Tadiom-pitiavana

Pejy 50
2006/06/01,01:06
 Nanembonembona an’i Mihary ihany i Hery nony izy samy irery no teny ambony fiara niaraka tamin'ilay mpamily ndeha hanatitra azy tany antranony. Tsapany ho tahaka ny misy hafatra tian’ity tovovavy ity hambara, nefa tsy sahiny nolazaina taminy akory .  Sanatria hoe tsy misy fo mitempo ho an’i Mihary mihitsy any anatiny any, fa afo roa tsy mitovy ireo hoy izy ka ny iray, fitiavany an’i Alexia izay niredareda hatramin’izay ary tsy mety maty ao am-pony, ny iray kosa afo nitsilopilopy efa saika maty nefa narehitry ny solika tampoka.
Fantany fa naharary an’i Mihary ny nataony, kanefa, raha ny hamafin’ny fitiavany an’i Alexia dia tokony tsy hisy haharava azy araka ny eritreriny.
Fantatr’i Hery tokoa fa maditra izy, tsy mahatanty ny langolangon’olona ary  rendrika hatrany raha vao tobasan’ny safosafo sy ny orokoroka. Na izany aza anefa no niseho, dia tsy mba nampihena ny fitiavany an’i Alexia mihitsy ny fihetsika tsy voahevitra nataony.
Toky no nataony tamin’i Mihary, izy ilay niteny hoe : « raha tena tianao marina izy dia hajao ny tenanao ». Satria izay ny marika voalohan’ny fitiavana, mitoky amin’ny fifanajàna. Raha mba fantatr’i Alexia marina moa ny hadalàny rehetra nataony tao anatin’izay fotoana izay. Dia inona marina re no hitranga ?

Tonga teo am-bavahady ilay fiara nanatitra azy. Nidina izy sady namoaka ny entany.
- "Misaotra anao mihitsy Rangahy fa tena mahafatra-po ianao nanatitra ahy hatraty an-tranoko. Tsy maintsy manome ity aho fa ataovy ho toy ny fahafaliam-po izany e! Ianao rahateo moa mbola nanaiky nandeha na dia andro tsy fiasàna aza."
- "Tsy maninona izany Ramose fa anisan’ny iraka nampanaovina ahy ange ny naka azy tany e! tokony ho rahampitso aza isika no niverina fa zarako aza,.. mba te hahita ny vady aman-janaka koa e !…Tsy maninona fa raisiko ihany ny fanomezana atolotrao ahy. Raisiko ho fanomezana izany fa tsy tambin-karama akory."

Nanampy an’i Hery nitaona ny entana ilay mpamily. Vita izay dia lasa izy nitondra ny fiara namonjy ny fitobiana.

Nosokafan’i Hery avokoa ny varavaran-kely rehetra. Ny andro rahateo mbola tsy tena maizina. Novohainy midanadana hidiran’ny rivotra madio. Hafa ihany ny ato an-trano hoy izy niteny aneritreritra. Tao tokoa no nahalehibe azy. Tao no niriariavany tamin’ny reniny. Nakany ny anatra mamy sy feno fitiavana hatramin’izay. Tao koa anefa no nanaovany izao hadalàna mihoa-pampana tsy fampiseho masoandro rehetra izao.

Nitsilanilany teo ambony fandriany izy. Namelombelona ny nofinofiny amin’i Alexia.
- "Mino mihitsy aho fa mbola velon’aina soa aman-tsara any izay ilay tiako. Matoa aho manembonembona azy dia fantatro fa misy rohy mifandray foana any ho any. Raha mba miantso ahy izy izao dia ho feno ny fifaliako; Oay, tsy maintsy miantso an’i Tahiana marina fa izy izao no mahalala ny vaovao.
Andray, hay moa tany anatin’ilay findaiko very ny laharana azo ianatsoana azy. Loza izany ! Ny andro koa ity efa miha-maizina, izaho reraky ny dia.
Aleo aloha handeha hisakafo atsy amin’ilay hotely kely atsy dia maka aina tsara rehefa avy eo. Rahampitso avokoa vao heverina izany rehetra izany."

Narindrin’i Hery indray ireo varavaran-kely rehetra dia iny izy nandeha tongotra moramora nankany amin’ilay fisakafoanana eo akaiky ny tranony. 

Fa tany amin’i Tahiana amin’io, izy irery no mijery fahita lavitra ao amin’ny efitranony. Akanjo mandry manify no teny an-kodiny, ny tapany ambany mitsofoka any anaty lamba.Toa tsy amin’izay fandaharana amin’ny fahitalavitra anefa ny sainy fa mieritreritra lalina ny tokony hataony :

- "Fa mba maninona koa ary ry Hery no mamono finday foana hatramin’izao. Nahoana no tsy nandrenesam-baovao mihitsy, tsy niantso. Tsy sahiko koa ny nanadihady tany amin’ny toeram-piasàny fa sao dia raikitra eo ny fanontaniana be! Dia sanatria ve nivari-lavo araka ny nolazain’i Malala ? aza hitako.
Nefa fantany tsara fa izaho no manana vaovao mikasika an-dry Ratrema mianakavy. Inona ary ny manjo ilaikely iny?" hoy ihany izy anankampo.
" Fa na izany na tsy izany, ny valifatiko ataoko amin’i Malala aloha tsy maintsy omaniko tsara. Iny izay any efa tsy mitombina mihitsy. Angamba efa nanandrana niantso fa tsy nahazo. Mba adaladala fisaina koa ange izaho ity e !
Teo aho nanampy an’i Hery nanao ny pasipaorony mba ahafahany mitady an’i Alexia. Vao niantso ahy anefa i Malala dia lasa valifaty ny tsy hahitan’i Hery azy intsony indray no aty an-dohako. Inona re no tena paika tsara e !
Tsy tiako mihitsy aloha ny mbola hidiran’i Hery amin’ny fianakavian-dRatrema e ! Fa izy moa manao mafy loha ny hitady izao malalany izao foana no masaka ao an-tsainy! He izany izy hoe: i Alexia aza tsy te-hiverina aty intsony!
Ka tsy aleo ve itadiavana sipa hafa mba tsaratsara i Hery ? Iza anefa ? Raha mba misy izao ato amin’ny fianakaviana dia tena lafatra mihitsy. "
Variana teo am-pandriana teo i Tahiana, lasa saina lalina amin’izato tetik’ady valifaty ketrehiny.


Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

Pejy 51
2006/06/02,15:02
   Iny i Hery nifampitantana tamin’i Alexia, nandeha tamin’ny toerana mahafinaritra, mangingina, tontolo kanto feno zava-boahary maitso mavana mahate-hitoetra. Siotsiokam-boronkely malefaka no mikanto ny hatsaran’ny tontolo, ary toa izy roa irery ihany no olombelona tamin’ilay toerana. Voron-kely mandeha tsiroaroa no misidintsidina toa mitarika ny diany teo akaikiny teo. Miramiran’endrika ery ireto mpifankatia, mifampitantana, toa ho doria.
Mifampiondankondana, mifampitositosy, ny tontolo manodidina no vavolombelona mijoro sy mandrotsirotsy. Toa manaiky ny fiarahan’izy roa hitambatra ho iray izay nanodidina azy rehetra teo. Tsy misy mifampiteny fa mifampita hafatra tamin’ny maso fotsiny ihany. Ny sainy toa mifandray tsy ankijanona, tsy te-hiala amin’ilay toerana soa sy mahafinaritra. Nandeha miadana namakivaky ilay tanàna soa toa zaridaina edena. Tampoka teo, nisy anjomaran’ny fiara iray nanakoako tao aorian’izy roa toa manaitra azy ireo hikisaka hanome làlana.
- "Sao dia diso toerana koa aza izany fiara izany," hoy i Hery nisarika an’i Alexia.  Nitodika i Hery, " fiaran-dRatrema marina,"  mbola manohy ny tabatabany ihany ilay anjomara fanairana. Taitra i Hery, taitra tamin’ny torimasony sady namonjy niarina tampoka. Nihevitra izy fa nanonofy nefa toa mbola reny ihany ilay anjomara any an-tokontany any.
" Fa inona koa ary izany," hoy izy sady naka aina kely aloha izy alohan'ny nitsangana teo am-pandriana. Nosokafany ny varavaran-kely dia nangarangarana tany antokontany ny masony..
- "Fa inona koa ary ity, ssshhhh?" hoy i Hery tany an-tsainy tany sady vinitra dia vinitra. Nojereny ny famantaran’ora, mbola vao amin’ny 6 ora sy sasany.
Nanaovany ny akanjo fitena dia nidina tany ambany izy, namoha ny varavarana sady nanatona ny vavahady.
Tarehy toa tsy dia ravo loatra no namahan’i hery ny vavahady hidiran’ilay fiara. Vao nijanona ny môtera dia nivoaka tao lehilahy iray:
- "Ialahy ity letsy matory maraina, efa andro mazava be izao ve letsy, nampanenoina ny kiririoka fanairana, tsy nisy namoha, ny jiro eo an-tokontany anefa mbola mirehitra."
- "Sshhh, ianareo koa ry Dadafara manapaka torimaso vao maraina mihitsy kah". Sady nifandray tanana izy roalahy mianaka.
- "inona aloha ny vaovao entin’i Dadafara? sady te-hanao ialahy ihany i Hery. "Efa ela mihitsy ange ianareo izany no tsy nandalo e!"
- "Andao aloha hiditra ao an-trano e!" hoy  ny dadafarany namaly..

Lehilahy ranjanana izay no dadafaran’i Hery, izy no faralahy amin-drainy, mahay mihaingo sady ireny tsy miankanjo raha tsy fitafiana lafo vidy hatrany ireny. Tsy dia mifanalavitra loatra ny taonan'izy mianaka. Mety niara-nilalao akory aza tamin’ny fahakeliny. Izay no saika nahatonga an’i Hery saika hifampiatso ialahy taminy.   - "izaho izao vao mifoha, vao avy namita iraka tany Jangil tany aho ange e ! dia vao
tonga omaly e!"
- "Hay ve? mandeha tsara ny asa,"
- "Eny e ! metimety ao ry Dadafara a!"
- "Dadafara, dadafara an’ialahy inona koa letsy. Zaza niara-lehibe izao ihany."
- "izay mihitsy, niara-lehibe fa ianareo niha-lehibe kokoa. Efa hita miavaka amin’izay izao ny 6 taona elanelany."
- "Ny vady aza letsy mbola tsy hita be ny ihany, ka aleo rehefa
tonga amin’izany vao antsoin’ialahy dadafara izany aho e!"
- "Fa angaha mbola tsy nahita foana hatramin’izao e! Bandy tahaka anareo izao ve dia tsy hirara-kopana ny vehivavy hanatona."
- "Ny sipa amin’izao ange letsy ry Hery, toa ilay miriaira miaraka amin’ny fiara sy mandeha mirevirevy etsy sy eroa no tena itadiavany an’ialahy ; Izaho efa mitady sipa mba matotra fa na izy izay tsy mirevy, na izy izay efa lasan’ny sasany."
- "Mbola tsy sendra ny milay izany ianareo koa ! Fa sipa tahaka ny inona izany no tadiavinareo le!"
- "Ho avy foana letsy izany fa aza matahotra ialahy an?"
"Fa ny tena ahatongavako dia izao, manontany ny fianakaviana hoe efa mba vitan’ialahy ve ny nikarakara ny taratasy amin’ny famindrana ny fananan-dRain’ialahy rehetra amin’ialahy?"
- "Eny e !" hoy i Hery, nisafosafo loha, "efa vita ny tombam-pananana fa ny ankoatr’izay mbola sahirana aho."
- "Ka izay mihitsy letsy an ! efa nifampiresaka tamina tale ao amin’ny fanana-tany aho. Afaka manampy amin'ny fikarakarana hono izy. Noho izay no nandehanako taty. Omen’ialahy fotoana fotsiny aho dia miaraka mankany isika."
- "izaho izao androany no afaka satria rahampitso dia miverina miasa indray. Ka maninona moa raha miomana aho dia afaka miaraka isika e!"
- "OK! tsy mampaninona koa, fa rehefa mbola tsy misy azo hohanina aloha ato amin’ialahy dia aleo aho haka rivotra any an-tokontany any."
- "ie, aleo aho aloha hiomana fa tsy maninona e!"

Lasa i Hery niakatra, nandefa ny famanan-drano. Nanomana izay hohaniny izao maraina. Teo am-pikarakaràna ny sakafo izy vao nandalo kely tao an’eritreriny i Tahiana;
- "Oay leaza, hay moa tokony hihaona amin’i Tahiana aho izao maraina izao! tsy maintsy manontany ilay pasipaoro, dia hanontany vaovao koa ! Angamba iny izay nikorapaka fa tamin’ny niantso azy farany aho dia hoe any amin’ny hopitaly. Tena tsy maintsy mankany aloha. Inona indray ary no ataoko. 
 Vita fiomanana i Hery, dia nidina, nandraraka dite mafana, naka ny mofo efa novidiany omaly hariva. Nantsoiny i Feno, ilay dadafarany, hisakafo miaraka aminy.
- "fa angaha leity tsy netsehin’ialahy intsony ilay 504 an-dRabainin’ialahy ao anaty garazy ao io?"
- "Fa ahoana ? Efa ho erin-taona io izay nipetra-potsiny tao. Ohatran’ny alahelovako an’i Neny koa ilay izy dia tsy sahiko kitihina, fa sasako ihany indraindray kah."
- "Fantatr’ialahy moa fa vao teraka ialahy no nividianan-dRatompokolahy an'io. Nataony ho fahatsiarovana hono, dia io izy io. Notantarain-dRenin’ialahy tamiko izany, nanafarany ahy mihitsy aza hoe mba karakarao io fiara io fa mety tsy ho vitan’i Hery rehefa miasa izy."
- "SSshhh ! mbola hisy foana ny fotoana hikarakarako an’io. Fa tsy izao fotsiny. Fa hono ho’aho, ianareo ve afaka mba mandalo kely eny Faravohitra aloha fa mbola misy olona tokony hojereko kely mikasika taratasy samihafa?"
- "Bof, tsy mampaninona izany, fa misy inona?"
- "Tsy dia misy ifandraisany loatra amintsika fa rehefa afaka mandalo any dia tsara;"
- "Andao ary e ! rehefa vonona ialahy dia lasa isika."

Roso ny dia, somary nisy fitohanana teny an-dalana ! Vao nahita vehivavy mba manjamanja Radadafara dia efa nisiotsioka ery, pppssssittt, pppssssiiit !
Nitodika ilay zazavavy sady nitsiky, somary nipihin-dRadadafara maso, dia namaly oroka lavitra koa!
- "Hitan’ialahy, ohatran’izany sipa amin’izao fotoana, rehefa miaraka amina vam milay ialahy dia mitodika koa izy; sady isika koa ange letsy tsy dia hoe ratsy e! fa tsy maintsy misy foana letsy any ny sipa matotra ary mbola hahita ihany aho!

Tsy niteny aloha i hery fa lasa saina lalina.
<<Ary maninona moa raha ampihaonina amin’i Tahiana ity RaDadafara ity e ! sady mety hiaraka mihitsy fa mitovy revy an ! ka maninona moa, ny taonany mifanaraka tsara, sady amin’izay koa aho afaka amin’iny vehivavy iny, na dia fotoana vitsy ihany aza. Mety azo atao tsara an >>

- "Efa itsy akaiky itsy ilay trano fa afaka maka fitoerana tsara eto isika;"
- "Fa iza aloha no tadiavin’ialahy aty e! Sipa sa bandy;"
- 'Sipa be izany ry Dadaf… azafady e!"
- "Hay, fa angaha moa tsy any Ivandry no mipetraka ny sipan’ialahy?"
- "Sipa hafa izany fa sady akama koa, mety miady amin’ny piesinareo an!"
- "Liana be izahay raha izany!"

 Nivoaka ny fiara i Hery, nanatona ny varavarana dia nampaneno ny kiririoka fanairana. Injay fa nivoha ny trano, i Tahiana io, faly dia faly ery no sady taitra aok’izany.

- "Hery, tena nalahelo be anao aho ! fa naninona ianao e ! tsy niantso ahy mihitsy." Sady namihina mafy an’i Hery ity vehivavy, Radadafara etsy sady mitsiky ihany mahita azy ireo, moa i Hery rahateo somary nitodika no nijery azy. Somary nanainga loha;
- "Miaraka aminao angaha io olona io ; Mandroso aloha e ! tena faly mihitsy aho mahita anao ! asaivo mandroso koa io namanao io fa tsy maninona e!"
" Eisy, mandeha tsara izy izany,"  hoy i Hery tany an-tsainy.
Nokopahiny tanana i Feno dia nivoaka sady nanidy ny fiarany dia nandroso tao amin'i Tahiana.
Vao tafiditra dia raikitra ny fampifankahalalana.
- "Izy no Tahiana, namako izy dia mikarakara ny pasipaoroko. Dia izy no Fano, rahalahin-draiko, izy no faralahy amin-dry zareo."
- "Faly mahafantatra" , hoy i Tahiana sy Feno saika niara niteny.  
i Tahiana toa somary menamenatra, I Dadafara toa saika tsy nahaloa-peo.

"Ohatran'ny mety ho tsara ny fandehan'ireto" hoy i Hery tany antsainy tany " fa toa somay menamenatra sady somary nitsiky kely izy.
Nony afaka kelikely :
- "Fa naninona ho’aho ianao no tsy niantso mihitsy, efa nivarahontsana mihitsy aho taty."
- "Tena very ny findaiko, nefa ny laharan’ny findainao tany anatiny tany. Tsy hitako izay nantsoina moa izaho rahateo sahirana."
- "Fa toa hoe tany amin’ny hopitaly ianao!"
- "Ie! tsy izaho no narary fa namana iray izay!"
- "hay ve! tena mampitaintaina mihitsy ianareo ity. Inona aloha no arosoko anareo e!"
- "Misaotra betsaka fa efa avy nisakafo izahay," sady  somary nodomin-dRadadafarany i Hery.
- "Mbola misy dité mafana ange raha te-hisotro ianareo e!"
- "Ianao koa ve tsy handeha hiasa moa ka elingeleninay, fa ny tena nandalovako dia hanontany vaovao mikasika ilay pasipaoro;"
- "Ny an’i hery koa moa izany no zavatra mahamaika azy, efa vita izay ilay izy fa mandalo any fotsiny isika rahariva, azonao alaina aho dia miaraka any isika, afaka miala aloha aho mantsy."
- "Vao mainka tsara!"

Vetivety dia voaroson’i Tahiana ny dite, dia nanasa hipetraka sy hisotro, i Feno etsy faly ery. Te hanontany mafy i Hery mikasika izay vaovao fantatr’i Tahiana nefa naleony aloha niandry. Vita ny sakafo.
- "Ka ianao moa izany Mlle Tahiana, notananay teto nefa mbola hiasa, tsy aleo ve aterinay."
- "Tsy mampaninona mihitsy ka!" hoy koa ity farany.
- "Sady lalantsika ihany ny toeram-piasàny."

Nifampijery tsara izy roa, samy menamenatra, i Hery etsy mipi-kelika fa nahita namana ho an’i Tahiana dia mba afaka amin’izay ny geja an-kolaka mahazo azy.

Nivoaka ny trano avy eo, mailamailaka ery i Feno namoha ny fiara, nefa hoy i Tahiana.
- "Ka tsy aleo izaho no ato aoriana fa izaho ange izany no miala aloha e!"
- "
Marina izany," hoy i Feno, sady menamenatra ihany izy.

Tsy dia nisy niresaka firy aloha taorian'izay fa dia toa samy variana nijery ny zava misy tany ivelan'ny fiara avokoa. I Tahiana rahateo moa naka afovoany tao aoriana tao, hitan'i Fano tsara amin’ny fitarafana. Saika nifanojo matetika ny mason'izy roa. Naterin'izy mianaka teo ambaravarana mihitsy i Tahiana. Nivoaka ny fiara izy sady nisaotra no nanao veloma. I Fano tsy nahateny fa nihanahana fotsiny. Asa, raha azony atao ny niodina eran’antananarivo dia nataony.
Lasa izy mirahalahy mianaka, niteny amin’izay i dadafara.
- "Fa taiza letsy no nahitan’ialahy an’ireny sipa ireny le?"
- "Naman’ny bôfin’ny ankizy iny! sady dokotera ange iny e! Miady aminareo tsara mihitsy raha hiditra, sady mbola tsy manambady."
- "Milay kosa izany, ao amin’io farmasia io izany no ahitàna azy."
- "ié ! fa izy manana ny biraony any ambony rihana fa tsy eo am-pivarotana."
- "Mihetsiketsika ianao ry Papa an!" hoy i Hery nananihany an’ity rahalahin-dRainy.

------------------------

Maivamaivana ery i Alexia avy nanoratra ho an'i Hery teo. Lasalasa eritreritra teo anoloan'ny solosaina, nandrevorevo ireo lasa niarahan'izy roa. Ny fotoana nahalalany an'i Hery voalohany, nitsena sy naka azy tany am-pianarana. Ny oroka voalohany nifanaovan'izy roa, tsy ho hainy adinoana. Maika moa fa ilay andro niraisany tamin'i Hery voalohany? naharary nefa toa nahasambatra ihany koa. Izany mivoaka kely ny renivohitra rehefa faran'ny herinandro, aoka fotsiny, sangisangy, resadresaka, orokoroka... " Rehefa any amin'ny toeram-piasana vao miditra maraina izy izao no afaka mamaky iny mailaka iny. Toa tsy andriko ery izay hahenoana indray ny feony. Sa andramako antsoina amin'ny findain'i Neny ihany re rehefa avy eo e?" hoy izy tany antsainy tany sady velontsiky kely irery teo izy nefa koa toa nisento tokana. Mbola tsy
tonga ry Malala, ny famantaran'ora koa toa nihisatra dia nihisatra. NIvezivezy nitety ireo pejy isankarazany teo amin'ny vohin-kalam-pifandraisana teo aloha izy. Nidikidirany daholo izao karaza-tranonkala rehetra izao, indrindra indrindra fa ny mahakasika an'i Gasikara sy ny vaovaony. Tafatsofoka tany amin'ny wanadoo.mg no niafarany ary dia tadidiny tampoka ilay adiresy mailakany iray hafa nampiasainy fony izy niserasera tamin'ny karazan'olona sy naneho karazan-kevitra tao amin'ny forum. Adiresy nifandraisany tamin'olona iray izay namboraka ny olany ara-pitiavana taminy, ary nomeny toro-hevitra.

Nosokafany io mailaka, io eny, nanoratra indray ilay tovolahy, efa mailaka telo no avy aminy. Novakiany ... Arahaba, fialan-tsiny, fiangaviana ny mba hanomezana torohevitra azy indray no fehezanteny maromaro niantombohany. Novakiany ... Solafaka indray aho ry Tiana, manahy aho ny tsy ho tafarina intsony, ...., vehivavy ianao, inoako fa afaka manome toro-hevitra ahy satria ianao afaka mipetraka eo amin'ny toeran'ilay olon-tiako. ...., ianao no afaka amborahako ny rehetrako ....

....

- "Andray, dia mbola niaraka ihany kay izy sy ilay rafozany notantariny tamiko farany .... an! ny naman'ilay rafozany hatramin'ny fahazaza koa ve nanaovany firaisana aranofo? Tsy azoko, aleo hoe averiko kely .... tena marina. ... Mba lehilahy tsy vanona koa ity ka, saingy izaho ve moa hiteny azy izany tsy ho asa. Aleo tohizana ny famakiana " Saika namoy fo i T, (izay marihiko fa mpitsabo), ilay naman'ny rafozam-baviko raha vao tsy nety sy nandà mafy ny hiaraka taminy aho." Iee! Raharaha tadiavina ny anao izany ry tovolahy koa. Raha tena te hanohitra ny fakam-panahy marina ianao dia vitanao izany, saingy ianao mihitsy koa no mankafy ilay toetra ratsy, tsss ...."

- "An!...loza ity! ... Andriamanitra o! ... Inona ity lazain'ity? ... notohizany: " ny silipon'i T. adinony tao amiko, nivalombalona tany anaty lambam-pandriako no hitany raha iny izahay avy niray iny. ..... Nirifatra tsy tana izy .... voan'ny lozam-pifamohivohizana ny alina .... tsy maintsy nalefa notsaboina any an-dafy...."

Maizina tamin'i Alexia ny tany aman-danitra. Te hitomany izy, nefa tsy nahalatsa-dranomaso. Te hikiaka mafy izy, nefa toa kenda tanteraka, nitambolombolona be ihany ny tao anatiny. Niondrika moramora izy. Navokony mafy ny totohondriny havia, ny tanany havanana kosa namihina mafy ilay totozin'ilay solosaina nampiasainy.

- "Tsia an! Tsy marina izany e,  tsy mino aho," hoy izy nanomboka nifokofoko. Tena i Hery io. Lehilahy tsy vanona, sssh ... tsy mataho-tody sssh... tsy vanona... hheinnnn.... Hay an'i Tatie Tahiana izany iny? ...iny no naman'i Neny, sady mpitsabo, tsy nampoiziko hheinnn! Ranomaso tsy ranomaso amin'izay no nameno ny tavany. Ambonin'akanjo sendra nihantona teo an-damosin'ny seza no notakariny namafana ireo ranomasony mipatrapatraka. Lehilahy tsivanona,  tsivanona izay no naverimberiny.

Rehefa avy nanala ny fony elaela teo izy dia... mba tonitony ihany.

- "Noho ianao no efa saika namoizako ny aiko farany teo. Sanatria ny mbola hamoy fo noho ianao ry Hery, tsy mba hiova raha ianao. Tena tsy misy ilàna anao. Nateraka tsy ho vanona angamba, mandratra ihany koa izay rehetra sendra anao. Mieritreritra ny tsy mba ho tratran'ny aloka ianao ry Hery nandrintra ny taona maro niainanao, ka izao tsy mba aloka intsony no hahazo anao fa dia ny aizina mandrakizay. Aizim-pitiavana, manodiava anao ny mahazo ahy sy izay mety ho efa nataonao koa tamin'ny karazam-behivavy rehetra hafa manan'alahelo aminao."

Na dia niezaka ny hampitony tena mafy aza i Alexia, dia toa azony sary an-tsaina izany ny firaisana ara-nofo niarahan'i Hery tamin'i Malala, tamin'i Tahiana, niserana tao an-tsainy koa vehivavy hafa. Ireny nahasambatra azy tamin'i Hery ireny, hay nahasambatra olon-kafa koa, noheveriny fa izy irery. Indraindray tsapany ho voatsindrona mafy ny fony dia mitomany izy. Indraindray mihevitra ny tenany ho vendrana izy ka voafitaka, dia manome tsiny kely ny tenany. Indraindray toa mahatsiaro izy fa voazimbazimba sy voaviravira ny vatany, dia kiriko sy misafoakan'ny hatezerana. Nitsangana izy, nivezivezy eran'ny trano, tsy hitany izay ho sarangotina.

- Te hamaly faty azy aho. Tahak'izay aho tsy nandefa iny mailaka iny, tahak'izay ity aloha no nosokafako izay vao ny tena ahy. Hamaly faty aho ve? amin'ny fomba ahoana anefa? izaho aty, izy any, soa ihany aza aho fa aty lavitra aty! Aleo izy ho any. Tsy hiantso azy aho, tsy hanoratra ho azy intsony, tsy te hanana fifandraisana aminy intsony aho na dia kely aza. Tsy maintsy mitraka aho, hoy ahy sy ho an'ny ho aviko manontolo. Tsaroako ny tenin'i Profesora Mahefa tamiko. Tazomiko ho ahy samirery izao trangan-javatra izao. Iza moa no mba azoko itokiana? Ny reniko, olona tokony ho faran'izay akaiky ahy aza no toa lasa vahavaloko voalohany? Eny e! tsy naloaky ny kibony aho. Izany angamba no nanaovany ireny. Tsy te hanome tsiny azy aho. olombelona ihany ny olombelona, mitoetra foana ny hoe "nateraka" sy "tsy nateraka" na dia tsara fo sy toetra aza ny olona."

Nandinika ny fiainany manontolo teo izy. Nisaina kely ny zava-nitranga taloha notantaraina taminy. Ny amin'ny TENA FIAINANY.
- "Indrisy! nahoana re ry Neny no dia nandao ahy ianao e! Any ianao izao mahalala ny manjo ahy rehetra. Neny a! ampio ny zanakao, inona no tokony ataoko? aiza no tokony izorako? Neny a! tsy afaka ny hiverina ety an-tany intsony ianao. Eny fa na dia izay aza ny faniriako faran-tampony izao. Tarito any amin'izay raiko niteraka ahy aho Neny a! Mahatsiaro loatra ho irery aho eto amin'ity tany fandalovana ity. Tafasaraka samy mbola tao anatiny fitiavana tanteraka hono ianareo, mino aho fa ho tia sy hanaiky ahy zanany izy e! Andriamanitra o!
Mino aho fa izao no fotoana tokony mba ahalalàko izay tena raiko niteraka ahy, mahatsiaro ho irery loatra aho. 

 Loulou (ralouloune@yahoo.fr) & Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr) 

Pejy 52
2006/06/07,05:21
  - "Tsy maintsy mitady olon-kafa hisari-zoro amin’ity Hery ity aho fa fantatro tsara ny toetrany, ... Iza re? Sa i … ! Marina tokoa, ny zanak’i Flô, mety mitovitovy taona amin’i Hery iny, sady nianatra tany an-dafy. I Flô koa moa nimenomenona taminay foana hoe mba hitadiavo namana any hono ny zanany fa sao dia hanao tokan-tena eny koa !! Be loatra marina tokoa ny tokan-tena amin’ny fianakavianay an! Koa maninona moa !Tsy fantatra marina anie izay anjara !
Ssshhh ! ny hafa indray moa ity no andaniako rondoha, nefa ity izaho aza mba mitady nefa tsy mahita !" hoy i Tahiana toa miady saina irery na dia teo akaikiny teo aza i Hery.

- "Hery an ! hitako tokoa fa tena faly ianao izao fa na izany aza mba misy zavatra mampiahiahy ahy ihany!"
- "Inona aloha no tianao hambara amin’izany e?"
- "Efa azonao moa iny ny pasipaoronao, dia haka visa an’ny amin’ny masohivoho frantsay amin’izay izao ianao! Sao dia tokony hiandry aty ihany ianao fa tsy mandeha mankany, ho fandaniana mihoam-pampana anie no hataonao izao e! Moa tsy fantatrao akory izay mety hitranga any!"
- "Andray ry Tahiana ! efa tongotra mby an-dakana ny ahy ka tsy hiverenako intsony. Fa eritrereto fa mailaka vao omaly anie no nalefan’i Alexia tamiko e! Ary nanafatra izy fa hijanona any hamita fianarana. Dia efa mivonona ny hahita azy ny saiko na inona na inona fitrangany. Fa maninona aloha ianao no lasa manohitra ahy indray amin’ny handehanako e!"
- "Tsy hoe manohitra na manakana anao akory aho ny handeha ho any, fa ny tranga reko tamin’i Malala dia tsy mifanaraka akory amin’izany voalazanao izany aza!"
- "Fa inona marina anefa ny zavatra nolazain’i Malala anao e?"
- "Misy ifandraisany aminao hono ny
antony nahatonga an-i Alexia tsy hiverina aty! Nolazainy fa tsy mba niresaka momba anao mihitsy izy fa te-hanadino anao tanteraka!"
- "Izao ry Tahiana an! ny fihevitrao, na ny fihevitry Malala dia tsy mitovy amin’i Alexia. Vao afaka namaly ny antsoko fotsiny izy dia faly aho, rehefa azoko toky fa salama tsara izy dia misaotra an’Andriamanitra aho fa mbola avotra soa aman-tsara ilay tiako. Ka tsy ahoanao izay hataoko, ny hevitro efa tapaka, handeha aho, dia izay. Vao mahazo fialan-tsasatra fotsiny aho dia lasa!"

Tsy niteny intsony i Tahiana, ny tranony rahateo koa moa efa akaiky, nampandroso an’i Hery izy dia navelany hipetraka teo ambony seza teo ny tovolahy, izy kosa lasa naka ranom-boankazo tany an-dakozia hosotroina.
- "Tsy haiko", hoy i tahiana tany an’eritreriny, "fa maninona marina ary aho!
Tena fantatro! fahasarotam-piaro no mahazo ahy, fa maninona, tena tia an’i Hery aho, dia tsapako fa mitady handao ahy izy dia lasa saro-piaro tampoka teo aho. Dia sahiko ve ny hanimba ny saiko amin’i Hery nefa izy aza efa mivaky fa tsy mihevitra izay momba ahy akory. Inona re no ataoko?"

Iny izy nitondra vera roa dia niara-nipetraka teo ambonin’ilay seza lava ary samy nisotro  ranom-boankazo mangatsiatsiaka tsara.  Lany iny dia hoy i Hery :
- "Misaotra betsaka Tahiana an !, tsy hadinoiko mihitsy ny zavatra nataonao hatramin’izay."  
Nitsiky fotsiny i Tahiana ! Tsy nahateny fa ny mason’i Hery no nobanjininy tsara sady niorirana nanatrika ity tovolahy no nanatona moramora ny molony hifanoroka.

Efa nifanakaiky tokoa ny molotr’izy ireo, fa dia nosakanan’i Hery tamin’ny fanondrony ny molotr’i Tahiana. Dia natosiny hihataka taminy moramora.
- "Hery an ! aza manao ahy izao ianao an! Fantatrao tsara ny any am-poko. Hery an ! Izaho ange tena tia anao e! Raha mba tsapanao mantsy ny halalin’ny fitiavako anao!"
- "Tahiana an ! efa nifampiresaka tsara ny momba izay isika sy ianao ! Ataoko fa fantatrao tsara ny hamafin’ny fitiavako an’i Alexia. Ary efa nampanantena olona iray aho fa ho hendry tsy hanao hadalana intsony fa hijanona amin’i Alexia irery ihany."
- "Hery an ! noho ny fitiavako anao anie no mahatonga ahy hiteny hoe mijanona aty, aza mankany fa hanimba ny fonao any ianao. Tsy fantatrao marina izay mitranga ka halahelo mafy aho raha vaky ny fonao miverina avy any"
- "Tsia dia tsia kosa e!" hoy i Hery nitsangana, "fantatro ny ataoko, fantatro tsara ny fitiavako an’i Alexia, ary fatatro tsara koa ny fitiavany ahy ; faniriany ny hijanona hianatra any an-dafy dia mandefitra aho noho izay fitiavako izay, izaho no hankany aminy, tsy andriko intsony ny hifankahita aminy."
- "Hery an ! irery ange aho tsy eo intsony ianao e!"
- "Tsy te-handratra ny fonao aho ry Tahiana fa ianao angamba efa manatona anao ny anjaranao, nefa toa ny ravaka manendrika ny hafa no tianao hofihizina ho anao irery. Efa nanome toky olona iray aho fa tsy hanao hadalàna intsony, ka tsy ianao no handravako izay toky nataoko izay. Efa niova aho fa tsy toy ny taloha intsony."
- "Dia hadinonanao avokoa ve ny nataontsika hatramin’izay?"
- "Miala tsiny aminao aho fa mafy ny teniko, nefa tsy maintsy mijoro am-pahamendrehana amin’izay aho fa lehilahy ; tsy maintsy mandeha aho veloma ianao Tahiana an!"

Lasa i Hery. Efa fantany fa mety hihafara amin’izay indray ny zavatra hitranga fa naleony nandà avy hatrany mba tsy hisian’ny fanenenana rehefa avy eo.

 Toa tsy nahahetsika teo i Tahiana. Ny varavarana nivoahan'i Hery no nobanjininy mafy. Nalahelo mafy tamin’izay nanjo azy izy. Very  ny heviny amin’ity fahasarotam-piarony. Te-hitroatra anefa tsy afaka. Malahelo fa toa handamoka am-boalohany ilay valifaty tiany hatao amin’i Malala. Izy anefa mihevitra fa ho nenina tsy misy fiafarany no hahazo an’i Hery raha mbola midikiditra amin’ny fianakavian-dRatrema ihany izy.

Niverina tao antsainy indray ilay eritreriny teo aloha nony afaka kelikely.
- "Tsy maintsy ampifanatoniko amin’ny zanak’i Flô aloha i Hery mandra-pandehany fa sao dia afaka ny hanova hevitra azy ihany ikalakely iny." Hoy izy anankapo. Noraisiny ny findainy dia niantso an’i Flô izy.
- "Allo Flô!"
- "I Tahiana marina, ahoana akia ! inona ny vaovao?"
- "Tsy dia misy akia an ! Fa te-hanontany aho hoe aiza moa no ahitako ny zanak’indry fa mba te-hiresaka aminy aho."
- "Fa ahoana akia! angaha misy tsy metimety, i Nomena aloha io tadiavin-dry io an!"
- "Ie ! i Nomena mihitsy."
- "Tongava aty amiko rahampitso fa mody misakafo atoandro eo izy, fa indraindray izy aloha dia alina vao mody noho ny asany."
- "Tena ny asako koa tsy ahafahako mankany aminareo, izay anie no mahatonga ahy hanontany ny misy azy e!"
- "Eny ary e ! omeko an-dry ny toerana misy ny biraony fa inona aloha no tena itadiavan-dry azy e ! hilazako mialoha mantsy izy!
- "ttssss ! in-dry ilay niteny tamiko fa tokony hitadiavana vady ikalakely iny sao dia hadino eo koa. Misy akia any an! sao dia mba mahaliana ny zanak’indry. Tsy ratsy an! sady mitovitovy taona aminy tsara."
- "ha, ha, ha ! Tahiana ity koa tena mampihomehy, ary ny an-dry aloha manao ahoana e! Mba efa nahita ve? aza dia fatra-pifidy loatra akia fa indraindray anie anenenana e ! Efa fotoana tsy fanaovana safidy intsony izao taonan-dry izao. Sady efa leo mihitsy aho amin’ity aminareo tsy mahita vady ity. Aiza ka ianareo mirahavavy no mba zanak’i Tatie Hortense, nefa dia tsy mbola misy manambady ihany. Sa ve dia efa tarazo amin’ny fianakaviana mihitsy ity tokan-tena ity? "
- "Ka atao ahoana re ry Flô an ! izahay anie angatahina fa tsy mpangataka e!"
- " Eny e! fa lazaiko fotsiny i Nomena fa ho avy any amin’ny biraony izany ny rahavavin-dreniny. Ilazako ihany indry raha sendra tsy ao izy, mino fa ho faly mihitsy izy mahita an-dry
tonga mitsidika azy. Ao antsahavola ao ny biraony."
- " Izay Flô fa aza miteniteny azy hoe misy bandy afaka hiaraka aminy any an! Aleo izaho ihany no hilaza ilay izy rehefa
tonga any! Izay! Veloma ary akia an!"

Vita ny antson’izy mirahavavy dia lasa nikarakara sakafo i Tahiana ! I Manitra rahateo moa naka rivotra any ambanivohitra fa dia tokan-tena irery tao izy. Izay koa angamba no mampanahy be ihany ny sainy, tsy manana namana horesahina.

Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

Pejy 53
2006/06/08,06:41

Nazotozoto ery i Hery nandeha namonjy ny toeram-piasany ny ampitson’iny. Nanao ny tatitra tamin’ny iraka nataony tany Mahajanga izy aloha, ary fantany fa tsy nametraka ny olana teo anivon’ny orinasa ny dia izay nalehany. Tomombana tsara avokoa ny iraka nampanaovina.

Tsy andriny intsony nony avy eo fa vao nahita solosaina nisokatra i Hery dia nijery ny tranonkala no nataony voalohany. Nosokafany ny mailaka nifanaovany tamin’i Alexia omaly, tsy nisy hafatra voaray. Dia lasa indray ny lehilahy nanoratra vetsovetsom-po vaovao hatolony an’ity olon-tiany lavitra azy.

Alexia,
raha fantatrao mantsy ny alaheloko tsy mahita anao,
dia hitady ahy koa ianao ary fantatro fa hifanena eny amin’ny habakabaka sy ny lanitra eny isika. Irery aho fa tsy eo ianao ! Manina ilay tiako aho, te-hitady anao, ary ho avy tsy ho ela fa ny saiko efa any aminao tanteraka
Alexia, hitady anao any aho,
hitady anao na aiza na aiza misy anao !
Ho avy tsy ho ela arak’izay azoko atao !
Raiso eo an-tratranao ity foko manirery !
Hery !

Tsy kivy fa velom-bolo hatrany i Hery, tena lasa aina namelombelona azy ilay mailaka farany nalefan’i Alexia. Tsy andriny mihitsy ilay antso avy any aminy fa efa nomeny tamin’ny mailaka ny laharan’ny findainy. Raha nisy ny zavatra tsy niala teny aminy dia iny findainy iny. Ary raha maneno iny dia hikoropaka izay tsy izy ny lehilahy hamaly ny antso ao.

Tonga ihany anefa ny hariva, tsy nisy na inona na inona, ny tranokala no nosokafany matetika fa tsy nisy hafatra na dia iray aza, eny fa na dia izay avy amin’i Tiana koa. Ilay finday rahateo na dia kitika kely monja aza tsy nisy naneno.
Tsy nataony nahakivy anefa izany, azony an-tsaina ihany ny manjo an’i Alexia. Mety ho sahirana na koa tsy afaka loatra ny hikitika solosaina ka handefa mailaka isan’andro izao. Izy rahateo moa mbola tsy tena tomombana ny fahasalamany. Tsy mampaninona izany, mbola misy foana ny fanantenany.

Vao nirava izy dia nahatsiaro fa tokony hihaona amin’i Mihary, efa hafatr’ity farany rahateo fa tsy maintsy misy fotoana hifampiresahany mikasika ny fiainan’i Hery. Tsy tian’i Mihary hofaranana mantsy ny fanaraha-maso, indrindra ny fiovan’ny toe-tsain’i Hery tato ho ato.

Lasa izy namonjy ilay birao efa natoron’i Mihary azy. Hitany tsara ny toerana fa ny tena misy ilay birao kosa no tsy maintsy nanontaniany ny mpiandry ny lalantsara ;
Niakatra tany amin’ny rihana faharoa izy aloha, dia niditra varavarana lehibe, olona vitsivitsy no tao, ny sasany bevohoka, mbola tanora koa ny hafa fa saika vehivavy avokoa. Dia variana moa ny sasany mijery an’ity tovolahy sady manam-bika sy tarehy. Nipetraka teo amin’ny efitra fiandrasana aloha i Hery rehefa avy nifampanontany izay olona eo alohany hatao fizahàna.  Dia niandry izy, namaky ny revio teo anoloany. Nifampijery ihany izy amin’ireo vehivavy hafa fa toa tsy nahoany akory. Vao nisokatra ny varavaran’ny efitra fizahàna ny marary dia indro i Mihary manao veloma ilay olona vao avy nozahany. Aron’akanjo fotsy no notafiany, ao anatiny ao lobaka mena manifinify dia pataloha lava arahin’ny kiraro mainty somary misy vodi-tongotra. Nitsiky izy nahita an’i Hery, sady toa faly aoka izany. Nifampiarahaba lavitra izy roa. Dia nampidirin’i Mihary ny olona manaraka, dia tahak’izay foana isaky ny 15 mn.

Olona iray sisa no teo alohan’i Hery, injay fa misy olona mandeha any an-dalantsara any, re ny figadogadon’ny tongony ary fantatra avy hatrany ny kiraro avo vody tongotra anaovany fa manako manenika ny rindrina efatry ny lalantsara. Mirindra tsara ny figadon’ny tongony, manakaiky ny efitra fiandrasana dia niditra ilay varavarana lehibe:
Taitra i Hery nahita ilay olona, ilay olona koa toa nitsamboatra tampoka nahita an’i Hery.
- "Hery, fa maninona ato koa ianao?"
- "Oay, Tahiana, tsy nihevitra ny hahita anao aty aho, fa angaha misy tsy salama no…"
- "Non ! salama tsara aho ka, resaka hafa mihitsy no andehanako aty ! Ary ianao, fa angaha ianao misy aretina nahazo anao no aty no dokotera andehananao?"
- "Zavatra hafa koa ka ! tsy resaka aretina fa…"

Toa niahotra tampoka i Hery, tsy sahy nilaza tamin’i Tahiana. Ity farany rahateo tsy nahalala izay nitranga tany Mahajanga na dia sombin-tantara iray aza ! Naleony aloha nangina.

Vao tafapetraka dia hoy i Tahiana nanohy :
- "Tokony hotantaraiko anao ihany fa niara-nisakafo tamin’i dadafaranao ange aho io atoandro io e! Mahafinaritra kosa ny Dadafaranao koa, izy moa tsy mety antsoina izany Dadafara izany, fa sady mahay mampiresaka no mahay mihaino izay teneninao, mahay mikarakara ihany koa. Noheveriko fa saro-kenatra be ange izy tamin’ny voalohany ireny izaho naterinareo tany am-piasàna omaly ireny e! Fa hay izy tena mahafinaritra kosa ko!
Vao tonga tao am-piasàna aho io maraina io dia efa nandrasany tsara teo akaikin’ny varavarana, dia hoy izy:
- "Vehivavy tsara tarehy toa anao izao, hono, dia mendrika omena voninkazo tsara tahaka itony." Dia gaga be aho, izy aloha tonga dia tadidiko tsara mihitsy, fa tena gaga aho notolorany ilay voninkazo; tsy nampoiziko kosa aloha e ! Sady tiako ilay voninkazo.
- "Dia avy eo ahoana," hoy i Hery lasa liana amin’ny tantaran’i Tahiana.
- "Dia hoy izy hoe "fohy ny fotoana ifanenako aminao izao fa raha sitrakao dia hotohizantsika ka manasa anao aho hiara-misakafo isika rahatoandro!"
Dia tsy haiko fa lasa nahatoky be azy izany aho, toa teny tsotra nefa mitory fahatokiana. Eny e! izay mihitsy, dia nifanao fotoana izahay, izaho moa nandeha niasa, ilay voninkazo mbola mipetraka tsara ao anaty biraoko ao.
Dia tonga ny atoandro, iny i Fano efa miandry ahy teo am-baravarana indray. Dia lasa izahay, resaka izany nataonay izany, tena mahafinaritra ahy izy! Tsy lainga lainga!"
- Tsara izany ka," hoy i Hery, <<<il était temps aussi, ouff>>> dia nanao ahoana ny tohiny?
- "Ka izaho aty izao fa tsy maintsy nofaranana ny resakay, dia mbola nifanome fotoana indray izahay amin’ny faran’ny herinandro, sady efa akaiky Krismasy koa."
Nisento tokana i Hery, faly am-po izy, tahaka ny nisy valiny ny fisasarany rehetra ;

Tampoka anefa, nanontany indray i Tahiana:
- "Mbola tsy novalianao tsara ange ny ataonao aty e?
- "Izaho ve," nisalasala kely i Hery, namako i Dr Mihary ka, namako mpiara-mianatra tamiko izy tany amin’ny kilasy famaranana! Dia fantatro fa efa tafaverina izy dia mba mamangy azy aho!"
- "Hay ve? hay ve namanao izy e! Tsara kosa izany! Tena tsara mihitsy. "
- "Fa ahoana? Fa ahoana no ialazanao fa tsara izany?"

Tamin’izay no nisokatra indray ny varavaran’ny efitra fizahana, faly ery i Mihary nahita an’i Tahiana koa, ary gaga izy fa tena mifampiresaka be aminy i Hery. Nanontany izy avy eo:
- "Fa angaha mifankafantatra ianareo?"
- "Ie !" hoy izy roa niara-namaly sady nifampijery.
- "Andraso aloha handray ity olona hozahako farany ity aho dia mifampiresaka isika ! Izay an! rehefa avy eo!"

Tsy nisy nifampiteny aloha i Hery sy Tahiana ! Nifampijery tsara. Farany tsy naharitra i Hery fa nanontany :
- "Fa inonao i Dr Mihary ry Tahiana?"


Tadiom-pitiavana (tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

Pejy 54
2006/06/09,03:51

 Tsy nisy nifampiteny aloha i Hery sy Tahiana ! Nifampijery tsara. Farany tsy naharitra ny tovolahy fa nametraka fanontaniana:
- "Fa inonao i Dr. Mihary ry Tahiana?"
….
- "Dr Mihary, hay izay no fiantsoanao azy, ao amin’ny fianakaviana dia i Nomena no iantsoanay azy. Zana-drahavaviko izy. Tsy tena rahavaviko fa zanak’olona mirahavavy kambana izahay. Hay ve mpiara-mianatra ianareo taloha e!
Tena tsara kosa izany, tena tsara mihitsy…"
- "Ary tsy fantatro mihitsy izany, nefa izahay sy Mihary aza efa niara-nianatra ela fa tsy tandritandriko mihitsy ianao hatramin’izay."
- "Ka izay ilay tany boribory re ry Hery an," hoy ity iray nanakatra ny saokan’i Hery.

Tsy nisy nifampiteny intsony aloha fa samy nieritreritra izay teny tokony hambarany. I Tahiana amin’io toa nazava taminy ny lalan-kombàna. Iza no nanampo hoy izy aneritreritra fa mifankafantatra i Hery sy ity zana-drahavaviko. Ho tafaray mihitsy ny tia sy ny manina raha izany hoy ihany izy nanohy ny resany samy irery tany anatiny tany.

I Hery kosa etsy, toa sadaikatra ihany, na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho fantatr’i Mihary fa i Tahiana anie ka efa niaraka taminy ary tsy in-dray mandeha fotsiny ihany. Ary izy ilay naman’ny renin’i Alexia. Tsy voalazany amin’ny antsipirihiny mantsy na ny anarana na ilay mety ho bikan’i Tahiana, fa dia amin’ny ambangovangony ihany no nitantarany azy tany Mahajanga. Ary toa tsy sahiny koa ny hilaza amin’i Tahiana fa ity zana-drahavaviny anie ka …
Dia angamba ataon’i Tahiana fihomehezana aho hoy izy miady saina irery teo ny amin'ny nilazako taminy fa efa niova aho, hay, vao nifindra lasy vetivety dia efa tafa roboka tanatin’ny rano lalina indray. Raha fantany tokoa ny marina, vao mainka angamba hataony toto-afo ny fandavany ny handehanako hitady an’i Alexia ? Very hevitra teo izy… 
Nony kelikely,  
- "Tahiana an ! Tena mahatsiaro nanenina ihany aho nanao teny mahery taminao omaly. Aza tsiny re fa vava tsy ambina e ! Tena mampanantena aho fa tsy hanao ny tahaka ireny intsony."
- "Tsy maninona izany Hery an ! na izaho koa aza nanao fihetsika tsy voahevitra. Eny e ! Samy diso isika ! Tsy mampaninona izany ! Sady tsy tsaroako intsony ireny fa nahafinaritra ahy loatra ny nataon’ilay Dadafaranao androany izay. Tsy maninona mihitsy re izany ry Hery an!"
- "Eny ary e! fa te hiresaka zavatra hafa indray aho! Ka atao ahoana moa fa ny tany boribory araka ny voalazanao teo, zana-drahavavinao izany i Mihary, Nomena moa ny fiantsoanareo azy. Dia mba angatahiko ianao mba hijanona tsiambaratelontsika ireny nitranga hatramin’izay ireny an!" hoy i Hery, somary menamenatra. Toa hahatsiaro afa-baraka amin’i Mihary aho mantsy raha fantany izany!"
- "Ahoana moa no ahafantarany izany raha tsy misy milaza azy, fa aza matahotra ianao fa ataoko ho toy ny tsy misy tavela na dia pitiny kely aza ny momba an'iny eh. Sa tsy izany?" sady noraisin’i Tahiana ny tanany.
Izao ary ry Hery an ! Mba manitikitika kely ny saiko ihany ity zavatra ity, fa ianao sy Nomena, Mihary moa, fa tena mpinamana tokoa ve ianareo taloha sa… ? Toa hitako amin’ny masonao mijery azy teo fa efa misy rohy hafa mihitsy ifandraisanareo ! Sa diso aho?"
- "Tahiana koa ! sshhh ! ahoana koa aza no andefasanao saina lalina amin’izany ? "
- "Ka inona ary no ataonao aty aminy izao ka! Sa hitsabo tena ianao! Tahaka ny efa nandrasany izany mihitsy anie ianao teo e! Ohatran’ny hoe: nahazo « rendez-vous » efa hatry ny ela!"
- "Ppffff ! ianao koa!" sady nakifik’i Hery ny tanan’i Tahiana.
- "Hery an ! raisiko ho toy ny zandry tiako ianao ary ataoko ho toy ny zanako ihany koa, sady naveriny noraisina ihany ny tanany, ohatran’ ny manana tsindrimandry izany foana aho fa mety hanimba anao anie ny handehananao any an-dafy any e ! Raha toa ka tena mitady anao marina ve i Alexia dia hiteny hoe hijanona any izy hanohy fianarana? Diniho tsara aloha Hery an! Sady sao dia varivarian’ny lavitra ianao ka tsy mahita ny ambany maso?"

Tamin’izay indrindra no nisokatra ny varavaran’ny efitra nisy an’i Mihary, ny masony
tonga dia any amin’ny tanan’i Hery sy Tahiana mifandray sady mifanome hevitra. Vao nahita izany koa i Hery dia nakifiny toy ny tsy teo ny tanan’i Tahiana. Tsy niteny aloha i Dokotera, fa rehefa lasa ilay olona nozahany dia nanatona azy ireo izy.

- "Elabe Tatie Tahiana no tsy hitako, tamin’izaho taty efa ho roa taona izay no nahitako anao farany." Dia nifanorokoroka teo izy mianaka, i Hery kosa noraisiny tanana fotsiny. Avy eo izy naka seza teo akaikiny.
- "Fa dia gaga mihitsy aho, hay ve ianareo ireto ka mifankafantatra tsara e!"
- "Eny akia ry Nomena an ! izaho no nanampy an’i Hery niakarakara ny pasipaorony fa tsy andriny mihitsy izao handehanana any an-dafy izao."
- "Hay ve, hoy i Mihary, tsara be izany ka! izy moa ry Hery dia nenitoanay, zanak’olona kambana izy sy Mama."
- "Hay izay no nahatsiarovako endrik’olona mitovy be amin’i Mamanareo ; tena eto vao tsaroako ilay izy," hoy i Hery.
- "Eny e ! satriko tokoa hifampitafa sy dinika eto foana fa aleo aloha aho hiresaka amin’i hery manokana atsy amin’ny biraoko, dia mitohy ny tafa antsika sy Tatie rehefa avy eo ? Izay aloha fa rehefa avy eo Tatie an!"

Nipia-kelika i Tahiana, tena andro mahafinaritra mihitsy ny androany raha izao. Ho mora aminy mihitsy ny hampiditra an’i Hery amin’i Mihary, ary tena tojo amin’ny faniriany amin’izay izy izao. Ho very any amin’izay ianareo ry Ratrema mianakavy, ataovy izay tianareo fa i Hery, hono, tsy any intsony.
<<< ho reseko lahatra fotsiny ikala Nomena dia hanaiky ho azy ity Hery ity. Mino aho fa vetivety dia hadinony io faniriana tsy misy fetra hitady an’i Alexia io !.  Veloma ry Malalatiana fa dia tanteraka amin’izay ny faniriako rehetra >>>

Tany amin-dRatrema kosa tamin’io fotoana io,
- "Allô ! Allô Malala an!"
- "Ratrema, manao ahoana izany vadiko izany? Inona ny vaovaonao, tena efa saika hiantso anao mihitsy aho izao kanjo, ialahy no niantso ahy."
- "Salama tsara ve ianareo efa-mianaka izay. Tsy misy olana an?"
- "Hatramin’izao aloha dia tsy misy mampanahy, i Alexia efa mandroso ho tsara, izy mianadahy kely koa tsy maninona ka. Izaho rahateo moa tsy dia mitondra azy ireo mivoaboaka loatra, fa sao dia tsy mahatanty ny hatsiaka."
- "Ary i Alexia ve izay efa afaka mivoaka ny trano."
- " Tsy dia mbola afaka mihetsika ato aloha izy e ! i Mahefa rahateo moa mbola tsy mamela azy handeha lavitra, fa tsy maninona izahay ka, tsara karakara daholo. Io anie i Alexia raha hiresaka aminy ianao e!"
- "Hay, tena tsara izany, fa toa mahare ny feon’i Toky koa aho izany, angaha efa be resaka kely nedala."
- "Ie ! tena mibadabada foana izy, aleo tohofako amin’ny sofiny ny finday e!"
- "Toky !, Toky kely, manao ahoana letsy ialahy?"
- "Papa, Papa," hoy ilaikely mamaly ny antson-drainy. Sady miramirana ery, falifaly sy mbitabitaka fa tonga dia fantany ny feon-dRatrema.
- "Hendry tsara ialahy an! dia manaiky tsara an’i Neny."
Ren-dRatrema tsara ny hehin-jaza nataon’i Toky, somary nalahelo kely izy te hamihina an-janany mafy, fa any lavitra tsy taka-maso moa ka atao ahoana, soa fa nisy ny fifandraisana an-telefaona mba ahafahana mifampita mivantana ny vetsovetsom-pony. Notrotroin’i malala i Toky sady noraisiny indray ilay finday.
- "Ratrema an ! malahelo anao koa ange aho e!" Somary nihataka kely teo amin’i Alexia izy dia nanohy hoe: "Te-hody ange aho e ! Tena malahelo ny trano, ny havana sy ny namana rehetra ; marina fa mety hahafinaritra ny manao Krismasy aty Paris fa rehefa tsy eo ialahy dia toa banga be izany ny fiainako."
- "Eny ry Malala an ! tena izaho koa te ho eo anilanao, fa tsy maintsy mbola mihafy kely aloha isika. Rehefa salama tsara i Alexia dia afaka miverina amin’izay ianareo fa ianao aloha no azoko antoka hahay hanohana tsara iny zanantsika vavy iny. Raha eo izy ve dia azonao omena ahy?"
- "Ie ! io izy ka…" sady natolony an’i Alexia ny finday.

- "Allo Alexia, manao ahoana izany zanako tsy foiko izany!"
- "Papa an ! efa mihatsara aloha e, efa tsy dia maninona loatra, misy manaintaina ihany indraindray fa i Profesora Mahefa koa mijery sy manadihady tsara izay mahazo ahy. Aza manahy ny amin’ny fahasalamako fa efa tsara karakara ny zanakao e!" Sady nitsangana i Alexia no nandao azy telo mianaka, lasa izy namonjy ny efitranony dia nihidy irery tao niresaka tamin-dRatrema.
- "Papa an ! raha fantatrao mantsy ny alaheloko! hoy i alexia nanomboka nifokofoko, Papa an!
- "Alexia an ! maninona ianao e ! aza malahelohelo izany zanako izany, tsy tantiko ny maheno anao malahelo izany, na izaho aza aty tena miaritra ny mafy mihitsy.
- "Papa an!" hoy ihany Alexia nanomboka nitomany,
- "Fa maninona e ! Fa maninona ianareo lehilahy no tsy maharitra ny fakam-panahy mihitsy?"
- "Fakam-panahy toy ny inona no lazainao anaka," hoy Ratrema somary hendratrendratra.
- "Tsy mba noheveriko ho izaho no hiharan’izao vesatra mila tsy ho tantiko izao, kanjo ny foko toa miha-maratra mila ho vaky hatrany. Fa tena tsy azonareo atao mihitsy ve Papa ny manda ny langolanom-behivavy manjo anareo?"
- "Alexia an!…"  
Tsy nahateny aloha Ratrema, tsapany ho niletika tany an-tsainy lalina tany ny tenin-janany. Teo vao tsapany ny fahadisoany tamin’ny nataony tamin’i Corine andro vitsivitsy monja izay.
- "…Aza tapahinao aloha ny teniko, fa… izay ny fianana ry zanako malala, mbola tanora ianao ankehitriny fa rehefa hiroso amin’izany fiainana izany dia handalo aminao koa izany… mbola feno fitiavana ianao nefa voavadika…
Fa nisy inona anefa, ambarao, nisy naninona izany zanako izany?"
- "Papa an ! fantatro avokoa ny tantara rehetra. Fantatro amin’ny antsipirihany ary hafatra mazava no voaraiko. Eto vao fantatro fa hay marina ilay hira hoe mitovy avokoa ny lehilahy rehetra. Mila tsy ho tantiko intsony fa aleo aloha faranana ny resaka Papa an ! Misamboaravoara be ny foko, mila hanefika ahy ny fahadisoam-panantenana. Veloma aloha Papa an!"
- "Alexia, andraso aloha, aza tonga dia tapahina fa eto foana aho izany zanako izany. Raha misy ilanao ahy dia aza misalasala mihitsy miantso ahy na amin’ny fotoana inona na inona. Zanako tiako indrindra ianao. Veloma izany zanako izany."

Hankona Ratrema, fantatr’i Alexia avokoa ny tantara rehetra, fantany izany ny tena rainy, fantany izany… fantany daholo marina ve ? Ahoana nefa no nahafantarany izany, sa i Malala indray no tsy nahatam-bava tao? Hoy i Ratrema miady saina irery tamin'ny tenin-janany.

Aleo aloha antsoina i Mahefa.
- "Allô ! Profesora Mahefa an!"
- "Allô ! iza moa izao azafady?"
- "Ratrema e! manao ahoana ianao Profesora?"
- "Hay ingahy Ratrema, miarahaba anao. Misy ilanao resaka amiko angaha?"
- "Ie ! tiako ho fantatra fotsiny, fa angaha efa fantatr’i Alexia fa ianao no tena rainy? nifampiresaka mantsy izahay dia tena nalahelo sy diso fanantenana mihitsy izy! asa, tsy fantatro?"
- "An an an ! tena efa nifanaraka mihitsy aza izahay sy ny vadinao fa tsy hilaza na amin’iza na iza izany. Nefa tsy fantatro, fa ahoana nefa hoy i alexia?"
- "Fantany avokoa hono ny tantara rehetra."
- "Izany ve ! Aleo fa hifampiresaka amin’i Malala aho raha izany. Mba tena tsy azoko mihitsy no nahafantaran’i Alexia ilay izy. Antsoiko ianao ry Ingahy Ratrema raha vao fantatro avokoa ny zava-mitranga an ! mandra-piresaka ary!"

Mila ho vaky ny lohan-dRatrema, nenina no tany aminy tamin’ny nataony tamin’i Corine, tena marina ny nolazain-janany hoe ny lehilahy tsy maharitra fakam-panahy, fa langolangoin’ny vehivavy dia roboka tokoa. Nefa mahavaka ny sainy koa ity fahadisoam-panantenana manjo an’i Alexia ity, raha mba tany mantsy izy dia afaka nampitony na dia kely fotsiny aza ity zanany tsy foiny. 

Tadiom-pitiavana (
tadiom_pitiavana@yahoo.fr)

1 2 3  Manaraka»
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype