Raha dia sahirana tamin’ny nahazo azy tany Mahajanga i Hery, Ratrema kosa aty Antananarivo somokotra aok’izany miezaka mafy ny miavo-tena hanarenana ny orinasany. Tsy natory andro izy, tsy natory alina. Nivezivezy nanatona izay olom-pantany rehetra. Nifampiantso an-telefaona. Nitady hevitra hanarenana ny eo am-pelatanany.
Manakaiky ny Krismasy, ny taona efa hifarana. Tsy azo atao hoe mandeha, nefa tsy azo atao hoe mihisatra ihany koa ny varotra. Ny kely izay tombony ho lany hanefaina ny karama fahateloambinifolo volan’ny mpiasa. Very hevitra izy. Ny fananana efa lany tamin’ny fandoavana ny hetra. Tampoka taminy koa iny resaka iny ary ny loza dia tamin’ny fotoana tsy naha-teo azy no niantombohany. Tsy afaka ny hanome tsiny na iza na iza anefa izy. Na ireo mpitantana nametrahany fitokisana aza tsy afa-nanoatra noho ny antony maro tsy niafina taminy hatramin’izay.
Dia ahoana ny hilazàna amin-dry Malala sy Alexia hoe namidy tampoka ny trano tao Ivandry. Asa tokoa, fa raha mbola misy koa ny farany dia tsy ho foana akory ny fanantenako, hoy Ratrema tany anatiny tany. Mbola manana telo volana aho ary raha tratrako ao anatin’ny telo volana ny mamerina ny vola naloan’ilay namako nividy ny trano, miampy ny zana-bola efa nifanarahanay dia miverina amiko ihany izy io. Asa anefa, apetraka amin’Andriamanitra ny ho avy hoy izy nanohy ny teny ireriny anakampo.
Nisy hevitra nitsiry tampoka anefa tonga tao antsaina ary avy hatrany izy dia nandray ny findainy:
- “Allo ! …..Corine?”
- “Ratrema! Inona ny vaovao. Elaela indray ialahy tsy niantso ahy an! Ka ahoana ?”
- “Tss ! sahirana e! Fantatrao angamba fa tsy maintsy nandao tanindrazana kely aho teo fa narary mafy nalefa any Frantsa ilay vavimatoa.”
- “Dia nanao ahoana? ialahy letsy tsy niantso ahy mihitsy,” sady nanao feo niangoty ilay ramatoa.
-“Tsy maintsy nandeha aho ..., efa vita ny fandidiana sady mbola any ny reniny. Fa na izany aza…” Nisento tokana Ratrema… “sshhh”
-“Fa na izany aza ahoana Ratrema an! ialahy koa… Sao dia resaka tsy vita an-telefaona izany. Aleo mihitsy aho ho any amin’ialahy. Tsy mbola any Ankorondrano ialahy io?”
- “Ie ! izay mihitsy, tongava fa tsy vita eto ny resaka tiako hatao aminao.”
- “Resaka momba ny inona aloha e! sao dia adim-pianakaviana fa ialahy ange izao efa ho iray volana sy tapany tsy niantso ahy intsony, taorian’ilay isika nananona be iny e! Fa angaha tena nihitatra be tsy azo nalamina?”
-“Tss ! ianao koa ! tsy maninona ho’aho fa tongava fotsiny aty.”
- “ Eny ary e ! ho avy any aho izao dia izao fa aza matahotra.”
Tsy hitan-dRatrema intsony izay azony natao, i Corine angamba no fanantenana mety ahitany vahaolana amin’izao mianjady aminy izao. Fantany tsara ny fomba fiharian’i Corine, vehivavy mahay manao afera ikoizana ary tena sahisahy manao zavatra. Tena hainy ny mandangolango ary anisan’ny babony tamin’izany i Ratrema tamin’ny fotoana tsy nampoiziny.
Loza koa iny resaka iny, zara aza voalamina fa raha tsy izany, hoy i Ratrema toa miteny irery anaty nony avy eo. Atao ahoana fa mijinja izay nafafiny avokoa ny rehetra. Ity tokoa hoy izy no tonga amin’ilay fitenenana hoe « izay mamafy rivotra hijinja tadio». Tsy maintsy mitraka anefa aho, hoy ihany izy nankahery tena fa ny fiainana tsy maintsy mitohy. Olombelona mandia tany aho ary tsy maintsy solafaka fa ny fihezahako mitraka ary mibanjina ny ho avy no fanoitra lehibe hoentiko misedra izao fahasahiranana goavana mianjady amiko izao.
Tsy ela taorian’izay, Naneno ny telefona teo anoloan'i Ratrema. Tsy iza akory no niantso tao fa i Mme Sahondra, mpitan-tsoratrany ihany nilaza fa efa tonga ao i Mme Corine. - " Ampandrosoy avy hatrany izy" hoy i Ratrema dondona ery. Tsy ampy iray minitra monja taorian'izay, injay fa nisy nandondona tao am-baravarana. Nitsangana izy namoha ary indro i Corine mitsiky sady nanolo-tanana azy.
- “Mandrosoa!” hoy Ratrema sady nifanolotra takolaka teo izy ireo dia niditra tao amin'ny biraony.
Akanjo mihaja sady raitra no nanaovan’i Corine, tena manendrika azy tanteraka. Vehivavy bikana sy tsara tarehy koa moa izy ka dia tena nahafinaritra ny nitombana azy. Ananany rahateo ny vola ka azony avokoa izay karazan’akanjo lafo vidy tiany ho vidiana. Manginy fotsiny ny fandehanana miampita ranomasina sy ny fanamboarana tarehy. Mora aminy ny maka izay tiany halaina sy misarika izay tiany hanaraka azy.
Nakaton’i Ratrema ny varavarana ary dia samy naka toerana izy ireo.
- “Dia ahoana letsy Ratrema ! Inona indray izao olana tsy hain’ialahy vahàna izao e!”
- “Sshhh ! Tena olana goavana, ary tsy resaka ara-pianakaviana araka ny noheverinao azy teo!”
- “Olana inona ary izany e!”
- “Banky ry Corine ny orinasako an! Voatery tsy maintsy namidiko ny fanananako, resaka Bianco no niantombohany. Lasa tsy ampy intsony ny vola hanakaramàna ny mpiasa nefa ny andro ity efa akaiky Krismasy.”
- “Le aza! Efa nampitandrina an’ialahy aho ange letsy tamin’io resaka io e! Fa ialahy nihevitra fa akaiky ny filoham-pirenena nefa mila mitandrina fa tsy afaka hanavotra an’ialahy izy raha vao tratra eo.”
- “Olana goavana le izy ry Corine an! Ny ankizy izao tsy misy mahalala akory fa efa namidiko ny trano tany Ivandry. Dia tsy maintsy hiditra eo amin’izay ny resaka olana ara-pianakaviana.”
- “Dia inona letsy no azoko atao amin’izany?”
- “Niantso anao aho fa misy mangirana kely ihany araka ny nieritreretako azy. Manana telo volana aho mantsy hamerenako ny volan’ilay olona nividy ny tranonay. I Rafenomanana letsy ilay izy an! Tsy ny tontalin’ny vidin-trano rehetra anefa no nomeny fa izay tena nilaiko ihany, izy koa mbola tsy ampy ny tany aminy. Ka raha toa ka voaveriko alohan’izay ny vola rehetra sy ny zanabola dia ho avotro ihany ny tranoko. Izay no nahatonga ahy tsy nilaza tamin-dry Malala aloha.”
- “Gaigy be izany an, nefa misy mahamarina azy ihany ny an’ialahy. Fa na izany aza, ny trano nahalehibeazana ny ankizy letsy tsy fanao mihitsy ny mivarotra azy raha tsy ifampieràna an!”
- “Ka izay ilay afera eh! Rehefa tratra dia manefa. I Alexia moa amin’izao mbola marary any an-dafy ka tsy sahy manakotaba an’dry zareo amin’ity resaka ity mihitsy aho aloha amin’izao fa sao dia vao maika hanahirana eo.”
Gina samy tsy nisy nahateny aloha izy roa nandritra ny fotoana vitsy. Toa samy miady saina lalina amin’izay hevitra tokony hatao. Ny tanan-dRatrema no nalefany nankany aoriana hanotra ny hatony. Nahita izany i Corine dia nitsangana koa, niodina nanatona azy sady nanampy otra malefaka ny sorony.
Naka aina Ratrema. Tsaroany fa raha i Malala no nanao azy tahaka izao dia mety hampitony bebe kokoa ny fanaintainany. Any amin’ny amanarivorivony kilometatra any anefa no misy ilay Malalany. Tsapany ny hafanan’ny tarehin’i Corine manatona ny lohany, manoroka ny tarehiny. Ary avy ao aoriana ao manakatra ny molony. Somary niala kely izy.
- “Corine an ! tena miala tsiny aho fa tsy amin’izany intsony ny saiko ! Aza tsiny re fa mety hanahirana indray e!”
- “Ratrema an ! izaho tonga eto hanala izay sorisorim-piainana mianjady amin’ialahy na dia amin’ny ampahany fotsiny aza.” Tahaka ny notazominy ny lohan-dRatrema dia notakariny moramora ny molony. Ny tanany roa midiny hatrany hanafosafo ny tratrany…
Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)
Na dia naniry ny handeha ho any Mahajanga mihitsy aza i Tahiana, hamonjy an’i Hery hitantaràny ny resaka nifanaovan’izy sy Malala. Dia ilay olon-kafa no voatery nandeha satria mbola misy asa izay tsy azony navela koa. Nalahelo izy fa naniry loatra ny hahita an’i Hery. Ny nahagaga anefa dia tsy sahy nanambara mihitsy tamin’i Lala ny nataon’izy roa izy, eny fa na dia ny nanavotany an’i Hery teny Ivato aza. Zava-dehibe loatra taminy anefa ny zava- niseho nandritra izay fotoana tsy naha-teto an-toerana an-dRatrema mianakavy izay ary tiany hijanona ho tsiambaratelo ho azy sy Hery samy irery.
Vao nigadona tany an-trano izy dia…, injay fa naneno ny findainy.
- “Allo Tahiana!”
- “Lala ! Manao ahoana indry?”
- “Tsara ka, tsy maninona mihitsy izahay aty, hatramin’izao aloha dia mbola mahazaka ny hatsiaka izy mianadahy kely. Tsy misy atahorana. Ary tsy dia entiko mivoaka ny trano loatra.”
- “Ary nanao ahoana anefa i Alexia?”
- “Efa mandroso miha-tsara koa izy ka. Mampisaotra an’Andriamanitra mihitsy.”
- “Hay, tsara izany!”
- “Eto aho akia vao mahatsiaro. Tamin’izaho ilay narary ilay nivadi-nono iny, tadidin-dry moa? Ny nahafantaran-dry hoe narary aho moa tsy i Hery ve? Tena hadinoko tokoa fa hay moa isika nifanena teny Ivato talohan’ny nandehananay. Dia tonga teny koa i Hery fa tena naharikoriko be ahy. Mamo, sady nila ady tamin-dRatrema. Noraofin’ny polisy izy avy eo. Nahita iny ve ndry?”
Nisalasala kely i Tahiana, tsy nahateny. Tiany tsy ho fantatr’i Malala ny fifaneraseran’izy sy Hery.
- “an ! Tsy hitako aloha e! tsy nahatsikaritra izay aho, sady vao nisaraka teo ange isika dia lasa aho tamin’iny e ! Fa maninona akia?”
- “Tsy haiko akia fa toa malahelo azy aho an! Tsy haiko mihitsy hoe maninona. Isaky ny manao firaisana aho na manafosafo ny tenako dia ohatran’ny tsy mahazo aina raha tsy mieritreritra azy, mieritreritra ny nataonay roa.
- “izany an!” hoy i Tahiana nihomehy.
- “Aza ihomehezan-dry aho fa tena izany mihitsy. Amiko akia ny fahitako ny atao hoe lehilahy « sexy » dia tahaka an’i Hery an ! Vao mahita azy fotsiny aho hatramin’ny voalohany dia te-hanao be taminy. Ohatran’ny miontana izany daholo ny any anatiko rehetra any te hitady azy. Ary rehefa tonga eo am-pandriana indry miaraka aminy dia tsy mahatsiaro izay ambonin’ny tany intsony fa tahaka ny mitsingevaeva eny amin’ny rahona sy ny habakabaka.
- “Ka izy koa ange soavaly voafantina e! Bandy ohatran’iny ve akia!”
- “Soavaly voafantina ahoana izany?”
- « Etalon » akia an! Ndry koa tsy mahazo resaka.
- “Marina izany!”
- “Fa izany eo ihany fa maninona anefa izy raha antsoin-dry e! angaha tsy ananandry ny laharan’ny findainy?”
- “Ka eo indrindra no tena olako. Tsy fantatro intsony izay nanjo azy, mety nogadrain’ny polisy angamba izy, na koa nivarilavo niboboka toaka. Tsy haiko intsony e! Matahotra koa aho ny hiantso azy. Vao miezaka ny mamerina ny laharany fotsiny aho dia efa midobodoboka ny foko. Manginy fotsiny raha sendra tafiditra famelan-kafatra eo dia hitaintaina tsy misy ohatr’izany. Ary indrindra moa fa raha sendra ny hoe « tsy miasa intsony io laharana io» dia hivadi-po eo indray aho. Rain-janako ange iny ry Tahiana e! Ary izahay rehetra ange sisa no mba azony ianteherana ! Ny raibeny sy ny renibeny any ambanivohitra lavitra any, tsy mahalala izay nataony any Antananarivo any akory. Ary ny tena loza dia Ratrema tsy te-hierika azy intsony
- “Dia ahoana nefa hoy i Alexia?”, hoy ihany i Tahiana manatsafa.
- “Misy tsy mazava amiko amin’izy roa! Tamin’i Alexia notsaboina tany amin’ny hopitaly, nitady foana an’i Hery. Izao indray izy anefa nilaza fa hijanona aty fa tsy hody intsony, hanohy fianarana. Ny fifankatiavan’izy roa sisa no mba hianteherako hahitàna an’i Hery. Tena miangavy aho akia an ! Raha mba sendra hitan-dry izy dia ilazao aho, ity ny azon-dry iantsoana ahy. Tena malahelo ange akia e ! Ary tsy malahelo fe malahelo fotsiny fa tena misy filàna tsy haiko tanana intsony.”
- “ Fa angaha indry tsy mahita hanaovana any e!”
- “Misy bandikely izay akia aty fa mbola votsavotsa be izy an ! Kilometatra maromaro no mbola hodinganiny vao tody amin’ny fahaizan’i Hery izy. Izaho aza mbola mampianatra azy. Nihevitra aho fa mba hanadinoako ny sorisoriko amin’i Hery no niarahako taminy, nefa vao mainka aza malahelo ilay tiako aho.”
- “ Dia inona anefa no tiandry lazaiko aminy raha hitako tampoka izy. Azoko atao ange ny mitady azy any am-piasàny e!”
- “Ilazao fotsiny izy fa malahelo mafy azy i Malala. Dia ampiasao ny fahaizan-dry mandangolango azy fa tsy ho resin-dry lahatra eo ve izy e! Dia mitandrema fa mitaintaina fatratra aho amin’izay niafaràny. Raha sendra hitan-dry izy nefa efa potika tanteraka na sanatria namono tena, tsy fantatro e! dia mba ilazao moramora aho fa aza tonga dia tairina. Izay Tahiana an!”
- “Eny ary e! tsy dia afaka hampanantena be aho fa ezahiko aloha ny hitady azy ao amin’ny orinasany; dia hitako eo. Izay ! Veloma ary Malala an ! Bisous be!”
...
Aza matahotra indry ry Malala fa azoko amin’ny fahalemen-dry amin’izay indry androany. Tanteraka eto amin’izay ny valifaty ataoko amin-dry. Ary efa am-polontaonany izay no niandrasako izao. Nandefitra foana aho fa ho hitan-dry amin’izay ny hijinja izay nataon-dry.
Valifaty tahak’izany no nisesika tao an-tsain’i Tahiana, ho vitany ve, ahoana no hanatanterahany ny sitrapony? vitany ve ny hampisaraka tanteraka an’i Hery amin’ny fianakavian-dRatrema. Hitako eo izay hataoko rahampitso, fa aleo aloha aho hatory hoy izy fa ny alina tsinona hono mitondra fisainana.
Noraisiny indray ny findainy. Nosokafany ny bokin-daharana tao dia nalefany ny antso. Natohony tamin’ny sofiny ny finday : naharitra elaela kely vao nisy nandray.
- “allo!”
- “allo!”
- “Hery? i Tahiana ihany.”
- “Tena miandry ny antsonao mihitsy aho io. Loza fa tena tratry fahasahiranana lehibe mihitsy aho. Efa niala any Tanà angaha ianao io?”
- “Fa ahoana?”
- “Rehefa tonga aty ianao dia miresaka tsara isika fa manahirana be ny mahazo ahy.”
- “Tena miala tsiny ry Hery fa olon-kafa no nirahin’ny farmasia nankany, fa izaho tsy maintsy mijanona.”
- “Tssss ! dia mbola manirery aty aho izany ! inona ary izao no hataoko?”
- “Fa ahoana ry Hery an!”
- “Aty amin’ny hopitaly aho izao! mbo…. Krkrrrr krrrk…..kkrrr “
- “Allo ! Hery ? allo…. ! kkrrr kkrr ppîîîîîp.”
Tapaka ny antso. Fa nisy inona. Naverin’i Tahiana indray. Tsy nahazo intsony. Fa ahoana? Vaky ny sainy ary taitra tampoka izy. Any amin’ny hopitaly i Hery! toa nisendoatra be ny fahenoany azy. Loza izany ! hoy izy fa misy inona ary?
---------------------
- “Fa aiza i Neny no tsy mbola tonga foana ry Profesora Mahefa? Isan’andro izy amin’ny 10 ora maraina fara fahatarany dia efa tonga mamangy ahy aty. Izao anefa jereo efa amin’ny 1 ora antoandro. Sao mba diso làlana ary izy ka very any. Ny laharan’ny findainy tsy mba nomeny akory, izy koa anefa tsy miantso.”
- “Aza manahy ianao Alexia a! Izaho niserana tany an-trano naka akanjo io maraina io dia tena mbola natory mihitsy izy. Izaho aza no niangaviany hanatitra ny ankizy.”
- “Fa naninona? Tsy mba fanaony mihitsy izany matory maraina izany, olona faran’izany mavitrika raha i Neny.”
- “Tsy haiko retsy a, mety naditra angamba ny ankizy ny alina tontolo, na koa reraky ny niantsena izy, dia mety nampian’ny hatsiaka ka malaina ny hitsangana eo am-pandriana. Tsy maintsy ho avy eo izy fa aza manahy ianao.”
Somary nangina i Mahefa toa lasa saina izany. Sarotra inoana tokoa ireo mety ho antony notantarainy an’i Alexia ireo. Nefa dia ireo no antony nolazain’i Malala taminy. Tsy mino i Alexia, maika moa fa i Profesora, izay nahatsikaritra trangan-javatra hafahafa raha niserana tany io maraina io? Fa inona tokoa ary no nitranga?
Vao maraina nangirandratsy i Tojo dia efa niainga hamonjy ny fodiany fa mbola hianatra koa avy eo. Maivamaivana ery ny famindrany, ny hatsiaka koa nampavitribitrika azy na dia zara raha nipoizin-tory aza izy. Naharitra ela tokoa ny faharetan’ny lalaon’izy sy i Malala iny alina iny. Avy eo mbola narahina resaka lavabe ifankahalalan’ny roa tonta bebe kokoa. Samy nitantara ny ambangovangom-piainany teo. I Tojo moa tsy dia mbola nisy nivaingana ho tantaraina afa-tsy ny olany teo anivon’ny ray aman-dreniny, ny fahombiazany tamin’ny fianarany, ny karazam-pitadiavam-bola efa nosedrainy. I Malala indray somary nitantara ny tantaran-tokatranony, indrindra indrindra ny amin’i Alexia, Vololona, Ratrema. Nolazainy koa fa i Mahefa no tena rain’i Alexia, saingy ampahafantarina azy izany amin’ny fotoana mahamety azy. Niangavy tamin’i Tojo izy noho izany mba tsy hamoaka izany na amin’iza na amin’iza aloha. I Tojo sy Alexia koa moa tsy mbola nifankafantatra rahateo. Tsy notononiny mihitsy kosa ny anaran’i Hery sy ny momba azy, eny fa na dia amin’ny maha fofombadin’i Alexia azy ihany aza. Tsy nitsangana teo am-pandriana mihitsy i Malala, nasainy nakaton’i Tojo mora fotsiny ny varavarana. Oroka mamy no nifanoloran’izy ireo ho mariky ny mandrapihaona. Dia iny izy nibonoka tanaty lamba mafana, nihodina kely dia renoka.
Mbola tao anaty torimaso tanteraka i Malala no niditra ny trano i Mahefa. Tsy mbola zatra i Malala hoy izy ka adinony ny nanidy ny varavarana, soa ihany fa mihidy ny any amin’ny farany ambany. Nijaikojaiko izy niditra tao andakozia nanao dite. Nino izy fa mbola natory daholo satria na hiakan-jaza iray aza tsy re. Olona faran’izay tia filaminanana raha i Mahefa, hany ka tsikariny avy hatrany ny fisavoritahan’ny seza tao amin’ny trano fihinanana, saingy ankizy moa no ampiantranoiny ka tsy dia nahoany loatra. Nisintona seza iray izy hipetrahany, nisotro ilay dite anomezana hafanana kely ny vatany, no sady nisaina ny mety ho fizotry ny tontolo androny. Somary niondrika ambany ny fijeriny, natopiny kely niankavia avy eo, hitany lambakely dentelle fotsifotsy indry etsy amin’ny tany. Noraisiny, nodinihiny akaiky, toa tsy madio, nohamboloiny, misy fofon-tsiranom-pitiavana. Gaga izy, nefa tsy te hamisavisa izay mety ho nitranga. Lasa nankany anefiny izy avy eo. Vao maika akory ny hatairany nahita an’i Malala nandry tamin’ny farafarany? Taitra koa i Malala fa toa nandindona azy ny fidiran’i Mahefa ny efitra. Sadaikatra avy hatrany izy satria tsaroany tampoka fa ny vatany anaty lamba mihanjaka tanteraka. Hitan’i Mahefa avy hatrany koa ny akanjomandriny eo amorontongom-pandriana. Tsy nanontany i Mahefa, moa i Malala nanesika hoe naditra ny ankizy alina …. I Mahefa koa tsy te hiditra lalina na dia nametra-panontaniana ihany aza izy tany antsainy tany.
Natahotra an’i Mahefa i Malala, fantany loatra ny maha-olon’ny moraly an’i Mahefa. Nanahy tanteraka izy sao ho rava ilay fomba nandraisan’i Mahefa azy hatramin’izay: tia rahavavy, tsara fitondran-tena, nahay nitaiza, fitondran-tena tsara no notahafin’i Alexia. Fantany fa tsy fahamendrehana ihany koa ny nanaovany firaisana tamin’olona teo ambony farafaran’ny Mahefa. Raha fantatry Mahefa hoy izy tany antsainy tany izay olona niaraka tamiko tato de asa fotsiny izay hanjo ahy.
Niangavy an’i Mahefa mba hanatitra ny ankizy izy nony avy eo fa hoe handeha metro hono izy hoany amin’ny hopitaly. Tsaroany ny fahatahoran’i Tojo an’i Mahefa, tsy misy hevitra hoy izy ny amin’i Tojo, mbola tsy lasa lavitra aho. Mbola azoko atao tsara mihitsy ny mihemotra. Nitopy tany amin’i Hery ny sainy, nanao ahoana tokoa izy any? Rehefa niheritreritra kely teo izy dia tapa-kevitra ny hiantso an’i Tahiana hanadihadiany izay nanjo an’i Hery.
- “Allo Tahiana!”
Tadiom-pitiavana (Madagasikara) tadiom_pitiavana@yahoo.fr & Loulou (France) ralouloune@yahoo.fr
Tsy nahateny akory i Hery, zara izy raha nahavoalaza hoe « aty amin’ny hopitaly aho » dia tapaka ilay antso. Nantsoiny indray i Tahiana fa tsy nety azony intsony. Kivikivy ihany izy niverina tao amin’ny efitry ny marary. Ilay findainy rahateo koa ritra herin'aratra ka tsy afaka narehitra intsony.
Very hevitra ny amin’ity nataon’i Mihary izy. Tsy nampoiziny mihitsy ny tahaka izao. Tsy mba malaky kivy izany mihitsy raha i Mihary araka ny fahalalany azy. Izy aza no anisan’ny mpampitraka ny namany, kanefa, dia miova tokoa ve ny toetran’ny olona hoy izy rehefa miha-lehibe. Fa dia naninona loatra ary i Mihary?
Nahatsiaro tena ho diso i Hery, nanenina tanteraka tamin’ny tsy fahatsiarovan-tsainy. Tsy nampoiziny ho tahaka izao ny ho fandehan’ny tantara. Nihevitra izy mantsy fa mbola tahaka ny fisakaizàna tamin’ireo namany fahiny ihany ity indray mitoraka ity, kinanjo…
Lasa saina teo izy niandry an’i Mihary eo am-parafaran’ny hopitaly. Nojereny tsara I Mihary toa tsy mahatsiaro izay manodidina azy. Reraka ny endriny sady toa hatsatra tampoka. Ny tanany havia mitsindrona fanjaitra mitondra ny serôma mitsitaitaika miditra moramora amin'ny vatany.
Eo am-pibanjinana an’i Mihary izy no nandefa tsy nahy ny sainy tamin'ny fahazazany. Tadidiny ny fotoana niarahan'izy sy Mihary nianatra voalohany. Mbola zaza saina tokoa aho tamin’ireny hoy izy. Niditra ny kilasy faharoa, tamin’izay rahateo vao nanomboka niara-nianatra ny lahy sy ny vavy, i Mihary nianatra tany amin-dry Masera foana hatramin’ny naha-kely azy tsinona moa I Hery nianatra tao amin-dry Mompera, dia raikitra tamin’izay ny fifangaroan’ny fianarana; Samy nitondra izay fahaizany avy any avy. Nifandany an-kolaka tamin’ny fahaizana; niady mafy ny ho voalohany. Dia rehefa samy tsy nisy resy sy naharesy dia niray làlana, niaraka tamin’ny fotoana tsy nampoizina. Mody niaraka fa tsy tena niaraka, nefa nampitsiry tampoka ilay afom-pitiavana voalohany tany anatin’ny tsirairay izany.
Toa fotoana nandalo ireny nahavarimbariana azy roa ireny, nisongonan’ny sasany izy ireo, ary samy tsy tonga saina raha tsy efa avy nijery ny valim-panadinana. Dia notapahina teo ilay saika ho doria, ary tsy nisy nifamela ny mamy na koa ny mangidy fa ny hahatafitàna ny bakalorea no natao tanjona. Lasa tany Amerika moa i Mihary nony avy eo nanohy ny fianarany ary izao indray izy roa vao nifankahita.
Raha lasalasa saina teo izy nijery ny lasany, indro fa somary nihetsika kely ny rantsan-tanan’i Mihary, nahita izany i Hery dia noraisiny tsimoramora. Nofeheziny sy nomeny hafanana ilay tanana mangatsiaka saika fefiky ny rano teo.
Tsy niala teo amin’ny tarehin’i Mihary intsony ny masony. Indro nanomboka nitsirempirempy, toa taitra tamin’ny torimasony.
- "…Fa aiza aho izao?"
- "Aty amin’ny hopitaly ianao fa aza mbola miteny mafy aloha Mihary an!"
Tsy niteny i Mihary, ny masony no nahirany nijery ny manodidina. Tsapany ny hafanan’ny tanan’i Hery nanotra malefaka ny sandriny.
Raha sendra nifanojo ny mason’izy roa, dia niraraka moramora ny ranomasony. Nifokofoko nitomany nefa nampanginin’i Hery tamin’ny safosafo sy tambitamby.
- "Mihary an! mbola vizana be ianao fa aza manao toa io e!
- "Hery an ! Tsy fantatro intsony izay nahazo ahy, tsaroako ho diso fanantenana tanteraka aho ary nahita ilay ranomasina mangeniheny dia niroboka tsy ampiheverana akory."
- "An, an, ry Mihary an ! aza alefa amin’izany intsony ny sainao fa mbola eto aho ary tsy handao anao mihitsy."
- "Hery an ! … Tsy fantatrao ny tena antony…" hoy i Mihary, nisento tokana izy sady nampikimpy ny masony tsy hijery intsony…
Toa fantsika niletra ny fon’i Hery izay teny farany izay. Teny nampitroatra ny nenina tany anatiny. Teny nikapoka sy nively ny sainy. Ary toa nipoipoitra nanodidina azy ny hadalàna rehetra nataony hatramin’izay. Tsy mandry mihitsy ny eritreriny, isaky ny mandefa sary ao an-tsainy dia tsy nisy afatsy zava-dratsy nataony no nameno ny fijeriny. Naka ilay seza fiandrasana marary izy dia nitoetra teo. Nanala izay sorisorin-tsainy nameno ny atidohany.
Afaka fotoana elaela dia resin-tory izy noho ny fahavizanana be nahazo azy.
_________________________________
Tsy hitan’i Hery akory fa nisy olona niditra tao an’efitry ny hopitaly. Tonga dia nandray ny vozon’akanjony no nibata sady nanipy azy tamin’ny tany. Tsy nahaetsika akory izy. Ilay olona misaron-tava, tsy fantatra na iza na iza. Vao nitsikasina tamin’ny tany dia nampiany daka mandrivorivo indray teo amin’ny kibony. Nanaintaina tsy nisy ohatr’izany ny fahatsapany azy.
Totohondry izany, tsy nanana hery intsony izy hiadiana fa tratry ny tampoka tsy maha-lehilahy. Vao niarina kely anefa izy dia notsetsefan’ilay olona totohondry mafy indray teo amin’ny tarehiny; nidaboka tamin’ny tany izy avy eo, sady mbola voadakadaka tsy nananan'ilay olona antra.
- "Fantatr’ialahy amin’izay hoe iza aho?"
- "Mifona re tompoko o ! mifona e !" hoy i Hery mitomany, ny tarehiny mivindimbindina sy mivoara-mena, ny vavany tsapany fa mivoa-dra.
- "Izao no anaovako an’ialahy rehefa tsy vanona. Mpamitaka sy mihevitra ny tenany ho tsy misy mpahita. Mbola aiza ny hanjo an’ialahy?"
- "Mifona sy mibaboka re tompoko o! aza ampijaliana aho re!"
- "Tsy misy an’izany leity an! Iny indray ny an’ialahy …" Sady nobatainy i Hery no nasiany totohondry farany ary natsikasiny teo ambany fandriana nisy an'i Mihary. Niezaka ny hiarina izy fa tsy nahavita. Izay mba hery kely tany anatiny tany no namikirany tamin’ny tongom-pandriana, niezaka mafy nitsangana nanakatra ny tanan’i Mihary.
Nihomehezan’ilay lehilahy fotsiny anefa izy fa tsy noraharahiany.
Mbola niezaka hatrany ny hitsangana ihany anefa i Hery. Ny masony amin’io efa mivindana mila tsy hahita intsony. Vao naharay ny tanan’i Mihary izy dia niantso vonjy taminy,
- "Mihary an ! Mihary an ! Misy manafika isika e, Vonjeo !" hoy i Hery tamin’ny feo reraka dia reraka.
Rehefa hitany fa tsy nandre azy mihitsy i Mihary fa renoky ny torimaso lalina dia nijery ilay lehilahy izy. Gaga i Hery, toa nofy ratsy izato mahazo azy. Ilay lehilahy etsy mbola mitsikanikany mijery azy sady nanala ilay saron-tava.
- "Ratrema marina ! loza ity." Ny hery am-pelantanana tsy misy intsony. Ilay tanany teo voakifika sady teha-maina mandrivorivo no nipetaka tamin’ny tarehiny.
- "Mihary an ! mifona e !" hoy i Hery mitomany ihany.
- "Hay izao no ataon’ialahy ? sao dia heverin’ilahy fa ekeko foana ny ditra ataon’ialahy?"
- "Tsia re tompoko o ! manina an’i Alexia foana aho rehefa tsy eo izy!" sady nidradradradra nitomany hatrany.
- "Iny ny an’ialahy," hoy i Ratrema ! "Ny zanako tsy azon’ialahy antsointsoina intsony raha mbola eto aho." Sady nomeny daka mandrivorivo indray tamin’ny takibany ary nampitsikasina an’i Hery. Lavo izy, nitsirara tamin’ny tany.
Hany heriny, niantsoantso :
- "Vonjeo aho Alexia an ! mifona tamin’ny nataoko anao rehetra e!"
Tsy nanana aina intsony i Hery fa fanina tsy nahatsiaro tena;
Raha tsy afaka fotoana elaela vao nisokatra ny masony. Ny taila fotsin’ny hopitaly no lasa ondana ipetrahan’ny firihifany. "Fa nanino aho? " hoy izy nanontany tena.
Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)
Na dia tafiditra anatin'ny nofy ratsin'i Hery aza Ratrema, ity farany kosa mbola very hevitra ary tsy mitombin-tsaina mihitsy na dia eo aza ny otra malefaka sy ny safosafo ataon'i Corine azy.
- "Ratrema an ! « Laisse-moi faire, et laisse-toi aller! », hoy i Corine nibitsibitsika mora teo amin’ny sofiny.
- "Mandroso ianao, ianao mihitsy izao no andrasanay."
Tsy nahateny i Hery, ny fony no nidobodoboka mafy ary mila hangovitra mihitsy aza ny anao lahy.
--------------------
Vao maraina dia niarina teo ambony fandriana i Tahiana. Tsy tafandry mandry ny anao vavy fa lasa saina tamin’ny nanjo an’i Hery. Nisy hevitra nipoitra anefa tany an-tsainy tany, hevitra ratsy naniry ho azy, mikasika ny valifaty tiany hatao amin’i Malala. Niomana haingana izy, nahandro sy nisakafo, nampirina ny trano dia lasa nandeha niasa.
Vao tonga tany am-piasàna dia namita izay asa mbola tsy efany omaly hariva. Tamin’ny 9 ora sy sasany tany ho any. Nantsoiny tamin'ny fidainy amin'izay i Malala:
- "Allo ! Malala an!"
- "Ahoana Tahiana?"
- "Afaka antsoin-dry aho ve fa lafo loatra ny miantso mankany an-dafy amin’ity findaiko ity?"
- "Tsy mampaninona ka!"
Nony afaka kelikely,
- "Allo!"
- "Ahoana akia! Nahita vaovao ve indry mikasika an’i Hery?"
- "Ie ! avy tany amin’ny toeram-piasàny aho izao, nalefa namita iraka hono izy, kanefa mbola tsy nahandrenesam-baovao mihitsy izy lasa any,"
- "!!!!!! ahoana tsara hoe?"
- "Efa hoe nalefan’ny orinasany hono izy dia tsy nahitam-baovao mihitsy. Antsoy ange ny findainy e! tsy azo mihitsy… Efa niantso azy im-piry aho izay…."
Tsy nisy niteny aloha...
- "Tahiana an ! tsy mampitombina ny saiko mihitsy izany lazain-dry izany. Aleo aloha tapahiko ny antso fa manomboka marary ny andohako."
- " Eny ary Malala an! tsy maninona fa andramo antsoina indray e!"
Izay mihitsy no tian’i Tahiana hahatongavana. Ny tsy hampitombin-tsaina an’i Malala. Tsy nahoany fa valifaty no nanenika ny sainy. Na izany aza. Mbola mivilivily ihany koa ny any anatiny any ny amin’ny nanjo an’i Hery.
Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)
| « | Febroary 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | |