Tadiom-pitiavana

Pejy 16
2006/04/09,09:40

Misy taratasiko any dia vakio tsara, sady niteny tamin’ny teny malefaka izy, nampidiriny tao anaty kitapo kelin’i Hery ilay zavatra.
- "fa maninona ianao e ! marary angaha? " Nisento tokana fotsiny izy.
Injay fa nidina i Alexia, tsy niteny intsony i Malala, ny fanondrony roa no natsindriny ny handriny dia lasa izy nipetraka teo amin’ny seza lava.
- "Ity misy fanomezana kely avy taty amiko," hoy i Alexia, boaty kely efajoro voafono mangirana ilay izy sady misy fatorana. Noraisin’i Alex ilay kitapo teny an-tanan’i Hery dia nosokafany hampidirany ity fanomezana. Nojereny ny tao anatiny, antontan-taratasy vitsy nentin’i Hery avy tany am-piasàna, misy horonan-karona ahitàna zavatra mifono, dia nalainy sady hoy izy, - "inona kay ity ry Hery ? "
Nivandravandra be i Malala tetsy amin’ny salon, nivaloharika ohatr’izany. I Hery tsy nahita hotenenina. Nidobodoboka ny fony, ny mason’i Alexia no nobanjininy tsara. Tsy dia nahoan'i Alexia anefa izay tao anatin'ilay fonosana ary dia naveriny tao anaty kitapo ilay zavatra. Nifanoroka indray izy roa dia nandeha nanao veloma an’i Malala i Hery. I Malala anefa amin’io mibanjina ny mason’i Hery tsy misy ohatran'izany mba hampitany ny adin-tsaina mahazo azy kanefa tsy nety tody tamin’i Hery mihitsy izay tiany hambara. Raha rahona mandalo miserana tokoa, tsy ampy hanaloka ilay masoandro mibaliaka niainan’izy roa ny tolakandro teo.

Nandray fiarakaretsaka i Hery nody, nisaintsaina lalina ny fahasambarana niainan’izy roa tany Ambatofotsy. Andro iray tsy ho hadinony amin’ny fiainany iny andro iny. Na dia efa maizina aza ny andro tamin'izay dia toa masoandro mibaliaka no namiratra tao an-tsainy.
Tsaroany ery i Alexia mijoro eo anoloany, ny hafanàna amin’io mamely, sary miraikitra amin’ny masony ny hatsaran-tarehy, ny volo lava any an-damosina, ny tratra lafatra tsy misy toa azy. Raha nisy anjely teto an-tany hoy izy tany antsainy tany dia tsy azo lavina fa i Alexia anisany. "Nahazo letsy ialahy RaHery," hoy izy, iza eto amin’ny tanàna no tsy te-hahazo an’iny sipa iny na ny mitovitovy aminy fotsiny aza ! Nanofinofy teo izy, kanjo, nisy fiara 4x4 nandefa ny jiro mahajambena tamin’ity fiara-karetsaka kely. Ni-klaxon ilay mpamily sady nanapipika ny jirony izay tsy nahaovoka akory fa tafajanona mihitsy. Natorak’i Hery teny amin’ny sisin-dalana ny masony, taitra tamin’ilay nofinofiny teo izy, nandalo tampoka taminy ny sarin’i Malala ilay fotsy hatsatra teo. Nalainy ilay kitapo keliny dia nojereny, tsy azony an-tsaina mihitsy hoe inona ity, sao dia misy manjo an’i Malala ary, ka tsy tiany ho fantatry ny ao an-trano. Tsy andriny izay nahatongavany tao aminy. Tonga
izy dia niakatra tany amin’ny efitranony. Valopy iray sy lamba mifono taratasy hafa ny tao. Nisokafany kanjo...

Nivoaka tao ilay silipiny efa tsy hitany izay ela izay, tsy adinony akory iny resaka iny fa nodiany tsy fantatra fotsiny. Nandalo niserana tao an-tsainy ny enim-bolana lasa, nampikorontana ny sainy indray ity zavatra-mitranga ity.
Nosokafany ilay taratasy, teny vitsy monja ny tao :
« Hery, miady mafy ny saiko fa tratrako Ratrema nampirafy ahy,
kely loatra ny aiko ».
Soratra tahaka izay no hany tao dia nampiova tanteraka ny fara-vodilanitra manga nofinofin’i Hery teo, toa nilentika tampoka ilay masoandro, nangatsiaka, nodimbiasan’ny rahona matevina. " Inona ity, ahoana indray no ataoko ?"
Noraisiny ny finday, hay adinony ny namelona azy hatrany Ambatofotsy. Novelominy dia niantso an’i Malala izy !
- "Allo ! Malala, maninona ianao izao. "
- " Hery, tsy afaka miteny mafy aho fa marary be daholo ny vatako iray manontolo. "
Tsy nahatanty ilay fihetsik’i Alexia teo tokoa ny anao vavy ka niakatra tany ambony niverina natory. Niandry izay higadonan-dRatrema fotsiny sisa; I  Cynthia koa tamin'io fotoana io nitomany foana nefa tsy nety nampinonoana. Izy rahateo tsy manana aina intsony. Ny saina mety ihany, fa ny vatany no torovana tanteraka.
- "Hery an ! miverena aty fa mila anao aho ! "
Tsy hitan’i Hery izay hatao, noraisiny ny akanjo mafàna, niteny tamin-dry Dadabe fa tsy maintsy misy alehany any amin-dry Alexia dia nihazakazaka namonjy nivoaka ny arabe izy hitady fiarakaretsaka. Tsy nandry intsony ny sainy fa nieritreritra an’i Malala sy izay nahazo azy izy teny an-dalana.

Fotoana elaela taorian’ny nandehanan’i Hery vao nigadona teo am-bavahady ny fiaran-dRatrema. Tao anatin’izay no niantsoan’i Hery an’i Malala teo.
Niditra tao an-trano ilay raim-pianakaviana, avy dia nipetraka teo ambony seza namelona ny fahitalavitra. Ren’i alexia ny fahatongavan-drainy, sady hitany rahateo koa ny fiara avy teny am-baravaran-keliny. Nidina izy, falifaly ery, nanoroka an-dRainy.
- " Papa, tsara ve ny tontolo andronao androany ?" Nojeren-dRatrema tsara ity zanany.
- "Han, falifaly indray ange izany zanako izany e ! Tsy androany moa ilay noteneninao ahy tamin’ny zoma fa hivoaka kely ny renivohitra hiaraka amin’i Hery ? Tsy naninona ny fiara an, faly aho rehefa miramirana tahaka izao ity zanako ity."
- "Ie ! sady tena nahafinaritra, tany Ambatofotsy izahay roa, nilalao rano. Amin’ny manaraka isika rehetra angamba mankany, sady nipetraka izy no nitositosy teo amin-drainy teo, tahaka ireny zazavavy kely ireny.
Mahagaga tokoa fa tena miray fo sy saina mihitsy izy mianaka, mety ahatsiarovan-dRatrema an’i Vololona koa angamba i Alexia, indrindra izy izao efa mandia ny fahatanorany izao.

- "Fa aiza ny ankizy kely ? te hahita azy aho izany."
Nitsangana i Ratrema, dia niakatra tany ambony, nojereny aloha ny efitr’i Toky, tsy nisy olona tao, nanantena an’i Malala izy hoe mitaiza an’i Cynthia tao amin’ilay efitra vaovao, mbola tsy tao ihany koa.
- "Malala an !" sady nankany amin’ny efitranony izy.
Hitany teo i Toky kely matory aok’izany eo ambony fandriana sady eo akaikin’ny reniny. I Cynthia koa eo amin’ilay berceau fatoriany taitra sady manomboka mikenfonkefona. Nanatona azy izy dia noraisiny notrotroiny. Taitra tamin’ny fahatongavan-dRatrema i Cynhtia ka niverina nitomany indray.
I Malala amin’izay manome lamosina tsy nahateny tsy nahavolana, sady mibonoka ity lamba matevina nefa ny andro nivaivay aok’izany tamin’ny atoandro teo.
Nipetraka teo ambony fandriana Ratrema, ny zaza amin’io eny an-tanana ihany sady mitomany izay tsy izy. Ny reniny toa tsy taitra akory fa maninona angaha ?
- "Malala an!" hoy indray Ratrema, "mitomany ange ity zaza ity e!" Sady nokitihany ny vadiny hanaitra azy. Vao mainka anefa i Malala nihodina indray ka ny lamosiny no nataony ambony no nafeniny tao anaty ondana ny lohany.
- "Fa maninona ianao e?" Noritin-dRatrema tamin’ny tanany ilany ny lamba ka indro ny vadiny hitany fotsy hatsatra, malemilemy tsy nahasintona intsony ilay lamba. Ny sainy torovana tsy nahavita intsony izay tetika hamaliany faty an-dRatrema. Hany heriny dia nihodina tsimoramora, nandatsaka ny ranomasony sady nifokofoko.
Taitra koa i Toky sady tonga
dia nitomany nahare an-jandriny. Tsy hitan-dRatrema izay hatao, nikoropaka izy, natsoiny i Alexia hiakatra hampangina an’i Toky no hitondra azy hijery fahitalavitra any ambany. Nantsoiny koa ilay mpanampy mpitaiza hanome biberon an’i Cynthia any amin’ny efitranony dia niverina teo amin’i Malala izy.
- "Malala, malala an ! maninona izany havako izany e?" Vao mainka nidradradradra nitomany i Malalatiana. Niezaka ny hanakifika ny tanan-dRatrema fa tsy nahavita intsony. Tomany eran’ny trano, ny zazakely angamba misy maharary azy fa tsy nijanona nitomany na dia nanao izay azony natao aza ilay mpanampy, i Toky raha vao misy mitomany dia iny koa lery manampy trotraka, sahirana ery Alexia mitaiza azy, Rafotsy ao ambony midradradradra aok’izany tsy laitra hampanginina.
Noraisin-Dratrema izy dia natohony tamin’ny tratrany, reny fa tena mafàna be ny lohan’ity vadiny, nosafosafoiny mora teo.
- "Malala an! aok’izay izany havako izany
- "fa misy inona ary ato ? dia ho sanatria ve ho fantatr’i Malala ny nataonay sy Corine tany am-piasàna, tsy mino izany aho, tsy misy mahalala mihitsy izay ataoko ao anaty birao, sao dia ilay Corine iny ary no nanao menace an’i Malala ? aza hitako," hoy Ratrema tany an-tsainy tany.

Noraisiny ny telefaona, niantso dokotera izy, dokotera efa mahazatra ny fianakaviana izy io, ary antsoina rehefa misy marary ato an-trano. Nazavain-dRatrema teo izay zava-mitranga. Naka fitsapàna hafanana izy avy eo, dia nandrotsaka fanafody anaty rano fa izay no nafaran’ilay dokotera mandra-pahatongany. Tena marary mafy ity vadiko ity, hoy izy, aleo aloha ho tonga
i Dokotera dia ampidirina hopitaly indray fa sao dia hanahirana eto. Taitra izy nahita ny hafanàn’i Malala, tena loza ity. Efa nanomboka nitonitony i Malala tamin’izay fa tsy nitomany intsony, tsy nisy sahy niresaka, lasalasa saina i Ratrema amin’ity zavatra mitranga, efa narary ary i Malala ka tsy niantso ahy, fa maninona ary ?
Roapolo minitra taorian’izay vao tonga
ny dokotera, hay niaraka niditra taminy tao koa i Hery.
- " Oay, tonga
niverina ny malalako," hoy i Alexia, nanoroka ery, i Toky amin’io velon-tsiky indray nahita an’i Hery sady nanomboka nibitabitaka.
- " Faly ery izy izany nahita anao, izaho teto tena sahirana mihitsy nampangina azy, sady nomeny an’i Hery hotrotroiny i Toky.
- "Fa maninona i Malala ry Alex fa nantsoiny aho teo, marary hono izy ?"
- "Nitomany be izy teo, tsy haiko fa tena fotsy hatsatra be aloha tamin’izaho nandalo tao. Efa iny ny dokotera niakatra ao aminy ao, aleo aloa isika miandry aty fa tsy hitany eo ve izay tokony hatao?"
Adinodinon’i Hery izay zavatra nitranga, ity zanany faly ery eny an-trotroany no nahafinaritra azy. " Dray letsy ialahy ry Toky  hoy izy aneritreritra, tena misy itovizana be amiko hono ialahy?" ity zazakely amin’io faly ery manafosafo ny lohan'ity "rainy" nitrotro azy . Dia variana teo izy telo mianaka.

Tany ambony kosa tamin’io…
Nanazava Ratrema fa 40°5 ny hafanan’i Malala teo ; vao hitan’ny dokotera ilay marary dia nojereny ny aty vavany,
- "Tena décalcifiée be mihitsy ny vadinao ry Ingahy Ratrema, raha izao fahitako azy izao, sady nojereny ny hohon’i Malala, tsy maintsy mitsindrona haingana, efa nitondra aho aty. Mampinono moa izy io ? Sao dia nisy zavatra nanaitra azy ary androany." Sady naka ny fitaovana fanindromana ihany izy. Reny koa i Cynthia mbola mitomany ao amin’ny efitra ilany ;
- "Ilay zanakareo angaha izany," hoy indray izy, "aleo aloha ho vitako ity dia mijery azy isika. Sao dia taitra tampoka ianao Ramatoa androany, sao dia nisy fiara saika handona anao teny an-dalana?"
Tsy nahateny mihitsy i Malala fa ny masony no natsirempirempiny fa nahatsiaro naharary azy ilay tsindrona.
Aleo aloha izy haka aina tsara, ireto no fanafody tsy maintsy vidianareo izao, any amin’ny farmasia mpiandry raharaha, dia nanoratra izy.
- "andao ary jerena izao zazakely mitomany izao, nivadika tao an’efitra izy dia noraisiny ilay zaza efa tora-kelin’ny tomany ; novahany ny akanjony, nojereny ny atin’akanjony, somary taitra kely izy, nangatahany ilay mpanampy raha mbola hitany ny lamban-jaza fanary teo alohan’io.
- "Andana jereo," hoy Ratrema, dia nidina ilay Ramatoa nitady ilay lamba efa nariany teo. Afaka kelikely, maharary kibo be ity zaza ity, raha izao no fandehany dia nivadi-nono ny reniny, mino mihitsy aho nisy nahataitra azy tampoka tany ho any, asa efa tamin’ny maraina angamba, tsy fantapantatrao ve ?"
- "Toneo tsara ny fon’ny vadinao ry Ingahy Ratrema, mila maka aina be mihitsy izy, mila entina maka rivotra kely koa any ambanivohitra any aza.
Naka tatatasy vaovao indray izy dia nanoratra izay fanafody tokony ho an’i Cynthia sy ny momba izay tokony hampiasàna azy. Efa dokoteran-dry zareo izy io,efa ho 5 taona izay, manana fahaizana manokana momba ny reny sy ny zaza rahateo, ka izy foana no manara-maso an’i Toky, ary amin’izao dia i Cynthia indray.

Gaga i Ratrema, vita izay rehetra izay, dia nidina ry zareo,
- "Rahampitso aho," hoy ilay Dokotera, "tsy maintsy miverina, inoako fa miasa haingana ilay tsindrona teo, rehefa atosiky ny fanafody hafa koa iny dia hiafana haingana ny vadinao. Tandremo fotsiny izy, tsy hampinono aloha fa …"

Vao tafidina tany ambany anefa dia nahita an’i Hery Ratrema, nivandravandra aok’izany mahita an’ity vinantony mitrotro an-janany. Navelany nandeha ilay Dokotera dia niverina izy.
Mody tony aloha, vao niteny tampoka,
- "Tsy efa niteny ve aho fa tsy mahazo mankaty ialahy raha vao alina toy izao, sady nanomboka nitrerona izy. Ialahy an ! rahefa izay dia izay, maninona aty koa ialahy io ? Tsy manana lava-trano hatoriana angaha?"
- " Azafady indrindra ry Papa fa.." sady nosintomin’i Alexia ny rainy, "Papa an, nantsoin’i Neny ange izy hono teo e, ary aza mampiaka-peo fa misy marary ange eto e!"
Na reraka aza i Malala tany ambony dia reny ihany ilay trerona nataon-dRatrema teo, azony an-tsaina fa tonga
i Hery. Nitomany indray izy.
- "Hijery an’i Malala mihitsy no nahatongavako aty amin’izao alina izao. Izy mihitsy no niantso ahy, efa ho antsasak’adiny izay ; aleo aho hiakatra hijery azy.
Tezitra i Ratrema fa tsy nahavita nanainga tanana akory, ny zanany vavy etsy, misarangotra aminy mba hampitony ny fahatezerany.

Lasa i Hery niakatra, i Toky mbola trotroiny ihany; niditra tao amin’ny efitrano, nalahelo kely izy nahita an’i Malala fotsy hatsatra matory eo ambony fandriana.
Nipetraka izy, navelany handehandeha i Toky kely, noraisiny ny tanan’i Malala, azony an-tsaina sahady ny tebiteby mahazo ity renin-janany. Ny mason’i Malala sisa no natopiny teny amin’I Hery hilazany izay manjo sy mampiady mafy ny sainy.
Afaka kelikely dia niteny mora dia mora izy :
- "Hery an ! nivadi-nono hono aho," hoy ilay dokotera teo.
Tsy niteny intsony izy roa, fa ny safosafon’ny tanana no natao hampitony ity marary.

Niakatra moramora i Alexia, narahin-dRatrema tao aoriana, nony niditra izy ireo, niverina indray ny fivandravandrana be ! Tsy hitan’i Alexia izay hatao, i Malala etsy mampikimpy ny masony fotsiny, tsy te-hahita izay zavatra hitranga indray.
Tsy nahatony fo intsony i Hery dia nitsangana :
- "Ianao ihany Rangahy ity no nahatonga izao an!" Sady natsipiny teny amin-dRatrema ilay taratasy kely avy tany amin’i Malala.
Taitra i Ratrema, novakiany ilay taratasy kely. Romotra ny anao lahy, nalatsany tamin’ny tany ilay taratasy dia nisintona an’i Hery izy sady noraisiny ny vozon’akanjony.
- "Iza no miteny an’ialahy mba hiditra amin’ny fiainan-tokantranoko. Tsy anjaran’ialahy ny aty, any amin’ialahy ialahy manatsipitsipy izay tian’ialahy hatsipy fa tsy aty amiko velively. Lehilahy tsy vanona, adinon’ialahy angaha ny nataon’ialahy hatramin’izay; Ny zanako no potipotehin’ialahy tahaka izao. Hahalala an-dRatrema ialahy anio."
Niakatra ny feo, izy mianaka vehivavy etsy mitomany, ilay taratasy efa nalain’i Alexia sady efa novakiany, niverina indray ny tomany, ny dardradradra, ren’ny mpanampy rehetra tany ambany izay nitranga.

Nanalan-dRatrema ny fony teo aloha i Hery, ity farany tsy nahita hotenenina intsony fa nangina aloha.
Asa tokoa, nahatsiaro ho diso ihany angamba Ratrema ka napetrany ihany i Hery fa tsy nokitihany akory. Nafàna ny fony, naleony nidina tany ambany, nanaovany ny akanjony avy niasa teo, nakarapony ny varavarana dia lasa izy namelona ny fiarany. Klaxon nanaitra ny manodidina no niantsoany ilay mpiambina ny tanàna hivoahany. Nigika aok’izany ny fiaingan’ilay 4x4 teo amin’ny arabe. Tsy hita intsony izay hatao, izy mianaka etsy mitomany izay tsy izy, very hevitra amin’izay tokony hatao.

Pejy 17
2006/04/10,13:06
 Lasa nirifatra i Ratrema, nandeha mafy aok’izany. Tezitra ny anao lahy, be loatra ny hambom-pony. Tendrim-po tsy mba namana tokoa, ka naleony aloha niala izao trangan-javatra mety hanahirana azy izao. Fantany tsara tokoa ny fahadisoana nataony, ary azony tsara ny mahatonga izao zavatra rehetra miseho izao. Nijanona vetivety teny amin’ny sisin-dalana izy, noraisiny ny finday ; nantsoiny i Corine :
- "Allo ! Aiza ianao io izao? "
- "Fa misy inona ?" hoy ny feon’i Corine tao anaty finday.
- " Mety ho afaka mifankahita ve isika izao fa tena henjana ny raharaha."
- "Ianao ve Ratrema adala sa mody fanina an ! Amin’ity andro efa alina be, tsy fantatrao angaha fa manambady aho. Zaranao aza tsy eto akaikiko eto izy fa tsy noraisiko akory ianao raha tsy izany."
- "Tratran’i Malala ilay nataontsika aninkeo."
- "Tsy problemako izay tratra any fa anao izany," sady notapahin’i Corine ny antsony.
Vao mainka romotra I Ratrema, naviliny lalana ny fiarany dia nankany am-piasàny izy. Eken’ny sainy tokoa ny fahadisoany fa ity Hery misolantsolana miditra amin’ny fiainan-tokantranony no tena mampirehitra ny fahatezerany.
Na izaho, na ilay Herin-doza iny, hoy Ratrema tany an-tsainy, fa tsy ifandrombonana mihitsy ny mitondra ny fiainan-tokantranoko. Nandefitra sy honena an’ialahy aho hatrizay, fa ho hitan’ialahy amin’izay izay tsy mbola niainan’ialahy.

Tany an-trano anefa, sahiran-tsaina aok’izany ny rehetra tao, ny fanafody mbola tsy nisy voavidy, Malala mbola vizana dia vizana tsy mahateny fa ny ranomasony no mijohy amin’ny tarehiny, izy mianadahy kely tsy mitsahatra ny mitomany. I Alexia tsy antenaina fa latsa-dranomaso mahita an’ity reniny. Ilay taratasy kely amin'io mbola teny an-tanany ihany. 
Nidina i Hery nitady ireo taratasim-panafody, mbola teo ambony latabatra lehibe. Noraisiny dia niakatra izy.
- "Tsy maintsy vidiana haingana ireto fanafody ireto," hoy izy. " Aleo aho omena lakilen’ny fiara iray dia handeha hividy ireto." Nampahereziny teo i Alexia sady nampangininy fa tsy maintsy handeha vetivety izy.
- "Andraso tsara eo aloha i Malala fa tsy maintsy mila anao izy amin’izao tsy salama izao."
_ "Tena loza ny nafitsok’i Ratrema, lehilahy loham-pianakaviana ve no sahy handao ny vady aman-janany marary nefa ny andro alina ? Tsy mety izany," hoy izy. "Na inona tendrom-po, na inona fahatezerana, ny tokantrano tsy azo avela indrindra amin’ny fotoana tahaka izao. Izaho aza mbola tsy manam-bady mahatsapa izany, koa lehilahy lehibe tahaka iny ve?"

Nomen’i Alexia azy ny fanalahidin’ny fiara dia lasa i Hery. Nasainy niaraka taminy ny mpiambina ny tanàna iray dia novelominy ny fiara ary nivoaka ny vavahady izy nandeha hitady ny fivarotam-panafody miandry raharaha. Teny an-dalana vao tsaroany fa tokony haka vola, naviliny lalana tampoka ny fiara handalo ireny fakana vola mampiasa karatra ireny. Rehefa azony izay nilainy dia nihazo izay farmasia akaiky azy indrindra teo izy.
Teo vao tsapany izany hoe mandray andraikitra eo anivon’ny ankohonana izany, izao tokoa moa izany no mitranga rehefa misy marary ny ao an-trano, ary tena mahatsiaro sahirana tokoa rehefa ny vady aman-janaka no iharany.
Vady aman-janaka.. iza moa letsy no itotototoan’ialahy toy izao fa tsy ny zanak’ialahy, dia ny reniny. Toa fanaintainana hafa fa tsy tahaka ny tamin’izy nitsabo an-dReniny taloha no tsapany. Ireto hay moa hoy izy no tena silaky ny aiko.

Raha tsy naditra tokoa letsy ialahy ry Hery, dia tsy nisy mihitsy ny tahaka izao. Lasa tsy hiverina intsony ireny, nefa mamela takaitra tsy mety afaka eo amin’ny tarehin’ialahy ; ary isaky ny misy zavatra mitranga dia ren’ialahy mangirifiry foana, ary mbola miboba-rà aza indraindray.
Verivery saina teo i Hery, varimbariana, vizana sady torovana. Ilay mpivarotra nanontany raha mila faktiora izy no nanaitra sy nahatonga saina azy.
- "Ramose an, asiana faktiora ve?"
- "Ann ! fa ahoana tokoa moa ? Tsy tokony hasiana ve?"
- "Gaga aho mantsy raha tsy asiana, fantatro tsara anie i Mme Malalatiana e !" Niara-nianatra izahay taloha, ary iray dabilio mihitsy, isaky ny mividy fanafody izy dia manketo amiko foana, dia miresaka izahay. Mahita ireto lisitra ireto aho, angaha tena marary be i Malala sy ny zazakely ? Fa ianao moa no iza raha tsy mahadiso?
Kaodikaody i Hery.
- " Niara-nianatra taminy ianao ? Euuh, (tsy hitan’i Hery izay hotenenina), fofombadin’i Alexia aho ka!"
- "Hay ! Hay ianao izany ilay Hery, firesany matetika mihitsy ianao. Ary tena hay mbola bôgôsy kosa kay ianao noho ilay nolazainy ahy," sady nitsikitsiky be izy.
Fa inona indray ary no nolazain’i Malala tamin’ity Ramatoa ity, aza hitako ka fantany avokoa ny momba ahy iray manontolo. Ilay vehivavy amin’io mitsikitsiky ihany. Asa izay ao an-tsainy.
Nataony ny faktiora rehetra, dia nomeny ny fanafody rehefa avy nandoa vola i Hery;
- "Mirary fahasalamana an’i Malala, rahampitso maraina aho, rehefa vita ny garde, dia mandalo any aminy any. Mampamangy e!"
- "Misaotra tompoko," hoy i Hery, "Mme iza moa raha tsy mahadiso?"
- "Mademoiselle ka, Mlle Tahiana, faly mahafantatra an’i Hery." Sady natolony ny tanany ho mariky ny fifankafantarana.

Sadaikatra be i Hery nivoaka ilay farmasia. Kivy be ihany izy fa tena fantatr’ilay vehivavy teo hatramin’ny anarany. Loza koa ity vava tsy ambina ataon’i Malala. Raha izao ve tsy tsara tatitra avokoa izay nataoko rehetra hatrizay. Loza miampy loza angamba.

Nodiany tsy noraharahiana izay zavatra nitranga teo fa ireto marary itondrany ny fanafody no nohezahiny nabahana ny sainy.
Raha izao moa Ratrema no niverina, ary mety izany mihitsy no ao an-trano ao, asa angamba izay hitranga ; aleo izany tsy hirariana fa hisy hifamono ho faty eo angamba.
Eny an-dalana izy tsy miteny mihitsy, ilay mpiambina nanaraka azy amin’io mangitikitika sy te-hanontany izay nitranga. Tsy naharitra intsony ity farany ka niteny sady somary nivazivazy.
- "Ramose an ! Tena misy inona marina ao fa Ingahy Rainy be lasa nirifatra aok’izany nefa izao isika avy nividy fanafody."
- "Sshhhh ! ho fantatrareo eo ihany ny tohiny, marary fotsiny i Madama ao, ny zazakely an-tanana ihany koa. Aza dia asiana resaka be fa manjary manahirana."

Tonga
izy mirahalahy, vao nijanona ny fiara dia nivoaka ilay mpiambina namoa ny vavahady.
- "Jereo aloha ilay 4x4 an’Ingahy Rainy teo raha efa tafaverina ao!"
- " Tsy mbola ao kah!"
- " Voahay tsara ary ny vavahady dia aleo aho hiditra."

Niakatra tany amin’ny efitr’i Malala i Hery, nojereny, hay efa matory. I Alexia lasa nidina any ambany nikarakara izay ranon-dravim-boafotsy fanampiny homena ity marary. Noraisin’i Hery moramora ny tanany. Ny ilany mitazona ny taratasim-panafody milaza izay tokony hatao. Navoakany tsirairay izay fanafody tao anaty harona, dia natokatokany teo ; tsy maintsy hofohazina ve izany i Malala hanomezana ireto? Hoy izy  niteny irery.
Niditra i Alexia :
- "Hery, hay efa tato ianao ? Efa nihafana ny hafanany, nomeko ravim-boafotsy mafana izy dia nitonitony rehefa avy tsemboka be, nasiako tavoahangy misy rano mafana koa tany amin’ny tongony dia izy io natory io;"
- "Ary i Cynthia ? Nanao ahoana izy izay ?"
- "Hay efa nomen’ilay dokotera fanafody izy fa soloina fotsiny rahampitso rehefa tonga
eo. Dia nomena azy izay tokony hohaniny. Efa matory ihany koa."
- "Ouff ! izay vao milamina ny saiko."
- "Ity bandikely ity no tsy mety matory fa variana milalao, i Toky amin’io nanaraka an’i Alexia nandady niakatra ny tohatra ; Faly ery vao nahita an’i Hery sady nihazakazaka kely ery niantsampy teny aminy."

- "Ahoana ny ataontsika ry Alex ? Tsy niverina mihitsy ve ny Papanao. Aleo aho handeha amin’izay fa tsy maintsy hiverina eo izy, asa indray angamba izay hitranga."
- Aza mirohirohy saina ianao fa efa niantso azy aho. Mbola tsy hiverina hono izy aloha fa aleony mijanona any am-piasany ihany ; misy efitra kely fakàny aina koa ange any e ! mangotraka be ny fony ka aleony aloha mampitony tsara izany vao miverina aty;"
- "Ka na teo aza izy, izaho koa tsy hamela anao handeha mihitsy. Jereo ange ity mahazo anay e!" sady nanafosafo ny lohan’i Hery ihany izy.
- "Andao aloha hisakafo fa hitako mihitsy hoe : tsy mbola nanendry hanina izao ialahy ity hatramin’ny avy any Ambatofotsy."
I Toky amin’izay efa miha-mavesatra ny maso keliny te hatory, dia nampandrian’izy roa tao amin’ny efitranony. Niara-nidina izy ireo, norosoan’i Alexia trondro izy ka ninosanosana ery. Vao vita ny sakafo dia nitsangana i Hery, nanoroka ity malalany sady nisaotra.

Injay fa re misokatra ny vavahady lehibe, mitaratra miditra any an-trano ny jiron’ny fiara. Fiaran-dRatrema io, tsy isalasalàna mihitsy.
Tampoka, misy mikiakiaka any ambony, i Malala izay, misy zavatra nitontona mafy sady mikodiadia amin’ny gorodona .
Nihazakaza i Hery niakatra ny tohatra...........inona indray no zavatra hiseho ?

Nihazakazaka tahaka ny tsy teo i Hery raha vao nandre ilay kiakiaka nataon’i Malala tany ambony. Niditra izy, i Malala amin’io tafarina mihitsy, hay taitra tampoka fa nanao nofy ratsy angamba, ilay tavoahangy nisy rano mafana koa mikodiadia amin’ny tany fa voadakan’ity marary tamin’ilay fahatairana teo. Nanatona i Hery sady nipetraka teo ambony fandriana, i Malala amin’io niezaka ny hatory ary natohony teo amin’ny tratran’ity malalany ny lohany. Fantany fa eo no ahazoany aina, eny na dia fotoana kely fotsiny aza. Nitady tambitamby teo izy, nangataka horotsirotsiana mba hampihena ny fanaintainany izay sady manjo ny sainy no manjo ihany koa ny vatany iray manontolo. Mafy tokoa marina izany hoe voafitaka. Soa fa i Hery no hitany teo ka nanamaivana ihany ny fanaintainany izy efa mila tsy ho tantiny intsony.

Tany ambany anefa, Ratrema niditra ny trano, efa nandrairay whisky tany am-piasàny tany angamba. Notsenain’i Alexia ka nosarihiny hipetraka aloha.
- "Mbola ao angaha i Hery?"
Nanainga soroka fotsiny i Alexia fa tsy niteny. Nitsangana indray Ratrema hijery am-badiny.
- "Papa, efa nampanantena ianao fa tsy hamoa-doza eo imason’i Neny intsony. Mangataka mihitsy aho raha azo atao, aza mbola miakatra any aloha, sady nosintoniny ihany ny tanan-drainy. Papa ho’aho, je t’en supplie;"
Tsy nahasakana an-dRatrema anefa ity fitalahoan-janany fa niakatra tany ambony ihany izy hijery izay manjo am-badiny.
Nony efa akaiky ny tokonam-baravarana izy dia niahotra kely, nijanona aloha ; nangalarany fijery kely izay tao an’efitra. Indro hitany i Malala miondana amin’ny tratran’i Hery, ity farany manafosafo moramora ny tarehiny. Nisento tokana indray rangahy be, reny miakatra ny hasarotam-piaro mahita ity ataon’i Malala, amin’ny lafiny iray anefa dia nahatsiaro koa ny fahadisoany ihany izy raha nitsoaka ireto ankohonany tamin’ny fotoana sarotra, eo ihany koa ny alahelo noho ny famitahana ankitsirano ity vadiny. Ny fitsabahan’i Hery amin’izay andraikitra raisiny izay angamba no mampitroatra azy tahaka izao.

Niala moramora ny varavarana izy, saika hidina, nefa nijanona sy nisaina kely aloha. Afaka segondra vitsivitsy, niditra ny efitranony ihany.
Izy roa, na lazaina ihany koa hoe : izy mianaka koa, tsy nahita na nandre ny fidiran-dRatrema, ka raha tsy somary nikohaka ingahy rainy tsy nitodika i Hery.
Fantatr’i Hery tsara fa efa ao an-trano Ratrema fa asa na mody tsy noraharahiany na tena fiantsiana tsotra izao. Ratrema amin’io mamonkona ny totohondriny sady toa mivandravandra azy. Vao nahita izany i Hery dia nitsangana, niezaka nampatory an’ i Malala handray ondana, ity farany nisintona ny lamba ka nisakobona tao anaty fandriana tsy te-hahita indray izay ady mety hitranga eo.
Samy nifampivandravandra izay tsy izy teo aloha i Ratrema sy Hery. Toa nifandinika teo izy mianaka, tahaka ireny biby masika te-hampiseho ny heriny amin’ny masony ireny. Nilefitra tampoka anefa i hery :
- "Papa," hoy izy, "tsy mila ady amin’ity andro alina aho fa aleo aho handeha hody izao dia izao ihany;" sady nivily lalana izy tsy hifanehatra amin-dRatrema. Vao tafavoaka ny varavarana anefa dia niteny mafy Ratrema :
- "Ho aiza ialahy iny ! Raha mandingana ny tokonam-baravarako eo ialahy dia aza mihevitra ny hiditra ato amiko intsony mandakizay; ny lalan’ialahy zorina, tsy mila izay ialahy aho ! matesa any amin’izay odian’ialahy any ! olon-tsy vanona."

Nigogogogo nitomany indray i Malala tao anaty bodofotsiny tao. Taitra i Alexia nandre ny feon’ity rainy. I Hery teo amin’ny tohatra saika hijanona, mafy taminy loatra ilay tenin-dRatrema, ary tahaka ireny kibay mively ny lamosiny ireny. Notohizany ny lalany, nodinganiny ihany ilay tokonam-baravarany, nivoaka ny trano izy hamonjy ny vavahady. Hazavana kelin’ny jiro sisa no nahatazanan’i Alexia ity malalany teo am-bavahady, nihazakazaka nivoaka izy fa tsy nahatratra an’i Hery intsony. Nandeha mafy i Hery hamonjy izay arabe akaiky azy amin’iny lalan’Ivandry iny. Soa fa vao tafavoaka ilay lalana izy dia nisy fiarakaretsaka sendra nandalo ka dia nosakanany hitondra azy mody tany antranony.

Mafy ity mahazo ahy, aza mba halan-dRafozana ihany, hoy izy. Nalahelo kely an’i Alexia izy, tsy niala tao an-tsainy ilay alok’i Alexia niantsoantso azy hoe : Hery an ! miverena fa aza manao ohatran'io moa e …

Vao
tonga tao an-trano i Hery dia namoha ny efitranony. Namonjy fandriana haingana hanalàny ity vesatry ny fiainana babeny tao an-damosiny. Navoakany avokoa izay zavatra rehetra tany am-paosiny tany, hay adinony tany amin-dry Alexia ny findainy. Nieritreritra kely teo izy, avy eo nidina tany ambany, noraisiny ilay telefaona tao an-trano, saika hiantso ilay Malalany kanjo napetrany ; notsoahiny avy eo ny tariby fa fantany tsara fa hanenoneno eo io mandra-paha marainan’ny andro.
Niakatra izy avy eo natory, nivadibadika am-pandriana teo nefa zara raha nahazo torimaso fa niady saina lalina ;

Nony maraina, raha tsy nigodongodona tao amin’ny efitra ilany tsy taitra i Hery, niarina teo am-pandriana izy dia nankao amin’ny efitra nisy ny raibeny sy ny renibeny. Harona efa vita fatotra sy sacoches roa lehibe no hitany teo amin’ny gorodona, i Dadabe sy Bebe amin’io somokotra ery manangona izay akanjon’izy mivady sisa tavela ao anaty larimoara.
- "Fa ho aiza ianareo ry Bebe?"
- "Izao ry ise an!" hoy i dadabe, angamba efa tena ampy kosa angamba izay izay nitoeranay mivady teto amin’ise izay, nisy hafatra tonga avy any ambanivohitra fa miandry anay ny akoho amam-borona, efa omaly izay no azonay, fa ise vao tonga
omaly alina dia lasa indray ; tsy maintsy mandeha izahay mivady fa efa lehibe koa ange ise e ! Io ny tranon-dRay amandrenin’ise dia kolokoloy tsara, mety afaka tapa-bolana any izahay miverina mandalo indray."
Tsy nahateny i Hery, amin’ny lafiny iray te hanana fahanginana tanteraka izy amin’izao mahazo azy izao, amin’ny lafiny iray anefa, mila ny tambitamby avy amin’ireto raibeny sy renibeny ireto koa izy, tsy sahy nilaza izay nanjo azy anefa ny anao lahy, hany heriny dia nanaiky fotsiny ny handehanan’ireto ray aman-drenibe ireto.
Niomana sy nisakafo izy avy eo, varimbariana ery, tsy mahatsiaro izay hanina alefa ao am-bava. Niandry fotsiny izay hiaingàn’izy rehetra avy eo. Nibata ny entana tao anatin’ny fiarakaretsaka dia nandefa an’izy mivady tany amin’ny taxi-brousse. Nohidiany ny trano, dia lasa koa i Hery namonjy ny toeram-piasàny.

Vao lavidavitra tsy ho tonga
i Hery dia efa nahita i Alexia miandry azy eo am-bavahady. Tsara tarehy izay tsy izy, asa tokoa anefa izay tena mandifotra ny sainy fa raha vao nifanakaiky izy roa dia ny fanontaniana momba ny fahasalaman’i Malala no  nivoaka ny vavany voalohany.
- "Tsy misy bonjour akory ve?" hoy i Alexia, "sady niezaka hanakatra ny molotr’i Hery izy. Zara raha oroka no nataon’i Hery ary naviliny teny amin’ny takolany akory aza ny molony ; Tsy nisy azon'i Alexia natao afatsy ny nanaiki-molotra fotsiny nony avy eo. Novohainy ny poketrany dia natolony an’i Hery ilay finday hadino tany an-trano ny alin'io.
- "Fa angaha misy simba izao ny telefaoninareo any an-trano no tsy mahazo mihitsy." Fantatr’i Alexia fa tena lotika ny fon’i Hery ka nataony mihitsy izay tsy hahazoana miantso azy. Efa niantso tokoa mantsy izy talohan’ny nahatongavan’i Hery tany an-tranony ny alina, nefa tsy nisy nandray, ary tena nandeha tsara ilay antso, avy eo anefa occupé foana mandra-paharainan’ny andro ka naleony niandry an’i Hery tany am-piasàny mihitsy.
- "lasa aho," hoy izy tamin'ny feo toa feno hatezerana nefa toa mifono alahelo ampo ihany koa. Vao dify teo anatrehan'i Hery  anefa izy dia nanganohano ny masony nieritreritra ny zavatra niainany vao segondra vitsy monja teo.
- "Alexia ! andraso aho aloha," vao mainka anefa i Alexia nihazakazaka niala ilay toerana. Tsy hitan’i Hery izay hatao, ny tena efa ho diso fidirana. Hany heriny dia niverina namonjy ny vavahady handray ny asany.

Tsy nitombin-tsaina intsony i Hery, ilay notiavina nitsoaka ny tena, ny tena voaroaka sady tsy afaka mandia tany any amin-dRafozana, i Malala tsy fantatra intsony izay nahazo azy izay, i Cynthia sy Toky koa mba nanao ahoana izay? I Dadabe sy Bebe lasa tampoka tsy misy fifampidinihana, sanatria ve tezitra izy mivady fa tsy eo lava aho dia ataoko ho tahaka ny mpiandry tanàna fotsiny izy ireo?
Very hevitra teo i Hery, niezaka nanala ny fony tamin’ny asa izy ka tsy niraharaha izay hitranga. Tsy nisy niantsoantso azy rahateo moa tany am-piasàna.

Niezaka mafy mihitsy izy hahavita izay sonia, kajikajy, tatitra ara-bola maro samihafa efa niandry azy izay hadinodinony tamin'iny herinandro lasa iny. Tsy niala sasatra mihitsy izy ary tsy nihato raha tsy nahatsiaro torovana ny sainy sy ny tanany. Nataony avokoa izany hanadinoany izay olana nandreraka ny sainy hatramin'ny omaly harivan'io. Tena lotika ny fony, vao mijanona kely anefa izy amin'ny asa izay nataony dia toa ny tenin-dRatrema foana no manakoako ao an-tsainy. Izy ilay nandroaka ary koa tsy hanaiky ny hidiran'i Hery any aminy intsony. Izao izany ilay atao hoe : halan-drafozana, nefa hoy izy misy fitenenan'ny ntaolo hoe : " raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha ".
Shhh, hoy i Hery tany an-tsainy tany, aleo izany ho any, raha Ratrema moa no tsy tia, aleo izy ho any fa izy efa-mianaka no tena tsy mampilamina ny eritreritro. Raha ny tena tiako izao dia hanala azy miaraka amin'ny bandy akama, hilaboraingy rahalina, kanefa, ahoana moa no iantsoana an-dry zalahy izao, ny andro ity Talata, gorôbaka rahateo araka ny filazan-dry zalahy ihany. Aleo aloha jerena ato anatin'ity diary ity. Ireto sy ireto avy, aleo asiana marika. Maroamaro ihany izy izany no misy mailaka.  Ndeha handefasana mailaka miaraka in-dray mipoaka ry zalahy, izay tsy tratra antso ihany no antsoina an-tariby na finday. Aleo raiketina amin'ny zoma hariva rangahy an! ny trano malalaka tsy misy olona rahateo.
Nosokafany ny tranonkala www.wanadoo.mg, nojereny ny mailaka. Feno hafatr'i Alexia marobe tao. Ndryyy ! malahelo kely ilay malalako indray aho izany. Dia loza koa letsy izany fa tahaka ny tsy noraharahiako akory ange izy tamin'ny maraina teo e ! Izy rahateo tonga
dia lasa nirintona. Very ialahy Ra-Hery raha ilaozan'iny sipa iny, sady nojereny tsirairay izao hafatra mamy marobe mitory fitiavana saika efa ho isan'andro.
Izany letsy no tena fitiavana, nefa dia potehin'ialahy, raha nahay nifehy tena kely fotsiny ialahy dia… sshhh, rano raraka tsy azo raofina intsony izany.

Nanoratra izay hafatra alefany amin'ireto namany izy, nilaza tamin-dry zalahy hoe : amin'ny zoma hariva izao any an-trano. Samy mitondra izay tiany ho entina.
Aleo koa handefasana SMS avokoa dia amin'izay tonga
tsara ny hafatra.
Dia variana teo ampototry ny solosaina teo izy ny atoandro iray manontolo. Talata tokoa moa, andro fahazarany nankany amin-dRatrema nefa indrisy.
Rehefa vita izay nataony dia tafaverina teo amin'ny takila voalohany ilay tranokala izy.
- Aleo mba hijery izay ato anaty forum ato fa efa elaela aho izao no tsy nanokatra ity. I Alexia ihany mantsy no nahitako azy ity. Nosokatsokafany teo izay nahaliana azy, olana, mitady an'izao, mitady fitiavana, misy zava-betaveta ihany koa. Dia lasa saina teo izy ka mba namorona sujet vaovao tao amin'ny sampana " séduction et sexualité " : " reny sy zanaka ampirafesim-binanto. Loza fa vonjeo ! "

Dia izao no nosoratany tao :
*******************************************************
Nandalo tany amin'ilay ilay Jobako aho fa fotoananay tamin'io. 17 taona izy ary izaho 25 taona. Zoma tolakandro ny andro. Tsy ao izy hoy ilay mpanampiny fa mbola nirahin'i mamany ary mety ho elaela vao ho avy. Nadroso ihany aho satria nampandrosoina. Ilay mamany no tao amin'ny salon nijery fahitalavitra. Naka vera izy dia nampidina zavam-pisotro misy alikaola kely ho ahy. 15 minitra taty aoriana, naka kapila mangirana izy dia nilaza tamiko fa hoe aleo mijery horonantsary mihetsika fa tsy mamely ilay tao amin'ny fahitalavitra. Tantaram-pitiavana masaka be ilay horonantsary nojerenay. Nisy ampahany maromaro ahitana olona manao firaisana ara-nofo tao. Teo amin'ilay ampahany fahatelo amin'ilay olona manao firaisana iny indrindra dia toa tsy naharitra intsony ilay mamany fa nosafoiny ny filahiako sady hoy izy, " tsy dangitra ve ialahy amin'izao? " Niala kely aho saingy tonga dia nobedainy sady mbola vao maika nangaroniny ny tao anaty patalohako no notereny hovahana ny hidiny. Izaho moa efa te hanao dia navelako izy nanao izay tiany hatao teo. Sady nanafosafo ny fivaviany mbola tao anaty silipony teo izy no nitsetsitsetsitra ny filahiako. Tsy naharitra intsony izy nony kelikely fa noesoriny tanteraka ny silipo teny ankodiny ary dia nanao be teo izahay. 35 taona eo angamba ilay mamany ary tena mbola mitana na tarehy na ny bika. Vita ny natao dia menamenatra aho fa izy mody tsy nanisy sira. Efa somary harivariva vao tonga ilay zanany. Nitady hevitra hivoahana tao haingana aho dia nilaza fa mbola maimaika. Sankodiavatra be anefa aho no tena marina. Tsy nadalondalo tany amindry zareo intsony aho taorianan'io fisehoan-javatra io. Roa herinandro taty aoriana, nisy nametraka hafatra tao am-piasana fa mila ahy maika dia maika ary miandry ahy any ivelany hono io olona io. Nivoaka aho ary akory ny hagagako fa ilay maman'ilay Jobako no tao. Tonga aho dia notaritiny hoe mila miresaka aminy. Niditra tamin'ilay Salon de thé tsy dia lavitra teo izahay dia nilaza izy vao tafapetraka izahay fa matahotra hono izy sao misy mahita ka dia notaominy aho haka toerana mangingina miaraka aminy ao anaty fiara. Vao tafiditra tao anaty fiarany izahay dia efa tsy tratra ny tanany iray fa efa mitady hanafosafo sahady ny filahiako mbola mifono tsara tao anaty pataloha. Tsy hay tohaina ny tao anatiko fa tonga dia nivonto avy hatrany ary dia tsy aritro intsony ka navelako izy hanarapo tamin'izay tiany hatao teo. Bikan'olona kosa aloha izy e ! Tena ao amin'ilay mampatsiro azy mihintsy. Vita ny natao dia nody fanina indray ny anao vavy. Telo volana taty aoriana, efa lasa fahazaranay ny mangala-dia mandeha manao firaisana aranofo antselika. Mandritra izay fotoana rehetra izay anefa dia mbola miaraka amin'ilay jobako ihany aho. Eni-mbolana aty aoriana izao, Bevohoka hono i rabofy ary izaho no lazainy fa tompony ary ho tazoniny ilay zaza fa reveny be hono aho.

 Dia tsy nitsahatra ny revy fa nitohy ihany, izao efa teraka koa ny zaza faharoa izay mbola ahy, ary fantatry ny rafozan-dahiko satria efa tratran'izy sy ny jobako ambody omby izahay.
Voaroaka aho izao tsy mahazo mankany amin-dry zareo intsony. Dia tsy hitako izay hatao : tsy hiraharaha, zanaky ny tena roa tsy foiko mihitsy, ilay jobako nefa mbola tena tiako sady tia ahy koa.
Vonjeo re olona fa loza.
****************************************************

Dia tsy nisalasala i Hery nandray ny solon'anarana hoe : Ikelimaditra. Ary mailaka vao noforonony no nataony ifandraisana tao.
Ikelimaditra : Maditra marina letsy ialahy ity ry Hery. Izao hadalàna izao vitan'ialahy daholo. Leo sahady indray izy fa toa mampisaina azy zavatra betsaka ity nataony ity.
-Asa indray izay mbola hadalako nandefa io sujet io, sady toa niontana tampoka teo ny fony.
Aleo hitranga any izay hitranga fa ho hitantsika eo.
Najanony ny solosaina dia nandeha nivoaka izy hitady harapaka tany ivelany.

Loza fa hay lany fahana ny findainy. Ny chargeur any an-trano. Tsy nampaninona azy akory anefa izany, sao dia manenoneno eo koa, hoy izy, ka vao mainka mankarary an-doha.
Nony tafaverina avy nisakafo izy dia nanohy ny asany indray. Na izany aza anefa toa mahatsiarotsiaro an'i Alexia foana, i Malala ve izay nanao ahoana, i Toky sy Cynthia. Mba nanao ahoana ange izy ireo izay e !

Variana tamin'ny asany teo izy ka saika tsy nahatsiaro ny firavàna. Raha tsy nanao veloma azy ny mpiara-miasa vao taitra ny lehilahy, dia mba nampirin'entana koa dia lasa nody.
-Tsy misy olona izao ao an-trano mikarakara sakafo, fa aleo aloha mandalo ato amin'ity snack ity, hividy sakafo efa vonona ka hafanaina fotsiny rehefa hatory.
Nataony ny commande, niandry elaela kely. Nipetraka teo amin'ny seza fiandrasana, sady misy fitaratra lehibe velarana nanoloana azy. Tsy sahiny akory ny nijery ny tarehiny fa tahaka ny misy omby masiaka izany tady hanoto azy ao aoriana ao. Aleo marina enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra hoy izy sady niondrika izy fa tsy nijery.
Tampoka anefa, tao aoriany tao nisy feo henony toa niteny hoe : " SALUT MON BEAU-GOSSE "
« salut mon beau-gosse !!!! » Feom-behivavy tsy dia fandreny matetika ilay izy. Nefa vao haingana no nahatadidiavany azy. Nitraka kely i Hery, somary nikentrona, dia nojereny teo amin’ilay fitaratra lehibe. Indro vehivavy mitsikitsiky izay maniry hiresaka mafy no mifanila aminy, ary tonga
dia vavany fa tsy mba fijery mifanena akory. Mody mangata-maso, mibory volo hatreo amin’ny hatoka, manana endrika falifaly aok’izany. Nihodina tsimoramora teo ambonin’ilay seza i Hery hifanatrika amin’ity vehivavy, kanjo somary voasarika vetivety ny masony hibanjina ireto nono mampite-hamehy anaty tanan-droa ireto. Nifampijery tsara izy ireo avy eo.
- "Hay ve ianao e ! Gaga be aho."

Pejy 18
2006/04/11,09:44

Niezaka mafy i Hery hitadidy ny anarany, fantany tsara mantsy, fa ilay naman’i Malala nivarotra fanafody taminy tamin’ny alina teo no manoloana azy. 
- "Fa angaha ianao tsy manao « garde », sa izao vao andeha hiasa?"
- "Manao ahoana aloha i Hery e!" sady natolony ny tanany hiarahaba.
- "Manao ahoana ianao? Tany amin’i Malala ihany ve ianao androany, dia nanao ahoana izy sy ny zazakely izay?"
- "Tany amin’i Malala tokoa aho tamin’ny maraina dia io hariva io koa; ary efa tena mihatsara izy fa aza matahotra ianao. Nahazo fialan-tsasatra kely aho anio tontolo andro dia rahampitso maraina indray no miditra miasa."
- "Tsara izany," hoy i Hery sady nisento kely izy ; toa azo resahina tsara ity vehivavy ity izany, tsy nisy nahodiny mihitsy ny fanontaniako, tsy maintsy fantatro eto androany izay nolazain’i Malala tamin’ity sipa ity momba ny fiainanko sy izay hadalako nataoko hatrizay. Tena tsy matiko lolo mihitsy mantsy ny nahafantarany ny anarako ; misy zavatra ao.
- "Hisakafo ato angaha ianao?" hoy ihany i Hery.
- "Eny tokoa ! saika hisakafo irery aho kanjo nahita anao dia nanatona. Tsy aleo ve miaraka misakafo e! Dia mba miresadresaka koa fa tahaka ny fohy loatra ilay omaly alina."
Mahamahana ihany i Hery. Kanefa ny trangan-javatra tsy misy tahaka izao, nanaiky mihitsy izy, dia nilaza tamin’ilay serveuse fa tsy ho fonosina entina mody indray ny safako vao nafarany teo fa hohaniny eo ihany. Dia nanafatra ny sakafo tiany koa ilay vehivavy. Tena tsy niverina tao an-tsainy mihitsy ny anaran’ilay vehivavy ka nibaboka ny anao lahy hoe :
- "tena tsy tadidiko mihitsy ilay anaranao fa iza moa? azafady indrindra."
- "Tsss ! tena tsy tadidinao ve, menatra be aho izao hilaza : Tahiana hoy izy!"
- "Azafady Mademoiselle Tahiana fa tena hadinoko tokoa."
- "Aza antsoinao Mademoiselle izany aho fa tsy tiako ka ! Antsoy hoe : Tahiana fotsiny aho dia ampy izay."
Marina tokoa ny azy. Raha olona niray dabilio tamin’i Malala izany dia tokony hitovitovy taona aminy, izany hoe : eo amin’ny 37 eo ho eo, fa mbola azo lazaina hoe : mitàna aloha e ! misy ahareseny an’i Malala tokoa ; asa mety mbola tsy manan-janaka koa angamba ; nefa hita ihany hoe manakaiky tokoa ny faha-efapolo taona.
Dia niara-nisakafo teo i Tahiana sy Hery. Nitantara ny fahasalaman’i Malala hatramin’izay. Nitantara ny fiainan’izy roa tany aloha tany. Ny asa ataony amin’izao izy miandry raharaha izao. Fa toa tsy voalaza mazava mihitsy izay notantarain’i Malala mikasika ny nataon’i Hery antsokosoko efa ho telo taona mahery izao. Tsy mampandry ny sain’i Hery mihitsy hoe : nahoana marina no mahatonga ity vehivavy ity mahafantatra be loatra ny momba azy. Tena havanana amin’ny fampiresahana aloha ity Tahiana ity e !

Vita ny sakafo dia niara-nandeha hody izy ireo; dia mahagaga tokoa fa mitovy lalana hodiana. Naleon’izy ireo niaraka nandray fiarakaretsaka. Nitohy ihany ny resaka.
- "Tsy aleo ve mba tohizana ato an-trano fa mahaliana be ny miresaka aminao. Te hahalala misimisy kokoa ny momba anao aho," hoy i Hery mody manatsafa, fa ny tena tanjony dia ny hanapotsitra mafy ny resaka mba hivoahan’ny marina.
Tsy nisalasala mihitsy i Tahiana nanaiky, asa koa izay notadiaviny.
Nampandrosoin’i Hery rehefa novoahainy ny trano.
-"Angaha ianao irery no ato?" hoy indray i Tahiana.
- "Marina izany, izaho irery aloha no ato fa lasa tamin’ny maraina teo ny ray amandrenibe-ko."
- "Tsara kosa izany ! Manana fahalalahana tsara ianao amin’izao ! Mahafinaritra anie izany hoe mahazo manao izay tianao hatao sady tsy misy mibedy izany eh."
- "Mahazo manao izay tiako hatao tahaka ny hoe mitondra an’i Malala aty ve? sa koa mitondra anao samirery tahaka izao ataoko izao dia avy eo…"
Nojeren’i Tahiana tsara i Hery dia niverina nitsiky indray izy sady somary latsaka hehy.
- "Izy roa mitambatra, mampaninona moa e !!!!!"

Gagagaga be i Hery tamin'ny valinteny azony.
- "Ianao ity koa tsss, aleo aho aloha hikarakara ravim-boafotsy sy mofomamy harosoko anao." Sady lasa ihany i Hery nankany an-dakozia.
I Tahiana amin’io variana mijery izay hoso-doko mirenty amin’ny rindrina, sy izay sary teny ambony latabatra teny. Niverina avy eo i Hery tonga dia niteny.
- "Tena tsy azoko mihitsy ry Tahiana ny hoe ahoana ny ahalalanao ny anarako sy izay momba ahy? Efa hatramin’ny omaly izay no fanontaniana nipetraka tamiko ka mba tiako hazava. Inona avy no notantarain’i Malala anao fa manjary mampikorontana ny saiko fotsiny ny fisianao."
Tsy niteny mihitsy i Tahiana fa nobanjininy tsara i Hery sady nanatona azy ihany izy. Notazominy teo amin’ny sandriny roa aloha i Hery dia nalefany ny indray ny tanany hisafo ny tratrany ary hamonjy ny vozon’akanjony izay mody namboariny teo.
- "Dia tsy azonao an-tsaina mihitsy ve?" hoy ihany izy, sady nanakatra moramora ny molotr’i Hery izy, ny tanany lasa nisarika ny hatoka sady mangeja an-kolaka ity tovolahy bikana sady tsara tarehy.
Nifanoroka efa ho folo segondra teo izy roa. Tsy hitan’i Hery izay natao. Ity iray vao mainka namihina mafy ka tsapany ny lanjan’ireo nono roa mitohoka teo amin’ny vatany. Tahaka ireny ondana malemy dia malemy tsara fono ireny ka manonja raha vao kitihina. Nijanona tampoka izy sady toa tonga saina amin'ity zavatra ataony. I Tahiana amin'io toa tsy nanaiky fa vao maika nisarika indray ny lohan’i Hery hanatona azy. Tsy nahatohitra ny lehilahy dia nitohy indray ny  orokoroka, ny lelan'izy roa amin’io mifampitady mafy  te hifandray am-pitiavana. Tsy nahaleo intsony i Hery fa tonga dia nanafosafo ny lamosin’i Tahiana, nikaroka ny vodi-lamba hampidirany ny tanany hamonjy ny faritra mafana any anaty akanjo any. Ny oroka amin’io tsy misy fitsaharany. Ny tanany koa moa efa zatra mamaha tsy ankasarotana ny faraingoka amin’ny tadi-nono ka poa toy izay dia tsy nisy sakantsakana intsony izay tian'ny tananay haleha. Safosafo izao, tahaka ny tsy teo ny nanalàn’i Tahiana ny akanjo ambony somary mifintina manara-batana hahamora ny fanalàna ity tati-nono teny ankodiny.
Hatsaran-tarehina nono izany. Naleon’i Hery aloha somary niondrika hitsapàn’ny takolany ny hafanan’ireto nono roa nanoloana azy. Norokorohany teo ka nampiakatra ny onjam-pahasambarana tany anatin’i Tahiana tany. Ity farany tonga dia nisarika indray ny lohan’i Hery hanoroka azy sady nanala ilay lobaka mba hampifangaro ny hafanan’ny vatan’izy roa. Ny safosafo amin’io nitohy tsy ankijanona toa mikaroka mafy izay onjam-pasahambarana hoan'izy roa.
Tampotampoka teo, tonga dia nobatain’i Hery hipetraka teo amin’ny seza lava I Tahiana. Novahany ilay fehikibo lamba sy ny bokotra dia nosintosintoniny teo ny pataloha jean’s manara-batana izay avy hatrany koa dia nanala ny kiraro teny an-tongotr’i Tahiana. Hatsaran-batan'olona izany hoy izy tany antsainy tany. I Tahiana amin’io manafosafo ny faritra mahavehivavy azy izay efa tsapany fa mando saroman’ny string maintimainty mbola teny aminy. Tsy nihetsika intsony i Hery nony avy eo fa niandry fotsiny izay hataon’i Tahiana manaraka. Tsy nisy niteny, tsy nisy nivolana izy roa fa i Tahiana no tonga dia namaha avy hatrany izay teny amin'i Hery. Tsy nisalasala izy fa naborotsany avokoa izay akanjo sisa tavela teny aminy. Ny maha-lehilahy azy amin’io mihenjana mafy tsy nisy ohatran'izany. Niala vetivety i Hery ary noraisiny ny tanan’i Tahiana ilany, dia nosarihiny hitsangana. Notaritarihin’i Hery izy hiakatra tsimoramora tany ambony, ary navelan’izy ireo teo amin’ny fandraisam-bahiny ny akanjony. I Tahiana amin’io string kely sisa no teny an-kodiny. Tonga dia nampidirin’i Hery tao amin’ny efitra fandroana dia nitohy indray ny safosafo sy ny orokoroka samihafa manenika ny vatan’izy roa. Nalefan’i Hery tampoka ny rano ka saika nitsamboatra i Tahiana niantsampy teny aminy sady nikiakiaka kely, nefa vao mainka nampifikitra mafy tamin’ity akaiky azy izany. Tsy naharitra intsony ny anao vavy fa nanala ilay string.  Niteny tampoka I Hery hoe: " Andraso kely aloha fa haka zavatra vetivety aho." Sady lasa nivoaka ny efitrano fandroana izy.  Ny rano amin'io mifatsitsitra moramora manaraka ny vatan’i Tahiana, mahafinaritra ery ny mijery ny nonony irarahan’ny rano tahaka ireny tendrombohitra ivoahan’ny loharano ireny, sady safosafoiny ihany. Tsy andriny izay hiverenan'i Hery teo anilany. Iny tokoa ny lehilahy nitondra fimailo avy any. Novahany dia natolony an’i Tahiana izay tsy nisalasala nampiditra azy.
Tsy ela taorian'izay dia tavela tao anatin'ny firaisana ara-nofo tanteraka izy roa ka tsy nahoany akory ny rano mandeha mikoriana nifafy tamin'ny vatany sy ny  hatsiaky ny taila fotsy manemitra ny efitra izay niankinan'izy roa nifandimby. Satrin’i Hery foana hampitohaka ny tarehiny ao anatin’ireto nono  tsara bika toa tendrombohitra tsy manam-paharoa. Tsy nitsahatra izy ireo raha tsy samy tojo tamin'ny faratampo-pahafinaretan'ny nofony avy. Rehefa vita izay dia nivoaka ny efitrano fandroana izy ireo. I Tahiana amin’io feno tsikitsik toy ny nahitan'i Hery azy tamin'ny voalohany ihany.

Niverina nidina izy ireo namonjy ny efitra fandraisam-bahiny, tsy nisy nifampiteny fa niara-nipetraka teo amin’ny seza lava, dia samy nampiditra ny ankajony. Vita izany dia nampofoin’i Hery i Tahiana sady nanomboka ny resaka.
- "Tsy diso mihitsy i Malala milaza fa « étalon » mihitsy kay ianao ity. Tena lafatra, mbola tsy nanao tahaka izay aho fa hafa mihitsy aloha iny hevitrao tany anaty fandroana iny e!" sady nanoroka indray an’i Hery izy.
- "Te hitsapa ilay sensation an’i Malala nanana fisakaizana taminao fotsiny aho."
- "Fa inona marina no nambaran’i Malala anao e!" hoy indray i Hery somary tezitra. Niondana i Tahiana dia niteny hoe :
- "Efa fantatro daholo ny momba anao rehetra, fa ianao fotsiny no sisa mbola tsy hitako. Izaho koa tonga dia babo avy hatrany raha vao nahita anao. Tiako ho fantatrao fotsiny fa valifaty ataoko amin’i Malala izao, ary efa elabe mihitsy no nandrasako izany. Efa nisy sipako izay mantsy taloha, bandy milay izany fa dia nangalarin’i Malala, tezitra be aho tamin’izay an ! dia mba anjarako indray izao ny mamaly izay nataony tamiko. Fa aza matahotra ianao e ! Tsy hiditra amin’izay olana mianajady aminao mihitsy aho fa mba te hanana aventure kely fotsiny ! Sa tianao ny miaraka amiko?"
- "Tsss !" sady tsy niteny intsony i Hery no nalahelo kely ihany nandre izany. Amin’ny lafiny  iray, nanenina izy noho ity Malala izay neveriny ho azo itokisana amin’ny nataon’izy roa, nefa hay mamboraka ny tsiambaratelo amin’izao olona tsy fantany izao akory. Amin’ny lafiny faharoa kosa, ny tenin’i Tahiana izay mandratra azy noho ity izy toa andrakandraman'ny olona fotsiny. Ary ny lafiny fahatelo dia izy tsy naharitra ela akory dia efa nivadika tamin’ny toky nomeny an’i Alexia vao omaly harivan’io.
Tena ditran’olona marina letsy ny an’ialahy ry Hery, sady nanongo tena izy.
Nitsangana avy eo i Tahiana dia niteny hoe :
- "Aleo aho handeha fa efa miha-alina ny andro ; tsy aleo ve mba aterinao kely vetivety."
- "Tsy maninona," hoy izy, "aleo mihitsy ianao ateriko eny amin’ny arabe ka rehefa mahita fiarakaretsaka vao miverina aho."
- "Misaotra fa tena nahafinaritra ahy mihitsy ianao. Mbola mifankahita foana isika an! aza atao mahakivy anao mihitsy ny fihetsiko fa mba mila ny tahaka ireny nataontsika teo ireny aho indraindray. Tena marina anie izany fa tena milay ilay teo e!"
Tsy novalian’i Hery intsony ny resaka fa ny handehanan’ity Tahiana ity no mahamaika azy. Efa azony koa moa izay nilainy tsy ampy azy ve izay ; ilay ravim-boafotsy rahateo efa nangatsiaka tsy nisy nikitika akory.
Nony niverina tao an-trano izy dia niakatra hamafa ny efitra fandroana, hay najanon’i Tahiana iny tao ilay string maintimainty mbola hotsaky ny rano.
Ahoana indray ary ny hanaovako ity. Tsss !
Noraisin'i Hery ilay izy mbola tena lena be iny dia niasa saina teo izy na hariany na hafeniny. Raha hafenina amin'ity izy mbola lena be ity anefa hoy izy tany antsainy tany mety hasiso any ity. Tsy hitany izay hatao fa nahantony tamin’ny tady fanamainana ilay izy no niafarany.

Nidina tany ambany izy avy eo nikarakara izay sakafo kely mbola azony nohanina fa nahatsiaro noana indray. Vita ny sakafo dia nijery fahitalavitra hanaraka horonan-tsarimihetsika tany amin’ny efitranony. Ny ampitso maraina vao taitra hamonjy indray ny asa.

Tonga tany am-piasana i Hery, nahatsiarotsiaro an’i Alexia, te-hiantso mafy ka nandray ny findainy, nantsoiny ary avy hatrany dia nahazo ; tampoka teo anefa tapaka indray. Aza hitako, hoy i Hery, mety niantso ahy foana i Alexia fa tsy nahazo mihitsy ; tena tsy afaka namelona ity finday ity mihitsy aho hatramin’ny omaly. Dia maninona ary raha nantsoiny tato am-piasàna? Aza hitako ka tsy te-hiresaka amiko intsony izy.
Tsy nihevitra ny momba izay resaka izay intsony i Hery, fa manjary hanenina eo indray ny amin’ity nataony omaly hariva. Henjana kosa aloha ilay nataon’i Tahiana e ! Amin’izao, na handalo eo amin’io farmasia io aza rehefa mody toa misalasala ihany. Ny nenina marina hoy izy tsy ao aloha hananatra, fa aoriana handatsa.
Notohizany ny asany. Nony tonga ny atoandro dia nojereny ilay tranon-kala novangiany omaly. Nosokafany ilay lohahevitra noforoniny. Efa ho 35 ny valin-teny tao ; saika isaky ny 30 minitra dia misy mamaly foana. Valin-teny izany, ao ny tonga dia manome tsiny avy hatrany, ao ny manolo-kevitra ny hoe : ndàna mitsoaka ny tany misy anao izao fa hahavanon-doza eo indray, ny teny amin’io vary amin’anana tsy ifankahazoana. Ao koa ny manolotra sahady izay mety ho tohin’ny fiainako amin’ny alalan’ny tantara. Lava izany valim-panontaniana izany, tsy nampoiziny ho tahaka izao mihitsy. Asa tokoa, fa hafa nohon’ny hafa angamba ity ditra nataoko ity hoy izy. Tsy nisy vonoan’olona akory, satria hafa ny heloka izay mampigadra, fa ity fahotana mampigatra ara-tsaina amam-panahy no mihatra aminy.
Tapitra vinakiny avy eo ilay takila noforoniny dia nisento tokana izy. Toa tsy ahitako vahaolana akory izy izany fa fanomezan-tsiny ny be dia be.
- Ataoko ahoana tokoa moa ny handao ny asako sy izy efa-mianaka, ireo no fiainako na dia manahirana ahy aza. Tsy maintsy mitraka fa lehilahy.
Nosokafany ihany koa ny mailaka dia nisy hafatra tao ny momba ilay fotoana amin’ny zoma hariva. Faly ery ry zalahy izany, hisy revy be izany ao an-trano. Aleo marina manala azy fa mila tsy ho tanty intsony raha izao foana no iainana, sady faran’ny volana rahateo moa ny andro tamin'io. Nandefa mailaka tany amin’i Alexia izy avy eo, hafatra mitory fitiavana fa tsy manadino azy akory i Hery.
Teo vao tadidiny fa hay moa namorona mailaka vaovao izy omaly, izay nataony hoe : kelimaditra@yahoo.fr mba ahafahany mifandray amin’izay olona te-hifampitafa aminy momba io lohahevitra nosokafany io. Nojereny izay tao.
« Bienvenu Kelimaditra »
Vous avez 1 nouveau(x) message(s).
Nosokafany indray. Mbola tsy fantany mihitsy ilay adiresy. Mazava koa ange fa tsy hisy olona hanome izay tena anarany akory raha ny amin’ny fifandraisana tahaka izao e! Notohizany nidirana ka izao no soratra tahaka tao :

Slt à toi Kelimaditra !
Nahita ny forum nataonao aho ka mba hanoro hevitra fa mety hisy vahaolana ihany omeko anao. Koa raha sitrakao indrindra dia hifanoratra isika.
Mianatra manokana momba ny sociologie eny Ankatso aho ary manomana maitrise ka mba te-hahafantatra izay manjo anao, ary afaka mihitsy koa manoro hevitra amin’izay tokony hataonao.
Manantena valiny avy aminao.>>>

Tsss ! sociologie, inona koa no hifandraisan’izany. Manomana maitrise, mpianatra eny ankatso izany, hafa dia hafa tokoa aloha ny fiainana atrehin’ialahy ry Hery ka izay angamba no ilàny an’ialahy. Kanefa izy moa nilaza fa misy vahaolana azony atolotra. Mety efa niainany koa angamba izany e ! aleo valiana amin’ny manaraka fa tsy izao aloha. Tsy fantatro akory na lehilahy na vehivavy izao manoratra izao.
Nofaranany avokoa ny asany teo ambodin’ny solosaina dia nivoaka izy hisakafo atoandro.

Pejy 19
2006/04/13,11:42

Iny Hery handeha hiverina hiasa iny ny tolakandro no taitra tampoka fa nisy nikapokapola mora tao amin'ny sorony avy ao aoriana. Nitodika izy,
- "Hay ve ialahy indray ity ry Haja, dia ahoana letsy?"
Mpinama tsy mifankafoy i Haja sy Hery. Mifampitondra toy ny mpirahalahy mihitsy izy roalahy. Lahitokana toa azy koa mantsy i Haja. Efa nifankazatra fony kely izy roalahy ary dia mbola nampitambaran'ny vitana hiray toeram-piasana ihany koa rehefa lehibe taty aoriana. I Haja no nahafantarany an’i Alexia raha ny tena marina.
- "Dia ahoana l’ty, revy be izany any amin’ialahy amin’ny zoma an! milay izany ka. Tsara rehefa nofaranan’ialahy amin’izay ny andro fisaonana. Sady efa ela koa aho letsy tsy nahita an’i Alexia! manao ahoana letsy izy izay?"
Tsy nahita havaly i Hery, ny ora fidirana efa antomotra, i Haja rahateo mbola any amin’ny rihana ambony no miasa.
- "Amin’ny zoma hariva letsy an! aleo rehefa mirava isika roalahy dia tonga dia miaraka amiko mba manampy ahy mikarakara ihany koa," hoy i Hery namaly.
- "Fa angaha tsy hanampy an’ialahy i Alexia, izaho aza mbola hody aloha haka ny ankizy, ka ialahy ‘ty koa! tsy ialahy ihany ve no niteny hoe mahazo mitondra izay tiany ho entina e!"
Very hevitra teo i Hery, ahoana tokoa moa izany, i Haja izany izao mieritreritra ny hahita an’i Alexia, dia tsy maintsy mbola hampahafantariko azy ve ny marina, ny marina inona anefa, ny fiainako niaraka tamin’i Malala ve, sa ny fampirafesan-dRatrema an’i Malala ?
Na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho gaga izy fa tsy eo i Alexia amin’ny zoma. Malala, Malala, toa mihodinkodina eo amin’i Malala foana koa izany  fiainako manontolo izany, misy mahamarina azy ihany ilay hoe ndàna mitsoaka ny fiainanao amin’izao dia avelao any izay hitranga. Inona tokoa moa, raha ilaozako anie i Malala, efa manana ny rainy eo amin’ny lalàna ireo zanako roa ireo. Fa i Alexia no mampalahelo ahy.Zazabodo kely sady tsara tarehy no mahafatifaty, mahate ho tia ary tena tia fa tsy mody tia.
Noraisin’i hery indray ny findainy, dia nantsoiny ity mamin’ny fony, nahazo,  nidobodoboka kely ery ny fony fa handre ny feon’ity malalany, kanjo tsy nisy nandray, nisy nanapaka aza nony avy eo. Naveriny nantsoina afaka kelikely, tsy tafiditra intsony. Nalahelo i Hery, mbola tena nankarary ny fon’i Alexia ilay tsy niraharahiako azy omaly maraina, hoy izy tany an-tsainy tany. Izao koa no loza, efa vita ny fizarana asa nataony tamin'ilay orinasa iray iry ka dia tsy any am-pianarany intsony izy izany no sady tsy any am-piasàny ihany koa fa mamita ny lahatsoratra famaranana ao an-tranony. Izaho anefa tsy mahazo miditra any akory. Raha andramana antsoina amin’ny Telma,... noraisiny ny telefaona dia niantso indray izy.
- "Allo, saika hitady an’i Alexia anie?"
- "Iza izao azafady," hoy ilay feo tao anaty antso;
- "I Hery ka,"
- "Hay Ramose Hery, lasa niaraka tamin’i Madama any izy ka tsy fantatro rahoviana vao hiverina."
- "Ilazao ary izy rehefa tonga fa niantso teo aho e ! Misaotra ary!"
- "Veloma tompoko!"
Saika hiantso an’i Malala indray i Hery nefa, raha fantatr’i Alexia ve fa izaho  no miantso  hoy izy niteny irery tsy vao mainka ho loza. Tsy hitany intsony izay atao, sady vao nipetraka ilay vata fitenenana dia naneno indray ny telefaona ka resaka asa no niantsoan’ny lehibeny azy, dia revo tamin’ny asa teo indray aloha ny tovolahy.

Efa nirava ny mpiasa vao nanokatra ny takila misy ilay mailaka noforoniny izy. Naveriny novakiana aloha ilay hafatra nalefan’ilay mpianatra eny Ankatso, lehilahy ary ve izy ity sa vehivavy? Dia namaly ilay hafatra i Hery, tsy dia nataony lava ny resany:

<<Ho an’i…
Misaotra aloha namaly ny antsoko, raisiko ho fandavantena lehibe ny nataonao. Kanefa mba te hahafantatra ny momba anao ihany aho, vhv sa lhl no miresaka amiko, raha azoko fantarina koa ny taona sns. Dia aleoko koa anontaniana dieny izao raha tokony hifankahita!
Misaotra anao mialoha.>>

Nalefany avy eo dia nosokafany indray ilay takelam-pifandraisana wanadoo.mg, tsy mitsahatra ny mitombo ny valim-panontaniana, dia nosokafany indray. Ny teo aloha ihany, ilay tantara mbola mitohy dia revo ery izy namaky sady nitsikanikany ny amin’ny tohiny nanaovan-dry zareo fôrômista ny mety ho tohin’ny fiainany. Taitra tampoka izy,fa hay misy teny tokony holazainy ilay olona mifandray aminy. Naveriny nosokafana indray ilay mailaka.
Nisy hafatra vaovao tao. Tena vetivety izy izany, hoy izy fa mijery tranonkala koa izany ilay olona any ho any. Novakiany:

« Tiana no anarako, vhv mpianatra ary mbola tsy manambady ary manomana maîtrise.
Tsy dia tiako loatra ny iantsoana anao hoe : kelimaditra fa mba omeo izay anarana tianao iantsoako anao hafa aho. Tu as un nom n’est-ce pas ?
Ary aza tonga dia maika aloha ny hifankahita fa aleo mifankafantatra tsara ny toetra, dia manantena aho fa hanome izay any am-ponao marina ianao>>.

Tsss, tsy hanana fotoana hamaliana izao dia izao aho, ity solosaina ity koa mbola tsy misy ahafahana mifanoratra eo noho eo raha ity tranonkala yahoo.fr ity. Aleo aloha valiako amin’ny mailaka ihany.

« Misaotra fa namaly ahy vetivety tokoa ianao, saingy mbola misy fahasahiranana kely aho aloha, tsy mampaninona fa azonao antsoina hoe: Hery aho.
Ny atahorako indrindra dia mety olona fantatro ianao ka hanaparitaka ny toe-javatra mitranga amin’ity fianakavianay ity. Mangataka aho mba tsy hilazalazanao izay zavatra mety hoteneniko satria tsy ny trangan-javatra rehetra akory ireo voalazako anaty forum ireo. Ary mino aho fa ireo zavatra voalazako ireo dia tsy misy mahalala afa-tsy izahay ao anatiny ihany, tsy ho tsikaritry ny olona eny ivelany mihitsy.
Fa mbola marobe ny vaovao nitranga indrindra tato anatin’ny andro vitsivitsy. Niova be ny fiainanay fa manjary nisy valifaty nataon’ilay raim-pianakaviana.
Tena tiako ilay fofombadiko, satria efa vita fisehoana izahay, ka izany no maha-vaka ny saiko. Efa tena raiki-pitia be loatra aminy aho fa ny hetraketrak’ilay reniny no nahatonga ahy nanao zavatra mamoa fady.
Tsy haiko mihitsy fa lasa manana fahatokisana be anao izany tampoka aho ry Tiana. Ary inoako fa tsy hanosi-boho tanana ahy akory ianao !
Misaotra fa rahampitso indray aho mamaky ny hafatrao ».

Nalefany ilay mailaka. Nieritreritra kely teo izy : « tsy misy mahalala afa-tsy izahay ao anatiny ihany » : raha fantatry ny ao amin-dRatrema tokoa moa io takila noforonina io, dia asa angamba. Raha i Malala aloha tsy mandraharaha izay internet, i Ratrema koa, tsy dia mino loatra aho, fa i Alexia ... ka izy aza anie tsy mety azoko mihitsy rehefa antsoina e! Tsy tokony ho fantany ve fa tena mijaly ny saiko amin’izao fotoana izao?
Najanony ilay solosaina dia nivoaka ny fiasàna izy. Nitombo ihany anefa ny alahelony an’i Alexia ka nivily lalana izy ho any aminy. Toa manomboka tsy zakan’ny sainy izany tsy hahita an’i Alexia mandritra ny andro maromaro izany, indrindra hoe tsy raisin’i Alexia mihitsy koa ny antsony. Nahatsiaro nanenina izy tamin’ilay firaisana ara-nofo tampoka niarahany tamin’i Tahiana. Tsy dia nanan-kevitra ny hitantara izany na amin’iza na amin’iza anefa izy fa ny fahitàny an’i Alexia fotsiny dia efa ampy hampitony ny alahelony.

Iny izy efa manaraka ny sisin'ny tambohon'ny tranon-dRatrema iny no indro hitany nitsotsotsotso avy any ilay fiara 4x4 sady nampiasa fanairana teo ambavahady miantso ny mba hamohana ny vavahady hidirany.
- Loza ity, inona no ataoko… ho tratra eto aho marina!  Hoy izy tany antsainy tany.
Vetivety dia nivoha ilay vavahady lehibe. Ilay fiara 4x4 koa moa ireny mainty fitaratra ireny ka tsy nisy irika mihitsy afahantarana izay tao anatiny. Nihodina tampoka i Hery, nisy fiara kely teo akaikiny teo dia namonjy niafina taorinany izy mba tsy ho hitan-dRatrema izay ninoany zato isan-jato fa nitondra io fiara io. Vetivety taorinan'izay dia nikatona indray ilay vavahady rehefa tafiditra ilay fiara.
- "Ouufff, efa nivarahontsana aho," sady tera-tsemboka izy.
 
Kelikely taorian'izay anefa dia nisokatra indray ilay vavahady vy fidiran’olona.I Hery amin’io efa nanohy nandroso nanatona ilay vavahady. Tsy hitany izay hatao, hiodina hiverina handositra sao dia ataon’ny mpandalo ho mpangalatra ka dia naleony nanohy ny diany.
- "M’se Hery. Efa hitako mihitsy ianao tam’za nanokatra ilay vavahady teo; mitady an’i Madimôzely Alexia angaha Ram’se?"
Hay ity ilay mpiambina tanàna niaraka taminy nividy fanafody tamin’ny alatsinainy alina.
- "Aza mampitahotra rangahy fa tena .. ao angaha i Alexia?"
- "Iéé, ao mihitsy izy fa efa niverina niaraka tamin’i Madama teo, toa avy nandalo tany amin’ny dokotera hono izy ireny, ireo ankizy ao an-trano no nilaza izany. Antsoiko ve izy fa ato ianao Ram’se?"
- "Ary Ingahy Rainy ve ilay niditra tamin’ny 4x4 teo?"
- "Tena izy mihitsy iny ka!"
- "Izao ary e! aleo aho handalo fotsiny, ilazao ihany i Alexia fa nandalo teo i Hery hoe"
Niahotra indray izy dia nandray taratasy tany anaty kitapony tany, nosoratany hoe : « Alexia, tu me manques tellement, réponds à mes appels, je veux te voir » Nohidiany tao anaty valopy dia nasiany ny anaran’ity malalany tsy foiny.
- "Ity ary omena azy e! Misaotra dia veloma."
- "Veloma Ram’se!"
Dia lasa i Hery nandeha, tsy tena lasa anefa izy fa niandriandry teny lavidavitra teny toa nanantena mafy an’i Alexia hivoaka ny vavahady hihazakazaka sady mitomany hiantsampy eny amin’ny sorony. Izy amin’io efa mieritreritra lalina izay teny havaliny ity malalany. Ny fony feno fitiavana midobodoboka manaraka ny gadon’ny famataran’ora, ny masony tsy miala mihitsy amin’ilay vavahady atsilopilopin’ny jiro, miandry izay hisokafany fotsiny. Tsy nampaninona ahy mihitsy izany, na dia efa miha-maizina aza ity andro hoy izy.
Noraisiny indray ny findainy, natsoiny i Alexia, mbola tsy tafiditra ihany ny antso. Tsy nahakivy azy izany fa naleony niandriandry teo amin’ny toerany teo ihany. Izao tokoa rehefa tia hoy izy fa dia miandry izay higadonany fotsiny.
- Tahaka ny sokina nanani-bato letsy ialahy ry Hery ka tapi-dalan-kaleha. Izao mitogaigy tahaka ireny tovolahy kely vao 15 taona matahotra ny ho hitan’ny ray amandrenin’olona ireny dia tsy sahy fa miafina anjoron-dalana nefa te mba hahita mafy ilay malalany.

Afaka dimy ambin’ny folo minitra, injay fa henony nikarantsana ilay vavahady kely fivoahan'ny olona. Indro i Alexia nivoaka ny vavahady. Ankanjo fotsy  ambony sy ambany no teny ankodiny. Somary maizimaizina ny manodidina azy, nefa ny fitafiana nanaovany dia toa namerina ny hazavan'ny jiro teny aminy ho amin'ireo nanodidina azy. Nitoditodika izy nijery ny arabe toa mbola nanantena ny hahita ity nandefa taratasy taminy. Tsy nampoiziny, injay nisy feo niantso tery lavidavitra tery nanao niantso ny anarany: "Alexia!" sady nihazakazaka nanantona azy i Hery. Izy koa tsy nahajanona teo amin’ny toerany fa niampita ny arabe hanatona ity fitiavany sady nanganohano ihany ny masony. Nosokafan’i Hery ny sandriny roa handray ity mamin’ny fony. Nofeheziny indray mandeha monja dia nahankiny tamin’ny tratrany sady nobatainy hotrotroina. Diboky ny fitiavana ny fon'izy roa ary ny ranomaso latsaka aza dia toa zary naneho fifaliana tsy omby tratra fa tsy noho ny alahelo akory. Tahaka ireny olon-droa tsy nifankahita efa hatry ny taona maro ireny ny fahitàna azy ireo. Nifanoroka elaela sady nifampijery dia avy eo niverina nifanoroka indray na dia samy tsy nisy nahaloa-peo aza. Indro misy hazavan’ny fiara mirimorimo tsy lavitra ny sisin'arabe nijoroan'izy roa sady nandefa antso fanairana. Nikisaka namojy ny sisin-dalana haingana izy roa.
...Teo vao taitra i Hery fa hay nofinofy fotsiny ilay nitranga rehetra teo izay vokatry ny eritreriny lasa lavitra teo am-piandrasana izay ho fivoahan’Alexia teo ambavahady. Nojereny ny manodidina azy fa toa tsy nisy olona akory. Kivy izy sady nisento tokana. Tsapany fa hay mafy tokoa ny manjo rehefa tsy tian'ny olona hifandraisana ireny. Izy anefa no mazana mpanao ny toy izao tamin’i Malala sy Alexia ary nisy naharitra andro maromaro mihitsy aza tamin' izany.

Tapakevitra ny handeha izy ary dia nitodi-doha moramora hamonjy ny tananany. Toy ireny akoholahy voakapoka tsy mahatàna rambo intsony ireny ny fahatsapany ny tenany.
Tao amin-dRatrema mianakavy…
Foana tanteraka ny fifaliana tao an-trano. Tsy misy mifampiresaka, ary tsy misy mivazavaza ihany koa. I Alexia moa efa manomana ny lahatsoratra famaranana izay namitany ny fizarana asany hany ka saika eo ampototry ny solosaina no andaniany ny androny iray manontolo. Raha mandeha mivoaka aza izy, dia miaraka amin-dreniny mandeha fiara fa tsy mba mandeha an-tongotra samirery intsony mihitsy. Diso fanantenana izy tamin’ity nataon-dRainy. Tsy nampoiziny fa nahavita hamaly faty andreniny sy Hery ity rainy. Lasa zary fanelingelenana ho azy ny fidradradradran’ny finday sy ny antso an-tariby ary dia naleony najanony avokoa raha mbola azony natao.

Izy mivady indray dia zara raha mifampiresaka. Tsikaritra anefa fa tsy mody alina intsony i Ratrema fa tonga aloha ao an-trano ary dia nandray anjara mavitrika tamin'ny fitaizana azy mianadahy kely. Mijerijery izay toe-pahasalaman'i Malala no ataon-dRatrema isa-maraina alohan'ny andehanany miasa dia mametraka ny vola mety hilaina dia lasa avy eo. Tahaka izany foana ny fiainana niseho tao amin-dry zareo nandritra ny roa andro misesy mandrapahatongan'ilay taratasy napetraky Hery tamin'ilay mpiambina tao ambavahady.
Avy namelona ny fahitalavitra Ratrema no nandondòna i Zefa:
- "Azafady Ram’se fa misy taratasy ho an’i Mademôzely Alexia ity. Tany amin’i M’se Hery."
- "Alexia!" hoy Rainy, niantso ny zanany tsy naka sarotra. "Midìna fa misy taratasinao ity."
Nidina i Alexia. Niezaka nitsiky ny rainy fa toa tsy hitan’i Alexia akory, ny masony amin’io bongon’ny ranomaso fa asa izay nampalahelo azy tao an’efitranony tao.
- "Misaotra," nojereny, sora-tanan’i Hery ny amin’ilay valopy. Niverina nanganohano indray ny masony sady niakatra haingana tany an’efitranony izy. Novahany ka hitany ilay hafatr’i Hery. Niditra tamin’ny tranonkala izy dia nanoratra ny hafatra vaovao ho an’ity malalany.
« Hery, mon amour, toi aussi tu me manques tellement »
Nieritreritra kely teo izy, raha tokony hampiana ilay hafatra.
Kanjo injay ny rainy mandondòna ao am-baravarana. Dia niofafàny ilay hafatra.
- "Alexia, avelao aho hiditra fa te hiresaka amin’izany zanako izany aho." Nataon-dRatrema tamin’ny feo malemy sy fo tony ny teniny sady naka seza izy hipetraka teo akaikin’i Alexia. Ity farany niankina tamin’ny soron-drainy sady nifokofoko nitomany no latsa-dranomaso.
- "Diso ny rainao anaka, mamelà ahy", sady nosafosafoiny ny lohan’ity zanany vavy tsy foiny indrindra ity.
Dia notantarainy teo ny zavatra rehetra nanjo azy nandritra izay enim-bolana izay. Tsy fantany intsony izay mety hampalahelo an’i Alexia fa dia naleony nampahafantatra ity zanany ny antsakany sy andavany ny momba ny fiainany sy izay antony nisakaizàny tamin’i Corine. Nibaboka izy fa vava tsy ambina ny azy ilay nadroahany an'i Hery tsy hiditra ny tranony intsony.

Tsy tonga dia niditra tao antranony i Hery rehefa tonga tany aminy fa mbola naka fisainana nipetrapetraka teo antokonam-baravarany teo aloha. Efa tena alina izy vao niditra ny tranony. Tranony izay tsy misy afa-tsy izy irery. Nahandro sakafo aloha izy dia avy eo tapakevitra ny handro sady hisaintsaina lalina ity manjo azy. Varimbariana teo izy ka notsindriany ny ankanjo nanaovany ilay atin’akanjo mainty navelan’i Tahiana. Adinony taneraka mihitsy ny fisiany na dia toa nandalovan'ny masony izao aza.
- Vehivavy iray ve letsy no mahatonga an’ialahy toy izao ry Hery! Tadidio letsy fa ny lehilahy tsy boka herin-taona a!
Ny nahavitan'ny sakafony no ela dia nidaboka natory izy.

Vao nazava ny andro dia efa taitra i Hery. Nifoha dia nikarakara sakafo sy nampirina ny tranony fa tsy misy afaka hanao izany rahateo koa tsinona.
Niomana izy avy eo dia lasa namonjy ny toeram-piasàny.

Valopy mihidy no niandry azy teo amin'ny biraony. Valopin’ny orinasa ihany. Noraisiny dia nosokafany. Hafatra fiangaviana azy hiakaratra tany aminny Tale teknika no tao anatiny. Nivoaka ny biraony izy, dia niakatra tany ambony. Niditra tao amin’ilay biraon’ny Tale, nifampiarahaba sy nanontaniany ny vaovao momba ny resaka asa. Resaka fifandraisana eo amin’ny orinasa no ventin-dresaka tao.
Na dia niezaka ny hifantoka tanteraka amin’izany aza i Hery dia lasalasa tany amin’i Alexia foana ny sainy. Toa ny lohany fotsiny no nahatokatony tamin'izay zavatra notenenin’ity lehibeny. Nanolotra valopy azy ilay lehibeny nony avy eo izay misy ny anarany teo ivelany. Teo izy vao tonga saina rehefa naheno ilay lehibeny niteny hoe: "alaivo any amin’ny mpiandraikitra ny fampitaovana any ambany ary ny anjaranao, dia ity ny taratasy hangalanao azy."
Gagagaga izy, loza izany, tsy nisy azoko ilay notenenin’ingahy Tale teo fa  variana loatra aho tamin’ilay nofinofiko omaly hariva. Tena tsy mety miala ato an-tsaiko mihitsy ilay Alexia nihazakazaka namonjy ahy.
Nitsangana ingahy Tale dia mba nanaraka nitsangana koa izy.
- "Any ambany moa izy teo Andriamatoa Tale, mpiandraikitra ny fampitaovana!
- "Iéé! anontanio rehefa tonga any ambany ianao e!"
Dia lasa i Hery nidina, tsy azony an-tsaina mihitsy hoe: inona ary izany, fa ilay valopy koa mihidy ka tsy novahany akory na dia misy ny anarany aza.
Tonga teo amin’ny varavarana misy ny fampitaovana dia nanontany i Hery hoe: "Ato ve ity no tokony hateriko?"
Dia noraisin’ilay mpiandraikitra ilay valopy ary niditra tany an’efitra tany izy, niverina, nitondra kitapo mainty teny an-tanany.
- "Fantatrao ve Ramose hoe inona ity ? sady natolony an’i Hery.
- "Tena tsy azoko veroka mihitsy."

Pejy 20
2006/04/13,16:11

Nihomehy fotsiny ilay rangahy, nosokafany, hay solosaina ireny azo entina manaraka anao amin'izay alehanao ireny no tao. Faly ery i Hery nahita ilay izy. Tena mbola vaovao izy izany ary an-tapitrisa ariary no vidin'izy ity hoy izy tany antsainy tany.
- "Misy teknisiana ampanarahiko anao izao hanazava aminao ny ifandraisan’ity solosaina ity amin’ny orinasa. Iny izy iny efa vonona rahateo. Manam-bintana ianao rangahy an! Manao sonia eto ianao dia asiana anarana sy ny laharanao atao am-piasàna."
Tsy vintana anefa ny azy fa tena ilainy amin’ny asany io solosaina io. Izy mantsy no mitantana ny fikajiana ny resaka ara-bola amin’ny orinasa iray manontolo. Efa manana solosaina tokoa izy ao amin’ny biraony fa tena vao maika hanampy be azy ny fahafahany mitondra ity solosaina ity manaraka azy mody rehefa misy asa ilaina maika. Hafaliana ny azy ka somary nandihindihy kely mihitsy izy niditra ny biraony. Novelomina avy eo dia natsatoka ny karazana tariby fifandraisana.
Toa nanarina ny alahelon’i hery tampoka teo ity solosaina ity, satria azony entina mody any antrano.

Vita izay rehetra izay dia niditra tamin’ny tranon-kala i Hery, nosokafany ny mailaka dia nanoratra ho an’ity malalany izy, nitory fitiavana, nanontany raha voaray ny hafatra.
Hay efa tonga
dia misy ilay fifandraisana haingana (Messenger) ilay solosaina vaovao ka dia nampidiriny ny adiresiny ary dia nandefa mailaka tany amin’i Tiana izy ;
Tampotampoka teo, nivaly ; vetivety kosa izany an !
Hery : Manao ahoana ianao ?
Tiana: Salama fa ianao no manao ahoana?  
Nanazava izay fandehan-javatra teo i Hery, ny momba ilay disadisa tamin’ny alatsinainy, ny momba an’i Alexia tsy mandray antso hatramin’izao. Namaritra izay anarana izy ireo ka R :Ratrema, M : Malalatiana, A : Alexia ary Hery ny tenany.  
Hery : -Tsy azoko antso mihitsy i A hatramin’izao, alefako avokoa izay karazana fifandraisana rehetra, mailaka, antso an-tariby, finday fa tsy mahazo azy foana.
Tiana: Sao dia nisy zavatra nahatohina ny fony taminao?
Hery : Efa nifona taminy aho, fa mbola tsy namaly izy hatramin’izao ;
Tiana : Manana solosaina ve izy ao an-tranony ?
Hery : Ao amin’ny efitranony mihitsy aza ! Fa ahoana?
Tiana: Sao dia hitany ity lohahevitra noforoninao ity ka heveriny tsy azo itokisana ianao fa mampiahaka ny tsiambaratelon’ny fianakaviana?
Hery : ...........
Tiana : Izay ary ilay efa nampoiziko ! loza ampian’ny loza ny anao raha izany ; tsy maintsy ataonao izay hifankahitàna aminy mivantana ; tandremo anefa, mety mbola tohina ny fony fa tsy maintsy alefanao mailaka ihany aloha ny fifonanao.
Hery : Ka raha toa tsy mbola hitany ilay izy dia hitonon-tena eo ve aho. Tsy vao mainka loza! Ka ilay izy koa anie tena very hevitra aho fa tsy inona akory e! Nila namana aho hilazako ny manjo ahy fa tena tsy tantiko intsony. Te hiantso an’i A mafy aho fa tsy tafita mihitsy tamin’io andro namoronako io takelaka io.
Tiana : Azo eritreretina izay, fa sao dia misy zavatra adinonao tanteraka aza teo amin’izay fotoana nampiova hevitra azy tsy hifandraisany aminao intsony?
Hery : Zavatra toy ny inona ohatra ?
Tiana : Asa, mety fisaorana ohatra. Toa fifonana sy fitoriana fitiavana foana no alefanao nefa mety tsy izay no andrasany ; sao dia nisy zavatra lehibe nataony taminao talohan’io nefa adinonao tanteraka ny nisaotra azy. Vehivavy anie aho e ! Malahelo ihany aho raha misy zavatra ataoko amin’olon-tiako nefa tsy noraharahiany akory. Diniho sy saintsaino tsara aloha ny niainanao hatramin’izay. Jereo ny ora, ny minitra sy ny segondra niarahanareo mbola tena nifandraisanareo be!
Hery : Tena tsy azoko veroka mihitsy, aleo aho aloha hiasa dia misaintsaina lalina ny momba izay. Antsoiko ihany ianao rehefa miverina ato an-tsaiko izay zavatra hadinoko. Veloma.
Tiana : Tsy eto intsony aho aloha raha tsy rahampitso maraina tahaka izao. Mahereza indrindra Hery an! Tena tsapako mihitsy ny fitiavanao an’i A; Raha izaho no manana olon-tiana tahaka anao dia mirehareha mihitsy aho. Veloma ary.
Nofaranana ny fifandraisana, nisaintsaina teo i Hery, namerina tao an-dohany ny tany Ambatofotsy, ny zavatra rehetra nitranga ny alin’ny alatsinainy.
Ny asa rahateo tsy azo avela fa nitombo hatrany amin’ity andro efa akaiky faran’ny volana. Revo tao indray i Hery ka toa nandalo taminy fotsiny iny alakamisy tontolo andro iny.

Nony tonga
tany an-trano avy eo.Tsy mbola azony an-tsaina mihitsy izay zavatra hadinony izay, na dia naverimberiny foana aza ny fotoana niarahan’izy sy Alexia ny alatsinainy sy ny talohan’izany. Tsy hitako mihitsy hoy izy.
Natsofony tamin’ny solosaina ilay tariby fifandraisana an-telefaona dia nampiditra ny fahana izy ary nijery indray ny tohin’ilay tantara nosoratan-dry Tourbillon de l’Amour sy ny tariny, tena mahay maminany ry zalahy ireto, aleoko tsy mamaky ity intsony fa harary fo eo ny farany.
Nisakafo izy dia namindrafindra ny fanaka handraisana ireto namany ny ampitso hariva.
Dia inona izao no hotantaraiko amin’i Haja rahampitso raha tsy mahita an’i Alexia izy, tsy hanontany ve izy fa angaha nisaraka izahay roa ?
Tsy manaiky izany aho, fa raha mbola misy afo mitsilopilopy fotsiny atao anatiko ato dia ampy hanazava ny foko hidraradrarako ny fitiavako an’i Alexia. Tiako izy, tsy mody tia fa tena tia tokoa.

Tsy niala tao an-tsain’i Hery ny endrik’i Alexia. Endrika mahafatifaty mahababo fo avy hatrany. Naveriny tao an-tsainy ilay fotoana niraisan'izy roa ara nofo voalohany. Tsy ho hadinoko mandrakizay iny fotoana iny hoy izy. Tadidiny fa fetim-pahatsiarovana ny vaninandro nahaterahan’i Alexia tamin’izay.  
Vao nandray ny faha-fito ambin’ny folo taonany izy tamin’io. Ny ankizy namany rehetra any ambany mitotorebika tsy ifandrenesana amin’ny dihy sy ny vazo isan-karazany. Izy roa any ambony mifanorokoroka sady nifampiondakondana mifandefa hafatra amin’ny safosafo tsy nisy ohatran'izany.

- "Hery, tiako homena anao androany ny fanomezana faran’izay lafo vidy indrindra aty amiko ; ny tenako iray manontolo no omeko anao. Ianao no tiako hampiala ahy amin’ny maha-tovovavy, hirosoako amin’ny maha-vehivavy ahy amin’izay. Raiso aho ho anao."
Aleo i Hery mihitsy no asaintsika mitantara azy ...
Azoko tsara ny tian’i Alexia ho lazaina. Zavatra tsy mba nangatahiko azy mihitsy izay sady mbola tsy dia ela koa no niarahanay. Faly aho anefa sady norohako teo amin’ny molony izy.
Naveriko vetivety tato an-tsaiko ireo lesona marobe efa voaraiko raha hanao firaisana ara nofo voalohany amin'ny tovovavy virjiny. Sambany aho no hiaraka amin'ny tovovavy virijina na dia efa maro ihany aza ireo vehivavy niarahako.  Nisy iray tamin'ireny vehivavy ireny no nampianatra ahy tamin’ny antsipirihany ny tokony hataoko rehefa tahaka izao. Tojo ilay niriko tokoa aho izao, ary tsy tiako raha hanenina noho ny nataoko ity tovovavy manolotra ny tenany ho ahy manontolo ity. Tsy tiako mihitsy ny hanenenany fa indray mandeha tsy azo iverenana intsony ka mila fahamalinana be dia be avy aty amiko.
Ny fanehoam-fitiavana aloha izany no voalohany indrindra hoy aho niezaka namerina ny lesona efa nianarako. Manaraka izany, izay tsy azo atao ambanin-javatra mihitsy ny fanomanana ny sainy, na dia tiany aza ny hiroso avy hatrany dia tsy maintsy atao izay hampifantoka tanteraka azy sy hahatokisany ahy mba hahazoany fifaliana ka tsy hahenoany firy ny fanaintainany. Rehefa avy eo tsy atao ampirotorotoana mihitsy fa atao ampahatoniana avokoa izay atao rehetra.
Poa toy izay no nisaintsainako an'ireo rehetra ireo dia iny aho no nitsangana nanidy ny efitranony. Tsy niteny mihitsy i Alexia fa nandry teo ambony fandriana izy sady nibanjina ny tenako iray manontolo. Ilay jiro kely teo amin’ny sisim-pandriana no hany sisa nanazava anay roa. Namonjy nipetraka teo anoloany aho dia niharina koa izy, nosokafany ny feny hidirako manakaikikaiky azy dia nifanoroka moramora izahay sady nikaroka mafy ny lelany aho. Nofihiniko izy sady nosafosafoiko malefaka ny lamosiny, notadiaviko ilay tadi-nonony dia nosarahiko moramora. Novako ny bokotry ny ankanjony ambony rehefa avy eo dia nanao tahaka izany koa izy tamiko. Zipo fohifohy izay no nanaovany, misy elasitika, efa tafanika teo amin’ny maojany noho ilay fikisahany hamonjy ny vatako teo, hany ka mora tamiko ny nampiakatra azy handalo ny tratrany, ningainy koa ny sandriny roa handalovan’ilay lamba sady narahin’ny tanako misafo ireto sandry rakofan’ny hoditra malefaka izay toa sasa miandry ny hotolomiko.
Ny atin’akanjony sisa no teny aminy, izaho indray efa tsy nisy akanjo intsony ny tapany amboniko. Nosafosafoiny moramora ny tratrako hitsapany ireo nofo sy hozatra maneho ny tanjako. Mbola tsy navelako hesoriny ny fitafiako ambany mba ahafahako mifehy tsara ny fisehoan-javatra iray manontolo. Nosarihiko moramora ilay tadi-nono teo amin’ny sorony. Tsy naneho fandavana mihitsy i Alexia.  Indro nono roa mahafatifaty tarafin'ny hazavan'ilay jiro mitsilopilopy teo antsisim-pandriana no nanoloana ahy. Notazomiko tamin’ny tanan-droa ny ambany sorony ka ny ankihibeko no nandalo nisafo ireto loha-nono roa iza efa nanomboka taitran’ny fitiavana natolotro azy, nitsiky kely ilay malalako.
Nifanoroka indray izahay, nalefako tany amin’ny lamosiny ny sandriko, nofihiniko, nahodiko hamonjy ny takolany ny molotro dia nampidiniko tamin’ny tendany. Avy hatrany dia niverina nandry tsimoramora tamin’ny lamosiny indray izy, ny molotro kosa, nanaraka ny fatoriny ka nandalo ilay havoana amin’ny nonony iray. Ilay ondana teo ambony fandriana no nisakana azy tsy ho marin-drano tanteraka, vao tafajanona izy dia nifanandrify tamin’ny molotro ny loha-nonony ; norokorohako moramora teo iny ary tsy niala mihitsy aho fa tahaka ireny mpivahiny mitety tendrombohitra ireny, tsy maintsy mandalo havoana aloha raha te hidina eny andohasaha. Nisento mora izy, nafindrako indray ny tanako hamonjy ny takibany, niezaka mafy aho mba tsy hiala amin’ny vatany mihitsy ireto molotro ka hitsapàny ilay fitiavana tsy ankijanona hamelombelony ilay ny lavaky ny fahafinaretany iray manontolo.
Nisefosefo kely i Alexia dia nalefany teny amin’ny lohako ny tanany ilany sady nanindry kely ahy ihany izy.
Nampiako tosika tamin’ny lela avy eo ny orokoroka, tsapany ilay hafanana manenika ny vatany. Izy amin’io ilay kilaoty kely sisa no teny aminy, tsy mbola nokitihiko mihitsy fa ny hahazoany fahafinaretana amin’ity vatany ambony aloha no tiako hatosaka voalohany indrindra aminy.

Nalefako hidina amin’ny kibony amin’izay ny lelako, nihodina moramora manodidina ny foitrany; nisy hozatra mangorintsina azy tany anatiny tany ka nanainga ny maojany nahazaka ny lohako iray manontolo. Reko fa somary nimenomenom-pitiavana izy.
Nosarihiko avy eo ny molotro handalo ny faritra ambany, nolalovako fotsiny ilay tadin’atin’akanjo fotsy ranoray dia nanohy nidina hanaraka ny feny sy ny ranjony aho. Ny tanako indray manainga ilay fe sy ny ranjo hamonjy ny soroko hahamora ny fanorohako azy.
Te hikiakiaka fitiavana ilay malalako fa tsy nahateny, ny tanany no namonjy haingana ilay string, te-hanala azy mafy nefa notazomiko. Asa, mety nanelingelina azy angamba, nefa tena niriko mihitsy fa izaho ihany no hanala azy teo.
Toa azony avy hatrany ilay hafatro na dia tsy nisy teny iram-bava aza naloaky ny vavako. Navelany amin’izay aho hanohy izay ataoko, reko any anatiny any ilay onjam-pitiavana manefika azy, niala teo ambony fandriana aho, ny molotro amin’io mbola eny amin’ny kibon-dranjony ihany mba hampitohy hatrany ilay hafatra ampitiavana alefako any aminy.
Nitsangana teo amorom-pandriana aho, nalefako indray ny tanako hamonjy ny nonony, nidina avy eo hamonjy amin’izay ilay faritry ny fahasambarana tsy hita pesimpesenina. Faritra madio tsy misy pentina, fa toy ireny ala kitroka voaaron-janahary ireny ka tsy nisy sahy nikapa na dia hazo iray aza. Tsapan’ny ratsan-tanako ilay faritra mafana efa mandom-paharavoana. Tsy andriko intsony, nataoko nandroso sy ny niverina ireto ratsan-tanako hanafosafo, hotsaky ny hamandoana tanteraka ny fivaviany. Taratro fa efa lena ilay lamba kely fotsy hany teny an-kodiny. Fantatro avy hatrany fa tena misamboaravoara aminy ilay onjam-pitiavana mampite-hikiakiaka azy ilay malalako. Ny fihetsiky ny tanako dia efa mampiova ny fisefosefony, nesoriny tampoka niala teny amin’ny soroko avy eo ny tongony ka nidaboka teo ambony fandriana, nivezivezy, manokatra ny feny hahamora ny safosafon’ity tanako ilany izy.
Ny filahiako tamin'io efa tena henjana tsy nisy ohatran'izany eo am-pitsapàna ity fivaviana madio hisantatra ny fiainam-baovao. Toa henoko mihitsy ny filahiako mitalao manao hoe « avoahay amin’izay fa mba te hahita hazavana e!" Nampandeferiko ihany anefa aloha ny filako sy ny hetahetako fa tsaroako tsara ilay dingana tsy maintsy andalovako. Efa notsapainy ny filahiako fa mbola tsy hitany ary azoko antoka fa miandrandra mafy ny fotoana hahitany azy izy.
Somary natosik’i Alexia ilay atin’akanjo hiala, tonga
dia nampiako izy fa efa ela loatra angamba no nitadiavany hanalàna azy iny. Niseho teo ambany masoko amin’izay ilay lavaky ny fitiavany izay tena efa vonona handray fahasambarana. Ny ratsan-tanako amin’io mbola manafosafo hatrany ny manodidina azy, nandramako nalefa tany ny fanondroko iray, nisento mafy izy, reny miakatra any anaty lohany any ny fahasambarana entin’ity fitaovana atolony ity malalany ity. Navoaka indray ilay fanondro dia nanafosafo ilay bokotra kely mibotsina miendrika loha-nono tsy lavitra teo aho. Vao voakitika fotsiny anefa iny dia niainga tsimoramora ny maojany fa nahare onjam-pahasambarana hafa indray. Nitombo hatrany ny fahamandoana nivoaka tamin’ny lava-pitiavany. Ny molony amin’io mimonomonona te hiteny fa tsy mahita ambara, ny masony mikipy miezaka manamboatra sary tsaran’ity malalany manome fahasambarana ho azy.  
Novahako tamin'izay avy eo ny bokotry ny patalohako.Tsy nanaosarotra fa tonga
dia niborotsaka raha vao natosika nidina kely fotsiny. Ny tongony no nampiasainy hanala azy tanteraka nony avy eo. Ny silipo sisa no teny an-koditro izay nibotsina aok'izany toy ireny mpanao ady totohondry efa vonona eo ambony ringa. Naveriko indray ilay ratsan-tanako teo hiditra tany anatiny tany, tahaka ny sambokely atopatopan’ny onjan-dranomasina ny fijery azy. Ny fidaboky ny onja amin’ny sisin-dranomasina no mifandraika amin’ny fisentony sy ny fisefosefony. Niondrika aho handefa indray ilay lelako hanafosafo ity vatany, nolelafiko mora teny amin’ny nonony, nidina teny amin’ny kibony, niodinkodina teo amin’ny foitrany, ny ratsan-tanako amin’io mbola mijanona ao aminy ihany manomana mafy ity fivaviana virjiny hiroso amin’ny maha-vehivavy azy. Heniky ny fahasambarana ity malalako, efa tena vonona tokoa.
Saingy tiako ho tsapan’ny lelako izany maha-virijiny izany ka nidina teny amin’ilay faritry ny fitiavana mamy loatra aho, namboloin’ny oroko ny fofona somary masiaka manaitra ny atidohako rehetra, nolalovan’ny lelako ilay fisarahan’ny fivaviany efa vonton’ny ranom-pitiavana, nikiaka kely izy, kiaky ny fitiavana, hafa noho ny hafa tokoa ny herin’ny lela fa io no anisan’ny hozatra faran’izay malemy indrindra no sady ambony hafanana ka tsy misy maharesy azy raha mbola lalovany. Tsy naharitra intsony i Alexia fa nalefany tany amin’i filahiako ny tanany hitsapa ny habeny efa mijaridina, tahaka ireny mpilalao baolina ireny ka mirehareha hiditra ny kianja, nolalaoviny teo amin’izato fahasambarana efa manenika ity malalako amin’ny vatany iray manontolo. Niharina aho dia niezaka nitady ny famonoan-jiro, vao maizina anefa dia hoy izy: " -Hery an ! aza vonoina fa te-hahita aho?" Gaga ihany aho tamin’iny, ankoatry ny andro atoandro izay tsy azo anoharana dia amin’ny maizina hatrany no anaovan’ny vehivavy firaisana, ity malalako nefa te-hahita mafy. Tsy azoko mihitsy fa vao voalohany mampisantatra ny firaisana amina tovovavy virijiny ity, ka nanaiky koa aho, mba te hahita ihany koa na izaho aza.
Novelomiko indray ilay jiro kely, tahaka ireny sary hosodo-doko manintona ny maso ireny i Alexia miaraka amin’ity bikany soa sy mahafinaritra efa vonona tanteraka handray ahy ka hiara-miampita aminy ity fiainana maha-vehivavy.
Nampidiniko amin’izay ny silipiko, tahaka ireny miaramila mijaridina mitoraka fiarahabana amin’ny handriny ireny i Balita, efa tena ela niandrasana fa atao ahoana moa, ny lesona nampianarin’ny olona ahy fahizay anefa tsy maintsy ankatoavina mba tsy hanaonaoko foana.
Niakatra teo ambony fandriana amin’izay aho, novelariko moramora ny fen’ity mamin’ny foko, nikisakisaka moramora aho hanatona ny fivaviany, natohatohako moramora teo ny lohan’ny filahiako, nanafosafo, tsy mitsaha-miraraka ilay ranom-pitiavana, efa tena vonona tanteraka. Nandrasako kely, nampidiniko ambanin’ny fivaviany aloha ny filahiako dia ny ratsan-tanako roa indray no natsofoko moramora, nikiaka kely indray i Alexia, reny misy fanaintainanana miakatra any aminy. Najanoko teo aloha, somary novelariko tamim-pahendrena ireo fanondroko roa, ary tiako raha rovitra amin’izay ity hozatra manify maha-virijiny azy. Niandry kely fotsiny aho, reko mihitsy ny fanaintainany kanefa ny fahasambarana efa nolalovany teo dia mifangaro amin’izany ka nanadinoany ny mety hanjo azy.
Nesoriko amin’izay fanondroko, dia nihorirana aho namonjy ny lohany, nanakatra ny molony dia nibitsibitsika taminy nanao hoe : - "tiako raha eo ambony ianao." Nanaiky izy, sady niharina, izaho kosa nandry tamin’ny lamosiko. Niondrika nanoroka ahy izy dia naka lamba fotsy madio dia madio tao ambany ondany tao, tena efa vonona tokoa hatry ny ela hay i Alexia, tohina ny foko tamin'ny fihetsiny. Notsapainy sy nojereny tsara ity filahiako ary hitany fa tena nihenjana be, napetrako teo amboniko aloha izy, manatrika ahy, voasintona teny amin’ilay fivaviany ny masoko sady tarafin’ilay jiro tsara ka noraiketiko tao an-tsaiko ny firafiny soa izay tsy ho adinoko mandrakizay.
Napetrako teo ambonin’ny ahy izay mbola mitsilany manaraka ny kiboko aloha ilay lavaky ny fitiavany, ningaiko tamin’ny maojako ny vatany iray manontolo. Ny safosafon’ny vatan’i filahiako tamin’ny fivaviany efa mando no nampiakatra indray ilay hasambarana tsy hita noanoa tamin’i Alexia. Nasaiko nihantona kely fotsiny izy hijoroan’ny filahiako dia nampifanandrifiako ny ahy sy ny azy. Nasaiko nidina moramora izy avy eo dia injay fa nitsofoka sady efa vonton’ny hamandoana rahateo koa moa.
Tsapako tokoa ny fanaintainany nefa tsapako ihany koa fa nahatsapa hasambarana toy izay efa nolalovany teo izy. Vao tafiditra tany anatiny tanteraka aho dia tsy navelako nihetsika mihitsy izy aloha. Tsy ela taorian'izay dia indro nivoaka avy tao anatiny tao ilay rà tarafin’ny jiro mitsilopilopy, ra manamarika ilay fahadiovany izay natolony ho ahy samy irery ary ho ahy manontolo.
Nosintomiko teny an-tanany ilay lamba fotsy madio tahaka ny oram-panala dia nofafako ilay ra. Somary niondrika kely izy nijery. Natopiko teny amin'ny masony ny masoko. Te hiara-mizara aminy izay fanaintainana aho. Vao nifanena anefa ny fijerinay dia tsiky no natolony ho ahy. Somary nihetsika kely izy kanjo mbola nisy naharary azy ihany, nijanona teo amin’ny toeranay teo izahay roa, efa ho minitra iray.
Ny masonay nifampijery no nampita hafatra hifampizaràna ny fanaintainany. Ningaiko kely izy avy eo, nakipiny ny masony fa tena mbola maharary azy ilay fihetsika, nohozongozoniko ny maojako hampihetsika azy, narahiny fotsiny izay onja nalefako, elaela tahaka izay ihany , nanomboka niverina taminy ilay fahasambarana teo, tsy fantany intsony fa toa nahafinaritra azy ilay maharary nefa arahin’ity fahasambarana mandondom-baravarana ao anatiny ao. Niainga tsimoramora teo ambony maojako teo izy, nisefosefo mafy, ny fony midobodoboka tsy misy ohatr’izany, nikiaka indray mandeha dia namonjy nidaboka tany aoriana; tamin’izay fotoana izay no tonga
ihany koa ny fahasambarako ka nifatsitsiatra ilay ranon’aina izay efa te hibosesika hivoaka efa hatry ny ela.
Heniky ny fahasambarana izahay roa, tena tsara, tena hafa kay ilay voalohany, tsy hadinoko mandrakizay eo amin’ny fiainako.
Afaka kelikely, nihodina avy eo i Alexia namonjy ahy, nikisakisaka ka somary taitra ny amin’ity hatsiaky ny ranon’aiko teo ambony fandriana, noraisiny indray ilay lamba fotsy misy ra teo dia namafany izay ambiny mbola tavela teo ambony lambam-pandriana. Nifanoroka izay tsy izy izahay roa, velona indray ilay fantsona iray ifampitanay ny hafatra marobe tsy vitan’ny teny ny mamboraka azy.
Nijanona natoritory aloha izahay, nifampisafosafo, nifampijery tamim-pitsikiana.
- "Hery, tiako raha ho ahy irery ianao!"
- "Alexia, fiainam-baovao no iarahako aminao!"

Tsy tapitapitr’izay, injay fa nisy nandondona tao am-baravarana,
- "Ato ve ianao Alexia?"
Tsy nisy namaly izahay fa nangina fotsiny tahaka ireny hoe tsy misy olona ireny. Nony afaka kelikely dia niala teo ambaravarana ihan ilay niantso. Natompiko teny amin'i Alexia ny masoko ary dia tsiky malefaka feno fitiavana no navaliny ahy.

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype