- " maninona no tonga eto ity fiaran’ny hopitaly ity ? " hoy Ratrema, nivaloharika ny tarehiny sady nisefosefo be izy!
Tafavoaka ny fiara avokoa ny rehetra namonjy ny vavahady. Saingy nosakanan’ilay olona nanontany Ratrema:
- " Azafady ramose fa tsy misy tokony hitaintainanao mihitsy : tsy misy maninona akory ato. "
Tahaka ny tsy ren-dRatrema akory ny tenin’ilay rangahy fa ny varavaram-by no noezahiny novohana, kanjo nosintonin’ilay rangahy izy.
- " Aza taitra mihitsy ianao ramose ah, " hoy indray izy, " fa tena tsy misy olana hoy aho ! "
Nijanona kely Ratrema sady nijery tamin’ny fiketronana ilay rangahy;
- " Ka inona no ahatongavanareo ato, tsy fantatrareo angaha fa bevohoka be ny vadiko ka mila hanapaka lalan-drà ahy mihitsy ity ianareo tahaka ny manao be fihavy ity ! fa misy inona eh? "
- " Miala tsiny indrindra ary Ramose fa efa fantatray tokoa izany, " hoy ilay rangahy, fa ny vadinao mihitsy no misy resaka tianay hatao aminy, raha tsy mahadiso tompoko ! "
- " Ny vadiko ?? efa miteny aminareo aho fa efa miandry vohoka be izy ka raha taitra amin’izao ahatongavanareo izao dia asa izay hanjo antsika rehetra eto. " Hoy Ratrena namaly.
- " azafady re tompoko ô ! " hoy ilay rangahy, mino mihitsy ary aho fa tonga dia ho fantany raha vao mampilaza aminy izahay.
- " Vadiny aho rangahy ity an ! " hoy Ratrema, " ambarao amiko izay anton-dianareo ! "
- " Eny ary tompoko ! " (nifanatona ny rehetra izay teo am-bavahady), - " Dokotera miasa ao amin’ny Hopitaly aho, ary asa raha fantatrareo fa nalefanay taty aminareo ny ambulance omaly vao maraina. Nisy ramatoa safotra teto araky ny voalazan’ny mpamily ka i madama vadinao, ilay bevohoka be, no nampiantso anay. Nilaza izy fa olona tsy fantany io Ramatoa io, nahita ny toe-batan’ny vadinao koa ireo mpamily sy ny mpitsabo vonjy taitra dia nibata fa tsy nanao fanontaniana firy, ary tonga dia lasa. Fantatray ny misy io Ramatoa io satria tany aminy ny kara-panondrony, saingy nandehananay ny adiresiny dia mihidy tanteraka ny tranony ary ankizy madinika no tao an-tanàna. Koa nirahin’ny hopitaly izahay hiverina aty sao dia misy mahafantatra azy ihany eto amin’ny manodidina eto ! Tsy mahatsiaro tena mantsy hatramin’izao ilay ramatoa, ka mila mitady haingana izay havany izahay… "
- " Fa olona tahaka an’iza izany ramatoa izany, " hoy i Hery, nitsatsaingoka;
- " Andraso fa alaiko ao anaty kitapoko ao ilay kara-panondrony sao dia fantatrareo, "
…………………………………………………………..
- " Maninona ialahy ry Néné no tsy nilaza tamiko momba izany ambulance izany omaly ? " hoy Ratrema nitrerona mafy ilay mpiambina ?
- " Azafady mose fa noheveriko fa efa noresahin’i Madama anao izany omaly dia tsy niteny intsony aho ! "
- " Ialahy ho'a tena tss ! Tsy fantatr’elah angaha fa izaho no tompo-mandidy ato amin’ty trano ity ?? "
Niverina ilay dokotera, nitondra kara-panondro teny aminy.
- " Ity ilay izy, " hoy izy, ary nomeny an-dRatrema., nanatona azy i Alexia ary taitra be !
- " Hery ! Kara-panondron’i mamanareo ity ! Sariny mihitsy io ! "
Taitra koa i Hery, nanatona, - " tena azy marina ity!!" , hoy izy, " Dadabe a ! tsy mahatsiaro tena i Mama ??? " Taitra be i Dadabe ary niezaka niankina tamin-jafikeliny.
- " Ahoana koa ary izany, " hoy ilay Dokotera….
- " Ampidiro avokoa aloha ny fiara rehetra, " hoy Ratrema, " dia mandrosoa daholo fa higagan’ny olona isika eto am-bavahady eto. "
Novohain’i Alexia ny vavahady kely vy dia nampadrosoiny tao an-trano i Hery sy Dadabe ary ilay Dokotera. Ratrema sy ilay mpamilin’ny hopitaly kosa samy nampiditra ny fiarany avy.
I Malala mandritra io fotoana io dia mbola resintory tany ambony rihana. Asa na izy ilay nivoaka vao maraina, na vizan’ny fahafinaretana nifanaovan’izy sy Hery fa torimaso hany izany. Na ny fifamaliana teo am-bavahady, na ny klaxon nataon-dRatrema aza tena tsy nanaitra azy akory.
Nony tonga tao an-trano ny rehetra, ilay karatra amin’io eny amin’i Hery ihany, dia nasain’i Alexia nipetraka teo amin’ny salon i Hery sy ny dadabeny ary ilay Dokotera, fa izy kosa naka ranom-boankazo tany an-dakozia.
Very hevitra i Hery, toa mihodina aminy avokoa ny tany aman-danitra. Inona ity mahazo ahy, nitady fahatonian-tsaina izy kanefa tsy azony mihitsy ny ainy. I Dadabe etsy mivaloharika malahelo an-janany vavy sy ity zafikeliny lahitokana.
Niverina i Alexia nitondra ranom-boankazo mangatsiatsiaka tsara, nasainy nandray teo avokoa izy rehetra, dia nitombina nipetraka teo akaikin’i Hery izy.
- " Dia ahoana ny atao ? " hoy Ratrema. " Fa maninona ny maman’i Hery ? "
- " Aretim-po goavana ny mahazo azy, " hoy ilay dokotera, " tsy maintsy mankany izao dia izao isika fa mi-delire foana hoe hery, hery, mijaly ny zanako ilay ramatoa Ka tsara raha manainga tsy misy hatak’andro izao isika hoany aminy.
- " Misaotra anao izahay Dokotera fa efa hatry ny alina izao no nitaintaina ity zanany ity momba ny misy ny reniny, " hoy i Dadabe.
Fa tamin’izay fotoana izay indrindra, i Malala nihaino moramora ny resaka tao alatrano fa taitra ihany izy noho ny figodogodon’ny olona tao ambany. Nanarangarana nijery ary reny Ratrema niteny hoe :
- " fa dia ahoana loatra ary no tsy nampandrenesan’i Malala ahy izany zavatra nitranga izany ; Olona fantany tsara ange i ramatoa Ramihary, nahoana ary ? Tsy azoko mihitsy. "
Toa nanako tao an-tsain’i Malala ny tenin-dRatrema, nitazona ny fisefoany izy, nangorintsina tany andohany tany sady tsy tanany intsony fa dia naleony nisefosefo mafy tamin’ny vavany sady niezaka nitsaitsaika hiala ilay toerana nihainoiny resaka. Tsipalotry Ratrema tampoka anefa ity vadiny toa saika nianjera ka nihazakazaka haingana izy namonjy azy. Tamin’izay indrindra no voasaringony ny tongon’ny latabatra kely misy ny abat-jour bakoly tsara tarehy, izay tena lafo vidy tokoa ka nitontona ary niparitaka tamin’ny tany ; tsy nahoany izay nitranga fa hamonjy ity vadiny niankina ny rindrina ary nikorisa hipetraka amin’ny tany no tao an-tsainy voalohany.
- "Malala ! " hoy izy, " nanarina ny lohany, maninoa ianao ????"
- " Hery, maman’i Hery, " hoy i Malala tamin’ny feo tena vizana tokoa !
Nikoropaka ny iray trano namonjy an’i Malala, ity vao tena loza.
- " Aza itangoronanareo eo izy, " hoy ilay Dokotera " fa mila rivotra madio. Tazony eto dia somary orina kely tahaka izao… haka masque à oxygène atsy anaty fiara aho. Batao tsimoramora izy ho eo ambony canapé eo fa mangatsiaka loatra amin’ny tany. "
Samy nanao izay hoafany teo ny rehetra hamelombelomana an’i Malala. Niverina avy eo ilay Dokotera nitondra ny fitaovany ary nametaka ilay saron-tava tamin’ny tarehin’i Malala. Nojereny ny tosi-drany… Afaka kelikely dia hoy ilay Dokotera :
- " Tsara raha tonga dia manainga dieny izao isika rehetra mitondra an’ity reny bevohoka ity any amin'ny hopitaly, fa sao misy tampoka tsy azontsika anoharana ; tadidio fa olon-droa izy ka mila mitandrina tsara.Aleo misoroka mba tsy hanenenana. "
- "Alexia ! " hoy rainy taminy, Mandehana haingana ianao, alaivo i Toky ao ambony ao fa sao mitomany eo raha tsy eo ny mamany, izahay rehetra eto hibata ny reninao ho any anaty fiara. Haingàna ianao fa vonjy aina ity. "
Lasa i alexia niakatra, noraofiny ambongadiny avokoa izay entana fitondra miaraka amin’i Toky, ary nentiny nidina tany ambany ka nataony tao anaty fiaran-dRatrema. Niakatra izy avy eo naka ny zazakely. Ny hafa rehetra kosa somebiseby ery nibata sy nampiditra ity ramatoa bevohoka ao anaty fiara, izay tsy mahatsiaro ny tenany intsony.
- " Entin’ialahy ry Hery ny fiarako, " hoy Ratrema, " ary Alexia no mitaiza an’i Toky ambara pahatongantsika any amin’ny hopitaly. Aza ilaozanareo mihitsy izahay fa hampiasa detresse eny an-dalana. "
Novelomina ny fiara, novoahaina ny vavahady, dia nifanaraka teny ny fiara roa, ka ilay an’ny hopitaly nanana anjomara sy jiro no nitari-dalana.
Teny an-dalana, i Hery no mitondra ny fiara ary i Alexia sy Toky no nipetraka teo anilany teo. Asa na nisy inona fa najoron’i Alexia i Toky ka niezaka nisarangotra amin’ity tanany kely tamin'ity "rainy". Taitra tampoka i Hery nahita ity zanany niezaka hisarangotra taminy. Io ilay zanako tsy foiko, hoy izy niteny irery tany an-tsainy, tazain’ilay malalako izay tokony hanomezako ny fitiavako iray manontolo kanefa toa zarazaraiko amin’olon-kafa. Nanganohano ny masony ary latsaka ny ranomasony.
Onena i Alexia nahita an’i ity malalany latsa-dranomaso. I Dadabe nipetraka tao aoriana tamin'io tsy dia nahatsikaritra ny zava niseho fa lasa fisainana sady nivavabavaka mafy mba hampitony ity onjan-dranomasina mitady handetika ny fiainan'izy mianakavy ity.
Rehefa tonga tany amin'ny hopitaly ireto fiara roa ; Avy hatrany dia nalefa tao amin'ny sampana miandraikitra ny fampiterahana i Malala. Efa niandry tao ny fandriana hitondràna azy sy ny mpitsabo mpanampy vitsivitsy. Nivoaka ny fiara ny rehetra ary nanampy nibata sy nametraka azy teo ambony fandriana ary dia natosika niditra tany anatiny. Tsy niala teo akaikin'ny vadiny mihitsy i Ratrema tamin'io na dia iray segondra aza. I Alexia no nitrotro an’i Toky nanaraka azy avy ato aoriana. I Hery sy ny dadabeny kosa mbola taraiky nanidy ny fiara tany ivelany.
Nony tafiditra tao anatiny i Hery mianaka dia nanotany an'i Alexia hoe:
- " Nalefa aiza ? "
- " Tsy haiko, " hoy i Alexia, " fa tsy navelan-dry zareo nanaraka tany aho sy ny zazakely fa tsy maintsy miandry eto hono, niditra tetsy amin’itsy varavarana itsy ry zareo. "
Nisy zavatra tena nahamahana an’i Hery, ary tena tsy azony mihitsy. Inona marina ny zavatra nitranga omaly, naninona i Malala no tsy nilaza nefa izy izany nahita an’i Mama nitambotsitra teo am-bavahadiny ??? Tsy mino mihitsy aho fa tsy fantatr’i Malala i Mama ! " hoy izy niteny irery tany antsainy.
Nanatona ny accueil izy dia nanontany,
-" Ianareo ve mety naheno hoe nisy ramatoa nentina tamin'ny ambulance taty amin’ity hopitaly ity omaly, nefa tsy fantatra ny havany ?"
- " Ié, " hoy ilay ramatoa, " tonga hatraty aminay tokoa izay resaka izay, andraso fa i Dokotera Herinaivo teo no mahalala azy fa tokony hiverina eo izy. Tsy ato amin’ity service ity mantsy izy iny no miasa, ka tsy afaka hijanona ela any. "
Nisokatra ilay varavarana nampidirana an'i Malala teo, nivoaka tao ilay Dokotera Herinaivo, nitsangana i Alexia
- "Nanao ahoana izy Dokotera ? " Hoy Alexia nanatona.
- " Non ! tsy maninona ka, efa voarain’ny dokotera tsara izy satria teny an-dalana aho dia niantso azy tamin’ny findainy aho. Efa nanome toky izy fa tsy misy maninona fa mety malaise kely fotsiny, nisy nanaitra azy tampoka !!! aza matahotra intsony ianareo. Efa miomana hanao echographie ry zareo mba hijerena akaiky ny zava-misy, sao… "
- " Dokotera an, " hoy i Hery, " ianao ihany izao no mahalala ny misy ny reniko fa aiza no misy azy ? "
- " Izay mihitsy no nivoahako tao haingana, manaraha ahy ianareo mianaka. Oay, ity zazakely ity tsy mahazo mandeha mankany fa tsy maintsy mijanona eto, sady nijery an’i Alexia izy ; zanakao angaha izy io ? "
Nojeren’i Alexia i Hery ;
- " Zandriko ity ka, " hoy i Alexia, mamanay ilay niditra tany teo.
- " Andao ary, " hoy ilay Dokotera.
Norohan’i Hery ny malalany dia lasa izy telo mianaka nandeha, fa i Alexia sy Toky kosa nijanona teo amin’ny efitra fiandrasana ihany.
Teny an-dalana :
- " Tsy haiko intsony izay izay mitranga ato fa toneo mihitsy ny fonareo. Zanakao ilay Mme Ramiara rangahy be ô ? manana endrika mitovy aminy ianao izany. "
Tsy nisy nahateny intsony teny an-dalana fa ny ahatongavana haingana ao amin’ny réanimation no tao an-tsaina. Rehefa tonga dia nanontany ny dokotera namany izy ary nanatona azy mianaka :
- " Tsy afaka miara-miditra any ianareo mianaka fa mandehana tsirairay ;"
- " Ndàna letsy " hoy i Dadabe,
Niditra i hery, nidobodoboka be ny fony, nalahelo mafy izy nahita ity mamany sous-sérum ary mbola tsy mahatsiaro tena. Noraisiny ny tanany sady nanganohano ny masony.
- " Mama ! " hoy izy nibitsibitsika aza ilaozanao aho fa ho very !!! "
Tao anatin'izay fotoana izay indrindra koa anefa no injay fa niraondraona ny vibreur-n’ny findain’i Hery tany am-paosiny tany. Nojereny, numeraon-dRatrema ary dia noraisny :
- " Hery an ! Tongava aty ialahy fa tadiavin’i Malala, " mikitakita be no tahaka ny tezitra izany ny feony!
- " Mama anie ato tsy mbola mahatsiaro tena e ! "
- " Ie, azoko tsara fa i Malala no mitady an’ialahy fa tsy izaho, tongava araka izay azon’ialahy atao, " sady notapahiny ny antso.
Fa inona indray izany, tena tsy mazava amiko mihitsy. Rehefa mbola velona aloha ny mamako dia izay no zava-dehibe amiko hoy izy tany antsainy.
Nitsangana izy nony avy eo dia nivoaka niantso ny dadabeny :
- " Aleo aloha i Dadabe indray no miandry azy ao fa tsy maintsy miverina ary amin’ny maternité ary aho fa misy niantso ahy. "
Tonga dia niditra i Dadabe fa tsy nanisy fanontaniana. I Hery kosa nandeha moramora nivoaka hamonjy an’i Malala sy Alexia.
Toa nisy lanja mavesatra niala tamin’i Hery nony nahita an-dreniny mbola miaina, eny fa na dia mbola tsy nahatsiaro tena aza. Tsy mampandry saina azy koa anefa ity nataon’i Malala tsy nampahafantatra ny zava-nitranga akory fa tahaka ny nody fanina ary nanao fanahy iniana ny tsy hilaza mihitsy aza.
Raha sendra nampiditra ny tanany tany am-paosiny iny i Hery teny andalana hamonjy ny trano nisy an'i Malala dia tsapany tao ny fanalahidin’ny fiaran-dRatrema izay tavela tany aminy.
- " Afa-baraka! " hoy izy, " mety ity angamba no nahatezitra an-drabaininy be teo; mety saika haka zavatra tao anaty fiara izy kanjo ny lakile taty amiko. Izay mihitsy no niantsoany ahy. Asa izay izay ho vavan’iny, nefa nambarany mazava fa i Malala no mitady ahy. Tsy te-hieritreritra an’i Malala sy izay nanjo azy koa aho satria tsy nianjera mafy akory izy tany an-trano, sady nisy dokotera teo, raha oharina ny manjo an’i Mama dia tahaka ny sila-hoho ny nahazo azy… izy bevohoka rahateo ka izay no nampikoropaka ny rehetra. "
Nony tafiditra ilay efitrano fiandrasana izy dia indreo izy mianaka niandry azy:
- " Mandehana mankao amin’ny efitra 236 fa mitady an’ialahy i Malala, " hoy i Ratrema sady nivandravandra be izy: tsy nisy fanontaniana akory ny momba an'i mama na dia kely akory aza. Natolotr’i Hery ilay lakilen'ny fiara no taitra izy tsy nahita an'i Toky.
- " Fa aiza i Toky? " Hoy i Hery.
-" Efa nampidirana berceau tao amin’ny efitr’i Neny, " hoy i Alexia, " dia napetraka tao izy. "
- " Nanao ahoana i Mamanareo ry Hery? " Sady nosakambininy ity malalany.
- " Mbola tsy mahatsiaro tena izy fa ... tsy haiko ny ilazàna azy fa mbola nikoropaka koa aho tamin’ilay nantsoinareo."
Naterin’i Alexia tany amin’ny efitra nisy an’i Malala i Hery ary dia niara-niditra izy roa, i Malala amin’io matory mihorirana mijery ny varavaran-kely toa nanome lamosina azy ireo. Nony tafiditra sy voakatona ny varavarana dia nihodina i Malala ka niharihary ilay lambam-pandriana avoitran’ity kibo ben’i Malala.
- " Alexia an! Ndàna miaraka amin’i Dadanao maka izay fitaovako rehetra any an-trano fa efa eto i Hery afaka hiambina tsara ahy. "
- " Ka ny maman’i Hery anie ry Neny mbola tsy mahatsiaro tena e! tokony ho any aloha izahay roa izao kanefa irahinao indray aho hody sahady. "
-" Ndàna fa i Dadanao teo ange nilaza fa hampilaza ny any am-piasàny momba ny tsy fahafahany e! "
Tsinjon’i Alexia fa misy zavatra konikononin-dreniny indray ka te hahita an’i Hery samy irery izy sady aleo koa ireo hifanazava eo hoy izy tany antsainy tany fa tsy tiako ho hita akory.
Nivoaka i Alexia sady nisintona an’i Hery ihany koa; tao amin’ny lalantsara izy vao niteny hoe:
- " Anontanio azy tsara ny anton’izao rehetra izao fa tsy azoko mihitsy ity tantara ity; lasa aho fa tena tiany mihitsy ianao hiresaka samy irery aminy. "
Lasa i Alexia, ary dia niverina niditra moramora i Hery.
- " Azonao hidina tsara ve io varavarana io ry Hery? "
Nodinihin’i Malala izy dia nasainy nankeny aminy. Tsy noraharahian’i Hery akory ny teniny fa i Toky no nojereny, kanjo natory be ny anao lahy. Nitodika teny amin’i Malala izy avy eo sady nanatona.
- " Hery an! " Sady noraisin’i Malala ny tanany dia nasainy nisafo ny kibony. Tsapanao tsara ve? Io ilay fitiavako anao; sady nesoriny ilay lamba firakotra ka ilay akanjo fitena sisa no teny aminy izay hany nanakona ny kibony. Notazoniny ihany ny tanan’i Hery hisafosafo ity vohoka eny aminy ary nosintoniny niakatra ilay akanjo mba tsy hisy elanelany intsony fa tiany ho re ny hafanan’ny tanan’i Hery. Ity farany rahateo mihevitra tanteraka fa zanany ity ao an-kibo ka nanomboka naka fihiny ery.
- " Tiako loatra ianao, ary satriko ho ianao foana no ho eto anilako eto, Hery an! Avia aty, fa fohy loatra ilay tamin’ny vao maraina teo; "
Nalefany tany amin’ny patalohan’i Hery ny tanany, ity farany moa tahaka ny nosintomin-javatra ka nanadino ny olana mianjady aminy rehetra fa nifantoka tanteraka tamin’i Malala; Novahan'i Malala izay bokotra rehetra teny amin'i Hery sady nesoriny ny akanjony. Noraisiny ilay filahian'i Hery izay efa niha henjana sady nolalaoviny. Tsy nahatohitra ny fankampanahy teo anoloany i Hery ka dia niondrika moramora sady nampidina ny tanany tany amin’ny fivavian'i Malala izay efa tsy nisy rakotra intsony. Novelarin'i Malala ny feny sady hoy izy tamin'ny feo miangoty:
- " Mmmmhhhhh, avia fa efa miandry anao mafy aho, sady nikisakisaka izy hanatomotra ny sisim-pandriana mba hahafahan'ity olon-tiany miditra any anatiny. Nanatona i Hery, niditra tao anatin'i Malala izy ary nakariny hifamatotra teo amin'ny valahany ny fe sy ny ranjon'i Malala. Tsy ela akory taorian'izay dia henony niakatra ny tsirom-pahafinaretana tany anatiny tany ary dia nahatsiaro sambatra ery izy. Samy namikitra teo amin'ny kibon'i Malala izy roa mba tsy hihetsehany be loatra. Tampoka tsy nampoizin'i Hery akory, dia injay fa nikiaka nisintona azy mafy araka izay azony natao i Malala. Fantatry Hery avy hatrany fa tojo ny farantampom-pahasambaran'ny nofo izy ary izay ihany koa no nanaitra ny tao anatiny te hibosesika hivoaka. Asa anefa izay nandalo tao antsainy fa notsoahany haingana ny filahiany ary dia navelany hifantsitsitra teo amin'ny fen'i Malala teo ny ranonainy iray manontolo. Difotry ny hasambaran'ny nofo izy roa, ary dia ohatran'ny resintory avy hatrany i Malala. Lasa fisainana i Hery nony niverina tamin'ny zava misy ny saina aman'eritreriny mandinika ity reny bevohoka efa ho teraka afaka roa volana nefa toa mitady firaisana ara nofo tsy ankijanona aminy!!
Niherikerika nitady seza izy nony avy eo fa godro tanteraka ny lohaliny ka ila tsy hahatsangana intsony. Naka toerana izy no sady nanontany an'eritreritra hoe " Fa inona mihitsy no mahazo ahy amin’ity Malala ity eh, ohatran'ny azon'odimpitia tsy haiko resena izany aho aminy???
Afaka kelikely, nitsangana izy nampiditra ny silipony. Nifoha tampoka anefa i Malala sady niarina ary nibanjinina tsara azy….
- " Oay!!!!! Ny siliponao……. oadray marina, tena hadinoko…. aza hitako!!! hoy i Malala.
- " Fa misy inona? " hoy i Hery taitra tsy nahahetsika.
Tonga tany an-trano i Malala afaka kelikely. Namonjy ny efitranony izy dia nohidiny ny varavarany, nataony tanaty berceau i Cynthia avy eo, namonjy nipetraka ambony fandriana izy dia nitsilàny. Nalainy indray ny finday tany anaty poketrany dia nantsoiny i Hery. Messagerie vocale no azony tao dia naleony notapahina, namerina niantso izy avy eo, fa mbola tahaka izay ihany.
Niarina kely izy dia nitanondrika indray, nirotsaka ny ranomasony, nanala ny fony teo izy. Teo vao tsapany ny maha irery azy. Navadiky ny vadiko aho hoy izy niteny irery. Nisangodina ny sainy ary nahatsiaro fanina izy.
- "Hery, Hery tsy foiko, aiza ilay malalako ?" Nidaboka tamin’ny fandriana indray… nanaintaina be ny lohany ka lasa izy naka fanafody hampihafana azy, dia niverina natory indray mba haka torimaso hanalàna ity zaka mavesatra reny tao an-tsofiny.
Nitatao vovonana ny andro vao niharina teo am-pandriana izy. Naka ny findainy indray dia namerina niantso an’i Hery.
Fa aiza moa Hery amin’io …
Eny an-dalana i Hery no natsoin’ i Malala. Vao nahita ilay soratra MALALATIANA teo amin’ny findainy izy dia notapahiny. Efa akaiky koa ny toerana nifanaovany fotoana tamin’i Alexia ka naleony notapahina aloha.
I Alexia tamin'io fotoana io efa niherikerika teo am-baravaran’ny restaurant nitady azy.
- "Soa fa tsy noraisiko," hoy izy niteny irery " faaleo koa ho any…"
- "Manao ahoana ny malalako," hoy i Alexia, sady nifanoroka kely izy roa.
- "Andao tonga dia hiditra fa miha-vitsy ny toerana ato."
- "Efa ela angaha ianao no teo!"
- "Vao teo mihitsy fa andao hiditra e!"
Naka seza sy latabatra izy roa, navoakan’i hery teo ny findainy tany am-paosiny tany.
- "Aleo aho aloha hamonjy efitra fivoahana fa efa tany am-piasàna aho no poritra kanefa maika hamonjy anao, sao dia lasa niandry elabe teo ny malalako ka tsy tantiko ny hampijoro irery anao teo."
Lasa izy nandeha. Afaka kelikely, niverina naneno indray ilay finday an'i Hery. Noraisin’i Alexia:
- "Allo Neny! fa ahoana?"
Diso fanantenana i Malala fa i Hery no tiany hotadiavina.
- "An!" (nangina tampoka ny fifandraisana)… "fa angaha ianareo tsy ho avy hisakafo atoandro aty? Miandry anareo ange aho e!" hoy i Malala.
- "O ry Neny a! alatsinainy anie androany e! rahampitso i Hery vao mankany amintsika. (efa tafaverina teo amin’ny toerany i Hery amin’io). Neny koa, fa maninona ary no manelingelina olona aty amin’ny restaurant aty!"
Nanontany i Hery hoe iza no miresaka amin’i Alexia ? novaliany tamin’ny baiko moana fa ny reniny. Hendratrendratra ihany i Hery, fa efa ela tokoa mantsy izay i Malala no tsy niantso azy. Tadidiny ny tamin’ny andro taloha, ilay antsoantso an-telefaona miverimberina milaza loza. Fa inona indray ity. Misy zavatra mitranga indray any ho any hoy izy tany antsainy tany.
Nony nifarana ilay antso dia nanontany i Hery:
- "fa misy inona indray hono ?"
- "Sshhhh, asa indray izay mahazo an’i Neny fa lazainy hoe : miandry antsika hono izy hisakafo nefa alatsinainy androany. Ny fandaharam-potoana antsika roa efa vita. Efa naka permission aloha ialahy ity an!" sady nitsikitsiky ery i Alexia.
- "Ieee ! efa tamin’ny alakamisy aho no nangataka dia navelan-dry zareo. Tena tsy afaka mihitsy aho aloha raha androany maraina e! fa hoentin’ialahy ho aiza tokoa aloha ity izaho ity e!"
- "Surprise izany"! hoy i Alexia, notakariny horohana i Hery sady tsy menatra akory izy. Izy rahateo : ny bika aman’endrika ananany avokoa ka narahin’ny olona maso tahaka ireny mpanakanto malaza ireny na dia efa eny an-tratran’i Hery aza.
Nanatona avy eo ny serveuse, nandray an-tsoratra ny sakafo hohanin’izy roa.
Fa i Malalatiana tany an-trano, vao maika nalahelo. Tsy sahy niteny tamin’i Alexia hoe omeo ahy i Hery fa namorona izay tao an-tsainy tao ; Fantany tsara fa rahampitso vao ho tonga any aminy i Hery ka naleony mody navadika ny resaka hoe : aiza ianareo no tsy tonga sns.
Nitsangana izy, dia nijery an-janany. Efa nampitonitony azy koa ilay fanafody ka afaka nijoro ihany izy. Misy manitontsintona azy anefa ny hozany iray manontolo, ny nonony toa reny misy mangidihidy. Rehefa hitany fa matory i Cynthia dia nandeha nidina tany ambany rihana izy. Gaga izy nony avy eo nahita an'i Ratrema mamaky gazety teo amin'ny salon. Tonga dia namonjy ny latabatra fisakafoanana izy mody tsy nahita an'ity vadiny.
- "Ary hay ve nareo mianaka nandalo tany am-piasàna e? naninona ary raha niandry."
- "Ka efa namoha ny biraonao mihitsy ange aho dia nihidy dia naleoko tsy nanelingelina intsony sao manahirana anao e!"
- "Hay ve ianao ilay nanodina ny poignet teo. Nivory izahay dia nohidiana ny birao; Fa raha fantatro ange fa tao ianao dia nivoaka aho e! « rien n’est plus important que ma famille » sady naka an’i Toky izy hotrotroiny ary nentiny nanatona ny latabatra nisy an’i Malala!
- "Tsy maninona re izany fa mba nandalo fotsiny aho hijery izany biraonao vaovao ao amin’io trano fitaratra be io e!"
- "Fivoriana aho, fivoriana, plus important aho hoe, plus important…" hoy i Malala tany an-tsainy tany. Nampitony fo mafy fotsiny izy mba tsy hitroatra.
Mafy ny mahazo azy fa nafeniny an-dRatrema. Ity farany indray kosa toa faly ery mitaiza an’i Toky sady namahana azy ihany koa. Tsy azony an-tsaina anefa fa fanatry Malala izay nataony tany am-piasàna niaraka tamin’i Corine.
Tsy nahatelin-kanina i Malala fa toa te hilaza amin-dRatrema ny mahazo azy nefa tsy sahy. Ny hamaly faty no nibosesika tao antsainy
Nanomboka indray ny lohataona, nampidi-drano-ketsa i Betsimitatatra. Niova endrika avokoa ny voaary rehetra, efa mihitsan-dravina ny zakarandahy ary mivonona ny hamonina volomparasy indray. Nanomboka namelana ny voninkazo rehefa avy niaritra ny hatsiaka mamirifirin’ny ririnina teto andrenivohitra.Zara raha nahitana rahona madinika teny amin’ny fara-vodilanitra.
Amin'ny iray ora atoandro ny andro tamin'izay. Indro I Alexia sy Hery nivoaka ny toeram-pisakafoanana iray. Nafana ny andro tamin’izay ka akanjo ambony fotsy manifinify sy zipo lava mikopakopaka manaraka ny famindrany ary kiraro misy taditady madinika izay rafetin’izato vodi-tongotra avo mampihenjana ny ranjony sady mapisongadina ny bikany tsy manam-paharoa no niajaikan'i Alexia. Hatsaran-tarehy izany. Maro tamin'ireo mpiandry taxi be nahita azy ireo no tsy naharitra fa nanara-maso azy ireo mandra-pidifiny tao anaty fiara izay najanona teo amin'ny kianja MDRM teo Ambohijatovo.
Niresaka kely izy roa :
- "Aleoko izaho no mitondra fa izaho no mahalala ny misy ilay toerana nosafidianiko handehanatsika." Hoy i Alexia tamin'ny feo miangoty.
Nitsiky kely i Hery ;
- "Tsy mampaninona mihitsy kah" hoy izy feno fahatokiana ny ity malalany sady niditra tao anaty fiara izy.
- "Tsy mampaninona anao akory fa mba hivoaka kely ny renivohitra isika? efa malalaka koa izao ny lalana ka vetivety isika dia tonga any."
- "Ianao no eo amin’ny familiana ka tsy afaka hiteny intsony aho, " hoy i Hery.
Nitsikitsiky ery i Alexia. Nanaraka iny lalambem-pirenena mizotra mankany Antsirabe iny ry zareo. Afaka telopolo minitra taty aoriana dia nivily tamin'izay toerana mahafinaritra amoron-drano sady tsara rivotra izay ry zareo. Nisy Bungalow maorimaorina tao amin'io toerana io ary dia tsy nisalasala fa nanatona ny reception avy hatrany ry zareo. Gaga i Hery nony nahafantatra fa efa nanantena ny fahatongavan'izy ireo ny mpiasa tao amin'ilay hotely. Hay efa nomanin’i Alexia tamin’ny antso an-tariby mialoha ny fahatongavan’izy roa. Efitrano voaravaka vonikazo mahafinaritra sady nisy sakafo efa voaomana no niandry azy roa handaniany ny alatsinainy harivany iray manontolo. Tsy niditra avy hatrany ny efitrano anefa izy roa fa mbola nijoro kely nitazatazana teo andavaranangana ary finaritra ery nahatsinjo ilay farihin-drano tsy dia lavitra teo nahitàny ankizy maromaro milalao pédalo.
- "Tsara e!" hoy i Alexia, sady naka seza fipetrahana azo hatoritoriana izy, ka nasainy nipetraka teo i Hery. "Mbola tsy taty mihitsy ianao e?"
-"Iee, efa fantatro fotsiny ny fisiany fa izao aho vao nahita maso azy, marobe ny vahiny na tompon-tany mandalo aty. Merci Alexia," hoy indray i Hery sady nisarika azy hiara-mipetraka taminy teo ambonin’ilay seza izy no nitrotro ilay malalany. Nifanoroka mafy izy roa tahaka ny mifandefa hafatra mangina mampiseho ny fisaorana sy mampifamatotra mafimafy kokoa fifankatiavany.
Afaka kelikely...noraisin’i alexia ny finday rehetra dia novonoiny avokoa.
-"Hery an! efa natolotro anao ny tenako ary mbola hatolotro anao ihany koa ny hoaviko iray manontolo. Tiako mihitsy ny handefa any aorinako any ny olana mianjady amintsika, ny disadisa hatrizay afitsoky ny ao an-trano, tehiara-dia aminao aho, hitantana ny tananao. Tiako loatra ianao ry Hery an! Tsy mahay mitia hafa aho ankoatra anao,fa ianao irery."
Niondana moramora teo an-tratran’i Hery izy, hay nanganohano ny masony.
- "Tiako dia tiako tokoa ianao Alexia, ary raha ny faniriako aza dia ny hampiakatra anao na dia izao anio dia anio izao. Kenefa tadidio fa mbola mianatra ianao, ampiako tokoa ianao amin’ny lafiny rehetra hahavitanao izany, tsy handao anao mihitsy aho na oviana na oviana fa aza matahotra. Tsy ahoantsika izay disadisa any fa ny fifankatiavantsika no asandratro ambony."
Nisotro ranom-boankazo teo aloha izy roa, dia avy eo niara-niditra tao an-trano. Nitohy ny safosafo sy orokoroka misantatra sahady ny firaisan’izy roa ho nofo iray.
.................
Efa harivariva mody masoandro vao nihevitra ny hiverina izy roa, rehefa avy nitsidika ity toerana mahafinaritra, nandeha sambokely nitety an’i Madagasikara tao anatin’ny ora iray monja.
Nahafinaritra aok’izany iny tontolo andro hariva iny; tsy ho hadinon’izy roa mihitsy akory iny alatsinainy hariva iny; fa hafa tokoa raha ny mpifankatia no mandalo maka rivotra any, indrindra raha mbola tsy tany mihitsy. Toa nisava tanteraka ny sorisory sy ny alahelon’i Hery rehetra navesatra taminy hatrizay. Tahaka ny hoe: adinony tany amin’ilay toerana mahafinaritra tany ny olana mianjady taminy nandritra ny taona iray sy tapany mahery, ka maivamaivana ery izy mitondra ny fiara nody, sady akaikin’olon-tiana rahateo.
Fa i Malala kosa tany an-tranony mieritreritra lalina izay hataony. Tsy azony mihitsy ny ainy fa mararirary avokoa ny vatany. Tsy sahy nilaza tamin-dRatrema izay nitranga taminy izy, fa ny tetika hamaliana faty no nameno ny fony. Te hiantso dokotera nefa tsy sahy fa sao.........
Nantsoiny indray ny findain’i Hery, tsy nahazo mihitsy mandra-paharivan’ny andro.
Efa maizimaizina vao tonga ny renivohitra izy roa, nifanena tamin’izy ireo ny fitohanan’ny fifamoivozana mandalo an’Andoharanofotsy, Tanjombato, Akandimbahoaka iny. Ny lalan’izy roa koa, misosa satria ny rehetra andeha hody mivoaka ny tanàna, izy roa miverina hiditra ny renivohitra. Teny an-dalana dia nandeha ny resaka ny amin’ity Alexia tsy maintsy mody aloha any an-trano, indrindra moa tsy afaka matory any amin’i Hery mihitsy. Taorian’ilay nidiran’i Malala tany amin’ny hopitaly sy nahafatesan-dRamatoa Ramiahary dia niova be ny fiainan-dRatrema mianakavy. Niha-entitra izy amin’ireto zanany.
Raha ny tena tian’i Alexia dia ny hanatitra an’i Hery aloha vao mody, nefa ity andro efa miha-maizina ka tsy maintsy ny any aminy aloha no novonjena, avy eo i Hery mandray fiarakaretsaka mody.
Nampidirina ny tokontany ny fiara dia niara-niditra ny trano izy roa, faly ery sady mifampitantana aok’izany.
- "Mandrosoa aloha dia mipetrapetraha: misy zavatra tiako homena anao fa any ambony ilay izy," hoy i Alexia.
-" ann aann annnnn ! tena efa maizina ny andro fa tsy aleo aho aloha handeha!"
Tsy nohainoin’i Alex akory i Hery fa tonga izy dia niakatra. Kanjo, iny Malala nijaikojaiko moramora avy any ambony, hay raha nahare ny fiara niditra sy nahita an’i Hery nitantana an’i Alexia teo izy dia nitsangana avy hatrany naka ity zavatra kely mifono efa nomaniny homena ity vinantony no sady olontiany rahateo.
Nitsikitsiky fotsiny i Alexia nahita an-dreniny sady mampidoladola ny lohany. Nandrasany tsara i Alexia tafiditra tany an’efitranony dia natolony an’i Hery ilay zavatra mifono.
- "Inona indray ity," hoy i Hery tamin’i Malala.
- "shhhhut ! sady nataon’i Malala teo amin’ny molony ny fanondrony."
Misy taratasiko any dia vakio tsara, sady niteny tamin’ny teny malefaka izy, nampidiriny tao anaty kitapo kelin’i Hery ilay zavatra.
- "fa maninona ianao e ! marary angaha? " Nisento tokana fotsiny izy.
Injay fa nidina i Alexia, tsy niteny intsony i Malala, ny fanondrony roa no natsindriny ny handriny dia lasa izy nipetraka teo amin’ny seza lava.
- "Ity misy fanomezana kely avy taty amiko," hoy i Alexia, boaty kely efajoro voafono mangirana ilay izy sady misy fatorana. Noraisin’i Alex ilay kitapo teny an-tanan’i Hery dia nosokafany hampidirany ity fanomezana. Nojereny ny tao anatiny, antontan-taratasy vitsy nentin’i Hery avy tany am-piasàna, misy horonan-karona ahitàna zavatra mifono, dia nalainy sady hoy izy, - "inona kay ity ry Hery ? "
Nivandravandra be i Malala tetsy amin’ny salon, nivaloharika ohatr’izany. I Hery tsy nahita hotenenina. Nidobodoboka ny fony, ny mason’i Alexia no nobanjininy tsara. Tsy dia nahoan'i Alexia anefa izay tao anatin'ilay fonosana ary dia naveriny tao anaty kitapo ilay zavatra. Nifanoroka indray izy roa dia nandeha nanao veloma an’i Malala i Hery. I Malala anefa amin’io mibanjina ny mason’i Hery tsy misy ohatran'izany mba hampitany ny adin-tsaina mahazo azy kanefa tsy nety tody tamin’i Hery mihitsy izay tiany hambara. Raha rahona mandalo miserana tokoa, tsy ampy hanaloka ilay masoandro mibaliaka niainan’izy roa ny tolakandro teo.
Nandray fiarakaretsaka i Hery nody, nisaintsaina lalina ny fahasambarana niainan’izy roa tany Ambatofotsy. Andro iray tsy ho hadinony amin’ny fiainany iny andro iny. Na dia efa maizina aza ny andro tamin'izay dia toa masoandro mibaliaka no namiratra tao an-tsainy.
Tsaroany ery i Alexia mijoro eo anoloany, ny hafanàna amin’io mamely, sary miraikitra amin’ny masony ny hatsaran-tarehy, ny volo lava any an-damosina, ny tratra lafatra tsy misy toa azy. Raha nisy anjely teto an-tany hoy izy tany antsainy tany dia tsy azo lavina fa i Alexia anisany. "Nahazo letsy ialahy RaHery," hoy izy, iza eto amin’ny tanàna no tsy te-hahazo an’iny sipa iny na ny mitovitovy aminy fotsiny aza ! Nanofinofy teo izy, kanjo, nisy fiara 4x4 nandefa ny jiro mahajambena tamin’ity fiara-karetsaka kely. Ni-klaxon ilay mpamily sady nanapipika ny jirony izay tsy nahaovoka akory fa tafajanona mihitsy. Natorak’i Hery teny amin’ny sisin-dalana ny masony, taitra tamin’ilay nofinofiny teo izy, nandalo tampoka taminy ny sarin’i Malala ilay fotsy hatsatra teo. Nalainy ilay kitapo keliny dia nojereny, tsy azony an-tsaina mihitsy hoe inona ity, sao dia misy manjo an’i Malala ary, ka tsy tiany ho fantatry ny ao an-trano. Tsy andriny izay nahatongavany tao aminy. Tonga izy dia niakatra tany amin’ny efitranony. Valopy iray sy lamba mifono taratasy hafa ny tao. Nisokafany kanjo...
Nivoaka tao ilay silipiny efa tsy hitany izay ela izay, tsy adinony akory iny resaka iny fa nodiany tsy fantatra fotsiny. Nandalo niserana tao an-tsainy ny enim-bolana lasa, nampikorontana ny sainy indray ity zavatra-mitranga ity.
Nosokafany ilay taratasy, teny vitsy monja ny tao :
« Hery, miady mafy ny saiko fa tratrako Ratrema nampirafy ahy,
kely loatra ny aiko ».
Soratra tahaka izay no hany tao dia nampiova tanteraka ny fara-vodilanitra manga nofinofin’i Hery teo, toa nilentika tampoka ilay masoandro, nangatsiaka, nodimbiasan’ny rahona matevina. " Inona ity, ahoana indray no ataoko ?"
Noraisiny ny finday, hay adinony ny namelona azy hatrany Ambatofotsy. Novelominy dia niantso an’i Malala izy !
- "Allo ! Malala, maninona ianao izao. "
- " Hery, tsy afaka miteny mafy aho fa marary be daholo ny vatako iray manontolo. "
Tsy nahatanty ilay fihetsik’i Alexia teo tokoa ny anao vavy ka niakatra tany ambony niverina natory. Niandry izay higadonan-dRatrema fotsiny sisa; I Cynthia koa tamin'io fotoana io nitomany foana nefa tsy nety nampinonoana. Izy rahateo tsy manana aina intsony. Ny saina mety ihany, fa ny vatany no torovana tanteraka.
- "Hery an ! miverena aty fa mila anao aho ! "
Tsy hitan’i Hery izay hatao, noraisiny ny akanjo mafàna, niteny tamin-dry Dadabe fa tsy maintsy misy alehany any amin-dry Alexia dia nihazakazaka namonjy nivoaka ny arabe izy hitady fiarakaretsaka. Tsy nandry intsony ny sainy fa nieritreritra an’i Malala sy izay nahazo azy izy teny an-dalana.
Fotoana elaela taorian’ny nandehanan’i Hery vao nigadona teo am-bavahady ny fiaran-dRatrema. Tao anatin’izay no niantsoan’i Hery an’i Malala teo.
Niditra tao an-trano ilay raim-pianakaviana, avy dia nipetraka teo ambony seza namelona ny fahitalavitra. Ren’i alexia ny fahatongavan-drainy, sady hitany rahateo koa ny fiara avy teny am-baravaran-keliny. Nidina izy, falifaly ery, nanoroka an-dRainy.
- " Papa, tsara ve ny tontolo andronao androany ?" Nojeren-dRatrema tsara ity zanany.
- "Han, falifaly indray ange izany zanako izany e ! Tsy androany moa ilay noteneninao ahy tamin’ny zoma fa hivoaka kely ny renivohitra hiaraka amin’i Hery ? Tsy naninona ny fiara an, faly aho rehefa miramirana tahaka izao ity zanako ity."
- "Ie ! sady tena nahafinaritra, tany Ambatofotsy izahay roa, nilalao rano. Amin’ny manaraka isika rehetra angamba mankany, sady nipetraka izy no nitositosy teo amin-drainy teo, tahaka ireny zazavavy kely ireny.
Mahagaga tokoa fa tena miray fo sy saina mihitsy izy mianaka, mety ahatsiarovan-dRatrema an’i Vololona koa angamba i Alexia, indrindra izy izao efa mandia ny fahatanorany izao.
- "Fa aiza ny ankizy kely ? te hahita azy aho izany."
Nitsangana i Ratrema, dia niakatra tany ambony, nojereny aloha ny efitr’i Toky, tsy nisy olona tao, nanantena an’i Malala izy hoe mitaiza an’i Cynthia tao amin’ilay efitra vaovao, mbola tsy tao ihany koa.
- "Malala an !" sady nankany amin’ny efitranony izy.
Hitany teo i Toky kely matory aok’izany eo ambony fandriana sady eo akaikin’ny reniny. I Cynthia koa eo amin’ilay berceau fatoriany taitra sady manomboka mikenfonkefona. Nanatona azy izy dia noraisiny notrotroiny. Taitra tamin’ny fahatongavan-dRatrema i Cynhtia ka niverina nitomany indray.
I Malala amin’izay manome lamosina tsy nahateny tsy nahavolana, sady mibonoka ity lamba matevina nefa ny andro nivaivay aok’izany tamin’ny atoandro teo.
Nipetraka teo ambony fandriana Ratrema, ny zaza amin’io eny an-tanana ihany sady mitomany izay tsy izy. Ny reniny toa tsy taitra akory fa maninona angaha ?
- "Malala an!" hoy indray Ratrema, "mitomany ange ity zaza ity e!" Sady nokitihany ny vadiny hanaitra azy. Vao mainka anefa i Malala nihodina indray ka ny lamosiny no nataony ambony no nafeniny tao anaty ondana ny lohany.
- "Fa maninona ianao e?" Noritin-dRatrema tamin’ny tanany ilany ny lamba ka indro ny vadiny hitany fotsy hatsatra, malemilemy tsy nahasintona intsony ilay lamba. Ny sainy torovana tsy nahavita intsony izay tetika hamaliany faty an-dRatrema. Hany heriny dia nihodina tsimoramora, nandatsaka ny ranomasony sady nifokofoko.
Taitra koa i Toky sady tonga dia nitomany nahare an-jandriny. Tsy hitan-dRatrema izay hatao, nikoropaka izy, natsoiny i Alexia hiakatra hampangina an’i Toky no hitondra azy hijery fahitalavitra any ambany. Nantsoiny koa ilay mpanampy mpitaiza hanome biberon an’i Cynthia any amin’ny efitranony dia niverina teo amin’i Malala izy.
- "Malala, malala an ! maninona izany havako izany e?" Vao mainka nidradradradra nitomany i Malalatiana. Niezaka ny hanakifika ny tanan-dRatrema fa tsy nahavita intsony. Tomany eran’ny trano, ny zazakely angamba misy maharary azy fa tsy nijanona nitomany na dia nanao izay azony natao aza ilay mpanampy, i Toky raha vao misy mitomany dia iny koa lery manampy trotraka, sahirana ery Alexia mitaiza azy, Rafotsy ao ambony midradradradra aok’izany tsy laitra hampanginina.
Noraisin-Dratrema izy dia natohony tamin’ny tratrany, reny fa tena mafàna be ny lohan’ity vadiny, nosafosafoiny mora teo.
- "Malala an! aok’izay izany havako izany
- "fa misy inona ary ato ? dia ho sanatria ve ho fantatr’i Malala ny nataonay sy Corine tany am-piasàna, tsy mino izany aho, tsy misy mahalala mihitsy izay ataoko ao anaty birao, sao dia ilay Corine iny ary no nanao menace an’i Malala ? aza hitako," hoy Ratrema tany an-tsainy tany.
Noraisiny ny telefaona, niantso dokotera izy, dokotera efa mahazatra ny fianakaviana izy io, ary antsoina rehefa misy marary ato an-trano. Nazavain-dRatrema teo izay zava-mitranga. Naka fitsapàna hafanana izy avy eo, dia nandrotsaka fanafody anaty rano fa izay no nafaran’ilay dokotera mandra-pahatongany. Tena marary mafy ity vadiko ity, hoy izy, aleo aloha ho tonga i Dokotera dia ampidirina hopitaly indray fa sao dia hanahirana eto. Taitra izy nahita ny hafanàn’i Malala, tena loza ity. Efa nanomboka nitonitony i Malala tamin’izay fa tsy nitomany intsony, tsy nisy sahy niresaka, lasalasa saina i Ratrema amin’ity zavatra mitranga, efa narary ary i Malala ka tsy niantso ahy, fa maninona ary ?
Roapolo minitra taorian’izay vao tonga ny dokotera, hay niaraka niditra taminy tao koa i Hery.
- " Oay, tonga niverina ny malalako," hoy i Alexia, nanoroka ery, i Toky amin’io velon-tsiky indray nahita an’i Hery sady nanomboka nibitabitaka.
- " Faly ery izy izany nahita anao, izaho teto tena sahirana mihitsy nampangina azy, sady nomeny an’i Hery hotrotroiny i Toky.
- "Fa maninona i Malala ry Alex fa nantsoiny aho teo, marary hono izy ?"
- "Nitomany be izy teo, tsy haiko fa tena fotsy hatsatra be aloha tamin’izaho nandalo tao. Efa iny ny dokotera niakatra ao aminy ao, aleo aloa isika miandry aty fa tsy hitany eo ve izay tokony hatao?"
Adinodinon’i Hery izay zavatra nitranga, ity zanany faly ery eny an-trotroany no nahafinaritra azy. " Dray letsy ialahy ry Toky hoy izy aneritreritra, tena misy itovizana be amiko hono ialahy?" ity zazakely amin’io faly ery manafosafo ny lohan'ity "rainy" nitrotro azy . Dia variana teo izy telo mianaka.
Tany ambony kosa tamin’io…
Nanazava Ratrema fa 40°5 ny hafanan’i Malala teo ; vao hitan’ny dokotera ilay marary dia nojereny ny aty vavany,
- "Tena décalcifiée be mihitsy ny vadinao ry Ingahy Ratrema, raha izao fahitako azy izao, sady nojereny ny hohon’i Malala, tsy maintsy mitsindrona haingana, efa nitondra aho aty. Mampinono moa izy io ? Sao dia nisy zavatra nanaitra azy ary androany." Sady naka ny fitaovana fanindromana ihany izy. Reny koa i Cynthia mbola mitomany ao amin’ny efitra ilany ;
- "Ilay zanakareo angaha izany," hoy indray izy, "aleo aloha ho vitako ity dia mijery azy isika. Sao dia taitra tampoka ianao Ramatoa androany, sao dia nisy fiara saika handona anao teny an-dalana?"
Tsy nahateny mihitsy i Malala fa ny masony no natsirempirempiny fa nahatsiaro naharary azy ilay tsindrona.
Aleo aloha izy haka aina tsara, ireto no fanafody tsy maintsy vidianareo izao, any amin’ny farmasia mpiandry raharaha, dia nanoratra izy.
- "andao ary jerena izao zazakely mitomany izao, nivadika tao an’efitra izy dia noraisiny ilay zaza efa tora-kelin’ny tomany ; novahany ny akanjony, nojereny ny atin’akanjony, somary taitra kely izy, nangatahany ilay mpanampy raha mbola hitany ny lamban-jaza fanary teo alohan’io.
- "Andana jereo," hoy Ratrema, dia nidina ilay Ramatoa nitady ilay lamba efa nariany teo. Afaka kelikely, maharary kibo be ity zaza ity, raha izao no fandehany dia nivadi-nono ny reniny, mino mihitsy aho nisy nahataitra azy tampoka tany ho any, asa efa tamin’ny maraina angamba, tsy fantapantatrao ve ?"
- "Toneo tsara ny fon’ny vadinao ry Ingahy Ratrema, mila maka aina be mihitsy izy, mila entina maka rivotra kely koa any ambanivohitra any aza.
Naka tatatasy vaovao indray izy dia nanoratra izay fanafody tokony ho an’i Cynthia sy ny momba izay tokony hampiasàna azy. Efa dokoteran-dry zareo izy io,efa ho 5 taona izay, manana fahaizana manokana momba ny reny sy ny zaza rahateo, ka izy foana no manara-maso an’i Toky, ary amin’izao dia i Cynthia indray.
Gaga i Ratrema, vita izay rehetra izay, dia nidina ry zareo,
- "Rahampitso aho," hoy ilay Dokotera, "tsy maintsy miverina, inoako fa miasa haingana ilay tsindrona teo, rehefa atosiky ny fanafody hafa koa iny dia hiafana haingana ny vadinao. Tandremo fotsiny izy, tsy hampinono aloha fa …"
Vao tafidina tany ambany anefa dia nahita an’i Hery Ratrema, nivandravandra aok’izany mahita an’ity vinantony mitrotro an-janany. Navelany nandeha ilay Dokotera dia niverina izy.
Mody tony aloha, vao niteny tampoka,
- "Tsy efa niteny ve aho fa tsy mahazo mankaty ialahy raha vao alina toy izao, sady nanomboka nitrerona izy. Ialahy an ! rahefa izay dia izay, maninona aty koa ialahy io ? Tsy manana lava-trano hatoriana angaha?"
- " Azafady indrindra ry Papa fa.." sady nosintomin’i Alexia ny rainy, "Papa an, nantsoin’i Neny ange izy hono teo e, ary aza mampiaka-peo fa misy marary ange eto e!"
Na reraka aza i Malala tany ambony dia reny ihany ilay trerona nataon-dRatrema teo, azony an-tsaina fa tonga i Hery. Nitomany indray izy.
- "Hijery an’i Malala mihitsy no nahatongavako aty amin’izao alina izao. Izy mihitsy no niantso ahy, efa ho antsasak’adiny izay ; aleo aho hiakatra hijery azy.
Tezitra i Ratrema fa tsy nahavita nanainga tanana akory, ny zanany vavy etsy, misarangotra aminy mba hampitony ny fahatezerany.
Lasa i Hery niakatra, i Toky mbola trotroiny ihany; niditra tao amin’ny efitrano, nalahelo kely izy nahita an’i Malala fotsy hatsatra matory eo ambony fandriana.
Nipetraka izy, navelany handehandeha i Toky kely, noraisiny ny tanan’i Malala, azony an-tsaina sahady ny tebiteby mahazo ity renin-janany. Ny mason’i Malala sisa no natopiny teny amin’I Hery hilazany izay manjo sy mampiady mafy ny sainy.
Afaka kelikely dia niteny mora dia mora izy :
- "Hery an ! nivadi-nono hono aho," hoy ilay dokotera teo.
Tsy niteny intsony izy roa, fa ny safosafon’ny tanana no natao hampitony ity marary.
Niakatra moramora i Alexia, narahin-dRatrema tao aoriana, nony niditra izy ireo, niverina indray ny fivandravandrana be ! Tsy hitan’i Alexia izay hatao, i Malala etsy mampikimpy ny masony fotsiny, tsy te-hahita izay zavatra hitranga indray.
Tsy nahatony fo intsony i Hery dia nitsangana :
- "Ianao ihany Rangahy ity no nahatonga izao an!" Sady natsipiny teny amin-dRatrema ilay taratasy kely avy tany amin’i Malala.
Taitra i Ratrema, novakiany ilay taratasy kely. Romotra ny anao lahy, nalatsany tamin’ny tany ilay taratasy dia nisintona an’i Hery izy sady noraisiny ny vozon’akanjony.
- "Iza no miteny an’ialahy mba hiditra amin’ny fiainan-tokantranoko. Tsy anjaran’ialahy ny aty, any amin’ialahy ialahy manatsipitsipy izay tian’ialahy hatsipy fa tsy aty amiko velively. Lehilahy tsy vanona, adinon’ialahy angaha ny nataon’ialahy hatramin’izay; Ny zanako no potipotehin’ialahy tahaka izao. Hahalala an-dRatrema ialahy anio."
Niakatra ny feo, izy mianaka vehivavy etsy mitomany, ilay taratasy efa nalain’i Alexia sady efa novakiany, niverina indray ny tomany, ny dardradradra, ren’ny mpanampy rehetra tany ambany izay nitranga.
Nanalan-dRatrema ny fony teo aloha i Hery, ity farany tsy nahita hotenenina intsony fa nangina aloha.
Asa tokoa, nahatsiaro ho diso ihany angamba Ratrema ka napetrany ihany i Hery fa tsy nokitihany akory. Nafàna ny fony, naleony nidina tany ambany, nanaovany ny akanjony avy niasa teo, nakarapony ny varavarana dia lasa izy namelona ny fiarany. Klaxon nanaitra ny manodidina no niantsoany ilay mpiambina ny tanàna hivoahany. Nigika aok’izany ny fiaingan’ilay 4x4 teo amin’ny arabe. Tsy hita intsony izay hatao, izy mianaka etsy mitomany izay tsy izy, very hevitra amin’izay tokony hatao.
| « | Febroary 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | |