roa be izao ka nanontany...
- "Ho an'izay miandry marary aty ny iray," hoy i Malala taminy...
- "Izaho androany alina," hoy Ratrema niteny haingana, toy ny hifanenjika amin'i Hery izany..
Tsy niteny i Hery fa nipi-maso an'i Alexia fotsiny izy, toa te-hiteny hoe rehefa rahampitso ahy indray.
Nony tapitra ny ora famangina dia nivoaka ny efitra i Malala sy Hery fa i Ratrema kosa nijanona teo andoha fandiananjanany hanafosafo azy.
Nandray taxi haingana ry zareo dia nody tany antrano. Tsy nisy niresaka loatra.
Vao voapetraky Malala anefa ny poketrany dia indro izy niakatra haingana hijery an-janany. I Hery kosa nijanona tany ambany nijery fahitalavitra. I Zefa sy ny rahalahiny moa nanao fanorona teo andakozia ary nanomana ny sakafo haingana avy eo fa efa hidina i Madama.
Elaela ihany i Malala vao nidina fa mbola nampatory an'izy mianadahy izy no sady niverina nadro indray. Tsy nanao peignoir anefa izy fa niverina nampiditra pataloha indray. Avy hatrany dia ny lakozia no novonjeny ary nasainy nihisaka izy roalahy handoarany ny sakafo.
Sosotra i Hery nahita azy roalahy tao andakozia fa te-hiresaka mafy amin'i Malala izy. Gaga mihitsy izy hoe fa maninona ny mpiasa no lasa ato antrano, sady hiray latabatra. Noheveriny mihitsy fa fanahy inian'i Malala izao zavatra izao tsy hahafahany manao na inona na inona. Notapahin'i Malala anefa ny eritreriny...
- "Aza gaga ianao ry Hery fa i Ratrema no nilaza fa tsy tokony hihinana mitokatokana izany ato antrano fa dia miaraka eto daholo a!"
nihomehy i Zefa mirahalahy sady nihisaka kely ry zareo.
- "Efa nihinana mialoha izahay roalahy fa noheverinay fa haharitra ianareo ka aleo izahay handeha hatory amin'izay raha tsy maninona anareo loatra!
Gaga i Malala kanefa nitsiky ihany izy ho mariky ny fanekeny azy roalahy. Indreny ry zareo nivoaka namonjy ny efitranony any ivelany. Vao nihidy ny trano dia nipetraka i Malala. I Hery no nandoatra ny laoka.
- "O Ry Hery a! ianao ve dia tsy menatra ireny ankizy ireny fa ohatry ny manambany azy anie ianao izany  e! mba afeno ny toetra ratsy ry Hery fa mahamenatra a!"
- "Aza avily ny resaka fa ny anao aza no tsy hitanao ko! angaha tsy hitako ny tarehinao tamin'i Ratrema niera taminao raha manaiky ny hanome ny voanao ho an'i Alexia ianao? hitako ny fisalasalanao kanefa zanakao i Alexia...olona tia tena raha ianao!"
- "Mangina ianao ry Hery fa tsy misy na inona na inona hainao ny amin'izany! ary aleo aho hisakafo aloha fa raha tsy hihinana ianao fa hiantsy ady ahy dia mandeha mandeha any!"
Tezitra i Hery dia indro nirintona nitsangana. Lasa izy nankeny amin'ny salon ary nânomboka nanamboatra ny canape atoriany. Narindriny ny varavarana dia tao izy.
Nihinana niadana kosa i Malala. Ny sainy tamin'io lasa tany amin'i Mahefa indray...tena i Andry ve iny sa nanonofy aho? hoy izy lasa saina...misy azy i alexia raha mahalala fa rainy iny! tena boribory marina ny tany ka! any izay i Vololona kely, hoy izy nifia-dranomaso indray. Tsy hitany akory ny ranomasony dia lasa tao ambavany daholo, nifangaro tamin'ny hanina nohaniny. Nitanondrika nitomany teo izy ary tsy henony akory ny tanan'i Hery nitehina ny sorony teo...
- "Malala a! azafady indrindra raha nahatezitra anao ny teniko!" hoy Hery nanafosafo azy.
Nahifiny anefa ny tanan'i Hery, saika hanohy hanafosafo azy iny ihany. Tsy niala i Hery fa mbola nanohy ihany, ary nanomboka nanakatra ny molotry Malala hanoroka azy koa. Nihodina ihany i Malala, toa naharikoriko azy foana teo i Hery... i Hery izay tao anaty fahoriana lalina ka mitady hevitra hisinda kely ka ny fiarahany amin'i Malala eo akaikiny eo no vahaolonana tsotsotra hitany mora indrindra.
Nanomboka namaha ny patalohany izy ary nikisina mafy tamin'i Malala. Niezaka ny hiala izy kanefa ny sandrin"i malala mifatotra teo ambalahany dia tsy nahafahany nihetsika loatra. Nony niala ny tee-shirt nanaovan'i Malala dia indro teo antratrany nibaribary nisy diana oroka mena be teo anelanelan'ny nonony roa izay tsy hita hafenina. Niala moramora i Hery...nivandravandra ny masony, nijery ny vatany i Malala ary izay koa vao hitany ilay izy fa na izy nandro teo aza tsy nahita io akory. Lokin'ny hehy i Malala sady nihodina nandray ilay tee-shirt dia lasa niakatra. Nihodina ny lohan'i Hery...fotoana inona anio tontolo aza no niraisan'izy sy Ratrema? sa efa omaly alina? kanefa io maraina io i Malala tamin'ny nampinono tsy nisy inoninona teo raha ny fahitany azy...tamin'ny firy izany? nefa tsy niaraka ry zareo iny hariva iny fa i Malala nandeha irery...dia niaraka tamin'iza?
Niakatra ny tohatra i Malala sady tsy niherika akory nijery azy mbola miboridana teo. Nakariny ny patalohany efa teny amin'ny tany dia indro izy namindra moramora nankany amin'ny salon. Tsy mino izy fa olonkafa no niaraka tamin'i Malala. tsy fanaon'i Malala izany...sady tsy misy olona ankoatrany sy  Ratrema eo amin'ny fiainan'i Malala.... Tao anaty nofy i Hery sisa no nanaram-po nanampatra ny hetahetampaniriany. Hotsaka ny canape iny maraina iny. Tsy tsaroany intsony izay nataony... 

Tsy tafajanona tao anefitry Alexia Ratrema iny alina iny fa lasa namindra moramora nanaraka ny lalatsaran'ny hopitaly. Rehefa namindra elaela izy dia tonga teo anoloan'ny varavaran'ilay dokotera niresaka taminy iny maraina iny; nisokatsokatra kely ny varavarana ary indro tazany nisy olona roa niresaka teo amin'ny birao. Nandondona kely Ratrema ary indreo nitraka ny lohan'izy roalahy niresaka...
- "Hay ianao ihany? mandrosoa fa ny momba ny zanakao indrindra izao no resakay."
Nandroso i Ratrema sady miramirana ery fa hay mba tena miasa ireto dokotera ireto. Naka fitoerana izy dia nihaino izay nolazain'izy roalahy.
- "Efa mifankahalala daholo angamba isika telo hoy Pr Andriamahefa nandray ny resaka ka tsy mila fifampahafantarana lava intsony. Fa izao Ratrema a! eto ampikarakarana ny taratasy handefasana anjanakao any ivelany izahay izao fa tena maika be ny fandidina azy ka tsy azo iandrasana loatra. Efa nahita toerana tany amin'ny hopitaly any France aho, any amin'ny toerana hiasako ka tsy misy olana intsony fa efa vonona ny équipe rehetra handray azy.
- "Ka i Malala, ny vadiko izao mbola tsy haiko akory izay fanapahankaviny, ary tsy maintsy mbola hifandamina izahay roa ny amin'izay fomba hitazomana ny zazakely..."

- "Fantatro ny adin-tsaina mahazo anao kanefa tsy maintsy haingana isika mandray ity fanapahankevitra ity. Mbola afaka miandry rahampitso isika fa tsy misy mahamaika..."
- "Eny ary fa handeha maraina aho rahampitso hanomana ny passeport sy ny taratasy rehetra..."
- "Raha tsy mampaninona anao dia azoko iantohana ny fandraisana anareo mianakavy," hoy ihany Pr Andriamahefa.
- "Misaotra indrindra," hoy Ratrema nandray tanana azy roalahy.
Nivoaka i Ratrema ary lasa niverina moramora teo andohafandrianan'i Alexia...nosafosafoiny moramora ny takolan-janany ary indro izy nitanondrika lasa saina mafy ny amin'izay hataony rahampitso. Tsy reny akory tao aorianany tao Pr Andriamahefa nijoro nijery azy ary nitehina ny lamosiny.
Naka toerana teo ampototry ny latabatra kely izy roalahy ary nanomboka niresaka...
Nolazain'i Mahefa an-dRatrema teo ny fifanenan'izy sy Malala, ny fomba nifankahalalany, ny tantara efa roapolo taona lasa...tsy nolazainy anefa izay niseho teny amin'ny hotely... Nanaiki-molotra mafy i Ratrema nihaino izay nolazain'ity profesora ity. Tsy afaka ny handa izy amin'ny tsy fahamarinan'ny tantara fa dia nino tanteraka .Nilatsaka ny ranomasony nahatsiaro an'i Vololona.
- "Tovovavy nahantra..." hoy izy nisento mafy.
Niondrika i Mahefa...tena nijaly izany ny olontiany nandritry ny andro niafarany, hoy izy tany antsainy tany...nilatsaka koa ny ranomasony...
- "Fa fony ianareo niaraka," hoy ihany Ratrema,"tovovavy toa inona i Vololona?"
Nisento indray i Mahefa dia nanomboka nitantara..."tovovavy tsara tarehy izy, Tsara toetra,...maotina nefa sariaka, malemy fanahy nefa mahaleo tena, ary tsotra sady matotra. Tsy mba nahitako kilema izany izy hatrizay...."
-"Nanahaka azy izany ity zanany ity..." hoy Ratrema nitopy tany amin'i Alexia...
Niara-nijery tany amin'i Alexia izy roalahy kanjo indro ilay zazavavy nihinjitsinjitra tsy nisy toy izany. Nampanenoin-dRatrema haingana ny lakolosy fanairana ary indro tonga daholo ny mpitsabo mpanampy sy ny dokotera.
- "Tsy afaka miandry intsony ity!" hoy i Mahefa nijery an-dRadoko. Izao dia izao ny évacuation!
Nijery famataranandro Radoko, - "Efa tena tara loatra raha izao no hamonjy ny fiaramanidina handeha anio alina. Efa amin'ny iray izao... inona no hevitra?"
Lasa nivoaka Ratrema, eto no ilako ny fahalalako olona hoy izy, fa tsy maintsy mahita hevitra aho.
Nony vita ny antsony dia niverina haingana namonjy an'i Mahefa izy...
- "Hiainga izao hariva izao ny filohampirenena" hoy izy , hamonjy fivoriana any Eoropa ka afaka hitondra azy...
Nitehaka izy rehetra...asa na i Alexia no tena tsara vintana, na lava dia lava izao tanan-dRatrema izao, fa vetivety dia vonona ny marary, nisy zazakely roa koa nomanina hiaraka amin'i Alexia fa mila fandidina maika be toa azy koa.
Niraondraona avy any ny hélicoptère ary nipetraka teo antokotanin'ny hopitaly. Napetraka ireo marary sy ny mpitsabo vitsivitsy. Niditra tao i Mahefa ary nanolotra taratasy ho an'i Ratrema... Efa feno ny hélico ka tsy afaka nanaraka izy tsinona...
- "Any Paris isika mihaona! hoy i Mahefa namihina an-dRatrema...
Tsy namaly i Ratrema fa ny ranomasony no nikoriana tamin'ny tavany...
Niverina namonjy ny fandrian'i Alexia izy ka namalona ny bodofotsy sy nangorona ny entany rehetra tao. Efa hadiva haraina ny andro, indro izy sy ilay dokotera nivoaka ny hopitaly, handeha hody. Naterin'ilay dokotera hatrany antrano izy iny maraina iny.
Niditra moramora izy satria fantany fa matory ao i Hery... nojereny anefa ilay canape ka tsy nisy olona teo. nitempo mafy ny fony ary nodinganiny daholo ny tohatra mandrapahatongany tany ambony rihana. Novohany ny varavaran'efiny ary indro i Malala mihohoka matory tsy mandre izay ambonin'ny tany, eo akaikiny eo i Cynthia mitsivalampandry.
Nisento izy ary raha iny handeha hanidy varavarana iny izy dia nihiratra ny mason'i Malala... niarina izy ary nikoso-maso..
- "Fa amin'ny firy izao?" hoy izy gaga nahita ity vadiny toa nody sahady...
- "Malala a! efa nalefa any andafy i Alexia fa nihombo ny aretiny..."
- "An?" hoy i Malala nitsangana, notarihin'i Ratrema ny sandriny ary nidina tany ambany ry zareo hiresaka. Nanao café Ratrema sady nitantara ny fandehany rehetra..
- "Fa naninona no tsy notantarainao ahy ny fihaonanareo sy Pr?"
- "Tsy hitako izay hampidirana anao ilay resaka," hoy i Malala nanala ny tasy tamin'ny tarehiny....izaho koa aza ohatry ny mbola tsy nino loatra hoe izy marina ve iny...
- "Tena mahavariana ny fisehoan-javatra!" hoy Ratrema...
- "Ka inona no atao?"
- "Hivoaka maraina aho hanomana ny passeport nareo telo mianaka. Mbola tokony handalo any amin'ny hotely misy an'i Pr koa aho fa mbola any daholo ny entany. Ny hariva aho vao handalo ao amin'ny consulat hanao ny demande de visa..."
- "Ary efa voapetrapetrakareo daholo ange izany ny fandehany e!" hoy i Malala nangaroharo ny café ny...dia aiza isika no mipetraka? fa voatery handeha daholo angaha isika?"
- "Malala a! ataoko ahoana no hitaiza an'izy dahy aty, nefa ianao any hiady mafy koa? aleo miaraka re dia milamina kokoa ny saiko e!"
- "Marina izany," hoy i Malala nierikerika...ary toa mirehitra ny jiro ao amin'ny salon? fa misy olona matory ange ao Ratrema e!
- "Tsy misy olona ao fa milamina ny canapé..."
- "Lasa nandeha indray izany ilay borikilahy iny!" hoy i Malala sosotra...
- "Aleo izy ho any fa tsy manampotoana hitadiavana azy intsony isika. Raha misy vol manaraka afak'ampitso dia lasa isika..."
Vetivety ny andro dia tapitra. Be ny raharaha niandry azy roa ka tsy nisy fotoana very mihitsy...
Ny afaka ampitso dia teny Ivato izy efa-mianaka. Navelan-dRatrema niditra mialoha izy telo mianaka fa izy mbola niandry teny ivelany.
Tampoka teo injao nisy olona namely totohondry azy avy tao aorianany...i Hery io...
- "Fa hoentin'ialahy aiza ny zanako?" hoy izy mbola saika hamely ihany kanefa voatanan'ny polisy teo. Efa mamomamo izy amin'io..."zanako ireny nefa entin'ialahy aiza?"
Tsy namaly i Ratrema fa niditra tany anatiny tany ihany izy...fiainana vaovao izao, hoy izy niherika kely nijery an'i Hery. Veloma ry poizina nandoto ny fiainako! namotika anjanako! veloma tanteraka!
Niainga ny fiaramanidina hitondra azy efa-mianaka. Nifamihina izy mivady..finaritra ery i Toky kely tao anatiny. Natory i Cynthia. Toa niaina tamimpahasambarana indray ry zareo...ady vaovao indray izao no atrehina...

Teny ambony fiaramanidina dia nandalo teo amin’ny toerana nisy an’i Alexia ny Filoham-pirenena, nanontany an’i Profesora Mahefa izy hoe : ity ve ilay zanak’i Ratrema nangatahiny mafy ny ho entina fa miady aman’aina?
- "Eny tompoko!
- "Pr Andriamahefa, manaja anao tompoko!"
- "efa fantatro tsara mihitsy ianao ka! inoako fa efa milamina tsara ny momba anao rehetra mikasika ny tamin’ireny raharaha 1985 ireny ! Manao ahoana anefa ity zaza ity izay, fa inona ny nanjo azy?"
Gaga i Mahefa fa tena olona tanana ankavanan’ny Filoham-pirenena izany ilay Ratrema, ary raha tsy olona lava tanana tsy takatry ny olon-tsotra tsy mahavita izao nataony izao! Antso an-telefaona fotsiny dia vita ny resaka! Ary izao vao nisy olona tao anatin’ny 10 taona nanontany azy ny momba ny raharaha 1985,ary sadaikatra izy fa tonga dia ny Filoham-pirenena mihitsy no nanontany azy.
- "niharan'ny lozam-pifamoivozana izy ity Andriamatoa Filoha ary tsy maintsy manao girefy ny voany izahay izao raha vao tonga any Paris."
- "Mampalahelo ahy ilay rainy," hoy indray ny Filoha sady lasa izy niverina naka ny toerana.

Rainy… rainy… fa iza moa no rainy, tsy izaho ve! tena rainy, io ny zaza navelako ho an’i Vololona, io no hany navelan’i Vololona ho ahy.
Teny amin’ny habakabaka dia tsy niala teny amin’i Alexia ny mason’i Mahefa, ahatsiarovany an’i Vololona ny endriny, niverina tao an-tsainy ny 20 taona lasa.
-Ity zaza ity izany no hany sisa navelan’i Vololona ho ahy. Hitako ihany ny fanantenana tsy namborako tamin’iza na iza. Naleoko nifofotra tamin’ny fianarana mba hanadinoako ny disadisa rehetra nitranga tamin’ireny fotoana ireny, nanantena mafy ny hahita an’i Vololona aho raha niverina tany Dago kanjo, tantara hafa tokoa no reko sy hitako tany….
Hay izany izaho narary mafy nafenin’ny fianakaviako ireny dia tsapan’i Vololona fa bevohoka izy ka tsy nanana isarangotana, dia Ratrema no nampakatra azy.
Fiainana izany, fiainana tena mampiseho ny maha-boribory ity tany ity.

Vao nigadona ny seranana ny fiaramanidin’ny Repoblikan’i Madagasikara dia efa vonona avokoa ny porizenitra rehetra handray amin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena izay nidina voalohany, noventesina ny hiram-pirenana. Tsy maintsy mbola miandry aloha ny olon-kafa rehetra, ary anisan’izany i Alexia sy ny Profesora Andriamahefa sy ireo zazakely roa mbola hatao fandidiana.
Vao afaka nifandray amin’ny finday tamin’ny hopitaly handray an’i Alexia i Mahefa dia nanafatra haingana ny helikoptera hanao ny famoahana vonjimaika fa tena ady aman’aina ity hoy izy.

Rehefa tafiditra tany anaty seranam-piaramanidina tany ny Filoha dia injay fa nipetraka ny helikoptera hitondra ny marary. Indreny ny mpitsabo mpanampy haka an’i Alexia mitondra ny fandriana misy kodiarana manatona ny fiaramanidina. Tsy ela dia nanainga ny rehetra hiazo ny hopitaly lehibe hitsaboana ity marary. Nisy fiara mpitondra marary koa tonga naka ireo ankizy roa fa tsy niaraka tamin’ilay fiaramanidina hitondra an’i Alexia akory, satria ho entina any amin’ny hopitaly hafa.

Natao ny fitiliana rehetra, scanner, fibroscopie, radiologie. I Mahefa moa amin’io efa mahafantatra tsara ny fitsaboana tokony hatao ary fantany ihany koa fa tsy maintsy hiafara amin’ny fandidiana ny raharaha. Tsy maintsy hisy ny fanoloana taova fa fakàna toky tsara no natao alohan’ny hirosoana amin’izany.
Nivoaka ny sokajin-dra hahamety ny girefy, ny raharaha tsy maintsy atao haingana, ady aman’aina, atahorana koa ny hiharatsy ny fahasalaman’i Alexia noho ny tsy fahatantesany ny dia ny famantaran’ora no isaina hanavotra ity marary.
Novakian’i Mahefa ny valin’ny fitiliana,
-sokajy mitovy amin’ny ahy ity, hoy izy anankampo,
Niredareda tao amin’i Mahefa ilay fitiavan-janaka. Nitempotempo mafy ny fony, tsy maintsy atolotro ity zanako ity ny taovako hamonjeko azy. Nirehitra mafy tao am-pony ny fitiavana an’i Vololona toa misoritra endrika amin’ny tavan’i Alexia.

Inona kosa no niseho tao aorinan'ny nitazonan'ny mpitandro ny filaminana an'i Hery saika mbola hamely totohondry an'i Ratrema tao amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato:

Nobedain’ireto zandary roalahy i Hery sady nobatainy tsy hihetsika intsony. Ny anao lahy efa mamomamo rahateo koa moa ka na dia niezaka nanilika ny tanana mibeda azy aza izy tsy nahaovoka. Nentin’ireo manam-pahefana nivoaka izy sady natsipiny tany ivelany. Horakoraka no re eran’ny efitra lehibe teo amin’ny seranana, tao ny nihomehy fa nahita zavatra tsy fahita raha tsy amin’ny sarimihetsika, tsy ilaozan’izay mahalala an-dRatrema ny iray amin’ireny.
Malala kosa tamin'io tsy nahateny fa niala lavitra ny seho nitranga sady niezaka tsy hampiseho amin’ity zanany ny zava-mitranga. Iny izy tsy tazana intsony rehefa avy nameno ny taratasy kely ahafahany miditra ny seranam-piaramanidina.

Nitsikasina teo ambony tara i Hery raha natsipin’ireo polisy roalahy teo amin’ny varavaram-be. Niharina moramora izy, tsy nahajery olona fa ny lohany miondrika amin’ny tany ihany sady niezaka namonjy toerana takotakona izy ahafahany mipetraka handinika ny zavatra hataony.
Teo ambony sisin-dalana izy no nahita hitombenana, toerana somary takotakonan’ny hazohazo mifefy, naka saina sady nitsapa ny paosiny kanjo mbola tao ilay tavoahangy nisy ilay ranomahery nosotroiny nahamamomamo azy teo.
Tsy nananany antra ilay tavoahangy fa tonga dia nigoka mandra-pahatapitry ny tao anatiny izy. Vita izay dia napetrany iny sady nanondrika indray ny lohany, fa very hevitra tanteraka!!!
Ny feon’ny fiaramanidina miraondraona hanaka-danitra no nanako mafy tao an-tsofiny, lasa ny olon-tiany rehetra, Alexia, Malala, Toky, Cynthia, tsy fantany intsony izay hosarangotina, nanampin-tsofina ny anao lahy hampihena ny tabataba ao anatiny.
Injay fa nanomboka reny ny herin’ny toaka miakatra any anatiny any, mandoro sy atiny manontolo! Mila tsy ho tantiny intsony! Mandondona aminy ny ngidin’ny fiainana, nefa toa entin’ity toaka indray ihany koa izy hananika fahasambarana sadasada.

Tampoka teo anefa, indro misy vehivavy iray nanolona azy, nanarina ny lohany sady nampitraka azy. Nanjavozavo ny fijerin’i Hery azy, toa fanina mila hikarapoka amin’ny tany izy. Novonjen'ilay vehivavy hotohanana haingana izy mba tsy hianjera.

- "Fa iza ianao?

Pejy 27
2006/04/19,12:09

Mihitsan-dravina ireo hazo manodidina ny faritr'i Paris. Efa manomboka mitsoka ny rivotry ny hatsika mamirifiry ny faritr'i Eropa iny. Manakaiky ny faramparan'ny taona, efa miravaka ny endriky Krismasy ny magazy lehibe. Nigadona tany amin'ny seranan'i Roissy ny fiaramanidina nitondra an-dRatrema mianakavy. Tsy mandrimandry saina, tsy tony fo fa maika ny hahita an-janany. Ny fiandrasana ny entana nivoaka no ela dia ireny izy ireo nidodododo nandray fiarakaretsaka ary namonjy ny hotely efa vonona handray azy mianakavy.  Nifampiantso tamin'i Pr Mahefa teny an-dalana, nanontany ny vaovao sy ny fahasalaman'i Alexia. Nilaza i Mahefa fa mananosarotra ny raharaha satria mbola tena ratsy ny fahasalamany. Fitazoman'aina no natao hatrizay, soa fa ampy fitaovana sy fikarakarana ry zareo, fa na dia izany aza, tsy maintsy atao arak'izay maika ny fitadiavana taova hatao grefy sy ny fandidiana. I Malala rahateo moa efa nanaiky ny hanome ny voa hatolony ity zanany.
Manahirana ny saina ny manjo azy ireo, ireto zazakely roa atao ahoana, ny andro mamirifiry tsy misy ohatr'izany, miova tampoka ny toetr'andro, ary izay aza vao mba nivoaka ny nosy ireto zazakely roa ireto, nefa ity reniny hatao fandidiana.
Tsy maintsy nitady mpitaiza maika Ratrema noho izany ary tsy nampaninona azy izay sarany fa avotr'aina ho an'ity zanany tsy foiny no mibahana any an-tsainy.
Inona tokoa moa, misy mamy mihoatra noho ny zanaka ve?
Zanaka, io no menaky ny aina, io no sombin'ny aina. Ny asa, ny vola rehetra tadiavina sy izay nohariana hatramin'izay dia natao ho an'ny zanaka avokoa.
"Ny zavatra vitan'ny tanako, dia atolotro ho an'ny zanako", hoy Razilinah izay. Ary rehefa misy ny manjo io zanaka io dia tahaka izao mahazo an-dRatrema izao no mifamahofaho ao an-tsaina.
Fitotototana etsy sy eroa ny an-dRatrema, soa fa efa zatra ny tanànan'i Paris izy satria efa nandranto fianarana tany. Raha vao afaka nifankahita izy sy Mahefa dia niresaka momba ny fandidiana sy ny mikasika an'i Malala. Nazavainy teo ny zavatra tokony hatao. Niantso an'i Malala izy ho any amin'ny hopitaly nony avy eo.
Natao azy ny fitsapàna rehetra ny amin'i Malala, teo vao hankina ny rehetra fa tsy mifanaraka mihitsy amin'ny sokajin-drà ananan'i Malala ny an'i Alexia. Very hevitra ny rehetra, ny tahirin-taova rahateo tsy misy, ary raha mbola hitady dia inoana fa mbola tsy maintsy miandry afaka fotoana mety ho elaela, mety ho haingana anefa, fa ny finoana sy fanantenana no atao be.
Efa fantatr'i Mahefa tsara anefa fa mitovy amin'i Alexia ny sokajiny. tsy sahy niteny izy satria, efa niomana ny handidy an'i Alexia, ary sarotra aminy indrindra eo anivon'ny mpiara-miasa ny hanome maimaim-poana izany (satria ireto dia tsy mahalala mihitsy izay tantara nitranga tany Madagasikara).
Nitomany Ratrema, nangataka ny hanaovana fitiliana farany raha toa ka mba mety aminy ny hanome voa an-janany. Saingy tsy mety mihitsy fa mifanipaka tanteraka ny valim-pitiliana natao. Very hevitra Ratrema, latsaka ny ranomasony, nitomany i Malala. Inona no hatao? Nifampionona teo izy mivady!
- "Manàna finoana ianareo mivady fa tsy maintsy ahitantsika hevitra ny zanatsika!" hoy i Mahefa nanarina azy ireo teo amin'ny toloko. Nantsoiny hanaraka azy Ratrema sady noresahiny hoe:
- "Tsy afaka hilaza zavatra betsaka aminao aho ry Ingahy Ratrema, fa tsy maintsy ataoko ny hahita voa ho an-janakao! Ary hanao izay fara-heriko rehetra aho ary araho amin'ny finoana fa raha sitrak'Andriamanitra ny hahavelona ny zanatsika dia homeny foana izany." Gaga Ratrema. Sady faly izy noho ny fampanantenana nataon'i Mahefa, nisoritra indray teny amin'ny masony ny ranomaso.
- "Na vola ohatrinona na ohatrinona no angatahinao Profesora mba hahatanterahan'izany, raha mbola azoko atao dia atolotro avokoa hahitàna izay voa mety ho an-janako. Zanako tiako indrindra izy io. Ary ahatsiarovako ny tena reniny mandra-pahafatiko."
- "Aza manahy foana ianao ry ingahy Ratrema," hoy i Mahefa sady toa manganohano ny masony. Tsy nahatàna intsony izy fa niala teo ary namonjy ny biraony, nandatsa-dranomaso ary nahatsiaro ireo fotoana mamy sy mangidy niarahany tamin'i Vololona. Teo vao tsapany ny fahoriana nanjo ity malalany roapolo taona lasa tamin'izy narary sy nafenin'ny fianakaviany.
Nitsangana izy nony avy eo dia namonjy ny biraon'ilay Profesora namany mpiara-mandidy taminy. Fotoana ela no nifampiresahan'izy ireo tao, ary taorian'izay dia tsy nahitàna taratra an'i Mahefa intsony tao amin'ny hopitaly.
Koa satria i Malala moa tsy hiatrika fandidiana indray dia nalefa niverina tany amin'ny hotely hikarakara sy hitaiza ireto zanany. I Ratrema kosa nijanona tao amin'ny hopitaly niandry an-janany tsy mahatsiaro tena intsony fa fitaovana marobe no hany sisa mitazona ny ainy.
Profesora vazaha roa no nifandimby nandalo tao amin'ny efitry ny marary. Nanontany foana i Ratrema ny amin'izay nisy ny Pr Andriamahefa nefa tsy nisy mety namaly ireo mpiasan'ny hopitaly noho ny raharaha maika tsy maintsy nataony
...
Fa nanao ahoana ary i Hery taty Antananarivo e!
- "ssssshhhuut..." hoy ilay vehivavy! aza mitabataba fa manjary mahamenatr'olona! Nojeren'i Hery tsara izy kanefa manjavona taminy ny endrik'ilay vehivavy. Tsy fantany intsony fa ny herin'ny alikaola no nandavo azy. Tsy naharin-tena intsony izy fa nitolefika. Niezaka nanarina azy ihany ilay vehivavy fa tsy nahavita. Nitsangana izy, nijery ny manodidina raha toa ka misy afaka hanampy azy. Indro nisy lehilahy iray nanatona sady nanontany.
- "Azafady madama fa olona fantatrao angaha izy io?"
- "Ann! eny e! fa azonao ampiana kely ve anefa aho hanarina azy!"
- "Madama an! izaho ange no mpamilin'ny fiarakaretsaka nitondra azy ity nankaty e! dia nametraka vola kely izy fa mbola hiverina hono, efa teny an-dalana aza izahay mianaka no nifamaly fa niboboka toaka tsikelikely tao aoriana tao izy fa norarako, kanjo izao izy mamo tampina izao."
- "Hay, mbola ao izany ny fiaranao, ento aty dia aleo izy haterina mody, fa onerako avokoa ny volanao rehetra fa aza matahotra ianao."
Lasa ilay mpamily naka ny fiarany, mahafinaritra kosa ny olona tahaka izany, hoy ilay vehivavy anakam-po. tsy afaka hamela ity Hery ity irery aty aho fa raisiko adidy na ny manatitra azy any an-tranony fotsiny aza.
Iny fa natonin'ilay fiarakaretsaka izy ireo, nanampy nibata azy ilay mpamily, soa fa tsy dia nisy olona koa fa nahay niafina tany amin'ny takotakona ity tovolahy. Tafiditra dia nanainga ry zareo.
Teny an-dalana dia tsy naharitra ilay mpamily ka nanontany:
- "Madama an! Fa dia loza tahaka ny inona fa hitako ange izy io nobatain'ny polisy teo e! Tsy hitako izay natao fa dia nanaraka azy teny lavidavitra teny no nataoko. Mbola nananako vola koa moa izy fa tsy ny saran'ny fitaterana rehetra akory no nomeny ahy fa ny ampahany tsy mahafeno azy, ary izy aza niteny tamiko hiandry azy fa hitondra vehivavy sy zazakely izany hono izy rehefa miverina. Mampalahelo, ary raha ny fahitako azy izao dia tsy olona mpisotro mihitsy nedala fa tratry ny adin-tsaina dia mihevitra fa any amin'ny toaka no hahitany vahaolana. Mahagaga mihitsy ny fiainan'ny tanora ankehitriny ry Madama," hoy ihany izy, " raha tsy mivarilavo amin'ny fijangajangàna dia mivarilavo amin'ny toaka sy ny zava-mahadomelina. Dia izao no iafarany, fanalam-bara-batana tsy misy toy izany."
- "Eny e! fantatro tsara ny tianao hotenenina" hoy ilay vehivavy, "fa olona fantatro izy ary fantatro koa ny olana mitranga aminy."
Vao vita izay teny izay dia taitra tampoka i Hery ary tonga dia nandoha eran'ny fiara. Fofona izany, mila tsy ho tanty, ny andro alina, tsy hita izay atao, hany sisa nokinasa dia ny hamonjy haingana ny tranon'i Hery ary hanadiovana ity fiarakaretsaka voaloto.
Tonga teo am-bavahady dia nosavain'ilay vehivavy ny paosin'i Hery ary hitany tao ny fanalahidy, novoahainy ilay varavaram-be dia nampidirina ilay fiarakaretsaka. Novoahaina ny trano ary nobataina tao ilay tovolahy efa mila tsy mahatsiaro tena intsony fa lavon'ny toaka.
- "Dia ataoko ahoana madama ity fiarako feno loto ity?"
Namonjy ny varavarana ilay vehivavy dia nahita ilay fampirehetana jiro, notsindriany ary indro fa nazava ny teny an-tokontany ary nahita fanasan-damba izy ary natorony ilay mpamily.
- "Miala tsiny indrindra re Ramose fa tena mahate-ho tia tokoa ianao! Raha tahaka anao daholo ny mpitondra fiarakaretsaka dia mahafinaritra ny lazan'ity Antananarivo ity."
- "Izao madama an! tsy maintsy tondrahanao rano ny lohany hampangatsiatsika azy fa raha tsy izany mety harary tampoka eo io ka ho loza."
Iny ilay rangahy naka siny ary nanomboka nanasa ny fiarany tao anatiny.
Ilay vehivavy kosa nanomboka nikarakara an'i Hery izay manomboka miteniteny foana: "malala, alexia, nahoana aho no nilaozanareo e!"
Nanomboka naharin-tena i Hery fa mbola marefo dia marefo, iny izy ireo niakatra moramora tany amin'ny efitra fandroana, nesorin'ity vehivavy ny akanjon'i Hery rehetra. teo dia hitany indray ity vatana nofosana nefa lavon'ny toaka ka tsy manan-kery intsony. Tsy nisalasala izy nampandro azy tsimoramora ary rehefa vita izany dia nentiny indray nankao amin'ny efitra fandriana ary nampatoriany tsara. Nidina izy avy eo nijery ilay mpamily.
- "Misaotra indrindra Ramose fa inty ny saran'ny asanao androany alina. Tena miala tsiny noho ny fanelingelenana fa raha olon-kafa dia tsy nahavita ny nataonao teo."
- "E! madama an, efa teo amin'izany aho ange no niala e! efa tahaka azy izao no nataoko taloha dia mba anjarako indray no manao izay nataon'ny nanavotra ahy. Fa inony moa ianao azafady tompoko?"
- "An an an! olona tena fantatro tsara fotsiny izy fa aza manahy ianao!"
Nifanao veloma izy ireo ary lasa ilay mpamily nitondra ny fiarany.
Nohidiana ny vavahady dia niverina tao an-trano ilay vehivavy namonjy an'i Hery. Nivezivezy tao an-dakozia izy nikarakara izay azony natao. I Hery kosa renoky ny torimaso nony farany.
Rehefa tsapan'ity vehivavy ity fa tsy tanty intsony ny torimasony dia iny izy naka fitafiana azony nanaovana tao anaty larimoara ary nisolo ny teny an-kodiny. Namonjy ny fandriana nisy an'i Hery dia nisalobona tao anaty lamba.
Nosafosafoiny ny tratran'ity soavaly voafantina mandra-pahitàny tory, ary nihafy izay fofon-toaka nivoaka tamin'ny vavan'i Hery teo izy.
Vao maraina mangiran-dratsy dia taitra mialoha ilay vehivavy;
Nojereny ny endrik'i Hery, mbola renoka tanteraka ary anatin'ny torimason-toaka. Asa izay hataon'io rehefa mifoha eo! Niarina izy dia nidina tany ambany, nikarakara ravim-boafotsy hitany tao anaty vata sarihana iray. Nampangotrahany ny rano ary nataony tao anaty siny plasitika dia nentiny niakatra. Niomana ny handro irery tao izy. Nokarokarohiny izay mety ahitany savony sy ny servieta hifafàny. Gaga izy anefa raha nanokatra vata iray raha nahita ilay kilaoty mitaditady mainty ahatsiarovany tantara efa nandalovany teo amin'io toerana io. Noraisiny moramora tamin'ny ratsan-tanany dia nojereny tsara. Nitsiky izy sady lokilokin'ny hehy. Fantany tsara fa azy iny; ary tena fanadinoana satria mando ilay izy tamin'izay hariva izay, hany ka nananosarotra taminy ny hametaka azy nefa ny poketrany nisy fitaovana elektronika lafo vidy tsy tia hamandoana ka hanimba azy. Dia adinony tao amin'io efitra fandroana io ity kilaoty ity.
Loza izany! hoy izy tany an-tsainy tany. Dia nataon'i Hery tsara pirina tokoa.
Nojereny tsara indray, hitany fa madio dia napetrany teo ambony latabatra kely akaikin'ny bakoly.
Lasa aloha izy nivoaka nijery raha sendra taitra i Hery, kanjo mbola matory.
Dia iny izy niverina handro amin'izay.
Nararany tsimoramora tamin'ny vatany ny rano mafana sady nahatsiaro ilay fotoana niarahan'izy sy Hery tao amin'io trano fandroana io izy. Nanala ny sorisory sy ny fahavizanana teny aminy tamin'ity alina mangina nahitan-javatra mifamahofaho.
- " Hery, fantatrao ve fa miredareda ato anatiko ny fitiavana anao?
Avia izany malalako horohako fa mbola tsy tafatsangana eto am-pandriana aho!
Avia! Avia!" hoy i Alexia tamin'i Hery! Ny masony mitalaho mafy ny hankanesan'i Hery eny aminy. I Hery anefa mahita izany rehetra izany, te-hitsangana nefa tsy naharin-tena mihitsy, tahaka ny misy lanja mavesatra any anatiny any mampitorombona azy ary tsy mamela azy hitsangana akory.
- "Alexia! feno fitiavana anao aho, te ho eny aminao," hoy i Hery, natolony ny tanany saingy vetivety dia vizana ny sandriny toa tsy afaka handray tanana ity malalany akory.
- "Hery! Hery! Heerryyyy! avia fa tady ho entin'ity fandriana ity handeha aho."
Nisokatra ny rindrina, ary nanomboka nikisaka ilay fandriana nisy an'i Alexia, niezaka nitsangana i Hery fa tsy afaka, tahaka ny gadra voafatotra tsy mahefa na inona na inona.
- "Alexia, Alexia, Alexiiaaaa!" poa tahak'izay dia efa lasa lavitra ilay fandriana! Loza ity, nikiakiaka mafy i Hery, nanainga ny heriny rehetra hampitsangana azy.
Toa nivaha tampoka ny fatorany ary afaka ilay lanja mavesatra any anatiny any; Vao tafarina izy dia nijery kanjo tsy hitany intsony ny malalany.
Taitra tampoka tamin'ny torimasony i Hery, nojereny ny manodidina azy, toa ato an-trano, tao amin'ny efitra fatoriany. Nofy ratsy, nisefosefo mafy izy, nisy tahotra nandrakotra ny fiainany. Nanao ahoana izay Alexia, aza hitako ka hafatra napetrany farany iny. Latsaka ny ranomasony. Rindrina no hitany amin'izao ary teo izy vao namerina ny nataony omaly alina. Ny hany tsaroany dia izy teny Ivato saika hifanandrina tamin-dRatrema, tsaroany koa ilay nibatàn'ny polisy azy, fa ny taorian'izay, tsy azony an-tsaina intsony.
Misy fofona afahafa eran'ny trano, toa fofon-toaka ratsy sy tsy tiany akory. Ny vavoniny toa mivaivay tahaka ny misy afo mandoro ka ny setroka mila hiakatra any an-tendany.
Nitsangana izy, kanjo tsy nisy na inona na inona teny an-kodiny. Nosintominy ny lambam-pandriana dia nahodiny tamin'ny valahany dia namonjy varavaran-kely izy hosokafana.
Tamin'izay no nisokatra ny varavaram-be, indro i Tahiana mitondra dité mafana mbola ivoahan’ entona. Nojereny tsara i Hery:
- "Hay efa nifoha ianao?"
- "Tahiana ! Tsy azoko," hoy izy, "fa maninona aty ianao?"
Gaga i Hery fa ny akanjo fanaovany rehefa mandro no teny an-koditr’ity vehivavy. Ny volony mbola mandon'ny rano ka miloko mainty aok'izany.
- "Tantara lava ny amin'izany fa mipetraha aloha ianao!"
Nopolipolesiny dia novakiany ilay fanafody an-tanany ary nasainy nohanin'i Hery.
- "Tsy maintsy mihinana ity ianao mba tsy hamparary vavony anao."
Saika tsy handray i Hery kanefa, fantany fa farmasiana ity vehivavy manoloana azy dia notsentsafiny ihany ary tsy ela akory taorian'izay dia nahatsiaro metimety kokoa izy fa somary niala ilay fanaintainan’ny vavony nanaikitra azy teo. Nokarakarain'i Tahiana ilay dite, ary afaka fotoana vitsy rehefa antonontoniny ny hafanana dia nomeny hosotroin'i hery amin'izay.
- "Fa ahoana no nahatongavako tato an-trano?," hoy indray i Hery naka toky.
- "Ssshh! sotroy aloha ny dité fa rehefa avy eo."
Teo am-pisotroana ny ranon-dravim-boafotsy i Hery dia notantarain'i Tahiana ny nanjo teny Ivato. Nolazainy fa nanatitra namany iray teny Ivato izy ho any Paris ary teny no nahitàny an'i Malala. Teo vao fantany fa hay marary mafy i Alexia ary natao famoahana vonjy maika tany an-dafy, dia iny ianao nobedain'ny polisy iny.
- "Ianareo koa ange ry Hery tahaka ny zazakely, fa mitondra soa inona aminao izao ny nibobohanao toaka teo. jereo izao ianao! soa fa teo ihany aho nahita ny zava-nitranga fa raha tsy izany dia tena efa nifanaritahan'ny jiolahy tany ianao, na koa nohidin'ny polisy tany amin'ny biraony tany! ilay mpitondra taxi no nanampy ahy nanatitra anao taty. Dia inona izao no hataonao?"
Tsy nahateny i Hery fa ny dité no notsofitsofiny teo alohan'ny nisotroiny azy. Tsapany ny fahadisoana nataony. Te hisaotra mafy an'i Tahiana izy nefa menatra. Menatra ny amin'ity fahafaham-baraka tsy roa aman-tany. Naleony nangina fa tsy niteny.
Tampoka, nipetraka teo ambony fandriana i Tahiana, nampifanaingeniny ny tongony dia niseho tampoka ny foto-peny satria ilay akanjo mivaky eo afovoany, saingy nosarihiny hanakona azy ilay lamba. Nahodin'i Hery ny masony sady niondrika izy.
- "Aleo aho aloha hisolo akanjo atsy amin'ny efitra ilany atsy, sady nalainy ny akanjony nihantona teo ambony seza, dia iny lasa sady nakatony varavarana tsy hahitan'i Hery azy.
Niharina tsimoramora i Hery, dia namoa ny larimoara naka akanjo hafa. Nandeha namonjy ilay efitra ilany izy nony avy eo. Nandondona kely izy sady niditra. Indro i i Tahiana efa vita akanjo sady nijery azy.
- "Merci!" hoy i Hery sady menamenatra tsy nahajery akory.
- "De quoi?" , hoy i Tahiana.
- "Tamin'ny zavatra nataonao rehetra."
- "sshhh, zavatra tsy maintsy nataoko ireny," sady nitsiky kely izy nijery an'i Hery.
- "Ary ianao ity angaha tsy handeha hiasa, efa amin'ny 7 ora ange izao e!" hoy ihany i Tahiana!
- "Sshhh! tsy misy dikany intsony izay zavatra rehetra ataoko fa tahaka ny angidina entin'ny rivotra aho izao…"
- "Dia ny asa no ajanona, tena adala mihitsy ianao ity, sa naka fialan-tsasatra ?"
- "Efa nangataka mihitsy aho fa hay efa lany ny congé rehetra tamin’ireny nahafatesan’i Mama ireny dia raha tsy amin’ny taom-baovao indray vao afaka maka lavalava, izany aza mbola tsy fantatra raha hahazo."
- "Hay ve ! Ianao io ange raha ny fahafantarako azy toa manana poste à responsabilité e! Ka ndàna ary miomana dia miasa fa tsy misy na inona na inona azonao atao eo! sa afaka hanidina ity ianao hanenjika an’i Alexia any an-dafy ; aza ampifangaroana mihitsy ry Hery ny asa sy ny fihetsem-po an! izay fa lasa aho handeha hiasa ihany koa. Raha misy itadiavanao ahy dia any amin’ny farmasia aho. Efa vitako ao ny varinao sy ny rano mafàna dia andana miomana.
Izay fa lasa aho !!!" sady norohany kely ny takolak’i Hery, dia iny izy nitsoriaka haingana namonjy ny vavahady.
I Hery kosa lasalasa saina tamin’ilay nofy ratsiny teo:
- Mba nanao ahoana ary izay i Alexia. Inona no dikan’iny nofy iny. Aza hitako. Inona marina moa no azoko hatao. Tsy ray, tsy reny, tsy vady, tsy rafozana. I Dadabe sy Bebe no hany sisa havana nefa izy mivady aza izay mitoetra tsara any ambanivohitra any. Dia ahoana izao no ahafahako mifandray amin’i Alex