....
Tonga tao amin'ny tranon'i Alexia.....
Novohan'i Mahefa ny varavarana. Nanoroka azy teo amin'ny takolaka vetivety fotsiny i Alexia dia namonjy nametraka ny poketrany teo ambony latabatra.
- " Fa maninona izany zanako izany no ohatran'ny manjombon-tarehy? " hoy i Mahefa tsy nihambahamba nanontany.
- " fa inona no mahatonga an'i Dada manontany an'izany?" hoy i Alexia niezaka nanamboatra ny fijorony sy ny endriny mba hanafenany ny aditsainy izy nivoaka ny fiaran'i Tojo teo.
- " Efa mba ela niainana ihany anie aho anaka" hoy i Mahefa somary nisarika anjanany handeha hamonjy hipetraka teo amin'ny seza lava eo amin'ny efitrano fandraisam-bahiny.
- " An, an, an. Sahirana ny saiko ry dada fa ohatran'ny nanao sangisangy izay i Tojo tamiko androany rehefa nolazaiko izy hoe izaho maniry ny hanohy ny fianarako any Etazonia indray andro any dia hoy izy hoe ary ahoana hono ny aminy izany. Gaga be aho dia nasaiko nanjanony mihitsy moa ny fiara dia niresaka tsara izahay ary dia nolazainy fa te hiaraka amiko hono izy... Saika halaim-panahy hanaiky ihany aho saingy tsapako hoe mbola mavesa-danja lavitra ato anatiko ny fitiavana an'i Hery dia notsoriko taminy fa namana akaiky no tena tiako andraisana azy. "
Nony afaka kelikely,...
- " Ndao hivoaka hisakafo any amin'n restaurant" isika mianaka androany hariva fa ohatran'ny kamokamo ny hahandro aho izany hoy i Mahefa, sa mazoto ny hahandro indry?"
- " An, an, an. Ohatran'ny kamo koa aho izany fa ndao ary hihinana any ivelany." Hoy i Alexia tsy naka sarotra sady nandray ny poketrany. " Tsy aleo ve anefa aloha antsoina ilay dokotera naman'i Hery izany vao mandeha isika?"
- " Ndao ary " hoy i Mahefa sady navoakany ny taratasy kely tany anaty paosiny mirakitra ny laharan'i Mihary.
Tadio (tadiompitiavana@gmail.com)
Navadiky Hery ny tafa nony kelikely ka hoy izy hoe
Tadio (tadiompitiavana@gmail.com)
- " De ho votsitra ve izany ity tranontsika ity Ratrema? " hoy i Malala nony avy eo. Hita ho tena very hevitra tampoka teo.
- " Raha ny tena marina aloha" hoy i Ratrema namaly " dia izay tokoa no tena izy saingy rehefa tena nisaintsaina lalina ny fandehan'izy ity aho dia ohatran'ny te hanolotra an'izao soson-kevitra izao an'ilay rangahy nampindram-bola antsika, sao dia mba mety ihany izy?"
- " Hoe ahoana?" hoy i Malala liana dia liana fatratra ny amin'izay hevitra hitan'ity vadiny.
- " Nieritreritra aho" hoy i Ratrema " hoe maninona moa raha resahina ilay rangahy iny raha vonona ny ho mpiombon'antoka amintsika ao amin'ny orinasa? Izany hoe lasa mampiasa vola ao amintsika izany izy, sa ve tsy mety izany eritreritro izany?" hoy ihany Ratrema sady nifantoka teny amin'ny tarehan'i Malala ny fijeriny miandry fatratra izay mety ho hevitry ity farany.
Nangina tanteraka aloha ny efitrano nisy azy roa nandritra ny segondra vitsivitsy. Tsy nampoizin'i Malala ary tsy noheritrerentiny mihitsy tokoa matnsy izay vaha olana hitan'i Ratrema izay. Ny fanontaniana nibahana tao antsainy anefa nony avy eo dia ny hoe hanaiky an'izany tolon-kevitra izany tokoa ve ilay rangahy.
- " Dia ahoana raha tsy mety izy," hoy i Malala toa te hanontany raha efa misy hevitra hafa hitan'i Ratrema raha mandamoka io hevitra voalohany hitany io.
- " Raha tsy mety moa izy izany dia lasany ny trano" hoy i Ratrema sady nisento kely izy niheritreritra ny zavatra mety hiseho.
- " Tena tsy foiko mihitsy ity trano ity ry Malala. Be ny zavatra raketin'izy ity" hoy i Ratrema " fa tsy maintsy mitady fomba hafa aho hamerenana ny volan'olona"
- " ...Dia rahoviana izany ianao no mieritreritra ny hiresaka amin'ilay olona?"
- " Hitanao mety ihany ve anefa izany hevitro hanasa azy hampiasa vola amin'ny orinasantsika izany?"
- " Ohatran'ny tsy hitako hoe misy hevitra hafa firy intsony aloha" hoy i Malala sady naka toerana tsara izy. " Enga anie mba hanaiky fotsiny izy fa raha tsy izany de asa fotsiny izay hanjo antsika..."
- " Tsy manana safidy tokoa aho ry Malala fa aleo andramana aloha sao dia mba manaiky ihany izy fa tena efa andohalika ity ranombary ity" hoy i Ratrema.
Afaka tanteraka ny fanirian'izy roa ny hiray aranofo teo fa ny olana mianjady amin'ny fianany no toa lasa samy nibahana tao antsain'izy ireo.
- " Andao izany aloha hatory" hoy i Malala " Fa ataovy izay fomba hihaonanao haingana amin'ilay rangahy io. Iza tsara moa no anarany?" hoy ihany Malala nanohy sady niverina nitsilany hiatrika ny torimasony io alina io.
- " Tsy tadidiko ilay tena anarany feno" hoy i Ratrema fa ingahy Ramanana no tena ahafantarako azy"
- " Antsoy izy izany " hoy i Malala " dia hohitantsika eo indray izay tohiny fa aza be eritreritra aloha fa ndao hatory amin'izay" sady novonjeny notakarina ilay famonoana jiro tsy dia lavitra ny andoha fandrianany teo.
- " f'angaha tsy hoe mbola haka tsirony amiko eto ambony fandriana ianao izao" hoy i Ratrema somary nanatsafa kely an'i Malala.
- " An, an, an!" hoy i Malala tsy niherika tany amin'i Ratrema akory. " Ohatran'ny tapaka tanteraka mihitsy ilay fahazotoako teo. " Rahampitso indray !" sady nakimpiny moramora ny masony niezaka nitady torimaso. Tsy namaly i Ratrema fa ny tanambadiny fotsiny no noraisiny moramora dia norohany sady hoy izy hoe"
- " Matoria tsara ary izany vadiko izany" dia iny koa izy no niezaka nitady torimaso iny alina iny.
Tsy ela taorian'izay dia nigadona teo amin'ny varavaran'ny tranon'i Hery i Mihary sy Tahiana. Vao tafiditra tao anatiny.
- " Vohay haingana aloha ny varavaran-kely hidiran'ny rivotra madio" hoy i Tahiana sady nanodro ny toerana tokony haleha tamin'i Mihary " Ohatran'ny mitady hisy fofona lao sahady izy izany ah."
Niserana kely tao antsain'i Tahiana ny fotoana nandalovany tao amin'ity trano ity. Nitsiky kely fotsiny izy tany anatiny tany nahatsiaro ny tsirom-pahasambarana niainany niaraka tamin'i Hery tao. Efa tantara fotsiny tokoa moa ireny hoy izy tany anatiny tany.
Vetivety dia hitan'i Tahiana sy Mihary ny zavatra notadiaviny dia indro izy roa vavy mianaka fa namikiviky namonjy ny hopitaly mba hanaovan'i Hery sonia ny seky tsy mbola misy tarehim-bola hoentina hividianana ny tapakilany sy ireo taratasy ho fenona maro isankarazany. Izay no ela dia lasa izy roavavy namonjy ny biraon'ny zotra an'habakabaka teo Analakely sady nikarakara ny fahazon-dalana mivoaka hoany Frantsa.
Mbola hitohy.
Tadio (tadiompitiavana@gmail.com)
Efa tsy andrin'i Hery mihitsy ny ahatongavan'ny andro alahady hiondranany any Frantsa hanaovana ny fandidiana azy ary indrindra indrindra moa ny hahitany ilay malalany. Raha iny izy mbola variana naka sary antsaina ny mety ho fizotran'ny fihaonany indray amin'i Alexia iny indrindra no indro niditra ny varavarana i Haja.
Ny ampitso Alahady teny amin'i seranam-piaramanidina teny Ivato.
Indro i Hery natosika tamin'ny fandriana misy kodiarana namonjy ny efitra hiondranany.
- " Hatreto ihany izany ianareo mpanatitra no afaka miditra" hoy ilay tovolahy iray niandraikitra ny fisavana ny antontan-taratasy"
- " Eny ary!" hoy i Fano tamin'i Hery "fa dia mirary an'ialahy ho tody soamatsara any izahay sady ho tontosa ampahombiazana ihany koa ny fitsaboana, ary mba ho finaritra ihany koa ialahy mahita ny an'i Alexia"
- " Misaotra betsaka anareo roa tamin'ny fisahiranana rehetra " hoy i Hery. " Tsy ho adinoko izay vitanareo tamiko. Aza mbola atao mihitsy aloha ny raharahanareo roa raha tsy tonga aho an!" Tsy naharitra fa toran'i Hehy i Fano sy Tahiana ary i Mihary naheno ity zavatra nolazain'i Hery farany ity.
- " Aza matahotra ianao ry Hery fa miandry anao izahay an!" hoy i Tahiana mbola lokilokin'ny hehy sady nanao veloma azy roa hanainga tsy ho ela handao an'i Madagasikara.
Niresaka kely vetivety teo izy roa sady nifoha nandeha nidio maimaika. Sendra nitopy tany amin'ilay famataran'ora elektronika nihantona tamin'ny rindrina i Tahiana raha izy hiverina ho eo ambony fandriana iny:
- " Oay! Efa amin'ny roa maraina sahady fa ndao hatory amin'izay." Sady nitsofoka tao anatin'ilay lamba fotsy nandrakotra ny fandriana izy no namonjy niondana kely teo antratran'i Fano.
Mbola hitohy.
Tadio (tadiompitiavana@gmail.com)
| « | Martsa 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | 31 | |||||