- "Mipetrapetraha ianao ry Hery…"
Naka ny sezany koa i Mihary dia nandray taratasy fotsy. I Hery koa variana mijery ny manodidina azy aloha. Efitra fizahana marary fa dia milamina aok’izany.
- "Dia nanao ahoana ry Hery an ! Inona avy ary ny vaovaonao?"
- "Inona moa no tokony hambarako aminao fa ny tena zava-dehibe dia nanoratra mailaka tamiko i Alexia."
- "Hay," hoy i Mihary somary gaga.
- "Tena hafaliana moa ny ahy, sady daty vao afakomaly mihitsy. Tena faly aho ry Mihary an! raha tsy izany aho ve raha vao nalalaka androany dia nankaty aminao?"
- "Eny ary e! izay resaka izay no iaingantsika" sady nanoratsoratra tao anatin’ilay taratasy ihany i Mihary.
- "Tamin’ny oviana no nandraisanao ilay hafatra, dia nanao ahoana ary ny fandraisanao ilay izy?"
- "Omaly hariva, ary tena nanaitra ny foko tokoa ny tononkalo nalefany, eny e! tononkalon’i Rado ilay izy fa na izany aza! raha fantatrao moa ny hafaliako. Fa niteny moa izy fa hijanona any hanohy fianarana dia vao mainka hanosika ahy hitady azy."
- "Efa niverina nifampiresaka izany ianareo?"
- "… tsy haiko, efa nomeko ny laharan’ny findaiko izy fa mbola miandry foana ny antsony aho hatramin’izao!"
- "Dia ahoana ny fandraisanao izay izy tsy miantso anao izay, sy ilay hoe izy hijanona any?"
- "Tsy kivy aho ka, tsy kivy mihitsy, fa ny saiko aloha dia alefako any aminy foana e! Roa volana latsaka aza izay no tsy nifandraisanay mivantana mihitsy nefa dia nanantena azy aho, koa izy efa fantatro fa salama izao indray ve vao ho ketraka aho?"
- "Mieritreritra azy foana izany ianao, nanofy azy ve nefa?"
- "Marina izany, omaly efa madiva haraina no nanofy azy aho…"
dia notantarain’i Hery ilay nofiny tao an-jaridaina mahafinaritra iny.
- "Fa ity hoy aho no tsy azoko mihitsy ry Mihary an! Maninona ny manodidina ahy no mandrara ahy tsy hifankahita amin’i Alexia?"
- "Fa ny manodidina anao iza moa no tianao hotenenina?"
- "Tsy haiko, tahaka an’i Tahiana ohatra, izy nikarakara ny pasipaoroko ho any an-dafy, izy anefa omaly dia toa nandrara ahy an-kolaka indray ny tsy handehanako!"
- "Ny antony ve? Asa, ny fiantraikany any aoriana no mety mahatonga azy hanao izany. Efa nolazaiko moa ianao fa ny antony nahatonga ahy nanadihady ny momba anao hatramin’izao dia satria miavaka amin’ny maro loatra ny fiainanao sy izay mitranga ankehitriny, Fa raha amin’ny fo sy ny saina tsy miangatra ve ry Hery, raha olon-kafa moa no nanaovanao ireny tany Mahajanga ireny tsy efa nifanome tsiny sy tody aza isika? Fa satria misy tanjona tiako hahatongavana ao, dia mba hanamarinako ilay fehin-kevitra nambarako taminao tany Mahajanga ireny, dia ekeko na dia sarotra aza. Sarotra ny hitahiry izay mavesatra aty am-poko, sy hitazona ny tsiambarateloko noho ny fahadisoam-panantenana nahazo ahy. Eny fa na dia tokony hanana namana aza aho hilazako izany dia tsy maintsy mangina fotsiny, tsy afaka ny haneho izany na amin’iza na iza."
- "Fa izany eo ihany ry Hery fa hiverina amin’ilay fanontanianao teo aho
Maninona hoy ianao no mandrara anao ny manodidina anao. Eny e ! na izaho koa aza mety ao anatin’izany, fa safidy anao manokana io, manome hevitra fotsiny aho, ianao no tompon'ny teny farany."
- "Alaivo sary an-tsaina tsara ity teneniko ity. Eritrereto ho tahaka ny afo ny fitiavanao, manana be dia be mihitsy ianao, tena miredareda be ary lasa manome hafanana ny manodidina anao aza. Ary io fitiavana io dia miredareda tsy hay afenina intsony, hany ka na ireo manodidina anao aza dia tamàna satria ilay hafanàna dia ahafahany mamindro koa eo akaikinao..
Tadidio anefa fa ao anatin’io afonao io dia manana anjara be dia be mampirehitra azy i Alexia. Ka raha toa tokoa moa, i Alexia mihitsy no mamono ny afonao, dia inona no hitranga ? tsy ho faty avokoa izay natsanganao rehetra. Ary na iza na iza mikasa ny hamelona izany afo izany indray, dia ho sarotra satria famoizam-po lalina no hanjo anao. Sarin-teny ihany izay tantara kely izay ry Hery, fa mba tena nodinihinao tsara ve ny ho avinao, « raha miaraka amin’i alexia ianao dia inona avy no mety hitranga, ny zanakao kely roa, marina fa efa manana izay ray sy reny mpitaiza azy izy, nefa mbola eo anivonareo, saintsaino lalina e! Ary ity no farany … " Nisarika ilay vata marobokotra tao ambany latabatry ny biraony tao izy dia nitendritendry litera maromaro, afaka fotoana vitsy dia nasehony an’i Hery ny fahitalavitry ny solosaina teo anoloany:
- "Hitanao ity?"
- "Inona?," hoy i Hery.
- "Jereo fa mino mihitsy aho fa ianao izao no nanao an'ity.
Io fa nivelatra teo ambany mason’i Hery ilay takelaka nametrahany hafatra tao amin’ny www.wanadoo.mg. Hankina izy, tsy nahateny, tsy nahajery akory an’i Mihary fa dia nitanondrika moramora. Vao mainka aza nampitombo ny havesatry ny lanja mibaby aminy ilay seho nataon’i Mihary. Menatra ihany ny anao lahy manoloana ity namany manadihady azy, « kelymaditra », kely maditra tokoa no hany azo hamaritana ny anarany.
- "Tsy hitanao, …izaho aza, tsy niaina io tantaranao io akory tonga dia mahafantatra fa ianao no nanao io! mba fantatrao moa ny fiantraikan’io tantaranao io raha fantatr’i Malala, na Ratrema, ary indrindra moa raha i Alexia?
- "Tena satriko ry Mihary ny hiteny hoe tsy izaho no nanao io, kanefa porofo mivaingana mitohaka amin’ny tendako izao, raha fantatrao mantsy ny fahaverezan-tsaina nahazo ahy tamin’izany."
- "Fantatro e ! fantatro mihitsy ny nanjo anao. Fa ny hafatro dia tandremo tsy ianao indray no hametraka fandrika hamitaka ny tenanao."
- "Ary i Tahiana, « c’est elle n’est-ce pas» ? izy no ilay naman’ny rafozam-bavianao e?" hoy ihany i Mihary namatrapatratra.
…
Tsy nahaovoka niteny intsony i Hery fa ny masony aza no nanomboka nanganohano. Nitanondrika tahaka ny akoho voakapoka.
I Mihary etsy manomboka lotika ny fony ka ny hamantsipantsika ity namany no hanaparany ny alahelony.
- "Efa azoko an-tsaina mihitsy izay, fa mbola nisalasala aho hatrany Mahajanga satria tsy nambaranao tsara moa, vao nahita anareo teo aho dia nazava tamiko, vao mainka moa izy niteny fa nandrara anao ny tsy handeha dia azoko tsara ny toky fa dia izy tokoa no nanaovanao izao hadalana izao. Tena miala tsiny aminao aho ry Hery, fa namana aho, ary tsy misalasala mandefa ny teny tokony hambarako aminao. Mafy dia mafy ny teniko fa anjaranao ny manadihady tsara izay tokony hataonao."
- "Ka inona ary no tokony hataoko e!," hoy i Hery somary latsa-dranomaso. "Raha tena tsapanao marina mantsy ny halalin’ny fitiavako an’i Alexia."
Isaky ny manonona ny anaran’i Alexia i Hery, dia vao mainka mapirehitra ny hatezeran’i Mihary ka te hamatrapatratra indray ity namany.
- "Ny tokony hataonao? Manana safidy ianao, na handeha na hijanona;
raha hijanona ianao, dia tsy hahita an’i Alexia intsony, izy rahateo moa efa niteny fa hijanona any hanohy fianarana, handeha ianao, dia tsy anao intsony ny tohiny fa an’i Alexia no mandahatra izay tiany. Efa nisafidy izy ny hanohy fianarana dia ho vitanao ve ny hanodina ny sainy amin’ny fanapahan-kevitra nataony?
- "Mihary an ! aoka izay fa mila tsy ho tantiko intsony e!"
- "hay mahatsapa maharary ohatr’izany ihany, manao ny hafa tsy mihevitra izay vokany, tsy amelako kosa aloha fa dia aleo hisaina tsara fa manahirana, enga anie ka hilentika tsara any an-tsainy any izany ary mba hahahendry azy fa tady hiborioka mihitsy ity Hery ity " hoy i Mihary tany aneritreriny tany.
- "Eny ary," hoy i Mihary, "Ampy angamba izay, mino aho fa hainao tsara ny mitandrina ny tenanao, indrindra moa fa misaodisaody eny akaikinao izany i Tatie Tahiana. Fantatro tsara ange izy e! Ary tadidio fa izaho mahafantatra azy talohanao…" sady nitsangana i Mihary nanatona ny varavarana, dia iny koa i Hery nitsangana nanao veloma azy, tahaka ireny akoho voan’ny barika ireny ny tovolahy nivoaka ny biraon'ity namany.
- "Izay ry Hery, tsy maintsy nanao teny mahery tahaka ireny aho fa anjaranao ny manakotsako izay teniko rehetra izay."
- "Veloma ary," hoy ihany izy.
- "Azafady ry Mihary fa i Tahiana ange tsy mahalala mihitsy ny nataontsika tany Mahajanga ka tsy haiko izay hoteneninao azy. "
- "hitantsika eo izany e! inoako fa mahatoky ahy ianao."
sady natolony an’i Hery ny tanany.
- "Veloma ianao Dr Mihary!"
- "Veloma ary."
Dia nifanao veloma tamin’i Tahiana i Hery, ary rehefa lasa ny lehilahy dia…
- "Tatie Tahiana an! afaka miandry kely vetivety ve aloha ianao fa mbola misy zavatra halamiko kely." Nakaton’i Mihary ny varavarana, dia namonjy ny efitra fisasana izy fa latsa-dranomaso nahita an’i Tahiana sy Hery, ary toa sary nibahana tao an-tsainy ny hadalàna nataon’ireo hatramin’izay.
Nifokofoko irery tao izy, ary raha tsy elaela tsy niverina. Rehefa tony tsara izy vao niverina namoha indray ny varavaran'ny biraony sady nampandroso ity nenitoany.
Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)
- "Mandrosoa Tatie, mandrosoa dia mipetrapetraha!"
- "Ie, handroso tokoa moa izany! andray akia izany hatsaran’ny biraon-driako! tena mahafinaritra be sady manaraka ny tsara toetr’andro ankehitriny an! Tena lafatra, hita mihitsy hoe avy any Amerika!"
- "Tatie ity koa, manao ahoana aloha e ! mahazo mifampiantso amin’ny anarana ve isika e?"
- "Ie ! tsy mampaninona, rehefa eo amin’ny fianakaviana ihany no tokony hifampiantso Tatie, satria manjary manakorotan-javatra, sady isika koa ange tsy dia mifanalavitra taona e! Na dia zokin-dry lavidavitra kely aza aho, niara-nilalao ange tamin’ny mbola kely e! ahatsiarovako lehilahy iray… ha, ha, ha !!!"
- "Fa inona aloha no anton-dian’i Tahiana e? Misy vaovao matoa tonga aty!"
tena misy mihitsy ary tsy nampoiziko aza! Hay ve indry ty ka niara-nianatra tamin’i Hery e! Aiza moa no ahafantarako izany fa dia nifankahita tampoka tao alatrano tao izahay."
- "Niara-nianatra foana aza izahay hatrany amin’ny kilasy famaranana fa nony afaka bacc dia samy nanana ny nalehany ka atao ahoana! Fa maninona no mahaliana be an’i Tahiana izany?"
- "Ka mikasika izay mihitsy ange akia no tiako nandehanana aty amin-dry aty e!
Aleo tonga dia tsoriko akia ny resaka ry Nomena an, ary tsy miolakolaka intsony aho iny akia no hitako fa mety ho sahaza ho an-dry an!"
Nitaraina tamiko ange ny renin-dry hoe mba hitadiavo namana any hono indry fa sao dia hiafara tahaka anareo sy Manitra eo koa. Dia iny akia no hitako an, ary tena tolo-janahary mihitsy fa hay efa mifankafantatra ianareo roa! Tena mety mihitsy."
- "Fa ahoana aloha ny momba anareo e! Mbola hanao mademôzely be eny ihany ve ianareo mirahavavy sa efa misy mikasakasa?" hoy i Mihary mody nanodina ny resaka.
- "Ka izay indrindra, misy akia any an! sady mety tsara ho ahy, fa izany hoe: mbola tsy azo 100% fa andalana e! ary ny tena zavatra dia izao: rahalahin-dRain’i Hery iny ange ilay izy e! dia lasalasa akia ny saiko, raha toa ka indry no mba tiako hiaraka amin’i Hery an! Indry ange izany tsy atoro intsony fa hay efa fantatr’indriako tsara izy, he izany izy hoe mpiara-nianatra! Ka misy ohatr’izany indray ve. Sao dia efa miaraka kosa ary aloha ianareo fa izaho no lany rora mampiditra eto fotsiny."
- "Fa ahoana kosa ary no ialazan’i Tah… an’izany e!"
- "Ka maninona aty amin’ny biraon-driako ary izy, sa marary mila fitsaboana, sao dia voan’ny … SIDA," hoy i Tahiana somary niahotra.
- "An an an ! tsy misy an’izany ka, fa aleo hipetraka anatin’ny tsiambaratelon’ny asa fa manjary manahirana."
Fa marina tokoa izany, i Tah… koa ange toa mahalala an-dry zareo tsara mihitsy e ! Fa taiza marina aloha no nifankahalalanareo?"
Sadaikatra ihany i Tahiana, nitady izay havaly.
- "…Sendra nandalo tao amin’ny farmasia akia izy fa niandry raharaha izahay tamin’izay an ! Dia… tena … sshhh, tantara lava akia izany an ! fa ny andro koa moa ity efa miha-maizina, tsy aleo ve mba eny an-dalana isika no manohy ny resaka e!"
- "Fa angaha moa i Hery tsy efa vita fisehoana tany ho any e?" hoy i Mihary nanamafy.
- "Mampalahelo ahy ange izy iny fa toa tsy tia azy akory izay fofombadiny izay e ! Sady mety hahitany olana be dia be akia an ! Tadidio fa tsy hanolo-bato mafana andry mihitsy aho akory."
- "Eny e ! misaotra amin’ny tolo-kevitra fa misy hosaintsainina izany!
efa hariva marina ny andro fa tsy aleo ve ny lalana mody no asiana olona tokoa."
« Mody miala bala indray ikala Tah… fa mitady hitifitra azy ny marina, tsy azony an-tsaina mihitsy ny fahafantarako ny zava-mitranga », hoy i Mihary tany an-tsainy tany, « ity izy mitady hiditra amin’ny fianakavian-dry Hery koa no loza, tsy ho lasa amboadia mitafy hodi-janak’ondry ve? Mila mitandrina ianao ry Hery fa sarotra foana ny lalanao, jereo ity nataony tamin’ny voalohany teo, tahaka ny olona mpifankatia ireny izy roa, ny fanalan’i Hery ny tanany vao nisokatra ny varavarana marina,! mbola amin’ny fotoana manaraka no hamatsimpatsihako an'ity Tahiana ity, dia tena tsy niova mihitsy fa mandangolango eny foana, tsy mahay mifikitra amin’izay hananana fa mitady etsy, mitady eroa. Nahita ianao ry hery, nahita iny vehivavy iny fa mitandrema !»
Nanidy ny biraony i Mihary dia niara-nivoaka ilay trano lehibe izy mirahavavy mianaka.
Teny an-dalana dia tsy naharitra intsony i Tahiana fa nilaza hoe
- "Izao akia ry Mihary an ! Manana olana ara-pitiavana goavana be mihitsy i Hery, ary matoa aho nanatona an-dry dia fantaro fa mety hitondra vahaolana aminy mihitsy ny fisian-dry. Ary ianareo moa mifankafantatra dia vao mainka tsara. Asa, mety efa mahalala izay tantara marina in-dry fa raha tena mila fanazavàna lalindalina kokoa dia mankanesa any an-tranoko e! Mila vahana maika mantsy izy olany izay. Izay fa eto isika mianaka no misaraka, veloma Nomena an!"
Nandefa eritreritra lalina i Mihary ambara pahatongany tany aminy, sarotra ary anisan’ny sarotra raha izao olana mitranga amin’i Hery izao, mifamatopatotra be daholo ny trangan-javatra rehetra, ny fanapahan-kevitra mety azo raisina toa mety handamoka indraindray.
Fa tany an-dafin-dranomasina kosa tamin’io fotoana io :
- "Malala an ! Malala an ! naninona ianao izany e? hoy i Mahefa nihazakazaka nidina ny tohatra. Nikoropaka izy nahita an'i Malala nitsirara teo amin'ny gorodona. Nareniny moramora aloha ity vehivavy sady nahankiny tamin’ny tratrany. Tsy nahatsiaro tena tanteraka i Malala. I Alexia koa anefa any ambony rihana mbola tahaka izany koa. Fa inona loatra ary ity miseho ity hoy Mahefa nanontany tena. - "Malala an ! fa naninona tampoka teo ianao e!" Sady nokosikosehiny aloha ny tanany, dia nobatainy avy eo haka toerana teo ambony seza lava.
- "Inona indray ary ity mitranga ity!" Noraisin’i Mahefa ny findainy, nantsoiny aloha i Tojo…
- "Tojo an ! tongava aty an-tranoko izao dia izao aloha ise fa tena mila fanampiana maika dia maika aho."
- "Fa misy inona Profesora ? … tsy azoko…"
- "Haingàna ise fa mila an’ise maika dia maika mihitsy aho izao e!"
- "Eny e ! ho avy aho" hoy i Tojo namaly tsy sazoko tamin'ity fiangaviana toa miharo baiko ny hahatongavany.
Nandinika kely aloha i Mahefa amin’ity mahazo azy mianaka, mbola teny an-tratrany ny fitsapàna marary dia nohenoiny tsara ny fitempon’ny fon’i Malala, mbola tsy misy atahorana aloha, soa fa efa vitany ny nampatory ny zazakely fa raha tsy izany…
" Fanina tampoka izy izany, asa izay nahazo azy tampoka teo, ilay niaka-nidina tamin’ny tohatra angamba, nefa… Tsy dia tena misy atahorana kokoa ny reniny noho ny zanany, ny vokatr’ilay fianjerany teo no tsy fantatra. I Alexia nefa tsy maintsy jerena koa. "
Niakatra vetivety izy rehefa avy nandrakotra lamba an’i Malala,
Indro i Alexia mbola tsy mahatsiaro izay ambonin’ny tany, natsofony tamin’ny sandriny ny fitsapàna tosi-drà dia nojereny, ambanimbany ihany fa mbola azo itokisana tsara.
Very hevitra teo i Mahefa, ny amin’ny tokony hataony,
"Ho entina any amin’ny Hopitaly ve izy mianaka, dia ahoana ny ankizy kely. I Malala koa mbola mitaiza, dia ahoana ?
Aleo aho hiantso ilay mpitsabo namako hoy izy aneritreritra d ho hita eo izay hatao. I Ratrema kosa aloha dia tsy azo antsoina mihitsy amin'izao e. Asa izay hahazo azy. Izaho anefa efa nampanantena ny hilaza vaovao aminy.
Olana goavana koa ity, hitako ny namana aman-tsakaiza mpiray tanindrazana no somary mihisatrisatra rehefa mandray ny havany mandritra ny fotoana maharitraritra. Hay moa ny mba tsy hisian’ny toy izao. Atao ahoana moa fa zanaky ny tena ve holavina, zara aza mba natolotr’Andriamanitra ahy ity zanako ity. "
Nantsoiny ilay mpitsabo vazaha namany sady nazavainy izay mitranga.
Nidina izy avy eo, nijery an’i Malala indray, vao noraisiny ny tanany dia nanomboka nihetsiketsika kely ny hodimason'i Malala ary nisokatra moramora nony avy !
- "Hery!" hoy ny tenin’i Malala voalohany. Dia tsy nahateny intsony izy fa i Mahefa fotsiny no nobanjininy tsara.
- "Malala an ! Aleo aloha tsapaiko ny tosi-dranao, soa fa taitra ihany ianao !
-Fa aiza i Hery? i Hery, aiza izy izay?
- "Malala an! aza mbola mandefa saina lavitra aloha fa manjary hamizana anao fotsiny an! Izay!"
injay fa nisy nandondona tao am-baravarana.
-« Entrez ! » hoy i Mahefa, « c’est ouvert ! »
Dia iny i Tojo, niditra ny trano, toa kaodikaody, nangarangarana aloha, nijery, taitra tampoka nahitan’i Malala matory eo ambony seza lava nefa tsapain’i Profesora ny tosi-drany.
- "Fa nisy inona Profesora?" sady nanatona ny tovolahy no niarahaba.
- "Aza mbola be fanontaniana aloha ise fa aleo i Malala entina miakatra any ambony, mbola tena vizana be izy ka tsy hay raha hahazaka tena."
- "Mila bataina izany?"
- "Aleo aloha andrasana kely hahazo aina tsara izy dia entina miakatra rehefa avy eo! Sady ho avy koa ilay dokotera namako dia aleo any izy no zahana. Mbola amin’izay no ahafantarana raha tokony hitondra azy mainaka any amin’ny hopitaly isika!"
- "Fa izy mianaka iza moa ry Profesora, ilay zananany menavava ve? "
- "Aza taitaitra aloha ise e!" hoy i Mahefa nahita an’i Tojo toa hendratrendratra be ihany, " i Malala sy Alexia no tiako holazaina, nefa mety hanahirana be satria izy mianadahy kely mbola taizaina."
- "Malala an ! entinay sy Tojo hiakatra ianao an! miandry kelikely fotsiny."
- "Io ry ise an! tsy tonga dia zakan’ise hotrotroina ve izy amin’izao!"
Nobatain’i Tojo i Malala, tonga dia nataony teo an-tratrany, avy hatrany dia nentiny niakatra sady nanaraka an’i Mahefa tao aoriana koa izy. Nitombo ihany ny fahatairany mahita an’i Alexia hatsatra dia hatsatra toa tsy mahatsiaro tena eo ambony fandriana.
- " Aleko mhitsy ry ise izy mianaka no hiray fandriana eto aloha alohan’ny hahatongavan’ilay dokotera an!"
Nipetraka teo akaikin’i Alexia indray i Mahefa sady namoaka fanafody tany am-paosiny tany. Rehefa nampandriana tsara kosa i Malala dia norakofana lamba hahazo hafanana. I Tojo no nampandry azy, ilay fandriana rahateo moa be velarana fa afaka natorian’izy mianaka tsara ;
Vao nitohoka teo amin’ny oron’i Alexia ilay fanafody mani-pofona dia nanaomboka nitsirempirempy ny masony, somary nisokatra kely sady nihamafifamy ny fisefony.
- "Papa! papa an!"
- "Efa eto aho izany zanako izany! aza mbola miteny betsaka aloha an!" hoy i Mahefa nampitony an’i Alexia, sady nanarina azy hiankina eo an-tratrany.
- "Mbola ato ve aho, sa mbola nofiko ihany izao!"
- "Tsia anaka, natory lalina ianao teo fa efa mifoha tsara izao!"
- "Tojo an ! hoy i Mahefa, andana ange ry ise, mba raofy ilay vazy vaky ao ambany io fa sao dia handratra olona e!"
- " Eny tompoko," hoy i Tojo tsy nisalasala, tsy tian’i Mahefa ho fantany koa izay tena mitranga fa naleony naniraka azy hiala teo. I Malala toa tsy nanana aina na dia ny hitenenana aza fa dia nipitrapitra fotsiny.
- "Tena marina ve fa ianao no ray niteraka ahy?"
- "Alexia an! aza mbola mieritreritra izany aloha fa mbola vizana be ianao!"
- "Tena nanofy aho sady faly nahare ilay izy! nofiko fa i Papa hono no nilaza tamiko hoe ity ny ray niteraka anao anaka! Avy aminy no nipoiranao fa izaho nirahin’Andriamanitra nitaiza anao fotsiny! dia nampian’i Papa hoe Dada no iantsoanao azy manomboka izao! dia hafaliana moa ny ahy, sady notoloran’ilay raiko ranomanitra aho, dia tsy fantatro intsony fa … Dada an ! menatra be anao aho, tena menatra mihitsy, raha fantatro mialoha izany dia tsy nanao ny tahaka ireny aho!"
- "Aza malahelo amin’izany ny fonao anaka, izaho eto mikarakara anao!
Tsy misy maninona an! Tsy misy maharary ny an-doha na zavatra hafa ! Ary sao dia mahatsiaro maharary ny faritra nodidiana."
- "Mahatsiaro reraka fotsiny aho, somary taitra ihany fa efa tsy dia maninona izao."
- "Izay fa tonga ilay dokotera namako," hoy i Mahefa.
Nampatoriany teo ambony ondana aloha ity zanany, dia nitsangana izy niteny tamin’i Tojo hamoha ny varavarana sy hampiakatra ilay dokotera.
Vao tafiditra ny efitra dia nifampiresaka izy roalahy. Nazavain’i Mahefa izay nitranga, ary nanontany izy raha tokony entina hiverina any amin’ny hopitaly izy mianaka.
Nataony avokoa aloha ny fitsapana rehetra, indrindra teo amin’ny faritra nodidiana tamin’i Alexia, dia afaka kelikely izy niteny hoe:
- "Tu vois mon cher confrère, elles ont reçu un choc, mais vu que : elles se sont reveillées aussitôt, et toi aussi qui est toubib dans la maison, je n’y vois pas l’inconvenient de rester ici ! en tout cas, il sera bientôt Noël, on aime tous être chez soi n’est-ce pas les filles ? hoy ilay dokotera somary nananihany.
Nitsikitsiky fotsiny i Alexia, i Malala kosa tsy nahateny na dia indraim-bava aza.
- "tu vois Mahefa ce que tu vas faire ?… en tout cas, je vous rassure que tout ira bien les filles, et soyez sans crainte, ce n’était qu’un petit malaise, alors, joyeux Noël à tous et à toutes. "
Lasa nidina ilay dokotera, sady naterin’i Mahefa tao am-baravarana.
Vao tafaverina nefa izy dia indro i Malala niverina nitomany :
- "Mahefa sy Alexia an ! malahelo loatra ny any Antananarivo aho, te-hody mafy mihitsy. Te-hody any an-tranoko aho e ! Mahatsiaro irery loatra aho aty !
Sady nitohy hatrany ny fidradradradrany. Raha ny tiany aloha dia ny hiantsoantso hoe Hery an ! aiza ianao e !
Voatery nampangiana an’i Malala indray i Mahefa, vao nahare izany koa i Tojo dia niakatra nefa toa tsy nahoan’i Malala akory. Voatery nobataina tany an’efitrano hafa, lavitry ny ankizy kely ary soa ihany fa mbola matory tsara.
Dia tao i Tojo nanao izay faraheriny hampitony ity malalany.
Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)
Ny andro mialoha ny fetin'ny Krismasy, andro tsy iasana rahateo...
- "Allo Fano! ho avy ianao rehefa harivariva an! efa manomana sakafo tsara mihitsy aho io! Ataoko fa ho tianao daholo ny sakafo karakaraiko ato an!" hoy i Tahiana sady niangotingoty ery.
- "Tsy maninona fa izaho no mitondra labozia! Dia ampirehetintsika hatramin’ny misasak’alina. Aza matahotra ianao fa ho tonga aloha mihitsy ary aho e!"
Revo dia revo ny anao vavy, nikarakara ny sakafo, nanomana izay metimety. Handray vahiny tsinona!
Tonga ny tamin’ny 6 ora katroka!
Naneno ny bokotra fanairana tao ambaravarana...ring, ring...nihazakazana i Tahiana nanokatra ny varavarana !
- "Manao ahoana !!!" hoy i Fano nitsikitsiky, ny tanany ilany mitazona fehezam-bonikazo anaty vazy sady midoroboka tsara. Fitafy sy fihaingo izao! Ananany tokoa aloha e! Nifanoroka izy roa.
- "Mandroso Fano an! Ho ahy ve ity voninkazo ity? misaotra betsaka ! sady norohany indray i Fano. Nampandrosoany ny vahiny ary dia nasainy hipetraka teo ambony seza lava aloha. Lasa nankany an-dakozia izy nony avy eo nanohy ny fikarakarany ny sakafo.
- "Fantatro mihitsy fa mbola misy anampiana anao ato," hoy i Fano niala teo amin’ny toerany.
- "Ka ianao tonga aloha loatra ko! mbola tena mamarana ny fikarakaràna mihitsy aho izao!"
…
- "Noana angaha i Fano," sady notolorany ovy voahendy mafanafana tsara iny ity lehilahy.
- "Ie, tena noana aho, fa ny tena mahanoana ahy koa dia ianao ka!"
- "ayyiii!" nandrakandraman’izy roa teo izay potipotika hanina tsy mbola voavoatra, ary vetivety fotsiny dia nofehezin’i Fano avy ao aoriana i Tahiana, norohany tsimoramora ny hatony. Nahatsiaro nangoritsina kely ny anao vavy. Somary taitra koa ny vatany manontolo nahatsapa ilay oroka mamy nitondra hafanana avy ao aoriany tao.
Nitodika kely izy dia nifanoroka izy roa, oroka lava toa nalaina ny hisaraka.
Niala vetivety i Tahiana, najanony avokoa ny afo rehetra na ny entona na ny mandeha amin’ny herin’aratra. Nosarihiny tamin’ny tànana amin’izay i Fano hanaraka azy. Niala tao an-dakozia izy roa ary nifindra tao amin’ny efitra ilany, efitra fidiovana, tsaroany tampoka ilay nataon’izy sy Hery voalohany ka tiany handramana indray.
Vao tonga tao, tsy nisalasala mihitsy i Tahiana nanala izay akanjo teny aminy, nahantony tahaka ny tsy teo. Variana i Fano nahita voalohany ity vatana tsy manam-paharoa an’i Tahiana. Ilay string kely maintimainty sisa no teny aminy. Tsy nahateny intsony i Fano fa dia variana nijery fotsiny. Ity iray koa moa, tsy nanao afa-tsy izay hisarihina azy hampitombo ny filàny.
Nanatona i Tahiana dia nifanoroka izy roa, novahany tsirairay ny bokotry ny lobaka teny amin' i Fano. Novahany koa ny fehikibo, ny bokotry ny pataloha ary dia tsy ela akory taorian'izay dia niborotsaka moramora tamin'ny tany ny patalohan'i Fano. Nasitriky Tahiana avy ao aoriana ny tanany dia nalatsany ny silip teny amin’i Fano. Tahaka ny tsy teo koa ny nanalàny ny kirarony.
Nosafosafoiny amin’izay ny lamosiny, i Fano amin’io tsy nahahetsika intsony sady nihenjana tsy nisy ohatran'izany ny filahiany.
- "Avia!" hoy ihany i Tahiana nony avy eo sady notaritiny hiditra tao amin'ny toerana fandroana i Fano. Nanaraka azy i Fano ary dia nalefa moramora ny rano mafana matimaty aloha. Nanomboka amin’izay ny safosafo madinidinika teny amin’ny vatan’izy roa. Maika ery ny lehilahy hikitikitika ireto nono tsy manam-paharoa nivelatra teo anoloany. Ny hafanan’ny rano koa moa tamin'io nanampy tosika ny fahafinaretany, ny safosafo sy ny orokoroka manginy fotsiny. Tampoka teo, nitodika i Tahiana dia nanome lamosina. Nahankiny tamin’i Fano ny vatany, tsapany ny firidiridin'ny filahian’i Fano mikasika ny vatany. Najanony anefa ny rano dia naka savony izy, dia natolony an’i Fano. Azon'i Fano antsaina ny tiany hatao ka dia nosoran’i Feno savony moramora ny nonony izay somary niha henjana ny lohany. Nampiakariny kely ny tanany nony avy eo hanosotra savony teo amin'ny soroky Tahiana izay maka fihiny mafy ery. Niverina teo amin'ilay loha nono maranitra indray ny tanany roa nony avy eo sady manafosafo ihany no nanohy nidina nakeo amin'ny silipo manify mbola teny ankoditry Tahiana. Natsofony tampoka tany ny tanany ankavia tsy nitazona ilay savony.
- "mmmmhhhh," hoy i Tahiana mimolomolom-pahafinaretana. Nosafosafony moramora teo aloha ny molon'ny zohim-pahafinaretan'ity olontiany. Henony nihahenjana ny kitson'ny fivavian'i Tahiana. Nampidininy moramora ny fanondrony hanakatra ilay molom-pahafinaretana teo ambany izay tsapany ohatran'ny niha naditidity. Tsy andriny intsony fa tonga dia nampidininy ilay silipo dentelle manify efa hotsaky ny rano teny amin'i Tahiana. I Tahiana amin'io tsy miteny mihitsy fa toa miandry fotsiny izay ataon'i Fano azy. Ny hany nataony dia ny nanetsika ny feny anakiroa mba hampilatsaka ilay silipo tateraka amin'ny tany. Afaka avokoa ny fitafiana rehetra teny ankoditr'izy roa. Ny roatran-tsavony no hany sisa hita nanakotakona ny faritra sasantsasany tamin’ny tenany.
Niakatra indray ny tanan’i Fano, dia nijanona teo amin’ilay telolafy iafenan'ny zohim-pahafinaretan'i Tahiana. Niverenany nosafosafoiny mora indray. Nampifandimbiasany teo ny tananay.
- "Tiako be izany ataonao izany," hoy Tahiana mahatsiaro ny onjam-pahafinaretana miakatra aminy.
Tsy niteny aloha i Fano sady nampiakariny hamonjy ny nonon'i Tahiana efa sasa-miandry ny tanany ilany. Nakimpin’i Tahiana ny masony, sonanika amin’ity ataon’ny olon-tiany izy. Niredareda tao am-pony ny faniriana sy ny fitiavana ity lehilahy miaraka aminy.
Nihorirana vetivety izy dia nosintoniny ny filahian'i Fano efa mihenjana be aok’izany. Nohosorany savony kely ny tanany aloha dia nakorisany tamin’ny halavan’ilay filahiana teo. Ny tanany ilany amin'io niakatra nanongo moramora ny lohanonon'i Fano. Taitaitra avokoa ny tsirim-panentan’ity lehilahy efa babony rahateo. Rehefa vita izay rehetra izay, dia nalefany indray ny rano. Ny fifanorohan'izy roa amin'io tsy hita ho tantaraina intsony. Nony avy eo, nalefan’i Fano ny tanany hisarika ilay lamba famafàna teo akaiky teo. Natafiny an’i Tahiana hanamaina ity vatana tsiriritiny loatra. Nataon’i Tahiana tahaka izay koa izy rehefa avy eo. Tsy nampoizin'i Tahiana, nobatain'i Fano tampoka izy ary nentiny nivoaka ny efitra fandroana. Nampofoiny teo ambony seza lava aloha sady norokorohany teo. Nyy tanan'izy roa amin’io mikaroka hatrany izay safosafo hampiakatra ny fahafinaretana tsy tiana hijanona intsony. Tsy naharitra intsony i Tahiana nony farany :
- "ndao ohany ambony fandriana isika" hoy izy.
- "Fa aiza ny efitranonao?" hoy i Fano sady toa tsy andriny ery izay hiseho manaraka.
Tsy niteny i Tahiana fa ny fanondrony fotsiny no natondrony niakatra. Izy amin’io tahaka ny tosahan’ny hafanan’ity lehilahy miampofo azy.
Tsy nisalasala i Fano fo tonga dia nibeda an’i Tahiana indray ary nitondra azy niakatra ny tohatra. Tsy nisy niteny izy roa fa ny fanondron’i Tahiana no naviliviliny hanondro ny efitranony. Tsy nihidy ny varavarana tao ambony fa tonga dia natosika fotsiny. Nopihan'i Tahiana ny fampirehetan-jiro izay tsy lavitry ny varavarana dia niditra izy roa. Mbola tsy nahita efitra tahaka izao i Fano, misy hazavan’ny jiro mitaratra toa kintana manazava ny valin-drihana miloko manga antitra. Ireo karazana hosodoko manenika ny trano koa nahavariana. Avy hatrany dia napetrany moramora teo ambony fandriana aloha i Tahiana. Tsikaritry Tahiana fa somary nihena ny hamafin’ity filahiana manoloana azy ka dia notakariny vetivety, nosintominy moramora, nosafosafoiny tamin’ny ankihibeny ilay lohany malamalama iny.
Tsapany koa fa na ny hamafin’ny fahafinaretany teo aza toa tsy dia reny intsony tamin’ilay niakatra ny tohatra teo, dia nalefany koa ny tanany ilany hanafosafo ny tenany, nanomboka hatreny amin’ny nono dia nidina moramora nikorisa teo amin’ny kibo ary avy eo nisafo ilay faritra telozoro irafetan’ny fahafinaretany. I Fano amin’io maka fy ity ataon’i Tahiana aminy. Nihenjana tsara indray ny filahiany. Iny i Fano ndeha hiakatra teo ambonin'i Tahiana iny no natosiky Tahina moramora tamin'ny tanany ny lohan'i Fano hidina teo amin'ny valahany. Takatry Fano avy hatrany ny zavatra tadiaviny.
- "Efa fatatro hatramin’ny voalohany," hoy i Fano sady nidina ambanimbany ihany izy. Natosiny niakatra kely aloha i Tahiana hiondana eo andoham-pandriana, dia naka fitoerana tsara ny lehilahy. Noraisiny ny felatongotry Tahiana dia notsetsafiny moramora ny ankihiben-tongony. Nikiakam-pahafinaretana ny anao vavy. Fahafinaretana mbola tsy niainany hatramin'izay no tsapany. Nifindra tamin'ireo rantsana madinika i Fano nony avy eo ary dia nanomboka nitankisinkisina toa tsy hitany izay hasiany ny tenany ny anao vavy. Fahafinaretana hafa kely mihitsy ity tsapany ity. Natahotra mafy izy fa raha izao fahafinaretana tsapany izao no mitohy dia tsy ho tanany intsony fa dia ho tonga tsy ho ela any amin'ny farantampom-pahasambarana ny tenany. Toa tsapan'i Fano fa nankafihiny loatra ity olontiany ka dia naleony aloha najanona kely sady nanomboka nanoroka moramora ny ranjon'i Tahiana izy no niakatra nankeo amin'ny zohim-pafahinaretany. Nosokafany hivelatra tsara ny fen'i Tahiana hahitany ireto molom-pivaviana roa efa vonton-drano somary madity. Tonga dia natohony tampoka teo ny molony sady nanomboka nolelafiny moramora ireo tsiranoka nivangogo teo. Nisento kely i Tahiana. Toa nisy rian’aratra madinika nandady tamin’ny vatany. Vao maika niampy ny hamandoana teo amin'ny fivaviany. Tsy toy ny eto antany intsony ny fahatsapany ny tenany. Novelariny tsara ny feny no sady ningainy ambony ny tongony roa mba hahitan'i Fano tanteraka ny momba azy rehetra. Onjam-pahafinaretana avo be no misamboaravoara manenika ny vatany, te-hikiakiaka izy fa tsy afaka, te hampijanona izao ataon’i Fano azy izao fa tsy nahateny. Toa tiany loatra izay atao aminy. Miontanontana tsy nisy ohatran'izany ny molotry ny fivaviany. Mandranoka izay tsy izy, mila hitosa-dranom-pahasambarana foana ihany koa.
Nosokafan'i Fano tamin'ny rantsantanany roa amin'izay ny molom-pahafinaretan'i Tahiana nony avy eo. Ary tamin'ny fihetsika tony no nitohofany ilay lava-piti vonton-dranoka. Natsofony moramora ny lelany hiditra tany, nitondra hafanàna mivaivay tao anatin'i Tahiana izany ary toa tsy tandriny ny fihetsiny fa dia ningainy ny maojany mba hakany fihiny tsara. Niala kely aloha i Fano nony avy eo dia niverina indray ary tonga dia ny lelany mihitsy no nivezivezy niaka-nidina teo amin’ilay faritra mitondra tosam-pahafinaretana.
- "mmmhhh…, mmmhhhh,.. Fano an! Ataonao ahoana kay aho izany e? hoy izy miangoty tsy nisy ohatran'izany. "Tena...tena tsara be lesy a…" hoy ihany izy sady nisefosefo maka tsirony.
Rehefa hitan’i Fano fa mila tsy ho tantin’i Tahiana intsony izay nataony dia niala tanteraka izy, ary ny tanany no nasolony ny molony hitazona ilay hafanana sy ny hamafin’ny fahafinaretana nanjo an’i Tahiana teo. Niakatra teo ambonin'i Tahiana tamin'izay izy. Nanakaiky an’i Tahiana sady nanoroka indray nampita ny fahafinaretana azony tamin’ity vehivavy.
- "Efa tena lasa lavitra mihitsy aho teo, tena saika safotra aho! Marina e! Hoy i Tahiana
Tsapan’i Fano fa efa miziriziry mafy dia mafy loatra ny filahiany sady efa misy tsiranoka madity be koa nivoaka teo amin'ny lohany dia naleony nanapa-kevitra ny hiditra tany anatin'i Tahiana amin'izay. Somary niarina izy ary nandoalika teo anoloan'i Tahiana. Nosintoniny i Tahiana hanaraka azy sady natohony hifanitsy tamin'ny kibony. Azon’i Tahiana avy hatrany izay tiany hatao, tsy nisalasala ny anao vavy fa tonga dia nilalao ilay nofo vonton-dra ary notsetsafiny ilay lohany malama vonton-tsiranoka teo. Nolalaoviny tamin’ny lelany dia nidina tsimoramora nanaraka ilay vatany hatreny amin’ny fotom-pen'i Fano izy nony avy eo. Niverina nanorokoroka niakatra indray nony avy eo ary dia natsofony moramora hiditra tany ambavany ny filahian'i Fano arak’izay farany azony natao. Somary lehibebe ihany anefa ny fitaovan'ity olon-tiany ka zara raha tafiditra tany ny antsasany dia tsy maintsy nitsetsitra nivoaka ny anao vavy. Nikiakam-pahasambarana ny anao lahy nahatsapa ny fisosan'ity molotra malefaka malamalama eo amin'ny filahiany. Fahasambarana tsy nisy ohatran'izany no tsapany. Navoakan'i Tahiana kely aloha ilay izy nony avy eo sady hoy izy hoe:
- "mmhhh, ngeza be izy izany ry Fano, angamba mandravarava mihitsy io an!,"
Sady nosafosafoiny indray ilay tehina mifono hoditra mihenjana tsara.
Tsy niteny i Fano fa ny molony fotsiny no natsikiny kely sady naveriny nakipy indray ny masony maka fihiny amin'ity ataon'i Tahiana azy. Tsy naharitra intsony i Fano nony ela fa natosiny hidaboka hitsilany teo ampandriana tamin'izay i Tahiana. Nakariny teny an-tsorony indray ny ranjon’ity olontiany. Nampanantoniny ny zohim-pitiavan'i Tahiana ny lohan’ny filahiany. Vonona ny handray ity fahafinaretana fara-tampon’ny nofo izy.
Nosakanan’i Tahiana tampoka anefa!
- "Fano an ! andraso aloha, 14 andro androany mihitsy ny …. "
- "Dia ahoana," hoy ity farany somary gaga. "Fa misy inona?"
- "Ka efa hoe 14 andro izay ny fadim-bolako, aleo aloha mitandrina mba tsy hanahirana."
- "Vitako foana ny mitandrina an'io fa aza matahotra ianao."
- "Aleo aloha asiana ihany fa sao…" sady nanakatra nanokatra haka fimailo tao anatin’ilay vata sarihina tsy lavitra teo i Tahiana. Nosokafany dia nomeny hatsofoky Fano.
- "Teritery be ange izy itony e! jereo fa mifinjifinjy be." Hoy i Fano sady manafosafo ny filahiany ihany.
- "Tsy maninona io fa ny fahafinaretana foana no tadiavintsika tiako an! Sady mahazo fafiny bebe kokoa aho rehefa milamina ny saiko."
Nomandomandoin’i Tahiana tamin'ny "KY" aloha ilay filahiana mifono dia naka fitoerana tsara ny anao vavy handraisany azy. Avy hatrany dia natsofok’i Fano moramora ity filahiany, nalentiny tsara, dia nahemony, nataony in-droa, in-telo dia hoy izy nony avy eo:
- "Aleo mitsongoloka ka! izay no hitako fa tsaratsara kokoa."
Tsy namaly i Tahiana fa avy hatrany dia nanaiky sady nampaka toerana tsara ny tongony sy ny tanany, dia nanolotra manontolo tsy ampihambahambana ny fitombenany an'ity olon-tiany. Nanaitra ny tsirim-panentanana rehetra tany anatin'i Fano ny zavatra nanoloana azy ary dia tsy ariny fa no nosafosafoiny tsara teo aloha ireo nofo toa miendrika tendrombohitra roa, nalefany teo afovoany ny ratsan-tanany nony avy eo hitsapa tsara ny hamandon’ity zohim-pahafinaretana tiany hidirana. Nokitikitihany mora, dia natsofony aloha ny ratsan-tanany hanaitaitra azy tsara. Vao nahatsapa izany i Tahiana dia nanomboka nimonomonona izao teny tsy fantatra rehetra izao. Onjam-pahafinaretana hafa indray no nikoriana tany anatiny tany. Rehefa tsapan’i Fano fa ampy tsara ny safosafo nataony dia naka toerana amin’izay izy sady nampiditra ny filahiany efa tena mafy dia mafy finjain’ny fimailo.
Vao tafiditra tao amin'ny lalina izy dia najanony kely tao aloha. Henony ny fiketoketoky ny hozatr’i Tahiana manery azy tsy te-hivoaka. Nosintoniny mora dia nampidiriny indray.
Feno dia feno ny anao vavy, tahaka ny misy lanja ampidirina any anatiny any mameno ny banga tao aminy. Heniky ny hasambarana ny tenany iray manontolo. Tsy misy zavatra henony afatsy ny tosam-pahasambarana entin'ny filahian'ny Fano midona any anatiny lalina indrindra any. Tsapany nihamafimafy tamin’izay ny tosika sy fisintonana nataon'i Fano ary dia tahaka ny misy herin’aratra mihitsy tsapany mikoriana any anatiny maheno izany. Ny hozany amin’io manery toy ny vahoho(1) ilay tehin’ny fahafinaretana mitsofoka any anatiny. Samy mankafy izy roa, nifampita hafatra, nifanome hasambarana.
Lasa ny fotoana, nihamafy hatrany ny fisefosefoan'i Tahiana, nidobodoboka mafy ny fony sady nimenomenona teny tsy miloaka ny molony.
- "annn, aaaaannnn, aaaaaaaaannnnnnnnn ! sady nikiaka mafy araka izay azony natao izy sady toa ila tsy hahazaka ny tenany intsony.
Najanon’i Fano ny fihetsiny, tsapany amin’izay ny fivavian’i Tahiana toa miemponempona, maneritery tsy hay najanona ity filahiany mbola eny an-dalam-pahatongavana. Nijanona aloha izy, Namonjy nitsilany teo ampandriany izy sady nasainy namonjy nipetraka teo ambony hifanatrika taminy i Tahiana. Ity farany amin'io mbola misefosefo hatrany taorianan'iny tosam-pahasambarana faran-tampony niainany teo iny. Nalainy ny filahian'i Fano dia namidiriny tao anatiny indray. Somary naka aina kely izy aloha sady nitankisinkisina teo ambonin'i Fano. Tsy ela taorianan'izay dia efa taitra indray ny tany anatiny rehetra tany. Nanomboka nataony nihahaingana tsikelikely ny fitankisinana teo ambonin'i Fano sady naka toerana tsara izy nisabaka sady mijery tsara ilay filahiana mihenjana be miditra sy mivoaka any anatiny. Tsapany miverina indray ilay onjam-pahasambarana niainany teo, tahaka ny nangovitra ny anao vavy, mila hianjera amin’ny toerany fa dia notazonin’i Fano mafy. Ity farany rahateo efa mahatsapa fa akaiky koa ny fahasambarany.
Niarina ny lehilahy, nisintona ity olon-tiany hidaboka hanaraka azy, tafala tampoka tao anatin’i Tahiana ny filahiany. Nihiaka hadisoam-panantenana kely izany i Tahiana sady nisambotra ilay izy haingana sady nampiditra azy tao anatiny. Asa na nanao ahoana fa ny nidiran'i Fano tao anatin'i Tahiana no ela dia tojo tosam-tampom-pahasambarana vaovao indray ny anao vavy. Vizana sy torovana izy nony avy eo toa tsy nahahetsika, efa manakaiky ny varavaran’ny fahasaforana.
Nitsangana i Fano, sady namoritra ny lohaliny indray teo anatrehan’i Tahiana, nalany toy ny tsy teo ilay fimailo dia nofehezin’ny tanany ny filahiany efa akaiky ho tonga amin’ny faratampony. Nofeheziny sady nosafosafoiny mafy….ary, indro nitosaka tena an-kibon’i Tahiana ilay ranom-pahasambarana mbola mafana izay toa nanaitra azy tamin’ny fahavizanany teo.
Heniky ny fahasambarana izy roa. Samy vizana tanteraka, nidaboka teo ambony fandriana amin’izay ny lehilahy. Nahatsiaro te hatory mafy. II Tahiana kosa nanafosafo ny kibony voatondraky ny ranom-pitiavana teo. Naka lamba hamafana azy nony avy eo dia nanoroka ity olontiany vaovao nanome fahasambarana azy. Tsy nisy niteny izy roa fa toa samy tony nifamihina nampita ny vetsovetsom-po tany an-tsaina avy. Tafahoana tokoa angamba ny tia sy ny manina. Afaka fahefatr’adiny taty aoriana,
- " Noana be aho izany, angaha moa isika tsy hisakafo indray? Hoy i Tahiana.
- "Ie, izay aloha ny sakafon’ny nofo fa hiditra amin’ny sakafon’ny kibo indray izao! Hoy i Fano namaly sady nitsiky.
- "ha, ha, ha!" hoy i Tahiana nihomehy fotsiny, .......izay tonga farany any anaty efitra fandroana ary no mamelatra ny latabatra! Sady niharina haingana izy ndeha hanokatra ny varavarana midina mankany ambany. Fantatry i Fano fa izy no tian'i Tahiana hamelatra latabatra dia naleony niarina moramora sady nitsiky tamim-pitiavana be!
Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)
Tadiompitiavana (tadiompitiavana@gmail.com)
Ontsa dia ontsa ny fon’i Tojo mahita ny fipenipenin’i Profesora Mahefa amin’ny fikarakarana azy mianaka vehivavy. Toa ilay profesora mahay nikoizan’ny rehetra ity, na amin’ny fitsaboana na amin’ny torohevitra, no toa kivy sy mitady ho very hevitra ny amin’izay tokony atao manoloana ny olany. Hatramin’izay nahafantaran’i Tojo azy izay tokoa mantsy dia toa tsy mba noseranan-tsampona izany ny fiainan’i Profesora. Lehilahy nahavita be taminy raha i Profesora Mahefa, namonjy azy na tamin’ny lafiny ara-bola na tamin’ny lafiny ara-tsaina, indrindra indrindra moa fa ara-pahasalamana. Izy no mba hany solon-dray aman-dreniny nandritra izay dimy taona naha-taty Frantsa azy izay, ary toy ny zanaka nateraka ihany koa no nitondràn’i Profesora azy hatramin’izay. Ankehitriny hitany ho tena tojo olana i Profesora. Mba te hanampy azy koa araka izay azony hatao izy nefa amin’ny fomba ahoana? Tsy afaka ny hananatra na koa hoe hanome torohevitra, ny tenany koa mantsy mbola zaza loatra raha mihoatra amin’i Profesora. Nohararaotiny ihany anefa ny fotoana sendra nahatafahaona tao andakozia azy mianaka:
- "Profesora a! raha misy azoko anampiana anao dia aza misalasala miantso ahy, na andro mangirandratsy io na alina mamirifiry. Fahafinaretana lehibe ho ahy ny ahafahako manampy anao, ary matokia ahy fa am-pitiavana no hanaovako izany."
- "Eny r’ise Tojo, misaotra indrindra an’ise aho noho izany tenin’ise izany. Fantatro fa olona azo itokisana raha ise, ary tena natoky an’ise foana aho hatramin’izay. Ny tena olako izao dia ny fanahiako ny amin’izay mety ho tohin’izao fandehan-javatra rehetra izao. Ny amin’i Malala moa dia tsy azoko mihitsy hoe inona no tena manjo azy, inona no nahasafotra azy tampoka teo, tena mbola mila fanadihadiana lalina ny amin’iny fa tena misy zavatra tsy mazava amiko. Fa ny amin’i Alexia r’ise no tena mahavaky ny saiko a! Ohatran’ny matahotra aho ny amin’izay mety ho fiovan’ny fihetsiky i Alexia amiko aorian’izao fotoana izao. Tsy vitako akory ny nanadihady izay tena mahazo azy marina tokoa."
- "Aza manahy ianao Profesora a! omeo fotoana izy aloha ahafahany mandinika tsara izay ho ataony. Marina fa tampoka taminy ny nahenony ny tena marina, kanefa na rahampitso na afaka am-bolana dia tsy maintsy ho tampoka ho azy foana no handraisany azy. Araky ny fitantaran’i Madama ahy mantsy dia tena olona tsotra sy be fandeferana raha io tovovavy io, koa mino aho fa ho fantany izay tokony ataony. Manakory raha entoko mivoaka kely izy mianaka Profesora? Sao dia izay no tokony ataoko?"
Tsy nahateny i Mahefa. Tsy fanontaniana nipetraka na fanazavana natao, nefa dia toa arak’i Tojo ny fandehan-javatra rehetra. Tamin’ny fomba ahoana? Tsy maintsy Malala izay. Nanaovan’i Mahefa fijery miorirana i Tojo.
- "Aza manahy ianao Profesora a! Mba entoko haka rivotra kely fotsiny e! Ao anaty fiara ihany fa tsy mivoaka akory sao sanatria hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’i Alexia. Raha manaiky moa izy ireo mazava ho azy."
- "Eny e! eny e! Tena hevitra mety tokoa ny an’ise ka! Tsy misy sakana avy aty amiko mihitsy. Saingy i Alexia ihany entina, hahatsara azy izay hevitr’ise izay. Ilazao ary izy e! I Malala... mbola misy resala kely ifanaovako aminy."
Nanaiky izy, nefa azo lazaina ho nanaiky tsy sazoka ihany satria, raha ny tena faniriany dia i Malala no nentina, i Malala ihany, saingy ny hanampy an’i Mahefa no tanjony, dia izy mianaka no nolazainy, kinanjo … niafara tamin’i Alexia irery. Ity farany koa nanaiky avy hatrany, tsy nisy fihambahambana, toa zarany tokoa hivoaka kely, hihataka kely amin’izao fisafotofotoan-javatra izao. Tsy hitan’i Alexia marina izay hasiany ny tenany sy izay haloaky ny vavany. Toa saron’ny henatra ny hafaliany. Nefa lalina tany anatiny tany dia nisaotra an’Andriamanitra izy fa nivaly sahady ny vavaka nataony, tojo amin’ny niriany izy ity, ny ahafantarany ny ray niteraka azy. Ny fisaorana feno an’i Tojo no nalefany aloha indrindra noho ny fandavantena nananan’ity farany. Zay izy vao nilaza fa mbola hiakanjo aloha, fialantsiny koa nataony noho izany raha tsy maintsy mbola mampiandry kely. “Tsy maninona mihintsy ka, ataovy miadana” hoy i Tojo sady nitsiky.
Nony kelikely,
- "Tojo, izay fa vonona aho, tena tsy manahirana anao a!"
Nahodin’i Tojo niankavanana misy ny varavarana nihavian’ny feo ny lohany. Tovovavy mpanao akanjo mandry hitany foana hatrizay no indro nanao fitafy mendrika nefa mampisongadina ny hatsaram-bikany. Ny volo hitany nifatotra fingotra sady somary misaritaka nandritra izay fotoana vitsy nahalalany azy izay indretsy hitany lava mipariaka manarona ny hatreo an-tsorony. Ny sanga sy ny volo mandady zary manao tana-masoandro hatrizay, indretsy milamaka tsara somary misori-bilana miankavanana. Bika re izao, endrika re izao, ravahan’ny molony feno tsiky sy ivoahan-teny malefaka. Sanganehana i Tojo, ampian’izato fahalalam-pomban’i Alexia
- "An? ...non, tss tsy maninona ho’aho, sssady, ssssady malalaka ny fotoanako androany, tsy mianatra aho."
- "Ndao isika hanainga ary e!"
________________________________________________
- "Ka manao ahoana ianao izay ry Malala?" sady nanantona teo antongom-parafara i Mahefa
- "Efa tsara ka, toa fanina tampoka fotsiny aho teo iny."
- "Tsara izany, fa hono ho’aho ry Malala, fa ahoana ny fifandraisanao sy Tojo moa?"
- "Ahoana ahoana ry Mahefa? Faa… inona no nolazainy anao? Tsy hitako. Tsisy."
- "Toa mampanontany tena ny fihetsikao ry Malala"
- "Fantatro izy ka, fantatro, olona tsy ratsy, ianao koa aza efa niteny izany."
- "Vao afiriana no nahafantaranao azy nefa dia…"
- "Iie! Niara-niantsena izahay, nandehandeha, nisy fotoana izy mba nisakafo hariva niaraka taminay telo mianaka tato, izaho no nanasa azy mba ho fankasitrahana ny fanampiana nataony rehetra. Nisy zavatra notantarainy anao angah? Tsy mbola taitra ve ny ankizy? Aleo aho aloha hijery azy dahy kely. Sady nitsangana izy ho any an’efitra."
Na dia niezaka ny hiala aza i Malala mba tsy hihitaran’ny resaka dia indrisy, nanaraka azy avy ao aoriana i Mahefa.
- "Dia ny tsiambarantelon’olona ve no borahinao aminy na dia hoe nifandray be sahala amin’inona aza ianareo e!"
- "Tsiambaratelo inona ry Mahefa a! Tsory fotsiny raha toa tsy nankasitrahanao ny nanasako azy hisakafo hariva tato amin’ny tokantranonao. Tsory fa aza mody fanontaniana hafahafa tsy misy dikany no asesikao. Miala tsiny aho, manao azafady aminao raha toa ka somary nanjakazaka tato amin’ity trano ity. Tsapako mihitsy izao fa efa tokony hody aho hamonjy ny tokatranoko. Ela loatra no nijanonako tato aminao, ny havan-tiana tokoa angamba tsy tokony hiaraha-monina ka. Sady efa salama izao i Alexia, efa vaky koa izao fa ianao no rainy, ianareo mianaka ve tsy hifampizaka eo. Tsy misy antony intsony tokony ijanonako aty. Sao anjary ho enta-mavesatra ho anareo izahay telo mianaka. Efa hody izahay e! efa hody. Miandry vola avy amin-dRatrema aho. Tsss, maninona tsy tonga dia tsorina fa…"
Gina tsy nahateny ingahy Profesora, nijaikojaiko niditra tany an’efitranony. Tsy dia reny tsara intsony izay tohiny tao. Inona ity nahazo an’ity Ramatoa ity? Izany tena hoe bokotra iray no nopotsirina dia tonga dia nanao tifitra basy marovava avy hatrany. Nitsilany teo amparafara i Mahefa, nandinika ny zava-nitranga rehetra, takany, tena takany ny zava-niseho. Tadidiny ny fisian’ilay silipo indray maraina iry. Hein! Izany no hoe gisavavy homa-ketsa, izy manao ny tsy fanao indray ity no avo vava. Iny ketsa iny kosa tao amin’ny nilàna azy tsara, sa dia efa ity Malala ity mihitsy no tsy mifidy ketsa? Sady nihomehy irery teo i Mahefa. Ny tena nahavaka ny sainy indray avy eo dia ny hoe “nahoana ary I Malala no niezaka nampiaraka an’I Tojo tamin’I Alexia nefa I Tojo efa niaraka taminy? Tena tsy mazava amiko ny toetran’ity Malala ity ka! Nefa tokony ho tsinjoko lavitra ihany ka, izy aza vao nahita ahy dia nanaiky ny niray tamiko. Ssshh, deinn! Kiriko aho, marina tsy tena sady kiriko amin’ny tenako aho izany. Tsy tiako ho sainina akory izay mety ho fomba fiainany ka! Samy manana ny fiainany tokoa ny olona. Azy any izany, izay fomba itondrany ny tenany tsy ahoako.” Sady nihivingivindoha i Mahefa no namonjy nihohoka teo am-pandriana. “Nefa … nefa izay fiainana niainany dia nahakasika an’I Alexia, I Alexia zanako, izay mahakasika an-janako tokony koa ahakasika ahy. Tsy afaka ny hialangalana aho, adidiko ny zanako. Mba ahafahako mifankahazo am-po aminy sy manampy azy tanteraka dia tsy maintsy ezahiko ny miaina izay fiainana rehetra niainany tany aloha tany. Inona no nitranga? Ny fahazazany, ny fahamatoiny, izao ny fahatanorany. Hery, Hery, inona no olana nosedrain’izy sy Hery ka nahatonga iny loza-pifamoivoizana iny? Eny e! reko hoe nisy tovovavy iray hafa… nefa na dia izany aza ve? Ary i Malala safotra teo, toa ny anaran’i Hery no naverimberiny, sa Hery hafa? Azoko antoka zato isan-jato izao fa mihodina amin’io Hery io ny safotofoton-tadiom-piainan’ity fianakaviana ity. Saingy sahala amin’ny ahoana ny fitsokany?
Loulou (ralouloune@yahoo.fr)
Efa madiva ho maizina ny andro vao tafaverina i Alexia sy Tojo. Maivamaivana tokoa i Alexia nony tonga tao an-trano. Ampy nandinihiny ny mikasika izay mety ho aviny ny tolakandro nolaniany teo. Faly izy e! faly. Adinony avokoa ny zava-nanahirana azy rehetra teo. Asa, izao tokoa ve ilay hoe ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy? Sa ny mamy mihitsy no tsy mipoitra raha tsy avy misedra ny mangidy? Niverina indray ilay hatsara-pon'i Alexia hatrizay. Ny manodidina azy maizina tanteraka taminy teo iny toa nanjary rakotra hazavana mitsilo ny ho aviny. Miramirana ny endriny, mailamailaka ny fihetsiny, nampita tara-pankasitrahana izay nanodidina azy ny fitsikiny. Adinony fa mbola tohana mafy tamin'i Malala izy vao ora vitsivitsy lasa izay. Toa nanolatra sahady koa angamba ireo fery nateraky ny tantaran'ny setrasetram-pitiavan'i Hery. Nivimbina fehitenda mitsoriadriaka manga tanora izay izy nokasainy hatao fanomezana ho an'i Mahefa, ary fehezam-boninkazo maro loko ho an'i Malala. Saingy indrisy, tsy tao an-trano intsony ny rainy.
Vao tsinjon'i Malala ho navitribitrim-pamindra sy velombelon-tsiky i Alexia dia mba niezaka ihany izy nanafina ny adi-tsainy. Im-polo tokoa mantsy raha kely indrindra ny nanandramany niantso an-tarobia an'i Hery. Ny laharan'ny any am-piasana raha teo tsy nananany.
- "Bonsoir Neny, ngaha i Profesora efa lasa? ity voninkazo ho an'i Neny ho mariky ny tena hafaliako sy ny fankasitrahako an' i Neny. Fofony anie e! Manitra a! Sady namonjy nipetraka teo ankavananan-dreniny teo ambony sezalava fijerena fahitalavitra izy, nasampiny ny sorony ny tanany havanana, dia natohony moramora ny andriny ny molony."
- "Ary aiza i Tojo? "
- "Nanatitra ahy fotsiny izy dia lasa koa"
Nitsiky Malala, noraisiny ilay fehezam-boninkazo sady nahankiny tamin-tsandrin-janany ny lohany.
- "Misaotra izany zanako izany. Tsara fo sy saina loatra raha ianao Alexia a! Miondrika manoloana ny fahendrenao aho." Nanomboka nanganohano ny masony. Indraindray aho mieritreritra fa tsy mendrika ny ho reninao anaka. Toa Reny iray vaovao no sahaza ho anao fa tsy Ray vaovao, satria Ratrema dia nahafeno mandrakariva ny toetra vanona maha-Ray azy. Na dia niezaka ny hanafina aza i Malala dia tsinjon'i Alexia ihany ny fipatrapatrakin'ny ranomason'ity reniny.
- "Neny a! Aza manao izany ianao. Ianao no reniko, tsy manana reny hafa ankoatra anao aho, ary tsy mitady na haniry ny hanana reny vaovao. Tsapako ny fitiavanao ahy, aza manana eritreritra hafa ankoatr'izay ianao. Tsy hary aho raha tsy ianao sy Papa, ary raha mahita toetra tsara aty amiko ianao dia saino fa ianareo no nikolokolo ahy nandritra izay 22 taona niainako izay. Fotoana fanovozana ny tena maha-olona ifehezana ny fahatanorana, ary ireharehana amin'ny fahanterana. Afaka miantso an'i Papa amin'ny findainao tokoa ve aho, manina azy aho izany. Efa mahafantatra koa izany izy ry Neny hoe Profesora Mahefa no raiko?"
- "Eny anaka efa fantany!"
- "Ary ianareo an! Tena mba gisitra indray aho izany tamin'iny koa. Nefa vaovao tsara lafatra be iny Tsss. Iza izany sisa no tsy mahalala? Toky sy Cynthia? Hoy i Alexia nananihany."
- "Ka ianao anie teo tsy salama e! Dia nifanaraka izahy telo mianadahy fa hoe rehefa sitrana tsara ianao vao ampahafantarina ny marina. I Hery izao no tsy mahalala."
- "An ! Hery! hein! Mihevitra ve i Neny fa ho liana amin'izany? Tsss"
- "Andray, raha izay ranomasony teny Ivato izay anie ry Alexia, hein, tsy mino ianao hoe i Hery matanja-be iny no nidradradradra nitomany tery imasom-bahoaka. Andramo antsoy ihany hoe izy, dia lazao azy e!"
Zava-baovao tamin'ny sofin'i Alexia indray iny hoe i Hery nidradradradra teny an-tseranam-piaramanidina iny. Marina ve izany? hoy izy tany an-tsainy tany. Resy lahatra ve izy ny amin'ny tokony ampahafantarana an'i Hery ny marina? Sa dia mba te hampiseho andreniny fotsiny fa hoe manaraka ny toroheviny, sa tsy tiana ho tsikaritry Malala fa nihitatra anie ny olana amin'izy sy Hery, na koa mba te haheno ny feon'i Hery tsotra izao izy. Tsy fantatra aloha izay marina fa dia noraisiny ny findain'i Malala. Gaga izy raha nandre ilay famantarana fa tsy miasa intsony ny laharana. Namporisika anefa i Malala sao mba misy naman'izy ambamin-dry Hery azo antsoina, na koa raha tadidin'i Alexia ny laharan'ny any am-piasany. Na dia namporisika fatratra aza i Malala dia nanda i Alexia. Toa natahotra izy sao dia ho fambara hafahafa indray izao tranga miseho izao. Matahotra izy sao dia haheno zavatra hafahafa mikasika an'ilay olon-tsy foiny indray. Naleony ninia tsy niezaka ny ahafantatra izay momba azy.
- "Ary ny mailaka?" hoy i Malala niezaka hatrany handroso soso-kevitra, angah ianareo tsy mba mifanoratra amin'ny mailaka? Sao mba nandefa vaovao momba azy any izy?"
- "an an! mino aho fa efa maty izay ny adiresy mailaka-ko."
Sady niodina i Alexia ho any amin'ny trano fidiovana, toa tsy te hanohy ny resaka intsony. Niserana kely indray ilay aloka nanamaizina ny lanitry ny fiainany. Teo ambony bakoly fotsy fivalanan-drano izy no nitanondrika latsa-dranomaso indray. Nino izy fa efa tsy maintsy namaly ilay mailakany farany iny izay i Hery. Saingy... tsy tiany ho fantatra izay mety ho tohin'ny ao. Nanomboka iny andro mangidy iny dia toa zary nihozona anaty mihitsy izy tsy hanokatra ny aterineto intsony. Tahotra no nibahana tao anatiny. Tsapany fa marefo izy, ary ilay olona nantenainy ho andry matanjaka, azo iankinana rahatrizay no indray inty ninia namela takaitra ho azy. Tsy maintsy nahodiny any amin'ity rainy vaovao ny sainy mba hampitony azy indray. Iantso azy mba hifanao fotoana rahampitso na dia hiara-hisotro kafe fotsiny aza. Loulou (ralouloune@yahoo.fr)