Dia izay ilay voalohany nisantarako ny firaisana tamin’i Alexia, lozako raha manadino izay aho, natolony ahy ny tenany iray manontolo, nefa nolotoiko ny fitiavako, teo i Malala, izay namela takaitra tsy azo fafàna, dia izao indray ity Tahiana, tsy hahay hamela ny hadisoako mihitsy aho raha izay . . .
Aiza anefa izao i Alexia? Dia nanetsetra teo i Hery. Latsaka tamin’ny tany ilay sary misy ny malalany dia niondrika tao ambany fandriana izy, kanjo hitany tao ilay kitapo iray izay tsy dia fitondrany matetika.
Nosarihany dia nosokafany. Antontan-taratasy maromaro no tao, nesoriny, indro fa hitany teo ilay fanomezana mifono mangirana nomen’i Alexia azy ny alatsinainy hariva teo.
- Oadray, tena loza, tena looozzzzaa ! Ity no tena hadinoko tanteraka, tena tsy tao an-tsaiko noho ny fifamahoan-javatra tato anatiko. Adala mihitsy ialahy ry Hery. Tena tsy misaina, inona no ato?
Nosokafany, hay famataran’ora lafo vidy no tao, ireny marika malaza ireny.
Nisento tokana ity tovolahy, nanenina ity hadalany, tsaroany tamin’izay fa somary nisintona ny tanany roa i Alexia ilay tany am-piasàna ny talata maraina, tahaka ny hoe : misy zavatra tiany hojerena tao.
Tsikariny fa tsy novahako akory ity fanomezana ity, loza izany ; inona indray ity no hataoko. Ny andro efa tena alina.
Tena ataoko ambanin-javatra ilay malalako fa i Malalatiana indray no nahasomokitra ahy.
Tena very hevitra i Hery. Tsy nahita tory ny alin’iny fa nisaintsaina izay tokony hataony.
Famataran’ora tsara tarehy, marika malaza, lafo vidy : misy dikany manokana ity, hoy i Hery tsy nahateny. Nisy fotoana efa nilazan’i Alexia tamiko fa ny vola izay azony amin’ny tambim-pahasasarany rehetra, mikasika ilay fizaran’asany voalohany dia hatolony ho fanomezana ho ahy. Ary efa ela no nieritreretany mikasika ilay izy ka ampiany amin’ny tahiriny manokana raha tsy ampy ahazoany azy.
Somary sangisangy no nilazany izay. Izaho koa toa tsy dia niraharaha loatra. Inona tokoa moa, zanaky ny manan-katao izy ka zara raha iray ampahafolon’ny mandalo eo aminy izany, nefa...
Tambim-pahasasaran’i Alexia voalohany ity natolony ahy ity. Izany hadalako, dia tena maty harika, tsy nahatsiaro akory fa noheveriko ho zavatra tsy misy lanjany ity baoritra kely mifono mangirana ity. Hany ka ilay fatin-tsilipo nomen’i Malala indray no nataoko ambony.
Tena isaky ny misy masoandro mibaliaka izany amin’ny fiainako sy Alexia dia indro Ramatoa Malalatiana miaraka amin’ireto zanako mianadahy kely mitondra rahona sy zavona manakona ny lalanay, ary mandrakotra haizina sy oram-baratra mampitampify anay anaty orana?
Izao mahazo ahy izao mihitsy ilay ataon'ny olona hoe ny nenina tsy eo aloha hananatra, fa aoriana handatsa. Raha izay tokoa aho mantsy no nandà an’i Malala tamin’iny voalohany iny, dia tsy tahaka izao ny mahazo ahy.
Nipitrapitra teo ambony fandriana teo izy. Ny valin-drihana no nobanjininy mafy. Tsaroany tampoka ny fahabangan'ny reniny izay efa vovoka izay mba hany fitantarany ny fahoriany. Izao izy irery no ao an-trano, ny olon-tiana nantenaina tsy afaka ifandraisana akory, ka inona no hatao? Raha teo akaikiny tokoa matsy ilay malalany dia tsy tahaka izao mihitsy izy.
Te-hatory mafy izy noho ity fahoriana miampy adin-tsaina vaovao mianjady aminy. Efa reny vizana ny tenany nefa ny lohany tsy mitsahatra ny mihevitra izay tokony hataony.
Tampoka, niarina izy dia nanokatra ilay kitapo misy ny solosainy, natsofony ilay fitaovana mampifandray ilay vatakely tamin’izao tontolo izao, dia nikasa handefa hafatra tamin’i Alexia izy :
Tsy hitany anefa izay hosoratana, naveziveziny teo ilay tsipika kely, sokafana izao karazan-dahatsoratra hangalàna hevitra izao, tsy nahita hosoratana izay voasoratra nofafàna fa tsy nahafa-po. Najanony aloha ny fifandraisana ; dia nidina tany ambany izy nisotro rano. Vao tafaverina teo izy dia nahagaga, fa toa naniry tao aminy ny aingam-panahy hanoratra ka izao no vetsovetsony:
« Alexia,
Raha nandinika aho ny andro sy ny taona rehetra niainako,
Dia tsaroako fa ianao, no hany tokim-pitarainako.
Eto aho vao mahatsiaro fa ny androko hatrizay
Dia tsy nafoiko ho anao akory, fa nataoko alasafay.
Diso aho hatramin’izay, eny tena diso koa !
Ka ny fitarainanay dia mba henoy tokoa.
Ampio aho mba hijery, ilay fitiavanao madio
Aza avela hanirery, fa ny hafatro valio.
Eto aho vao mahatsapa, izato fanomezanao,
Fisaorana tsy ho voafafa no atolotro anao.
Miala tsiny re ry aiko, fa izao vao nahatsiaro
Fa torovana ny saiko, noho ireo adiny efa maro.
Koa veloma sy masìna, izany havako izany
Veloma fa ny faniriana, dia ny hahita anao hatrany ;
Ka ny tsy ampy hamenoako ny fiainako amin’izao
Dia tsy inona rahavako fa ny ho eo anilanao !
>>>>>>>
Nitsiky sy nisento izy raha vao nanoratra ilay fehezan-teny farany, tsy hay intsony na aingam-panahy avy aiza no nahavitany izany fa toa endrika hafa mihitsy no nivoaka tamin’i Hery. Naveriny indray ilay fifandraisana dia nalefany ho an’i Alexia ity tononkalo mahafinaritra ity. Tsy tsaroany akory fa efa amin’ny iray ora sy sasany maraina tamin'io fa sento sy tsiky no nandehanany natory, manantena ny hahita ity malalany any anaty nofiny mahafinaritra any.
Efa mazava ny andro vao taitra i Hery, nosokafany ny varavaran-kely, injany feom-boronkely mahafinaritra misiotsioka ery manainga anao fa andro mahafinaritra ny anio. Toa lasam-borona ny anao lahy, asa, mieritreritra lalina izay fandraisan’i Alexia ilay hafany omaly, na vao maraina, teo koa angamba izy. Naleony aloha tsy nelingelina amin’ny antso samihafa fa aleony mihitsy ny antson’i Alexia no hiraondraona voalohany na amin’ny finday na amin’ny antso an-tariby.
Kanefa, vita omana hiasa ihany izy, tsy mbola nisy aloha, mety mbola tsy nanokatra ny solosainy akory angamba ilay mamin’ny fony.
Tonga tany am-piasany izy afaka ora iray, tsaroany tampoka i Tiana, ilay nampahatsiaro azy fa mety misy fisaorana tsy nataony an’ity malalany. Asa tokoa fa nanana fahatokiana be an’ity mifandray aminy vaovao ity i Hery, nalefany ny hafatra voalohany araka ilay efa noresahina omaly, kelikely, injay fa namaly ;
Hery :-Manao ahoana i Tiana, tena misaotra be dia be !
Tiana :-Manao ahoana i Hery, misaotra noho ny inona ?
Hery :-soa fa teo ianao mampahatsiahy ahy ny tokony hataoko, tena nisy zavatra adinoko tokoa fa nanome fanomezana ahy izy talohan’ilay disadisa tao an-tranon-dry zareo ny alatsinainy teo, fa tena hadinoko.
Tiana :-Marina ve, Dia inona ilay izy ? Sao dia zavatra sarobidy.
Hery :-eny tokoa, fa ahoana ?
Tiana :-izay ary ilay efa nampoiziko !
Hery :- ???????
Tiana :-Dia inona no nataonao ? Efa nilaza taminao aho fa misy vehivavy sasany, tsy izy rehetra akory, rehefa manome fanomezana dia tena ataony amin’ny fony tanteraka kanefa tahaka ny tsy noraharahianao akory. Alatsinainy, tsy androany ve vao tsaroanao. Adala mihitsy ianao ity !
Hery :-Tsia an, omaly alina !
Tiana :-ka na androany na omaly, efa tara be foana. Dia inona izao no ataonao ?
Hery :-Efa nisaotra sy nifona taminy aho tamin’ny hafatra nalefako.
Tiana :-hafatra tahaka ny inona, mba avereno soratana eto hoe :
Hery :-Tsy tiako holazaina fa tiako ho anay irery !
Tiana TP !
Hery TP ahoana ? Tsy azoko !
Tiana :-Miangavy re ! izay no dikany.
Hery :-Tononkalo ilay izy, sady lasa tsianjeriko aza !
Tiana :-avereno soratana eto ary e !
. . . . .
Dia naverin’i Hery teo indray ilay tononkalo efa zary raikitra ao anaty masony. Vita izay dia hoy i tiana :
Tiana :- Oh ! tena tsara, tena miaiky aho. Raha mba ho ahy no anaovana tononkalo tahaka izao !Fa tena ianao ve aloha no nanoratra io e !
Hery :-Tena izaho fa tsy haiko mihitsy, ohatran’ny hoe : nisy hery hafa izany nanosika ny saiko hahavita io ! Dia ahoana, antsoiko ve i A. efa tsy andriko mihitsy ny haheno ny feony !
Tiana :-Aza maika aloha, sao mbola tsy hitany ny hafatrao dia hibitaka tsy afa-tavony eo ka vao mainka hisy fiantraikany ratsy. Aleo izy no hiantso na hitady anao. Tadidio fa ny fitiavana dia mahari-po hoy ny ao amin’ny Baiboly.
Izay fa lava loatra ny resaka. Azonao andefasana ny hafatrao ihany aho raha misy fiovàna. Veloma ry poety.
Nitsiky kely fotsiny i Hery dia nanomboka nandray ny asany efa mitobizika fa faran’ny volana ity andro. Mbola eo ihany koa ilay revy be omanin-dry zalahy rahariva.
Kanefa tsy mba niantso azy mihitsy i Alexia ny tontolo andron’iny. Toa zary niverina tamin’i Hery indray ilay fahanginany hatry ny alina teo.
Dia nihainohaino teo i Hery iny tontolon'ny andro iny, tsy hafatra, tsy antso antariby voarainy...tsy sahy miantso anefa satria matahotry ny mety ho fandraisan'i Alexia izay andro vitsivitsy tsy nandrenesany inoninona izay, indrindra ilay fisaorana, zavatra bitika indrindra amin'ny fahaiza-miaina. Ataony ahoana moa no hiteny hoe omaly anie ity fanomezana nomenao ahy iny vao nosokafako... Nandeha nody nijaingijaingy izy nony hariva ny andro. Teny andalana dia reny mangidihidy azy ny tongony te-hivily lalana hijery ny olon-tiany any an-tranony, nefa matahotry ny hihaona amin'i Malalatiana indray izy dia naleony nanamboatra saina. Raha izy handeha handray fiarampitanterana iny no injay avy tao aorianany nisy kiririoka naneno, niherika izy ka indro ny fiaran'i Malala no teo...May toy ny nodoran'ny afo i Hery! kaody tsy nisy ohatr'izany izy, nefa koa toa nitambolona tao anatiny tany amin'ny lalina indrindra ilay fahatsiarovana... "dia mbola resy indray ve ialahy ry Hery" hoy ny feon'ny fieritreretany...
Raha mbola nisalasala teo izy dia indro nipoitra avy any ny fiarabe mpitatitra. Tsy niherika intsony i Hery fa ny lalana nody no nasiany olona..."ao ivohoko ianao ry Satana" hoy izy sady niditra ity fiaram-bahoaka hitondra azy mody.
Teo ampamohana vavahady dia gaga izy nahita valopy kely nisisika niloko mavokely. Tsy nisy soratra afa-tsy hoe "Hery" teo ivelany. "mbola i Malalatiana sy ny hadalany indray izao ity" hoy izy nanipy ilay valopy teny antokotany. Niditra ny trano izy, ary niomana ny hahandro sakafo. Injay fa latsaka ny orana tany ivelany tany...nilatsaka koa ny ranomason'i Hery. Niverina tao an-tsainy ny reniny. "Toy izao izy miandry ahy isan-kariva", niverina tao an-tsainy koa i Alexia sy ny fitiavany...Nigogogogo mafy izy sady nikiaka hoe" Andriamanitro o, fa naninona re aho no dia lasa toy izao e! ny olona rehetra tokony hotiaviko tsy haiko ny mitia azy, ary ny an'ny hafa haiko ny maka ny fony!!!".
Raha mbola jenjina iny ny masony dia injay naneno tany ampaosiny tany ny telefoniny... "allo? allo? ary tsy misy mamaly?". Tena mbola ikala Malala iny indray angamba izany!
Iny i Hery dia natsipiny tao anaty fanasana vilia ny lapoaly saika hanendasany atody. Nalain-komana tampoka izy...Isan-kariva izy izao dia tsy misakafo, hitany miha-mahia ny tenany fa tsy amakiany loha. "izao angamba ny valin'asako" hoy izy.
Injany nikotrokotroka ny orambaratra, nidobodoboka koa ny fony, te-hiantso an'i alexia. Tapaka koa ny jiro, maizina ny manodidina. Tsy hitany ny labozia. Lasa izy niakatra moramora nitsidaikadaika ho any anefitra. Noraisiny tany ampaosiny ny telefonina ary nosokafany nataony solonjiro...sendra nitopy tao ny masony no nahita soratra izy: "1 sms vaovao" no soratra hitany teo, Antsianjery fotsiny no nanokafany ilay hafatra fa ny fony tsy ao akory, i Malala angamba ity, hoy izy
"Hery, voarainao ve ny taratasiko? Alexia"
Taratasy inona? hoy izy tafatsangana...Efa voavaliny tany andohany tany nandritr'izy nametraka ilay fanontaniana ny valiny...ilay taratasy mavokely...lozako lozako marina!!! hoy izy sady novelesiny indray ny lohany tamin'ny alalan'ilay telefonina tsy manan-tsiny...nihazakazaka izy nidina ny tohatra, mbola tsy niverina koa ny jiro ary ny orana mitohy mikija. Novohainy ny varavarana ary nifofofofo ny rivotra...nivoaka ihany anefa izy ary niraparapa tao anaty aizina, nandady eran'ny tokotany. Teny ampitadiavana teny izy vao tonga saina hoe mety ery anjorony ery izay ilay valopy satria raha nofahon'ny riaka ilay izy dia nentiny any ....amin'ny....d a l l e!
Dalle! dalle! soa fa misy makarakara ny dalle! mbola voatsapany tao ilay taratasy mifangaro amin'ny bozaka sy ny ahi-dratsy tsy voasariky ny rano...norohany tao anaty aizina ilay valopy efa tena hotsaka tsy nisy ohatr'izany. Faly anefa ny fony satria ao anatin'io valopy io ny hafatry ny olon-tiany...niditry ny trano izy ary niverina koa ny jiro...
Indrisy anefa fa tena nalemilemy be ilay valopy na dia tsapany aza fa toa taratasy matevina no tao anatiny."carte"angamba no ao! hoy izy kanefa tsy nosokafany aloha. "avela ho maimaina vao hokitihina"...
Lasa izy niakatra tany ambony ary nokarohiny tao ny entan-dreniny. Tsaroany fa nanana fanamainambolo izay i Ramihary fony fahavelony..."Mama! ampio aho amin'ity indray mitoraka ity" hoy izy niteny irery.
Nidina haingana izy ary natsatony ity fitaovana kely. Notsofiny moramora ilay valopy ary naveziveziny teo. Maika dia maika mihitsy izy, ny masony eny amin'ny famataran'andro...efa misasaka ny alina, mbola mihamikija ny orana...
Indro fa maina ilay valopy kely ary noezahiny nosokafana...Niraikitra ilay taratasy tao anatiny ary nony nosokafana dia rovitra, kanefa azo novakiana ihany ny soratra tao....
Hery,
Efa hatry ny fony mbola zaza ny foko no nitia anao
Ary mbola tia anao izy izay hatramin'izao
Tsy niova aho fa mbola toy ny taloha ihany
Ianao no hany tokana ilay safidiko eto an-tany
Na nisy aza onja mafy saika handrendrika antsika
Dia nataoko izay hahatody ny fitia hatreny ampita
Notampenako ny masoko, fa ny foko no niteny
Ka na mafy tamiko aza, nekeko ireny rehetra ireny
Isaorako ianao nahatsiaro ahy ihany ry Hery
Satria ny fitiavanao tsy azoko natao an-kery
Izao aho vao tena sambatra fa tafaray ihany isika
Ilay masoandron'ny fiainako he baliaka dia baliaka
Teo ambavahadin'i Hery i Malala telo mianaka vao nijanona iny maraina iny. Hitany fa mbola mihidy avokoa ny varavarankely rehetra. Fantany fa mbola matory i Hery.
Notsindriany ny bokotra fanairana ka efa fanimpitony izy vao nisokatra ny varavarana tao ambany. Mbola fanin'ny toaka anefa izy ka nivandravandra nahita an'i Malala mitrotro an'i Toky ary eo amin'ny tany valizy be iray sy couffin misy an'i Cynthia kely.
- "Maninona aty nareo?" hoy i Hery gaga...
- "Ampandrosoy aloha izahay raha azonao atao!" hoy Malala nangata-dalana hiditra.
Rehefa avy nametraka an'i Toky teo ambony seza i Malala dia nanomboka nitantara ny fandehany rehetra, ny tsy inoany intsony ny fanambadiany andRatrema ary ny fahalalany ny nitranga iny alina iny... - "Tsy hoe manararaotra ny fahavoazanao aho ry Hery," hoy izy niondrika, "fa tena tsy hitako izay aleha! vaky ny lohako."
- "Tsy sarotiny amin'izay hijanonanareo telo mianaka mihitsy aho, satria manana adidy be dia be aminao, sy amin'izy ireo, nefa fantatrao i Ratrema fa olona tsy hanaiky ho very voninahitra izany ka matahotra aho! izay no mampanahy ahy."
- "Hery a! tsy voatery ho fantany ange hoe aty izahay e, sa mety ianao raha mba any amin'ny Dadabe sy Bebenao izahay no mipetraka?"
- "Aoka itsy, hoy i Hery nanda mafy. Tsy ho hainao ny miaina any Ambanivohitra ry Malala fa sois réaliste a! ary raha maninomaninona any ny zazakely, aiza no entina? misy dokotera any sa farmasia?"
- "Aza tezitra toa io moa ry Hery a! efa mivadika koa ange ny saiko fa aza omena tsiny aho e!"
- "Eny aza, mijanona eto fa à condition que..."
- "Que? inona?" hoy i Malala gaga...
- "Qu'on ne fera jamais l'amour," hoy i Hery nitsangana sady niodina tsy hifanojoan'ny masony amin'ny an'i Malala.
- "Manaiky aho," hoy izy nanapoapoaka ny ratsan-tanany.
- "Andeha hiakatra any ambony," hoy i Hery nandray ilay couffin kely "fa halamintsika ny trano. Mety hevitra tsara ihany ny nankanesanao aty amiko satria tena tsy te-ho irery mihitsy aho izao sao manaonao foana ato."
Nosokafany avokoa ny varavarankely ary notarihiny tao amin'ny efitry Ramihary i Malala.
- "Amboarintsika ato dia ato izany no efitranonareo," hoy i Hery nanakipaka ny rideau sy namoha ny varavarankely hidiran'ny rivotra sy ny hainandro maraina. "Efa fotoana koa angamba izao hanesorana ny entan'i Mama amin'izay" hoy ihany izy ampisentoana.
Iny i Malala dia nisolo akanjo ary nampiditra jean hahazoany miasa. Nosokafany ny valizy ary navoakany tao ny kilalao isan-karazany izay zakany holalaovin'i Toky. Notarihin'i Hery tany anefiny izy dahy fa efa mba madio any tsinona ka tany no napetrany hilalao. Nasiany fanaka lehibe iray nibahana teo andalatsara tsy hahafahan'i Toky midina.
- "Tokony hasiana fefy izany eto," hoy izy ary hasiana takony daholo ireto prises miharihary ireto." Nojereny i Malala efa vonona amin'ny kifafa sy borosy tongotra ary lasa izy nitady scotch aloha farafaharatsiny hanampenany ireo zavatra mety hitera-doza ireo.
Nony vitany izay dia niverina namonjy an'i Malala indray izy ary namoha ireo armoaran-dreniny anakiroa..." Ataoko ahoana ireto akanjo ireto ry Malala?"
- "Toa tsaroako ianao tamin'ireny fisehoanareo sy Alex ireny fa nanana havana akaiky ihany, aiza izy ireny izao? maninona raha omena azy ireo izay mbola tsara?"
- "Hevitra mety izany ary ny ambiny?"
- "Asa, omena ny mahantra ohatra, tsy haiko! izany aloha no fanaon'ny olona ry Hery fa tsy haiko ka! reninao izy iny ka tsy sahy miteny be loatra aho..."
- "Aleo aho haka harona lehibe any ambany dia hatototra ao anatiny ao aloha. Amin'ny herinandro izany hita eo. "
- "Oadray! any ihany aho dia hoentiko miakatra eo ny berceau ko taloha!" hoy izy nitsikitsiky. "Mbola tena tsara mihitsy izy izay ary izany no tsy nanarian'i Mama azy. "Ho an-jafikeliko", hoy izy isaky ny tadiaviko ariana ilay izy..."
- "Tanteraka ihany ity ny teniny ry Malala..."
Malefaka dia malefaka ny feon'i Hery ka nahababo ny fon'i Malala izay miezaka ny tsy ho lavo intsony. Efa tantara hafa izao, hoy izy nanitsy ny sainy ary efa fiainana hafa...
- "Hery a! hitady asa koa aho," hoy izy nibanjina ity rain-janany...
- "Tsisy hevitra izany ry Malala fa ataonao aiza izy dahy? ny rainy efa tsy hitany, ianao koa hivoaka ho aiza? adidiko ianareo izao ary aza matahotra fa hiezaka mafy aho!"
Raha nody tao an-trano Ratrema iny hariva iny dia gaga fa nangina dia nagina ny tanàna. I Zefa mpiambin-tanàna no nitsena azy ary nitantara izay niseho. Tsy namaly i Ratrema fa niditra tao an-trano, nanipy ny palitaony teo ambony sezan'ny salon dia niakatra tany ambony. Novohainy tsirairay ny varavaran'efitra dia tsy nahita na iza na iza izy. Ny entan'i Alexia no tsy nisy nipika, izay izy vao nisento kely. Lasa indray izy nidina tany ambany dia naka ny findainy tao anaty palitaony.
- "Hery, allô?"
- "Ie, izaho ihany Monsieur Ratrema" hoy i Hery niavonavona koa
- "Tsy hi-creer problème amin'ise aho," hoy izy niteny moramora, "any angaha ry Malala? aza mandainga ialahy fa te hi rassurer ny tenako fotsiny aho, any ve izy?"
- "Ie, nankaty ry zareo..."
Nisento i Ratrema dia nakimpiny ny masony...
- "Ho alainao aty angaha ry zareo?" hoy i Hery
- "Tsia, aleo aloha izy ho any fa amin'ny manaraka aho miantso an'ise. Veloma ao amin'izy dahy ao."
- "Veloma!" hoy i Hery mbola saika hanohy resaka hanontany izay momba an'i Alexia, kanjo ny veloman-dRatrema no tonga aloha.
Niverina niakatra tany ambony indray i Ratrema ary nandamina ny efitranon-janany. Tiany loatra mantsy ireny zaza ireny sady mpiara-milalao aminy isan-kariva, hany ka nahatsiaro tena ho banga izy.
Efa hariva i Alexia vao niditra ny trano... Hatsatra kely ny tarehiny nefa velontsiky aoka izany izy nahita an-drainy.
- "Papa!" hoy izy sady nanoroka an-drainy izy.
- "Alexia!" hoy ny rainy namihina mafy azy...nahavariana an'i Alexia ilay fihina mafy nataon-drainy ka nihataka kely izy ,
- "Misy inona ry Papa?"
- "Lasa nipetraka any amin'i Hery i Malala," hoy izy hendratrendratra.
- "Any amin'i Hery? ary izy dahy?"
- "Lasany any koa!"
- "Papa a, ndao alaina any fa inona no antony hitondrany ireny zaza ireny any? ramatoa tsy misy saina, raha te-hiaraka amin'i Hery izy, tsy nadeha tany hatrizay, fa maninona ny zandriko no entiny any? sady amin'izay fahavaloko! hoy i Alexia niefonefon'ny hatezerana.."
- "E! aoka re anaka fa aleo aloha amin'izao a! tsaratsara ho anay aloha ny misara-toerana mba samy hieritreretanay..."
- "Fa tsy any amin'i Hery!" hoy i Alexia namaly andrainy...
- "Tsara kokoa aza izy any amin'i Hery amin'izay ny olona rehetra tsy hahalala izay miseho ato amintsika..."
- "Papa a, ny voninahitra aloha avelao any fa ahoana no hamelomany ireny zaza ireny aminao? ny karaman'i Hery? sa hanao inona ity Mama hono? olona tsy niasa hatrizay niainany!"
- "Hanampy azy ankolaka ihany aho," hoy Ratrema niverina nipetraka..."mbola vadiko izy ary any aminy ny zanako..."
- "Izaho aloha ry Papa miala tsiny fa izay hifanatri-tava an'i Hery dia tsy hisy mandrakizay a!"
- "Avelao aloha izany any fa inona ity hohanintsika? inona no masaka ao?"
- "Asa, andeha hojerena izay nandrahoin-dRazay ao..."
- "Ary lasa aiza Razay?" hoy i Alexia gaga nahita ny fatana nangatsiaka sy ny blouse fotsy nihantona tao andakozia...
- "Efa nolazain'i Zefa ahy fony aho vao tonga fa lasa nalefan'i Malala nandeha izy."
Natonton'i Alexia tamin'ny carreaux ny kitapony sy ny poketrany.
- "Papa, nefa izaho izany noana!" hoy izy nidongy tamin-drainy...
- "Ndao handeha hihinana any ivelany ary koa inona moa izany?" - "Dia inona no ho hanin'i Zefa ato?"
- "Entintsika izy ko maninona moa? hidina mafy ny trano dia lasa isika! sa tsy mazoto ianao anaka?"
- "Ka inona moa no atao eo? mba hinatra hanao lakozia amin'izay aho hoy i Alexia nitsindroka ny poketrany..."
Nihomehy ny rainy ary nandray ny lakilen'ny fiara sady nampiditra ny palitaony.
- "Zefa a!" hoy izy nipoitra teo ambaravarana. "Miomana ise fa hiaraka hisakafo aminay!"
Afaka atsasa-kadiny dia lasa izy telo niverina niditra ny renivohitra. Mahafinaritra ery ny mahita an'Iarivo mirehitra jiro amin'ny alina fa toy ny fanala manazava eny antsefatsefan'ny havoana izany. Mbola feno olona mivezivezy sy mitsangatsangana moa ny arabe satria Asabotsy hariva ny andro. Indreny ny mpifankatia mifampidoladola mamindra miadana hamonjy fodiana ka ny fisakambinan'izy ireny no nampamolivoly ny fanahin'i Alexia nahatsiaro ny fotoana rehetra niarahany tamin'i Hery...Ny feon'i Zefa avy ao aoriana no nanaitra azy tampoka nony nandalo teo Behoririka ry zareo raha iny handroso ho any Analakely iny.
- "Bema! i Bema marina," hoy izy nihoraka!
- "Iza indray ity i Bema?" hoy i Ratrema gaga fa anarana mbola tsy henony mihitsy izany...
- "I Bema rahalahiko!" hoy i Zefa, "izy mihitsy io, mijanona hoe M'se Ratrema?"
Naka toerana hijanonana i Ratrema ary nanalava ny masony hijery ireo olona mijoro miamboho eo ampihinanana vary mitsangana...
- "I Bema io e!" hoy ihany i Zefa nanamafy.
- "Mandehana jereo tsara aloha ry Zefa fa aza eo no miantso fotsiny a!" hoy i Alexia sorena sady nanara-maso ity mpiasany...
Nierika ilay tovolahy natao hoe Bema ka taitra mafy nahita an'i Zefa nitsikitsiky nanantona azy. Latsaka ny sotro teny an-tanany fa may koa izy hiarahaba an'i Zefa..
- "Mama a! ny rahalahiko marina!" hoy izy nitsinjaka, "i Zefa! hay ialahy mbola tany?"
- "Inty aho ka!" hoy i Zefa tsy nino koa ny fahitany ny rahalahiny...nifampijery bika izy roalahy, samy efa lehilahy lehibe...ny endrika no mbola tsy niova loatra na nandroso aza ny taona...
Niherika nijery an-dRatrema i Zefa ary hitany izy mianaka fa gagagaga, ka notarihiny hanantona teny i Bema.
- "Andraso aloha aho handoa vola!" hoy izy nisikotra ilay vola taratasy malotoloto tany ampaosiny handoavana ilay loha-kisoa matsiro vao nohaniny teo... Namafamafa molotra aoka izany izy aloha ary namafa ireo tanany tamin'ny patalohany vao nanatso-tanana hiarahaba an-dRatrema.
- "M'se Ratrema," izy no Bemananjara zandrikolahy!
- "Izy kosa no M'se Ratrema patiraoko!" hoy i Zefa faly ery
- "Fa efa ela angaha ianareo no tsy nifankahita?" hoy i Ratrema gaga..."toa mbola tsy reko mihitsy ny anaranao manko!" hoy izy.
- "Efatra mianadahy izahay no zanaky Dada sy Neny," hoy i Zefa niezaka namintina ny tantarany. "Tany Ambanivohitry Toamasina izahay no nipetraka, araka ny efa notantaraiko anao. Maty tamin'ireny rotaka tamin'ny 2002 ireny anefa ny Ray aman-dreniko ary ny zandriko roa vavy nentin'ny milisy an-keriny ka izahay roalahy samy nirifatra nitsoaka ary tsy nifankahita intsony raha tsy izao indray..." hoy izy latsa-dranomaso kely.
Nanganohano kely koa izy mianaka nandre izany tantara mahonena izany, hany ka tsy nisy te-hihetsika teo...
Samy nangina kelikely aloha, kanefa i Alexia tsy naharitra intsony ny hanohanany ka dia niteny:
- "Tsy aleo ve mihinana eto rehefa izany?" hoy izy
- "Asa!" hoy i Ratrema tsy te-hanaiky nefa koa tsy te-handà, nahita ireto olona be dia be milahatra mihitsy hihinana eo...
- "Sa hijanona eto ise ry Zefa hiresadresaka amin'ny zandrin'ise? alainay eo ise avy eo fa i Alexia tsy tiako hisakafo eo!" hoy izy nivantana.
- "Tsy maninoa M'se Ratrema ka! vao maika tiako," hoy izy namaly.
- "Ity ny vola ary hisakafoananareo roalahy dia eto ihany ny fotoana avy eo, afaka adiny roa! mety?"
- "Eny Tompoko," hoy i Zefa nanara-maso an-dRatrema namelona ny fiara.
Nony lasa izy mianaka dia samy nangina kelikely aloha...
- "Fa maninona aho no tsy avelan'i Papa nihinana teo?"
- "Dray! fa ianao ve adala e! taiza koa no nisy vehivavy nihinana tamin'ireny?" hoy i Ratrema nitrerona kely an-janany.
- "Oay! nisy vehivavy nihinana teo!" hoy i Alexia namaly kely, "sady izaho angaha voatery hihinana teny fa nentinao tato anaty fiara ny anjarako!"
- "Dia tsy leo doika mihitsy ianao ity ka! nandritry ny fiainako aho ry alexia niasa mafy mba tsy hahitanao izany mihinana eny amoron-dalana izany, nefa ity ianao te-hietry hidina..."
- "Papa a! diso hevitra ianao! tsy mahantra mihitsy ireny olona hitanao mihinana teo ireny! sady izao ange ry Papa e: tsy mba nisy mihitsy ny fotoana tamin'ny fiainako hifangaroako amin'ny olon-tsotra: tsy mba mana-namana aho, mihidy ao anatin'io villa be io foana aho rehefa tsy any ampianarana... te-hiova aho, te-hifanerasera aman'olona," hoy i Alexia
Lasa ho azy teo ny fisainan-dRatrema nihaino an-janany. Marina izany fa tsy mba mana-namana afa-tsy Hery tokoa ity zanany. Nihidy tao anaty faribolan'ny fianakaviany sy ny fianarany ary ny fitiavany tao izy ka lasa te-hitroatra...efa fotoana angambany izao hanokafana ny lalany sao tara loatra, hoy i Ratrema nisento kely.
- "Ka atombokao amin'ny inona ary ity fiovanao?" hoy i Ratrema nanatongilana ny lohany hihaino izay hevitra hafahafa mety holazain'i Alexia.
- "Asa? inona re? tsy afaka ny hieritreritra intsony aho aloha izao fa noana!" hoy izy nanova resaka.
Teny Ambatonakanga izy mianaka vao nijanona hihinana tao amin'ity hotely iray. Efa be be olona ihany tao sady nisy hirahira hialana voly. Hadino vetivety teo aloha ny sorisory sy ny olana mamatotra azy mianaka fa injany hira mamelovelo, mitory fitiavana no asandratr'itsy tovolahy mpihira; manome fahafinaretana ho an'izay rehetra nisakafo teo.
Lasa saina kely i Hery rehefa avy niantso iny Ratrema. Gaga izy nahita fa tsy tezitra mihitsy Ingahy lehibe. Nanontany tena izy hoe fa nahoana, nefa tsy hitany mihitsy ny valiny. Nanatona azy i Malala sady nandray ilay finday teny aminy.
- "Hery? fa iza ilay teo?" hoy izy sady nanokatra ilay finday izy hijereny ilay anaran'olona niantso teo...
- "Ratrema? dia ahoana?" hoy izy natahotra..
- "Nolazaiko azy hoe aty ianareo," hoy i Hery natahotra izay mety ho valiny...
- "Hay!" hoy i Malala nampifamatotra ny tanany. "Dia rahoviana hono izy no haka anay?"
- "Tsy haka anareo izy ka!" hoy i Hery nibanjina azy...
- "Tena hafoiny izany ireo zaza ireo?" hoy i Malala tezitra indray. Tany anatiny tany manko nisy tsirimpanantenana fa alain-dRatrema izy telo mianaka. Nanomboka nitebiteby i Malala ny amin'izay ho tohin'ny fiainany. Hatrizay manko dia teo foana i Ratrema niahy azy, ary tao antokatranony izy dia ny vavany fotsiny no misokatra dia tonga eo anatrehany izay tadiaviny.
Nandritr'izay roapolo taona nanambadiany izay, dia milomano tao anaty harena be izy ary tsy nandalo tao amin'ny sainy mihitsy hatrizay izany hoe tsy hisy izany. Efitra kely izao no hany hitoeran'izy telo mianaka. I Hery ity no voatery hiahy azy aloha...marina fa rain-janany nefa mbola tanora loatra i Hery sady mbola tokony hanana fiainana hafa noho izao sahady...
Fantatr'i Hery ny tany andohany, nangina tsy niteny anefa izy satria mba niasa koa ny sainy amin'ity fiainany, zary manan-janaka hokarakaraina tsy satry.
- "Malala a! fantatro sady azoko tsara izay mampiasa ny sainao, nefa mahereza ry Malala! anatra ho antsika angamba izao fiainana izao, ka samia isika hitraka... veloko ireo ary veloko ianareo fa aza matahotra!"
- "Misaotra ry Hery!" hoy i Malala.
Niandriandry ihany i Malala iny hariva iny sao hiverina hiantso i Ratrema nefa dia nangina ny finday, zary natory tsy nahatsiaro ny kiririoka fahiny intsony...Niverina tao an-tsainy ny fahiny, fony Ratrema tia azy, izy ilay saribakoly nampihantaina tao antokatranony. Tsy niakanjo afa-tsy izay avy any ampita ary tsy nivoaka ny trano raha tsy nihaingo. Fantany ankehitriny fa efa nivadika ny tantara ary izy no niala tao an-tokatranony...nefa mahatsiaro tena ho meloka izy nohon'ny nitondrany ny zanany hanalavitra ny rainy. Izy dahy izay tsy mendrika ny hijaly toa azy...fa zanak'olona manankarena!
Nony nahatsiaro izany izy dia tonga saina! teo izy vao namerina indray ny lasa tao andohany ary nahatsiarovany saina fa zanak'i Hery i Toky...i Cynthia indray dia araky ny échograpfie tamin'ireny no nikajiana azy hoe zanaky Ratrema, tsy hainy anefa izay tena marina...
Nandinika mafy teo ampitoerana teo izy dia tsaroany nihorohoro ny sainy... nanahy ireto zanany izy, izay mety halain-dRatrema raha mitohy izao fisarahana izao...kanefa mety tsy ho azon-dRatrema koa raha fantany ny marina rehetra! Vizana mafy ny sainy iny hariva iny ka resin-tory teo amin'ny sezalava tao amin'ny efitra fandraisam-bahiny izy. I Hery kosa no nanome sakafo sy nampandro ary nampatory an'izy dahy. Toy ny efa zatra sahady izy mikarakara an'ireto zaza.
Nidina izy avy eo ary nandrakotra an'i Malala izay efa resin-tory, nefa raha iny hamonjy tohatra hiakatra iny izy no niantso tampoka i Malala...
- "I Hery a! aza miakatra aloha fa avia eto fa misy tiako lazaina anao." - "Hay ianao tsy matory akory?" hoy i Hery nitehina teo amin'ny arofanin'ny tohatra...
- "An an! nakimpiko fotsiny ny masoko fa lasan'eritreritra aho," hoy i Malala niverina nipetraka..."Hery a, misy zavatra tiako ho fantatrao..."
- Momba ny inona?" hoy izy variana
- "i Cynthia!"
- "Maninona i Cynthia, marary?"
- " An, an...mbola tsy nampiasa ny sainao mihitsy ve hoe iza no rainy?"
- "fa.., fa angaha tsy Ratrema? tsy tiako hiverenana intsony ireny lasa ireny ka!" hoy i Hery andeha hitsangana indray. Nefa notazonin'i Malala ny tanany ka indro izy nipetraka tsy fidiny.
- "Hery a! misy itovizana amin'i tompokovavy mamanao anie izy io e!
- "Angaha?" hoy i Hery nanongilana ny lohany..."fa tsy azoko, fa ahoana e! fa angaha tsy hoe an-dRatrema io zaza io? tsy izany ve no resaka nandeha taloha ireny?"
- "Ie, ny kajin-dRadoko fotsiny no nilaza izany fa he ity zazakely, io hariva nampirina ny entan'i Mamanao iny aho no nahita ny sariny fony mbola zaza, dia i Cynthia napetraka!"
Tsy nandry loha i Hery fa lasa indray aloha nisava ireto baoritra nadoboka tao andakozia iny andro iny... efa natsikafona daholo indray izay voampirina vao hitany ilay fitoeran-tsary efa vasoky ny taona.
Navadibadiny haingana ary io tokoa! i Cynthia sa i Mama? tena mitovy hoy izy nisento lalina...
Te-hifaly izy hanakatra ny lanitra fa misy ihany sarivongana mety hahatsiarovany ny reniny, izay lasa tsy nialany nenina akory, sady amin'izay sary mandehandeha, zanany! tsy misy hiadina hevitra akory...mahagaga azy no tsy nahitany izany teo no ho eo hatramin'izay!
Te-hitomany indray izy satria efa an-dRatrema ireo zanany ireo izao. Raha halain-dRatrema ny zanany dia hiala maina izy...
- "Dia ahoana?" hoy i Hery nijery an'i Malala izay nangina tanteraka nandritr'izay minitra vitsy izay..."dia ahoana ry Malala?"
- "Asa ry Hery, fantatrao angamba izao no mampitebiteby ahy!"
- "Izaho koa matahotra," hoy izy nanainga ny tongotry Malala tsy hikasika ny gorodona...
Nifamihina teo izy roa ary lasa ho azy ny tanan'i Hery nanafosafo ny volon'i Malala...nosafoiny koa ny sorony, ny lamosiny ary i Malala kosa nisisika tsy nihetsika. toa maka tsirony ery amin'izato tanan'i Hery malandilandy mikasika ny vatany...Nihorirana kely izy ary notakariny tamin'ny molony ny molotry Hery izay tsy nandà fa nanome izay notadiaviny...oroka naharitra ela, toa nitondra fanantenana, toa midika fahatokisana, toa mampahery tampoka ilay saina niady mafy teo, ary koa mitory fitiavana...ilay fitiavana efa nitsilopy nezahina novonoina, hay tso-drivotra malefaka fotsiny dia nety hampidedaka azy indray.
Nifanatrika ry zareo avy eo, ary nakarin'i Hery moramora ny akanjo ambonin'i Malala. Natsotran'ity farany ny tanany roa hahamora ny hialan'ity tee-shirt naneritery ireo tratrany efa nivoitra be. Nopihin'i Hery avy tao andamosina ny tadin'ilay soutien nanafina ny tratrany. Nohararaotin'i Malala io paoziny io namahany ny bokotry ny lobany hampiseho ny vatany tanora sady nofosana...
Tsy nisy teny izany rehetra izany, tsy nisy eritreritra fa dia lasa tamin'izao...toa tsianjery fotsiny tany antsaina tany dia vetivety dia niala ireo akanjo nanelingelina azy roa.
Ilay lamba notafian'i Malala teo sisa no nisaronan'izy roa ary indreo ny vatany zary nofo iray indray, toa tsy hisaraka intsony fa hijanona ho toy izao mandrakizay...hadino izao rehetra izao, hadino ny manodidina rehetra fa ny fanahiny kosa efa tafakatra any ambony tsy hita maso any,
fa nofo roa samy nangetaheta mafy ilay firaisana niriany ho tanteraka tany anaty tany saingy tsy sahy navoaka fa nahamenatr'olona, kanjo nifanena tampoka teo amin'ny toerana mangina, tao antaty fotoana tsy nampoizina...ka mbola mety hisaraka ve?
Mbola tsy nisy niteny ihany avy eo izy roa fa samy niala moramora, samy niakatra ny tohatra namonjy ny fandrianany...efa rava manko ilay fifanarahana napetraka aninkeheo, ka samy miandry izay ho tohiny...tsy te-hanenina intsony izy roa, nefa tany am-pony lalina tany, samy namolivoly ny fanahiny tao anaty bodofotsy tao: i Malala mbola manantena anaty ihany fa hipoitra eo ambaravarana i Ratrema rahampitso maraina hamerina azy any aminy indray, ka tsy hisy ny olany na ara-bola, na ara-tsosialy, ary hiezaka izy hamafa tanteraka an’i Hery eo amin’ny fiainany ary hanolotra ny fitiavany sy ny fiainany rehetra ho an-dRatrema, eny fa na somary tara aza izany...tiany hadinoina i Hery fa tsy hainy, I Hery izay avy niray taminy. Menatra ve izy? ny nofo ihany ve no mpiray azy roa? Sa noho izy rain-janany?
I Hery koa etsy andaniny toa faly, toa sahirana, satria indreo ao an-tranony ny zanany ary mitoetra ao aminy koa ny reniny izay fantany fa tia azy, kanefa sarotra aminy ny hanadino an’i Alexia, mariky ny fitiavana madio, fitiavana mbola tokony hanana ny hoaviny raha tsy nisy i Malala...
...
Vao nihiratra ny mason’i Hery iny maraina iny dia nanokatra ny solosainy izy. Efa tamin’ny herinandro izy no namoha ity farany ka liana dia liana ny hahita na dia sombina hafatra ihany aza. Nalaina ery izy io maraina io, ka naleony niverina tery ampandriana sady nitrotro ity milina hahafahany maka aina tsara hamaky izay ao anatiny ao. Toy ny tsianjery no hanokafany ny takelaka fahazoana miresaka. Nalahelo anefa izy fa tsy nisy inoninona ho azy tao. Napetrany teo amin’ny tany ny solosaina ary iny indray izy no nibonoka tao anaty lambany tao ka nitomany mafy... nahatsiaro ho singan’olona izy sisa, tsy nisy intsiny ny fanantenana tao aminy, nidradradradra tao izy ary resin-tory tampoka indray iny alahady maraina iny.
Efa atoandro be koa Ratrema vao nitsangana ary naniraka an’i Zefa hividy mofo maraina. Izy kosa no nankao andakozia hikarakara ny vary sosoa maraina ho an’izy roalahy. I Alexia moa fantany fa dité fotsiny ny azy rehefa maraina ka tsy dia nisahirana be izy fa namana rano fotsiny ihany.
Nangina dia nangina tao an-tranoben-dRatrema. Sambany indray izy vao niaina tao anaty fahanginana. Efa zatra mandre hehin-jaza ny sofiny ary tsaroany teo ny kilalao fanaon’izy sy Toky isaky ny alahady. Izy lehilahy lehibe efa misy volofotsy iny no mbola mandady eran’ny trano ihany sady taingenan’i Toky ary kapohany amin’ilay tanan-keliny hamindra haingana. Toa mbola hitany i Malala mampinono an’i Cynthia sady lokin’ny hehy no mampitandrina an-dRatrema tsy dia handoto akanjo loatra, fa saro-kosehina ny lohaliky ny patalohany...
Latsaka ny ranomasony...dia tsy hisy intsony ve izany rehetra izany e? Dia hanao ahoana izany ny fiainako? Ary ireto zanako?
Raha ny sitra-pony dia lasa izy hiridana haingana haka ny vady aman-janany, kanefa fantany tsara fa tsy izay no vahaolana satria na izy na i Malala mbola mila maka fotoana tsara handinihin-tena.
I Malala moa mbola fatoran’i Hery amin’ny hery tsy fantatra...asa inona? Ary izy mbola manana olon-tiana ihany koa, eny fa na dia vadin’olona koa aza no iarahany...
Tapaka anefa ny eritreriny fa indro i Zefa niditra tao an-trano nanolotra ilay mofo.
- "Fa ho aiza indray ise ry Zefa?" Hoy Ratrema nahita azy nivoaka ny trano.
- "Handeha hanao zaridaina aho izao maraina izao!" Hoy i Zefa nitsiky taminy...
- "Avia ise hisakafo fa toa tsy nihinana akory ise?" Hoy Ratrema nanasa azy hipetraka.
- "Ka tsy izany ange M’se Ratrema" hoy Zefa nanainga indray ny kasiketiny sady nihaotra ny lohany ho mariky ny fahagagany sy ny fahamenarany. Hatrizay manko izy tsy mba niray latabatra tamin’ny patiraony izany mihitsy, ary gaga izy tamin’ny fiovan-dRatrema tampoka teo...
- "Mazotoa homana r’ise fa io ny vary soa a! Tsy misy hena ato fa dia io ny saucisson teteho hihinanana azy! Sa kafe no tian’ise?"
- "Mmmety ity Mse Ratrema a!" Hoy i Zefa niondrikondrika ery nandrapaka ity vary sosoa mafana tany ambavany.
- "Aza matahotra ise ry Zefa fa manomboka androany dia miova tanteraka ny lalana mifehy ity trano ity. Ise indray izany aloha no miandraikitra ny raharaha ato an-trano sy ny fiambenana; tsy afaka ny hahita olona mahatoky izao dia izao aho ka dia miantehitra amin’ise!"
- "Mse Ratrema! Efa niteny izany ihany ianao fa i Bema....iBema manko omaly niteny tamiko hoe tsy mahita asa hono izy nefa efa manam-bady aman-janaka ka tsy mety ve raha mba raisinao izy?"
Niketrona kely Ratrema, toa nampatahotra azy izany handray olona tsy fantany izany, nahatsiaro kely ny tantaran’izy mirahalahy anefa izy ka nalahelo kely an’ity mpiasany mahafatra-po: - "hieritreritra ary aho ny amin’izay ary avelako ise rahariva handeha hijery azy sy htondra azy aty amiko."
Miramirana ery i Zefa niala teo ambony latabatra ary nandeha naka ny borosy handeha hamafa trano. Indro i Alexia nifanena taminy mbola bongobongo maso ary gaga nahita an’i Zefa velon-tsioka ery.
Nojereny fotsiny anefa ity mpiasany fa indro izy nitontona teo ambony seza hisakafo. Nitsangana haingana Ratrema haka ilay casserole teny ampatana hanao dite ho an’ny zanany.
- "Inona no ataonao androany?" Hoy izy nila resaka..
- "Andeha handehandeha aho," hoy Alexia fa omeo fiara.
- "Tsy aleo miaraka?" Hoy izy nanambitamby.
- "an an, te-handehandeha irery aho ry Papa fa aza atao mahatezitra a! Te-hiova rivotra kely aho, te-hanao ny fanaon’ny ankizy mitovy amiko aho..."
- "Eny ary," hoy Ratrema tsy te-hiady hevitra. Hitany teo amin’ny firesaky Alexia fa tapa-kevitra ny hanova fiainana izy ary tsy hisy hahasakana azy intsony.
- "Alex, a! tsarovy fa mbola eto aho anaka raha misy ilanao ahy."
- "Eny ry Papa," hoy Alexia nisafo ny tanan-drainy eo ampanosorana dibera ny mofo hohanin-janany izy.
Nony lany ny sakafony dia lasa izy niakatra tany ambony hisolo akanjo. Nampiditra pataloha jean teritery izay izy, akanjo novidian’i Malala ho azy taloha io fa tsy azoazony noho izy matetika manao akanjo; ary nampiditra akanjokely fohy tanana sy mampiseho foatra. Kapa kely no nampiarahany azy ary novahany ny volony tsy hifatotra.
Nidina izy avy eo hangataka ny lakilen’ny fiara tamin-drainy. Gaga kely i Ratrema nahita ny fiovan-janany, nefa hitany fa tsara tarehy i Alexia ary tsy manaratsy azy velively ny fomba fiakanjony.
Nomeny azy ny lakile ary indro izy nanaraka an-janany nivoaka ny trano. Raha teo ampamelomana fiara i Alexia dia io izy nandray ny angadikely teo amin’ny tany fa tapa-kevitra ny hanary dia hanao zaridaina.
Lasa saina mafy Alexia eny am-pitondrana fiara mizotra iny lalam-pirenena faha fito iny. Hery, Malala, Dada, Toky, Cynthia, Izy... mifandimby tao an-tsaina na sarim-pifaliana, na sarim-pahorina. Nandalo teo imasony avokoa ny fotoana rehetra niarahan'ny tamin'ilay voaloham-pitiavany, ary nampitsiky kely izato masony nanganohano. Saingy nanembatsembana izany revorevo izany ny rahon'ny fahoriany : fampirafesana, famitahana.
Nanjavozavo tampoka ny masony ary niverina tao an-tsaina ny nahazo azy vao nifoha maraina teo. Toa malemilemy tsy mahazaka tena ary misaleboleo. Tsy te ho lasa lavitra ny sainy ary hoy izy anankam-po : "Reraka loatra angamba no mahatonga izany ka tokony hanatona mpitsabo aho, aza hitako..."
Asabotsy moa ny andro ka somebiseby ny olona mitsangantsangana, ao ny mandeha miantsena. Rakotra olona n'aiza n'aiza toerana aleha indrindra amin'izao andro antomotry ny fety izao. Isan'ireny ny Grande Surface ary tsy ambaka ireny ny Jumbo Score etsy Tanjombato.
Andian-jatovo dimy lahy ranjanana no indro nigadona teo am-pidirana ary tonga dia namonjy ny toerana fandoavam-bola nanambana basy ilay tovovavy mpikirakira vola. Tsy nisy nahetsika izay nilahatra teo ary tsy nisy nivolana. Lasa ireo vola rehetra tao anaty vata ary firavaka maromaro izay sendra ny tanan'ireto jiolahy. Efa dify any anaty fiara izy dimy lahy vao tonga saina ny mpiambina ka namelona ny kiririoka ary niantso polisy faingana. Nitrena mafy ity fiara ary toy ny tselatra ny fialany teo anoloan'ny fiantsonan'ny fiara, ary lasa niridana. Nandeha mafy loatra ilay mpamily ka tsy tafajanona stop teo amin'ny tetezan'ny Tanjombato ka dia nifatratra tamin'ny fiara kely nandeha mora nentina tovovavy iray.
Tsy nitsahatra nijery famataran'andro Ratrema satria efa nihamaizina ny andro.
- Mba migafy kosa Alexia raha izao mbola tsy tafody ihany kah! hoy izy miteny irery.
Amin'ny fito ora sasany. Tonga ny fampahalalam-baovao amin'ny fahitalavitra ary nipetraka hijery Ratrema : "Lozam-piarakadia mahatsiravina no nitranga androany tetsy amin'ny tetezan'ny Tanjombato. Fiara mitondra ny laharana xxxx TAF no nodomina 4x4 iray. Efa eny amin'ny hopitaly Ravoangy ireo naratra mafy ary nisy koa ny maty tsy tra-drano"
- "Alexia, Alexia, maty aho zanako", hoy ny kiakan-dRatrema, "Alexia" sady nigogogo toa ireny zazakely ireny ity rangahy efa ho fotsy folo
Nofohazin-dRatrema tamin'ny torimasony i Zefa iny alina iny ary lasa izy roalahy mianaka niriotra teny amin'ny hopitaly. an-tongotra no nanaovan'izy roalahy iny lalana mangina mankany aminy iny hatreny amin'ny arabe ary efa ana taneraka ry zareo vao sendra taxi niasa alina nandalo hitondra azy teny amin'ny hopitaly.
Mbola nisefosefo mafy Ratrema teo ampanontaniana ny anaran-janany. Nikentrona ihany ilay rangahy teo ampidirana aloha sady namadibadika ny lisitra teny aminy...Niahotra kely ilay Rangahy, ary nikohakohaka, toy ny sakodiavatra mafy hanambara izay zava-pantany momba an'i Alexia...
- "Ato ve izy?" hoy Ratrema nanesika ny fanontaniany ihany..."Ato ve ny zanako?"
- "Mahazoa aloha ianao aina Ramose fa..."
- "Misy inona? fa misy inona? maninona ny zanako?" hoy Ratrema nanery ilay Rangahy hiteny. Raha azony atao dia nopotseriny mihitsy ny tendan'ilay rangahy hamboraka haingana izay vaovao azony omena...
- "Ramose a! ato ny zanakao saingy ... tsy ho afaka ny hijery azy mihitsy ianao izao"...hoy izy tony sady matotra.
- "Fa misy inona e!" hoy Ratrema tsy nanaiky. I Zefa amin'io mivandravandra fotsiny koa tsy mahita fomba hampanginana ity patiraony.
- "Mbola ao anefitra fandidiana izy amin'izao ora izao!" hoy ilay Rangahy taminy. Tena mafy dia mafy ny zavatra nahazo an-janakao Ramose ka ny vavaka sisa atao be...Efa manao izay fara-heriny ny dokotera rehetra. Tsara vintana aza izy satria sendra tonga ato ny professeur mpandidy mahay miasa any Eropa ka mikarakara azy...."
Tsy niteny Ratrema fa ny lohany no nahivingiviny..toa tsy mino izy, toa manonofy ny niheverany ny tenany. Te-hitomany izy nefa te-hangina koa tsy hiteny intsony. Efa elaela izy vao nahasoka-bava indray:
- "Fa inona no tena mahazo azy?" hoy izy nitraka hihaino izay holazain'ilay Rangahy.
- "Tsy fantatro marina Ramose fa izaho anie tsy mpitsabo e! vaovao mahatsiravina izy ity ka izany no nahenoako azy teo nohon'ny resaky ny mpitsabo nivezivezzy teo. Tsaratsara aminao miditra any manontany fa tsy te-hiteniteny foana aho!" hoy ilay Rangahy.
Tsy nahavita nisaotra akory Ratrema dia nimaona niditra tany anatiny tany. Jemby kely ny masony nohon'ny ranomasony sy ity jiro be ato amin'ny lalatsaran'ny hopitaly. Efa namindra elaela izy vao tonga teo ambaravaran'ny bloc opératoire. Tsy nisy na iza na iza anefa teo... soa i Zefa fa nanaraka azy tao aoriana ihany nampahery azy.
Efa ho adiny roa tato aoriana vao indro nivoha ny varavarana ary nivoaka avy ao ireo dokotera mpandidy telolahy be izao sy mpitsabo mpanampy vitsivitsy. Tsy niandry Ratrema fa tonga dia nisarangotra teny amin'ny iray amin'izy ireo:
- "Dokotera! ato ve ny zanakovavy?" hoy izy nitalaho.
Niketrona ny handrin'ilay dokotera izay nisy hatsembohana kely nipentipentina, nijanona izy ary nandray ny tanan-dRatrema...
- "Hay zanakao izy io?" hoy ilay Mpandidy...
- "Eny Tompoko," hoy Ratrema.
- "Pr Herimanjaka!" hoy izy maotina. "Mafy ny nahazo ny zanakao nefa efa nanao izay faraherinay izahay..."
- "Ka ahoana profesora?" hoy Ratrema niandry ny tohiny..
- "Voadona mafy ny lohany sy ny tratrany," hoy ilay Mpandidy..."tsy naninona anefa ny ati-dohany," hoy ihany izy namelona fanantenana kely teo amin-dRatrema... "ny taolan-tratrany no nisy tapaka ary efa nataonay izay mety..."Niahotra ihany ilay ddokotera vao nanohy indray...
"Voadona mafy ny kibony ary afaka ny zanany...."
- "Ny zanany?" hoy Ratrema taitra...
- "Miala tsiny Ramose," hoy ilay mpandidy nijery azy..."bevohoka efa ho roa volana ny zanakao"...Voatery nesorina koa anefa ny tranon-janany nohon'ny rà niangona sy ny faharovitana nahazo azy. Ny taova hafa koa misy voadona ihany fa mbola azo tsaboina amin'ny fotoana hafa..."
Ketraka Ratrema. Tafatombina teo amin'ilay seza lava izy. Nigogogogo teo izy nanala ny fony ary nitehina ny sorony ilay Dokotera.
- "Mahereza Ramose," hoy izy. Raha misy ilainao dia ato ihany aho hatramin'ny alahady fa garde aho izao. Miaraka amiko mijanona ato Pr Andriamahefa avy any andafy hanampy ahy.
- "Pr Andriamahefa?" hoy Ratrema tonga saina tampoka...toa anarana efa reko izay, hoy izy lasa saina.
- "Fantatrao angaha izy," hoy ilay Dokotera faly anaty fa nahay nanova izay tao an-tsain-dRatrema kely aloha hanary dia azy. Efa roapolo taona izay izy no nandao an'i Gasikara ka izao miverina mizara ny fahaizany eto antanindrazana indray. Tsara vintana mihitsy izahay io alina io sendra azy.
Nangata-dalana ilay Dokotera ary indro i Zefa sy Ratrema teo, samy ketraka sy tsy nahaloa-peo. Indro indray nivoha ilay varavarana ary nivoaka avy tao ny fandriana nisy an'i Alexia.
Nitsangana izy roalahy ary samy nijery...
Tsy nisy hamantarana azy intsony ilay zazavavy. Mifono bandy matevina ny lohany ary feno fantsona ny tarehiny. Misy platre be koa ny tratrany ary misarona ny kibony. Mbola tsy mifoha hono izy ary entina any amin'ny salle de reveil. Noraran'ireo mpitsabo mpanampy anefa i Ratrema tsy hanaraka andry zareo:
- "Ramose a! mandehana aloha mody maka aina," hoy ry zareo. Rahampitso miverena fa raha izao tsy misy inoninona ataonao aty. Miala sasatra tsara ary angony ny herinao fa izao vao ilaina izany."
Ankona Ratrema. Notarihin'i Zefa nody izy ary indreny izy roalahy nitsidaikadaika nitodi-doha hiverina any an-tranony.
Nony tany an-trano Ratrema dia nandray ny telefonina...nisalasala indray anefa izy ary tsy fantany akory hoe hiantso an'iza...I Malala no tonga tao an-tsainy tampoka...
- "Malala!"
- "Ratrema!" hoy i Malala mbola tao anaty torimasony...."fa misy inona?"
- "Malala! tongava haingana aty an-trano fa misy ilako anao..."
- "Ka ny zazakely matory..."
- "Avelao ny zazakely hatory fa asaivo haterin'i Hery ianao izao ankehitriny izao fa misy ilako anao. Tsy ilaiko miditra aty izy fa asaivo miverina hiandry ny zazakely. Haingana ianao!"
Nihataka kely i Hery raha nandre ilay telefonina naneno. Mbola teo ampiondanana tamin'i Malala izy manko talohan'izay. Nitsangana haingana i Malala ary poa toa izay izy dia vita akanjo. I Hery anefa mbola nibonoka tao anaty lamba tsy mahalala na inona na inona...
- "Hery, andao aho hatero fa miantso ahy Ratrema!" hoy izy nikoropaka.
- "Ratrema? amin'izao alina izao? fa olona adala angaha iny?"
- "Haingana ianao Ry Hery a! hatero ahy dia miverina haingana ianao hiandry an'izy dahy! izay no teniny."
- "Fa sao heverinareo fa andevokely mihitsy ary aho ka rehefa te-hifankahita ianareo na amin'ny firy na amin'ny firy dia tokony ho vonona aho. Ary nahoana no andrasako ny zazakely?"
- "Mbola hampahatsiahiviko anao indray ve ry Hery fa zanakao ireo?" hoy Malala nampiditra ny akanjo mafanany sady nandray poketra. "Haingana ianao fa mbola hitady taxi e!"
Niomana tsy sazoka i Hery sady ningonongonona izay tsy izy. I Malala kosa maika tsy nisy ohatr'izany fa nivaly ihany ny vavaka mangina notononiny tany anatiny tany. Tena nantsoin-dRatrema ihany aho! hoy izy lokiloky.
Indreny izy roa niara-nivoaka ny trano ary nihazakazaka handroso alohaloha kokoa hihazo ny sampanana mety hahitana taxi.
Vao teny ambavahady i Malala dia notsenain-dRatrema sady nofihininy mafy. Gaga ihany i Malala satria tonga dia nigogogogo nitomany ity vadiny sady nitarika azy niditra tany antrano. I Hery moa teo ihany dia nitodi-doha nody tamin'ilay taxi notaingenany teo.
Tsy niandry nanontaniana akory Ratrema dia nitantara izay nitranga rehetra tamin'i Malala...Toy ny nanonofy ity renimpianakaviana nandre izay nolazaim-badiny.
Niala moramora tamin-dRatrema izy ary namonjy nipetraka teo amin'ilay tohatohatra kely miditra ao amin'ny tranony.
- "Tena marina ve izany Ratrema?" hoy izy toa tsy nino ihany. Noheveriny fa manao vazivazy ratsy Ratrema hitarihana azy mody.
- "Tsia ry Malala" hoy izy mbola nifokofoko. "Tena marina izany....inona no tombotsoako handainga aminao?"
Nitsangana i Malala ary nisarangotra mafy tamin-dRatrema izy ary nitomany nigogogogo mafy. "Manenina ny nataoko hatrizay niainako aho Ratrema fa izaho no anton'izao a! hoy izy nidradradradra ihany toa te-handritra ny ranomasony teo amin-dRatrema mba hanafoana izao loza mianjady amin'izy mianakavy izao. Notantanan-dRatrema izy hiditra tany antrano ary vetivety teo i Zefa dia naka rano mangatsiaka haingana hosotroindry zareo.
Gaga kely i Malala nahita an'i Zefa tao antrano sady manao blouse fotsy kanefa tsy naharototra azy akory izany. Ny sainy mbola any amin-janany vavy ihany.
- "Ratrema a! tena tiako tena tiako ange iny zaza iny" hoy izy namafa ny ranomasony..."na tsy naterako aza izy dia tsy niafina taminao ny fitiavako azy.
Indrisy anefa fa ny fitiavantenako no nanosihoseko azy ary tsy mba nila ady na nankahala ahy akory izy tamin'izany...."sady nitomany indray izy.
- "Tsara ianao rehefa tonga saina!" hoy Ratrema fa andeha aloha hatory isika fa rahampitso maraina mbola be koa ny atao...
- "Ratrema a! sao dia tokony hilazana ihany i Hery?"
- "Rahampitso maraina hampanalaiko an'i Zefa amin'ny taxi any ihany ry zareo fa aleo aloha ny zaza hatory tsara fa sao hanahirana eo koa raha maninomaninona.
Niakatra malaina tany ambony i Malala. toy ny mbola hitany teo ny zanany vavy mitsiky eny aminy. Tsaroany tampoka ny fahazazan'i Alexia, ny akanjony fony izy niditra nianatra, ny hafaliany isaky ny noely, ny fanomezany isaky ny fetin'ny reny. Teo amin'izay ankizivavy fantany nanodidina azy dia i Alexia no hitany nikambanan'ny hatsaran-tarehy sy ny hatsaran-toetra.
Niverina kely tany amin'ny zavatra notantarain-dRatrema anefa izy dia nihivingivin-doha..."tsy rariny! tsy rariny" hoy izy nankahala ny tenany. "tsy mendrika an'iny zaza iny izao nahazo azy izao! tokony ho izaho no voan'izany! izaho no olon-dratsy fa tsy izy!"
- "Mangina ianao ry Malala" hoy Ratrema nampionona azy. "Mitandrema ianao fa mbola kely ny zanatsika ka mila anao! aza miteniteny foana! Ankinintsika amin'Andriamanitra ny ain'i Alexia! tsy misy azontsika atao afa-tsy ny mivavaka sy mampahery saina!"
Efa ho maraina ny andro vao resin-tory i Malala. I Ratrema kosa dia tsy ni pi-maso fa niandry izay higadonan'ny tamin'ny enina maraina haniraka an'i Zefa haka an'i Hery sy izy dahy kely.
Tsy ela dia indro ny taxi nipoitra ka novohan'i Ratrema ny vavahady be hidirany. Nony tafavoaka tao izy telo mianaka dia niresaka vetivety tamin'ny mpamily Ratrema. Gaga i Hery nanontany tena izay resany kanefa tsy sahy nanatona akaiky.
- "Raikitra ary!" hoy fotsiny ilay sofera nitsiky tamin-dRatrema sy naka toerana teo antokotany hiandry azy.
Niherikerika i Hery fa tsy hitany ny fiara-dRatrema. Niditra nankany antrano izy: ny tanany ilany mitantana an'i Toky ary ny sandriny mivimbina ilay couffin misy an'i Cynthia.
Gaga izy fa tsy niteny azy ny hijanona eo ambaravarana Ratrema. Niditra izy ary indro i Malala mbola manao akanjo mandry nefa mivaloharika sy bongo maso aoka izany. Tsy niarahaba an'i Hery akory izy fa ireto zanany no nosarangotiny sady nofihininy tsirairay.
Noraisin'i Zefa ny tanan'i Toky ary nentiny tany ambony ito zaza hanohy ny torimasony. Namonjy nampinono an'i Cynthia kosa i Malala.
Niditra i Ratrema ary nisavika ny soroky Hery ary nitondra azy tao andakozia. Nihidy aman'efitra tao izy roalahy mianaka ka tsy nivoaka tao I Ratrema raha tsy afaka antsasakadiny taty aoriana. Niverina natory indray i Cynthia ary dia niangavian' i Malala i Ratrema mba hitondra azy:
- "Ratrema! azonao entina miakatra any ve izy ity azafady?" hoy i Malala niteny moramora.
Niverina nidina Ratrema iny izy efa teny antenantenan-tohatra iny ary noraisiny tamim-pitiavana ny zazakely hamonjy ny efitrano fandriany.
Nitsangana i Malala ary nankao andakozia. Indro i Hery miondrika tsy mahazaka ny lohany akory. toy ny akoho voakapoka ny fahitana azy avy ato aoriana...tsy nahatomany mihitsy izy na dia toa te-hikiakiaka mafy aza. Foana ny ati-dohany, banga ny fony rehetra...maina ny molony ary toa reny misy entana mavesatra eo ambony lohany...
- "Mila anao mahery izahay," hoy i Malala nanafosafo ny lohany...
Mbola tsy niteny ihany izy, nivontirika fotsiny ny masony...toa tsy ren'ny ainy akory ny rano natohoky Malala ny vavany hosotroiny....
- "Hery a! aza manao ohatr'io moa fa mila anao izahay izao!" hoy ihany i Malala niezaka ny hampatanjaka ity tovolahy nefa ny tenany koa aza dia nalemy ihany koa.
Nipoitra avy any Ratrema ary efa vita akanjo.
- "Ho any amin'ny polisy aho aloha izao maraina izao," hoy izy...manao fotoana any amin'ny hopitaly isika ratoandro amin'ny roa ambinifolo," hoy izy nijery an'i Malala. Aleo i Zefa no hijerijery ny zazakely fa hisy rahalahiny ho avy eo hiambina ny tanàna. Hono ho'aho, afaka tsy miasa ve ise ry Hery androany?" hoy Ratrema niteny moramora..
- "Hiantso aho izao dia izao ary halaiko daholo ny congéko iray volana."
- "Misaotra! hoy Ratrema nivoaka ny varavarana. Mifandamina ianareo izany," hoy izy nijery an'i Malala. "Izay fa ratoandro. "
Nanatona azy haingana i Malala sady nanoroka azy. Lasa i Ratrema namonjy ilay taxi teo antokotany.
Natosiky Malala tamin'ny fitombenany ny varavarana. Niankina teo izy ary nibanjina an'i Hery izay fotsy toy ny taratasy tampoka teo.
Indro i Hery niantoraka tany amin'i Malala ka nitomany mafy amin'izay..."izaho no anton'izao, hoy izy! noho izaho! noho izaho! tsy laitra nampanginina izy ka navelan'i Malala teo hanala ny fony.
Nangina tampoka ihany izy anefa ary nijery an'i Malala indray ..."inona izao no tokony hataoko?"
- "Antsoy ny fiasanao izao," hoy i Malala sady nijery teny amin'ny famataranandro lehibe mihantona amin'ny rindrina izy. Toy ny zazakely i Hery manatanteraka fotsiny izay baiko omena azy...
Efa tamin'ny 12 latsaka fahefany no nigadona teo anoloan'ny hopitaly i Malala sy Hery. Migaigaina mafy ny masoandro ary endrey ny soroky Malala manopy volombarahina mihitsy tratry ny masoandro. Tsy nisy niresaka izy roa fa samy nangina, hiandry izay iray sahy handray resaka voalohany. Niasa dia nihodikodina teo ampijoroana fotsiny i Hery. i Malala kosa lasa naka toerana teo ampototry ny tambohon'ny hopitaly. Tsy mbola azo idirana moa any raha tsy amin'ny roa ambinifolo ora ka dia tsy nisy azo atao afatsy ny miandry. Nivezivezy teny amin'ireo olona miandry tahaka azy ny mason'i Malala: variana izy mijery fa maro dia maro izany ny marary ato...indreo ireo mpamangy mivatsy haronkely misy sakafo avokoa. Be ny olona tazany no mafy ady sy hita hoe avy lavitra nefa mikiry tonga ihany hamita ny adidy amin-kavany; eo koa anefa ireo mpanana miaraka amin'ny fiara be na fiarakaretsaka, misomebiseby amin'ny entam-be sy harom-be, moa va tsy toy ny olona hifindra trano mihitsy.
Raha mbola variana teo izy no injao avy teo haviany Ratrema nandray ny sorony sady nanoroka azy. Nitsiky kely tamim-badiny izy no sady niezaka ny haneho maso miramirana, nefa hitan-dRatrema nisoritra tsy voahafin'ny manjamaso ny havizanany sy ny alahelony.
Namindra miadana izy roa, izay narahin'i Hery avy ato aoriana. Mbola mandalo zaridaina be koa moa vao tonga tanteraka any amin'ilay bâtiment misy an'i Alexia.
Nony mby teo ambaravarana dia niherika nijery an'i Hery i Ratrema, toa te-hanontany azy hoe "sahy miditra ve ialahy?". toa takatr'i Hery avy hatrany ny tao an-dohany ka nihemotra izy.
Tsy niteny Ratrema fa i Malala no narosony hiditra hialoha azy. Nijanona tampoka anefa izy vao nahita an'i Alexia nofonosin'ny bandy be sy ny platra.
Indro anefa fa ningain'i alexia kely ny tanany hilazany fa mifoha izy sady mahita tsara ireto ray amandreniny.
Nanatona ihany izy mivady. Nikoriana ny ranomason'i Malala, tsy nahateny izy fa nandohalika teo anoloan'ny zanany. I Ratrema kosa nanoroka an'i Alexia moramora sady nandray ny tanany nitsotra teo.
Nitsiky anefa Razazavavy nahita azy mivady. Toy ny tsy manaintaina azy ny vatany, na marary ny lohany, fa hita hoe faly izy. Tsy namoaka feo ny vavany nohon'ny havizanany nefa hita soritra teny amin'ny endriny fa matanjaka ihany izy raha izay nahazo azy izay.
Mbola tsy misakafo koa izy izao, sady tsy mahazo misotro rano koa. Tsy misy na inona na inona ny efitranony, afa tsy ny fandriana atoriany ihany sy ireo fantsona mipetapetaka eny aminy.
Nangata-maso an-dRatrema toa te-hanontany andRainy izy ka nanatona akaiky ny vavany ity farany hiezaka ny hihaino izay lazainy.
- "Aiza i Hery?" hoy izy nanadrana nisoka-bava.
- "Tianao ho hita izy?" hoy Ratrema , "tena marina?" Nanetsika ny tanany Alexia hanambara fa te-hahita azy izy. Nivoaka ny varavarana i Ratrema.
Nanantona an'i Alexia ny reniny ary nipetraka teo amorom-parafara sady nanafosafo ny sandrin-janany....toy ny tamin'ny mbola kely, tsy niteny izy fa ny masony fotsiny no nirotsa-dranomaso, tsy nety voatanany...Namihina ny tanany i Alexia toa nampahery azy indray.
Niditra i Hery avy eo, toy ny fanina izy nahita izay nojereny teo...niezaka ny hijoro tsara anefa izy sady namindra miadana. Nitsangana i Malala ary nanantona ny varavarana nisy an-dRatrema. Tsapany manko fa mila fotoana irery izy roa ka naleony nivoaka.
Nipetraka teo ambony fandriana izy. Kaodikaody ny masony ary zara raha mahajery ny olon-tiany izy. Tsy hitany akory izay lazaina, toa olona tsy misy antony mihitsy ny fiheverany ny tenany. I Alexia anefa nangata-maso taminy ery, ary indro izy nanokatra ny vavany...
- "Hery!" hoy izy nahateny malemilemy ihany.
Nihodina nijery azy i Hery ka nitsangana hanatona kokoa ny lohany. Faly izy fa reny ihany ny feon'ny olon-tiany...
- "Alexia, tena tia anao aho!" hoy izy niteny moramora .
- "Misaotra ry Hery! misaotra fa manampy ahy betsaka ny fitiavanao...Hery a! tena maharary aho!" hoy izy nibitsibitsika
- "Aiza no tena renao maharary?"
- "Ny lohako mbola tena tsy zakako, ary ato amin'ny kiboko ato tena misy maharary ahy, mamaly hatrany andamosiko...Ny tratrako koa..."
- "Sao hiantso dokotera aho?" hoy i Hery nitaintaina..
- "Efa ho avy hanao visite ry zareo izao," hoy i Alexia...
Tao andalatsara kosa, raha iny nivoaka iny izy mivady no indreo ny mpitsabo sy ny mpianatra mitety ny efitry ny marary sasantsasany. Tsy ela dia tonga teo amin'ny efitra misy an'i Alexia ry zareo. Nizarazara ho azy teo anefa ireo vondron'olona ireo, toa andeha hisakafo angaha. Ny mpitsabo mpandidy roalahy ihany no nanantona azy mivady...
Nony vita ny fiarahabana dia nandeha ny fanontaniana isan-karazany napetraky Ratrema. Nilaza ireto mpitsabo fa mbola mila fanaraha-maso be mihitsy ny marary sady mbola misy zavatra tsy mety ao amin'ny taovany ao.
- "Taova inona?" hoy Ratrema taitra indray...
- "Ny voany voadona mafy koa ka mila mpanome haingana arak'izay azo atao," hoy izy roalahy.
- "Ny voa? Dokotera a! inty aho! vonona aho! izaho rainy afaka manome tsara!" hoy Ratrema maika mafy mihitsy.
- "Misaotra anao," hoy ilay dokotera iray, "kanefa mety tsy ho vita eto ity fandidiana ity ka mbola be ny taratasy atao sy ny fanadihadiana atao moba anao raha mety na tsia...afaka miandry ve ianao amin'ny roa ora dia miresaka isika? andeha hisakafo aloha izahay dia rehefa avy eo!"
Lasa ireto mpitsabo ary nifampiankina teo aloha izy mivady, indro koa i Hery nivoaka avy any fa natory hono i Alexia.
- "Fa misy inona?" hoy i Hery gaga nahita azy mivady samy hatsatra teo.
Nohazavain-dRatrema azy vetivety teo izay rehetra nolazain'ny dokotera sy ny fanapaha-keviny hanome ny voany ho an-janany...
- "Fa angaha moa tena zanakao izy?" hoy Hery nitsaotsaona tampoka tsy nahatam-bava...
Nifampijery izy mivady, ary teo vao samy tonga saina. Tsy nihevitra izany mihitsy Ratrema teo, i Malala koa tsy nanampo hoe hay moa rainy ara-boajanahary izany no ilaina...ary ahoana no nahalalan'i Hery izany?
- "Azafady ry izy mivady," hoy izy menatra mafy " efa notantarain'i alex ahy daholo ny fiainanareo...miala tsiny indrindra."
Iny tolakandro iny dia niandry toy ny efa nifanarahana teo amin'ny biraon'ilay Mpitsabo Ratrema. I Malala moa tsy maintsy nody tany an-trano hampinono an'i Cynthia ary i Hery lasa niverina nody nanidy trano. Nanapa-kevitra mantsy Ratrema fa aleo aloha i Hery hitoetra any amindry zareo mandrapahatsaratsara an'i alexia fa manahirana ilay mifampiantsoantso foana. Tsy namakian-dRatrema loha intsony moa izay aferan'i Hery sy Malala fa ny sainy manontolo any amin'ny ain-janany sisa no mifantoka.
Efa ho amin'ny roa sy fahefany vao nigadona teo ambaravarana Radoko, nitsikitsiky izy nandray ny tanan-dRatrema sy nanasa azy hiditra tao amin'ny biraony.
Vao tafapetraka Ratrema dia nanomboka nanazava tamin'ity dokotera ity ny zava-mitranga, ny fiainana'i alexia hatramin'ny mbola kely, ny tsy fahalalany izay misy ny tena rainy, sy ny sisa rehetra...
Nangina kely izy roalahy aloha, vao nanomboka niteny Radoko...
- "Raha azoko tsara izany Ramose, ny vadinao no havana tena akaiky ny zanakao?...mbola misy fanantenana be dia be ihany manko raha tena nenitoany ny vadinao hijerena na compatible na tsia ilay izy...ny olana fotsiny dia izao: mety hanaiky ny hanome taova ho azy ve ny vadinao?"
Nitraka i Ratrema sady nanambatra ny felatanany anankiroa, toy ny mivavaka. Nankimpiny ny masony sady niteny izy hoe "tsy fantatro"...nony kelikely dia notohizany hoe " inona moa no handavany? tena tiany io zanany io hatramin'izay!".
Nitsangana Radoko ary nivadika tao aorianan-dRatrema indray:
- "Tsy azontsika atao ny manery azy fa miresaha aloha ianareo mivady anio hariva...ho hita eo izay lazainy fa izao no aza adinonao, na be aza ny fitiavana ao anatin'ny fon'ny olombelona, mbola eo koa ny fitiavany ny ainy manokana aloha...aza adinonina fa tena risque no raisin'izay hanome taova izay ka aza hodiana tsy hita, indrindra moa raha mbola kely anaka izy..."
Nangasiasy Ratrema nivoaka tao ary lasa namonjy moramora ny toerampiasany aloha hametrapetraka ny asany. Ny hariva izy vao manao fotoana amin'i Malala eny amin'ny hopitaly indray.
Tsy tafajanona ela tao an-tranony i Malala fa nony avy nampinono an-janany izy dia lasa nivoaka indray fa hividy thermos sy bodofotsy vaovao hateriny eny amin'i alexia hono. Te-hanary dia kely koa izy hijerijery mangazay fa ela izy tsy nandehandeha irery. Nahafaly azy ny asan'ndry Zefa mirahalahy fa afa-po tanteraka izy, na ny fahadiovana na ny zaridaina.
Nitety an'i Tsaralalana izy nampitaha vidin-javatra ary nony azony daholo ny entany dia tapa-kevitra ny hamonjy toerana hisotroana dite izy aloha fa nahatsiaro nangetaheta.
Feno mpitovo sy mpifankatia tao amin'ilay salon de thé nalehany. Sahirana ery izy nilanja ny entam-beny sy niandry toerana elaela...tsy andriny izay hipetrahany ary nony nanantona ilay tovovavy mpaka commande dia tsy tsaroany intsony ilay dite saika halainy teo.
- "Tena omeo izay glace ngeza indrindra aho!" hoy izy nisento tokana nahatsiaro ny haben'ny hanohanany sy ny hetaheta tao anatiny. Nihomehy ilay tovovavy nandray antsoratra dia lasa niodina.
Tsy ela dia tonga ilay coupe nisy ilay glace ary indro izy nanomboka nihinana moramora. Endrey ny filelafany ilay sotrokely, moa va tsy toy ireny zazakely tojo vatomamy ireny...nikimpy mihitsy izy nihinana azy teo. Soa fa toerana tsy manatrika olona no nisy azy. Tsy hitany akory anefa tery amin'ny latabatra ilany nisy lehilahy nibanjina azy hatramin'ny minitra voalohany nandinganany ny tokonan'ilay salon de thé, tena nandinika dia nandinika azy hatrany antapondohany ka hatrany ampaladiha...
Toa nanindry an'i Malala izany ireo maso roa nijery azy ireo ary niodina ny lohany hijery azy. Tsy tezitra anefa izy nijery ilay lehilahy fa maika aza novaliany tamin'ny tsiky malefaka rehefa nifanojo ny mason'izy ireo. Tafatsangana ilay lehilahy ary nanantona azy..
- "Vololona! Vololona, tena ianao ve ity? tsy niova mihitsy ianao!" hoy izy nandray tanana an'i Malala.
Gaga i Malala hoe iza koa ity Vololona lazainy...fantany tany antsainy tany fa Vololona no anaran'ilay zokiny efa maty efa taona maro izay, kanefa tsy misy olona mahafantatra io zokiny io intsony ka ninoany fa olonkafa no tian'ity lehilahy ity holazaina...
Tsy novaliany ilay lehilahy fa niarahaba fotsiny izy..
- "Afaka mipetraka eto aho ve?" hoy ilay lehilahy nierikerika...
- "Edrey tsy maninona ka! tsy aleo ve miara-mipetraka isika zokiolona sao lanin'ireto tanora maro dia maro ato ireto!" hoy i Malala nananihany...
Niverina teny amin'ny toerany ilay lehilahy naka ny kitapony sy ny palitaony ary indro niverina nipetraka teo amin'ny seza nanatrika an'i Malala indray.
- "Mahefa no anarako," hoy izy nanolo-tanana an'i Malala.
- "Malala! faly mahafantatra anao!" hoy ikala nitsiky.
- "Tena hahatsiarovako olona fantatro taloha ianao," hoy i Mahefa taminy, na tsiky, na fandeha...manana rahavavy angaha ianao sao dia mba...
- "Tsia," hoy i Malala namaly azy haingana..."efa maty ny rahavaviko!"
- "Azafady indrindra," hoy i Mahefa nitsatsaingoka...
Dia nandeha teo ny resaky ry zareo, ary tonga teo amin'ity bodofotsy be novidian'i Malala ity ny resaka...
- "Hanatitra an'ity eny amin'ny hopitaly mihitsy aho avy eo, hoy izy fa eny ny zanako, vao niditra alina fa voan'ny lozampiarakodia..."
- "Lozampiarakodia? sao dia ilay zanaky Ratrema mpanefoefo iry izany?"
- "Izaho eto anoloanao ny vadiny!" hoy i Malala namarana ny glace ny.
- "Dray, azafady Madame!" hoy izy menamenatra. "Tsy ampoiziko ho efa be taona ianao ka niteraka iny zazavavy iny sahady..."
Nitsiky fotsiny i Malala fa tsy te-hitantara betsaka amin'ity olona ity ny fiainany. Nitsangana izy hangata-dalana, nefa notazonin'i Mahefa ny ratsa-tanany saika hanao veloma azy...
- "Andraso aloha moa aho hanapitra an'ity dia hateriko ianao e! lalako ihany iny!"
Tsy nanda i Malala, fantany fa te-hiaraka aminy fotsiny izao ity Mahefa ity ko lalany ihany aho lalany ihany. Te-hanova ny sainy kely koa izy ka navelany hisosa amin'izao ny lalampiainany. Nanempotra azy i Hery, tsy azony hianteherana i Ratrema...
Naloan'i Mahefa ny vola dia lasa ry zareo namonjy ny fiarakodia nijanona teo ivelany. Tsy niala teny amin'i Malala mihitsy ny mason'i Mahefa. Toy ny mahita anjely izany izy, toy ny mamerina ny lasa tany aloha ela be tany...tena izy ary ve ity sa tsy izy, hoy izy naminany...tena mbola tanora anefa ity Malala...I Vololona tahaka ny efa lehibe, tokony ho efa dimampolo taona any raha ny fandehany...
Nisy embouteillage be anefa teo andohan'Analakely hihazo ny tonelina iny, voatery niato elaela mihitsy ny fiara rehetra...Nony ela dia nandroso ihany, kanefa nony tao anaty tonelina iny indrindra dia nikatso tanteraka ny fifamoivozana. Nakarindry zareo ny fitaratra nohon'ny setroka mila tsy hahazoana miaina tao ivelany tao. Niankina tamin'ny fiankinana tsara i Malala haka aina. Tsinjony fa tsy niala teny aminy mihitsy ny mason'i Mahefa...toa nahafinaritra azy ny zava-miseho fa toy ny olona efa nifankahazatra taminy mihitsy ity lehilahy ity. Sady mihaja no paozin'olona manampahaizana izany...
Nifampijery tao amin'ny maizina ry zareo ary indro nifanojo tampoka ny molony ary nifanoroka naharitra teo ry zareo. Toa nanaitra ny tsiahy, ny nofinofy, ny lasa, ny faniriany lalina indrindra tany anatiny tany ny molotry Malala ka fanina izy...
Efa nikiririoka impolo farafahakeliny ny klaxonn'ilay fiara tao aoriana vao taitra ry zareo ary namelona ny fiarany i Mahefa....
- "Malala a! maika ve ianao?" hoy izy
- "Manao fotoana amin'ny vadiko eny amin'ny hopitaly aho amin'ny fito!"
- "Mbola misy adiny iray sy sasany," hoy i Mahefa nitsiky kely, tsy aleo mivily ny amin'ny hoteliko aloha isika vetivety hiresadresaka? aza matahotra fa tsy haninona anao aho," hoy i Mahefa maotina. "Te-hahalala anao misimisy kokoa aho."
Efa fantatry Malala ny tian'i Mahefa atao, fantany fa lehilahy te-hiaraka aminy fotsiny ity olona ity, kanefa tsy niraika izy...aleo handeha amin'izao aloha! hoy i Malala tsy te-haka sarotra akory.
Nony teo akaikin'ny ranon' Anosy iny ry zareo dia niverina niakatra an'ilay fiakarambe teo Isoraka indray aloha ny fiara hihazo an'Antaninarenina. Nijanona ny fiara ary indreo ry zareo namindra hiditra tao amin'ilay hotely lehibe iray. Nony nigadona teo amin'ny reception, dia niteny ilay tovovavy teo:
- "Mr andriamahefa? inty ny lakile nao!"
Niakatra tany ambony tany ry zareo ary tsy ela dia tonga tao anatin'ilay efitrano lehibe, tsara tarehy sy mihaingo fatratra... Toy ireny mpifankatia ireny dia norohan'i Mahefa kely ny soroky Malala avy ao aoriana. Nakimpin'i Malala ny masony. Injao ny molotry Mahefa manoroka ny hatony, ny volony ary indro i Malala mihodina kely manolotra ny molony haka sombiny kely amin'izao oroka mafana sagy malefaka izao. Nifanatrika izy roa ary mbola nifanoroka ihany, nanomboka novohan'i Mahefa ireo bokotra kely madinika nanidy ny lobak'i Malala. Tsy namaly ity farany fa dia niandry fotsiny izay ho tohiny ihany.
Nony niala ilay lobaka dia nampidininy moramora indray ny zip nitazona ilay zipokelin'i Malala, indro nilatsaka tamin'ny tany ilay izy ary nanaraka avy any ilay slip dentelle kely fotsifotsy. Niondrika i Mahefa ary nanomboka nanoroka indray ny nonon'i Malala, nidina teo amin'ny kibony, ary raha iny handeha hanohy tany ambany iny i Mahefa dia nosarangotiny hiverina hiakatra. Tsy tezitra anefa i Mahefa fa nahazo izay tiany holazaina ka dia nanomboka namaha ny kravatiny, ny lobaka nanaovany, ny patalohany tao anatin'ny segondra vitsy. Notrotroiny i Malala dia nentiny teo ambonin'ilay fandriana lehibe. Efa samy vonona ny vatandry zareo izao ka tsy naharitra ela intsony dia indreo tafaray tanteraka, faly loatra i Mahefa, toy ny manonofy izy mikambana amin'i Malala, toa niverina tao andohany ny fahatanorany...toa tsy nanano sarotra ho azy ny niditra namakivaky ny vatan'i Malala, naka ny tsiro tsara indrindra tany anatiny tany.
Rehefa mihemotra iny izy, toa tsy andriny izay hiverenana haka misimisy kokoa, hahatsapa misimisy kokoa ny tsiron'ny fahasambarana iainany izao...i Malala koa, nanomboka nahatsapa fa hay tsy ilana fitiavana ny firaisana ara-nofo, tsy toy ny fangejan'i Hery azy amin'ny fony adala, na ny fitiavany andRatrema amin'ny mahavadiny azy, fa hafa dia hafa, firaisana tsy amin'ny fitiavana fa nohon'ny filan'ny nofo fotsiny ihany, tsy misy fatopatotra na sakatsakana, na moraly na sosialy. Nahatsiaro tena ho afaka izy, afaka amin'ireo fitiavana mangeja azy. Efa nisefosefo mafy ry zareo, toa te-mbola hanohy lavitra ny lalana noraisiny tsy ankiera na antery; kanefa tampoka teo dia lasa izay tsy azo notanana....nifamihina mafy izy roa toy ny tsy te-hamela handeha ny fahasambarana tsapany teo...
Nijanona teo ambonin'i Malala kelikely aloha i Mahefa vao nifindra teo anilany.
- "Fa maninona ato amin'ity hotely ity ianao," hoy i Malala nanapaka ny fahanginana nony nahita ireo valizy sy antontantaratasy maro eo ambony latabatra.
- "Ato aho no mipetraka mandra-pandehako indray!" hoy i Mahefa namaly azy..."tsy monina eto aho, hoy izy fa any ampita…"
- "Any ve ny vady amanjanakao?" hoy i Malala
- "Sady tsy manambady aho no tsy manan-janaka!" hoy i Mahefa...
- "Fa naninona? hoy i Malala lasa ho azy ny vavany, avy eo izy vao tonga saina ka niala tsiny…"
- "Azafady fa tsy fanontany izany!" hoy izy menatra.
- "Tsy maninona ka...efa saiky hanambady ihany aho ka"
- "Dia naninona?"
Nijery an'i Malala i Mahefa, toy ny nahazo toky taminy izany izy dia nambarany ny tantarany...
- "Efa roapolo taona mahery izay, nisy tovovavy niaraka tamiko, efa nifanaiky ny hivady izahay tamin'izany ary efa nanomana ny mariazy. Andro vitsy talohan'izay anefa dia nisy rotaka be teto Antananarivo ary voatifitra aho sy ilay namako tamin'izay. Maty teo noho eo ilay namako fa izaho mbola tafatsoaka ihany ary nafenin'izay fianakaviana izay. Notsaboindry zareo tao foana aho. Nisy hazalambo be tamin'izany fa samborina daholo izay olona anisan'ny nirotaka teo, ary amambolana mihitsy aho no nijanona tao amin'ireo olona ireo. Nalahelo ahy mafy ry zareo ka dia nataony izay hahalasa ahy tany andafy, ary nanao demande d'exil aho."
Nandritr'izay tantara izay dia nihorona ny hoditry Malala, tsy nahajery an'i Mahefa intsony izy, toa nivadika ny tany aman-danitra...
- "i Vololona ve no anaran'ilay saika ho vadinao?" hoy i Malala hendratrendratra...
-" Eny hoy i Mahefa tsy nijery azy akory...hatrizany fotoana izany aho, hatramin'izao dia tsy mitsahatry ny mitady azy foana...asa izy izay izao na lasa inona na lasa inona...izany no tena antony niverenako fa mbola tia azy aho, sady efa mpitondra hafa izao no eto antanindrazana ka afaka nody aho..."
- "Efa maty izy," hoy i Malala niteny, toy ny masinina ny vavany tsy voarefiny intsony izay lazainy..
- "Efa maty? f'angaha fantatrao izy?" hoy ihany koa i Mahefa namaly, toy ny masinina koa ny vavany. Efa niteny izany izy vao nisavika ny sandrin'i Malala:
- "Fa iza ianao? fa maty ahoana izy?"
- "Izaho no Malala, zandrin'i Vololona!" hoy i Malala nitomany, izaho ilay mbola kely tamin'izany. tsy Mahefa no nahalalako anao fa i andry! hoy ihany i Malala nifokofoko
- "Fa aiza i Vololona? marina ve fa maty izy?"
- "Marina izany," hoy i Malala sady naka toerana indray izy hitantara izay lasa rehetra...
- "Tsy hitanay intsony izay nisy anao, i Vololona anefa bevohoka be, dia nipoitra i Ratrema nanambady azy, maty teo ammpiterahana an'i Alexia anefa izy dia izaho no nikarakara anjanany, ary nanaiky ho vadian-dRatrema....mikorontana toy izany ny fitantaran'i Malala ilay tantara nefa dia azoazon'i Mahefa ihany...Nigororoana ny ranomasony nandre ny nahalasan'ilay olon-tiany...Samy nitomany teo ry zareo aloha..."
- "Zanako izany i Alexia, ilay marary ao amin'ny hopitaly io?"
- "Eny!" hoy i Malala...
- "Tena mbola mila fikarakarana be izy..." hoy ihany i Mahefa.
- "F'angaha efa hitanao izy?"
- "Izaho no nandidy azy alina!" hoy ihany Mahefa sady nitomany indray izy.
Nitsangana haingana i Malala namonjy ny efitra fidiovana, niomana faingana ry zareo dia indro nidina ny tohatra hamonjy ho any amin'ny hopitaly indray.. Samy tsy nahitan-teny ry zareo teny andalana kanefa hita samy te-hisikotra izay fiainan'ny tsirairay avy koa....
- "Malala a! tao aorianan'i Vololona, dia ianao indray no vehivavy niray tamiko!" hoy i Mahefa nibanjina ny lalany sady namindra vitesse.
Nangina i Malala sady gaga...
| « | Febroary 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | |