Tadiom-pitiavana

Pejy 61
2006/06/24,05:47

- "Fantatro ry Mihary fa tsy tokony hanao ity zavatra ity aho, fa na dia ny fiarahantsika hatramin’izay aza dia aleoko manolotra anao ity fanomezana kely ity, mba ho fiarahabana tratry ny Krismasy sy ny taom-baovao e !," hoy i Hery sady nanolotra fonosana miendrika efa-joro mangirana tadiana kely izay izy ;
- "Oh ! misaotra betsaka, tena misaotra ry Hery, hay ve izay no nahatonga anao hitady ahy androany e!"
- "Ie ! eny e ! tsy izay ihany akory fa mba te-hiresaka koa aho, fa mila namana iresahana."
- "Tsy maninona raha vohaiko izao an!"
- "Tsy maninona ka ! enga anie ka ho tianao!"
….
- "Andray ry Hery, fa inona ity fanomezana atolotrao ahy, zavatra lafo vidy be!"
Nitsangana mihitsy i Mihary sady nanatona an’i Hery rehefa nivaha ilay fonosana. Rojo volamena manifinify izay no tao anatiny. Faly aok’izany izy. Nanatona dia nanoroka ny takolak’i Hery.
- "Andray, fa maninona ary aho no toloranao zava-tsarobidy toy izao!" sady niantsalorany ilay firavaka, i Hery tsy niteny.
….
- "Ianao no nanokatra ny masoko, dia tiako mba omena an’iny. Aleoko manao fandaniana be hahatsiarovako tsara izay nataoko. Sady izao fitsaboana ataonao ahy izao, fitsaboana moa no ilazako azy, dia tsy ho voavidim-bola mihitsy ry Mihary fa dia raiso fa natoako amin’ny fo tokoa."
- "Misaotra ary, dia misaotra betsaka, …. fa toa tsy manana fo faly izany mihitsy ho’aho ianao e!"

- "Jereo tsara ary ny masoko dia aleo mifampiresaka isika."

- "Ssshhh, ny mampalahelo ahy dia i Alexia tsy namaly ahy mihitsy hatramin’izao, nefa efa nalefako mailaka aminy ny laharan’ny findaiko. Mino aho fa i Tahiana dia mahalala tsara ny misy an-dry zareo fa tsy te-hiteny amiko, azonao atao ve ry Mihary ny mandresy lahatra azy, hanomezany vaovao? Ny atahorako mantsy, isaky ny mifankahita izahay, dia mety hisarika ahy hanao ny tsy tokony hatao foana izy. Moa tsy tiany mihitsy ny handehanako any an-dafy, nefa izaho efa nanao famandrihana tamina ivon-toerana fizahan-tany mba hahamoramora kokoa ny ahazoako ny visa."
- "Fa inona no saika nataony taminao?"
- "Mitady hoe hanao firaisana amiko foana izy!"
- "Hatramin’izao ve?"
- "Tamin’izaho ilay avy tonga tany Mahajanga iny."
- "Ka efa niova ny fandehan-javatra fa mety tsy mahalala ianao, izy ange ka efa miaraka amin’ny dadafaranao e!"
- "izay tokoa angaha fa ny adiresin’i Alexia no tiako ho fantatra aminy na dia laharana an-tarobia fotsiny aza!"
- "Eny e ! azonao atokisana aho fa mila mahandry tsara fotsiny ianao. Sady… ssshhh….eny e!"

Toa tsy nahoan’i Mihary akory ilay resak’i Hery, tsy niditra ny sainy akory aza, fa ity fanomezana ity no nampirehitra indray ny fitiavany toa tsy hainy nosakanana. Nitsangana izy dia niodina tao ambadik’i Hery.
- "Aleo aloha ianao oriko eto amin’ny soroka fa tena vizan-tsaina mihitsy. Mety izao!"
- "Ie ! mety tsara," hoy koa ity iray, naka fy ny otra nataon’i Mihary.

Afaka telo minitra, dia najanony, sady nijoro teo anoloan’i Hery izy sady nampitraka ny lohany.
- "Raha fantatrao mantsy ry Hery ny halalin’ny fitiavako anao!…"

Toa tsy nahoan’i Hery izay teny izay fa lasa lavitra tany amin’i Alexia ny sainy. Safosafo malemy no tsapany tamin’ny takolany, dia injay nisy hafanana mitohoka amin’ny molony sady nifanoroka taminy.
Navelany ity vehivavy hipetraka teo ambony lohaliny sady nofeheziny koa. Dia lasa ny safosafo, ny oroka tsy nijanona.
Ny mason’i hery amin’io mikimpy mameno ny endrika soan’i Alexia ao an-tsainy. I Mihary kosa naka fy nanome fisaorana ity fanomezana noheveriny fa tamin’ny fitiavana tokoa.
Rehefa lasa lavitra ny orokoroka, dia nifampikasoka ny lela ary teo vao tsaroan’i Hery ity hamamin’ny fitiavany ilay olon-tiany, nosokafany ny masony, toa diso fanantenana fa vehivavy manao akanjo fotsy fitondran’ny mpitsabo no hitany. Ny tanany efa mamaha tsikelikely ny bokotry ny lobany.
Tampoka, niala i Hery ;
- "Mihary an ! tena miala tsiny, fa …"
- "Hery an ! fantatrao tsara ny halalin’ny fitiavako anao," sady nofeheziny ny lohany hifanoroka taminy indray.
- "Tsia an ! tsia dia tsia, ry Mihary, efa nifampiresaka momba izay isika. Fa tena tsy inoanareo mihitsy ve izany ny fitiavako an’i Alexia no sedrainareo izay sarotra amiko aho?"

Nisento fotsiny i Mihary, tsy nahateny, dia avy eo natsangan’i Hery.
Iny izy niverina nipetraka teo ambony sezany, dia niondrika tsy te-hampiseho ny masony manganohano.

- "Tsy haiko," hoy i Mihary nanomboka latsa-dranomaso, tsy tsapanao tokoa ve fa ny nataontsika tany Mahajanga dia nanamarika zavatra lehibe tamin’ny fiainako? "
- "Azoko dia azoko Mihary an ! fa efa nilaza taminao aho fa efa niova sady efa nifanaiky isika."

Nanatona azy i Hery nefa natosiny tamin’ny tanany , izy nanomboka nitomany no namaha ilay rojo dia natolony an’i Hery.

- "Ento any ity ry Hery an ! tsy anjarako ity, tadidio fa tsy fanao ny manome volamena, na rojo io, indrindra moa fa peratra ho an’ny namana fa midika zavatra hafa izany.
Dia andàna mandeha…" hoy ihany i Mihary nifokofoko, "tadiavo ny Alexia anao fa izy no sahaza ireny."

Tsy nety nandray i Hery, latsaka tamin’ny gorodona ilay rojo, dia noraofin’i Mihary ihany sady natsofony tao anaty paosin’i Hery.

- "Tena miangavy mafy anao aho ry Hery an ! Andàna mandeha.
Efa hendry rahateo moa ianao ka vita ny adidiko! Vita koa izay iraka nampanaovina ahy!"

Tsy azon’i Hery izany teny izany, fa niala teo izy dia nanokatra ny varavarana, soa fa tsy nisy marary hozahana intsony dia nidina ny tohatra izy, niandriandry teo ivelany mba hanarahany maso tsara an’i Mihary sao dia hamerina indray ity nataony tany Mahajanga.

Afaka 15 minitra dia iny i Mihary nivoaka ny trano fiasàny, nisakana fiarakaretsaka sady toa tsy nanontany akory fa niditra dia lasa.
Tsy nisalasala i Hery naka fiarakaretsaka hafa koa dia niteny hoe :
- "azonao arahina ve iny « taxi » iray iny fa aloako ny hofan’ny fiaranao?
Nanaiky koa ilay mpamily dia nifanaraka teny ny fiara roa.

Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

Pejy 62
2006/06/26,22:23

Nanaraka moramora avy ao aoriana ilay mpamily, izy amin’io tsy tena mifantoka tsara fa toa varimbariana nanara-dia ilay fiara karetsaka teo alohany fotsiny. Tampoka teo, tsy hitany akory fa nisy fiarabe mpitatitra olona nirimorimo mafy avy any ankavanany toa nanezaka mafy ny hijanona amin’izato figikan’ny kodiarana nefa mbola tsy tafajanona ihany raha tsy efa nidona mafy tamin’ilay varavarana manakaiky ny nisy an’i Hery. Avy hatrany dia nipitika teny amin’ny dimy metatra ilay fiara karetsaka, ary i Hery no voadona mafy tamin’ny fiforetan’ilay varavarana.
Nisy olona naratra koa tao anatin’ilay fiarabe fa nidona tamin’ny fitaratra teo alohany. Taitra sady nikoropaka avokoa ny mpandalo rehetra.
Nitangorona ny olona, tao ny nisomaritaka fa saika voadona, tao koa ny avy hatrany dia namonjy ny tao anaty fiara, navoaka ilay mpamily, tsy dia naninona loatra ilay rangahy fa i Hery sady naratra mafy no voadona koa ny lohany, toa tsy mahatsiaro tena…

Ilay fiarakaretsaka iray nitondra an’i Mihary kosa vao lasa lavidavitra ka nahare ilay lozam-pifamoivozana dia nijanona:
- "Azafady ramose mba ajanony kely hoe fa toa nisy loza nitranga io ao aoriantsika io. Mpitsabo mantsy aho ka tsy mandry ny saiko raha handao fotsiny ny zavatra toa izao. Aza mandeha anefa ianao fa andraso aho an."

Avy hatrany dia nivoka ny fiara i Mihary, ny andro rahateo efa maizimaizina fa efa madiva ho alina.
Vao
tonga teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza izy, ny olona, mamoaka ity naratra mafy, tsy voavoha mihitsy ilay varavarana voadona fa avy aty amin’ny ilany no nosintonina ity tovolahy tsy mahatsiaro tena. Nihamaro hatrany ny olona nitangorongorona teo.

- "azafady, azafady," hoy i Mihary etsy, misisisisika sady manavatsava anatin’ireto olona marobe nifamahofaho sy nihazakazaka nijery.
- "azafady tompoko ô ! azafady fa dokotera aho hijery izay mitranga e ! azafady indrindra!"

Nomen’ny olona làlana izy, nijery ity lehilahy efa vonton-dra amin’ny tarehiny.
Tsy mbola azony an-tsaina na iza na iza, ny andro koa mihamaizina, ny olona nifanetinety ihany.

- "Azafady ry ise an ! raha azonao atao, dia aza avela hifanototra eto ireo olona marobe ireo, fa mila rivotra isika."
- "Raha misy olona afaka miantso fiara-mpamonjy voina rey olona dia mba antsoy azafady e!" hoy i Mihary niangavy ihany.

- "Angony daholo izay vatam-panafody vonjy taitra anatin’ireo fiara ireo, aingàna ianareo izay mahita izany e!"

Vetivety teo dia nipoitra avy any ny fitaovana nangatahiny, novahana ny vovon-dandihazo, nofafàna izay ra tamin’ny tarehin’ny maratra. I Hery amin’io mbola tsy mahatsiaro tena ihany, notsapaina ny fony mbola mitempo fa malefaka, izy zara raha miaina.
Injany fa re manakoako avy any ny anjomaran’ny mpitondra marary satria tsy lavitra avy teo ny toby misy azy, mitarataratra ny jiro manga, manavatsava ireo fiara mitohana noho ity lozam-pifamoivozana.

Vao
tonga
teo amin’ny toerana dia nobataina i Hery, nakarina teo ambony fandriana kely, nampidirina tao anaty fiara nony avy eo.
I Mihary moa tamin'io tsy maintsy mbola nijery ilay maratra hafa sy ireo mpamily.  Nifampiresaka tamin’ilay mpamonjy voina izy nony avy eo  ny amin’ny hitondrana ireo maratra hafa!

Alohan’ny hiaingàna dia niakatra tao anatin’ilay fiara i Mihary ary akory ny hatairany, tsy azony an-tsaina mihitsy hatramin’izay, fa i Hery anie ity maratra mafy manoloana azy. Taitra tsy mbola nisy ohatran'izany izy! tsy hitany anefa izay ho tenenina fa ny fony no tsapany nidobodoboka mafy. "Loza ity," hoy izy tany antsainy tany nony avy eo.
- "Tsy maintsy manaraka anareo aho izao fa olom-pantatro io maratra io!" hoy izy tamin'ireo mpamonjy voina. Soa fa lehibe ihany ilay fiara ka afaka nitondra izay tena naratra aloha. Niazakazaka i Mihary namonjy ilay fiara karetsaka niandry azy dia nanazava ny zava-misy tamin'ilay mpamily teo sady nandoa ny volany dia niverina haingana namonjy ilay fiara hitondra an'i Hery tany amin'ny hopitaly.

Natahotra mafy i Mihary teny an-dalana. Nohenoiny matetika ny fitempon’ny fon'i Hery izay tsapany fa toa malefaka dia malefaka. Nisento izy nijery ity olon-tiany rakofan'ny saron-tava mba hifohany rivotra madio iainany. Tsy mbola mahatsiaro tena hatrany i Hery. Ilay mpitsabo mpanampy mpamonjy voina moa mandritra izay fotoana izay tsy nitsahatra nanadio ny ratra amin’ireo marary hafa.
Vao
tonga
tao amin’ny hopitaly dia nikoropaka ny rehetra ary efa vonona ny handray azy ireo avokoa ny mpitsabo, mahafantatra an’i Mihary avokoa izy ireo satria hopitaly iasan’i Mihary koa ny nitondrana ireo maratra ireo.

- "Tsy maintsy miakatra any amin’ny efitra fandidiana izao dia izao, mila fitarafana izy ity hoy i Mihary fa mety misy tapaka any amin’ny tongony any,"
Nirodorodo ny rehetra. Ny maratra hafa moa navelan'ny Mihary nosahanin'ny mpitsabo hafa fa dia noraisiny antanana mihitsy ny momba an'i Hery.

Vao tonga tao amin’ny efitra fandidiana, napetaka avokoa ny fitsapàna rehetra, napetrak’i Mihary tamin’ny mpitsabo namany aloha ny marary fa naka ny akanjo sy nanao ny fanadiovana ny tenany izy.
Fotoana vetivety ihany dia iny i Mihary niditra ny efitra, injany ny feon’ny milina mipipika manambara ny fitempon’ny fon’i Hery, malefaka dia malefaka. Miha-miadana hatrany.
- "Mila mitandrina isika, miha-miadana hatrany ny fitempon’ny fony izany."
- "Ahoana ny valin’ny fitarafana?"
- "Misy tapaka ny taolam-peny dokotera!"
- "Ary ny tratra sy ny ratsam-batana hafa?"
- "Tsy maninona ka! azo tsapaina tsara!"
Notsindritsindrian’i Mihary aloha ny tratran’i Hery, ilay feon’ny milina niha-niadana hatrany. Nanomboka manganohano ny mason'i Mihary.
<<piiip, …piiiiiiip,…. piiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii>>>>
Tsy nitempo intsony ny fon’i Hery, nikoropaka ny rehetra, nisamahotaka ny eran’ny trano, i Mihary etsy ila ho latsa-dranomaso toa tsy nahita hotenenina. Loza ity, loza marina.
- "Tsy tanantsika intsony, tsy tanantsika intsony, aingàna ianareo, .... "


Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

Pejy 63
2006/06/30,04:04
  Efa miroso ho alina ny fotoana, ny andro fahavaratra, ny orana no namaly ilay hafanana be nanenika ny renivohitr’Antananarivo nandritra ny tontolo andro.
Nifafy tao antafontrano tao ny orana izay sady nanadio no nanome aina ireo zava-boary marobe.
Indreo olon-droa mifankatia tokoa no mifampitositosy eo ambony fandriana, mifanorokoroka. Misarona lambam-pandriana manify, mifampita fitiavana, mandefa safosafo malefaka ary mitady fahafinaretana amin’ny hakanton’ny vatany. Maka fy ihany koa ny oroka mampifandray ireo olon-droa te-hikambana ho iray.

I Tahiana sy Fano ihany ireo, mamy sady miredareda ny fifankatiavany ary toa tsy ho fatin’ilay orana mikija tao ivelany.

Sady mitsiky i Tahiana no mandefa ny tanany hidina manaraka ny kibon’i Fano. Vao tafidina ambaninmbany dia tsapany ny filahian’ity olontiany fa efa mihenjana tsy nisy ohatran'izany. Niverina nifanoroka izy roa. I Fano moa tsy nahahetsika fa ny fen’i Tahiana no henony niakatra teo amboniny. Nitohy ihany ny safosafon'i Tahiana sady naveziveziny moramora. Ny tanany ilany amin’io mihazona tsara ity tehin’ny nofo hijoro tsara, sady mamehy no manafosafo am-pitiavana ihany koa.

Tampoka, nakipany ilay lambam-pandriana norakofan’izy roa teo, tiany ho hita tsara ilay firafiny. Somary lava sady vaventy  mampi-te hamihina azy mafy hatrany. Niarina izy, nijery dia avy eo nandinika an’i Fano.
- "mmmmhhhh," hoy i Tahiana tamin’ny feo miangoty, "fantatrao ve ny tiako hatao?"
- "Asa ! tsy fantatro mihitsy." Hoy i Fano namaly toa mody tsy rototra.
- " Ataoko tonga
io nefa tsy miditra aty amiko mihitsy."
- " Izany ve?, Fa ahoana koa ny hahaizanao izany, izaho ange tsy tia ..."
- " ssshhhuuut, hitanao eo ny fanaovako azy."

Naka fitoerana teo ankaviany i Tahiana, dia nipetraka naka aina tsara, ny tanany tsy miala amin’ny filahian’i Fano mihitsy, ny tongony ilany nalefany teny an-tratran’ity lehilahy, ny feny kosa nosokafany tsara hijeren’ity olon-tiany ny zohim-pahafinaretany. Natsotrany avokoa ny tongony roa, ny ilany ankavanana maka toerana eo ambony fandriana, ny ilany ankavia somary miforitra eny ambony tratran’i Fano izay sady manafosafo moramora koa ny ranjony. Ny tanany amin’io manotra malefaka miaka-midina miadana dia miadana, mampitombo hatrany ny hamafin’ity filahiana fenjainy eo am-pelatanany.
Ny tanan’i Fano kosa, rehefa tonga teo amin’ny foto-pe dia niakatra indray namonjy ireto nono roa toa voasary milonjehitra mampite-hioty avy hatrany. Nanaitaitra ny tsirim-pitiavany avokoa izay tsapan'ny tanany rehetra, hany ka mihamafy tahaka ny hazo ilay filahiana fenjain’ity olon-tiany.
Ny otra miaka-midina amin’io mitohy hatrany, ary vao mainka mampitombo avo roa heny ny filàny.

Avy eo dia nidina indray ny tanan’i Fano nanafosafo moramora ireo molotry ny fivavian'i Tahiana izay voaaratra  madio dia madio, zara-raha misy volo. Nanomboka namoaka tsiranoka kely madio mangarangarana ny tao anatin'i Tahiana tao. Ny mason'izy roa amin'io mifampijery tsara hatrany. Nitsiky fotsiny i Tahiana, tsapany koa fa mitambolombolona amin’izay ny any anaty kibony any. Henony fa mivoitra avy eo afovoany ilay bokotra kely nifoha tamin'ny torimasony. Somary naforitr’i Tahiana ilay tongony ilany, narosony ny maojany ahafahan’ny fanondron’i Fano hikitikitika tsara ilay faritry ny fahafinaretany. Henony fa manomboka mafana ny any anatiny any.

Nakimpiny ny masony, tiany hiakatra hantrany an-dohany any ny fahafinaretana mitambolona amin’ny vatany. Ary isaky ny mihetsika kely ny fanondron’i Fano dia mampangoritsina avy hatrany ny vatany iray manontolo. Ny tanany amin’io miaka-midina mafimafy ihany amin’ity andrarezina mijoro toa vatolahy, manaraka ny onjan’izay kitikitika ataon’i Fano aminy.
- "Fano an ! tiako be … tiako be mihitsy izany ataonao izany, fa inona no ataonao amiko e!" sady somary mijery ihany izy amin’ity maso mitsirempirempin’ny fahafinaretana.
Tsy niteny i Fano fa ny fikitikitiky ny fanondrony no nataony mafimafy kokoa, injay fa tsapany manery ny filahiany mafy ny tanan’i Tahiana, ary ity farany tsy nahatazona nipetraka intsony fa dia nitsilany koa niondana tamin’ny tongotr’i Fano.

Sendra nitsipalotra kely fotsiny ny mason’i Fano no nahita ilay lava-pitia efa misokatra lonaky ny hamandoana mila hiraraka amin'ny lambam-pandriana. Ilay bokotra kely amin'io efa mivoitra be tsy hay nafenina intsony toa mampisaraka tsara ireo molotra kely mangirana mihitsy tarafin’ny jiro avy eny amin’ny valindrihana.

- "mmmhhhh," hoy i Tahiana.

Tsy tratra fa nakarin’i Fano teo amin’ilay bokotra kely amin’izay ny fanondrony, dia nokitikitihany, injay fa nanomboka nangovingovitra ny tongotr’ity fitiavany, ary tsapany mihafamy ihany ny otra ataony amin’ny filahiany. Notohizany mafimafy ihany, nosikisokiriny ilay taova bitika kely, nosintominy vetivety, injay fa nanainga valahana tampoka i Tahiana sady nisefosefo mafy, natsofony moramora avy eo ny fanondrony iray, nikorisa fotsiny noho ny hamandoana efa manenika ilay zohim-pahafinaretana. Tsapany ho maneritery ny hozatry ny fivaviana, somary nampiany tosika hiditra hatrany.
Nihamafy hatrany ny fisefosefoan'i Tahiana. Tampoka teo, nikiaka in-dray mandeha ny anao vavy dia nidaboka toa tsy nahatsiaro tena.

Nisento fotsiny izy nony avy eo. Tonga tamin’ny faratampom-pahasambarana tampoka teo ny tenany. Izy te-hahatonga ity olon-tiany indray ity no nahatonga mialoha. Tsy te-ho resy ambony ringa anefa ny anao vavy, fa notohizany ihany ny otran’ny tanany mamehy ity hozatra efa miziriziry efa manakaiky ny fahafinaretany ihany koa.
Na reraka aza ny tanany, tsy nahoany fa nataony mafimafy hatrany, nosoloiny ny tanany ilany indray, somary niarina kely izy, nifantoka tanteraka amin’ny ataony.
Hay i Fano mbola tsy nijanona fa nanohy hatrany ny safosafony amin’i Tahiana!

Tampoka!

"pip pip pip », hoy ilay finday tany anaty poketrany tany. Nanenoneno foana, nitohy efa ho 10 segondra dia nijanona

- "noooonnnnnn!" hoy i Tahiana, aza ajanona fa aleo izay antso any ho tafiditra anaty famelan-kafatra. Tohizo foana Fano an! tsara be….., tena tiako be ny ataonao."

Tsy noraharahian’izy roa ilay antso. Navelany hitohy fotsiny teo, farany tapaka ihany, " izany hasambarana mananika ny vatako izany ve hoy i Fano havotsotso indray?  sanatria an!"

Nanovokovoka hatrany i Tahiana hampiseho ny fahaizany, miaka-midina, manafosafo, miezaka ny hanamando ilay filahiana efa miridiridy.

Niverina naneno indray ilay kiririokan’ny finday fa tsy nahoan’izy ireo akory.
Farany, nihinjitsindritra aok’izany i Fano, nisefosefo ihany koa, ny fony nidobodoboka mafy, tampotampoka teo, nifatsitsitra tahaka ny ronono terena ny ranon’aina avy any anatiny tany. Niemponempona aok’izany izy namoaka azy iray manontolo. Ny tanan’i Fano amin’io toa mangovingovitra mikitikitika ny zohim-pahafinaretan’i Tahiana, namelona indray ilay ojam-pahasambarana vaovao nampikoriana rian’aratra hafa indray tany anaty kibony tany.

Vao nahita ilay rano fotsy nifatsitsiatra i Tahiana dia tafatorombina teo amin’ny lanton-tanan’i Fano. Tsy tanany fa dia nanenika azy fanindroany indray ny hasambarana.

Vizaka izy ireo, torovana tanteraka. Tsy tsaroan’izy ireo akory ilay antso teo, niakatra moramora i Tahiana namonjy an’i Fano, nifanoroka sady naka ilay lamba kely namafa izay tsirin’aina niparitaka teo ambony fandriana.

Naka aina aloha izy roa, nifampitositosy indray mba haka torimaso taorian’ny onjam-pahafinaretana tena nanefika ny vatany iray manontolo.

Niverina naneno indray anefa ilay findain’i Fano.
- "sssshhhh ! iza loatra ary izany!" hoy izy somary sorena sady nandray ilay akanjo niavian’ny feo. Nojereny ny laharana toa laharana tsy mahazatra azy.
- "Ento aty raisiko," hoy i Tahiana sady nosintominy teny amin’i Fano ilay finday.
- "Allo!" hoy ihany izy tamin’ny feo mikarantsana, vizan’ny fahafinarentan'ny nofo.
- "Allo! Oay, azafady fa nihevitra aho fa lehilahy no hiresaka amiko, mety diso laharana aho fa azafady indrindra!" hoy ilay feom-behivavy tao anaty finday.
- "fa ahoana, iza no tadiavinao?, gagagaga i Tahiana fa toa feon’olona fantany ilay miantso!"
- ""Saika hitady an’i M.Fano tompoko, ity mantsy no laharana mba tato!"
- "Allo ! Fa iza izao?," hoy i Fano nandray ilay finday.
- "M. Fano, azafady tompoko raha tsy mahadiso, ianao ve mahalala olona atao hoe: HERY, tovolahy tokony ho 29 taona?"
- "Fa ahoana, i Hery, rahalahin-drainy aho, fa misy inona?"
- "Hay ianao izany ilay dadafarany, ary raha azoko tsara koa dia i Dr Tahiana ilay nandray ny antso teo?"
- "Fa ahoana koa no ahafantaranao izany, fa iza ianao e?"
- "Havan’i Dr. Tahiana aho ka, fa azonao omena ahy ve izy fa misy resaka tiako hatao aminy, azafady indrindra M. Fano."
- "... tsy azoko mihitsy izany, fa misy inona e?, sady natolony an’i Tahiana ilay finday.

- "Allo ! fa iza izao e?"
- "I Mihary ry Tahiana an!"
- "Mihary, fa ahoana koa no nahazoan-dry ny laharan’ny findain’i Fano?"
- "tantara lava be izany fa efa niezaka niantso an-dry aho efa in-droa izay fa tafiditra anaty hafatra foana…. Tahiana an! toneo tsara ny fo dia aza taitra tampoka…..mila mankaty amin’ny hopitaly fiasàko ianareo roa maika dia maika."
- "Fa misy inona?" hoy ity iray !
- "Mikasika an’i Hery, i Hery…" hoy i Mihary sady nifokofoko ihany izy tao anaty finday,………… tongava fotsiny aty ianareo fa tsy vitako holazaina an-telefaona e !" sady notapahiny ny antso.
- "Fa misy inona indray ary, fa inona indray no nanjo an’i Hery ry Fano?" Asain’ilay zana-drahavaviko mankany amin’ny hopitaly isika izao dia izao! Mikasika an’i Hery hono."

Nikoropaka tampoka i Tahiana niala ny fandriana, i Fano etsy mbola vizana, toa tsy noraharahiany akory ilay resak’ity olon-tiany fa gagagaga tamin’ilay hoe: zana-drahavaviny mahafantatra ny laharan’ny findainy. Raha tsy niverina teo aminy i Tahiana nisarika azy handeha tsy niarina izy.

- "Tahiana an ! mbola vao ny fanombohana ange ilay teo e ! Dia faranana sahady ve?"
- "Andray ry Fano, ka efa hoe i Hery ange any amin’ny hopitaly e ! izay no hafatr’i Mihary, ilay zana-drahavaviko dokotera, afarany isika handeha ho any maika faran’izay azo atao."

Toa tsy rototra akory ity Fano , nefa avy hatrany dia natositosik’i Tahiana hatrany anaty efitra fandroana.

Afaka 15mn vao nivoaka ny trano, novelomina ny fiara dia nankany amin’ny hopitaly.
Ny orana mbola nikija be tao antokontany tamin'io. Tsy afaka nandeha mafy izy roa. I Tahiana etsy toa manahy be ihany, te-hiantso mafy an’i Mihary fa tsy sahy.

Vao tonga tao amin’ny hopitaly dia natoron’ilay mpiandry vavahady ny misy an’i Mihary. Akory ny hatairany raha nahita an’i Mihary nitanondrika teo ambony biraony. Sady mifokofoko mila hitomany raha vao nahita azy roa ...

Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

Pejy 64
2006/07/02,19:15
   Akory ny hatairany raha nahita an’i Mihary nitanondrika teo ambony biraony. Sady mifokofoko mila hitomany raha vao nahita azy roa…

- "Mihary an ! fa maninona indry ity e ! Fa naninona i Hery?"
- "Snif,…. snif," hoy ihany i Mihary nifokofoko. Tsy nahateny tsy nahavolana.

Nitsangana izy dia nataony baiko moana fotsiny izy roa hanaraka azy. Ny masony amin’io mila ho mena fefiky ny ranomaso.
Nidobodoboka mafy ny fon’i Tahiana nanaraka avy ato aoriana. I Fano koa, manahy ihany, toa tsy mandry saina amin’ity zavatra mitranga. Tsy vita akory ny fifankahalalàna fa toa mandeha mafy ny fandehan-javatra.

Tsy nisy nifampiresaka teny an-dalantsara fa samy hankona avokoa izy telo mianaka, nosokafan’i Mihary moramora ilay varavarana. I Hery matory eo ambony fandriana sady feno platira ny tratrany iray manontolo  ary ny tongony mihantona ambony filanjana no hitan'i Tahiana sy Fano nanoloana azy ireo. Ny tarehiny amin'io voabandy tsy ahitàna afatsy ny masony sy ny orony ihany koa, sady misy fantsona mitondra ny rivotra iainany.

Tsy nahajery i Mihary fa nipitrapitra teo fotsiny ny masony.
Ankona tanteraka i Tahiana nahita an'i Hery tsy mbola mahatsiaro tena. I Fano moa toa tsy sahy nanatona mivantana izany fa toa mafy loatra taminy ny nahita ny zava niseho.

Nosintomin’i Tahiana avy eo ity zana-drahavaviny hivoaka ny efitra:
- "Mihary an ! fa nisy inona e?"
- "snif… tsy tantiko ny mahita azy tahaka izao, ny mahagaga ahy tamin’izaho tany Amerika, mbola misy aza ny loza mahatsiravina kokoa noho izao, navotana ny aina fa tsy tana. Fa ny mahita ny olona tianao tratran’izany toa mampisamboaravoara ny fo sy ny saina ; nitomany foana aho hatramin’ny nampidirana azy tato."
- "Fa nisy inona Mihary an ! taiza no nitrangan’ny loza?"
- "Lozam-pifamoivozana be teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena tamin’ny hariva teo,"
- "an, an, an… Tahiana an! tsy ho tantiko ny hitantara azy" sady nipatrapatraka indray ny ranomasony. Efa tsy nitempo efa ho minitra iray ny fony, fa nanao izay fara-herinay izahay dia avotra ihany ny ainy, fa na izany aza…mbola tsy fantatra izay akon’izay, ny fahitako azy…. mety tsy ho afaka mahita intsony i Hery,…. Rahampitso ny dokotera mpandidy maso no hijery azy, efa nifampiantso teo izahay!"
- "Tahiana an ! mila tsy ho tantiko intsony marina e!"

Nahankin’i Tahiana teo amin’ny sorony ny lohan’i Mihary, nampahery sady nanafosafo. Na izy koa aza toa manganohano hatrany ny masony, nahatsiaro ireo nataony tamin’i Hery fotoana vitsy lasa izay.
Tsapany koa ny fitiavan’i Mihary ity tovolahy ity, azony an-tsaina ny halalin’izany, toa faly ihany izy any am-pony, nefa toa sahirana ihany koa. 
 .......

Tany amin'i biraon'i Ratrema talohan’io fotoana io.

- "Ratrema an!" hoy i Corine taminy, vola be tokoa aloha no tadiavintsika hanavotana an’ialahy e! dia raha avotra tokoa ary ialahy, dia inona no tambiny mba atolotr’ialahy ahy aorian’izany?"

Gina tsy nahateny Ratrema, mody niolankolana teo ambony seza teo izy, nodinihany tsara i Corine.

- "ka inona moa, inona ny azoko omena fa dia hisy ampaham-bola amboniny atolotro anao!"
- "ampaham-bola amin’ny ahoana ary, ny vola tadiavina aza letsy mila hanao ezaka tsy omby tratra vao azo ka ho ampaham-bola inona ary no heverin’ialahy. Fa angaha misy fahagagana ataontsika eo ! Ny tanjona fotsiny dia ny hahatratrarana ilay mari-bola, ary tadidio fa mandalo kirizy ange isika mianakavy amin’izao e ! Lasa iny ny fety, ny tranga iraisam-pirenena amin’ity fiakaran’ny vidin-tsolika manginy fotsiny. Mitandrema ihany letsy Ratrema an! Tadidio fa na dia mahita io vola io aza isika tsy midika izany fa tafita!"
- "Ka inona ary ny tianao homeko anao e!" hoy i Ratrema somary nisendoatra kely.
- "Ny angatahiko fotsiny, ataovy izay hahatamàna ny vadin’ialahy any an-dafy any, fa raha miverina aty iny dia tsy maintsy hanakorontan-javatra indray."
- "Eny e ! anjarako ny mandamina izany, fa izy aloha tena mibabababa mihitsy fa tsy tamàna fa dia ezahiko foana ny hampitony azy."
- "Tadidio fa efa ho afera maizina mihitsy ny ataontsika sy ialahy, arahi-maso tsara ny ao aoriana mba tsy ho tratra, noho izany, mitandrina foana na inona na inona atao."

Toa mila ho kivy sy ketraka Ratrema, nangina sady tsy niteny izy aloha nisaintsina izay zavatra nolazain'i Corine.  Tena sarotra ity raharaha ity hoy izy fa tena mbola tsy sendra olana tahaka izao aho.
Tsikaritry i Corine fa toa lasa fisainana ny anao lahy ka dia nitsangna nijoro tao aoriany izy sady nanotra malefaka ny sorony sao mba hanamaivana ny adin-tsainy.
Nampidininy hanaraka ny tratrany avy eo sady namahy ny bokotra sy nisintona ny kiravaty hiala. Avy eo norohany tamin’ny takolany sady nolazainy hoe:
- "Tsy fantatr’ialahy mihitsy ny faniriako hahazo fahafinaretana amin’izao taom-baovao izao an!"
- "Io indray ianao Corine ! fa angaha dia tena misy filàna mipololotra mihitsy ao anatinao ao e!"
 - "Ka izay mihitsy, tsy fantatro fa nony injay niha-lehibe aho, sady rehefa niaraka tamin’ialahy vao tena tsapako ilay izy letsy an!" sady norokorohany ihany ny takolak’i Ratrema avy ao aoriana ao. Avy eo izy nipetraka teo ambony ny latabatry ny birao indray, somary nakisany moramora ireo antontan-taratasy nanelingelina azy, dia naka toerana izy.
Nalàny ilay ambonin’akanjo, natsipiny, novahàny koa ilay lobaka manify hampiseho ireto tati-nono, avy eo ny tanany nalefany teny amin’ny saokan-dRatrema. Nanafosafo ny tarehiny dia niala vetivety naningotra ilay akanjo teny aminy. Avy eo namaha ilay tadi-nono avy any aoriana. Natsipiny tamin’ny tany ihany koa!

- "Ratrema an, avia letsy an ! tena efa mangidihidy mihitsy aho tampoka teo."
Sady nosokafany ny feny no nakariny ny zipony ho eo ambony lohaliny.
- "Esory letsy io atin’akanjo io an ! Ratrema chéri !…" hoy ity vehivavy amin’ny feo miangotingoty sady manainga ny fitombenany eo ambonin’ny birao….

Nahita ilay atin’akanjo maramara tarafin’ny hazavana koa Ratrema dia nanomboka taitra ny filahiany, nisy faniriana tampoka nandalo taminy, ny nonon’ity vehivavy rahateo tena mahavariana, sady amin’ilay hitiavany azy tsara. Adinony teo izay fitiavany an’i Malala, boky hafa feno sary no mivelatra eo anoloany. Te-handà izy fa tsy sahy. Te-hanaiky koa anefa toa miahotra. Farany, nalefany teny amin’ny fen’i Corine ny tanany roa, nasitriny tany nikaroka ilay atin’akanjo, dia nosarihiny hiala avy eo.  Vao nandalo teo amin’ny feny dia napetrak’i Corine amin’izay ny fitombenany, ningainy ny tongony sady nakambany hialan’ity atin’akanjo.
- "Ouii ! tena manaitaitra ahy mihitsy ny alàna silipo tahaka ireny," hoy ity vehivavy sady nitsangana nanoloana an-dRatrema no namaha ilay zipo hany akanjo farany teny aminy.
Nalatsany iny dia nitanjaka tanteraka izy, avy eo natsangany koa Ratrema hanalany ny akanjony, novahany ny lobaka teny amin-dRatrema, ny orokoroka amin’io mandeha ihany, nifamihina mafy, oroka lavareny tsy misy farany.

- "Avia amin’izay letsy an ! avia fa tena mitady an’ialahy mihitsy aho"

Tsy hay nafenina fa dia niridiridy ny filahian-dRatrema. Tsy nila natao  « contre-attaque » intsony fa tonga dia nitselatselatra ary velona avy hatrany ny maotera. Efa mibontsina izay tsy izy ny patalohany, nalàny haingana ny fehikibony, novahany ny bokotry ny patalohany.

I Corine etsy efa mitsilany eo ambony birao, sady hoy izy :
- "Avia fa tena mahafinaritra ahy mihitsy ity biraon’ialahy ity. Avia letsy an! avia fa tena efa mangoritsina mihitsy aho miandry ny an’ialahy!"

Tsy niteny i Ratrema, efa mandondona azy rahateo ny filàna te hiray amin'ity nofo nivelatra eo anatrehany. Noraisiny aloha ny tongotr’i Corine, norokorohany nidina ny fe, nandalo ny sisiny dia niakatra teo amin’ny kibony. Teo vao notsapainy ilay fivaviana efa mando aok’izany, tsapany avy hatrany ilay hafanana mila handoro mivoaka avy tao narahin’ny hamandoana mameno tampoka ilay faritra. Nokitikitihany mora, narahiny safosafo manaitaitra hatrany ity filàna mila tsy ho zaka.

- "tena tiako be, raha mba ataon’ny vadiko tahaka izao aho dia tena faly mihitsy… avia letsy Ratrema an!"
- "tonga dia alefako mihitsy ity fa sao tsy tanako intsony ry Corine an!" 

Niarina haingana i Corine, nifanoroka aloha izy roa, dia nidaboka teo ambony latabatra indray ity vehivavy niandry izay ataon’ity sakaizany azy. Nasafosafon'i Ratrema moramora teo amin'ny molotry ny fivavian'i Corine aloha ny filahiany. Natsofony avy hatrany raha vao henony fa efa mando tsara vonony ny handray azy…

- "oohhhh," hoy i Corine tamin'ny feo miangoty naheno ny filahian'i Ratrema miha manenika ny vatany. "Annnn ! tena lafatra, ataovy mafimafy letsy Ratrema an!!"

Naka fihiny tokoa Ratrema, tena amin’ilay itiavany azy ilay fitoeran’i Corine ka tamana ery ny anao lahy, nanosika niditra sy nisintona hiverina...

Nivoha tampoka anefa ny varavarana, tsy noheverin’izy roa fa hisy olona any ivelan’ny birao satria i Mme Sahondra sekretera moa efa ela no lasa nody sady ny andro koa efa niha maizina tany ivelany. Hatairana ny azy roa. Indro niditra nivatravatra avy hatrany lehilahy telo. Avy hatrany dia nitabataba ny iray:
- "tratra ireto, tratrako ihany! hitanao tsara izao Maître ny fanitsakitsahana ahy, ary porofo mivantana mitohoka amin’ny tendany mihitsy!... Ary i tena ry Corine, ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra, ny mpamosavy mandeha alina aza misy mpahita ka ianao indray ve!" Sady nalain’ilay vadiny ny poketrany, nosokafany ary nongotany tao ilay micro kely nafeniny antsokosoko tao anatiny.

Nikoropaka izay tsy izy Ratrema niala teo amin'i Corine sady nitsimpoka ny fitafiany izay voarambiny niparitaka tamin'ny tany. I Corine tsy nahahetsika sady tsy nahita ho tenenina fa nivaloarika. 
 
- "Hametraka fitoriana aho izao dia izao. Ary fantatro ny lalàna, ka anjaranao Monsieur l’Inspecteur ny mampihatra izany, ampidiro violon ilay mpangala-badin’olona io, ary i tena ry ilay mpamosavy ity dia hahita izany tsy manana na inona na inona izany intsony. Vita hatreo ny amintsika!"

- "Mifona tompoko ô! tena mifona e! hoy Ratrema nandadilady. Tsy nampoiziko e!"
- " Tsy nampoiziko, tsy nampoiziko inona Rangahy ity an! vita hatreo ny aminao. Mba olon-dehibe manan-kaja nefa hay tontakely mpangala-badin’olona."

Nitomany i Corine sady niezaka nitsimpona ny akanjony fa sady nahatsiaro menatra loatra izy no toa maizina tampoka taminy ny tany aman-danitra. 


Tadiom-pitiavana (tadio_pitiavana@yahoo.fr)

 

Pejy 65
2006/07/05,21:52

  Naka rivotra teny amoron-tevana i Alexia sy Hery tamin’io harivariva io. Na dia nisy soratra aza teo nandrara azy ireo fa tsy azo ipetrapetrahana dia toa tsy nahasakana azy roa ny hankafy ny tsio-drivotra malefaka sy ny hakanton'ny  tanàna tazany tery ambany izany.

Nony tafapetraka anefa dia samy nangina tsy nisy niteny izy roa.  Toa samy mandinika ny ho aviny angamba, na koa nisaintsaina lalina ny fiainany avy sy izay vita hatrizay. Nitsangana tampoka i Alexia nony avy eo sady niteny tamin’i Hery hoe:
- "Hery an ! efa tena mangatsiaka aho, tsy aleo ve mody amin’izay isika?"
Tsy niteny i Hery fa nibanjina azy fotsiny aloha…
- "Tsy maninona," hoy izy, "andao ary hody fa na izaho koa aza mahatsiaro mangatsiaka aty amin’ny lamosiko aty!…"

Raha nitsangana iny anefa i Hery dia nibolisatra tampoka ary nikorisa nankeo amin’ilay moron-tevana. Ny tanany sisa no namikitra tamin’ny sisin-bato. Ny vatany efa mikiraviravy any amin’ny hantsana; Taitra sady nikoropaka i Alexia niezaka namonjy ity olon-tiany sady niantsoantso hoe:
- "Hery an ! omeo ahy ny tananao, haingana…"
Tsy afa-nanoatra i Hery, ho latsaka ihany izy raha vao manala ny tanany amin’ilay vato namikirany. Ny fony midobodoboka mafy aoka izany, tsy sahy nitodika nijery izay taoriany.
- "Hery, samboriko avy eto ny tananao… Hery an ! matahotra aho."
Raha iny nisambotra ilay tanan’i Hery iny i Alexia, no avy hatrany dia nihongotra teo amin’ny toerany ilay vato namikiran’i Hery teo, nikoropaka izay tsy izy iry roa, nifampisintona, niezaka ny hifamatotra mafy amin’ny tanany.
- "Hery an ! mavesatra be…. Mila tsy ho zakako, maharary ahy ny tanako ! Hery an !!!"
- "Alexia an ! maty aho fa aza avelanao, aza avotsotra fa mamikitra mafy aminao aho."
Tsy nanahetsika aloha izy roa nandritra ny fotoana fohy, nefa ny fisinton’ny hozatra amin’io tsapa niha-mavesatra sy manaintaina ihany.
- "Hery an ! maharary be ny soroko, mila tsy ho tantiko intsony ! Hery an!..." sady nanomboka nangovitra ny feon'i Alexia. 
- "Andraso aloha Alexia! hiezaka hamikitra amin’itsy vato itsy aho," hoy i Hery nanomboka nangovitra ihany koa.

Tsy nanantsafidy i Hery fa avy hatrany dia nanala ny tanany ilany tamin’i Alexia ary dia niantsampy tamin’ilay vato teo akaikiny...Azony ihany, namikirany, nefa vao nizaka ny lanjany rehetra ity vato iray hafa ity dia niongotra ihany koa. Tsy nisy azon'i Hery natao intsony fa dia nianjera tamin'ilay tevana izy.
- " Maty aho Alexia, maty aho, vonjeo aho Alexia a..."
- "Hery !!! nnnoooooooooonnnnnnnnnn ! aza mandao ahy ianao ! aza avelanao irery ety ambony ety, sady nikiakiaky nitomany mafy izy niantso ny anaran'i Hery. Niezaka nanarangarana ilay tevana nianjeran'i Hery izy saingy toa maizina ny fahintany ny manondidina azy. Tsy mampino hoy izy tany antsainy fa dia maty ilay olontiany. "inona no hataoko Andriamanitro o!" hoy ihany i Alexia nidradradradra nitomany  sady niezaka niala hiakatra hamonjy ilay lalan-kely teo ambony.

Taitra izy ary tafarina tampoka. Gaga izy fa eo ambony fandriana ny tenany fa tsy teny amoron-tevana akory. Teo vao tsapany fa hay nanonofy ratsy ny tenany. Ny zavatra tsy fantany anefa dia fotoana fohy talohan'ny nifohazany teo no nitrangan'ny lozam-piarakodia tamin'i Hery aty Madagasikara. Nahatsiaro nangatsiaka aok’izany izy ary dia nanamboamboatra ny lamba norakofany. Nampirehetiny ny jiro, nojereny ny manodidina azy. Niverina nandry moramora indray izy nony avy eo sady nisaintsaina lalina ity nofy ratsiny.
- "Hery, fa nisy inona, inona ny fambaran’iny nofy iny. Misy manjo azy ve any?"

Tamin’izay fotoana izay indrindra no novoahain’i Mahefa ny varavarany. Asa na naheno zavatra na nanao ahoana izy tany amin'ny efitra fatoriany tany. Nirehitra rahateo koa moa ny jiro tao amin'i efitranon'i Alexia ka tsy naharitra izy fa nanontany anjanany:
- "Fa maninona ianao anaka, ary toa mangatsiaka be ato aminao izany? tsy mandeha angaha itsy fitaovana itsy?"
tsy niteny i Alexia fa toa varimbariana izany na dia mitopy tany amin-drainy aza ny masony.  Ndao hatory any amiko hoy izy tamin'ity zanany vavy fa mangatsiaka be ato aminao izany sady nosintoniny moramora hiarina teo ampandriana i Alexia.

-"Dada an ! mangatsiaka aho, nanofy ratsy be aho teo dia izay no nahataitra ahy!"
- " Efa fantatro mihitsy anaka fa nisy zavatra nahazo anao dia izay no nahataitra ahy. Henoko nikikiaka sady niantsoantso anaran’olona ianao teo,..."
- " Anaran'iza no henonao? Hoy i Alexia
- " Tsy dia henoko mazava tsara ilay izy fa ny kiakikanao no tena nanako tao antsofiko fa Aleo aloha aho hanao rano mafana vetivety ho sotroinao." Sady nivadika  nankany an-dakozia nanomana rano mafana tamin'ny vata famanana  hosotroin'i Alexia izy.

Lasa fisainana irery teo i Alexia nandinika ny zavatra niainany tao anaty nofy. Dia sanatria ve hoy izy ka misy zavatra manjo an'i Hery any lavitra any e?.

Na dia tsy nivaky fa naheno ny Anaran'i Hery aza i Mahefa dia lasa ihany koa ny sainy sady nanontany tena fa dia inona loatra no manjo ity zanany ary iza loatra izao "Hery" tafititra any anaty nofin-janany izao. Iza ary hoy izy no azoko hanontaniana momba ity Hery ity. Ny zanako ve ? sa i Malala ?

------------------------------------------------------------------------

 

 

 

Tany amin'ny hopitaly nisy an'i Hery aty  Antananarivo:

- "Tahiana an ! mifohaza amin’izay fa efa maraina ny andro!"
hoy i Fano nibitsibitsika teo amin’ny sofiny.
- "Fa amin’ny firy izao?"
- "Efa amin’ny fito sady norohany tamin’ny takolaka ihany ity olon-tiany."
- "Tsy nahita tory mihitsy aho raha tsy efa nadiva haraina ny andro."
- "Nitondra sakafo maraina ho anao aho, ahoana, nanao ahoana nedala io?
- "Tsy nisy niova aloha, fa mbola tsy dia misy ahiana raha izao."

Tamin’izay no niditra ny efitra i Mihary sy ilay dokotera mpandidy maso. Nijery sy nizaha ity marary mbola tsy mahatsiaro na inona na inona.
Natao aloha ny fifampiarahabàna sy ny fifankafantarana, avy eo nivoaka ny efitra i Fano, mody niala teo imason’ny olona rehetra, asa, mety maro loatra koa angamba ny olona tao ka naleony nivoaka.

Nosokafan’ilay dokotera ny mason’i Hery, notarafiny….
Naka fanafody tao anaty kitapony izy dia nahosony teo ivelan’ny tata-maso. Avy eo norarahany fanafody mitete goty vitsivitsy tao anatiny. Nandrasany kely dia nojereny sady notarafiny indray.
- "Mbola tsy mahatsiaro tena izy ka fanafody hampitony ny fanaintainany fotsiny aloha iny nataoko iny. Izy ihany moa no ahafantarantsika izay manjo azy, fa manomboka izao dia aleo saronana lamba mainty ny masony sao dia tsy tantiny ny hazavana be rehefa mihiratra eo izy!
Izay Dr Mihary, antsoinao indray aho rehefa mahatsiaro tena tsara ny marary."
- "Misaotra Dokotera!" hoy i Mihary namaly moramora.
Tsy te-hanontany zavatra hafa aloha i Mihary, ilay dokotera rahateo mbola manana ny asany izay mbola sahaniny any amin’ny sampan-draharaha hafa ka teny an-dalantsara izy no nifampiresaka izay tokony hatao sy izay mitranga marina.

Vao lasa i Mihary sy ilay Dokotera, iny i Fano niditra sady nanontany an’i Tahiana:
- "Nanao ahoana?"
- "Nanao ahoana ahoana moa? hoy i Tahiana somary nanjetoka. Fa ny tsy azoko ry Fano dia izao, ianao ange no tena havany akaiky! nefa maninona ianao no  ohatran'ny mialangalana izany. Tsy hita indraindray, lasa tampoka, tsy tamàna ato mihitsy. Toa tsy taitra akory ianao nilazako fa tratran’ny lozam-pifamoivozana i Hery."
- "Tsss ! ianao koa! raha nialangalana aho ve dia hiverina eto amin’izao!"
- "Ka izay indrindra, angaha izy manana havana intsony, tsy ray, tsy reny, ianao izao no mba havany akaiky, tsssss, tsy azoko indraindray. Izahay ange ka namany fotsiny e!"
- "Namany fotsiny an!……….. raha izany tokoa moa…………… i Hery, i Hery foana, i Hery hatrany no ambetin-dresakao hatramin’izay niarahantsika, fa inona marina ny ny fifandraisanareo e! Ianao milaza fa naman’ny rafozan’i Hery, nefa omaly alina, ny zana-drahavavinao milaza fa olon-tiany i Hery, nefa ange i Hery efa vita fisehoana amin’i Alexia e! Izaho mihitsy aza nanatrika tamin’iny fotoana iny. Izaho aloha tsy mahalala izay tantarany an!
- "Ka izay mihitsy, tsy fantatrao izay tantara marina. Fa ity ianao miala tampoka no loza, nefa dia havanao akaiky."
- "Ahatsiarovako tantara ratsy foana ny tahaka izao, dia izay no mahatonga ahy tsy miroboka lalina, ianareo koa moa mazoto dia avelako hikarakara azy tsara, ary isaorako anareo be dia be! Fa na izany aza, sarotra ny manadino ny tantara nitranga rahafa raikitra ao am-po tsy afaka mihitsy ary nitondra takaitra teo amin’ny fiainako."
- "Fa tantara inona indray izany," hoy i Tahiana somary sadaikatra.
- "Tsiambaratelon’ny fianakaviana izany, ary tsy hambarako mihitsy fa mankarary fo fotsiny…"

Tsy nifampiteny intsony izy roa, nangina ny efitrano. Ny sakafo moa no noloarana hihinanan’ity mpiandry marary. Ary afaka fotoana elaela….

Injay fa niverina niditra tao i Mihary, niverina niaraka tamin’ny dokotera hafa. Tsy tapitra teo akory ilay disadisa kely tamin’i Fano sy Tahiana, fa mody nifampianjonanjona tsy nifampiteny aloha…..

- "Izy no dokotera hikarakara an’i Hery amin’izay, hoy i Mihary, fa izaho moa nanavotra aina no nataoko, sady diso toerana rahateo i Hery ato amin’ity efitra ity fa entina any amin’ny sampan-draharaha tokony hisy azy amin’izay izy.
Mody nitsaitsaika hivoaka indray i Fano, fa tonga dia nosintomin’i Tahiana tamin’ny tanany hijanona sady nivandravandrany!
- "Efa ho avy any ny mpitsabo mpanampy rehetra hitondra ny marary, hafindra any amin’ny rihana ambony mihitsy izy izao," hoy ilay dokotera teo…

Tamin’izay indrindra anefa no nihetsika kely ny ratsan-tanan’i Hery, avy eo toa nimonomonona feo malefaka izy hoe :
- "Alexia ! … ampio aho…… avia Alexia…"
Nikoropaka i Mihary nijery azy, i Tahiana koa nitsamboatra mihitsy teo amin’ny seza nipetrahany. Nefa tsy nitohy intsony ilay fiteny, nangina indray ny iray trano.
- "Tsy Tonton Fano izao no hijanona hiandry ny marary? aleo angamba izahay sy Tahiana hody aloha … efa io ny Dokotera hanampy anao amin’izay ilaina rehetra."
- "Eny tompoko," hoy i Fano tsy naka sarotra, sorisorena koa natsoin’i Mihary hoe « tonton »

 

 

 

Iny fa lasa nivoaka ny efitra izy mirahavavy mianaka. Vao teo amin’ny lalan-tsara anefa dia hoy i Mihary :
- "Tahiana an ! tsy azoko atao ny mijery fotsiny amin’izao fa vao mahatsiaro tena eo i Hery dia tsy maintsy Alexia no hany hotadiaviny."
- "Fa ahoana?" hoy ny iray.
- "Izay fotsiny e ! fantatro avokoa ange ny tantara rehetra e! Fantatro fa manana ny laharana ahafahana miantso azy indry fa tsy te-hanome an’i Hery fotsiny. Izany foana no ambetin-dresany tamiko."
- "Ka misy antony ao, tsy tiako mihitsy ny handratrana ny fony rehefa any aoriana."
- "Azoko tsara izany, fa miangavy an-dry mihitsy aho mba omeo azy izay laharana izay rehefa ary saina tsara izy. Te-handeha izy, dia aleo alefa handeha. Aleo omena azy izay tadiaviny."
- "Ka efa hoe…"
- "Aza asiana izany Tahiana an! raha misy ny zavatra tadiavin’i Hery voalohany dia i Alexia! ka tsy mampaninona izay mety hitranga fa omeo azy re! miangavy an-tanan-droa mihitsy aho!
- "Dia ahoana anefa ny amin-dry, tsy vao alina ve i indry no nilaza fa tian-dry izy? Hoy i Tahiana somary nanao fijery miahotra.

Nisento fotsiny i Mihary, tafajanona tamin’ny toerana nisy azy mihitsy izy, nefa nandefitra amin’ity rahavavin-dreniny. Naleony tsy niteny. Naka poketra tao amin’ny birao fotsiny i Mihary dia niaraka nivoaka ny lalan-tsara izy mirahavavy mianaka.

Vao hivoaka ny vavahadin’ny hopitaly anefa, injay fa nisy fiara nampaneno ny anjomara tao aorian’izy ireo :
- "Dr Mihary. Andeha ho aiza ianareo izany? Ndao hateriko?
- "an, an, an, efa nivonona ny handray fiarakaretsaka etsy izahay fa tsy maninona Dr Harinaivo an!"
- "Tena tsy olana amiko mihitsy ka, afaka ateriko ianareo, jereo ange ny masonareo e! vizana dia vizana, hita mihitsy fa tsy nopoizinin-tory."
Nitsiky fotsiny i Mihary, somary menamenatra. Ka atao ahoana moa, ny maso no tsy mahay mandainga indrindra amin’ny tenan’ny olombelona fa hita taratra eo avokoa ny fihetsikao rehetra ; mbola saika handà ihany i Mihary nefa nodomin’i Tahiana tamin’ny sorony, dia nanaiky niditra tsy zazoka tao anatin'ilay fiara. I Mihary no teo aloha, i Tahiana kosa naka afovoany tao aoriana.
- "Dr Harianaivo an ! ity rahavavin-dreniko ity mbola tsy maintsy mandalo atsy amin’ny farmasia atsy fa haka fialan-tsasatra kely no hampilaza ihany koa, ka tsy mampaninona anao ve ny mandalo any?"
- " Tsy mampaninona mihitsy ka! Fa hono ho’aho, fa inonareo tokoa moa io tra-pahavoazana io ry zareo?"

Asa izay nahazo an’i Tahiana fa saika izy no hisolantsolana hiteny avy hatrany saingy ny an'i Mihary no tonga aloha nanao hoe:
- "Havana akaiky izy io ka! zana-drahalahin’ilay Mr.Fano teo izy ary ho vadin’izato ramatoa ato aoriantsika ato. Moa izy rahateo mpiara-mianatra tamiko tamin’ny mbola kely!"
Tsy niteny i Tahiana fa ny masony no navandravandrany tamin'’i Mihary izay nangalam-pijery kely tany aminy fotsiny.
- "Hay ve?", hoy ilay dokotera,…"eny e ! mafy avokoa rehetra tratran’ny tahaka izao, fa ny anareo moa ry zareo havana, sady efa andalam-pahatsaràna rahateo koa. Fa ny ahy tamin’izany……… ssshhhh, efa lasa izany fa tsy afaka averina intsony."
- "Fa inona moa izany Dokotera?"
- …ny ahy, efa fofom-badiko teo am-panomanana raharaha izahay no tratry ny lozam-piarakodia koa. Tsy tonga tany amin’ny hopitaly akory dia nafoy ny ainy. Efa nofo mangatsiaka no novantaniko tany amin’ny hopitaly. Raha mba teo aho mantsy tamin’izay… mbola mety ho avotra ihany ... sshhh, efa lasa ho’aho izany, tsy saintsainina intsony. Efa ho 3 taona lasa angamba izay."
- "Mampalahelo izany tantaranao izany dokotera. Miala tsiny raha nampahatsiaro ny fiainanao ny tranga aminay fa atao ahoana moa, izay ilay fiainana."
- "Dokotera an!" hoy i Tahiana, efa tsy ilay farmasia iasako ka tsy maninona fa apetrakareo fotsiny aho sady mety ho elaela koa. Misaotra betsaka nanatitra ahy taty."

Vao nijanona ny fiara dia nanolotra ny tanany i Tahiana, nifanao veloma.
Lasa avy eo Dr Harinaivo sy Dr Mihary nanohy ny diany.
Teny an-dalana:
- "Ary ianao hono mbola tsy manambady? azafady fa lasa tampoka ny vavako!
Menamenatra fotsiny i Mihary.
- "Fa ahoana no nahafantaranao izany"
- "Nalaza be tao amin’ny hopitaly mihitsy ange ny fiverenanao an-tanindrazana e! izao sy izao, hono ny mikasika izany, manam-pahaizana be nikoizana mihitsy fa na ny amerikana aza efa nandokiroky hampijanona azy tany…"
Tsy nisy niditra tamin’ny sain’i Mihary izay noresahin’ity namany dokotera, ny fahavizanany koa moa nanefika azy, moa ity olana mianjady amin’i Hery mbola babeny ao an-damosiny. Toa nanenina ihany anefa izy ny tsy nilazàny fa olon-tiany ange i Hery. "olon-tiako tokoa ve?" hoy izy niteny anankampo.  
Rehefa tonga teo akaiki’ny tranony ny fiara dia nolazain’i Mihary fotsiny hoe :
- "itsy ny tranonay fa misaotra betsaka Dr Harinaivo an!, misaotra betsaka nisahirana tamiko. Mandra-pihaona fa antsoiko ianao raha vao tokony hijery an’i Hery" Niala ny fiara izy, nandeha moramora, niditra ny trano, ny reniny no hitany tao an-dakozia.
- "Neny an ! tena torovana tanteraka aho, sady napetrany ny poketrany…….. hiakatra any amin’ny efitranoko aho an ! hatory aloha ? misy zavatra azo hohanina angaha?"
- "ndana ary aloha maka aina izany zanako izany fa ateriko any ny dité mafana hosotrin-dry."

Vao tonga tao amin’ny efitranony izy dia nidaboka teo ambony fandriana. Nanganohano ny masony, niraraka tsimoramora ny ranomasony sady tsy tanany intsony fa nifokofoko nitomany izy.


Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype