- “Alexia, allo?”
- “Hay i Hery? vao saika hiantso anao mihitsy aho fa niantso ahy koa i Mama teo? fa misy inona hono?”
- “Asa tsy fantatro koa... any izany mifankahita e! bye”
Fa inona indray aza ny loza mety holazain-drabofy eo e! Ohatry ny misy loza mitatao izany teo ambony lohako!! Inona ary ity, ary sao i Ratrema no marary? sa ny zazakely? Ity vao ho loza ho'aho raha ny zazakely. Dia vitako ny tsy nijery ny zanako efa ho iray volana sy tapany??? Tena tsy vanona leitsy ialahy ity ry Hery, hoy aho niteny an’eritreritra.
- “Tonga ianao Ramose a! hoy ilay Saofera, 25.000 izany!”
- “Oay, tonga sahady ve? Ity ary ny volanao e!”
- “Veloma Ramose be a!”
Vao nivoaka ny fiarakaretsaka aho dia nihazakazaka niditra, tsy nisy olona tao ambany fa reko izy mianaka tao ambony no miresaka sady henoko mitomany i Malala. Nony niditra aho dia hitako nitanondrika i Alexia... i Malala kosa mitomany mafy…
- “Fa misy inona? Aiza ny zazakely?”
- “Nalefako niaraka amin'ny rahavaviko any izy fa niangaviako ry zareo androany fa mila fotoana hiresahana aminareo aho... Alexia a, tsy manan’aina hamerenana ilay resaka intsony aho anaka fa mba lazao azy…”
- “Tsia ry Mama a! mba raiso ny andraikitrao amin'ity indray mitoraka ity, fa tsy misy idirako izany resaka izany.”
- “Fa inona e?” hoy aho somary niaka-peo kely.
- “Bevohoka indray aho!” hoy Malala sady niverina nitomany izy.
Na varatra aza mety mbola maivana raha nitontona teo ambony lohako,
- “Inona indray? bevohoka a? fa ianao ve ry Malala tsy mitandrina mihitsy a! Ary iza no rainy?”
- “Mba fanontaniana adala anie ny anao izany ry Hery e?” hoy i Alexia nitsangana…
– “Fa iza indray raha tsy ianao? tamin'ilay ianareo tratran'i Papa iny?”
- “Tssss! tena leo be aho e!!!!Lleo problème aho!” hoy aho sady nitomany mafy indray aho aloha, nanala izay tao am-poko navesatra tao!!! Tena tezitra sy nalahelo aho, sady nanenina tanteraka amin’ ity tantara ity... “An, an, an, Malala a, dia inona no hevitrao?”
- “Tsy hitazona an'ity aho” hoy Malala, “aiza ve ka vao oviana aho no vao teraka dia bevohoka indray? Efa firy taona aho izao? An, an an, manimba ny bikako izany...”
Gaga aho fa tsy mba ny olona no tsaroan'i Malala, na ny zaza tezainy izay hanan-jandry sahady, na i Ratrema rehefa tsy hahatsiaro an'i Alexia ihany izy, fa ny tenany... Teo aho vao tena nahita ny toetran'ity ramatoa ity... Tia tena tsy misy ohatr'izany!
- “Izay ataonao ataonao ho'aho” hoy aho nitsangana nandray ny serviette-ko indray. Ny fantatro dia izao, tsy te hiaraka aminao intsony aho fa leo. Lasa aho, antsoiko ianao ry Alexia rahariva a…”
Raha iny handeha hivoaka iny anefa aho no hitako tampoka ny lohaben-dRatrema, amin'ilay masony mivandravandra iny!!!
- “He! miverina ianao, miverina ho'aho... Reko daholo ny resaka rehetra teo fa etsy miverina... Mitady hiala moramora? Dray dray dray....”
Vao naheno ny feon-dRatrema indray Malala dia lavo tamin'ny tany... nifandrombaka nikosoka azy indray aloha izahay rehetra fa adino teo ny ady... Izaho nikosoka ny tongony fa tsy navelan-dRatrema nikasika ny vatany sy ny tarehany mihitsy... Minitra kely vitsy avy eo, nihiratra ny mason'i Malala...
- “Fa nisy inona?“ hoy izy mbola jembijemby...
- “Bevohoka ianao, ary i Hery ny rain-janakao!” hoy i Ratrema nitrerona azy... Izay ny vokatry ny hadalana nihoampampana...
- “Ratrema a! Mamela ahy e!!! Efa nifona taminao anie aho e!!”
- “Efa noraisiko ny fifonanao tamin'iny ry Malala, ka ahoana ny hevitrao ny amin'io zaza io?”
- “Tsy hitazona an'io aho Ratrema a... ampio aho e!!!”
- “Tsy manaiky an'izany aho, hoy Ratrema, famonoana olona izany! Tazomy ny zaza dia izay! Tsy maninona fa zanahako indray!” hoy izy sady lasa izy nirintona nivoaka...
- “Indray ahoana?” hoy aho nijery azy mianaka... F'angaha fantany hoe tsy zanany i Toky? sa nolazainao azy ry Malala?” sady nanopy maso tany amin’i Alexia ihany aho.
- “An, an, an, inona moa no idirako amin'izany? Efa miteny anao aho fa tsy izaho mihitsy no hamono ny raiko!”
Niara-nijery an'i Malala izahay, izy amin’io niolanolana ohatry ny olona very saina... Hay vehivavy tena malemy mihitsy izy ity... Tsara tarehy fotsiny fa ny ambiny dia tsy misy itovizana amin-janany vavy mihitsy... I Alexia indray dia tsy misy hafa amin'ny rainy anefa na toetra ity na fihetsika...
- “Dia ahoana ry Alexia? hoy aho nijery azy? ”
- “Ka inona izany moa? dia mazava ny resaka... Aterany ny zanakareo dia mitohy ny tantara e! Ny ahy ny fantatro dia vita hatreo ny aminareo roa, ahy indray ianao izao, ahy tanteraka, manontolo! Raha mahita zavatra hafahafa aho, dia ho hitanao ry Hery fa ho rava koa ny aminao, fa ataoko ren'izao tontolo izao ity tantaranao ity ary ho rava ny asanao. Ho faty am-pitsanganana ny reninao, d’efa miteny aho izay.”
- “Manome toky anao aho fa tsy hivadika aminao intsony...” hoy aho namaly azy.
- “Aleo aloha isika hisaraka fa mbola hiverina hianatra aho androany après-midi... Rahariva isika miara-misakafo?”
- “Tsy aleonareo ato an-trano no mihinana miaraka aminay?” hoy i Malala nitsatsaingoka rehefa nahazoazo aina.
- “An, an, an, ry Mama a! mba haka fotoana ho anay amin'izay izahay! Vita hatreo ny aminao fa ny lamban-jaza atao vonona!”
Dia nanao veloma an'i Malala aho, ny masony nanganohano ity mbola mijery ahy am-pihantana ihany... Saika vaky indray ny foko, ary saika tafapetraka teo aminy indray aho; fa ny tanan'i Alexia no nisavika ny sandriko hivoaka...
Tapa-kevitra izahay sy Alexia fa hivoaka kely an'i Tanà no hisakafo fa tena nanempotra be ny rivotra iainana tao an-drenivohitra. Nony tao anaty fiara aho dia nofihininy mafy sady norohany. MMMhhh! toa niverina tao an-tsaiko ny fotoana nahalalako azy voalohany; izy mbola nanao tablier manga mpianatry ny Lycée... Vao 15 taona izy tamin’izay ary izaho 23 taona teo... Mbola saro-kenatra ery izy sady tena mbola zaza be. Ilay namako niara-niasa tamiko no nahafantatra azy talohako, ary nifanena taminay roalahy izy tamin'izay, ka hatramin'ny nahitako ny tsikiny malefaka sy ny fijeriny mambabo fo izay, dia tsy te-hisaraka aminy intsony aho. Afaka bacc tamin'ny faha-enina-ambinifolon'ny taonany izy. Faly be Ratrema tamin'izay, ary ilay korana narahim-pandihizana nokarakarainy no fotoana voalohany nidirako tao amin-drizareo. Olona manna-katao ry zareo raha ny tena marina. Manana orinasa lehibe iray eto an-drenivohitra i Ratrema rainy. Vao nahita ahy voalohany ingahy Ratrema tamin'io alim-pandihizana io dia nanafatrafatra ahy mafy ny amin'ny zanany vavy, izay mbola tsy ampy taona. Tsy dia niditra loatra tao an-tsainay anefa ny hanatra nataony fa iny alina iny ihany dia natolotr’i Alexia ho ahy ny tenany... Tena nifankatia be izahay tamin'izany ary nivoady taminy aho fa tsy hisaraka aminy, na oviana na oviana fa ahy izy ary izaho ho azy. Mbola io voady nataoko io angamba no tanany mafy ao ampony ao, fa raha ny hadalana vitako dia efa tsy tokony ho tia ahy intsony mihitsy izy...
- “Toa lasam-borona be i Hery izany?” hoy izy nanapaka ny eritreritro.
- “Variana amin’ny toetranao aho ry Alexia. Tena vehivavy mahate-ho tia tokoa ianao ity... Tena adala aho...”
- “Aza miteny izany ianao ry Hery fa tsy anjely ange aho e! Mbola be ny zavatra tsy fantatro eto an-tany sady mbola tanora koa aho. Mbola tsy hay izay mety any aoriana, ka izany no andeferako sy tsy hitadiavako olana. Izany no nampianarin'i Papa ahy hatramin'ny mbola kely.”
Niverina tampoka tato an-tsaiko ilay tantara nolazain'i Malala ahy momba an-dRatrema sy Alexia...
- “Tena nifanakaiky fo tokoa angaha ianareo mianaka tamin'ny fahazazanao?”
- “Oooh! ny fahazazako angamba no tsara indrindra ry Hery! Papa no tena nikarakara ahy tamin'izaho mbola kely fa i Mama hitanao ihany izy iny. Tadidiko fa tamin'izaho mbola kely dia kely dia i Papa no mpanatitra ahy mianatra ary rehefa maraina dia izy no mampiditra ny akanjoko. Efa valo taona nanomboka nahalala menatra aho, vao tsy nokitihiny intsony. Isaky ny tsy mianatra aho, dia entiny mandehandeha foana fa i Mama manao shopping miaraka amin'ny namany. Ary matetika aho no entiny mankany am-piasany dia miandry azy eo ambony biraony eo rehefa mivory izy.”
- “Izay ianao vao tena nitantara tamiko ny fiainanao...”
- “Mbola be ny tsy fantatrao amin'ny fiainako ry Hery fa tohizako rehefa malalaka iny isika...”
- “Tantarao dieny izao e!”
- “An, an, an... tsy aleo indray amin'ny manaraka? Te-hiresaka aminao ny ho avintsika indray aho... Oh! tonga isika, tianao ve ato? Tsara foana ny menu ato fa brochettes rehefa hariva...”
- “Fa ahoana no nahalalanao ity restaurant aty an-dakira be ity?”
- “Tamin'izahay avy any Majunga izay, dia nandalo teto nony nody ka nivily tato izahay nisakafo fa hoy i Mama hoe tsy hanam-potoana hanao sakafo intsony izy any antrano fa reraka...”
- “ Tsara aloha ilay cadre an, sady ny vue panoramique be... Tazana ny faravodilanitry ny rovan'ny Manjakamiadana avy ety. Saron-javona izany Antananarivo, sa vovoka ireny na setroka tsy fantatro...”
Narahiko avy ao aoriana i Alexia, nampandroso anay ilay tovovavy serveuse, dia nanome anay toerana mahatazana ny any ivelany.
- “Tianao eto?” hoy aho taminy.
- “Tena tiako!” hoy izy nijery ahy, “ianao no mi-commande ka izay tianao no tiako” hoy izy nihantahanta tamiko.
Nosafoiko ny takolany sady nataoko nijanona kely teo amin'ny molony ny ratsan-tanako, nahazo oroka kely aho...
- “Hery a! ahoana ilay resaka” hoy izy namerina ahy tamin’ ny zava-misy iainanay...
- “Inona no tianao?” hoy aho tsy nanana hevitra( tena tsy nisy inoninona mihitsy tao antsaiko ny momba izay ho avy... Tena tsy misy saina aho ve sa entim-bavy? sa tahotra no mahazo ahy? Sa malaina hifamatotra? Tsy fantatro hoe inona no tokony holazaina amin'izany fanontaniany izany. Matahotra aho sao manafintohina azy izay mety ho hevitro. Te hanambady an’i Alexia aho, kanefa hisy zanako roa izany hiara-miaina aminay... Dia ahoana koa ny hahita ny endrik’i Ratrema isan'andro eo? Raha tsy hoe hifindra trano izahay? Dia ireto hoe zanako ataoko ahoana? Tsy handray anjara amin’izay hahalehibe azy aho ve? Fantatro izao i Ratrema fa tsara saina sy mahay mitaiza arak'izay notantarain'i Alexia teo, fa raha zana-drafilahy ve mety ho tiany ihany?
- “Ny tiako? raha mety ianao dia hatao amin'ny faha-sivy ambin’ny folotaonako ny fifamofoantsika, izany hoe afaka iray volana. Mety ve ianao?”
- “Mety ka! Mety mihitsy” hoy aho mody tsy naka sarotra ... Ny saiko anefa amin'io mbola tototr'ireo fanontaniana maro be mifamadibadika tao an-dohako.
- “Faly be aho izany!” hoy izy nanoroka ahy...
- “Bon appétit ary ny malalako e!” hoy izy sady narahiny tsiky. Tsy hitako akory ny nanateran'ilay tovovavy ny sakafo teo aminay. Tena tsy teo mihitsy ve aho izany tamin’iny? Tsara be ireo brochette de fruit de mer nohaninay. tsy naka dessert aho fa i Alexia no naka glace... Café no tiako, kanefa matahotra ny tsy hatory aho rahalina amin’ity adin-tsaiko ity, ka naleoko mandefitra ny café aloha... Infusion no nalaiko... Nony niverina nitodi-doha nody izahay ka namerina ilay resaka i Alexia vao tonga saina aho... Afaka iray volana? dia ahoana? Tsy maintsy hiseho izany ry Mama ho any amin-drizareo, ary tsy maintsy alohan'ity fifamofoana ity. Vola daholo izany. Izaho anefa na dia efa ho telo taona aza izay no niasa, tsy dia betsaka akory izay tahiriko! Ry Mama sahirana ary tsy te hanome fahasahiranana azy aho... Inona no hevitra? efa hatao izany izy ity dia tsy maintsy hatao hatramin'ny farany, fa lehilahy ny tena ka tsy hiamboho adidy! Raha mba teo mantsy i Dada... Naterin'i Alexia hatrany an-trano aho ary rehefa avy nanoroka ahy izy dia namelona ny fiarany hanainga no nilazako hoe:
- “Alexia, tsy aleonao mijanona?”
- “An, an, an, sao dia mahasosotra an'i Mamanareo ” hoy izy.
- “Koa efa ho vadiko ihany ianao afaka herinandro vitsivitsy... Andao moa e!” hoy aho niangotingoty.
- “Ao ary ny fiara mba ampidirinao ao an-tokontany fa tsy haiko,” hoy izy.
Dia niditra tao antrano izahay... Tsy nisy olona tao fa nisy taratasy napetrak'i Mama teo ambony latabatra fisakafoanana nilaza hoe: “Lasa any ambanivohitra aho, ka afaka roa andro vao miverina. Hendre tsara! Mama tia anao!
- “Malalaka izany ny trano ry Alexia fa lasa i Mama. Aza menamenatra intsony fa andao hiakatra? Io ny salle de bain raha handro ianao, izaho handeha hanome sakafo ny alika aloha, fa tsy nihinana izany ilery raha azoko tsara...”
- “Tsy aleo miaraka manome sakafo ny alika dia miara-mandro?” hoy izy namaly ahy.
- “Hevitra tsara izany!!! toa hitako eto sahady...”
Tena nahafinaritra ahy mihitsy iny alina iny fa adinoko daholo ny sorisoriko rehetra! Toy ny izahay roa irery sisa no teto an-tany... Raha marina tokoa mantsy izany? Tsy nisy i Malala. Tsy nisy koa ny akoatrany? Manonofy aho ve? Sao tsy nisy aza izany rehetra izany? Indrisy fa tsy nanonofy aho, fa tena izay no zavatra iainanay amin'izao fotoana izao. Asa izay nahazo ahy teo fa lasalasa tampoka indray ny vavako nanontany an’i Alexia hoe:
- “Ary ianao sy ny Papanao toa akaiky be mihitsy?”
- “Izaho ange ry Hery tsy manana olona afa-tsy i Papa intsony ê" hoy izy namaly ahy, sady nanganohano ny masony.
- “Fa i Mala..., fa i Mamanao kah?”
- “Raha mba fantatrao mantsy...” Nangina kely aloha izy, izay vao nanohy ny teniny.
- “ Noraisiko tahaka ny reniko tokoa izy, kanefa ny zavatra niseho taminareo no nampatsiahy ahy fa tsy izany velively izy.”
Menamenatra sady sadaikatra fotsiny aho mihaino ny zavatra nolazain'i Alexia.
- “Alexia â! mamelà ahy ianao fa diso tokoa aho.”
- “Tsy manome tsiny anareo ihany aho satria ianao moa ry Hery tovolahy tsara endrika sy bikana, ka tsy mahagaga raha revo taminao i Malala... Izy koa moa vehivavy tsara tarehy, ianao indray ve no hatoro izany?”
- “Na izany aza, reninao anie i Malala ê ”
- “Tsy reniko niteraka ahy i Malala ry Hery.”
- “Ah...aho...ahoana tsara hoe e?”
Nangina sy toa lasa saina nandritry ny segondra maro i Alexia vao namaly.
- “...Maty tanora ny reniko, vao herintaona monja hono aho dia nandao anay i Mama. Fantatrao ihany moa ny lehilahy fa vao afa-tsaona i Papa dia nifankahita tamin'i Malala dia naka vady azy. Tsy nisy olana mihitsy teo aminay, satria voakarakarany sy notolorany fitiavana tokoa aho. Izaho moa, noho izany, nandray azy toy ny reniko tamin'ny fo madio.”
Nikoriana teo an-takolan'i Alexia indray ny ranomasony, sady nisefosefo izy no nanohy:
- “Dia izany ry Hery, olona noraisiko ohatran'ny reniko no namadika ahy...”
Tsy hitako intsony izay nasiako ny tenako, mahita ny fahorian'ity olon-tiako. Tena mijaly ao am-pony ao hay izy ity noho ny nataoko, fa miezaka ny manafina izany fotsiny amin’ny fitsikiny sy ny fihetsika toa tsy dia sarotiny loatra hitako avy ety ivelany. Amin'ny lafiny iray anefa, ny fahalalako hoe tsy mpianaka i Malala sy Alex, dia mba nanamaivana kely ny hamohamoko.
- “Fa inona no eritreretinao ry Hery?” hoy izy ohatran’ny nanaitra ahy.
- “Manenjika ahy ny ratsy vitako taminao. Lazao ahy izay tokony hataoko mba hamelanao ahy.”
- “Tsotra ny valin'izany eh! Alaivo ho vadinao aho!”
- “Aza manahy ianao ry Alex fa ho tanterahiko ny fanirianao... Hidinika amin'i Mama aho rehefa tonga izy, dia alamintsika ny resaka. Ary andao aloha hatory fa mbola hiasa aho rahampitso...”
- “Sabotsy anie rahampitso ry Hery e!”
- “Hay moa? marina raha haiko intsony! Tena very mihitsy anie ny saiko tamin'iny omaly iny fa tsy hainao e ”
- “Oh! tsapako dia tsapako tokoa izany rahavako, kanefa atao ahoana moa? Ny hangatahako aminao fotsiny dia aoka izay zavatra nitranga rehetra hijanona ho antsika ihany. Tsy tokony hisy hahalala izay tantara rehetra izay ny havanao, na ny reninao aza... Ekena fa zafikeliny izany i Toky, raha ny marina, nefa tsy tsara ho fantany izany vis à vis an'i Papa... Azonao ve?”
- “Azoko tsara mihitsy ry Alexia a...”
Dia nilamina indray aloha ny tamin'iny. Rehefa avy niresaka tamin'i Mama aho, dia faly ery izy nandre ny fanapahan-kevitro hoe hanambady amin'izay. Efa may ery Rafotsy ny hanan-jafikely. Efa tapaka izany fa amin'ny sabotsy faran'ny volana izao no hatao ny fisehoana ary efa nanaiky Ratrema. Dia nifankahita foana izahay sy Alexia isan'andro fa naleonay nifankahita tany antoeran-kafa. Naleonay nihataka an'i Malala aloha, izay nitaraina tsy salamalama foana tao ho ao. I Ratrema no matetika mijanona ao an-trano mikarakara azy sy ny zazakely.
Andro vitsy tato aoriana anefa dia tonga niandry ahy tao am-piasana ingahy lehibe, efa nampoiziko ihany aloha satria i Alexia efa niteny tamiko fa te hifampidinika amiko alohan'ny raharaha ny rainy ka dia niandry ny antsony aho kanefa tsy nisy...
- “Manao ahoana Rahery?” hoy izy nitsikitsiky..
- “Manao ahoana Papa! Salama?”
- “Metimety ihany aho fa i Malala no tena mandreraka be mihitsy. Manao malaise be foana izy ka tena mazana ny mikarakara azy...”
- “Sao misy azoko atao ry Papa? Asa! sao tsy tianao anefa?”
- “Tena mila anao mihitsy aho ry Hery amin'izao fotoana izao, kanefa noho i Alexia tsy manaiky intsony ny hifankahitanareo sy Malala, dia manahirana ahy ny hakangataka ny fanampinao.”
- “Marina izany ry Papa, nefa tsy afenina anao fa miady koa ange ny lohako e... Manana responsabilité koa aho eo anatrehanareo sy Malala, indrindra moa ny zazakely, kanefa dia tsy hitako izay atao... Je tiens beaucoup à Alexia aussi...”
- “Izao angamba no mety ry Hery a! Mba mandalova any an-trano ianao mijery azy rehefa atoandro avy miasa iny, eo aho manko amin'iny ka na eo aza i Alexia mety tsy hampaninona azy loatra ny fihaonanareo...”
- “Toa mety tokoa izany hevitrao izany... Aleo aza manomboka rahampitso e! fa misy zavatra tiako holazaina aminao izay koa...”
- “Momba ny inona? Momba ahy ve?”
- “Ie, hay ve zanakao manokana i Alexia fa tsy hitambaranao amin'i Malala e!”
- “Tantara mbola lava ny amin'izany ry Hery...”
- “Efa notantarain'i Alexia ahy daholo ka...”
Nisento lalina i Ratrema sady nandeha namoaka ny pipany izy... Iny foana ny azy no paoziny rehefa miasa iny ny sainy...
- “Ny marina rehetra leitsy ry Hery mbola tsy fantatry Alexia a!...”
- “Ny marina? Fa inona indray ny marina? Mbola diso indray ve ireny reko ireny?” hoy aho toa niteny irery, toa namerin-desona...
- “Izao no tena marina...” hoy Ratrema sady namoaka setroka ny vavany... Roapolo taona lasa izay, nanambady an'izay vehivavy faran'izay tsara tarehy izay aho... Tena tiako be izy io ary tsy nahatanty niandry ela aho, fa iray volana taorian'ny nifankahitanay fotsiny dia notereko ny ray aman-dreniko hamita ny raharahanay... Tsy tena fantatro loatra anefa izay momba an’i Vololona, izay moa no anarany... Vita ny raharahanay ary gaga aho fa roa volana tao aoriana dia bevohoka be izy...
Nanontaniako izy hoe ahoana ny anton'izao, dia tsy nafeniny ahy fa tsy zanako io zaza nentiny io. Ny rainy hoy izy dia maty voatifitra tamin'ireny raharaha 1985 ireny, maty voan'ny balles perdues tamin'ireny raharaha Kung Fu ireny ary tsy hita faty hatramin’izao... Efa saika nolazainy ahy ihany ny marina fony izy niahotra ny hanambady ahy, fa izaho no maika ka dia nanaiky ihany izy. Vao avy traumatisée be koa izy tamin'ilay tantarany ka nitsetra azy aho ary nianiana taminy fa ho raisiko ny zanany ho toy ny ahy. Nananosarotra be anefa ny fiterahany ka tsy voavonjy izy fa izay hahavelona ny zaza no natao dia izay... Tonga i Alexia... Nanana rahavavy nitovy aminy izay i Vololona, mbola zandriny be dia be, nefa dia lava sy tsara tarehy koa... Nanampy ahy be izy tamin'ny fikarakarana ny zazakely ka lasa nifankatia izahay. Azon’ise an-tsaina avy hatrany angamba fa tsy iza io olona io fa i Malala ...”
- “Hay izay izany no antony nilazanao indray mandeha iry hoe hozanahanao indray? Azafady aloha fa mamoha fota-mandry...”
- “Ie... ny mahafaly sy mampionona ahy izao sisa,” hoy Ratrema namono ny pipany, “dia i Toky izay hany zanako... Io izany no mba tena ahy, ary hanadinoiko ny tsy nety rehetra natao'i Malala ahy... Mbola kely tokoa izy iny no novadiako, hany ka tsy nanakana azy aho tamin'izay sitra-pony rehetra...”
Ankona aho... Raha hain-dRatrema indray manko fa tsy zanany anie i Toky, dia asa indray izay hitranga... Izay aho vao tena ho faty!
- “Tiako ho fantatrao ny marina, alohan'ny raharahanareo satria expériences efa hitako izany nanambady olona tsy fantatro tsara akory izany, ka dia renao izy izay... Tsy nisy tsinin'i Alexia akory izany rehetra izany...”
- “Fa naninona anefa no tsy nampahalalaina azy izany rehetra izany?”
- “Tsy tantiko ny hahita azy mety hanosiboho-tanana ahy hoe tsy rainy akory aho… Hitanao ny fitiavany ahy, sarotra amiko ny hilaza ny marina... Mety haratra ny fony, tsy haiko... Raha sitrakao, aza lazaina azy aloha izany amin'izao, fa aleo ho vita ny raharahanareo...”
- “Eny ary raha izay no tianao... Rahampitso antoandro izany?”
- “Mampamangy amin'ny reninao ao...”
- “Veloma!”
Vao niditra ny trano aho, dia indro i Mama nitsena ahy, sady nampiseho ilay akanjo vao novidiany anikeheo kasainy hoentina amin’ny fisehoana…
- “Hery a! Jereo, jereo! Tsara ve ity?”
- “Oadray ry Mama! Taiza iny no hitanao? Tena tsy ratsy mihitsy ny lokony, etsy hoe ilay lamba kasihako? Dray!”
- “Somary lafolafo kely aloha izy ity anaka, kanefa tena nikipy aho fa ny tsy fananana ve anaka no haseho any an-tranon’olona any? Toa mahitahita be mihitsy hono ity rafozanao?”
- “Ry zareo aloha ry Mama manana izay tsy izy, fa tsotra be ilay Ratrema,” izany no anarany manko...
- “Hay Ratrema? Ary nanao ahoana ihany ilay vadiny lazainao hoe tsy salamalama izay?”
- “Dia tsy haiko loatra ry Mama ka!” Hoy aho somary niala kely ilay resaka, kanefa tsy te hampiseho be koa hoe tena miala bala, dia mody notohizako ilay resaka...
- “Ohatry ny hoe bevohoka ange izy iny ry Mama fa tsy haiko loatra e!”
- “Hay? Fa firy taona ilay ramatoa ry Hery, mbola tanora angaha ry zareo?”
- “I Ratrema aloha efa zokinjokiny ihany fa ny vadiny vao efapolo taona latsaka… 38 ans angamba? Ny olana dia vao haingana izy no teraka, vaovalo volana izay ilay zanany farany, ka izany no tena mandreraka azy...”
- “Fa naninona hono no izao ry zareo vao miteraka kanefa i Alexia efa ho roapolo taona?”
- “Asa re tsy fantatro izany ry Mama” hoy aho…
- “Ary inona no kiraronao? Ahoana koa, ry Dadabe ve afaka hiakatra amin’io andro io?”
- “Tsy maintsy hiakatra ry zareo e! Fa nahoana izy no tsy ho avy? Iza no hiteny eo aminao? Andro lehibe ange izany ry Hery fa ianao no hany zafikeliny e!!!”
- “Ary ahoana ry Mama ny ambiny rehetra? Ny raharaha sy ny sisa?”
Nisento kely i Rabofy dia naka seza indray aloha rehefa avy nizitizity kely teo anoloako miaraka amin’ity akanjo tsara tarehy…
- “Hery a! Io izao no olana kely... Hitanao ihany fa ny tahiriko tena kely, ny eritreritro izao dia esorina ilay mpanofatranontsika ery Ambohi... dia amidy ilay trano eny...”
- “An, an, an ry mama a! Dia hivarotra lova amin’izay mariazy ve?”
- “Ka ny voninahitry ny fianakaviana ange no arovana ry Hery e! Sa ahoana ny eritreritrao amin’izany? Ny lehilahy anie no miantoka ny mariazy e! Na eo aza ve ny volan-dRatrema, tano ny maha-lehilahy anao anaka, fa ny ao aoriana anie no tsy ho tanty e!”
- “Marina izany teninao izany ry Mama fa efa am-potony kely ange ity raharaha, ka ahoana koa no hanalanao mpanofa amin’izao intsony? Mampalahelo ry zareo raha tairinao eo... Aleo aho hitady hevitra hafa ka...”
- “Asanao anaka!!! Andeha aloha hisakafo fa efa refona koa angamba ianao io… Ny alina hono mitondra fisainana ry Hery ka aleo rahampitso izany tohizana? Andao ho any andakozia e!”
Dia nivadibadika fotsiny ny lohako ny alina fa tsy nahita tory mihitsy aho... Izay aho vao tsaroako nandainga be tamin’i Mama... Tsy sahiko ny nivaky taminy ny marina rehetra... sady menatra azy aho no mahina koa, sao ho fantany ny marina... Ahoana moa no ahalalany raha tsy misy hiteny aminy? Tsy izaho mihitsy aloha e! Na ny iray aminay rehetra...
Ity resa-bola ity koa tena nandevy ny ati-dohako mihitsy. Aiza no hahitako vola? Efa azoko an-tsaina ny mariazy be kasain-dRatrema ho atao, zanany vavitokany iny sady reharehany erak’izay alehany rehetra... Tsy azoko atao intsony ny mi-défile amin’ity, fa ny voninahitro no voatohitohina... Inona anefa no hevitra?
Vao maraina dia reko mivovo ny alika... Iza ary izany? Injao feon’olona midobodoboka no reko mandondona koa... Fa iza ary izany?
- “Haody Ramanga a! Izahay ihany e!”
- “Iza izao?” hoy aho taitra be! Notazaniko avy ety am-baravarankely ka tsinjoko ny satrok’i Dadabe ao ambadiky ny tamboho...
- “Ho avy e!!!”
- “Hay i Bebe sy Dadabe? Mandrosoa e!”
- “Efa ela leitsy izy izany marina!! He ity haben’ialahy? Dia efa hanambady ve leitsy ialahy vao hita indray...”
Menamenatra aho fa marina ity nolazain’i Dadabe. Efa ela tokoa aho no tsy namangy an-drizareo intsony... Impiry moa i Alex, isaky ny mahazo fiara no tiako hoentina any, fa varimbariana eny foana. Sady tato ho ato koa aho tena fanina tanteraka, ka tsy nahatsiaro izay havako intsony mihitsy...
- “Fa inona leitsy ity mahavariana a!! ”
- “Ah! Tsy izany fa efa ela marina no tsy nihaona e!!! Etsy horaisiko ny entanareo aloha ary manaraha an’i Mama…; manao ahoana ry Bebe a!”
- “Salama tsara ka! Izao mbola mandehandeha tonga mijery an’ialahy izao!!!”
Nanao café ho anay rehetra i Mama ary izaho nanararaotra nisolo akanjo sy nisasa fa mbola ndeha hiasa.
Nafana ny resaka tao an-trano ary ny tena anton-dresaka dia izaho. Somebiseby ery ry zareo ary reko hoe hifamory miaraka amin’ny fianakavian-draiko rahariva.
- “Izay tapakareo eo dia tapako” hoy aho “fa tara aho, rahariva izany e!!!”
- “Mazotoa anaka,” hoy izy telo mianaka niara-niredona...
Teny an-dalana aho dia nanenjika ahy indray ny eritreritro... Dia ankiniko amin-drizareo indray ny fakana fanapahan-kevitra izany? Fa ialahy ity ve ry Hery tena tsy misy hazon-damosina mihitsy a!! Na i Alexia no manapaka ny fiainan’ialahy, na i Mama... Tsy ataoko imason’olona aza anefa fa zarako aza aho tsy manapaka... Ratsy fitontona koa ity raharaha ity angamba, fa ao anatin’ilay izaho be olana koa no atao, ka tsy any mihitsy ilay izaho... Eo koa ilay vitan-dratsy mitohy foana... Ny mba faniriako anefa taloha, izany mariaziko izany, dia izaho irery no hanapaka izay tiako ary ny vadiko dia hampiadaniko fotsiny. Izao toa izaho indray no tena taritin’izy rehetra... Te hitroatra aho fa tsy afaka, te hanao aho fa tsy manana hatokona... Ny ao am-piasana koa tena be asa be mihitsy, ary ny ahy ny asa tsy ampifangaroiko amin’ny any ivelany mihitsy... Gaga ihany aloha ilay bandy namako mahita ahy toa miasa saina kanefa tsy lazaiko azy mihitsy ny olana nianjady tamiko…
- “Reko leitsy fa hivady hono ianareo mitsam? Ela leitsy izay!! ”
- “Fa iza no nilaza izany tamin’ialahy?”
- “Nifanena tamiko i Alexia omaly tao amin’ny librairie, dia izy no niteny tamiko. Izany ve leitsy dia tsy nolazain’ialahy ahy... sa tsy tian’ialahy hasaina hanatrika aho?”
- “Ialahy ve adala e! Ialahy no nahalalako an’iny sipa iny ka tsy ho antsoiko ialahy rehefa raikitra? Tsy izany leitsy fa tena mahafanina ilay manao raharaha a... Hitan’ialahy ary tsy hafenina an’ialahy ny any ankilany...”
- “Fa inona moa no mahaory an’ialahy ry Hery? Tsy tsara vintana be ve ialahy? Re laza hatraiza hatraiza leitsy ny hatsaram-panahin-dRatrema? Ny hatsaran-tarehin-janany, ny mety ho fiainan’ialahy isany... Ary angaha moa ialahy kely karama? Efa chef de service ange ialahy e! Na ialahy irery aza ve leitsy tsy hahavelona an’i Alexia lavitra nohon’ny rainy?”
- “Aoka leitsy a! Ny tahiriko ange eo ihany fa raha apoaka, tsy ampy hanaovana ilay raharaha akory e!!! Vaka ny lohako!”
- “Odray, raha misy anampiana leitsy eto aho ry Hery a!”
- “Misaotra leitsy fa namana tokoa ialahy a!!!”
- “Ny amin’ny faire-part, aza misalasala fa ny vadiko hain’ialahy ihany fa miasa amina librairie sy papeterie, ary ilay patron-ny manana imprimerie ka hanaovany prix ialahy raha ao aminy... Na raha sitrak’ialahy, dia io no fandraisako anjara amin’ialahy isany e! Efa naman’ny rahalahiko ange leitsy no nitondrako an’ialahy e!”
- “Sao mahasosotra leitsy izany fa ieraho aloha ny madaman’ialahy a!”
- “Omeko valiny ialahy anio atoandro! Hiasa aho aloha!”
Nony tamin’ny roa ambin’ny folo dia lasa indray aloha aho nihazakazaka tany amin-dRatrema, araka ilay resakay ny omalin’iny.
Hatsatra dia hatsatra i Malala sady niha-nahia izany izy. Ny masony koa somary milentika kely...
- “Manao ahoana i Hery?” hoy izy nisarangotra ny sandriko... Ela ianao izany tsy nandalo...”
- “Manao ahoana ianao izay ry Malala?”
- “Izao hitanao izao... Manasazy ahy angamba ianareo... Nahoana aho no avelanareo mitondra zaza tsy iriako akory? Jereo ity izaho sisa...”
- “Mahereza ry Malala fa mbola eto aho a!!! Raha mamizana anao anie ny zaza rehefa teraka ianao, azonay taizana e!!! Maka aloha tanjaka fa...”
- “Tsy raharahako izany zaza izany rehefa teraka” hoy izy, “tsy raharahako daholo ianareo rehetra... Jereo sisa ny amiko, very ny bikako, simba ny fiainako...”
- “Malala a, inona anefa no azo atao e!!!”
- “Ento mitady dokotera aho fa esoriko ity!!”
- “An, an, an! aza ampidirinao amin’ny kizo intsony aho ry Malala a!”
Dia nitomany idray aloha izy ary nolazainy fa tsy tia azy intsony aho matoa manda ny faniriany...
Tena mbola tia azy ihany aloha ny fo adalako, kanefa ho fanajako an’i Alexia sy mba tsy hahitako olana intsony, dia niezaka ny hipetraka tsara aho...
- “Andao hisakafo aloha ry Malala, fa i Papa efa miandry antsika hidina...”
- “Ho avy aho” hoy izy, “saingy izaho tsy hihinana fa tsy mahatekina akory aho…”
- “Fa inona no tianao hohanina?”
- “Glace izany no tiako...”
Dia naniraka ny mpiasa tao an-trano indray aloha Ratrema hividy glace...
Teo am-pisakafoanana aho no nanararaotra niresaka tamin’izy mivady ny fihavianay hiseho ny sabotsy.
- “Mba manao metimety izany ianao ry Malala fa he ity ianao... Vizana mafy mihitsy… Mandehana mividy akanjo farafaharatsiny... Lasan’eritreritra teo ity Malala ary tampoka teo dia nitsiky izy...
- “Handeha hivoaka aho izany,” hoy izy toa velom-bolo tampoka!
- “Izay tianao hoy i Ratrema, sa entiko ianao?”
- “Raha malalaka moa ianao?”
- “Ho any am-piasana fotsiny aho dia andrasanao vetivety ao anaty fiara, misy dossiers mila signatures fotsiny mantsy any fa niantso ahy teo i Sandra sekreterako. Avy eo isika dia mankany amin’izay tianao, na hanao volo aza ianao handrasako fa tsy maninona…”
Faly kely izany aho nahita ny endrik’i Malala niha-nahazo volony indray... Variana koa aho amin’ity fampihantan-dRatrema azy mihoampampana ity.. Tena hita mihitsy hoe am-pitiavana daholo no ilazany ireny zavatra ireny amin’i Malala fa tsy an-tery...
I Malala koa dia tena mahay mihanta lozan-tany mihitsy, toa mialona an-dRatrema kely izany aho... Mba rahoviana leitsy ialahy ry Hery vao hanana fo toa izao? He ity ialahy, ny fanambadiana tsy vita akory dia ny zaza efa ho roa!!! Ry lanitro o, azo averina kely ve ny fotoana?
Nony lany ny sakafo dia lasa izahay telo nandeha. Napetraky ry zareo tao ampiasana aho… Nony hanao veloma azy mivady aho avy aty ivelany dia tsipalotro ny tanan’i Malala any anaty patalohan-dRatrema...
- “Veloma!” hoy ry zareo sady menamenatra ery Ratrema...
- “Raisiko eto ianao rahampitso ry Hery raha ho any antrano,”
- “Eny“ hoy aho.
Gaga fotsiny aho nahita ilay fihetsika teo!!! Sady gaga aho no faly hafahafa izany... Gaga aho fa tsy nampoiziko ilay fihetsika, nihevitra aho mantsy hoe efa tsy mifankatia intsony ry zareo fa dia fitserana sisa ny an-dRatrema, kanefa tamin’ny fihetsiny rehetra dia tena tia izy... I Malala indray vao eo no nilaza fa mijaly tamiko, nefa he ity izy, toa tsy naninontsimaninona... sa ny fandalovako tampoka no nampisava ny vesatra tao aminy?
Faly koa anefa aho satria raha miravina ny amin-drizareo, mba ho afaka hiroso tsy am-pisalasalana amin’ny raharahanay amin’izay aho ary hazava ny lalana hombako… Satria efa nazava izany ny resaka.
Nony hariva tonga tao antrano aho, dia efa teo daholo ny anabavin-draiko sy ny dadatoako, ny rahalahiny ary ireo cousins sy cousines-ko efatra.
Efa misomebiseby izany ry zareo. Nisy fisotrosotroana kely koa moa ka tena nafana ny resaka. Ry Dadabe no nilaza anikeheo fa hijanona eto Tanà aloha hatramin’ny alahady hariva fa mba hanamboatra tena kely.
Teny ampovoan-dresaka teny no nitsangana tampoka i Dadabe ary niteny hoe:
- “Hery a! ianao ihany moa no zafikelinay mivady ka dia amin’izao fotoana izay tena hilanao vola indrindra izao dia indro misy tahiry kelinay mivady, raiso fa vokatry ny fo tokoa... Indro!”
Natolotr’i Dadabe ahy ilay kitapokely teny an-tanany... Inona ary ity? hoy aho???
Feno vola taratasy nifatopatotra tao, tsy voavinavinako hoe ohatrinona na ohatrinona fa nakipiko ny masoko ary niantoraka teny amin’i Bebe aho...
- “Sao tsy mety izao ry Bebe?” hoy aho...
- “Raiso anaka fa fotoana mety izao... Tehirizo izay tahirinao ho anareo mivady any aoriana any... Vitan’ity angamba ny mariazy, na dia indimy hisolo akanjo aza ianao, ary na hamahana olona telonjato aza ianareo!!!”
- “Telonjato??? An, an, an! tsy hanao an’izany aho ry zareo fa isika ange tena vitsy kely e!!”
- “Ny akanjon’ny ankizy angamba sy ny kiraro no hiantohako, dia ho hita eo ny sakafo sy ny hotely... Mama a! Ankiniko aminao ity vola ity dia tantano amin’izay mahamety azy fa tsy ho harako...”
Toa mikoriana ohatry ny rano indray ny fiainako izany... Vao maraina aho no mifokofoko nohon’ny vitan-dratsy dia ny hariva aho toa maivamaivana... Nony handeha hisakafo izahay no injay reko i Alexia miklaxon tao ivelany...
- “Ha, tsara fahatongavana ny vinantonareo fa izy izay...” hoy aho niteny irery, sady nivoaka ny trano hitsena azy. Dia natao ny fifampafantarana ary faly ery izy rehetra nifankahalala… Dia niara-nisakafo teo indray aloha sady nanararaotra ery ry zareo nanadihady ity ho vadiko… Nilaza tamiko i Alexia avy eo fa reny aho hoe tany an-trano ary efa nohazavain-drainy taminy ny resakay omaly...
- “Metimety mihitsy ao ny anao,” hoy i Alexia momba andreniny... “dray dray... nanolo garde robe mihitsy ny anao vavy, ary toa velombolo be mihitsy... Tsy tezitezitra intsony koa na malahelo fa tena en forme... Nividy akanjo-na bevohoka be dia be, fa mba manana choix hono izy amin’ny lanonana ato ho ato...”
- “Tsara aminy ihany ny manana objectivité tahaka izany,” hoy aho... “Anikeheo anefa izy mbola miteniteny foana hoe tsy tiany ny zaza ao ankibony...”
- “Asa” hoy Alexia... afaka angamba ilay telo volana mandreraka be rehefa bevohoka... Aleo aloha tsy hotairina koa fa sao hanome problème eo indray amin’ny raharaha, sa ahoana ny hevitrao?”
- “Marina izany!”Hoy aho...
- “Hody ve ianao sa hijanona izao?”
- “Aleo aho hody ry Hery fa mahamenatra an’i Mamanareo a! Mahandrasa kely moa e ”
- “Te hanatitra anao aho...”
- “Tsy aleonao any aminay no matory?”
- “An, an, an... mbola te hiresaka amin’i Mama momba ilay amin’ny sabotsy koa aho…”
- “Fa angaha ianareo tena miomana be? Atao tsotsotra ange ry Hery fa aza asarotina a!!”
- “Tsy hainao mihitsy izay omanin-dRatrema ao!!” hoy aho nisafo ny saokany sady nanoroka azy...
- “Aleo ary aho handeha fa alina e! Antsoy aho rahampitso!”
- “Oui ma chérie!”
Ouf!!!! izay vao tena oufff… ny ambiny tsy raharahako intsooooonyyyyy!!!
Nony niditra tao an-trano aho efa niomana ny handeha koa ireto vahiny…
- “Amin’ny sabotsy izany aty no fotoana e!” hoy ry zareo…
- “Eny ary!” hoy aho.
Tsy handriko izay nandroako dia nitsoran’ny lamosiko… Vao nidaboka aho dia toa niverina tao an-tsaiko indray ilay sary tao anaty fiara… Ny tanan’i Malala… nanonofy ny toeran-dRatrema indray aho aloha ary izay no nampatory ahy…
Vao avy nametraka ahy tao am-piasana izy mivady dia niverina nody tany an-tranony. Ny tanan'i Malala amin'io tsy nitsahatra nanafosafo ny filahian’ny vadiny izay nanomboka nibontsina tsikelikely tsy hay nafenina.
- "Aoka aloha Malala fa izaho anie mitondra fiara ka soa dia manao "accident" eto izato isika e!" Ny mifanohitra amin’izay zava-boalazany izay anefa no tena tao an-dohan-dRatrema. Niomehy kely i Malala no sady nanaraby ity vadiny hoe:
- "Tena marina ve izany lazainao izany? Raha ny fahitako an'ity zavatra eto an-tanako ity mantsy dia toa efa fantatro ny zavatra tadiaviny, mino aho fa sahala amin'izay zavatra ilaiko...”
Vao nivoha ny varavaran'ny trano ka voapetraka ireo entana, dia poa toy izay no namahan'i Malala ny fehikibon'i Ratrema, nampidinany ny patalohany. Niondrika sady nandohalika moramora teo anoloan'ny vadiny izy sady nampidiriny tao am-bavany ilay zavatra notadiaviny teny ambony fiara. Toa nahatsiaro nisavoana i Ratrema, eny fa na dia fantany aza ny fombafomban'i Malala rehefa manao firaisana ry zareo. Afaka fotoana vitsivitsy dia natsangany moramora i Malala dia nifanakalo rora teo ry zareo. Ny tanan-dRatrema havanana amin'io manafosafo ny kibon’i Malala sady mitady ny atin’ny silipo mbola teny an-kodiny. Ny tanany havia indray mivezivezy manafosafo ny lohanonony izay efa mihinjitra aoka'izany. Nanomboka nisefosefo i Malala no sady niha nangorintsina ny vatany iray manontolo. Nihataka moramora izy nony avy eo ary notaritiny Ratrema hanaraka azy ho eo ambonin'ilay "canapé" teo amin'ny efitra fandraisam-bahiny. Sady mipetraka izy no manala ilay string fotsy misy sisiny dentelle nanaovany. Nifanoroka indray ry zareo; nampidirin-dRatrema tany anatin’i Malala ny azy. Tsy nisy sakantsakana fa tonga dia nisosa moramora, tsy misy zavatra nandrasan’i Malala hafa tsy iny tsinona fa efa lonaka tanteraka ny tany anatin’ny loharanom-pahasambarany tany. Sady nikiakiaka i Malala no nandrangotra sy nanaikitra an'i Ratrema. Io fahaizany manome ny tenany iray manontolo tsy an-kitsitsy io mihitsy no tena tsy ahafoizan'ny lehilahy izay nifanena taminy tany am-pandriana, ary anisan’ireny aho...
Ny ampitso, dia tena nahatsiaro maivamaivana izany aho fa tsy toy ny isan’andro. Miramirana ery ny saiko handray asa… Ry Mama sy izy mivady lehibe hono handeha hiantsena, sady hividy izay akanjo ho ahy koa. Tsy hanam-potoana hampanjairana intsony koa moa fa dia hijery izay tsaratsara eny amin’ny magasin eny. Niangavy ahy i Mama hanao fotoana aminy ny antoandro avy miasa, kanefa ilay fotoana efa nomeko an-dRatrema tsy tiako holavina indray koa.
Nony tonga tany am-piasana aho dia nisy taratasy kely mipetraka eo ambony biraoko, i Fidy namako no nanoratra azy io ary message koa ilay izy: “Aza mandalo any amin-dRatrema hono ialahy fa hivoaka hono izy mivady hiantsena”.
Nihomehy aho sady afak’olana... Handeha hiantso an’i Alexia aho no gaga fa hay adinoko ny portable-ko. Noraisiko ny telephone fixe-ko ao am-piasana dia nantsoiko ny telephone-ko sao i Mama mbola ao an-trano…
- “Allo! Iza izao hoy izy?”
- “Mama, izaho ihany! Andalovy aty am-piasana aho anio atoandro raha hiaraka isika e! Maimaika aho sady tsy afaka miresaka elabe amin’ity!”
- “Eny anaka, rantoandro izany!”
Dia azo ny akanjo sy kiraro vaovao. Ity kiraro ity ihany no entina amin’izy rehetra, fa tena lafo ilay kiraron-dehilahy. Tena nikipy mihitsy aho nividy azy, ka nangarika mihitsy i Bebe izay nifidy izay tsara indrindra ho ahy...
- “O ry Hery a! Ity fahihiranao?” hoy i Bebe...
- “Lafo loatra re ka!”(kanefa menatra aho eo anatrehany noho izy niantoka ilay izy...)
Tsinjon’i Dadabe angamba ny tao an-tsaiko dia hoy izy hoe: “Aza atao ao an-tsainao hoe avy aty aminay ny vola anaka fa zanakay ange ianao e! Aza menatra izany fa andronao io!”
Dia nisosa haingana ny telo andro ary tonga ny sabotsy andro nandrasana... Bebe sy Dadabe ary ilay anabavindraiko mivady no nandeha, fa ny dadatoako niasa tamin’io, fa mpivarotra ry zareo ka tsy afaka nakatona ny tsena.
Nanomana sakafo be Ratrema fa naka traiteur mihitsy izy mivady hanao ny kanonkanona rehetra. Tsara ery ny akanjon’i Alexia ary miramirana sy hitako sambatra mihitsy ny endriny. Akanjo mavokely tanora somary fohifohy izay no nanaovany, ary navelany hilatsaka ny volony lavabe. I Malala koa tena en forme tsara mihitsy ary tena natanjaka ery. Efa hita kely ny kibony fa saingy mbola tsara ihany ny paoziny ao anatin’ilay akanjo fitondra vohoka miloko grenat lava be, somary manara-tena kely izany, ary misy dakany manaraka ny ranjony hatreny amin'ny manasa-pe mihitsy... Ny lamosiny koa miseho amin’ilay didiny somary milatsaka izay, tena mihaiky ny lamaodiny mihitsy aho...
Varian-dresaka tamin’i Mama mihitsy izy ary hitako mifankahazo be ry zareo. Na i Ratrema koa aza dia hitako nahazo aina izany miresaka amin’ireto havako. Afa-tahotra ry zareo na dia teo aza ny henatra tamin’ny voalohany hiditra ny tranon-dRatrema. Kevokevoka mihitsy i Madamabe, ka lasa nalainy tany ambony ny zazakely hasehony andry Mama ka teo aho vao mailo . Tsikaritr’i Alexia ilay fihetsiko.
– “Aza matahotra ianao ry Hery fa tsy ho fantany izany io e!” hoy izy nandamina ny saiko.
Ity izy nidina niaraka amin’i Toky izay efa miana-mandeha sahady... Vao nahita ilay zaza i Mama dia babo tanteraka.
- “Mahatsiaro an-janako tamin’ny mbola kely aho,” hoy izy, taitra kely. “… dia tsy misy hafa! Toa izao mihitsy ianao taloha ry Hery,” hoy i Mama nibitsibitsika tamiko. "Azoko raisina ve?" Hoy i Mama tsy azo notanana.
- "Tsy maninona mihitsy ka," hoy Ratrema toa kevoka ery...
Nony teo an-trotroan’i Mama ilay zaza dia hitako nandinidinika ahy izany izy, kanefa nodiako namonjy an’i Alexia fa navelako teo izy...
I Malala koa tena fanahy iniako nihatakatahana mihitsy, mba tsy hahabe eritreritra an'i Mama ... "Mahavariana," hoy fotsiny izy niteny irery...
Vita soa aman-tsara ihany iny zavatra iny fa dia ny fifamofoanay izay hatao afaka tapa-bolana izany no sisa mavesatra. Ny mariazy moa mbola tsy tapaka tsara ny daty ka dia mbola afaka niaina kely aho izany aloha tamin'io.
Ry Dadabe sy Bebe nandalo fotsiny tao an-trano dia nilaza ny hidina io andro io ihany any ambanivohitra fa hiakatra afaka folo andro indray.
Nony izahay sy Mama irery sisa no tao an-trano dia voamariko fa mijerijery be ahy izany izy, toa somary hafahafa ny fahitako azy...
- "Hery a, misy fanontaniana manitikitika ahy ity anaka…" hoy izy fa tsy hariny intsony.
Mahina indray aho aloha... "Inona ry Mama?"
- "Tena mitovy aminao ange anaka ilay zaza kely e!!! Tena marina e!!!! Sao dia..."
- "O ry Mama a! Aza alefa lavitra ny saina fa tsy misy na inona na inona mihitsy kah…"
- "Hery a, tsy adala ange aho anaka fa zanako ianao sady izaho no nahalehibe anao e, lazao ahy ny marina anaka..."
Dia tsy zakako intsony koa ny handainga lava amin-dreniko, ka dia notantaraiko azy amin’ny antsipirihiny ny tantara... Natahotra ny mety ho fitsarany sy ny hatezerany ary ny mety ho zavatra holazainy aho, ka niondrika fotsiny hitaty izay mety ho vokany...
- "Hay va re anaka ity ianao ka niharitra irery izany adin-tsaina izany e? Fa naninona ary aho raha mba nampahafantarina izany rehetra izany mialoha? Zanako anie ianao ry Hery e! Atao ahoana moa rehefa izay no nitranga?"
Nangina vetivety aloha izy fa niandry izay ho avalik,o kanefa tsy niteny mihitsy aho, nony elaela dia notohizany indray ny teniny... "Dia mihaiky ny fon’ilay Alexia aho ry Hery... nahita vehivavy ianao nahazo an’iny... sady hendry no manana fo mihitsy... Dia ahoana izany ilay zaza ao an-kibon’i Malala? Ahoana no ataonao? Dia zafikeliko izany ireo ry Hery?"
- "Eny ry Mama hoy aho... Menatra anao aho... Raha teo angamba i Dada efa maty aho toy izay!!"
- "Hery a! Mahereza anaka. Raha mbola mihiratra io masoko io, dia mahazo matoky ahy ianao fa hanampy anao foana aho..."
- "Mama a, aza atao fantatry ny olon-kafa fotsiny izao resatsika izao, na amin’izy mivady lehibe aza fa manahirana be amin-dry Ratrema..."
- "Aza matahotra ianao ry Hery... Azonao lazaina an-drizareo fotsiny hoe efa mahalala ny marina aho, fa hotehiriziko ho ahy irery izany. Rehefa sahirana iny ry zareo, azony atao tsara ny miantso ahy hitazona ny zazakely ohatra..."
- "Rehefa milamindamina iny Alexia vao ho sahiko ny mampiditra izany resaka izany sao izy tezitra amiko eo."
- "Azoko tsara anaka... fa mba tiako hotezaina koa anie ilay zafikeliko e!! "
- "Mama a! Raha eo anatrehan'ny lalana dia tsy zanako i Toky, Ratrema tsy mahalala hoe zanako io zaza io. Tsy misy idirantsika amin’io zaza io izany no tena marina. Rehefa teraka ilay faharoa vao azoko lazaina an-drizareo ny sosokevitra narosonao, izay inoako fa tsy ho laviny..."
- "Hay tena tantara be izy ity ry Hery... Fanina hatramin’ny lohako mihitsy marina... Aandeha aloha hatory fa reraka e! Aza dia manafina zavatra amiko intsony ry Hery fa mijaly ianao miady irery a!"
- "Eny ry Mama a!" hoy aho, dia nifampitantana izahay mianaka niakatra ny tohatra ary samy namonjy ny efitranony avy...
Eo am-pitadiavana torimaso eo aho no niverina tao an-tsaiko ilay sary hitako tao anaty fiara... Nanonofy koa aho hoe miara-matory amiko izy roa vavy mianaka... Toa tsaroako sambatra erý aho tamin'izay. Resin-tory ihany aho nony farany.
Fa inona kosa no nitranga tany amin-dry Alexia io hariva io?
Nony lasa ny vahiny dia tafapetraka teo amin’ny salon indray aloha izy efa-mianaka...
- "Tena vizana aho izany" hoy i Malala sady nakariny teo amin-dRatrema ny tongony...
- "Izaho indray hampirimpirina trano hiaraka amin-dRazafy dia avy eo vao hitsotsotra fa mahakamo be ny mijery ilay trano misavoritaka" hoy Alexia namaly ny reniny sady nitsangana.
- "Mba alao reitsy aloha ny akanjo," hoy i Malala taminy, "aiza no hahafahan-dry mihetsika amin’iny akanjo iny..."
- "Marina izany ry Mama fa hiakatra kely aho aloha..."
Vao dify i Alexia dia nampofoin-dRatrema ny vadiny ary nifanoroka teo indray aloha izy roa... Afaka minitra vitsy, notrotroin-dRatrema i Malala dia nentiny niakatra tany ambony...
Toy ireny mpifankatia vao nivady ireny indray izy roa, poa toa izay no nanalan-dRatrema ny lobaka sy ny pataloha teny an-kodiny. Ny boutons de manchettes volamena amin’izany nipitika nikodiadia tery amin’ny tany tery fa tsy nahoany akory… Rehefa samy avy safononoky ny fahafinaretana teo izy roa dia resin-tory avy hatrany i Ratrema, fa i Malala kosa no nivadika nanome lamosina azy sady nitsiky...
Roa andro talohan’io raharahan’i Alexia sy Hery io dia nankany amin’ny dokotera manam-pahaizana momba ny fananahana i Malala mba hisafo, satria feno telo volana tokoa ny kibony. Nanontanintanian’ilay dokotera teo izy ny amin'ny daty farany nahatongavan'ny fadimbolany ...
- "Fantatrao ve hoe mety oviana no nipetrahan’io zaza io?" hoy ilay dokotera taminy ary nomeny azy ny daty, izay tsy adinony mihitsy, satria io ilay fotoana niarahanay roa farany izay nahatratraran-dRatrema anay koa. Natao ny échographie ary gaga ilay dokotera nahita ilay zaza tao an-kibony…
- "Tsy marina angamba io daty nomenao io" hoy izy fa taloha kelin’io izy ity no nipetraka…
Gaga i Malala fa tsy niteny, niakanjo izy dia lasa nivoaka rehefa azony ny rapport nosoratan’ilay dokotera ho azy. Tany anaty taxi nody izy dia nosokafany ilay antotan-taratasy mirakitra ny mombamomba azy nomen'ilay dokotera ary nodinihiny tsara avy eo. "Tena marina ny nolazain’ilay dokotera..." hoy izy niteny irery. Niezaka namerina tao an-tsainy izay mety nitranga rehetra talohan’iny fotoana iny izy nony avy eo... "Tena i Ratrema no rain’ity," hoy izy raha izany, nibitsibitsika tamin'ny tenany ihany... "Tamin’izahay nitsangatsangana irery indray alahady iny izany ity no nipetraka! Tena mahavariana izy izany! Soa ihany fa tsy nohesoriko marina! Misy azy Ratrema amin’ity zaza ity marina! "Ary i Hery? Holazaiko ve izy sa tsia?"
"I Ratrema aloha no priorité satria zanany ity fa i Hery, aleo amin’izao ka... Sady nahita hevitra koa aho!!!"
- "Tonga ianao Madama a!" hoy ilay saofera taxi.
- "Misaotra r’ingahy saofera, ohatrinona moa?"
- "20.000 ihany e! Misaotra dia veloma ianao ry Madama a!"
- "Veloma o!"
Nipitipitika mihitsy i Malala namoha ny vavahady sy niditra tao an-trano. Ity i Ratrema efa naheno ny fahatongavany ary niandry azy teo am-baravarana...
- "Ratrema!" hoy Malala sady nanoroka am-badiny izy...
- "Malala! Manao ahoana ianao ary avy aiza?"
- "Avy nisafo aho ka!" hoy izy tamim-badiny sady nahifiny ny volony no nipetraka teo amin’ny canape izy namaha ny tady namatotra ny kirarony.
Maloka kely i Ratrema naheno ilay hoe nisafo fa tany am-pony tany hay mbola tena feno alahelo noho io zaza io...
- "Ka nanao ahoana?" hoy izy, kendakenda niezaka nanafina ny alahelony…
- "Ity ny valin’ny écho nataoko! Io koa ny sarin’ilay zaza ..."
Nikentrona kely koa i Ratrema nanao kajikaly tany an-dohany tany nahita ilay daty nosoratan’ilay dokotera tao...
- "Fa ahoana ity ry Malala. fa angaha io ny daty na..."
- "Ratrema a... hay zanakao ihany izany io, tadidinao ilay isika nitsangatsangana indray alahady iry?"
- "Ie, tsy iny isika sy ianao no niaraka farany talohan’ireny problème ireny? Tsaroako isika ilay nanofa bungalow iny fa nafana be ny andro ka hoy ianao hoe izaho te handro…"
- "Ie tamin’iny mihitsy! Jereo, jereo ilay sarin’ilay zanatsika Ratrema!!!"
- "Tena mbola zara raha hita ange izy izany ry Malala e! Faly be aho izany! Avo ny lanitra ka tsy takatro ry Malala, nanampy ahy ihany ny Tompo!"
- "Misy azy ny ankizy amin’ity vaovao ity..."
- "Ratrema a, aleo aloha tsy holazaina andry zareo ity vaovao ity fa mba ho surprise amin’ny raharahany e! Amin’izay i Hery mba ho à l’aise tsara, sa ahoana hoy ianao?"
- "Fais ce que tu veux ma Princesse chérie! Si on se fait un câlin?"
- "Mmmmh !!! avec tout mon amour !!!!"
Dia nivadika ny andro ary nitambatra ho volana… Efa ny fahaterahan 'i Malala indray izao no masaka atao resaka isaky ny tafahaona. Adinodino teo indray aloha ny raharahanay sy Alexia; fa araky ny hevitray rehetra, dia aleo miandry amin’ny faraparan’ny taona vao atao ilay izy. Mampilamina ahy koa aloha amin’ny lafiny iray, fa tsy dia misy mahamaika intsony amiko. Ity fofombadiko no tena mipopopopo manangona izay ilaina sy sahirana manao lisitry ny olona hasaina. Tena tsy hitako mihitsy izay fandehany, fa hay ve be kipitsopitsony be toa izany ity fanambadiana! Izaho mihevitra hoe ny akanjo sy ny fanasana ihany, fa hay tena mbola be ny atao. I Mama moa vonona sy somebiseby mafy mihitsy ka dia zarako aza avela ho azy ny familiana.
Ny mahalasa ny saiko tato ho ato dia ity zaza ho teraka, izay zanako moa izany no tena marina!!! Zanako faharoa! Dray leitsy ry Hery! Any amin’ny vadin’olona ialahy ity no manokona! Isaky ny mahita an’i Malala aho dia tena te-hiresaka mafy aminy ny amin’io resaka io, saingy izy anefa lasa miavona sy mihatakataka izany... Toa tsy tsaroany akory fa izaho anie no rain’ity zaza ao an-kibony! Toa i Ratrema no seriny dia seriny amin’ny fandraisana ity zaza nefa fantany tsotra izao fa izaho no rain-jaza fa tsy izy! Nanamboarany efitra vaovao tao ambony rihana ny zazakely. Efa fantany hono ny zaza fa ho vavy tamin’ny fisafoana farany teo. Lehibe mihitsy ny kibony fa tsy toy ny hoe vao enimbolana izany fa toy ny efa ho teraka. Nihanta loatra koa moa ity izy nandritra ny fotoana nitondrany vohoka. Nataony mavokely ny lokon’ny efitra ary efa vonona ao daholo ny kanonkanona rehetra. Izaho moa tsy manana alalana hiakatra tany intsony tato ho ato, fa i Alex no mitantara amiko izany rehetra izany. Gaga ihany koa izy amin’ity rainy milofo marina amin’ny fandraisana ilay vahiny.
- “Tena tsy manantsiny marina ilay zaza" hoy Alex "ka tsy misy idirany ny adin’ny lehibe".
I Mama koa any an-trano misisika mafy mihitsy ny momba ilay zafikeliny. Dia ahoana hono izany ny momba azy sy izay ataony... Kanefa hoy aho taminy hoe "Tsy afa-mikoropaka isika ry Mama, fa aleo aloha tonga ny zaza dia ho hita eo izay hifandaminana." Tena may mihitsy izy amin’ity zafiny ho avy. Na izaho koa aza moa tena mba may fa tsy afaka nanoatra. Asa izay ho mety ho fiovan-javatra fa hatramin’izao tsy misy manisy resaka ny momba ahy sy ilay zaza ho avy.
Notsenaiko tany am-pianarany i Alexia io hariva io dia lasa izahay nandeha tongotra nody tany aminy.
- “Tena reraka akia aho izany- " hoy izy namikitra ny tanako sady nanolotra ilay classeur ny ahy”.
- “Fa ahoana ry Alex? Misy manahirana anao angaha?”
- “Efa handeha izao ny examen final” hoy izy tamiko. "Ny revision-ko anefa ity tsy misy tokotaniny mihitsy. Ny problème-ko iray hafa koa dia ity izaho mila manao stage, kanefa tena tsy nanam-potoana mihitsy aho hitadiavana société.”
- "Fa angaha i Papanao tsy ho afaka manampy anao?"
- "Be olom-pantatra be i Papa fa ny mahasosotra ahy dia izay resaka izay, aleoko mitady amin’ny herin’ny tenako."
Variana kely aho tamin’ny valintenin’i Alexia tamiko satria izay aho vao nahita azy nanala ny rainy tsy ho eo amin’izay projet tiany hatao...
- “Alexia a! Misy olana angaha? Lazao amiko raha misy olana...”
Sady nosakambiniko izy no nentiko nivily tao anaty salon de thé sendra teo akaiky teo...
-“ Ndao ho ato no hiresaka aloha sady mangatsiaka koa izy izany.”
Norosoiko seza izy dia nipetraka rehefa avy nanala ny akanjo mafanany... Nanafatra thé nature izy ary café noir ho ahy... Sady manaroharo ilay dité izy no nanomboka niteny ary tsy ilay Alexia milamina sy tia olona no hitako fa olona tezitra sy mivonto fo tanteraka:
- “Aiza ve ry Hery ka, tsy zaza aloaky ny kibony, tsy rany no mikoriana ao aminy, kanefa i Papa dia mila handady sy manambitamby ary miforitra eo amin’ilay kala tsy vanona io!!!"
Nitobaka kely mihitsy ilay rano, ary novonjeko nofafana tamin’ny serviette-ko,
- “Alexia a, moramora ianao fa atao ahoana ary moa...”
- “Dia gaga aminao koa aho ry Hery," hoy ihany izy nitrerona ahy. "Aiza ve ka zanakao dia tsy raharahinao ny fahaterahany? Fa fo vato mihitsy ve no ao aminao, sa dia tsy mba mahatsiaro tena ho efa lehibe mihitsy ity ianao, no ny raiko no manao izay tokony hataonao rehetra? He ity izy, efa lahy antitra iny mbola mitotototo manao izay mety, marina na andevokely tamin’ny andro taloha aza hanompo olona toa iny?"
Tsy mbola nahare an’i Alexia niteny maharary ahy toy izany aho hatramin’izay, ka tsy hitako izay navaly azy nohon’ny fahagagako…
- "Ka, ka izao…" fotsiny no nivoaka ny vavako.
- "Ka inona?" hoy izy? "Dia mbola hamaly ihany ve ianao?"
- "Alexia a, fantatrao tsara ny fihetsiky ny reninao tamiko tato ho ato. Ny tsy famelana ahy hijery ilay efitranon-jaza, ny avonavona isaky ny mifankahita. Heverinao fa tsy mafy moa ny mahazo ahy hoe tsy maharaka na inona na inona ny momba ilay hoe zanako aho? Tsy hitanao hoe maharary ihany ve ny ainao raha zanakao roa izao no tsy azonao topazana maso na karakaraina, na dia i Toky aza tsy afaka raisiko intsony, dia inona hoy ianao no azoko atao? Lazaiko anao marina tokoa fa rehefa tsy tiany hiditra amin’ny fiainany intsony aho dia avelako eo izy fa manna-katao, tsy hoe mafy fo aho fa mahalala tsy tiana. Raha tsy ny fitiavako ny hanambady anao dia efa tsy niditra tao aminareo intsony aho ohatran'izay!"
Nihaino ahy tsara izy sady nanapitra ny dite nosotroiny. Nony voapetrany ny tasse-ny dia noraisiny ny tanako.
- "Hery a! Tiako loatra ianao!"
- "Izaho koa tia anao..." hoy aho namaly azy tamin'ny feo malefaka.
- "Ny olako dia i Papa," hoy izy nanganohano, kanefa efa nanao ny safidiny izy tamin’i Malala. Ity izy toy ny alika kely ity no mahavariana ahy!"
- "Na izaho koa aza dia efa nihevitra toy izany, kanefa efa naniry zaza foana ange Ratrema, sady tia zaza hatramin’izay, ka inona moa no mahataitra anao? I Malala tena tiany rahateo!!!"
- "Fa i Papa tsy manana alahelo aminao ity no tena mahagaga ko! Jereo ny fandraisany anao fa tena toy ny zanany mihitsy. Ianao indray aza no tsinjoko tsy à l’aise."
- "Mihaiky an’iny raiko iny aho ry Hery ka, olon’Andriamanitra mihitsy" hoy ihany izy nanohy ny teniny... "Ary andao amin'izay ary handeha hody fa efa miandry izay ry zareo. Oay! Efa amin’ny fito sy sasany sahady hay izao!"
Tsy manao hafa-tsy ny mamoaka sy mampiditra ireo akanjon-jazakely ao anatin’ny commode i Malala tato ho ato. Efa kamokamo mivoaka koa izy fa efa mihamangatsiaka ny andro. Ratrema no manery azy mba haka rivotra vao maraina sy harivariva. Dia mifampitaritarika teny izy mivady. Ny zavatra ilaina rehetra moa dia efa azoazo daholo ka tsy misy hovidiana intsony. I Ratrema no mitatitra izay mbola tsy azo isan-kariva fa i Malala dia manala ny fonony fotsiny dia mampidera azy eran’ny trano ary mampirina azy avy eo. Sarotiny dia sarotiny mihitsy izy amin’izao efitra ao ambony ao izao. Izaho aloha dia tsy mahita rirany ny amin’izay lafiny izay intsony...
"I Hery!" hoy i Malala nisento tokana..."i Hery!" Toa tsaroany ny zavatra rehetra niarahany tamiko, ny fahasambarana nangalarinay izay tsaroany natsiro sy mamy kanefa tsy hisy intsony. Toy ny vao omaly no fitadidiany ny niarahanay natory, niarahana nangala-dia sy nitsangatsangana tsy hisy mpahita... Ny nifohany ny voloko izay tena tiany sy nanadinoany an-dRatrema sy izao tontolo izao... Ankehitriny anefa dia voatery nohalavitiny sy nodiany fanina mihitsy aho, mba ho fanajana an-dRatrema sy faniriany hiverina amin’ny lalana mahitsy. Taminy mantsy dia fanomezana avy any an-danitra mihitsy ity zaza ato an-kibony tsy nampahafantariny ahy fa tsy zanako ity, fa an-dRatrema. Raha izaho tokoa no rain-janany, dia fantany tsara fa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hisaraka aminy Ratrema, satria hikorontana foana eny ny fiainany ary ho very be izy satria hafoy ireto harem-be. Izany no nampitodika azy tamin’ny lalana mahitsy ary noezahany ny tsy manopy ny masony teny amiko intsony satria fantany tsara fa mbola malemy izy, ary marefo ny fefy mifehy azy tsy hiatsampazany taty amiko. Eny, na dia lehibe dia lehibe aza ny fitiavan-dRatrema azy, dia mbola eo foana ny fahatsiarovany rehetra izay novainganin’ny fisian’ny zanany voalohany. I Toky izay rà hifamatorany amiko mandra-maty. Tsotra kokoa anefa ny fiainany izao raha notsorina tamiko fa tsy zanako ity ato ankibony ity, kanefa io no hevitra hitany hanalavitana ahy tsy hanatona azy. Raha fantatro mantsy fa tsy ahy io, dia ho rava indray izay olana makadiry nanelingelina mafy ahy tamin'ireny fotoana ireny, ary dia ho niverina nifanerasera be indray izahay. Ny tohiny avy eo, mety tsy ho voafehy amin’ny fifampiarahabana fotsiny. Aleo aloha hitokatrano any izy sy Alex, hoy ny eritreriny, dia holazainy amiko hono ny marina any aoriana fa amin’izay efa samy manana ny fiainany.
Efa nipetrapetraka mijery vaovao tao amin’ny salon izy mivady no tonga izahay sy Alexia. Nitsangana i Ratrema handray ahy sy hanoroka an-janany vavy toy ny fanaony. Nanatona an’i Malala izahay avy eo ary ny tanan’i Malala fotsiny no natolony ahy fa ny masony mbola nijery ny télé teo anoloany ihany. Ny mason-dRatrema amin’izany manjelatry ny hafaliana mahita ny fihetsiky ny vadiny! Izay vao rava ny momba an’ireto, hoy izy niteny an’eritreritra, fa tena tsy te hiherika intsony ny vadiko. Fay ialahy izay Rahery hoy i Bainina nipi-kelika.
- "Tsy aleo mamojy latabatra fa efa ianareo sisa no andrasana?" hoy izy nandray an’i Malala sady nitantana azy.
- “Toy ny malemy koa ry Mama," hoy Alexia nandona ahy tamin’ny kihony.
- "Chut!" hoy aho lokin’ny hehy tsy fidiny, mahita ny hasarotam-piaro misoritra eny amin’ny endrik'ity olon-tiako.
Dia samy naka ny toerana izahay rehetra. Toy ny mahazatra dia mifanatrika izaho sy Ratrema ary toa izany koa i Alexia sy Malala. Dia nifototra tamin’ny fianaran’i Alexia ny resaka io hariva io teo am-pisakafoanana, ary teo no namosahan’i Alexia ny problème-ny momba ilay stage. Nilaza taminy Ratrema fa hijery izay azony atao kanefa nandà ity zanany fa sao mahakamo hoy izy hoe natosikao indray aho.
- "Ny vavan’ny olona ry Papa no tsy tiako, indrindra raha hiditra eo amin’ny sehatry ny asa aho atsy ho atsy dia tsy ho tantiko ny hoe raha tsy Ratrema sns sns... azonao?"
- "Marina ny teninao anaka fa tsy afaka ny hijery fotsiny anao aho ny amin’izany... Ny azoko atao izany dia omeko anao ny lisitr’izay entreprise fantatro dia mba anontanio. Ianao anie Alexia mahay, ka inona no iraharahianao izay vavan’ny olona?"
- "An, an, an! ry Papa a, mbola be ny ho sisa fa aleo izao vao manomboka izao dia efa hitady ho an’ny tenako aho."
- "Aza matahotra anefa anaka fa eto foana aho raha misy ilainao…"
- "Fantatro izany ry Papa..."
Mandritra izany resaka izany dia tsy niteny mihitsy izahay sy Malala fa toy ny samy tsy nanatrika teo izahay. Nihetsika tampoka indray ny fanahy ratsy mikotrika tao amin’i Malala, ka nakariny ny tongony ho eo ambony fen-dRatrema. Toy ny tsy nohenoim-badiny akory anefa izany fa ny resany tamin-janany vavy ihany no notohizany. Tampoka tsy nampoiziko teo anefa dia nakorisany moramora teo ambony feko indray ny tongony... Telopolo segondra fotsiny no nanaovany izany dia nafindrany teo amin’i Ratrema indray. Ny masony amin’io tsy mitraka mihitsy. Gaga be aho sady natahotra, nahatsiaro faly hafahafa izany koa anefa... "Tena mbola tiany aho!" hoy aho velombolo tany anatiko tany. Nony vita ny sakafo dia mbola nisotrosotro teo amin’ny salon teo izahay rehetra, fa i Malala no niakatra hampatory an’i Toky izay efa tany amin'ny efitranony.
Niandry izay ho topimaso na tsiky avy amin’i Malala aho ho tohin’iny fihetsiny teo am-pisakafoanana iny, fa toa niverina nangatsiaka sy be avonavona toa ny teo aloha indray ity izy. Nangata-dalana ny hody aho nony avy eo, ary dia tena lasa mihitsy ny saiko nieritreritra ny zava-nitranga..."Fa inona ary no tena ao an-dohan’iny sipa iny?" hoy aho, sady nampiakariko ny vozon’ilay akanjo nanaovako fa namirifiry ny hatsiaka tamin’iny hariva iny. Nifafy koa moa ny herika ka tena reko nihatra tamin’ny taolako mihitsy ny fanala iny izaho namikiviky hamonjy fodiana taty an-trano iny.
Lokin’ny hehy i Malala vao tonga tany ambony namerina tao an-tsainy ny endriko io hariva io... Toa hitany ny masoko nivandravandra aloha, avy eo niherikerika fa sao nisy nahita... ary koa ny hetahetako ny hiresaka aminy mandra-pandehako... Faly erý ny anao vavy nankaloza ahy... "Tena mba tia ahy koa irý izy," hoy izy niteny irery, sady nanala moramora ny akanjony, hiditra ao amin’ny salle de bain.
Nijery fitaratra kely aloha i Malala sady nisintona ny tiroir ambony indrindra, ka naka borosy handaminany ny volony lava sady malefaka... ny sainy manontolo amin’ izany tatý amiko foana, mbola mahalokiloky azy foana ilay paoziko…" Aleo aloha handeha amin’izao" hoy izy "fa izao no mampilamina ny fiainako. Tsy hanatona azy mihitsy aho, amin’izay aloha tsy hisy fakam-panahy handemy ahy, fa omeko signes kely eny foana izy hampitako aminy ny hafatra hoe tsy manadino azy akory i Malala, fa saingy mahay miaro ny rambony fotsiny..."
Nojereny ny baignoire ary notsapainy ny hafanan’ny rano izay efa nomanin’ny mpanampy ho azy, izay izy vao niditra tao, sady nitsotra moramora rehefa avy namono serviette ny lohany... Dia nosafosafoiny teo ny sandriny, ny vatany, ny feny, izay mila tsy ho takany intsony, ary ny kibony mitondra ilay zanany amin-dRatrema... Nakipiny ny masony ary navelany ny rano hilamina hanatoniany ny vatany sy ny sainy, hiatrehany ny torimasony tamin'io hariva io...
I Ratrema no nanolotra ny serviette éponge ho azy sady nanafy azy tamim-pitiavana ary nitarika azy tany an’efitra fandriana nony avy eo...
- "Mampalahelo ahy indray i Rahery," hoy Ratrema sady nanomboka nanala ny akanjony.
- "Fa maninona?" hoy Malala nody fanina, "misy olana angaha izy sy Alexia?”
- "An, an, an! toa tsy be teny izy teo am-pisakafoanana, kanefa hitako te-hiresaka mafy mihitsy ity izy... Asa na momba ilay zaza angamba? Sao tokony holazaina azy ihany ny marina ry Malala?"
- "Ratrema a! mbola manahy izay mety any am-pony aho ka aleo aloha handeha amin’izao, fa sitrany ahay miaro ahy tsy horebirebeny eo indray..."
- "Marina ihany aloha ny teninao e! Ho hita eo rehefa teraka ianao!! Aleo aho aloha handro kely fa vizambizana aho izany..."
- "Mba itondray rano amin'ny vera aho rehefa miverina ianao fa adinoko ny nampiakatra teo."
- "D’accord ma chérie!"
Fa ny tatý aminay kosa tamin'io mbola tsy tapitra ny andro. Nony tonga tato an-trano aho dia gaga raha nahita harona feno akanjon-jazakely...
- "Mama a! misy havantsika teraka angaha?"
- "O ry Hery a! ho an’ny zafikeliko ireo fa adinonao angaha?"
- "Zafikelinao iza koa?"
- "Fa ny zanakao ka! Sa odinao tsy fantatra indray?"
- "Mama a!!!" Hoy aho sady namonjy nipetraka... Isika mianaka moa efa nifanaiky fa tsy hifanafina izay mitranga intsony, ka aleo hotantaraiko anao ny fandehany ankehitriny..."
Dia naka toerana i Ramatoabe ary notantaraiko azy ny nitranga rehetra any amin-dry Malala. Ny tsy fahazoany manao inon’inona, ny tsy firesahan-drizareo ny momba azy, ny adin-tsaina mahazo azy, ary ny alahelon’i Alexia eo anatrehan’izany rehetra izany... Rehefa nangina elaela teo aho dia namaly ahy i Mama:
- "Mampalahelo ahy ianao izany anaka, nefa inona moa no azontsika atao fa dia aleo miandry izany. Faly aho hoe vavikely izany ilay faharoa! Asa na hanahaka an’iza na iza? Rehefa teraka ve izy ry Hery tsy ho avelany handray ny zanakao ianao a!"
- "Ka na i Toky aza ange ry Mama ka mila tsy ho hitako intsony e! Raha mandreraka ny lohako eo ireo dia holazaiko an-dRatrema mihitsy fa zanako i Toky!"
- "Dray ry Hery! aza manao an’izany, fa tsy heverinao angaha ny fofombadinao fa miray trano amin-drizareo?"
- "Izay sisa no mitazona ahy ry Mama a! Izany ry Malala izany, na ny fako eny amin’ny tany aza misy dikany noho izaho, androany anefa izy nanao geste kely nanaitra ahy izany. Asa na inona no dikany na inona?"
- "Geste kely ahoana ry Hery?"
- "An, an, an ry Mama a! tsy misy dikany," hoy aho nivoara-mena...
- "Hery! Tandremonao anie sao manaonao foana any indray ianao anaka e!"
- "An, an, an ry Mama a! tsy izay eritreritrao izay akory fa zavatra hafa..."
- "Koa tsy lazaina ahy?"
- "Aleo aloha amin’izao fa raha misy fiovan-javatra dia lazaiko anao ihany! Efa nisakafo angaha i Mama? Noana ho azy koa aho tamin’ilay làlako teo."
- "F’angaha indray ianao tsy avy nihinana tany? Misy ambiny ao raha tianao!"
- "Tena tsy nahaovoka aho tany e! Inona no laokan’i Mama tato?" hoy aho sady nanokatra vilany.
- "Dray! ravitoto tsara be! An, an, an! ndeha hihinana aho ka!"
- "Etsy aloha hafanaiko kely ry Hery a!"
- "An, an, an! elabe izany fa izao mangatsiatsiaka izao izy mora hohanina!"
- "Asanao ary anaka fa dia mazotoa!"
Izaho etsy mikesokesoka mafy mihinana ity sakafoko, toy ny zato taona aho tsy nahita hohanina... ny mason'I mama kosa etsy anatin’ilay harona sachet misy akanjon-jaza... "Malahelo ny zanako aho," hoy izy toa miteny irery nony farany! Tsy mety izao ataon-drizareo izao fa ho any aho rahampitso," hoy izy tany an-tsainy tany. Hahita ahy kely ianareo anio ry Mpanana!"
Ny ampitso maraina, vao nangiran-dratsy dia nivoaka vao maraina i Mama. Tsy nipy maso izy iny alina tontolo iny fa dia maika handeha ho any amin-dRatrema no tao an-dohany. "Hapoakako ny marina" hoy izy, “dia ho hita eo izay ho tafavoaka velona. Rehefa levona ve izy mianakavy tsy ho izaho no hitaiza ny zafikeliko?"
Poa toa izay izy dia tonga teo am-bavahady ary mbola eo am-panapotserana tsy an-kijanona ity lakolosy fiantsoana izy, no indro i Malala tsy hitany akory avy ao aorianany.
- "Tsy i Maman’i Hery ve ianao azafady?"
- "Ah, i Madame Malala? Manao ahoana ianao ry Madama?” hoy mama sady safotra nitambotsotry ny fahatairana izy. Nosaringotin’i Malala avy any anaty entany avy any haingana ny telephone-ny dia niantso ny hopitaly handefa fiara izy. I Ratrema moa efa lasa vao maraina be nijery asa, ka izany no nampifoha maraina an’i Malala sy nivoahany naka rivotra tany ivelany. Afaka antsasak’adiny, tonga ny fiara.
- "Fa inonao ry Madama ity vehivavy ity?”
- "Tsy fantatro io tompoko hoe iza na iza, fa olona sendra nandalo fotsiny angamba io," hoy izy niala sady niditra tao an-tranony haingana.
Ny dokotera koa moa tsy nanadihady be loatra azy vao nahita ny kibony.
Nitebiteby fatratra i Malala io maraina tontolo io noho ny laingany tamin’ny mpitsabo tonga naka an'i Mama teo ambavahadiny. Asa koa izay antony nandaingany fa izao izy vao lasan’eritreritra mafy tamin’iny zava-nitranga iny. Saika hiantso an-dRatrema izy kanefa niahotra indray, hiantso ahy moa, toa tsy ho vitany mihitsy fa dia natahotra izay handraisako ny fihetsiny izy raha fantatro ny marina. Nony efa nieritreritra elaela teo izy dia nanamboatra saina fa nety ihany iny fihetsiny iny, satria tsy fantany marina izay antony nahatongavan’i Mama tany aminy vao maraina mandeha irery toa ireny.
Nony atoandro dia tonga i Ratrema hisakafo, inty eny an-tànany nisy harona plastika maloton’ny vovoka.
- "Malala, fa entanao angaha ity no dia narianao tao am-bavahady?" hoy izy sady nanoroka ambadiny.
- "F..fffa inona moa iny?" hoy izy gaga.
- "Ohatry ny akanjon-jazakely ny fahitako azy, avy niantsena angaha ianao?"
- "Iiiie! Hay adinoko tao am-bavahady hatramin’ny entako marina... Variana nitady lakile hamohana vavahady aho teo dia tsy tsaroako akory ny harona teny an-tànako. Misaotra Ratrema!"
Nosokafan’i Malala ilay harona ka indreo akanjon-jaza maromaro no tao anatiny... "Tena an-dRafotsy teo itý!" hoy Malala niteny irery... "saika homeny ahy ve? Fa ahoana? Fantany angaha sa maninona? Aza hitako ka fantany hoe zanak’i Hery i Toky! Ity Hery koa moa mbola mino hoe zanany koa ity ato an-kiboko ity... Loza... Inona no ataoko? Holazaiko an-dRatrema ve? Ary raha fantany ny marina rehetra dia ahoana ny tohiny? An, an, an! tsy haka risika amin’izany mihitsy aho ka!! Aleo aloha ho amin’izao!"
Nony hariva ny andro, efa tafatory iny daholo ny olona, no injay ny telefonin’i Alexia naneno tampoka...
- "Allo, ie izaho ihany, fa misy inona... An? fa nankaiza? An, an, an, tsy fantatro! Dia ahoana? Aleo fa ho avy any izahay sy Papa..."
| « | Jiona 2009 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | ||||