- " Aleo ianao sy ny entana ajanoko eto" hoy i Tojo tamin'i Alexia sady naka sisiny teo amin'ny toerana fijanona vetivety izy ".. ireo efa miandry ireo ry Malala fa izaho sy Mahefa tsy maintsy mbola hanatitra ny fiara any ambany. Terminal A no halehantsika rehefa avy eo. Any no andraisana ny zotra Air Mad tsinona."
- "Eny ary!" hoy i Alexia tamin'i Tojo sady nitsiky kely izy no narahiny hoe
- "Aza ela any ianareo an."
- "Vetivety fotsiny kah." Hoy i Tojo sady nivoaka hamoaka ireo valizy napetraka teo amin'ny sezan'ny fiarany taoriana izy.
....
Vao nanomboka niditra ny Terminal A dia tsinjon'izy ireo fa misy tarehy Malagasy maromaro nanao dia maika teo alohan-dry zareo.
Niherikerika i Alexia sady miezaka manaradia ny rehetra ihany. Na dia teo CDG aza moa no niantsonan' ny fiara manidina nitondra azy nankany Frantsa dia tsy nisy zavatra hitany firy raha tsy vao izao indray.
- " Mora mahavery ato izany ry Tojo" hoy izy " Raha tsy mitandrina"
Nitsiky kely fotsiny i Tojo sady namaly hoe:
- "Amin'ny voalohany fotsiny ianao no mahatsapa ohatran'izay fa rehefa mankaty matetika ianao dia mandeha hoazy io sady misy toerana azonao anontaniana foana anie."
Efa nanomboka ny fandraisana entana no tonga ry zareo. Namonjy nilahatra avy hatrany i Malala fa i Mahefa sy Tojo ary i Alexia sy ny ankizy no somary nitokana niresaka kely aloha nfanontany sao dia misy olona fantatr'izy ireo nanodididina teo.
Tovolahy iray tsy mitondra afatsy valizy kely taritina no teo alohan'i Malala. Fantany avy hatrany fa gasy ilay tovolahy ka tsy nisalasala ny anao vavy fa tonga dia nanontany:
- " Azafady anie, io ihany angaha ny entanao?" hoy izy sady nitsikitsiky.
- " Ie," hoy ilay tovolahy namaly tamim-pitsikiana ihany koa " fa ahoana?"
- " tsy izany mantsy fa izaho sy iretsy zanako roa iretsy " sady notondroiny ry I Toky sy Cynthia no handeha ka saika mba hiangavy fotsiny aho raha mba afaka manampy ahy mitondra ny entana sasany ianao rehefa lasa ireo mpanatitra ahy?"
- " Tsy maninona kah" hoy ilay tovolahy tsy naka sarotra sady niverina nitodika tany aloha indray izy.
...
- " Tena raharaha izy ity ry Malala " hoy i Mahefa " fa tena tsy misy olona fantatray sy Tojo mihitsy amin'ireto olona handeha ireto, tsy ho zakanao samy irery anefa ireto rehetra ireto sady mbola hitondra ny ankizy ihany koa.".....
- "Izay izany" hoy i Mahefa tamin'i Malala telo mianaka nony avy eo "fa dia soava dia ianareo. Aza be ahiahy ny aminay mianaka mijanona aty. Miantsoa raha vao tonga any an."Tsy ela taorian'izay dia iny I Malala misomebiseby mandalo ny fisavana pasipaoro sy ny tapakila fidirana hamonjy ny zotra hoany Madagasikara. Niherika nanao topi-maso indray mandeha avy fotsiny izy telo mianaka mpanatitra dia lasa namonjy ny tohatra midina nakany amin'ny fametrahana fiara.
- " Izaho lesy Tojo tonga dia handeha hoany ampiasana fa mba afaka manatitra an'i Alexia any antrano ve ialahy?"
- " Tsy maninona " hoy i Tojo tsy naka sarotra "sady lalako mody ihany koa tsinona iny."
....
Toa tsy andrin'i Malala ery izay ahatongavana any Madagasikara. Betsaka ny zavatra nifamahofaho tao antsainy ny amin'izay ho hitany any. Toa tiany hadinoina daholo anefa izany rehetra izany aloha fa mila fitoniana ny sainy. Ndeha mba hisotro divay kely aho androany hoy izy amin'izay tonga dia mahita tory rehefa avy misakafo. Nony nandalo tokoa ilay tovovavy mpikarakara eny ambony fiara manidina dia tsy nisalasala i Malala nangataka ny mba hanomezana azy divay kely miaraka amin'ny sakafony. Maivamaivana sady toa sambatsambatra izany no nahatsapany ny tenany nony vita ny sakafo. Toa adinony avokoa ny sorisorin-tsainy rehetra sy ny ahiahiny ny amin'izay miandry azy any Madagasikara. Nahatsiaro te hatory izy nony avy eo ka dia nesoriny aloha ny kirarony ary novahany ny fehikibon'ny seza nipetrahany mba ahafahany mahazo aina tsara. Tsy naharitra anefa izy nony avy eo fa niangavy tamin'ny Rado hoe:
- " Mba afaka miankina aminao ve aho raha hatory?"
- " Tsy maninona kah" hoy i Rado sady tonga dia nosarihiny moramora hanatona azy akaikaiky i Malala no nampandriany hiondana teo amin'ny feny. Nahakasika tsy nahy ny tarehan'i Malala anefa ny tanany tamin'izay ka taitra mafy izy ny amin''ny halefahan'ny hodi-tarehan'ity ramatoa miodana eo aminy.
- " Mba malefaka hoditra koa ity Malala ity izany " hoy izy aneritreritra sady toa nifoha tampoka ny filana tany anatiny tany. " Tena ohatran'ireny hodi-jaza kely ireny mihitsy ny halefahany" . Somary efa maizimaizina moa tao anaty fiara tamin'io araka ny fanao isaky ny vita fisakafo eny ampandehanana eny mba ahafahan'ny mpandeha matory ka dia ohatran'ny vao maika naka fanahy ity tovolahy. Tsy naharitra intsony izy nony farany fa dia nanomboka nolalaoviny moramora ny volon'i Malala. Tsy nanohitra na dia kely akory aza anefa ity farany, asa na nohon'ny vokatry ny alikaola kely nosotroiny teo na dia izy mihitsy no nahazo fahafinaretana tamin'izay natao azy fa dia navelany hanohy ny safosafony teo i Rado. Nihitatra ny filana tao amin'ilay tovolahy ka dia nafindrany teo amin'ny takolaky Malala indray ny tanany rehefa avy eo sady nandramany nampandalovina teo amin'ilay molotra somary matevina malefaka feno loko mena teo ny rantsantanany. Hakory ny hagagan'i Rado fa toa nohejehan'i Malala notsetsafina ilay rantsan-tanany anakiray mbola taraikiraiky teo. Taitra nangoritsina i Rado tany anatiny tany ary dia nanomboka nivonto niaraka tamin'ny izay ihany koa ny filahiany izay niondanan'i Malala. Nihatery hatrany ny pataloha nifono ny filahiany. Tsy azony ny ainy ka dia niezaka naka toerana tsara araka izay azony atao izy sady nijery ny manodidina izay toa efa samy mitady torimaso mirakotra lamba avokoa. Henon'i Malala tsara ny fivontosana niondanan'ny hatony. Na dia vao omaly aza moa izy no nomen'i Tojo ilay fahafinaretana tao amin'ny efitranon'ny Alexia dia tsapany fa mitady mafy indray ny vatany manoloana ity tovolahy bikana sady nofosana teo anilany. Taitra ny vatany. Toa te hanao adalana izany ny fahatsapany ny tenany. Norakofany lamba tsara ny tenany iray manontolo dia noraisiny moramora ny tanan'i Rado nony avy eo hamaha ny bokotra akanjony ambony niafina tao anaty lamba. Takatry Rado avy hatrany ny tian'ity vehivavy hatao ka dia tsy nisalasala koa izy fa dia nanatanteraka avy hatrany. Natsofoky Rado moramora teo amin'ny nonon'i Malala amin'izay ny tanany ankavia nony avy eo. Fafiny tsy misy ohatran'izany no tsapany nanenika ny vantany iray manontolo fa toa lafatra loatra ny fahatsapany ireo nono mivohitra be toa voasary voaharony tao. Henony tsara fa henjana sady somary matevintevina aoka izany ireo loha nonon'i Malala. Mbola mitana mihitsy ity madama ity izany hoy izy tany antsainy tany sady notohizany hatrany ny safosafo sy ny fanatsongotsongoina malefaka ireo lohanono anakiroa. Nony kelikely dia nahiratry Malala moramora ny masony sady nangalam-pijery tany amin'ity tovolahy vao fantany ora vitsivitsy monja izy. Tsy niteny i Rado fa tsiky koa no navaliny azy tao anatin'ny hazavana mitsilopilopy tao. Tsapany fa samy nanenika azy roa ny filana te hanakatra ny lafatra kokoa...
Tadio
Tadiompitiavana@gmail.com
Tapakevitra i Rado fa hanome izay tadiavin'ity vehivavy sendra nandalo tamin'ny fotoana tsy nampoiziny teo amin'ny fiainany ity. Narosony hidina lalindalina tany anaty atin'akanjon'i Malala tany ny tanany ankavia ary ny tanany ankavanana indray kosa dia nitohy nanafosafo moramora ny lohan'ity farany. Niverina nikipy indray ny mason'i Malala toa nankafy ny safosafon'izato olon-tsy fantany fa nahasarika azy tsotra izao fotsiny. Tiany ny mahatsapa ny fahasahian'ilay tovolahy mamakivaky tsy ampihambahambana ny tenany iray manontolo. Zipo fotsy malefaka vita amin'ny lamba landy ireny moa no teny ankoditr'i Malala. Elastika no nitazona azy teo ambalahany ka tsy nananosarotra tamin'ny ratsan-tananan'i Rado ny nitsofoka tao anatiny. Tsy ela akory dia tonga teo amoron'ilay dongona teo anelanelam-pen'i Malala izy. Somary niahotra kely aloha i Rado sady nijery ny manodidina azy. Tsaroany tampoka mantsy fa tsy irery akory izy roa. Efa voaentanin'ny filana anefa i Rado ka tsy poa toy izay dia efa niroso moramora niditra tao anatin'ilay silipon'i Malala ny rantsan-tanany vitsivitsy. Somary taitra kely ny anao vavy sady ohatran'ny hoe ndeha hanakatona ny feny vao naheno ny safosafon'i Rado efa tafapaka hatreo amin'ny tampon'ny zohim-pahafinaretany. Iny Malala mbola varimbariana iny no nampidinin'i Rado hiditra lalindalina ny fanondrony sy ny fanondro adalany. Niontana kely ny fon'ny tovolahy nahatsapa fa hay efa tena hotsaky ny rano tanteraka ny fivavian'i Malala. Navezivezin'i Rado moramora tamin'izay ary ny rantsantanany anankiroa nony avy eo sady somary nataony niaka-nidina rehefa avy nampandaloviny kely teo amin'ilay kitsom-pahafinaretan'i Malala izay tena nihijitra aoka izany. Tsapan'i Malala fa miha manenika ny tenany ny hasambarana. Novelariny kely ny feny hisabaka tsara mba ahafahan'ny tanan'i Rado nanafosafo tsara ny fivaviany efa tena lonaka tanteraka. Toa tsy misy zavatra tian'i Malala ho tadidiana intsony tamin'izay fotoana izay afatsy ny fahafinaretana tsapany miha mananika tsikelikely ny tenany iray manontolo. Henony fa nihamafy ny fisefony sady toa niha nafana ny fofon'aina nivoaka tamin'ny vava orony. Niezaka naina moramora izy mba tsy hanaitra ny manodidina na dia toa ila tsy ho voafehiny intsony aza izato fahasambarana mananika ny vatany. Nampidirin'i Rado lalina tany anatin'i Malala tany ny rantsantanany iray ka tsapany fa toa somary mikentron-tarehy izay i Malala isaky ny voakasiny ilay faritra misy nofo kely mihantona ao anatin'ny fivavian'i Malala ao. Noverenany nokasihina indray ilay faritra ka somary nimaona tsirom-pahafinaretana izay ny anao vavy. Teo i Rado vao tena nahatsiaro fa mety tsy hahatana ny haka fafiny ampahanginana ao intsony i Malala raha mitohy izao ataony azy izao ka dia novonjeny notapenana haingana tamin'ny tanany ilany ny vavan'i Malala mba ty hamoaka feo. Toa vao maika nampihodina ny bokotra fampandehanana tao anatin'i Malala anefa izany fihetsiky Rado toa manakana azy izany ka vao maika nitankisina tamin'ny toerana natoriany teo ny anao vavy sady toa nanenjika ireo rantsan-tanana niditra sy nivoaka ary namakivaky ny halavan'ny zohim-pahafinaretany. Natahotra tampoka i Rado nanoloana ny zava nisy fa toa miha tsy tompon'ny tenany hatrany ilay vehivavy omeny fahafinarentana. Tamin'izay fotoana izay indrindra no nisy vehivavy lehibe iray nipetraka tsy dia lavidavitra kely teo alohan'i Rado nizotra nanatona ny lalantsara hoan'ny amin'ny toerana fivoahana izay tany aoriana. Nahenan'i Rado avy hatrany ny fihetsin'ireo rantsantanany havia mbola tavela teo anelakelam-pen'i Malala sady nikoropaka haingana ny tanany ankavanana nanarona tsara ny lamba nirakofan'i Malala izay efa ila ho latsaka tamin'ny tany. Nihiratra tampoka i Malala sady niandradra nijery an'i Rado toa manontany hoe fa maninona no ajanonao. Tsy namaly anefa i Rado fa ny tanany ankavia no nosintoniny moramora hiala tao anaty silipon'i Malala. Niondrika moramora i Rado nony avy eo dia nibitsibitsika tamin'i Malala izay niondana teo amin'ny feny hoe:
- "misy olona!!".
Nony afaka kelikely dia tsy naharitra i Malala fa namaky ny fahanginana tao anaty fiara nisy azy efa-mianaka.
- " Manao ahoana ny fandehan'ny orinasa aky chéri?, fa inona marina no tena nitranga fa ianao moa tsy nety niteny tamiko fa hoe aleo aho rehefa tonga aty ilazanao azy?"
- " Raharaha sarotra ilay izy ry Malala fa aleo rehefa tonga any antrano isika miresaka azy milamina" hoy i Ratrema sady nivily namonjy an'iny lala-manitsy mivoaka any Alarobia avy eo Ambohimanarina iny izy hamonjy ny tranon'izy ireo eny Ivandry. Nanomboka niketriketrika ny sain'i Malala nanontany tena ny amin'ny olana mety mianjady amin'ny vadiny sy ny orinasa.
Tsy ela taorianan'izay dia indro fa migadona eo anoloan'ny vavahady be miditra ao antananany i Malala mianakavy kely. Toa nahatsapa finaritra izany ny anao vavy nahita ity toerana mahazatra azy. " Hafa ihany lahy izany tonga aty amin'ny an'ny tena izany!" hoy izy tany ampony tany. Nasainy nampidirin'ny mpanampy tany antrano ny entana dia iny izy mivady miaraka ny ankizy nanaraka avy ato aoriana.
- " Tonga soa izany vadiko izany!" hoy i Ratrema sady nosintoniny hanatona azy akaiky i Malala sady norohany moramora teo amin'ny molony nony lasa ireo mpanampy roalahy. " Banga anao mihitsy ity tonkatranon-tsika ity." Hoy ihany Ratrema toa niha fenofeno hafanana izany ny tarehany. "Ilaiko mihitsy ny fisinao eo amin'ny fiainako ry Malala a!"
- " Misaotra aky chéri fa mila anao koa aho ary tsapako mihitsy ny fahabanganao tamin'ny namelanao anay irery tany andafy tany." Nisento kely aloha i Malala nony avy eo vao nanohy
- " Ity vaovao ratsy momba an'i Hery sy ny resaka orinasa ity no hitako manembatsembana ny fahasambarako tonga soamatsara eto anilan'ny vadiko"
- " Aza alefa lavitra ny eritreritrao aloha fa efa ndeha hijery an'i Hery isika rehefa kelikely. Ny resaka orinasa indray dia inoako fa hahita vaha olana isika" hoy ihany Ratrema sady norohany moramora indray ny handrin'ny vadiny.
- " Mahatsapa fahatoniana izany aho rehefa eto anilako ianao " hoy i Ratrema nony avy eo. Teo vao tena tsapan'i Malala ny hasarobidiny eo anatrehan'ny vadiny.
- "Aleo aloha aho handro vetivety" hoy i Malala "dia mba makamaka aina kely isika vao mandeha misakafo sa ahoana?"
- " Eny ary!" hoy i Ratrema sady nandeha nanantona an'i Toky sy Cinthya tsy dia lavitra teo izy.
- " Nihalehibe tany andafy tany letsy ialahy ry Toky kely nefa vao vetivety ihany anie izay tsy nifankahitantsika izay eh". Vao hitan'i Toky fa tamy nanatona azy ny dadany dia inyizy no nIhazakazaka hifanena aminy ihany koa sady namelatra ny tanany anakiroa toa mangataka ny hibatana azy...
Ny nialan'i Malala teo amin'i Ratrema anefa no ela dia niverina tao aminy indray ny fahamaizana te hahalala mafy izay tena nanjo an'i Hery. Nifamadibadika tao antsainy daholo izao eritreritra ratsy isan-karazany rehetra izao. Toa tsy andriny ny fotoana handehanana any amin'ny hopitaly. Midobodoboka mafy ny fony raha vao mieritreritra an'i Hery sady toa mangoritsin'ny tahotra ny vatany.
...
Namonjy natoritory teo ambony fandriana i Ratrema nony avy eo toa miandry ny vadiny hamonjy azy. Tsy ela taorian'izay tokoa dia Indro tamy nanatona azy i Malala manao akanjo malefaka ireny fitondra avy mandro ireny.
- " Tsy andriko mihitsy ny nahatongavanao ry Malala" hoy i Ratrema sady nikisaka nanakaiky kokoa ity vadiny izy.
- " Izaho koa anie!" hoy i Malala ohatran'ny namaly tsy sazoka izany. "Asa na mbola reraky ny dia anefa aho na manao ahoana fa tena ohatran'ny tsy manana aina hanomezana fahafaham-po anao izany mihitsy aho izao? Maninona raha amin'ny hariva vao manao isika?"
Ohatran'ny notapohina ranomangatsiaka ny vatan'i Ratrema naheno ilay tenin'i Malala farany teo ka avy hatrany dia nalefaka avy hatrany ilay filahiany efa somary nibotsina tsikelikely teo ampieritreretana ny fahafinaretana mety ho azony miaraka amin'ny vadiny.
- " Tsy maninona ary!" hoy izy " fa azoko tsara ny havizananao sady mety nanampoka anao koa ilay vaovao ratsy momba an'i Hery teo. Rehefa vonona ny handeha ianao dia ilazao aho fa handeha hoany amin'ny hopitaly izany isika" hoy i Ratrema niezaka nanamboatra saina sady te hampitony ny fiasan-dohan'ity vadiny.
- "Aleo ary hatoritory kely fotsiny isika dia mandeha misakafo any ivelany rehefa avy eo sady tonga dia mandeha mivantana any amin'i Hopitaly. Tsy efa fantatrao hoe aiza no toerana misy azy?" Hoy i Malala naka toky ny amin'ny hahitana an'i Hery io andro io ihany.
- " Efa fantatro kah" hoy Ratrema sady niarina moramora niala teo ampandriana izy.
...
Teo ampisakafoanana tao amin'ny hotely mihaja iray eto andrenivohitra.
- " Saika hoe rahariva moa aho vao te hiresaka aminao mikasika ny orinasa fa ohatran'ny tsy andriko ilay izy dia aleo hazavaiko tsotsotra aminao ny fandehany." Hoy i Ratrema toa somary nitankisina tsy dia nahazo aina teo amin'ilay seza nipetrahany.
Na dia ny momba an'i Hery aza no nameno ny sain'i Malala dia tsy afa-niala intsony izy fa dia voatery naneho fahavononana hihaino ity vadiny izay tsinjony fa toa niha malok' endrika tampoka.
Nanomboka nitantara ny zavatra novantaniny avy any ampitan-dranomasina amin'izay ary i Ratrema. Nohazavainy tamin'i Malala teo ny fahabangana ara bola goavana diavin'ny orinasa, ny hetram-panjakana tsy maintsy aloha, ny tsy aneken'ny banky hanpindram-bola azy ireo intsony sy nahavoatery azy nanao antoka ny tranon-dry zareo eny Ivandry amin'ilay namany. Teo i Malala vao tafatombina tsara tamin'ny resaka resahin'i Ratrema ny sainy. Toa tsy mampino azy ny zavatra henony. "Dia ho sanatriavin'ny vava ve" hoy izy tany antsainy tany "dia ho lasan'izany olona izany io trano ipetrahanay io?" Adinon'i Malala tampoka teo ny momba an'i Hery aloha.
- " Dia rahoviana no tokony hamerenanao ny volan'izany namanao izany " hoy i Malala toa mangovitra sady mijery tsara an'i Ratrema mipetraka amin'ny eo amin'ny seza mifanatrika aminy.
- " Mbola manana roa volana aho" hoy i Ratrema " Fa raha vao dify kosa anefa io dia izay ny amin-tsika fa dia votsitra ny trano... Tsy maintsy mitady vaha olana hafa isika fa tena tsy foiko ho lasan'olona io trano io kah. Tao daholo no lehibe ny zanako ka tena tsy foiko mihitsy e... Inona no mety ho hevitra hitanao?" hoy Ratrema sambany nanontany an'i Malala amin'ny fanapahan-kevitra goavana mikasika orinasa sy ny fiainan'izy ireo tahak'izao. Niherikerika nijery ny manodidina azy teo aloha i Malala tsy nanampo ity fanontaniana miantefa eny aminy vao namaly:
- " Tena tsy hitako izay hatao Ratrema fa aleo aloha aho hieritreritra dia rahariva indray isika miresaka fa tena mila sainina milamina izany zavatra izany. Aza manary toky fotsiny fa mino aho fa tsy maintsy hisy làlana hosokafan' Andriamanitra hoantsika" sady noraisiny moramora ny tanan'i Ratrema nipetraka teo ambony latabatra mba hankahery azy.
- " Misaotra Malala a. Mahatsiaro sambatra aho manana anao" sady nitsangana i Ratrema no nametraka ny hafaliam-po hoan'ilay mpandroso sakafo teo ambony latabatra. Tsy ela taorian'izay dia indro izy mivady nizotra moramora namonjy ny fiara tao ivelany.
Afaka antsasa-kadiny taty aoriana...
Niantsona teo amin'ny fametrahan'ny mpamangy ao amin'ny hopitaly fiara i Ratrema. Tsy dia nahitana teny firy loatra moa i Malala teny andalana. Niha mafy indray ny fidobodoboky ny anao vavy. Noezahiny naverina tao antsaina ny endriky Hery. Dia sanatria ve hoy izy dia tsy ho ohatran'izay no zavatra ho hitako ato? ...Efa azon'i Ratrema tamin'ny maraina avokoa moa ny laharan'ny efitrano nisy an'i Hery dia indro izy mivady namikiviky moramora niakatra ny tohatra sy namakivaky ny lalantsara lava be hoany amin'ity tovolahy izay nampisavoaravoara ny fiainan'izy ireo.
Niahotra kely aloha izy mivady nony tonga teo ambaravarana fa toa nisy olona maromaro tao amin'ilay efitrano. Sendra nahatsikaritra an'ireto mpivady nisalasala anefa ny iray tamin'ireo tao anatiny ka dia namonjy nivoaka sady nanontany:
- " Misy azo anampiana anareo ve tompoko?"
- "Saika hanontany fotsiny izahay raha ato no itazonana an'i Hery, ilay tovolahy voan'ny lozam-piarakodia tamin'iny làlan'ny fahaleovantena iny, andro vitsivitsy lasa izay?"
- " Fa iza moa ianareo" hoy ihany ilay tovovavy nanohy nanadihady.
- " Namany akaiky izahay, i Malala no anarako ary izy no Ratrema vadiko" hoy i Malala toa tsy namela an'i Ratrema hamaly ilay fanontaniana.
- " Faly mahalala anareo tompoko. Ato indrindra izy ary io mbola matory tsy mahatsiaro tena io. Izaho no Dr Mihary. Sady mpitsabo ato aho no namana akaiky an'i Hery ihany koa. Mandroso ary ianareo" hoy ihany i Mihary sady nanome seza ireto mpivady izay sambany vao hitany. Betsaka ny fanontaniana nifandimby nifanesisesy tao antsainy teo ampahitana ireto mpivady toa olona manan-katao mitady an'i Hery ireto. Mbola tsy henoko niresadresaka ny fisian'izy ireto tamiko mihitsy i Hery hoy ihany izy tany antsainy tany. Mino anefa aho fa misy ifandraisany akaiky aminy izy ireo matoa misahirana mankaty mihitsy. Raha mbola somary lasa fisainana kely teo moa i Mihary no nandeha nifampiharahaba tamin'i Tahiana sy Fano ry ingahy Ratrema mivady.
Valaka i Malala tamin'ny zavatra hitany. Moa tsy toa ireny tsy misy aina ireny intsony ny fahitany an'i Hery matory eo amin'ny farafaran'ny hopitaly. Nanganohano ny ranomasony. Tsaroany avokoa ireny fotoana mamy niarahany tamin'i Hery rehetra ireny. Dia ho sanatria ve dia ho faty na hanan-kilema mandrakizay ity rain-janako ity hoy izy tany antsainy tany. Toa tsy nanaiky ny sainy na dia kely dia kely aza ny tsirim-panantenana tao ampony mihaino ny fanazavana nomen'i Mihary an'i Ratrema.
- "Efa ho telo andro izy io izao" hoy i Mihary "no tsy nahatsiaro tena. Nisy tapaka moa ny taolan'ny feny dia efa io nasiana platira io hitazona azy tsy hihetsiketsika. Miandry azy hifoha izahay izao. Nisy voadona mafy ihany koa tamin'ny hoza-masony ka izay no nahatonga anay nanapa-kevitra ny hanarona ny masony ohatran'io. Mbola tsy tena fantatra aloha izay tena fandehany fa raha vao mahatsiaro saina izy dia ho tarafina amin'izay ny lohany hahitana raha zavatra mandalo ihany ilay fahajambana andalovany izao na hoe mety hijanona ho takaitra mandra-maty ho azy mihitsy."
- " Mbola tsy nahatsiaro tena mihitsy ve izany izy io " hoy i Ratrema nitompy maso tany amin'i Mihary sady nifindra haingana nijery ny tarehin'i Hery izay mitsilany eo ampandriana.
- " Nisy fotoana izy taitra kah. Izay no nanome fanantenana anay fa efa natahotra ihany aloha izahay tamin'ny voalohany. Ni-delira niantsoantso an'i Alexia izy...Toa hoe fofombadiny lasa nalefa notsaboina any andafy any izany Alexia izany raha araka ny fahafantarako azy " hoy ihany i Mihary nanohy.
Gina tsy nisy nahateny ingahy Ratrema mivady fa ny mason'izy ireo fotsiny no nifampijery toa nifanontany an'eritreritra. Nisento kely aloha i Ratrema vao nanohy hoe:
- "Zanakay vavimatoa izay Alexia notadiaviny izay. Vao anikeo moa aho vao naheno ny vaovao ary dia izao hitanao tonga aty izao. Ramatoa vadiko aza mbola reraky ny dia lavitra avy any Paris fa dia tsy nety mandry mihitsy ny sainay raha tsy tonga aty izahay.
- " Ianareo izany no ray amandrenin'i Alexia" hoy i Mihary tamin'ny feo somary malefaka. " Niresaka matetika tamiko momba an'i Alexia tokoa izy ry izy mivady ary dia tena tiany tokoa izany zanakareo izany..." sady niserana tao anatin'indray mipi-maso tao antsain'i Mihary indray ilay hariva nanomezan'i Hery azy ilay rojo volamena izay noheveriny ho fanehoam-pitiavana azy. Tadidiny fa nitady fitiavana mafy tamin'i Hery izy saingy toa nahatsapa ho voatosi-boho tanana. Tsaroany ihany koa ny hadisoam-panantenany ary toa mbola hitan'ny masony tsara mihitsy izy nirintona nivoaka ny trano fiasany sady nandray ilay fiara karetsaka izay narahin'i Hery avy ato aoriana ary dia niafara tamin'iny lozam-piaradia iny ... toa tsy tiany ho heritrerentina intsony anefa ny tohiny avy eo...
"Izahay ireo hitanao ireo moa no ohatran'ny hoe havany akaiky eto na dia namany fotsiny ihany aza." Hoy i Mihary nanohy ny resany rehefa avy eo.
- " Dia misaotra anareo be dia be" hoy i Malala fa raha tsy nisy anareo izany izy dia asa izay nanjo azy.
- " Marina tokoa izany " hoy i Ratrema nanohy " fa raha misy ilanareo fanampiana dia aza misalasa miantso anay mivady sady navoakany ny baoritra kely misy ny laharan'ny fidainy sy ny adiresin'ny birao fiasany eny Ankorondrano sady nomeny an'i Mihary.
- " Hoavy mitsidika eo ihany izahay mivady na mifandimby mandalo aty. Mba ilazao mihitsy izahay raha vao misy vaovao ny momba ny fikarakarana azy na ny toe-pahasalamany an!" hoy ihany i Ratrema nony avy eo sady toa nioman-komana ny handeha.
- " Tsy misy isaorana" hoy izy telo mianadahy mianaka toa saika niara-namaly saingy i Mihary ihany no nitohy nanohy avy eo nanao hoe
- " Aza manahy ianareo fa ianareo no antsoiko voalohany raha vao mifoha eo izy."
- " Eny ary" hoy Ratrema fa hangata-dalana aloha izahay mivady fa mbola reraka mafy ramatoa vadiko sady nanolotra valopy avy any ampaosiny izy hoan'i Mihary. "Ity mba misy fanampiana kely avy aminay mivady hanampiana amin'ny fitsaboana ny mararintsika."
- " Na dia tsy fianankaviana aza moa aho" hoy i Mihary dia raisiko izy ity satria izahay telo no miara mitsabo azy eto dia onera be ny nialany sady marary iaraha manana ny antsika io fa dia misaotra. Aza manahy ianareo fa miantso aho raha vao misy vaovao na dia anio ihany aza."
Nitopy teny amin'ny Hery indray ny mason'i Malala. Toa tsy mino ny sainy fa io ilay tovolahy tomady sady bikana mpanome fahafinaretana azy sady nanova tanteraka ny lalam-piainany. Tsy maintsy miverina aty ihany aho rahariva na rahampitso hoy izy tany antsainy tany fa aleo aloha hody kely haka saina amin'izay tokony hatao.
Nanantona manokana an'i Tahiana tamin'izay i Malala nony avy eo sady ohatran'ny nibitsibitsika moramora hoe:
- " Fa dia nanao ahoana loatra aky ity indry no tsy henoheno mihitsy. Raha tsy i Ratrema nandeha nanontany tany ampiasan'i Hery ve izany dia tsy ho nahafantatra an'izao mihitsy izahay?
- " Ialako tsiny be dia be akia fa tena be loatra ny erehan'ny lohako niakitra ny zava-niseho taty ah. Efa nieritreritra ny hiantso an-dry ihany aho hay moa indry no tonga taty mialoha... Manao ahoana i Alexia any?
- " Eny e, mba gagagaga fotsiny aho hoe zavatra ohatran'izao ve no mitranga dia kobokoboninareo aty fotsiny. ... efa mihatsara mihitsy i Alexia kah! Ny tena mahavaka ny sainay mivady izao dia fomba hilazana aminy ny vaovao. Asa izay hanjo azy. Izy mihitsy mantsy no nagataka tamin'i Ratrema ny hitadiavana an'i Hery tamin'izaho niala tany. "
- " Raharaha tokoa aky izany" hoy i Tahiana toa vaka mihaino ity namany.
- " Aleo akia aloha handeha izahay fa miverina eo aho na antsoiko indry rehefa avy eo." Sady lasa namonjy nanao dia maika hanenjika an'i Ratrema efa namindra moramora tao andalan-tsara izy.
Hita soritra teny amin'izy roa ny hakiviana raha iny izy ireo nidina ny tohatra hivoaka ny hopitaly iny. Toa adinon'i Ratrema ilay disadisa teny amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato mialoha ny nitondra an'i Alexia tany Frantsa. Ontsa an'ity tovolahy indray ny tenany.
- " Ahoana izany ny hevitrao" hoy i Malala tamin'i Ratrema.
- " Ahoana ny amin'ny ahoana moa no tinao tenenina ry Malala " hoy ity farany.
- " Ny fomba hampitana ny vaovao amin'ny Alexia izao no tena ho raharaha" hoy ingahy Ratrema nony avy eo. "Hanao ahoana re izy raha ilazana izao vaovao mampalahelo izao?"
- " Na tiantsika na tsy tiantsika" hoy i Malala "dia tsy maintsy tsorina aminy ny marina fa sao sanatria ny vava ka misy fivadihan-javatra tampoka eo izay vao tena mety ho raharaha be ny mety ho vokany."
Sady namoha ny varavaran'ny fiarany ingahy Ratrema no nijery ny famataran'ora teny antanany. Mbola mety afaka miantso an'i Profesora aho izao hoy izy tany antsainy tany sady noraisiny ny fiday nihantona teo amin'ny fehikibony. Naka toerana tsara tao anaty fiara izy nony avy eo. I Malala moa amin'io fotoana io naka toerana moramora ihany koa sady nangina tanteraka toa lasa fisainana lalina mandinika ny zavatra rehetra niandry azy taty Madagasikara. "Inona loatra re ity mahazo anay mianankavy ity eh" hoy izy tany antsainy tany. Ho tafavoaka amin'izao olana izaho ihany ve?
Nony afaka iray minitra...
- " Allo, Profesora Mahefa? ...ingahy Ratrema ihany ity! Manankorontana anareo mianaka fa azafady indrindra?"
- " An, an, An. Tsy misy olana mihitsy" hoy i Mahefa henon'i Malala nanako amin'ilay famoaham-peon'ilay telefona finday.
- " Ao akaikinao ao angaha i Alexia?"
- " Atsy anefitra fandraisam-bahiny atsy izy mijery fahitalavitra , hantsoiko vetivety ve?"
- " An, an, an. Aleo aloha isika mirahalahy no miresaka dia avy eo hita eo izay hatao" hoy i Ratrema somary nandamina ny feony.
- " Eny ary ry ingahy Ratrema fa alefaso fa mihaino anao aho " sady nandeha nivadika nikatontrano moramora tao amin'ny efitrano fatoriany izy.
Tadio (tadiompitiavana@gmail.com)
- " Tsy izany hoy aho ry Mahefa fa nandeha nitady an'i Hery tany ampiasana araka ilay fiangavian'i Alexia aho ary dia tena zavatra tsy nampoizina no sendra ahy tany fa hoe voan'ny lozam-piarakodia teny amin'ny lalan'ny fahaleovantena teny hono i Hery andro vitsivitsy lasa izay ary dia eny amin'ny hopitaly izy amin'izao fotoana izao.
- " Ahoana tsara hoe Ratrema?" hoy i Mahefa toa tsy nino ny zavatra henony.
- "Voadonan'ny fiara nirimorimo teo amin'ny valahany hono ny fiara karetsaka nitondra azy ary dia voa mafy mihitsy izy. "
- " Tena raharaha izany marina. Manao ahoana anefa hono izy amin'izao fotoana izao?
- " Eo indrindra no tena raharaha sady mahavaky ny lohanay mivady ry Mahefa. Nandeha tany mantsy izahay io atoandro io... Fa tena mbola tsy mahatsiaro tena i nedala raha ny tena marina. Nisy fotoana kely fotsiny hono izy no nifoha dia ohatran'ny nidelira niantsoantso ny anaran'i Alexia. Ireo namany sy ilay dadafarany no nilaza an'izay."
- " Ny fomba hilazana an'izay amin'i Alexia koa izany izao no raharaha. Efa nanontany ahy foana mantsy izy sao dia efa niantso ahy ianao nampita ny vaovao momba an'i Hery. Tsssss!...ahoana re izany e!"
- " Ka vaka ohatranao izany koa anie izahay mivady hoe ahoana no fomba hilazana azy ity vaovao ratsy ity e. Ianao izao no heveriko hoe mety mba afaka miresaka moramora aminy. Tsy fantatra mihitsy koa mantsy izay ho fihetsiny sy hitranga raha vao maheno izao vaovao izao izy...fa angaha tsy tena raharaha izy ity ry Mahefa?
- " Tena raharaha tokoa izy izany ringahy Ratrema. Aleo ary hiresaka moramora aminy aho rehefa avy eo dia ho hitako eo indray izay atao fa antsoiko ianao rahampitso na rehefa kelikely eo ihany."
- "Eny ary fa mba amboary ao ny sainy Mahefa fa tena matahotra mafy mihitsy izahay ato. Sao dia te hiresaka kely amin'i Malala aloha ianao alohan'ny hanapahana azy?
- " An, an, an aleo aho amin'ny manaraka miresaka aminy fa mampamangy ao fotsiny hoe" sady naforitry Mahefa moramora ny telefona finday teny antanany. Namonjy nipetraka kely teo ambonin'ilay seza tsy dia lavitra azy teo aloha izy naka saina sady nanontany tena ny amin'ny fomba tokony hilazana amin'i Alexia izay tsy manampo na inona na inona ny amin'izay nanjo ity olontiany any Madagasikara. Tapakevitra ny hivoaka ny efitra nisy azy i Mahefa nony farany ary dia namindra moramora nakeo amin'ny toerana fandraisam-bahiny izay nijerevan'i Alexia ny fahitalavitra.
- " Dada, efa hitanao ve ity documentaire anakiray mandeha ity?" hoy izy tamin'i Mahefa sady nientanentana ery.
- " Fa documentaire resaka inona izy izany? " hoy i Mahefa somary nanompy maso teo amin'ny sary mandeha.
- " Hay, Machu Picchu?" hoy i Mahefa nanohy tsy namela an'i Alexia hanazava.
- " Efa hitanao koa angaha?"
- " Efa tany amin'io toerana io mihitsy aho efa taona lasa izay. Mahalasa fisainana be ny mandinika io toerana io ry Alexia. Ohatran'ny hoe mitondra anao miverina any amin'ny lasa mihitsy izay topazan'ny masonao. Efa ela angaha izy io no nandeha?
- " An, an, an vao nanomboka mihitsy fa tantarao ahy hoe ny dianao tany izany fa ohatran'ny mahaliana ahy. Mbola hiverina handeha mantsy izy ity amin'ny manaraka dia aleo ny an'i Dada aloha no henoiko voalohany raha efa tany any i Dada."
Somary sadaikatra kely aloha i Mahefa naheno ity fiangavian-janany satria zavatra hafa mihitsy no antondiany teo aminy. Hitany fa mety hahamora kokoa ny resaka ataon'izy mianaka anefa ilay fitantarana kely ny diany tany Machu Picchu dia naleony nisafidy ny hanome fahafahampo anjanany aloha izay vao tena miditra moramora amin'ny tena tiany hambara. Namonjy naka toerana tsy dia lavitra an'i Alexia teo ambonin'ilay seza lava malemilemy misy fiankinana izy dia nanontany hoe:
- " Efa fantatrao hoe any Peru no misy an'ity tananan'i Machu Picchu ity? Tsy niteny i Alexia fa ny lohany fotsiny no nahatokatony sady nitsiky izy.
- " Vao teo vao teo no nahafantarako azy kah!" sady toran'ny hehy kely izy.
- " Ay! Raha te hoany izany ianao ohatra dia mandeha fiaramanidina ianao mandrapahatonga ao Lima na koa hoe tonga dia mandeha mivantana any Cusco ianao. Avy eo Cusco indray ianao no mandray fiarandalam-by mankany amin'ilay tanana antsoina hoe Aguas Calientes. Ny foko indiana antsoina hoe Incas no nipetraka tao amin'io toerana io taloha. Tsy nisy nahafatatra ny fisian'io tanana vita amin'ny rary vato niorina antampokavoana ohatran'io mihitsy aloha raha tsy vao tamin'ny 1911 angaha izy izay. Mahatonga saina ilay toerana e." hoy ihany i Mahefa toa sondriana tampoka nanazava. Toa adinodinony ny tahony hilaza ny vaovao mampalahelo mikasika an'i Hery tamin'i Alexia.
- " Mandehana amin'ny google dia soraty hoe Machu Picchu fa dia ho hitanao ao daholo ny momba azy io."
- " Mahavariana izy izany" hoy i Alexia toa nientanentana ery nihaino ny fanazavana nomen'i Mahefa.
- " Rahoviana aho no mba ho afaka hoany?"
- " Tonga any foana ianao rehefa tena maniry ny ho any" hoy i Mahefa tsy naka sarotra sady somary naka toerana tsara nitodika tany amin'i Alexia.
- "F'izao ry Alexia ah! Niantso teo i papanao..?"
- " Zany ve? Dia ahoana hoy izy? Nahita an'i Hery ve hono izy?"
- " Nahita azy tokoa izy mivady saingy nisy lozam-piarakodia nahazo azy hono vao andro vitsivitsy lasa izay dia any amin'ny hopitaly izy amin'isika miresaka izao"
- " Izay ary la efa nahiako" hoy i Alexia sady novonjeny notampenany tamin'ny tanany anakiroa ny tarehiny sady niankohoka teo amin'ny lohaliny izy.
- " Efa nanindry mandry ahy mihitsy fa misy zavatra mahazo azy any" sady nanomboka nifokofoko nitomany ny anao vavy.
- " Mitonia aloha ianao anaka" hoy i Mahefa nony avy eo fa efa eo ampikarakarana azy ireo havany sy Ratrema mivady.
- " Ahoana no nahavoa azy? Hoy ihany i Alexia mbola nisefosefo sady namafa ny ranomasony. I Mahefa moa tamin'io fotoana io efa tafakisaka teo akaikiny sady niezaka namihina azy mba hampitony ny alahelony.
- " Tsy tena fantatro ny tena zava-nitranga anaka fa ho fantantsika miandalana eo ihany moa izany fa araka ny nilazan-dRatrema ahy teo dia hoe niantsoantso ny anaranao hono izy tamin'ny fotoana nahatsiarovany tena kely izany angaha?
Vao naheno an'izay i Alexia dia vao maika nigogogogo nidradradradra. Teo i Mahefa vao tonga saina hoe tokony tsy niteny azy an'izay aho saingy efa voateniny moa ka dia niezaka niantrika ampahatoniana ny zava-nisy teo fotsiny izy aloha.
- " Hery a!" hoy ihany i Alexia sady mitomany. " Maninona ianao any e! Aza ilaozanao aho e! mijaly aho raha ilaozanao. Tsy misy dikany amiko intsony ny fiainana,..."
- " Alexia" hoy i Mahefa. " Tsy maty anie izy fa nisy dona mafy nahazo ny vatany fotsiny angamba ka izay no mahatonga azy mbola tsy mahatsiaro tena. Raha nisy fotoana nahatsiarovany tena kely izany dia mbola betsaka ny fanantenana ny aminy."
- " Ndao isika hiantso an'i Madagasikara fa tena te hiresaka mafy amin'i papa aho izany eh!" sady mbola nanohy nifokofoko ihany i Alexia.
- " Hiantso azy isika" hoy i Mahefa "fa mila mitony aloha ianao, Izay zany zanako izany!" sady nosafosafoin'i Mahefa ny lamosin'ity zanany vavy trotraky ny alahelo.
- " Andraso aloha hangalako rano mangatsiaka kely vetivety ianao mba ho sotroinao" hoy ihany i Mahefa sady nitsangana moramora izy nakeo amin'ny vata fampangatsiahana tao andakozia.
- " Ity anaka sotroy fa manampy anao mba ho tonitony ity. Maka aina tsara aloha dia miantso any Madagasikara isika mianaka". Eny ary hoy i Alexia tamin'ny lohany nihatokatoka sady nisotro ny rano nomen'i Mahefa azy ihany. ...
Vao nahazo an'i Ratrema i Alexia,
- " Papa, manao ahoana izy ao?" sady nanomboka nifokofoko indray ny anao vavy.
- " Alexia," hoy i Ratrema niezaka ny ho tony dia tony naheno ny feon-jananany nanako tao anaty telefona. ' Aza manao ohatran'io ianao anaka fa eto izahay mikarakara azy. Tiako ho fantatrao fotsiny fa tiany ianao ary ny anaranao hono no nantsoiny."
- " Efa notenenin'i dada ahy teo izay " hoy i Alexia amin'ny feo somary kentsokentson'ny tomany sy ny alahelo.
- " Tiako anie izy iny Papa, ndeha hody any aho hijery azy fa tena tsy mandry mihitsy izany saiko izany" Taitra tampoka i Ratrema naheno ity soson-kevitra naroson-janany. Niahotra kely aloha izy vao namaly,
- " An, an, an Alexia. Aleo aloha hotsaboina tsara izy dia ho hitantsika eo izay hatao manaraka. F'angaha moa ianao tsy hoe hanohy fianarana any indray?" hoy ihany i Ratrema miezaka manary dia ity zanany difotry ny alahelo sy tomany.
- " Eny e!, te hianatra aty aho fa saika hoe mba te hahita azy kely fotsiny aho dia avy eo miverina aty indray."
- " Aleo dinihitsika tsara izay anaka fa amboary ny sainao an. Misy maromaro izahay no mikarakara azy aty. Niresaka tamin'ilay dokotera vavy anisan'ny nikarakara azy sady namany izahay anikeo ary nilaza izy fa misy fanantenana ny aminy fa aza dia alefa lavitra ny sainao anaka."
- Eny e!" hoy ihany no navalin'i Alexia toa tsy dia resy lahatra loatra amin'ny fanazavana nentin'ingahy Ratrema rainy. " Aza adinonareo mihitsy ny mampita vaovao aty amiko na rahoviana na rahoviana an" hoy i Alexia nony ela ela niezaka nampatanja-tsaina.
- " Aza matahotra ianao anaka fa tsy ataoko ambanin-javatra ny amin'izay. Mandehana aloha ianao makamaka aina dia rahampitso aho miantso sa ahoana?
- " Eny ary Papa?" hoy i Alexia nanaiky tsy sazoka ny fiangavian'i Ratrema.
" Lazao azy rehefa mifoha izy fa tia be azy aho".
- " eny anaka" hoy i Ratrema namaly moramora. "ataoko tsara lazaina any aminy ny hafatrao. Izay an!" sady tapaka ny antso tany amin'i Alexia.
Toa tsy nampino an'i Alexia ny zavatra henony sy niainany teo. Adinony tanteraka ny momba an'i Machu Picchu sy ny faniriany mba te hoany indray andro any. Ny momba an'i Hery sy ny fitiavany no nameno tanteraka ny sainy.
Raha mbola variandresaka tamin'ny fandalovan'i Ratrema sy Malala teo izy telo mianadahy no tsinjon'i Tahiana tampoka fa toa nihetsika kely indrany ratsan-tanan'i Hery teo ambony fandriana. Taitra nikoropaka ny anao vavy sady nosintoniny haingana i Mihary hitodika hijery.
- " Tena manomboka mihetsika tokoa izany tananay izany!" hoy i Mihary nitsiky moramora toa velom-panantenana. Nitsangana nanatona ny fandriana daholo izy telo. Niha navitrika hatrany ny fihetsik'ireo rantsana izay toy ny maty teo aloha ary tsy ela taorian'izay dia nihetsika koa ny lohan'i Hery toa te hiharina izany nefa tsy afaka. Novonjen'i Mihary noesorina haingana ny sarona nanarona ny mason'ity tovolahy. Hafaliana moa ny azy fa ny nialan'ilay sarona no ela dia nanokatra moramora ny masony i Hery. Nifampijery izy telo mianadahy sady velon-tsiky no namonjy nifamihina toy ireny olona velon-kafaliana mahita ny ekipa tohanany mandrobaka ny fandresena ireny. Hita fa mbola tsy tena mahatsiaro saina izany anefa i Hery fa toa nivandravandra nijery ny valin-drihana fotsiny.
- " Hery a! Hery!" hoy Tahiana nony avy eo sady nanatona moramora teo akaikin'i loham-pandriana nisy an'i Hery izy. Nihodina moramora nanaraka izay niavian'ilay feo ny lohan'i Hery.
- " Tahiana ihany ity! Manao ahoana ianao izay?" Nisokatra moramora ny molotry Hery sady niteny tamin'ny feo malefaka hoe,
- " Fa aiza aho izany?"
- " Aty amin'ny hopitaly ianao" hoy i Mihary velon-tsiky
- " Aiza i Alexia teo?" hoy i Hery nony avy eo toa ireny nanantena an'i Alexia ho anisan'iray tamin'ireo nanatrika azy teo.
- " Tsy eo izy" hoy i Fano " Fa i Ratrema sy Malala no tonga teo nijery anao. Vao haingana teo mihitsy ry zareo no lasa"
Tsy namaly i Hery fa niverina nibanjina ny valin-drihana indray izy aloha. Lasa nandeha niantso ilay mpitsabo namany izay nandray antanana ny fitsaboana an'i Hery haingana i Mihary sady nanazava ny zava-nitranga.
- " Vaovao tsara izany nentinao izany" hoy ilay dokotera fa ndeha hisika hijery azy any izao dia izao.
...
- " Allo! Tahiana ve izao? ... Malala ihany aky ity a!"
Vao tafiditra anefa i Tahiana dia gaga nahita an'i Mihary sy Fano mipetraka akaiky dia akaiky eo amoron'ny fandriana nisy an'i Hery. Nanomboka nanontany ny zavatra niseho taminy i Hery. Sarotra tamin'i Mihary ny tena hampatsiahy azy ny tena zava-nisy fa dia notsotsoriny fotsiny tamin'ny hoe
Ny ampitso maraina tao amin'ny toeram-pitarafana.
Nasehon'ilay dokotera namany an'i Mihary ny sary teo amin'ny fitaratra mampiseho ny taova ao amin'ny lohan'i Hery. Nikentrona kely ny anao vavy toa tsy nino ny zavatra hitany. Nitodika tany amin'ilay dokotera namany indray izy. Toa samy tsy nisy nahateny izy roa fa nifampivandravandra fotsiny teo.
Tadio (tadiompitiavana@gmail.com)
| « | Martsa 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | 31 | |||||