Nivoaka ny fiara i Hery, nanatona ny varavarana dia nampaneno ny kiririoka fanairana. Injay fa nivoha ny trano, i Tahiana io, faly dia faly ery no sady taitra aok’izany.
- "Hery, tena nalahelo be anao aho ! fa naninona ianao e ! tsy niantso ahy mihitsy." Sady namihina mafy an’i Hery ity vehivavy, Radadafara etsy sady mitsiky ihany mahita azy ireo, moa i Hery rahateo somary nitodika no nijery azy. Somary nanainga loha;
- "Miaraka aminao angaha io olona io ; Mandroso aloha e ! tena faly mihitsy aho mahita anao ! asaivo mandroso koa io namanao io fa tsy maninona e!"
" Eisy, mandeha tsara izy izany," hoy i Hery tany an-tsainy.
Nokopahiny tanana i Feno dia nivoaka sady nanidy ny fiarany dia nandroso tao amin'i Tahiana.
Vao tafiditra dia raikitra ny fampifankahalalana.
- "Izy no Tahiana, namako izy dia mikarakara ny pasipaoroko. Dia izy no Fano, rahalahin-draiko, izy no faralahy amin-dry zareo."
- "Faly mahafantatra" , hoy i Tahiana sy Feno saika niara niteny.
i Tahiana toa somary menamenatra, I Dadafara toa saika tsy nahaloa-peo.
"Ohatran'ny mety ho tsara ny fandehan'ireto" hoy i Hery tany antsainy tany " fa toa somay menamenatra sady somary nitsiky kely izy.
Nony afaka kelikely :
- "Fa naninona ho’aho ianao no tsy niantso mihitsy, efa nivarahontsana mihitsy aho taty."
- "Tena very ny findaiko, nefa ny laharan’ny findainao tany anatiny tany. Tsy hitako izay nantsoina moa izaho rahateo sahirana."
- "Fa toa hoe tany amin’ny hopitaly ianao!"
- "Ie! tsy izaho no narary fa namana iray izay!"
- "hay ve! tena mampitaintaina mihitsy ianareo ity. Inona aloha no arosoko anareo e!"
- "Misaotra betsaka fa efa avy nisakafo izahay," sady somary nodomin-dRadadafarany i Hery.
- "Mbola misy dité mafana ange raha te-hisotro ianareo e!"
- "Ianao koa ve tsy handeha hiasa moa ka elingeleninay, fa ny tena nandalovako dia hanontany vaovao mikasika ilay pasipaoro;"
- "Ny an’i hery koa moa izany no zavatra mahamaika azy, efa vita izay ilay izy fa mandalo any fotsiny isika rahariva, azonao alaina aho dia miaraka any isika, afaka miala aloha aho mantsy."
- "Vao mainka tsara!"
Vetivety dia voaroson’i Tahiana ny dite, dia nanasa hipetraka sy hisotro, i Feno etsy faly ery. Te hanontany mafy i Hery mikasika izay vaovao fantatr’i Tahiana nefa naleony aloha niandry. Vita ny sakafo.
- "Ka ianao moa izany Mlle Tahiana, notananay teto nefa mbola hiasa, tsy aleo ve aterinay."
- "Tsy mampaninona mihitsy ka!" hoy koa ity farany.
- "Sady lalantsika ihany ny toeram-piasàny."
Nifampijery tsara izy roa, samy menamenatra, i Hery etsy mipi-kelika fa nahita namana ho an’i Tahiana dia mba afaka amin’izay ny geja an-kolaka mahazo azy.
Nivoaka ny trano avy eo, mailamailaka ery i Feno namoha ny fiara, nefa hoy i Tahiana.
- "Ka tsy aleo izaho no ato aoriana fa izaho ange izany no miala aloha e!"
- "Marina izany," hoy i Feno, sady menamenatra ihany izy.
Tsy dia nisy niresaka firy aloha taorian'izay fa dia toa samy variana nijery ny zava misy tany ivelan'ny fiara avokoa. I Tahiana rahateo moa naka afovoany tao aoriana tao, hitan'i Fano tsara amin’ny fitarafana. Saika nifanojo matetika ny mason'izy roa. Naterin'izy mianaka teo ambaravarana mihitsy i Tahiana. Nivoaka ny fiara izy sady nisaotra no nanao veloma. I Fano tsy nahateny fa nihanahana fotsiny. Asa, raha azony atao ny niodina eran’antananarivo dia nataony.
Lasa izy mirahalahy mianaka, niteny amin’izay i dadafara.
- "Fa taiza letsy no nahitan’ialahy an’ireny sipa ireny le?"
- "Naman’ny bôfin’ny ankizy iny! sady dokotera ange iny e! Miady aminareo tsara mihitsy raha hiditra, sady mbola tsy manambady."
- "Milay kosa izany, ao amin’io farmasia io izany no ahitàna azy."
- "ié ! fa izy manana ny biraony any ambony rihana fa tsy eo am-pivarotana."
- "Mihetsiketsika ianao ry Papa an!" hoy i Hery nananihany an’ity rahalahin-dRainy.
------------------------
Maivamaivana ery i Alexia avy nanoratra ho an'i Hery teo. Lasalasa eritreritra teo anoloan'ny solosaina, nandrevorevo ireo lasa niarahan'izy roa. Ny fotoana nahalalany an'i Hery voalohany, nitsena sy naka azy tany am-pianarana. Ny oroka voalohany nifanaovan'izy roa, tsy ho hainy adinoana. Maika moa fa ilay andro niraisany tamin'i Hery voalohany? naharary nefa toa nahasambatra ihany koa. Izany mivoaka kely ny renivohitra rehefa faran'ny herinandro, aoka fotsiny, sangisangy, resadresaka, orokoroka... " Rehefa any amin'ny toeram-piasana vao miditra maraina izy izao no afaka mamaky iny mailaka iny. Toa tsy andriko ery izay hahenoana indray ny feony. Sa andramako antsoina amin'ny findain'i Neny ihany re rehefa avy eo e?" hoy izy tany antsainy tany sady velontsiky kely irery teo izy nefa koa toa nisento tokana. Mbola tsy tonga ry Malala, ny famantaran'ora koa toa nihisatra dia nihisatra. NIvezivezy nitety ireo pejy isankarazany teo amin'ny vohin-kalam-pifandraisana teo aloha izy. Nidikidirany daholo izao karaza-tranonkala rehetra izao, indrindra indrindra fa ny mahakasika an'i Gasikara sy ny vaovaony. Tafatsofoka tany amin'ny wanadoo.mg no niafarany ary dia tadidiny tampoka ilay adiresy mailakany iray hafa nampiasainy fony izy niserasera tamin'ny karazan'olona sy naneho karazan-kevitra tao amin'ny forum. Adiresy nifandraisany tamin'olona iray izay namboraka ny olany ara-pitiavana taminy, ary nomeny toro-hevitra.
Nosokafany io mailaka, io eny, nanoratra indray ilay tovolahy, efa mailaka telo no avy aminy. Novakiany ... Arahaba, fialan-tsiny, fiangaviana ny mba hanomezana torohevitra azy indray no fehezanteny maromaro niantombohany. Novakiany ... Solafaka indray aho ry Tiana, manahy aho ny tsy ho tafarina intsony, ...., vehivavy ianao, inoako fa afaka manome toro-hevitra ahy satria ianao afaka mipetraka eo amin'ny toeran'ilay olon-tiako. ...., ianao no afaka amborahako ny rehetrako ....
....
- "Andray, dia mbola niaraka ihany kay izy sy ilay rafozany notantariny tamiko farany .... an! ny naman'ilay rafozany hatramin'ny fahazaza koa ve nanaovany firaisana aranofo? Tsy azoko, aleo hoe averiko kely .... tena marina. ... Mba lehilahy tsy vanona koa ity ka, saingy izaho ve moa hiteny azy izany tsy ho asa. Aleo tohizana ny famakiana " Saika namoy fo i T, (izay marihiko fa mpitsabo), ilay naman'ny rafozam-baviko raha vao tsy nety sy nandà mafy ny hiaraka taminy aho." Iee! Raharaha tadiavina ny anao izany ry tovolahy koa. Raha tena te hanohitra ny fakam-panahy marina ianao dia vitanao izany, saingy ianao mihitsy koa no mankafy ilay toetra ratsy, tsss ...."
- "An!...loza ity! ... Andriamanitra o! ... Inona ity lazain'ity? ... notohizany: " ny silipon'i T. adinony tao amiko, nivalombalona tany anaty lambam-pandriako no hitany raha iny izahay avy niray iny. ..... Nirifatra tsy tana izy .... voan'ny lozam-pifamohivohizana ny alina .... tsy maintsy nalefa notsaboina any an-dafy...."
Maizina tamin'i Alexia ny tany aman-danitra. Te hitomany izy, nefa tsy nahalatsa-dranomaso. Te hikiaka mafy izy, nefa toa kenda tanteraka, nitambolombolona be ihany ny tao anatiny. Niondrika moramora izy. Navokony mafy ny totohondriny havia, ny tanany havanana kosa namihina mafy ilay totozin'ilay solosaina nampiasainy.
- "Tsia an! Tsy marina izany e, tsy mino aho," hoy izy nanomboka nifokofoko. Tena i Hery io. Lehilahy tsy vanona, sssh ... tsy mataho-tody sssh... tsy vanona... hheinnnn.... Hay an'i Tatie Tahiana izany iny? ...iny no naman'i Neny, sady mpitsabo, tsy nampoiziko hheinnn! Ranomaso tsy ranomaso amin'izay no nameno ny tavany. Ambonin'akanjo sendra nihantona teo an-damosin'ny seza no notakariny namafana ireo ranomasony mipatrapatraka. Lehilahy tsivanona, tsivanona izay no naverimberiny.
Rehefa avy nanala ny fony elaela teo izy dia... mba tonitony ihany.
- "Noho ianao no efa saika namoizako ny aiko farany teo. Sanatria ny mbola hamoy fo noho ianao ry Hery, tsy mba hiova raha ianao. Tena tsy misy ilàna anao. Nateraka tsy ho vanona angamba, mandratra ihany koa izay rehetra sendra anao. Mieritreritra ny tsy mba ho tratran'ny aloka ianao ry Hery nandrintra ny taona maro niainanao, ka izao tsy mba aloka intsony no hahazo anao fa dia ny aizina mandrakizay. Aizim-pitiavana, manodiava anao ny mahazo ahy sy izay mety ho efa nataonao koa tamin'ny karazam-behivavy rehetra hafa manan'alahelo aminao."
Na dia niezaka ny hampitony tena mafy aza i Alexia, dia toa azony sary an-tsaina izany ny firaisana ara-nofo niarahan'i Hery tamin'i Malala, tamin'i Tahiana, niserana tao an-tsainy koa vehivavy hafa. Ireny nahasambatra azy tamin'i Hery ireny, hay nahasambatra olon-kafa koa, noheveriny fa izy irery. Indraindray tsapany ho voatsindrona mafy ny fony dia mitomany izy. Indraindray mihevitra ny tenany ho vendrana izy ka voafitaka, dia manome tsiny kely ny tenany. Indraindray toa mahatsiaro izy fa voazimbazimba sy voaviravira ny vatany, dia kiriko sy misafoakan'ny hatezerana. Nitsangana izy, nivezivezy eran'ny trano, tsy hitany izay ho sarangotina.
- Te hamaly faty azy aho. Tahak'izay aho tsy nandefa iny mailaka iny, tahak'izay ity aloha no nosokafako izay vao ny tena ahy. Hamaly faty aho ve? amin'ny fomba ahoana anefa? izaho aty, izy any, soa ihany aza aho fa aty lavitra aty! Aleo izy ho any. Tsy hiantso azy aho, tsy hanoratra ho azy intsony, tsy te hanana fifandraisana aminy intsony aho na dia kely aza. Tsy maintsy mitraka aho, hoy ahy sy ho an'ny ho aviko manontolo. Tsaroako ny tenin'i Profesora Mahefa tamiko. Tazomiko ho ahy samirery izao trangan-javatra izao. Iza moa no mba azoko itokiana? Ny reniko, olona tokony ho faran'izay akaiky ahy aza no toa lasa vahavaloko voalohany? Eny e! tsy naloaky ny kibony aho. Izany angamba no nanaovany ireny. Tsy te hanome tsiny azy aho. olombelona ihany ny olombelona, mitoetra foana ny hoe "nateraka" sy "tsy nateraka" na dia tsara fo sy toetra aza ny olona."
Nandinika ny fiainany manontolo teo izy. Nisaina kely ny zava-nitranga taloha notantaraina taminy. Ny amin'ny TENA FIAINANY.
- "Indrisy! nahoana re ry Neny no dia nandao ahy ianao e! Any ianao izao mahalala ny manjo ahy rehetra. Neny a! ampio ny zanakao, inona no tokony ataoko? aiza no tokony izorako? Neny a! tsy afaka ny hiverina ety an-tany intsony ianao. Eny fa na dia izay aza ny faniriako faran-tampony izao. Tarito any amin'izay raiko niteraka ahy aho Neny a! Mahatsiaro loatra ho irery aho eto amin'ity tany fandalovana ity. Tafasaraka samy mbola tao anatiny fitiavana tanteraka hono ianareo, mino aho fa ho tia sy hanaiky ahy zanany izy e! Andriamanitra o! Mino aho fa izao no fotoana tokony mba ahalalàko izay tena raiko niteraka ahy, mahatsiaro ho irery loatra aho.
Loulou (ralouloune@yahoo.fr) & Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)
Toa tsy nahahetsika teo i Tahiana. Ny varavarana nivoahan'i Hery no nobanjininy mafy. Nalahelo mafy tamin’izay nanjo azy izy. Very ny heviny amin’ity fahasarotam-piarony. Te-hitroatra anefa tsy afaka. Malahelo fa toa handamoka am-boalohany ilay valifaty tiany hatao amin’i Malala. Izy anefa mihevitra fa ho nenina tsy misy fiafarany no hahazo an’i Hery raha mbola midikiditra amin’ny fianakavian-dRatrema ihany izy.
Niverina tao antsainy indray ilay eritreriny teo aloha nony afaka kelikely.
- "Tsy maintsy ampifanatoniko amin’ny zanak’i Flô aloha i Hery mandra-pandehany fa sao dia afaka ny hanova hevitra azy ihany ikalakely iny." Hoy izy anankapo. Noraisiny ny findainy dia niantso an’i Flô izy.
- "Allo Flô!"
- "I Tahiana marina, ahoana akia ! inona ny vaovao?"
- "Tsy dia misy akia an ! Fa te-hanontany aho hoe aiza moa no ahitako ny zanak’indry fa mba te-hiresaka aminy aho."
- "Fa ahoana akia! angaha misy tsy metimety, i Nomena aloha io tadiavin-dry io an!"
- "Ie ! i Nomena mihitsy."
- "Tongava aty amiko rahampitso fa mody misakafo atoandro eo izy, fa indraindray izy aloha dia alina vao mody noho ny asany."
- "Tena ny asako koa tsy ahafahako mankany aminareo, izay anie no mahatonga ahy hanontany ny misy azy e!"
- "Eny ary e ! omeko an-dry ny toerana misy ny biraony fa inona aloha no tena itadiavan-dry azy e ! hilazako mialoha mantsy izy!
- "ttssss ! in-dry ilay niteny tamiko fa tokony hitadiavana vady ikalakely iny sao dia hadino eo koa. Misy akia any an! sao dia mba mahaliana ny zanak’indry. Tsy ratsy an! sady mitovitovy taona aminy tsara."
- "ha, ha, ha ! Tahiana ity koa tena mampihomehy, ary ny an-dry aloha manao ahoana e! Mba efa nahita ve? aza dia fatra-pifidy loatra akia fa indraindray anie anenenana e ! Efa fotoana tsy fanaovana safidy intsony izao taonan-dry izao. Sady efa leo mihitsy aho amin’ity aminareo tsy mahita vady ity. Aiza ka ianareo mirahavavy no mba zanak’i Tatie Hortense, nefa dia tsy mbola misy manambady ihany. Sa ve dia efa tarazo amin’ny fianakaviana mihitsy ity tokan-tena ity? "
- "Ka atao ahoana re ry Flô an ! izahay anie angatahina fa tsy mpangataka e!"
- " Eny e! fa lazaiko fotsiny i Nomena fa ho avy any amin’ny biraony izany ny rahavavin-dreniny. Ilazako ihany indry raha sendra tsy ao izy, mino fa ho faly mihitsy izy mahita an-dry tonga mitsidika azy. Ao antsahavola ao ny biraony."
- " Izay Flô fa aza miteniteny azy hoe misy bandy afaka hiaraka aminy any an! Aleo izaho ihany no hilaza ilay izy rehefa tonga any! Izay! Veloma ary akia an!"
Vita ny antson’izy mirahavavy dia lasa nikarakara sakafo i Tahiana ! I Manitra rahateo moa naka rivotra any ambanivohitra fa dia tokan-tena irery tao izy. Izay koa angamba no mampanahy be ihany ny sainy, tsy manana namana horesahina.
Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)
Nazotozoto ery i Hery nandeha namonjy ny toeram-piasany ny ampitson’iny. Nanao ny tatitra tamin’ny iraka nataony tany Mahajanga izy aloha, ary fantany fa tsy nametraka ny olana teo anivon’ny orinasa ny dia izay nalehany. Tomombana tsara avokoa ny iraka nampanaovina.
Tsy andriny intsony nony avy eo fa vao nahita solosaina nisokatra i Hery dia nijery ny tranonkala no nataony voalohany. Nosokafany ny mailaka nifanaovany tamin’i Alexia omaly, tsy nisy hafatra voaray. Dia lasa indray ny lehilahy nanoratra vetsovetsom-po vaovao hatolony an’ity olon-tiany lavitra azy.
Alexia,
raha fantatrao mantsy ny alaheloko tsy mahita anao,
dia hitady ahy koa ianao ary fantatro fa hifanena eny amin’ny habakabaka sy ny lanitra eny isika. Irery aho fa tsy eo ianao ! Manina ilay tiako aho, te-hitady anao, ary ho avy tsy ho ela fa ny saiko efa any aminao tanteraka
Alexia, hitady anao any aho,
hitady anao na aiza na aiza misy anao !
Ho avy tsy ho ela arak’izay azoko atao !
Raiso eo an-tratranao ity foko manirery !
Hery !
Tsy kivy fa velom-bolo hatrany i Hery, tena lasa aina namelombelona azy ilay mailaka farany nalefan’i Alexia. Tsy andriny mihitsy ilay antso avy any aminy fa efa nomeny tamin’ny mailaka ny laharan’ny findainy. Raha nisy ny zavatra tsy niala teny aminy dia iny findainy iny. Ary raha maneno iny dia hikoropaka izay tsy izy ny lehilahy hamaly ny antso ao.
Tonga ihany anefa ny hariva, tsy nisy na inona na inona, ny tranokala no nosokafany matetika fa tsy nisy hafatra na dia iray aza, eny fa na dia izay avy amin’i Tiana koa. Ilay finday rahateo na dia kitika kely monja aza tsy nisy naneno.
Tsy nataony nahakivy anefa izany, azony an-tsaina ihany ny manjo an’i Alexia. Mety ho sahirana na koa tsy afaka loatra ny hikitika solosaina ka handefa mailaka isan’andro izao. Izy rahateo moa mbola tsy tena tomombana ny fahasalamany. Tsy mampaninona izany, mbola misy foana ny fanantenany.
Vao nirava izy dia nahatsiaro fa tokony hihaona amin’i Mihary, efa hafatr’ity farany rahateo fa tsy maintsy misy fotoana hifampiresahany mikasika ny fiainan’i Hery. Tsy tian’i Mihary hofaranana mantsy ny fanaraha-maso, indrindra ny fiovan’ny toe-tsain’i Hery tato ho ato.
Lasa izy namonjy ilay birao efa natoron’i Mihary azy. Hitany tsara ny toerana fa ny tena misy ilay birao kosa no tsy maintsy nanontaniany ny mpiandry ny lalantsara ;
Niakatra tany amin’ny rihana faharoa izy aloha, dia niditra varavarana lehibe, olona vitsivitsy no tao, ny sasany bevohoka, mbola tanora koa ny hafa fa saika vehivavy avokoa. Dia variana moa ny sasany mijery an’ity tovolahy sady manam-bika sy tarehy. Nipetraka teo amin’ny efitra fiandrasana aloha i Hery rehefa avy nifampanontany izay olona eo alohany hatao fizahàna. Dia niandry izy, namaky ny revio teo anoloany. Nifampijery ihany izy amin’ireo vehivavy hafa fa toa tsy nahoany akory. Vao nisokatra ny varavaran’ny efitra fizahàna ny marary dia indro i Mihary manao veloma ilay olona vao avy nozahany. Aron’akanjo fotsy no notafiany, ao anatiny ao lobaka mena manifinify dia pataloha lava arahin’ny kiraro mainty somary misy vodi-tongotra. Nitsiky izy nahita an’i Hery, sady toa faly aoka izany. Nifampiarahaba lavitra izy roa. Dia nampidirin’i Mihary ny olona manaraka, dia tahak’izay foana isaky ny 15 mn.
Olona iray sisa no teo alohan’i Hery, injay fa misy olona mandeha any an-dalantsara any, re ny figadogadon’ny tongony ary fantatra avy hatrany ny kiraro avo vody tongotra anaovany fa manako manenika ny rindrina efatry ny lalantsara. Mirindra tsara ny figadon’ny tongony, manakaiky ny efitra fiandrasana dia niditra ilay varavarana lehibe:
Taitra i Hery nahita ilay olona, ilay olona koa toa nitsamboatra tampoka nahita an’i Hery.
- "Hery, fa maninona ato koa ianao?"
- "Oay, Tahiana, tsy nihevitra ny hahita anao aty aho, fa angaha misy tsy salama no…"
- "Non ! salama tsara aho ka, resaka hafa mihitsy no andehanako aty ! Ary ianao, fa angaha ianao misy aretina nahazo anao no aty no dokotera andehananao?"
- "Zavatra hafa koa ka ! tsy resaka aretina fa…"
Toa niahotra tampoka i Hery, tsy sahy nilaza tamin’i Tahiana. Ity farany rahateo tsy nahalala izay nitranga tany Mahajanga na dia sombin-tantara iray aza ! Naleony aloha nangina.
Vao tafapetraka dia hoy i Tahiana nanohy :
- "Tokony hotantaraiko anao ihany fa niara-nisakafo tamin’i dadafaranao ange aho io atoandro io e! Mahafinaritra kosa ny Dadafaranao koa, izy moa tsy mety antsoina izany Dadafara izany, fa sady mahay mampiresaka no mahay mihaino izay teneninao, mahay mikarakara ihany koa. Noheveriko fa saro-kenatra be ange izy tamin’ny voalohany ireny izaho naterinareo tany am-piasàna omaly ireny e! Fa hay izy tena mahafinaritra kosa ko!
Vao tonga tao am-piasàna aho io maraina io dia efa nandrasany tsara teo akaikin’ny varavarana, dia hoy izy:
- "Vehivavy tsara tarehy toa anao izao, hono, dia mendrika omena voninkazo tsara tahaka itony." Dia gaga be aho, izy aloha tonga dia tadidiko tsara mihitsy, fa tena gaga aho notolorany ilay voninkazo; tsy nampoiziko kosa aloha e ! Sady tiako ilay voninkazo.
- "Dia avy eo ahoana," hoy i Hery lasa liana amin’ny tantaran’i Tahiana.
- "Dia hoy izy hoe "fohy ny fotoana ifanenako aminao izao fa raha sitrakao dia hotohizantsika ka manasa anao aho hiara-misakafo isika rahatoandro!"
Dia tsy haiko fa lasa nahatoky be azy izany aho, toa teny tsotra nefa mitory fahatokiana. Eny e! izay mihitsy, dia nifanao fotoana izahay, izaho moa nandeha niasa, ilay voninkazo mbola mipetraka tsara ao anaty biraoko ao.
Dia tonga ny atoandro, iny i Fano efa miandry ahy teo am-baravarana indray. Dia lasa izahay, resaka izany nataonay izany, tena mahafinaritra ahy izy! Tsy lainga lainga!"
- Tsara izany ka," hoy i Hery, <<<il était temps aussi, ouff>>> dia nanao ahoana ny tohiny?
- "Ka izaho aty izao fa tsy maintsy nofaranana ny resakay, dia mbola nifanome fotoana indray izahay amin’ny faran’ny herinandro, sady efa akaiky Krismasy koa."
Nisento tokana i Hery, faly am-po izy, tahaka ny nisy valiny ny fisasarany rehetra ;
Tampoka anefa, nanontany indray i Tahiana:
- "Mbola tsy novalianao tsara ange ny ataonao aty e?
- "Izaho ve," nisalasala kely i Hery, namako i Dr Mihary ka, namako mpiara-mianatra tamiko izy tany amin’ny kilasy famaranana! Dia fantatro fa efa tafaverina izy dia mba mamangy azy aho!"
- "Hay ve? hay ve namanao izy e! Tsara kosa izany! Tena tsara mihitsy. "
- "Fa ahoana? Fa ahoana no ialazanao fa tsara izany?"
Tamin’izay no nisokatra indray ny varavaran’ny efitra fizahana, faly ery i Mihary nahita an’i Tahiana koa, ary gaga izy fa tena mifampiresaka be aminy i Hery. Nanontany izy avy eo:
- "Fa angaha mifankafantatra ianareo?"
- "Ie !" hoy izy roa niara-namaly sady nifampijery.
- "Andraso aloha handray ity olona hozahako farany ity aho dia mifampiresaka isika ! Izay an! rehefa avy eo!"
Tsy nisy nifampiteny aloha i Hery sy Tahiana ! Nifampijery tsara. Farany tsy naharitra i Hery fa nanontany :
- "Fa inonao i Dr Mihary ry Tahiana?"
Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)
Tsy nisy nifampiteny aloha i Hery sy Tahiana ! Nifampijery tsara. Farany tsy naharitra ny tovolahy fa nametraka fanontaniana:
- "Fa inonao i Dr. Mihary ry Tahiana?"
….
- "Dr Mihary, hay izay no fiantsoanao azy, ao amin’ny fianakaviana dia i Nomena no iantsoanay azy. Zana-drahavaviko izy. Tsy tena rahavaviko fa zanak’olona mirahavavy kambana izahay. Hay ve mpiara-mianatra ianareo taloha e!
Tena tsara kosa izany, tena tsara mihitsy…"
- "Ary tsy fantatro mihitsy izany, nefa izahay sy Mihary aza efa niara-nianatra ela fa tsy tandritandriko mihitsy ianao hatramin’izay."
- "Ka izay ilay tany boribory re ry Hery an," hoy ity iray nanakatra ny saokan’i Hery.
Tsy nisy nifampiteny intsony aloha fa samy nieritreritra izay teny tokony hambarany. I Tahiana amin’io toa nazava taminy ny lalan-kombàna. Iza no nanampo hoy izy aneritreritra fa mifankafantatra i Hery sy ity zana-drahavaviko. Ho tafaray mihitsy ny tia sy ny manina raha izany hoy ihany izy nanohy ny resany samy irery tany anatiny tany.
I Hery kosa etsy, toa sadaikatra ihany, na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho fantatr’i Mihary fa i Tahiana anie ka efa niaraka taminy ary tsy in-dray mandeha fotsiny ihany. Ary izy ilay naman’ny renin’i Alexia. Tsy voalazany amin’ny antsipirihiny mantsy na ny anarana na ilay mety ho bikan’i Tahiana, fa dia amin’ny ambangovangony ihany no nitantarany azy tany Mahajanga. Ary toa tsy sahiny koa ny hilaza amin’i Tahiana fa ity zana-drahavaviny anie ka …
Dia angamba ataon’i Tahiana fihomehezana aho hoy izy miady saina irery teo ny amin'ny nilazako taminy fa efa niova aho, hay, vao nifindra lasy vetivety dia efa tafa roboka tanatin’ny rano lalina indray. Raha fantany tokoa ny marina, vao mainka angamba hataony toto-afo ny fandavany ny handehanako hitady an’i Alexia ? Very hevitra teo izy… Nony kelikely,
- "Tahiana an ! Tena mahatsiaro nanenina ihany aho nanao teny mahery taminao omaly. Aza tsiny re fa vava tsy ambina e ! Tena mampanantena aho fa tsy hanao ny tahaka ireny intsony."
- "Tsy maninona izany Hery an ! na izaho koa aza nanao fihetsika tsy voahevitra. Eny e ! Samy diso isika ! Tsy mampaninona izany ! Sady tsy tsaroako intsony ireny fa nahafinaritra ahy loatra ny nataon’ilay Dadafaranao androany izay. Tsy maninona mihitsy re izany ry Hery an!"
- "Eny ary e! fa te hiresaka zavatra hafa indray aho! Ka atao ahoana moa fa ny tany boribory araka ny voalazanao teo, zana-drahavavinao izany i Mihary, Nomena moa ny fiantsoanareo azy. Dia mba angatahiko ianao mba hijanona tsiambaratelontsika ireny nitranga hatramin’izay ireny an!" hoy i Hery, somary menamenatra. Toa hahatsiaro afa-baraka amin’i Mihary aho mantsy raha fantany izany!"
- "Ahoana moa no ahafantarany izany raha tsy misy milaza azy, fa aza matahotra ianao fa ataoko ho toy ny tsy misy tavela na dia pitiny kely aza ny momba an'iny eh. Sa tsy izany?" sady noraisin’i Tahiana ny tanany.
Izao ary ry Hery an ! Mba manitikitika kely ny saiko ihany ity zavatra ity, fa ianao sy Nomena, Mihary moa, fa tena mpinamana tokoa ve ianareo taloha sa… ? Toa hitako amin’ny masonao mijery azy teo fa efa misy rohy hafa mihitsy ifandraisanareo ! Sa diso aho?"
- "Tahiana koa ! sshhh ! ahoana koa aza no andefasanao saina lalina amin’izany ? "
- "Ka inona ary no ataonao aty aminy izao ka! Sa hitsabo tena ianao! Tahaka ny efa nandrasany izany mihitsy anie ianao teo e! Ohatran’ny hoe: nahazo « rendez-vous » efa hatry ny ela!"
- "Ppffff ! ianao koa!" sady nakifik’i Hery ny tanan’i Tahiana.
- "Hery an ! raisiko ho toy ny zandry tiako ianao ary ataoko ho toy ny zanako ihany koa, sady naveriny noraisina ihany ny tanany, ohatran’ ny manana tsindrimandry izany foana aho fa mety hanimba anao anie ny handehananao any an-dafy any e ! Raha toa ka tena mitady anao marina ve i Alexia dia hiteny hoe hijanona any izy hanohy fianarana? Diniho tsara aloha Hery an! Sady sao dia varivarian’ny lavitra ianao ka tsy mahita ny ambany maso?"
Tamin’izay indrindra no nisokatra ny varavaran’ny efitra nisy an’i Mihary, ny masony tonga dia any amin’ny tanan’i Hery sy Tahiana mifandray sady mifanome hevitra. Vao nahita izany koa i Hery dia nakifiny toy ny tsy teo ny tanan’i Tahiana. Tsy niteny aloha i Dokotera, fa rehefa lasa ilay olona nozahany dia nanatona azy ireo izy.
- "Elabe Tatie Tahiana no tsy hitako, tamin’izaho taty efa ho roa taona izay no nahitako anao farany." Dia nifanorokoroka teo izy mianaka, i Hery kosa noraisiny tanana fotsiny. Avy eo izy naka seza teo akaikiny.
- "Fa dia gaga mihitsy aho, hay ve ianareo ireto ka mifankafantatra tsara e!"
- "Eny akia ry Nomena an ! izaho no nanampy an’i Hery niakarakara ny pasipaorony fa tsy andriny mihitsy izao handehanana any an-dafy izao."
- "Hay ve, hoy i Mihary, tsara be izany ka! izy moa ry Hery dia nenitoanay, zanak’olona kambana izy sy Mama."
- "Hay izay no nahatsiarovako endrik’olona mitovy be amin’i Mamanareo ; tena eto vao tsaroako ilay izy," hoy i Hery.
- "Eny e ! satriko tokoa hifampitafa sy dinika eto foana fa aleo aloha aho hiresaka amin’i hery manokana atsy amin’ny biraoko, dia mitohy ny tafa antsika sy Tatie rehefa avy eo ? Izay aloha fa rehefa avy eo Tatie an!"
Nipia-kelika i Tahiana, tena andro mahafinaritra mihitsy ny androany raha izao. Ho mora aminy mihitsy ny hampiditra an’i Hery amin’i Mihary, ary tena tojo amin’ny faniriany amin’izay izy izao. Ho very any amin’izay ianareo ry Ratrema mianakavy, ataovy izay tianareo fa i Hery, hono, tsy any intsony.
<<< ho reseko lahatra fotsiny ikala Nomena dia hanaiky ho azy ity Hery ity. Mino aho fa vetivety dia hadinony io faniriana tsy misy fetra hitady an’i Alexia io !. Veloma ry Malalatiana fa dia tanteraka amin’izay ny faniriako rehetra >>>

Vao vita ny asan'i Mahefa dia ny hamonjy ny tranony no nahamay azy indrindra. Naleony aloha tsy nifampiantso an-telefaona intsony ambara-pahatongany any aminy. Ahoana ary hoy izy niasa sainy mafy no ahafantaran’i Alexia an' izany, izahay sy Malala anefa nifanaraka tsara fa mbola tsy amin’izao fotoana izao no hilazana izany aminy, sa i Ratrema ve no tsy mahazo resaka?
Raha fantatr’i Alexia ve izany tsy izaho aloha no nantsoiny voalohany, marina fa mety hampikorontana ny sainy ny tampoka ny fahafantarany fa izaho no tena rainy, nefa dia ho sahin’i Malala ve ny hanao izany?
Atao ahoana, mila raharaha mihitsy letsy ialahy ity ry Mahefa! Hoy ihany izy nanohy anakampo.
Misy zavatra marobe mbola tsy mazava amiko hatramin’izao ny tantaran’ity fianakaviana ity? Fa inona marina no tena olana?
Tamin’izaho tany Antananarivo mantsy, ilay nifankahita voalohany tamin’i Malala, dia ahoana ary no tonga dia nahasahiany tonga dia niray tamiko nefa izy aza tsy mahafantatra ahy akory. Izy anefa olona manambady izao. Mety tena nisy olana mihitsy izany teo amin’ny fiainan-tokantranony. Tsy mifanaraka ve izy sy Ratrema? Fifanandrifian-javatra koa tsy nisy tahaka iny. Marina mafy.
Na hanontany fahazato sy arivo aza aho ny amin’izay fiainan’izy rehetra, dia tsy maintsy hisy foana ny marina tsy fambara, nefa tokony ho fantatro.
Dia ahoana koa ilay silipo tavela tao an-dakoziako indray mandeha iry? inona koa no nitranga tamin’iny. Asa mihitsy, fa olona tahaka ny inona marina ity Malala ity e! Ny toetrany aloha dia mifanipaka amin’i Vololona, ny vatana sy ny endrika no maro ifandraisana, fa ny fomba fisainany, na ny toetrany dia tena mifangarika be mihitsy ary izay no mahatonga ahy tsy hihevitra ny hiray aminy intsony. Izy aloha dia ahatsiarovako an’i Vololona mihitsy e. Ampy ho ahy koa anefa i Alexia.
Misy zavatra tsy mazava amiko mihitsy e. Ohatran'ny hoe noterena an-kolaka izany i Malala handeha aty hanampy sy hikarakara an’i Alexia. Marina fa zanany saingy tsy naterany, fa na dia izany aza anefa, izy no efa solon-dreniny. An an ! tena tsy hiditra amin’i Malala intsony aho kah. Izy raha teo koa moa vadin’olona! sshhh aleo ho any fa manahirana. Hoy ihany i Mahefa miresaka amin'ny tenany sady ny niha nanakaiky ny tranony rahateo koa ny diany.
Vao tafiditra ny tokontany i Mehefa dia najanony teo ivelany ny fiarany. Vao teo an-dalantsara izy dia tsinjony i Malala sady mitrotro an'i Cynthia no misonanina tsara ery eo ambony seza lava mijery fahitalavitra.
- "Ahoana Malala, nanao ahoana ianareo rehetra tato izay?"
- "Tsara daholo ka, fa ahoana ? tsy nisy naninona mihitsy izahay."
Gagagaga i Mahefa, fa misy inona ary ato an-trano? Hoy izy sady somary niherikerika nijery ny manodidina azy izy. Te-hitantara mafy amin’i Malala izy ny amin’izay resaka nataony tamin-dRatrema fa toa niahotra kely aloha.
- "Ary i Alexia izay moa aiza izao?"
- "Ao amin’ny efitranony ao izy ka, mety matory angamba, fa efa elaela izy izay tsy nidina."
- "Fa misy inona?"
Tsy niteny aloha i Mahefa, nifampijery fotsiny izy sy Malala.
- "Aleo aho aloha ho any aminy e!"
Dia gaga i Mahefa fa toa tsy nahoan’i Malala akory ny resany, tahaka ny tsy mahalala zavatra mihitsy ny anao vavy. Fa misy inona ary? Hoy izy vao maika sahiran-tsaina sady namonjy niakatra ny tohatra nankany ambony rihana.
Nodondominy mora aloha ny varavarana, tsy nisy namaly, dia nosokafany fa tsy nihidy. Io Alexia matory eo ambony fandriana. Nanatona izy hijery raha matory marina tokoa. Hay, indro ity "zanany" mipitrapitra fotsiny tsy miteny tsy mivolana fa toa lasa saina lalina. Ny masony bongon’ny ranomaso sady mifariparitra mena. Somary nitodika niakatra izy raha nahita an’i Mahefa, dia niarina nefa nanondrika ny lohany teo ambony lohaliny indray.
- "Alexia," hoy i Mahefa, "maninona ianao anaka?"
Tsy namaly aloha i Alexia fa toa nisento lalina vao nanokatra ny vavany.
- "Mavesatra amiko loatra, mila tsy ho zakako intsony ny fiainako," hoy izy tamin’ny feo vizana dia vizan’ny toloko.
- "Alexia an ! izaho eto afaka hanampy anao hanamaivana izany. Mba tantarao amiko izay manahirana anao e!" Sady namonjy nipetraka teo ambony fandriana koa i Mahefa namihina ity zanany teo amin’ny sorony roa.
-Raha mba teto mantsy Papa dia nitony kokoa ny foko, izy hatrany no manana teny hentitra hamahana izao olako izao. Raha mba nihaino azy aho hatramin’ny voalohany dia mety tsy nandalo izao lanja mampianjera ahy izao. Tena izao fao tena tsapàko ny dikan’ilay teny hoe « ny ana-dRay aman-Dreny toy ny tsipak’ombalahy, ka raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina».
Mahefa an! hoy i Alexia, iza no olona afaka hanampy ahy? sady nibanjna vetivety ny mason’ity "rainy" izay tsy fantany akory izy.
- "Aza manao izany ianao ry Alexia an! nifampiantso teo izahay sy Ingahy Ratrema ny amin’ny olanao, izay no antony nahatongavako aloha. Tantarao e! Inona avy izany marina fantatrao rehetra izany, naniraka ahy mantsy ny rainao fa tsy mitombin-tsaina mihitsy izy any Antananarivo, tonga dia izaho no nametrahany ny hafatra hiresaka mivantana aminao!
- "Nitady ny marina aho, dia nahita tokoa, kanjo ilay marina fantatro toa tsy ho zakako akory ny mibaby azy, nefa tsy azoko alana ato an-damosiko intsony. Nahoana re no mianjady amiko izao rehetra izao e!"
- "Alexia an ! avia horohako izany zanako izany," sady nalefany teo amin’ny takolany ny molony!
Izay, oroka vetivety izay dia tsapan’i Alexia nandalo teo amin’ny takolany toa nanambara fitiavana taminy. Hafanana vetivety, toa nampitraka azy koa.
Nifampijery maharitra izy mianaka. Tsy nifampiteny fa toa nifampita hafatra, nefa hay hafatra tsy nifankahazo.
I Mahefa nihevitra fa efa fantatr’ity zanany fa izy no rainy, I Alexia kosa indray toa nihevitra fa ilay fitiavana nitsiry ao aminy hoan'i Mahefa iny nohamafisin'ny oroka teo amin'ny takolany teo iny. Nampanantonin’i Alexia mora tamin’ny molotr’i Mahefa ny azy, nakimpiny ny masony sady nalefany tsimoramora ihany.
Niala tampoka nefa i Mahefa, tsy sahy niteny, nivarahontsana amin’ity nitranga. Vao nisokatra ny mason’i Alexia tsy nahazo izay notadiaviny, dia nifampijery indray izy mianaka.
- "Mahefa an! fa maninona e? sady notazominy ny ny takolak’ity lehilahy hanorohany indray ny molony.
-An, an! Aoka ry alexia, tsy sahiko ny hanao izao, tsy mety amintsika.
Somary kivy ny anao vavy, ny tanany efa mamihina tsara ny saokan’i Mahefa, somary natosiny hitsilany ity «rainy» sady noteneniny hoe:
- "Ianao ihany no fantatro fa afaka hanaisotra izao vesatra mila hampitolefika ahy izao; Fantatrao tsara fa mitoky fitiavana aminao aho ary ny fanomezanao ny fitiavanao ho ahy fotsiny dia ampy hanala ny adin-tsaiko. Mahefa an ! aza asiana sakana ny fiarahantsika." Sady niezaka mafy ny hanoroka an’i Mahefa ihany i Alexia. Niezaka mafy haingana araka izay azony hatao hanala an’i Alexia teo amboniny anefa i Mahefa. Nitontona tery ambony fandriana ity zanany vavy. Tsy hitan’i Mahefa zay natao. Niarina izy, toa tsy tantiny indray ny nahita an’i Alexia manomboka nifokofoko mafy mila hitomany.
- "Alexia an! tsy fantatrao tokoa ny marina!
- " An, an ry Mahefa an! ny marina dia izao, menatra ny amiko ianao nefa tianao tokoa aho fa afeninao. Tsy sahinao aseho na amin’iza na iza, eny na dia aminao ihany aza!"
- " An, an, tena diso hevitra ianao ry Alexia an ! tsy afaka hanao izany aho" sady nigogogogo nitomany koa i Mahefa. Nandalo tao an-tsainy ny mafy niainan’izy sy Vololona tamin’ny fisarahana tampoka efa ho roapolo taona lasa izay.
- "Tsy afaka manao izany aho satria ny marina tokony ho fantatrao dia izao " IZAHO NO RAY NITERAKA ANAO…," hoy ihany Mahefa sady nidradradradra nitomany izy.
- " RAY NITERAKA AHY, RAY niteraka ahy, izany ve ??? ray niteraka ahy……………"
Nihodina tamin’i Alexia ny tany aman-danitra ; toa nivalombalona teo anoloany izay sary rehetra mba hitany, tsy tantiny intsony fa nidaboka teo ambony fandriana indray izy dia tsy nahatsiaro tena intsony.
Tamin’izay, nisokatra ny varavarana, iny i Malala niditra sady nahare izay notenenin’i Mahefa farany. Taitra izy nahita an’i Alexia fanina sy nidaraboka teo ambony fandriana. I Mahefa latsa-dranomaso toa tsy nahita hatao amin’ity zanany.
Very hevitra i Malala. Efa fantany fa na ho ela na ho aingana dia hiboraka ny marina, nefa ny fiantraikany no tsy nampoiziny mihitsy.
- "Mahefa an! aza variana mitoloko eo ity ianao e! safotra ange i Alexia e! Jereo ity izy! " Sady nokosokosehiny ihany ny tanan’i Alexia rehefa avy nareniny teo ambony fandriana.
- "Mety tsara izao ataonao izao, tsy maintsy maka rivotra madio tsara izy aloha. Aleo voahaina ny varavaran-kely. Nefa tsy mety, ririnina mamirifiry izao, tsy azo atao mihitsy. Tohizo ihany aloha izao ataonao izao fa haka fitsofan-drivotra any ambany aho mba hampivoivoy tsara ny ato anaty efitra."
Vetivety dia niverina izy, natsatony haingana tamin'ny herin'aratra dia nalefany. Novelombelomina teo i Alexia. Nakàna ranomanitra notohofana teo amin’ny orony. I Malala koa moa tamin’io taitra tampoka tamin’ilay nitranga teo, ka toa fanimpanina izany. Mbola naharin-tena tsara ihany aza anefa izy na dia izany aza. Rehefa hitany fa eo am-pelatanan’i Mahefa tsara ity zanany dia lasa naka toerana aloha izy. Izy eo ampipetrahana eo no tsinjony ny fidainy. Tonga dia ny hiantso an-dRatrema avy hatrany no nandalo tao an-tsainy voalohany.
Izy ndeha hanindry ny larahan'ingahy Ratrema iny anefa no tsaroany fa hay moa any ambany rihana ny poketrany misy ny laharana tiany antsoana. Nitsangana izy nidina tany ambany haka azy. Asa anefa na dia nanao ahoana fa ny laharan’ny fidain'i Hery no sendra azy. Tapa-pevitra tampoka teo izy fa hiantso an’i Hery, dia notsindriany ilay laharana ary dia nantsoiny.
Tafiditra ny antsony saingy indrisy fa « Ce numéro n’est plus en service, Efa tsy miasa intsony tompoko io laharana io.» no feo henony tao sady niverimberina foana toa nandreraka ny sofiny. Tsy hitan’i Malala izay natao, toa manampy trotraka azy koa ilay hafatra vao henony teo. Naninona i Hery hoy izy nanomboka niasa saina mafy. Nidina tampoka ny tosi-drany, nihafanina izy ary tsy ela taorian'izay dia nidaraboka tamin’ny tany ka nanjera ilay vazy tsara tarehy tsy lavitra azy teo. Taitra i Mahefa tany ambony rihana naheno ilay dobodoboka tany ambany rihana. Nihazakazaka izy nivoaka ny efitra nisy an'i Alexia sady namonjy nidina. Fa dia inona loatra ary ity miseho androany ity hoy izy aneritreritra sady niezaka nanarina an'i Malala.
Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)
| « | Martsa 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | 31 | |||||