Niakanjo haingana izy dia lasa niakatra tao ambony namoha an-drainy...
- "Papa, mifohaza fa loza ity manjo an’i Hery..."
- "Fa misy inona anaka? Fa maninona hono?"
- "Tsy ao an-tranony hono ny reniny hatramin’izao fa mbola tsy tafody foana..."
- "Fa lasa nankaiza hono?"
- "Efa hatramin’ny maraina be hono no nivoaka ny tranony, dia izao tsy tafaverina izao... sady tsy fanaony mihitsy izao... Papa, afaka miaraka amiko ve i Papa izao?"
- "Andao ary anaka... hiomana vetivety aho!"
Malala kosa tamin'io nivandravandra fotsiny, tsy hitany izay atao... Nangoritsina ny ati-dohany… Fa naninona aza, sao sanatria... Nandevy mafy ny sainy mieritreritra izay mety nitranga... Nony tafavoaka ny trano izy mianaka dia nandray telefonina haingana izy ary niantso ny hopitaly akaiky azy indrindra, ilay nantsoiny aninkeheo maraina...
- "Allo, azafady tompoko raha manelingelina... Tsy izany fa saika hanontany fotsiny aho hoe niditra tato aminareo ve i Ramatoa Ramihary, ilay narary tampoka teny an-dalana anikeheo maraina?"
- "Andraso vetivety... ie, niditra tato tokoa izy io maraina io, fa nafindranay hopitaly ny atoandro ihany..."
- "Fa nisy inona? Fa naninona?"
- "Fa iza ianao io moa azafady? Inony raha azo fantarina…?"
Nangovitra i Malala, tsy sahy niteny ny anarany akory izy fa dia napetrany ny telefonina... Fa naninona aza? Nalefa aiza? Maty aho androany! Tsy nopizin-tory intsony izy fa niandry izay hiverenan-dRatrema fotsiny sisa...
Efa tamin’ny efatra maraina vao tafody izy telo mianaka fa nanaraka an-dRatrema sy Alexia i Hery. Mody natory mafy i Malala nony niditra tao amin'ny efitra fatoriana ny vadiny.
Efa eo am-panalana akanjo Ratrema vao mody nahirany ny masony...
- "Hay efa tonga ianao? Dia nanao ahoana?"
- "An, an, an! tsy fantatra izay misy azy ry Malala. Mitebiteby mafy i Hery ka hany fiononam-pony dia mety lasa any ambanivohitra ny reniny... Tsy afaka mankany izao alina izao anefa izy, fa dia rahampitso maraina vao ho any. Loza koa ity tsy afaka mitelephonena ity akory any lavitra any. Ohatran’izay efa mba fantatra na any izy na tsia..."
- "Matoria aloha Ratrema fa rahampitso izany...Vehivavy lehibe iny ve tsy hahalala izay ataony."
Tsy ela akory dia rendrika i Ratrema fa i Malala no efa niomankomana nifoha maraina toy ny mahazatra haka rivotra. Tsy nahita tory loatra intsony izy avy eo tsinona noho ny adin-tsainy. Iny izy nidina ny tohatra iny no indro i Hery hitany ao amin’ny salon miforitra eo ambony canapé. Teo mantsy izy no nasaina natory, fa tsy tian-dRatrema ny hiakarany tany ambony rihana tamin'ny fotoana nahatongavan-drizareo ora vitsivitsy talohan'io.
- "Hery, toa tsy matory ianao?"
- “Manao ahoana i Malala?" hoy izy talohan’ny hitanondrehany indray.
- "Toa mifoha maraina be ianao?"
- "Azafady fa nanaitra anao aho, mifoha maraina foana aho tato ho ato fa mba maka rivotra madio vao maraina... Tsy nampoiziko hoe ato ianao..."
- "Nasain-dRatrema nanaraka azy aho alina fa hiaraka hitady an’i Mama izahay rahampitso, rehefa avy eo mantsy e... Tsy hita ange i Mama ry Malala e!"
- "Efa fantatro... dia ahoana?"
- "Asa ho’aho... Ny mahagaga ahy dia raha lasa lavitra izy, tokony namela taratasy toy ny fanaony... Nanenenako mihitsy ny tsy nividy telephone iray ho azy... Izao lasa tsy mahalala na inona na inona. Raha nisy zavatra nanjo azy dia tsy fantatro akory...
- "Sao hisotro café aloha ianao?" hoy Malala nanova resaka.
- "An, an, an! misaotra... Mandehana ianao raha haka rivotra e..."
- "Ssssh, tsy hivoaka indray aho, tena ohatry ny maraina loatra marina izao... Mbola hatory ve ianao?"
- "Izaho ve hatory intsony moa ry Malala fa aleoko mieritreritra eto... Sa handeha hanao café aho ho antsika?”, hoy Hery nitsangana…
- "An, an, an! ho anao ihany atao fa izaho tsy misotro intsony," hoy izy sady ny kibobeny no nosafoiny...
- "Ah!!! Hay moa," hoy Hery sady niverina tany amin’ilay zaza indray ny sainy. Vao maika nanjombona ny endriny...
- "Manao ahoana tokoa ianao izao? hoy izy mody naka vaovao, nanantena ny mba hahalala izay momba azy roa.
- "Izao hitanao izao, salama tsara! Sady matanjaka be, efa ho teraka aho afaka roa volana..." hoy izy sady ningainy teo ambony latabatra iva ny tongony, rehefa avy niankina tamin’ny canapé izy hahazo aina tsara. Voapetrany ny rambona peignoir-ny dia nisokatra ny avy eo aloha, hany ka nihanjaka teo ny feny... Nosarihany ny lamba teo akaikiny izay nirakofan’i Hery ka nanaronany ny vatany, izay tsy voa-afina tsara akory...
Tsy tsaroan’i Hery intsony ny café saika ho ataony, fa niverina teo amin’i Malala izy, ary nanafosafo sy nanoroka azy teo...
- "Malala a! aza alaim-panahy ohatr’izao aho..." hoy izy
- "Ianao no tena miantso ahy," hoy Malala namaly ny oroka nataony...
Tsy ela akory dia efa vita izay nataony... Adinon’i Hery ny reniny, ny olon-tiany ao ambony, indrindra i Ratrema... Faly loatra ny fony fa tsapany niverina ao am-pony indray i Malala. Efa ela loatra izay nitebitebeny izay nohon’ny fiavonavonan’i Malala, kanefa izao dia hitany fa mbola tia azy izy.
I Malala indray dia hafa ny tao an-tsainy... Faly izy fa voababony i Hery, ka na inona na inona mety ho fitrangan-javatra momba ny reniny, dia inoany fa tsy hanana ahiahy momba azy mihitsy i Hery.
Lasa izy nivoaka ny trano haka rivotra fa i Hery kosa niverina natory. Alexia nidina tamin'ny valo maraina no namoha azy...
- "Hery, Hery, mifohaza amin’izay fa efa atoandro be," hoy izy nanoroka ilay olontiany.
- "Bonjour ma Chérie," hoy Hery nihiratra sady nanoroka an’i Alexia. Toy ny nanonofy izy iny alina iny, tsy fantany na nofy na tena izy iny nitranga iny, fa tsaroany ho vizana mafy fotsiny izy... Niherikerika izy nefa tsy nisy marika nahalalany fa tena teo tokoa i Malala... Nahotsokontsony ny lohany fa tsy hainy intsony ny manavaka ny nofy sy ny tena misy. Nihevitra i Alexia fa ny tsy fahitana ny reniny sy ny havizanany no mampirakaraka ny mason’i Hery toy izao.
- "Mahereza ry Hery fa tsy maintsy ho hitantsika i Mamanareo androany a!"
Izay Hery vao tena tafaverina tamin’ny zava-misy: tsy hita ny reniny ary hitady azy izy androany. Tsy nisy izany iny alina iny hoy ny eritreriny, satria ahoana moa no hahavitako miaraka amin’i Malala, nefa ny saiko manontolo any amin’i Mama? Niverina nadio ny eritreriny ary nahazo aina indray izy ilay efa menamenatra an’i Alexia teo. Izy handeha hitsangana iny no gaga nahare fa hay izy miboridana ny tapany ambany... Nokarohany tao anaty lamba, ary gaga izy, fa tsy hitany ny silipony. Nihomehy i Alexia nahita azy nipenimpenina sady niboridana...
- "Ary dia miboridana mihitsy ve ry Hery matory e!"
- "Tsy izany ry Alexia fa tsy tadidiko intsony aho na nanao na tsy nanao omaly ilay isika niala tany an-trano iny a!... Toa nikoropaka fotsiny aho niakanjo…"
- "Toa avy nandro aho tsinona ilay niantso anao maika be iny dia hadinoko daholo izay nataoko..."
- "Tena vizana loatra ity ianao ity," hoy Alexia nanolotra azy ny jean-ny. Dia tsy hafahafa ve mandeha tsy misy na inona na inona?
- "Efa zatra aho," hoy Hery mandainga...
- "Nihomehy Alexia fa toa nanaitra azy izany mieritreritra hoe ny olon-tiany no manao pataloha tsy misy silipo izany tao anatiny...
- "Hmmm!" hoy izy, " tandremo ry Hery sao misy manaboridana any an! Izay aho vao ho very," hoy izy namatotra ny valahan’i Hery tamin’ny sandriny roa sady nikisikisina taminy...
Ny sain’i Hery kosa dia niverina tany amin’ilay nofiny indray. Tena hitan’ny masony i Malala nanala ny slipony ary nanao azy tany anaty paosin’ny peignoir-ny... Teo izy vao taitra fa tena nisy tena nisy izany iny alina iny... Izy mbola revo tao anaty eritreriny iny no nipoitra i Ratrema sady nitsikitsiky nahita azy roa misangisangy. Alexia mbola manohy misarangotra aminy foana tamin'io...
- "Manao ahoana ianareo roa? Hery a, handeha isika rehefa avy eo izany!"
- "Izaho koa hiaraka aminareo," hoy Alexia. "Ary aiza i Mama?"
- "Ao, mbola matory ao! Torimason’olona izany! Ny niverenako no ela dia niverina natory izy ka hatramin’izao" hoy Ratrema.
- "Tsy aleo aloha hisakafo maraina isika? Efa vonona daholo ny latabatra fa ndao handroso e! Inona ny an’i Hery? Café?"
- "Ie, café ny ahy. Misaotra betsaka..." ny sainy amin’io any amin’i Malala ihany. “Ahoana ary izany,” hoy Hery. “Raha tsy nifoha Malala dia tsy nisy izany iny alina iny, dia nankaiza ny silipoko?" hoy ihany izy nanohy nanontany tena.
Nony vita ny sakafo maraina dia nidina tany anaty garage Ratrema hijery ny maoteran’ny fiarany, fa sao tsy ara-dalana hoy izy ka ho sahirana any lavitra any. Alexia indray niverina tany an’efitranony fa hisintona ny volony vetivety hono. Hery sisa no tavela teo, niandry azy mianaka. Tonga saina tampoka izy ka niakatra tany ambony, ary nitsaitsaika niditra tao amin’ny efitrano fandrian’izy mivady... Hitany tamin’ny tany ilay peignoir ary nokarohany ny paosiny, kanjo tsy nisy inon’inona. Nitsangana izy ary nojereny ny manodidina, Malala amin’izany mbola matory ihany... Nivoaka ny efitra Hery ary lasa nanarangarana nijery an’i Toky... Miforitra ny sandriny roa ary atsipatsipany ny tongony, hay efa nifoha efa ela izy... Tsy nahatanty Hery fa noraisiny ny zanany ary nosoloiny fa efa kotsa. Izy sendra nihodina hitady couche vaovao iny no nahare an’i Toky mibadabada sady manantona an-drainy mandeha tongotra...
- "Hay ve ialahy efa mandeha e " hoy izy tamin-janany, dia tsy nisy niteny tamiko mihitsy leitsy!" hoy izy sady norohany ny zanany.
- "Hay Hery efa ato? Loza ry Hery fa dia tsy nisy nikarakara ity zaza fa samy manana ny ataony daholo ny olona... Ary toa mandeha i Toky? Oay oay! Faly loatra aho, Malala a! Mandeha i Toky, aiza ny fakan-tsary? Ny caméra?"
- "Hay androany izy vao nandeha?"
- "Ie! efa firy andro aho no niandry azy hamindra fa i Hery angaha ahoana? Andraso vetivety fa haka caméra aho..."
Tsitapitapitr’izay dia niverina izy nitondra caméra sy fakantsary ary nanomboka nanapipika teo, niaraka tamin’i Hery; avy eo i Toky irery. Nodimbiasan’i Hery indray izy ary nalaina sary izy mianaka... Ny kotaba sy ny hehy amin’izany mandeha ihany, miaraka amin’ny fibadabadan’ity zaza. Nojereny tsara i Hery ary niteny tampoka izy...
- "Dadadada! Dada! Dada!"
- "Dray, ary niteny koa ilery! Dada hono!" hoy Ratrema vao maika nisomebiseby. Tsy nalehan’ny lohany akory hoe i Hery ange no teo akaikin’i Toky teo, fa tsy izy, fa dia safononoka ny haravoany...
- "Avia aty amin’i Dada" hoy izy, sady notrotroiny ny zanany lahy.
Tsy lavitra tamin’ny zava-niseho teo Malala. Lokin’ny hehy izy mahita ireto lehilahiny mifanara-tsaina dia mifanara-tsaina. Nandre ny teny nolazain’ny zanany, ary koa ity izy mandeha toy ny saribakoly... Toky amin’io tsy manao couche akory fa dia hadinon’i Hery ny nametaka azy... Efa nifafy tamin’ny ngorodona tao an’efitra ny pipi-any vao nikoropaka izy roa lahy.
- "Aie! matin’i Malala isika androany," hoy Ratrema nikoropaka nitady serpillère tany amin’ny douche. Hery kosa nandray ny zaza haingana sy namerina nanadio azy ary nametaka couche. Tapa-tsinay Malala mijery azy ireo...
“Les hommes de ma vie," hoy izy nisento lalina sady lasa niverina nitsotsotra indray.
Afaka fotoana fohy dia nivoaka ny efitranony Alexia, tsara tarehy izay tsy izy, “Andao amin’izay,” hoy izy nisavika an’i Hery sy Ratrema tamin'ny sandriny roa.
Lasa izy telo mianaka nandeha niditra tao anaty fiara, efa hiainga izy no nipoitra teny an-davarangana Malala nikiakiaka:
- "Mba antsoy aho hilazao vaovao” hoy izy nikopakopaka tamin’ny lamba kely.
Tsy nisy niraika tamin’ilay lamba kely izy mianaka fa dia nanaiky ny hiantso rehefa misy vaovao, fa i Hery kosa sakodiavatra mafy... Toy ny lokon’ny silipony ilay izy, saingy nohon’ny lavarangana avo be sy nohon’ny fiara efa nandroso, dia sarotra ny namantatra ny endrik’ilay lamba kely; fa ny lokony gris no nanaitra azy, ilay silipony gris!" Tena efa hitapy aho," hoy izy nisafo loha.
Dia roso ny dian’izy telo mianaka, niangavy an-dRatrema hiverina any an-trano aloha Hery sao mba nody ihany Ramihary iny alina iny. Kanefa akory ny hagagany fa ny Dadabeny no tao, avy any ambanivohitra...
- "Fa taiza leitsy ialahy toa tsy misy olona ato, aiza Ramihary?"
- "F’angaha tsy any aminareo Mama ry Dadabe?"
- "An, an, an... fotoananay androany hoe hidinidinika momba ny fandehan’ny raharahanareo izahay, dia niakatra aho. Fa aiza izy e!"
- "Asa ry Dadabe fa hatry ny alina izy no tsy nody ary nihevitra aho hoe lasa any aminareo izy. Lasa aiza ary i Mama," hoy izy sady ndeha hitomany izy...
- "Aza matahotra hoy Ratrema fa ndao hiverina any an-trano ary antsoina daholo ny hopitaly rehetra. Sao nisy nahazo azy omaly ka nampidirin’ny olona hopitaly izy... Avy eo antsoina ny polisy raha sanatria..."
Natahotra mafy Hery ka tsy nahita izay holazaina intsony izy... Hany heriny nanaraka ambokony izay nolazain-dRatrema. Ny dadabeny koa nanaraka azy ireo fa nitebiteby mafy ihany koa noho ity zava-mitranga ity.
Iny ry zareo ndeha hiainga iny indrindra no nisy olona nivoaka nihazakazaka avy tao amin'ilay trano nifanila tamin-dry Hery mianaka, sady nanantona ny fiara no niarahaba:
- "Manao ahoana Hery! nisy olona tonga teto omaly nitondra fiara, nandondona tato aminareo hono izy ireo fa saingy ankizikely moa no teto an-tanàna. Izao maraina izao ny ankizy vao mitantara amiko, ka tsy azoko mihitsy izay nolazainy fa mitady izay olona mipetraka ato hono…"
- "Olona nitady???" hoy Hery
- "Tsy fantatro mihitsy, hoy ilay ramatoa; matin-dalao koa ireo ankizy ireo…Tsy azony tsara akory ny resak’olona."
- "Mba iza aza izany olona izany?"
- "Raha miverina eo ange ry zareo dia mba omeo azy ity numéron’ny findaiko ity, azafady Ramary a!" sady naka taratasy izy no nanoratra, ary natolony ilay Ramatoa.
- "Hery a!” hoy Alexia, nibitsibitsika taminy nanao hoe: “adinonao angaha fa tsy manao silipo ilay malalako no maika handeha?"
- "Dada a! Mbola misy zavatra tokony halain’i Hery ao an-tranony fa andraso aloha."
Nivoaka ny fiara izy roa, namoha ny trano dia nankany amin’ny efitranony. Naka ny silipony izy dia namaha ny fehikibony, Alexia amin’io nanatona azy sady namihina ny vatany avy ao aoriana. Nanafosafo ny kibony sady nampidina ny tanany hanafosafo ilay faritra ahitany ny mpanome ny fahasambarany…; nahatsiarotsiaro mafy ny nataony tamin’ny alina izy. Saingy nampidirin’i Hery ihany ny silipony ka voafono tao ny tanan’i Alexia havia; nakariny koa ny patalohany, ary tsapany fa nitombo tsimoramora ny filahiany.
- "Alexia! Je t’en supplie, tena tsy amin’izao mihitsy ny saiko fa tena mitaintaina mafy aho."
- "Je sais," hoy Alexia, niteny moramora sady nanohy ny fihetsika nataony.
Nesorin’i hery moramora ny tanan’i Alexia ary novaliany oroka mamy teny amin’ny molotr’ilay malalany.
- "Andao hidina fa sao dia miakatra eo Dadabe," hoy i Hery.
Teny an-dalana hiverina any an-trano, nisendoatra be ihany i Hery. Ratrema no nitondra ny fiara, ny dadaben’i Hery no teo aloha, izy roa kosa no tao aoriana.
Tsapan’i Alexia ny fahasahiranan-tsain’i Hery amin’ity tsy fahitàna an-dreniny. Ny masony amin’io eny amin’ny sisin-dalana ihany, sady nankininy tamin'ny fitaratra ny lohany, tsy nahateny mihitsy izy. Noraisin’i Alexia moramora ny tanany havia, sady nikisaka izy nanatona azy, nakariny teny amin’ny hatony, ary nosintoniny moramora ny lohany hiondana eny aminy.
- "Hery a! tsy maintsy hitantsika izy androany fa aza matahotra ianao." hoy Alexia tamin’ny feo malemy miangotingoty.
Nisento fotsiny Hery, natopiny teny amin’ny malalany ny masony, dia niondrika indray izy, ny tanan’i Alexia mbola manafosafo ny lohany hatrany.
- "Amin’ny fotoana tahaka izao tokoa no ahatsapàna ny tambitambin’ny olon-tiana" hoy Hery niteny samy irery tany an-tsainy tany…Lasa ny sainy: aiza i mama? Iza izany olona tonga tao an-trano omaly izany? Aza hitako…. Kanefa raha izany dia tsy nametraka taratasy ve izy hampiantso? mety ho olon-kafa angamba…
- "Hery a! mbola tiako ho fantatra ihany ny mety hisy ny reninao," hoy Ratrema, "misy toerana fandehanany ve; efa fanaony ve ny zavatra tahaka izao?"
- "Tena zendana aho ry Dada fa olona tsy mba mpanao izao mihitsy izy! Sao dia misy ifandraisany amin’izao zava-mitranga izao ilay olona nitady anay omaly tany an-trano!"
- "Aleo tsy alefa lavitra ny eritreritra, hoy Ratrema, fa any an-trano isika mandefa ny antso rehetra any amin'ny hopitaly e!".
Afaka kelikely dia niara-nigadona tamin'ny fiara iray hafa teo am-bavahady ry zareo. Efa tafiditra aloha ilay fiara ka nibahana teo.
- "Toa fiaran’ny hopitaly izy izany hoy ny Dadaben’i Hery, fa misy autocollant, fa inona angaha no tadiaviny?"
Nidobodoboka mafy ny fon’i Hery ary tsy azony mihitsy ny zavatra mitranga.
Nampaneno klaxon Ratrema hiantso ny mpiambina mba hidirany, nihazakazaka avy any ilay mpiambina:
- "Azafady ramose fa mitady an’i Madama ireo olona ireo, fiara vao tonga mihitsy io ka saika hiantso an’i Madama aho, hay moa ianareo tonga!
- "Fa misy inona?” hoy Ratrema, novohainy ny varavarana sady tafatsangana haingana izy nivoaka ny fiara no namonjy ny vavahady.
- "Naninona ny vadiko????"
- "Maninona no tonga eto ity fiaran’ny hopitaly ity?" hoy Ratrema, nivaloharika ny tarehany sady nisefosefo be izy!
Tafavoaka ny fiara avokoa ny rehetra namonjy ny vavahady. Saingy nosakanan’ilay olona nanontany Ratrema:
- "Azafady ramose fa tsy misy tokony hitaintainanao mihitsy: tsy misy maninona akory ato."
Tahaka ny tsy ren-dRatrema akory ny tenin’ilay rangahy fa ny varavaram-by no noezahany novahana, kanjo nosintonin’ilay rangahy izy.
- "Aza taitra mihitsy ianao ramose a!" hoy indray izy, "fa tena tsy misy olana hoy aho!"
Nijanona kely Ratrema sady nijery tamin-piketronana ilay rangahy;
- "Ka inona no ahatongavanareo ato, tsy fantatrareo angaha fa bevohoka be ny vadiko ka mila hanapaka lalan-drà ahy mihitsy ity ianareo tahaka ny manao be fihavy ity! Fa misy inona eh?"
- "Miala tsiny indrindra ary Ramose fa efa fantatray tokoa izany" hoy ilay rangahy, “fa ny vadinao mihitsy no misy resaka tianay hatao aminy, raha tsy mahadiso tompoko!"
- "Ny vadiko ?? efa miteny aminareo aho fa efa miandry vohoka be izy ka raha taitra amin’izao fahatongavanareo izao, dia asa izay hanjo antsika rehetra eto," hoy Ratrena namaly.
- "Azafady re tompoko ô!" hoy ilay rangahy, “mino mihitsy ary aho fa tonga dia ho fantany raha vao mampilaza aminy izahay.”
- "Vadiny aho rangahy ity a!" hoy Ratrema, “ambarao amiko izay anton-dianareo!"
- "Eny ary tompoko!" (nifanatona ny rehetra izay teo am-bavahady), - "dokotera miasa ao amin’ny hopitaly aho, ary asa raha fantatrareo fa nalefanay taty aminareo ny ambulance omaly vao maraina. Nisy ramatoa safotra teto araky ny voalazan’ny mpamily ka i madama vadinao, ilay bevohoka be, no nampiantso anay. Nilaza izy fa olona tsy fantany io ramatoa io; nahita ny toe-batan’ny vadinao koa ireo mpamily sy ny mpitsabo vonjy taitra, dia nibata fa tsy nanao fanontaniana firy, ary tonga dia lasa. Fantatray ny misy io ramatoa io satria tany aminy ny kara-panondrony, saingy nandehananay ny adiresiny dia mihidy tanteraka ny tranony ary ankizy madinika no tao an-tanàna. Koa nirahin’ny hopitaly izahay hiverina aty sao dia misy mahafantatra azy ihany eto amin’ny manodidina eto! Tsy mahatsiaro tena mantsy hatramin’izao ilay ramatoa, ka mila mitady haingana izay havany izahay…"
- "Fa olona tahaka an’iza izany ramatoa izany?" hoy Hery, nitsatsaingoka.
- "Andraso fa alaiko ao anaty kitapoko ao ilay kara-panondrony sao dia fantatrareo,"
…………………………………………………………..
- "Maninona ialahy ry Néné no tsy nilaza tamiko momba izany ambulance izany omaly?" hoy Ratrema nitrerona mafy ilay mpiambina.
- "Azafady mose fa noheveriko fa efa noresahin’i Madama anao izany omaly dia tsy niteny intsony aho!"
- "Ialahy ho'a tena tsss! Tsy fantatr’ialahy angaha fa izaho no tompo-mandidy ato amin’ity trano ity??"
Niverina ilay dokotera, nitondra ilay kara-panondro teny aminy.
- "Ity ilay izy," hoy izy, ary nomeny an-dRatrema,. Nanatona azy Alexia ary taitra be!
- "Hery! Kara-panondron’i mamanareo ity! Sariny mihitsy io!"
Taitra koa Hery, nanatona: "tena azy marina ity!!", hoy izy, "Dadabe a! tsy mahatsiaro tena i Mama???" Taitra be Dadabe ary niezaka niankina tamin-jafikeliny.
- "Ahoana koa ary izany," hoy ilay dokotera….
- "Ampidiro avokoa aloha ny fiara rehetra," hoy Ratrema, "dia mandrosoa daholo fa higagan’ny olona isika eto am-bavahady eto."
Novahan’i Alexia ny vavahady kely vy dia nampandrosoiny tao an-trano i Hery sy Dadabe ary ilay dokotera. Ratrema sy ilay mpamilin’ny hopitaly kosa samy nampiditra ny fiarany avy.
Malala, mandritra io fotoana io, dia mbola resin-tory tany ambony rihana. Asa na izy ilay nivoaka vao maraina, na vizan’ny fahafinaretana nifanaovan’izy sy Hery, fa torimaso hany izany! Na ny fifamaliana teo am-bavahady, na ny klaxon nataon-dRatrema aza, tena tsy nanaitra azy akory.
Nony tonga tao an-trano ny rehetra, ilay karatra amin’io eny amin’i Hery ihany, dia nasain’i Alexia nipetraka teo amin’ny salon i Hery sy ny Dadabeny ary ilay dokotera, fa izy kosa naka ranom-boankazo tany an-dakozia.
Very hevitra Hery, toa mihodina aminy avokoa ny tany aman-danitra. Inona ity mahazo azy! Nitady fahatonian-tsaina izy kanefa tsy azony mihitsy ny ainy. I Dadabe etsy mivaloharika malahelo an-janany vavy sy ity zafikeliny lahitokana.
Niverina Alexia nitondra ranom-boankazo mangatsiatsiaka tsara, nasainy nandray teo avokoa izy rehetra, dia nitombina nipetraka teo akaikin’i Hery izy.
- "Dia ahoana ny atao?" hoy Ratrema. "Fa maninona ny maman’i Hery?"
- "Aretim-po goavana ny mahazo azy," hoy ilay dokotera, "tsy maintsy mankany izao dia izao isika fa mi-delire foana hoe Hery, Hery, mijaly ny zanako, ilay ramatoa. Ka tsara raha manainga tsy misy hatak’andro izao isika ho any aminy.
- "Misaotra anao izahay dokotera fa efa hatry ny alina izao no nitaintaina ity zanany ity momba ny misy ny reniny," hoy Dadabe.
Fa tamin’izay fotoana izay indrindra, Malala nihaino moramora ny resaka tao alatrano, fa taitra ihany izy noho ny figodongodon’ny olona tao ambany. Nanarangarana nijery ary reny Ratrema niteny hoe :
- "Fa dia ahoana loatra ary no tsy nampandrenesan’i Malala ahy izany zavatra nitranga izany? Olona fantany tsara ange i ramatoa Ramihary, nahoana ary? Tsy azoko mihitsy."
Toa nanako tao an-tsain’i Malala ny tenin-dRatrema, nitazona ny fisefosefony izy. Nangorintsina tany an-dohany tany sady tsy tanany intsony fa dia naleony nisefosefo mafy tamin’ny vavany, sady niezaka nitsaitsaika hiala ilay toerana nihainoiny resaka. Tsipalotry Ratrema tampoka anefa ity vadiny toa saika nianjera ka nihazakazaka haingana izy namonjy azy. Tamin’izay indrindra no voasaringony ny tongotry ny latabatra kely misy ny abat-jour bakoly tsara tarehy, izay tena lafo vidy tokoa, ka nitontona ary niparitaka tamin’ny tany. Tsy nahoany izay nitranga fa hamonjy ity vadiny niankina ny rindrina ary nikorisa hipetraka amin’ny tany no tao an-tsainy voalohany.
- "Malala!" hoy izy," nanarina ny lohany, “maninona ianao????"
- "Hery, maman’i Hery," hoy Malala tamin’ny feo tena vizana tokoa!
Nikoropaka ny iray trano namonjy an’i Malala, ity vao tena loza.
- "Aza itangoronanareo eo izy," hoy ilay dokotera "fa mila rivotra madio. Tazony eto dia somary orina kely tahaka izao… Haka masque à oxygène atsy anaty fiara aho. Batao tsimoramora izy ho eo ambony canapé;eo, fa mangatsiaka loatra amin’ny tany."
Samy nanao izay ho afany teo ny rehetra hamelombelona an’i Malala. Niverina avy any ilay dokotera nitondra ny fitaovany ary nametaka ilay saron-tava tamin’ny tarehan’i Malala. Nojereny ny tosi-drany… Afaka kelikely dia hoy ilay dokotera :
- "Tsara raha tonga dia manainga dieny izao isika rehetra mitondra an’ity reny bevohoka ity any amin'ny hopitaly, fa sao misy tampoka tsy azontsika anoharana. Tadidio fa olon-droa izy ka mila mitandrina tsara. Aleo misoroka mba tsy hanenenana."
- "Alexia!" hoy rainy taminy, “mandehana haingana ianao, alaivo Toky ao ambony ao fa sao mitomany eo raha tsy eo ny mamany. Izahay rehetra eto hibata ny reninao ho any anaty fiara. Haingàna ianao fa vonjy aina ity."
Lasa alexia niakatra, noraofiny ambongadiny avokoa izay entana fitondra miaraka amin’i Toky, ary nentiny nidina tany ambany ka nataony tao anaty fiaran-dRatrema. Niakatra izy avy eo naka ny zazakely. Ny hafa rehetra kosa somebiseby ery nibata sy nampiditra ity ramatoa bevohoka ao anaty fiara, izay tsy mahatsiaro ny tenany intsony.
- "Entin’ialahy ry Hery ny fiarako," hoy Ratrema, "ary Alexia no mitaiza an’i Toky ambara pahatongantsika any amin’ny hopitaly. Aza ilaozanareo mihitsy izahay fa hampiasa detresse eny an-dalana."
Novelomina ny fiara, novahana ny vavahady, dia nifanaraka teny ny fiara roa, ka ilay an’ny hopitaly nanana anjomara sy jiro no nitari-dalana.
Teny an-dalana, Hery no nitondra ny fiara ary Alexia sy Toky no nipetraka teo anilany teo. Asa na nisy inona fa najoron’i Alexia i Toky ka niezaka nisarangotra amin’ity tanany kely tamin'ity "rainy". Taitra tampoka Hery nahita ity zanany niezaka hisarangotra taminy. Io ilay zanako tsy foiko, hoy izy niteny irery tany an-tsainy, tazain’ilay malalako izay tokony hanomezako ny fitiavako iray manontolo, kanefa toa zarazaraiko amin’olon-kafa. Nanganohano ny masony ary latsaka ny ranomasony.
Onena i Alexia nahita an’i ity malalany latsa-dranomaso. Dadabe nipetraka tao aoriana tamin'io tsy dia nahatsikaritra ny zava-niseho fa lasa fisainana sady nivavabavaka mafy mba hampitony ity onjan-dranomasina mitady handetika ny fiainan'izy mianakavy ity.
Rehefa tonga tany amin'ny hopitaly ireto fiara roa, avy hatrany dia nalefa tao amin'ny sampana miandraikitra ny fampiterahana i Malala. Efa niandry tao ny fandriana hitondràna azy sy ny mpitsabo mpanampy vitsivitsy. Nivoaka ny fiara ny rehetra ary nanampy nibata sy nametraka azy teo ambony fandriana. Dia natosika niditra tany anatiny. Tsy niala teo akaikin'ny vadiny mihitsy Ratrema tamin'io na dia iray segondra aza. Alexia no nitrotro an’i Toky nanaraka azy avy ato aoriana. Hery sy ny Dadabeny kosa mbola taraiky nanidy ny fiara tany ivelany.
Nony tafiditra tao anatiny Hery mianaka dia nanontany an'i Alexia hoe:
- "Nalefa aiza?"
- "Tsy haiko," hoy Alexia, "fa tsy navelan-drizareo nanaraka tany aho sy ny zazakely fa tsy maintsy miandry eto hono, niditra tetsy amin’itsy varavarana itsy ry zareo."
Nisy zavatra tena nahamahana an’i Hery, ary tena tsy azony mihitsy. Inona marina ny zavatra nitranga omaly, naninona Malala no tsy nilaza nefa izy izany nahita an’i Mama nitambotsitra teo am-bavahadiny??? Tsy mino mihitsy aho fa tsy fantatr’i Malala i Mama!" hoy izy niteny irery tany an-tsainy.
Nanatona ny accueil izy dia nanontany,
-"Ianareo ve mety naheno hoe nisy ramatoa nentina tamin'ny ambulance taty amin’ity hopitaly ity omaly, nefa tsy fantatra ny havany?"
- "Ié," hoy ilay ramatoa, "tonga hatraty aminay tokoa izay resaka izay, andraso fa i dokotera Herinaivo teo no mahalala azy fa tokony hiverina eo izy. Tsy ato amin’ity service ity mantsy izy iny no miasa, ka tsy afaka hijanona ela any."
Nisokatra ilay varavarana nampidirana an'i Malala teo, nivoaka tao ilay dokotera Herinaivo, nitsangana Alexia
- "Nanao ahoana izy dokotera?" hoy Alexia nanatona.
- "Non! tsy maninona ka, efa voarain’ny dokotera tsara izy satria vao teny an-dalana aho dia niantso azy tamin’ny findainy. Efa nanome toky izy fa tsy misy maninona fa mety malaise kely fotsiny, nisy nanaitra azy tampoka!!! aza matahotra intsony ianareo. Efa miomana hanao echographie ry zareo mba hijerena akaiky ny zava-misy, sao…"
- "Dokotera a!" hoy Hery, "ianao ihany izao no mahalala ny misy ny reniko fa aiza no misy azy?"
- "Izay mihitsy no nivoahako tao haingana, manaraha ahy ianareo mianaka. Oay, ity zazakely ity tsy mahazo mandeha mankany fa tsy maintsy mijanona eto, sady nijery an’i Alexia izy. Zanakao angaha izy io?"
Nojeren’i Alexia i Hery;
- "Zandriko ity ka," hoy Alexia, mamanay ilay niditra tany teo.
- "Andao ary," hoy ilay dokotera.
Norohan’i Hery ny malalany dia lasa izy telo mianaka nandeha, fa i Alexia sy Toky kosa nijanona teo amin’ny efitra fiandrasana ihany.
Teny an-dalana:
- "Tsy haiko intsony izay mitranga ato fa toneo mihitsy ny fonareo. Zanakao ilay Mme Ramiara rangahy be ô? manana endrika mitovy aminy ianao izany."
Tsy nisy nahateny intsony teny an-dalana fa ny ahatongavana haingana ao amin’ny réanimation no tao an-tsaina. Rehefa tonga dia nanontany ny dokotera namany izy ary nanatona azy mianaka:
- "Tsy afaka miara-miditra any ianareo mianaka fa mandehana tsirairay!"
- "Ndàna letsy" hoy Dadabe.
Niditra Hery, nidobodoboka be ny fony, nalahelo mafy izy nahita ity mamany sous-sérum ary mbola tsy mahatsiaro tena. Noraisiny ny tanany sady nanganohano ny masony.
- "Mama!" hoy izy nibitsibitsika, “aza ilaozanao aho fa ho very!!!"
Tao anatin'izay fotoana izay indrindra koa anefa no injay fa niraondraona ny vibreur-n’ny findain’i Hery tany am-paosiny tany. Nojereny, numeraon-dRatrema ary dia noraisiny :
- "Hery a! Tongava aty ialahy fa tadiavin’i Malala," mikitakita be no tahaka ny tezitra izany ny feony!
- "Mama anie ato tsy mbola mahatsiaro tena e!"
- "Ie, azoko tsara fa i Malala no mitady an’ialahy fa tsy izaho, tongava araka izay azon’ialahy atao," sady notapahiny ny antso.
Fa inona indray izany, tena tsy mazava amiko mihitsy. Rehefa mbola velona aloha ny mamako dia izay no zava-dehibe amiko hoy izy tany an-tsainy.
Nitsangana izy nony avy eo dia nivoaka niantso ny Dadabeny:
- "Aleo aloha Dadabe indray no miandry azy ao fa tsy maintsy miverina ary amin’ny maternité ary aho fa misy niantso ahy."
Tonga dia niditra Dadabe fa tsy nanisy fanontaniana. I Hery kosa nandeha moramora nivoaka hamonjy an’i Malala sy Alexia.
Toa nisy lanja mavesatra niala tamin’i Hery nony nahita an-dreniny mbola miaina izy, eny fa na dia mbola tsy nahatsiaro tena aza. Tsy mampandry saina azy koa anefa ity nataon’i Malala tsy nampahafantatra ny zava-nitranga akory fa tahaka ny nody fanina ary nanao fanahy iniana ny tsy hilaza mihitsy aza.
Raha sendra nampiditra ny tanany tany am-paosiny iny i Hery teny an-dalana hamonjy ny trano nisy an'i Malala, dia tsapany tao ny fanalahidin’ny fiaran-dRatrema izay tavela tany aminy.
- "Afa-baraka!" hoy izy, "mety ity angamba no nahatezitra an-drabaininy be teo. Mety saika haka zavatra tao anaty fiara izy kanjo ny lakile taty amiko. Izay mihitsy no niantsoany ahy. Asa izay ho vavan’iny, nefa nambarany mazava fa i Malala no mitady ahy. Tsy te-hieritreritra an’i Malala sy izay nanjo azy koa aho satria tsy nianjera mafy akory izy tany an-trano. Sady nisy dokotera teo, raha oharina ny manjo an’i Mama dia tahaka ny sila-hoho ny nahazo azy… Izy bevohoka rahateo ka izay no nampikoropaka ny rehetra."
Nony tafiditra ilay efitrano fiandrasana izy dia indreo izy mianaka niandry azy:
- "Mandehana mankao amin’ny efitra 236 fa mitady an’ialahy i Malala," hoy Ratrema sady nivandravandra be izy. Tsy nisy fanontaniana akory ny momba an'i Mama na dia kely aza. Natolotr’i Hery ilay lakilen'ny fiara no taitra izy tsy nahita an'i Toky.
- "Fa aiza i Toky?" hoy i Hery.
-"Efa nampidirana berceau tao amin’ny efitr’i Neny," hoy i Alexia, "dia napetraka ao izy."
- "Nanao ahoana i Mamanareo ry Hery?" sady nosakambininy ity malalany.
- "Mbola tsy mahatsiaro tena izy fa ... tsy haiko ny ilazàna azy fa mbola nikoropaka koa aho tamin’ilay nantsoinareo."
Naterin’i Alexia tany amin’ny efitra nisy an’i Malala i Hery ary dia niara-niditra izy roa, Malala amin’io matory mihorirana mijery ny varavaran-kely toa nanome lamosina azy ireo. Nony tafiditra sy voakatona ny varavarana dia nihodina Malala ka niharihary ilay lambam-pandriana avoitran’ity kibo beny.
- "Alexia a! Ndàna miaraka amin’i Dadanao maka izay fitaovako rehetra any an-trano fa efa eto i Hery afaka hiambina tsara ahy."
- "Ka ny maman’i Hery anie ry Neny mbola tsy mahatsiaro tena e! Tokony ho any aloha izahay roa izao kanefa irahinao indray aho hody sahady. "
-"Ndàna fa i Dadanao teo ange nilaza fa hampilaza ny any am-piasàny momba ny tsy fahafahany e!"
Tsinjon’i Alexia fa misy zavatra konikononin-dreniny indray ka te hahita an’i Hery samy irery izy, sady aleo koa ireo hifanazava eo hoy izy tany antsainy tany fa tsy tiako ho hita akory.
Nivoaka i Alexia sady nisintona an’i Hery ihany koa; tao amin’ny lalantsara izy vao niteny hoe:
- "Anontanio azy tsara ny anton’izao rehetra izao fa tsy azoko mihitsy ity tantara ity. Lasa aho fa tena tiany mihitsy ianao hiresaka samy irery aminy."
Lasa Alexia, ary dia niverina niditra moramora i Hery.
- "Azonao hidina tsara ve io varavarana io ry Hery?"
Nodinihin’i Malala izy dia nasainy nankeny aminy. Tsy noraharahian’i Hery akory ny teniny fa i Toky no nojereny, kanjo natory be ny anao lahy. Nitodika teny amin’i Malala izy avy eo sady nanatona.
- "Hery a!" sady noraisin’i Malala ny tanany dia nasainy nisafo ny kibony. “Tsapanao tsara ve? Io ilay fitiavako anao” sady nesoriny ilay lamba firakotra ka ilay akanjo fitena sisa no teny aminy izay hany nanakona ny kibony. Notazoniny ihany ny tanan’i Hery hisafosafo ity vohoka eny aminy ary nosintoniny niakatra ilay akanjo mba tsy hisy elanelany intsony fa tiany ho re ny hafanan’ny tanan’i Hery. Ity farany rahateo mihevitra tanteraka fa zanany ity ao an-kibo ka nanomboka naka fihiny ery.
- "Tiako loatra ianao, ary satriko ho ianao foana no ho eto anilako eto, Hery a! Avia aty, fa fohy loatra ilay tamin’ny vao maraina teo."
Nalefany tany amin’ny patalohan’i Hery ny tanany, ity farany moa tahaka ny nosintomin-javatra ka nanadino ny olana mianjady aminy rehetra fa nifantoka tanteraka tamin’i Malala. Novahan'i Malala izay bokotra rehetra teny amin'i Hery sady nesoriny ny akanjony. Noraisiny ilay filahian'i Hery izay efa niha henjana sady nolalaoviny. Tsy nahatohitra ny fankampanahy teo anoloany i Hery, ka dia niondrika moramora sady nampidina ny tanany tany amin’ny fivavian'i Malala izay efa tsy nisy rakotra intsony. Novelarin'i Malala ny feny sady hoy izy tamin'ny feo miangoty:
- "Mmmmhhhhh, avia fa efa miandry anao mafy aho, sady nikisakisaka izy hanatomotra ny sisim-pandriana mba hahafahan'ity olon-tiany miditra any anatiny. Nanatona I Hery, niditra tao anatin'I Malala izy ary nakariny hifamatotra teo amin'ny valahany ny fe sy ny ranjon'i Malala. Tsy ela akory taorian'izay dia henony niakatra ny tsirom-pahafinaretana tany anatiny tany ary dia nahatsiaro sambatra ery izy. Samy namikitra teo amin'ny kibon'i Malala izy roa mba tsy hihetsehany be loatra. Tampoka tsy nampoizin'i Hery akory, dia injay fa nikiaka nisintona azy mafy araka izay azony natao i Malala. Fantatr’i Hery avy hatrany fa tojo ny farantampom-pahasambaran'ny nofo izy ary izay ihany koa no nanaitra ny tao anatiny te hibosesika hivoaka. Asa anefa izay nandalo tao an-tsainy fa notsoahany haingana ny filahiany ary dia navelany hifantsitsitra teo amin'ny fen'i Malala teo ny ranonainy iray manontolo. Difotry ny hasambaran'ny nofo izy roa, ary dia ohatran'ny resintory avy hatrany i Malala. Lasa fisainana i Hery nony niverina tamin'ny zava-misy ny saina aman'eritreriny mandinika ity reny bevohoka efa ho teraka afaka roa volana nefa toa mitady firaisana ara-nofo tsy an-kijanona aminy!!
Niherikerika nitady seza izy nony avy eo fa godro tanteraka ny lohaliny ka hila tsy hahatsangana intsony. Naka toerana izy no sady nanontany an'eritreritra hoe: Fa inona mihitsy no mahazo ahy amin’ity Malala ity eh, ohatran'ny azon'odimpitia tsy haiko resena izany aho aminy???
Afaka kelikely, nitsangana izy nampiditra ny silipony. Nifoha tampoka anefa i Malala sady niharina ary nibanjina azy tsara….
- "Oay!!!!! Ny siliponao……. oadray marina, tena adinoko…. aza hitako!!!” hoy Malala.
- "Fa misy inona?" hoy Hery taitra tsy nahahetsika.
Tonga tao an-tokontany ny fiaran-dRatrema, niara-nivoaka izy mianaka dia niditra ny trano. Alexia nankany an-dakozia nitady izay hohaniny fa efa tena atoandro be ny andro. Ratrema kosa tonga dia nankany amin’ny efitranony fa haka izay akanjo sy fitaovana samihafa mety hampiasain’i Malala any amin’ny hopitaly, sady koa nandray ny telefaonina hiantso ny any am-piasàny mba hanontany vaovao sy hametrapetraka izay tokony hataon’ny mpiasany amin’ny tsy maha-eo azy afaka fotoana vitsy.
Vita izay dia nangonin-dRatrema ny peignoir, ny akanjo fitena sy ny serviettes isan-karazany ka napetrany teo ambony latabatra kely. Nosintoniny koa ny vata sarihana akaikin’ny fandriana hangalàny nyranomanitr’i Malala… nisy zavatra nanohana anefa tao, ka voatery nisintona mafy ilay vata izy, izay nisokatra ihany. Nalainy ilay ranomanitra dia notazoniny; mbola nanohana ihany anefa ilay zavatra raha hanidy ilay vata izy ka nokarohany tamin’ny tànany ilany izay tao.
Nosintoniny ilay zavatra, kanjo... silipo gris no hitany tao. Nojereny tsara ilay izy, ary nanomboka nikentrona izay tsy izy ny tarehany. An’iza ity??? Efa fantatr’i malala tsara fa tsy tia silipo toa itony aho fa kalisaona no fanaoko. Tsy ahy ity, sady toa efa nampiasaina izy izany? Tsy ho ahy mihitsy ity fa…. tena an’ilay boriky lahin-doza iny ity!!!
- "Herin-dooozzzzaaaatra!!" sady natsipiny mafy terý amin’ny rindrina ilay silipon’i Hery niaraka tamin’ilay ranomanitra teny an-tànany. Nipoaka mafy ilay izy ka vaky terý ilay tavoahangy.
- "Vonoiko iny! Tsy vanona! Olom-boaozona!..." sady notohizan-dRatrema an’izao teny ratsy rehetra izao!!!
Nahare izany Alexia dia nihazakazaka niakatra tany ambony tao amin’ny efitranon-drainy. Nijery izay nitranga kanjo fofon-dranomanitra midofaka no henon'ny orony.
- "Inona izany ry Papa? fa misy inona? inona izany ranomanitra be mameno trano izany???"
Tsy namaly Ratrema fa izay lamba teo am-pandriana teo no natsipitsipiny tamin’ny tany. Novonjen’i Alexia ny rainy hampitony azy.
- "Shhhh," hoy Ratrema sady lasa nidina tany ambany izy.
- "Fa maninona i Papa e!" sady nijery ny manodidina azy izy, ka nanontany tena. “Sanatria ve dia ho fantatr’i Papa ny zavatra nitranga tamin’ny vao maraina teo?” hoy izy. Saingy tsy azon’i Alexia veroka kosa ilay silipon’i Hery.
Ratrema amin’io any ambany mampitony ny fony kanefa manefika azy ny fialonana hamono hahafaty ity sipan-janany mpamoa-fady.
Fa tany amin’ny hopitaly…
- "Fa maninona ny silipoko?” hoy i Hery, “noheveriko fa nanonofy nanao isika tamin’ny vao maraina be iny fa tsy tadidiko intsony. Gaga be aho tamin’ny maraina nifoha raha tsy nanao silipo intsony."
- "Sahiran-tsaina tokoa ialahy ry Hery ka adinon’ialahy hatramin’ny nataontsika,” sady nihomehy ihany Malala, nisintona ny lamba firakotra fa nahatsiaro nangatsiaka izy.
- "Fa ahoana ilay resaka silipo," hoy i Hery nanatona an’i Malala.
- "Aan, aan, ann! Nampirimiko ao anaty tiroara fotsiny ilay izy; fa ny atahorako dia sao hitan-dRatrema ka loza. Fantatrao moa fa Ratrema tsy manao silipo mihitsy? Efa nampirisika azy hanao ihany aho fa tsy tiany?? Ka tena nahafinaritra ahy ilay siliponao dia nalaiko nony vita ny nataontsika."
- "Tssss! ianao ity!! Fa mbola tsy azoko mihitsy ity nataonao omaly, fantatrao tsara fa mitady ny reniko aho, dia sahinao nandaingàna hatramin’ny maraina teo, fa ny hanao amiko ihany no tena mahafinaritra anao!"
- "Izaho koa aza ange ry Hery tsy nahita hatao tamin’ilay Mamanareo safotra iny e!"
- "Shhh, lasa aho fa ny Mamako izay ary tsy fantatra izay nahazo azy!" sady nankeo amin’ilay berceau nisy an’i Toky izy no nanafosafo ny lohany, dia lasa nony avy eo!
Nifanena tamin'ny Dadabeny i Hery nony teny an-dàlana…
- "Fa taiza ialahy letsy an? andao haingana fa nasain’ny dokotera tadiavina maika ialahy. Andao haingana mihitsy! Fa ialahy ity ve mba misaina e! mbola amin’ny toeram-pamelomana anie ny maman’ialahy e!"
- “Fa maninona i Mama ry Dadabe?" sady sempotsempotra izany i Hery.
Nony afaka kelikely, rehefa avy nisakafo Ratrema ka somary tony, dia niantso an’i Alexia hanangona izay entana ilain-dreniny. Rehefa tafidina ny zanany, dia niverina tao amin'ny efitrano fandriany indray izy ka io eo mbola hitany teo ilay silipo. Noraisiny dia nataony tao anaty harona sachet kely ary nataony am-paosy. Niantso ny mpanampy izy rehefa avy eo handroaka ny vaki-tavoahangy sady namoha ny varavaran-kely fa nanentoento loatra ilay fofon-dranomanitra. Nataony anaty harona izay sakafo mety ho tian’i Malala dia nanainga izy mianaka.
Niriodriotra mafy Ratrema teny an-dàlana, sady mieritreritra izay valifaty hataony an’i Hery, satria tena sangy mihoatra ny loha izao ataon’izy sy Malala izao. Hitany sy tsapany ihany koa fa manao mody marary ity Malala ity, ka zarany aza izy any amin’ny hôpitaly mba tsy hisian’ny gidragidra.
- "Papa a! aza mandeha mafy be ho’aho fa kely ny aiko!"
- "Shhhh," hoy Ratrema… Dia mbola tsy azonao ihany ve anaka ny mahazo ahy?"
- "Fantatro e! fa na izany aza!"
Tsy niteny intsony Alexia fa hoy izy tany an-tsainy tany: Tena fantatr’i Papa ilay nataon’i Hery sy Malala tamin’ny maraina teo. Ny ahy moa dia toneko foana ny foko na dia tsy fantatro aza izay hiafaràny. Ataoko ahoana moa, tahaka ny voasinton-javatra mihitsy i Hery amin-dreniko… nefa izaho tena tia azy koa.
Mandritra izay fotoana izay Ratrema dia hita tena lasan’eritreritra lalina feno hatezerana toa miteny hoe: hitan’ialahy eo ry Hery ny hanaovako an’ialahy, hihinana ny *#&$£¤n’ialahy ialahy anio, fa andraso aho ho tonga any!!!
Tany amin’ny hôpitaly kosa tamin’izay:
Nafana i Malala ka namonjy ny efitra fandroana. Nesoriny ilay akanjon’ny hôpitaly dia nalefany ny rano, nahazo aina erý izy naheno ny fikorinan'ny rano teo amin'ny kibony. Notakariny ny fivaviany izay nolalovan’ny rano mafampàna dia nosafosafoiny mora ary nampidiriny tany ny fanondrony roa hanasàny ilay lavaky ny fahafinaretany. Natosiny indroa na intelo tany ny fanondrony ka tsapany fa nisy onjam-pahafinaretana niakatra moramora tany anatin’ny ati-dohany tany. Tsaroany ilay nataon’i Hery azy vao teo; nahatsiaro sambatra erý zy… satriny hanohy izany eo foana.
- "Mhhhhhh, Hery, ilay malalako, mhhhhhh!"
Najanony ihany anefa afaka kelikely fa reny mitambesatra taminy ity lanjan’ny kibony. Izy rahateo mitsangana. Nidiny ny robinet dia nosintoniny ilay serviette teo akaikiny ary namaininy ny vatany. Nampidiriny ilay akanjo fitena, saingy tsy nanidy bokotra izy, ka niseho ny kibony sy ny feny. Izy rahateo moa nanantena ny maha-irery azy tao amin’ilay efitra.
Nony nanokatra ny varavarana anefa izy dia taitra nahita ny vadiny nipetraka teo amin’ny sezan’ny mpiandry marary.
- "Ratrema, hay efa tonga ianao? efa ela angaha ianao no teo?"
- "Ie, naka ny akanjonao sy nitondra sakafo aho dia niverina; Alexia nankany amin’i Hery, fa izaho tonga dia nankatý."
Nizitizity erý Malala nampiseho ity kibony amin’ny vadiny dia natohotohony teo amin’ny tarehin-dRatrema sady nanafosafo ny lohany izy.
- "Aleo aho aloha hatoritory etsy", hoy Malala, sady namonjy ny fandriana izy nony avy eo.
Nitsangana Ratrema sady namoaka ilay harona sachet kely tany am-paosiny:
- "Inona ity?" hoy Ratrema, sady nomeny an’i Malala.
Nosokafan’i Malala ka ilay silipon’i Hery no tao…
- "Sao dia eritreretinao fa badolahy aho ka tsy hahafantatra ny ataonareo amiko!" sady
noritin-dRatrema teny an-tànan’i Malala ilay silipo ka natsipiny tamin’ny tany.
Asa na nanao ahoana fa lasa niseho tanteraka mihitsy ny fihanjahan'i Malala taorian'ilay fihetsika mahery nataon'i Ratrema nisintona ny silipo teny an-tànany. Hitan-dRatrema avokoa ny vatany iray manontolo. Naforitr’i Malala ny ranjony ary nosokafany ny feny ka nanaitra ny fijerin’ity vadiny.
Tezitra ny anao lahy, kanjo tsapany fa mihenjana ny filahiany tany anaty patalohany tany. Nosintoniny ny fe sy ny ranjon’i Malala hanatona ny azy, novahany ny fehikibony ary naborotsany ny patalohany. Navoakany ny filahiany efa tena nihenjana be, Malala amin’io tsy nahateny fa dia nanaiky tsy sazoka nefa koa toa te-hanohy ilay fahafinaretana notapahany tao anaty douche. Nosokafany be ny feny tahaka ny nataony tamin’i Hery teo, dia niditra tany anatiny lalina tany i Ratrema sady tsy niteny mihitsy fa ny fihetsiny mahery vaika tsy ankitsitsy no toa tiany hampita amin'ity vadiny ny valifaty ataony.
Miezaka ny maka fihiny i Malala amin'izay nanaovan’ny vadiny azy, ny tànany mitazona ny kibony ihany tsy handona mafy ny kibon-dRatrema. Nihozongozona mafy ny fandriana ka nandona ilay latabatra kely tsy lavitra teo. Very nianjera ny vera nisy rano teo amboniny. Tsy nahataitra azy roa anefa izany, fa ny nataony ihany no notohizany. Rehefa tsapan-dRatrema fa nanatomotra ny ho tonga ny azy, dia navoakany ny filahiany ary nanatona ny loham-pandriana izy sady niteny hoe: "Ao nonoy…" Nanaiky tsy fidiny i Malala sady nikisakisaka nanatona ny lohany amin’ny sisim-pandriana. Vao nitohaka teo amin'ny vavan'i Malala ny an-dRatrema anefa dia nifantsitsitra tonga ny azy, sady nitabataba menomenom-pahasambarana teo izy!
Nandeha naka toerana izy rehefa avy eo mba haka aina aloha, Malala kosa naka mosoara fanary namafa ilay ranon’aina nifafy tamin'ny tarehany sy ny ondam-pandriana.
Tsy tapitapitr’izay, nitsangana Ratrema dia nankao amin’ny douche sady nanidny ny varavarana. Nijanona teo am-pandriana Malala fa reraka sady nahatsapa te hatory.
Tary amin’ny hôpitaly ilany kosa…
Nihazakazaka mafy Hery namonjy ny efitra nisy ny reniny. Nifanena tamin’ny dokotera teo am-baravarana izy, ka ity farany no nilaza taminy mba hilamina sy ho tony. Niditra tao an’efitra izy ka io eo ny reniny hitany efa nahatsiaro tena, nefa tena mbola reraka dia reraka. Nibanjina an-janany ity ramatoa, hita misoritra eny amin’ny tavany ny alahelo, ny fahadisoam-panantenana, ny havizanana. Nitsiky kely izy nahita ity zanany mijoro eo akaikiny!
- "Hery!" hoy izy tamin’ny feo malefaka dia malefaka.
Nanatona azy Hery, nitady hiarina ramatoa fa tsy afaka; narenin’i Hery tsimoramora izy ary nampanarahany ondana tao an-damosiny hiankinany.
- "Hery a! sombin’aiko; avia ianao atý fa malahelo mafy aho!"
- "Mama a! makà aloha aina tsara fa mbola vizana be ange Mama e!"
- "Avia izany zanako izany!” sady niezaka izy hanainga ilay tànany misy fantsona mitondra serum, saingy nosakanan’i Hery.
- "Hery a! mamelà ahy fa diso ny nataoko taminao."
- "Tsy diso izany ianao ry Mama a! izaho daholo no fototr’izao rehetra izao; izaho sy ny hadalako, ny tsy fahafehezako ny tenako… ka aza manahy ny amin’izany ianao fa izay hahasitrana an’i Mama izao no tanjontsika."
- "Zanako ô, kely sisa no hiarahanao amin’ity reninao!"
Nilatsaka ny ranomason’i Hery, ataony ahoana tokoa moa, raha ilay hositranina aza tsy mino intsony ny fanasitranana mbola tokony ho azony? Tsy hirotsaka ve ny ranomaso…
- "Tantaraiko aminao anaka izay mbola tsy fantatrao hatramin’izao mason’andro anio izao: tovovavy bikana sy tsara tarehy tokoa aho talohan’ny nanambadiako. Marobe ireo tovolahy no nisari-zoro tamiko satria tena nanaitra ny olona maro tokoa izany bika aman’endriko izany; eny fa na dia ireo ray aman-dreny sasany aza. Nandalo teto amintsika ny foto-pisainana “hippie”, ka voatarik’ireo namako aho hanao izao rendrarendra sy hadalàna rehetra izao. Tsy nankasitraka ny zavatra nataoko ny ray aman-dreniko. Hany herin’izy ireo dia nitady olona ho vadíko. Lehilahy tsotra izay, tsy noraharahiako mihitsy sady nitsoahako tany am-boalohany, no niarahako. Tsy fantatry ny ray aman-dreniko akory fa efa bevohoka aho tamin’izany fotoana izany! Nesoriko io zaza io, ary tsy nambarako azy ireo mihitsy, noho ny hadisoam-panantenako tamin'ilay lehilahy nampitoe-jaza ahy.
Toy ny noterena aho hanambady ny rainao tatý aoriana satria tsy dia sitrako loatra izy.
Nananosarotra tokoa ny nahazoanay anao, satria efa nivady enin-taona izahay mbola tsy nitoe-jaza ihany aho. Natao daholo ny ala-nenina rehetra, ka teo vao fantatry ny rainao, noho ny filazan’ny dokotera, fa olona efa nanala zaza aho. Kivy be izy tamin’izay, ary nanomboka teo no nahafantarako ny ratram-pony, ka nahatonga ny aretiny nihombo nahafaty azy.
Nisy fotoana aza nisaraka izahay, ka lasa aho nitady lehilahy hafa ary nivezivezy tetsy sy teroa, nanararoatra ny fahatanorana ka nanohy ny filibàna handravàna tanteraka ity tokantrano. Ny fianakaviana amin’io tsy misy mahalala izany fa dia tahaka ny mpivady misaraka tsotra izao no hitany. Fotoana vitsivitsy tato aoriana dia nampodian-drainao indray aho, ka navelany avokoa ny fahotako rehetra. Olon-kendry anaka ny rainao, tsy mba nanao am-po fa tena tsara toetra. Izaho no jamba tsy nahatsapa izany akory. Tsy fantatro mihitsy, fa nony nifampody izahay, dia nitoe-jaza indray aho. Mbola nanohy ny fiarahako tamin'ny lehilahy hafa ihany anefa aho. Toa tsy nahoako akory ny fitiavan-drainao ahy, fa izay sitrapoko sy nahafinaritra ahy ihany no nataoko. Efa bevohoka be tahaka an’i Malala izao aza aho mbola sahy nanao firaisana tamin’olon-kafa ihany. Tsaroako ilay tenin’izay sipako iray izay hoe: “sao dia mba hanody anao izao ataonao izao ry Mihary, tsy fantatrao ange ny ampitso e!” Nisafoaka aho naheno an'io; nofelahako ny teha-maina izy satria tsy nampoiziko ho izay sakaizako izay no hiteny zavatra toa izany tamiko. Ny rainao nandritra io fotoana io, tena tsy nahalala na inona na inona mihitsy! Tonga teto an-tany ianao, tsy noraharahiako akory izay hoe: iza marina ny rainao, fa dia nalefako hanaraka ny onjany teny! Asa, raha fantatry ny rainao tokoa moa izany dia angamba… saingy roa taona taty aoriana monja dia maty ny rainao anaka, noho ny aretim-po tafahoatra nanjò azy. Kapoka mafy tsy zakan’ny aiko no nahazo ahy, ka raha tsy nisy ny ireo raibenao sy renibenao ireo, dia asa izay niafarako. Nanomboka niverina tamin’ny làlan’ny fahitsiana aho rehefa noteren’i Dada sy Mama niditra am-piangonana. Nifona sy nangataka famelan-keloka, saingy tsy nolazaiko tamin’izy ireo kosa ny zava-dratsy vitako taloha, fa ahy sy ny Tompo samy irery izany.
Koa ankehitriny anaka, mahita ny zava-manjò anao aho dia onena ary tena tsapako ny lanjan’ny fahotana rehetra vitako. Izao tokoa no atao hoe: “tsy ny tody no misy fa ny atao no miverina, fa dia tena mandrendrika ahy ny adalana vitako. Izao, milanja ny vesatra mafy noho ny nahazo ahy ity zanako… zanako tsy foiko, hany navelan’ny vadiko ho ahy! Efa tatý aoriana aho anaka vao nahita tokoa, tsy mihambahamba, fa mitovy tanteraka amin’ny rainao ianao. Be fitiavana, eny fa na ny endrika amam-bika aza. Kanefa izao manjò anao izao dia toetra tahafinao avy atý amiko, reninao tsy nahatsiaro hafa-tsy ny nigoka ny tsiron’ny fiainan’izao tontolo izao."
Nisento mafy ramatoa Ramihary, Hery amin’io latsa-dranomaso sady tsy nahateny, nihaino ity reniny mitantara ny fiainany amin'ny feo marefo dia marefo.
- "Mama a!" hoy izy nony avy eo (sady toa niserana tao an-tsainy izay rehetra nataony tamin’i Malala, ka toy ny nisy kanota nively ny hatony) "helok’iza? heloko samirery, helok’i Mama? tsia an! Ny hadalako avokoa no nahatonga izao rehetra izao."
- "Hery a! tadiavo foana ilay fitiavana nananan-drainao, izay no omeo an’i Alexia, ary aza miala amin’ny vavaka fa izay no hany hanavotra ahy tsy ho tafalatsaka amin’ny hantsana mandrendrika izao tontolo izao."
Nisefosefo mafy Ramihary, sady niezaka nisintona ny tanan’i Hery izy.
- "Veloma fa efa io rainao haka ahy, sady latsaka ny ranomasony!" nisento farany izy, dia tapitra ny ainy.
Nigogogogo nitomany i Hery, "Mama! Mama!" sady nanozongozona ny vatany nefa tsy mitempo intsony ny fony…
Nidradradradra sady nitomany mafy izy ka ren’ny raibeny tao ivelany, nikoropaka niditra tao an’ efitra ity farany, ary injay fa nibosesika nihazakazaka ihany koa ny infirmiers nampaneno ny fanairana. Noezahina novelomina Ramihary saingy tara loatra ary tsy nisy azo atao intsony fa efa nitsahatra tsy nitempo intsony ny fony. Ranomaso havozona no nameno ny efitra, na i Dadabe, na i Hery, samy difotry ny ranomaso avokoa. Nanjombona ny fiainan'i Hery; soa fa teo Alexia niezaka mba nampahery azy.
Somary nihorirana kely Malala hamoha ity varavarana, nahodiny moramora ny poignet, kanjo nihidy ilay izy. Naveriny fanindroany dia najanony tampoka.
Nitodika nijery ilay sekretera izy:
- "Tena cliente-nareo be mihitsy moa izany ramatoa izany e?"
- "Eny Mme Malalatiana, efa ho valo volana izy izay no manana tolotr’asa atao ato aminay. Sady orinasa tena mifandray be aminay koa no tantanan’io ramatoa io."
- "Hay," sady nanapotsitra ny handriny tamin’ny fanondrony izy fa nahare nanaintaina teo ambony masony teo. Ny zazakely amin’io eny an-trotroana ihany. Niezaka ny hitandrina Malala mba tsy hianjera sady nanatona ny biraon’ilay sekretera.
- "An! nieritreritra aho fa aleo angamba izy tsy helingelenina sao dia tena manahirana azy. Manjary mampifangaro ny asany amin’ny tokantranony koa izy raha niditra tampoka teo aho. Nandalo fotsiny aho fa tsy hoe inona akory ka! Aza tenenina azy akory hoe teo aho; fa raha manontany izy dia… eny e! aza tenenina akory fa teo aho. Misaotra betsaka Mme Sahondra an!"
Lasa Malala niverina teny amin’ny amin’ny ascenceur, dia naterin’ilay sekretera izy mianaka. Tsy tantin’i Malala intsony ity zavatra nahazo azy, hitany amin’izao fa hay nisy zavatra hafa nandalo teo amin’ny fiainan-tokantranony kanefa tsy reny sady tsy fantany akory.
- "Valo volana…" Izay ilay valifaty, loza tokoa.
Raha ny tena tian’i Malala tokoa angamba dia ny hampitsikafona amin’ny tany izao ramatoa izao fa saingy nihidy ilay biraon-dRatrema. Tsy tiany hahoraka eo amin’ny mpiasa koa sao ny ho avin’ireto zazakely no ho sampona tampoka eo. Noraisiny ny findainy, nantsoiny Ratrema, saingy teo am-piandrasana ilay antso dia notapahiny. Nanganohano ny masony ary mila tsy ho tantiny intsony ny hitana izay ranomaso latsaka, ka i Cynthia no natohany tamin’ny takolany mba hanalàny izay mavesatra rehetra mianjady taminy. Soa tokoa fa feo no reny fa raha izany rehetra izany angamba no hitany maso mivantana, dia ho nivadi-po tampoka teo izy.
- "Ratrema, efa nampoiziko ihany. Hitako tokoa ny vehivavy maro no saro-piaro, kay ny tsy hitrangan’ny toy izao."
Nezahiny naverina tao an-tsaina avokoa ny valo volana lasa: taiza avy Ratrema? Hay izany tena hambaboana ahy amin’ny hafaliana fotsiny ireny tambitamby, fanomezana sarobidy, fa ny akon’izay tany am-badika tany tena loza! Ity izy nanana fahaizana manokana tsy nandairan’ny safosafo rehefa izaho miara-matory aminy iny! Kay tamin’olon-kafa no tiany hampisehoana ny heriny. Lehilahy tokoa izany.
Hay izany izy ilay nandeha tournée tampoka taorian’ny nandevenana ny maman’i Hery iny ka… Lehilahy tsy vanona!
- "Tsy hanaiky ny hitsakitsahinao amin’izao fotsiny raha i Malalatiana! Ho hitanao ny valy bontana ataoko aminao."
Lasa izy namonjy ny fiarany hitondra azy sy Cynhtia any an-tranony.
Fa tao amin’ny biraon-dRatrema,
Olon-droa mananika ny lanitra fahafito no mifampitolona eo ambony birao. Mihamafy hatrany ny fihetsika rehetra, mandeha avokoa izao teny mitalaho, ny sefosefo, ny orokoroka samihafa; ny teny frantsay amin’io tsy teny frantsay intsony, voambolana hafa no re.
Hatraiza marina ny fiafaran’ny fahasambaran’ny lehilahy nahazoazo taona no ho tapitra raha tahaka izao e!
Sendra nitopy teny am-baravarana ny mason-dRatrema ka nahita ilay poignet nihodina; nijanona tampoka ny fihetsiny rehetra. Mbola hitany indray fa nihodina fanindroany; niala tamin’ilay ramatoa izy (Corine no anarany). Ity farany anefa tena efa eny amin’ny lanitra faha-fito, saingy mbola latsaka fahefany ihany; nofatorany tamin’ny sandriny roa ny valahan-dRatrema hanatona azy kokoa.
Tafala taminy ihany anefa Ratrema, tonga dia niezaka nandao ny biraony, kanjo voasaringotry ny patalohany teo amin’ny moro-tongony ka nampianjera azy. Nahay nitazona ny sezany izy ka tsy potraka, niharina, nampidiriny ny patalohany dia namonjy moramora ilay varavarana izy. Nahodiny koa ilay poignet dia hitany fa nihidy tsara. Nisento indray mandeha izy dia niverina teo amin’ny biraony ka naka ny sezany.
Corine amin’io naka toerana hitsilany teo ambony birao.
- "Ialahy kosa leitsy Ratrema tena tsss… efa tena kely ve leitsy sisa dia asa izay nahazo an’ialahy tampoka teo! Sa nahatsiaro tampoka an’i Madama indray ialahy ity ? Izaho ho’aho indraindray, ny vadiko tena manirikiry ahy mihitsy, tampotampoka eo izy tonga dia tsy te hanao intsony. Mbola tena mitana aloha raha ialahy e!" hoy i Corine nanohy ihany.
- "Sshhh, tahaka ny nahita olona namoha varavarana aho teo" sady naka afokasika izy no namelona ny pipany.
-"Angaha hadinon’ialahy fa izaho mihitsy aza no nanidy an’io teo?"
Noraisin-dRatrema ny telefaonina dia niantso an’i Mme Sahondra izy, kanjo tsy nisy namaly. Nampidiriny ny palitaony sady nankeny amin’ny varavarankely izy hanokatra ny lamba fanakonana. Nojereny Corine, tsy taitra akory fa maka aina eo ambony biraony. Ny akanjony amin’io mbola misokatra be mampiseho ireto tendrombohitra roa mampite-hiondana. Dray, dray, dray!
- "Anaovy ny akanjonao, dia mialà eo ambony biraoko eo, fa hosokafako ity lambam-baravaran-kely ity e!" hoy Ratrema
- "Sokafy fa maninoma moa, andro atoandro be io ka hisy hahita ve? Fitaratra be mangamanga no hitan’izay mpitily eny ivelany fa tsy ny ataontsika eto akory. Sady ialahy leitsy, izaho mbola tena te hankafy! Avia indray moa faranana ilay nataontsika teo e!"
Tsy nanaiky intsony Ratrema. Izaho hoy izy te hivoaka…
Nipotikana ery Corine nandray ny akanjony, nampiditra ny atin’akanjony ambany, ny zipony moa tsy niala teny aminy. Nesoriny tahaka ny tsy teo ilay akanjo ambony teny an-kodiny, ka nampiseho ny vatany ambony manontolo. Bika izany, ireny mahararak’ivy ny lehilahy sendra manara-maso ireny, ary koa maha-saro-piaro ny vehivavy izay efa manambady.
Nalainy ny tati-nono latsaka tamin’ny moquette dia nanaovany. Ratrema amin’io manara-maso azy ihany, mbola te hanafosafo kanefa…
Nampidirin’i Corine avy eo ny lobaka lava tanana misy peta-kofehy fotsy ranoray. Naveriny nanaovana ilay akanjo ambony nesoriny teo, dia namonjy fitaratra lehibe izy nijery ny maha-metimety azy kokoa, manjamaso, lokomena sns. Vita izay rehetra izay dia niverina nipetraka manoloana ny biraon-dRatrema izy.
Namerina niantso indray Ratrema, fa mbola tsy nisy namaly.
Novahany ny varavarana kanjo Mme Sahondra no indro hitany niditra teo amin’ny biraony, avy nanatitra an’i Malala.
- "Avy taiza ianao fa indroa aho teo no niantso?"
- "Azafady Ramose fa … (tsaroany ilay tenin’i Malala), nanatitra an’i …
- "Nisy olona nitady ahy angaha teo?"
Tsy hitan’ilay sekretera intsony izay hotenenina.
- Tsy haiko Ramose fa i Madama vadinao sy ilay zazakely trotroina iny no tonga teo. Nanontany fotsiny izy raha afaka hihaona aminao dia nolazaiko azy fa Mme Corine no miresaka aminao ao. Nefa nolazainy fa sao manelingelina anao hono dia lasa izy nony avy eo. Avy nanatitra azy teo amin’ny ascenceur aho izao tonga eto izao."
- "Madama a?! fa naninona taty koa i Malala? Naninona aho no tsy nantsoina tamin’ny telefaonina?"
- "Azafady Ramose fa efa niantso anao ange izy fa tsy nisy namaly fa angamba occupé! dia lasa izy namoha ny varavarana kanjo nihidy. Naleony nandeha fa sao hono manelingelina anao."
Tsy notohizan-dRatrema intsony ny resaka fa niditra avy hatrany izy sady niresaka tamin’i Corine:
- "Izay ary ilay efa nahiako, kely fotsiny dia tratran’i Malala teto isika. Mila malina fa tena hafahafa izany fandehan-javatra izany.
- "Hafahafa ahoana?" hoy Corine.
Tonga tany an-trano Malala afaka kelikely. Namonjy ny efitranony izy dia nidiny ny varavarany. Nataony tanaty berceau Cynthia avy eo, namonjy nipetraka ambony fandriana izy dia nitsilàny. Nalainy indray ny finday tany anaty poketrany dia nantsoiny Hery. Messagerie vocale no azony tao, dia naleony notapahana. Namerina niantso indray izy avy eo, fa mbola tahaka izay ihany.
Niharina kely izy dia nitanondrika indray. Nirotsaka ny ranomasony, nanala ny fony teo izy. Teo vao tsapany ny maha irery azy. “Navadiky ny vadiko” aho hoy izy niteny irery. Nisangodina ny sainy ary nahatsiaro fanina izy.
- "Hery, Hery tsy foiko, aiza ilay malalako?" Nidaboka tamin’ny fandriana indray… Nanaintaina be ny lohany ka lasa izy naka fanafody hampihafana azy. Dia niverina natory indray mba haka torimaso hanalàna ity zaka mavesatra reny tao an-tsofiny.
Nitatao vovonana ny andro vao niharina teo am-pandriana izy. Naka ny findainy indray dia namerina niantso an’i Hery.
Fa aiza moa Hery amin’io …
Eny an-dalana i Hery no nantsoin’ i Malala. Vao nahita ilay soratra MALALATIANA teo amin’ny findainy izy dia notapahany. Efa akaiky koa ny toerana nifanaovany fotoana tamin’i Alexia, ka naleony notapahana aloha.
Alexia tamin'io fotoana io efa niherikerika teo am-baravaran’ny restaurant nitady azy.
- "Soa fa tsy noraisiko," hoy izy niteny irery "fa aleo koa ho any…"
- "Manao ahoana ny malalako?" hoy Alexia, sady nifanoroka kely izy roa.
- "Andao tonga dia hiditra fa miha-vitsy ny toerana ato."
- "Efa ela angaha ianao no teo!"
- "Vao teo mihitsy fa andao hiditra e!"
Naka seza sy latabatra izy roa, navoakan’i Hery teo ny findainy tany am-paosiny tany.
- "Aleo aho aloha hamonjy efitra fivoahana fa efa tany am-piasàna aho no poritra kanefa maika hamonjy anao; sao dia lasa niandry elabe teo ny malalako ka tsy tantiko ny hampijoro irery anao teo."
Lasa izy nandeha. Afaka kelikely, niverina naneno indray ilay finday an'i Hery. Noraisin’i Alexia:
- "Allo Neny! fa ahoana?"
Diso fanantenana Malala fa i Hery no tiany hotadiavina.
- "An!" (nangina tampoka ny fifandraisana)… "fa angaha ianareo tsy ho avy hisakafo antoandro aty? Miandry anareo ange aho e!" hoy Malala.
- "O ry Neny a! alatsinainy anie androany e! rahampitso Hery vao mankany amintsika (efa tafaverina teo amin’ny toerany i Hery amin’io). Neny koa, fa maninona ary no manelingelina olona aty amin’ny restaurant aty!"
Nanontany Hery hoe iza no miresaka amin’i Alexia? Novaliany tamin’ny baiko moana fa ny reniny. Hendratrendratra ihany Hery, fa efa ela tokoa mantsy izay Malala no tsy niantso azy. Tadidiny ny tamin’ny andro taloha, ilay antsoantso an-telefaonina miverimberina milaza loza. Fa inona indray ity? Misy zavatra mitranga indray any ho any hoy izy tany an-tsainy tany.
Nony nifarana ilay antso dia nanontany Hery:
- "Fa misy inona indray hono?"
- "Sshhhh, asa indray izay mahazo an’i Neny fa lazainy hoe miandry antsika hono izy hisakafo, nefa alatsinainy androany. Ny fandaharam-potoanantsika roa efa vita. Efa naka permission aloha ialahy ity an!" sady nitsikitsiky ery Alexia.
- "Ieee! efa tamin’ny alakamisy aho no nangataka dia navelan-dry zareo. Tena tsy afaka mihitsy aho aloha raha androany maraina e! fa hoentin’ialahy ho aiza tokoa aloha ity izaho ity e!"
- "Surprise izany"! hoy Alexia. Notakariny horohana i Hery sady tsy menatra akory izy. Izy rahateo: ny bika aman’endrika ananany avokoa, ka narahan’ny olona maso tahaka ireny mpanakanto malaza ireny, na dia efa eny an-tratran’i Hery aza.
Nanatona avy eo ny serveuse, nandray an-tsoratra ny sakafo hohanin’izy roa.
Fa i Malalatiana tany an-trano, vao maika nalahelo. Tsy sahy niteny tamin’i Alexia hoe omeo ahy i Hery fa namorona izay tao an-tsainy tao. Fantany tsara fa rahampitso vao ho tonga any aminy Hery, ka naleony mody navadika ny resaka hoe: aiza ianareo no tsy tonga sns.
Nitsangana izy, dia nijery an-janany. Efa nampitonitony azy koa ilay fanafody ka afaka nijoro ihany izy. Misy manitontsintona azy anefa ny hozany iray manontolo; ny nonony toa reny misy mangidihidy. Rehefa hitany fa matory Cynthia dia nandeha nidina tany ambany rihana izy. Gaga izy nony avy eo nahita an-dRatrema mamaky gazety teo amin'ny salon. Tonga dia namonjy ny latabatra fisakafoanana izy mody tsy nahita an'ity vadiny.
- "Ary hay ve nareo mianaka nandalo tany am-piasàna e? Naninona ary raha niandry."
- "Ka efa namoha ny biraonao mihitsy ange aho fa nihidy dia naleoko tsy nanelingelina intsony sao manahirana anao e!"
- "Hay ve ianao ilay nanodina ny poignet teo. Nivory izahay dia nidina ny birao. Fa raha fantatro ange hoe tao ianao dia nivoaka aho e! “Rien n’est plus important que ma famille” sady naka an’i Toky izy hotrotroiny ary nentiny nanatona ny latabatra nisy an’i Malala.
- "Tsy maninona re izany fa mba nandalo fotsiny aho hijery izany biraonao vaovao ao amin’io trano fitaratra be io izany e!"
- "Fivoriana aho, fivoriana, plus important aho hoe, plus important…" hoy Malala tany an-tsainy tany. Nampitony fo mafy fotsiny izy mba tsy hitroatra.
Mafy ny mahazo azy fa nafeniny an-dRatrema. Ity farany indray kosa, toa faly ery mitaiza an’i Toky sady namahana azy ihany koa. Tsy azony an-tsaina anefa fa fantatr’i Malala izay nataony tany am-piasàna niaraka tamin’i Corine.
Tsy nahatelin-kanina Malala fa toa te hilaza amin-dRatrema ny mahazo azy, nefa tsy sahy. Ny hamaly faty no nibosesika tao an-tsainy
Nanomboka indray ny lohataona, nampidi-drano-ketsa i Betsimitatatra. Niova endrika avokoa ny voahary rehetra. Efa mihitsan-dravina ny zakarandahy ary mivonona ny hamonina volomparasy indray. Nanomboka namelana ny voninkazo rehefa avy niharitra ny hatsiaka mamirifirin’ny ririnina teto andrenivohitra.Zara raha nahitana rahona madinika teny amin’ny fara-vodilanitra.
Amin'ny iray ora antoandro ny andro tamin'izay. Indro Alexia sy Hery nivoaka ny toeram-pisakafoanana iray. Nafana ny andro tamin’izay ka akanjo ambony fotsy manifinify sy zipo lava mikopakopaka manaraka ny famindrany, ary kiraro misy taditady madinika izay rafetin’izato vodi-tongotra avo mampihenjana ny ranjony sady mapisongadina ny bikany tsy manam-paharoa, no nianjaikan'i Alexia. Hatsaran-tarehy izany. Maro tamin'ireo mpiandry taxi be nahita azy ireo no tsy naharitra fa nanara-maso azy ireo mandra-pidifiny tao anaty fiara izay najanona teo amin'ny kianja MDRM teo Ambohijatovo.
Niresaka kely izy roa:
- "Aleoko izaho no mitondra fa izaho no mahalala ny misy ilay toerana nofinidiko handehanantsika" hoy Alexia tamin'ny feo miangoty.
Nitsiky kely Hery ;
- "Tsy mampaninona mihitsy kah" hoy izy feno fahatokiana an’ity malalany sady niditra tao anaty fiara izy.
- "Tsy mampaninona anao akory fa mba hivoaka kely ny renivohitra isika? efa malalaka koa izao ny lalana ka vetivety isika dia tonga any."
- "Ianao no eo amin’ny familiana ka tsy afaka hiteny intsony aho," hoy Hery.
Nitsikitsiky ery Alexia. Nanaraka iny lalambem-pirenena mizotra mankany Antsirabe iny ry zareo. Afaka telopolo minitra taty aoriana dia nivily tamin'izay toerana mahafinaritra amoron-drano sady tsara rivotra izay ry zareo. Nisy Bungalow maorimaorina tao amin'io toerana io ary dia tsy nisalasala fa nanatona ny reception avy hatrany ry zareo. Gaga Hery nony nahafantatra fa efa nanantena ny fahatongavan'izy ireo ny mpiasa tao amin'ilay hotely. Hay efa nomanin’i Alexia tamin’ny antso an-taroby mialoha ny fahatongavan’izy roa. Efitrano voaravaka voninkazo mahafinaritra sady nisy sakafo efa voaomana no niandry azy roa handaniany ny alatsinainy harivany iray manontolo. Tsy niditra avy hatrany ny efitrano anefa izy roa fa mbola nijoro kely nitazatazana teo an-davarangana, ary finaritra ery nahatsinjo ilay farihy tsy dia lavitra teo nahitàny ankizy maromaro milalao pédalo.
- "Tsara e!" hoy Alexia, sady naka seza fipetrahana azo hatoritoriana izy, dia nasainy nipetraka teo i Hery. "Mbola tsy taty mihitsy ianao e?"
-"Iee, efa fantatro fotsiny ny fisiany, fa izao aho vao nahita maso azy. Marobe ny vahiny na tompon-tany mandalo aty. Merci Alexia," hoy indray Hery sady nisarika azy hiara-mipetraka taminy teo ambonin’ilay seza izy no nitrotro ilay malalany. Nifanoroka mafy izy roa tahaka ny mifandefa hafatra mangina mampiseho ny fisaorana sy mampifamatotra mafimafy kokoa ny fifankatiavany.
Afaka kelikely...noraisin’i Alexia ny finday rehetra dia novonoiny avokoa.
-"Hery a! efa natolotro anao ny tenako ary mbola hatolotro anao ihany koa ny ho aviko iray manontolo. Tiako mihitsy ny handefa any an-damosiko any ny olana mianjady amintsika, ny disadisa hatrizay afitsoky ny ao an-trano, te hiara-dia aminao aho, hitantana ny tananao. Tiako loatra ianao ry Hery a! Tsy mahay mitia hafa aho ankoatra anao,fa ianao irery."
Niondana moramora teo an-tratran’i Hery izy, hay nanganohano ny masony.
- "Tiako dia tiako tokoa ianao Alexia, ary raha ny faniriako aza dia ny hampakatra anao na dia izao anio dia anio izao ihany aza. Kenefa tadidio fa mbola mianatra ianao, ampiako tokoa ianao amin’ny lafiny rehetra hahavitanao izany, tsy handao anao mihitsy aho na oviana na oviana fa aza matahotra. Tsy ahoantsika izay disadisa any fa ny fifankatiavantsika no asandratro ambony."
Nisotro ranom-boankazo teo aloha izy roa, dia avy eo niara-niditra tao an-trano. Nitohy ny safosafo sy orokoroka misantatra sahady ny firaisan’izy roa ho nofo iray.
.................
Efa harivariva mody masoandro vao nihevitra ny hiverina izy roa, rehefa avy nitsidika ity toerana mahafinaritra. Nandeha sambokely nitety an’i Madagasikara tao anatin’ny ora iray monja.
Nahafinaritra aok’izany iny tontolo andro hariva iny. Tsy ho hadinon’izy roa mihitsy akory iny alatsinainy hariva iny; fa hafa tokoa raha ny mpifankatia no mandalo maka rivotra any, indrindra raha mbola tsy tany mihitsy. Toa nisava tanteraka ny sorisory sy ny alahelon’i Hery rehetra navesatra taminy hatrizay. Tahaka ny hoe: adinony tany amin’ilay toerana mahafinaritra tany ny olana mianjady taminy nandritra ny taona iray sy tapany mahery, ka maivamaivana ery izy mitondra ny fiara nody, sady akaikin’olon-tiana rahateo.
Fa Malala kosa tany an-tranony mieritreritra lalina izay hataony. Tsy azony mihitsy ny ainy fa mararirary avokoa ny vatany. Tsy sahy nilaza tamin-dRatrema izay nitranga taminy izy, fa ny tetika hamaliana faty no nameno ny fony. Te hiantso dokotera nefa tsy sahy fa sao.........
Nantsoiny indray ny findain’i Hery, tsy nahazo mihitsy mandra-paharivan’ny andro.
Efa maizimaizina vao tonga tao an-drenivohitra izy roa. Nifanena tamin’izy ireo ny fitohanan’ny fifamoivozana mandalo an’Andoharanofotsy, Tanjombato, Akandimbahoaka iny; ny lalan’izy roa kosa, misosa satria ny rehetra andeha hody mivoaka ny tanàna, izy roa miverina hiditra ny renivohitra. Teny an-dalana dia nandeha ny resaka ny amin’ity Alexia tsy maintsy mody aloha any an-trano ity; indrindra moa fa tsy afaka matory any amin’i Hery mihitsy. Taorian’ilay nidiran’i Malala tany amin’ny hopitaly sy nahafatesan-dramatoa Ramihary dia niova be ny fiainan-dRatrema mianakavy. Niha-entitra izy amin’ireto zanany.
Raha ny tena tian’i Alexia dia ny hanatitra an’i Hery aloha vao mody, nefa ity andro efa miha-maizina ka tsy maintsy ny any aminy aloha no novonjena, avy eo i Hery mandray fiarakaretsaka mody.
Nampidirina ny tokontany ny fiara dia niara-niditra ny trano izy roa, faly ery sady mifampitantana aok’izany.
- "Mandrosoa aloha dia mipetrapetraha; misy zavatra tiako homena anao fa any ambony ilay izy," hoy Alexia.
-"An, aann annnnn! tena efa maizina ny andro fa tsy aleo aho aloha handeha!"
Tsy nohenoin’i Alex akory Hery fa tonga izy dia niakatra. Kanjo, iny Malala nijaikojaiko moramora avy any ambony, hay raha nahare ny fiara niditra sy nahita an’i Hery nitantana an’i Alexia teo izy dia nitsangana avy hatrany naka ity zavatra kely mifono efa nomaniny homena ity vinantony no sady olon-tiany rahateo.
Nitsikitsiky fotsiny Alexia nahita an-dreniny sady mampidoladola ny lohany. Nandrasany tsara Alexia ho tafiditra tany an’efitranony dia natolony an’i Hery ilay zavatra mifono.
- "Inona indray ity," hoy i Hery tamin’i Malala.
- "Shhhhut! sady nataon’i Malala teo amin’ny molony ny fanondrony."
| « | Jiona 2009 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | ||||