Dia tsy nitsahatra ny revy fa nitohy ihany, izao efa teraka koa ny zaza faharoa izay mbola ahy, ary fantatry ny rafozan-dahiko satria efa tratran'izy sy ny jobako ambody omby izahay.
Voaroaka aho izao tsy mahazo mankany amin-dry zareo intsony. Dia tsy hitako izay hatao : tsy hiraharaha, zanaky ny tena roa tsy foiko mihitsy, ilay jobako nefa mbola tena tiako sady tia ahy koa.
Vonjeo re olona fa loza.
****************************************************
Dia tsy nisalasala i Hery nandray ny solon'anarana hoe : Ikelimaditra. Ary mailaka vao noforonony no nataony ifandraisana tao.
Ikelimaditra : Maditra marina letsy ialahy ity ry Hery. Izao hadalàna izao vitan'ialahy daholo. Leo sahady indray izy fa toa mampisaina azy zavatra betsaka ity nataony ity.
-Asa indray izay mbola hadalako nandefa io sujet io, sady toa niontana tampoka teo ny fony.
Aleo hitranga any izay hitranga fa ho hitantsika eo.
Najanony ny solosaina dia nandeha nivoaka izy hitady harapaka tany ivelany.
Loza fa hay lany fahana ny findainy. Ny chargeur any an-trano. Tsy nampaninona azy akory anefa izany, sao dia manenoneno eo koa, hoy izy, ka vao mainka mankarary an-doha.
Nony tafaverina avy nisakafo izy dia nanohy ny asany indray. Na izany aza anefa toa mahatsiarotsiaro an'i Alexia foana, i Malala ve izay nanao ahoana, i Toky sy Cynthia. Mba nanao ahoana ange izy ireo izay e !
Variana tamin'ny asany teo izy ka saika tsy nahatsiaro ny firavàna. Raha tsy nanao veloma azy ny mpiara-miasa vao taitra ny lehilahy, dia mba nampirin'entana koa dia lasa nody.
-Tsy misy olona izao ao an-trano mikarakara sakafo, fa aleo aloha mandalo ato amin'ity snack ity, hividy sakafo efa vonona ka hafanaina fotsiny rehefa hatory.
Nataony ny commande, niandry elaela kely. Nipetraka teo amin'ny seza fiandrasana, sady misy fitaratra lehibe velarana nanoloana azy. Tsy sahiny akory ny nijery ny tarehiny fa tahaka ny misy omby masiaka izany tady hanoto azy ao aoriana ao. Aleo marina enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra hoy izy sady niondrika izy fa tsy nijery.
Tampoka anefa, tao aoriany tao nisy feo henony toa niteny hoe : " SALUT MON BEAU-GOSSE "
« salut mon beau-gosse !!!! » Feom-behivavy tsy dia fandreny matetika ilay izy. Nefa vao haingana no nahatadidiavany azy. Nitraka kely i Hery, somary nikentrona, dia nojereny teo amin’ilay fitaratra lehibe. Indro vehivavy mitsikitsiky izay maniry hiresaka mafy no mifanila aminy, ary tonga dia vavany fa tsy mba fijery mifanena akory. Mody mangata-maso, mibory volo hatreo amin’ny hatoka, manana endrika falifaly aok’izany. Nihodina tsimoramora teo ambonin’ilay seza i Hery hifanatrika amin’ity vehivavy, kanjo somary voasarika vetivety ny masony hibanjina ireto nono mampite-hamehy anaty tanan-droa ireto. Nifampijery tsara izy ireo avy eo.
- "Hay ve ianao e ! Gaga be aho."
Misy taratasiko any dia vakio tsara, sady niteny tamin’ny teny malefaka izy, nampidiriny tao anaty kitapo kelin’i Hery ilay zavatra.
- "fa maninona ianao e ! marary angaha? " Nisento tokana fotsiny izy.
Injay fa nidina i Alexia, tsy niteny intsony i Malala, ny fanondrony roa no natsindriny ny handriny dia lasa izy nipetraka teo amin’ny seza lava.
- "Ity misy fanomezana kely avy taty amiko," hoy i Alexia, boaty kely efajoro voafono mangirana ilay izy sady misy fatorana. Noraisin’i Alex ilay kitapo teny an-tanan’i Hery dia nosokafany hampidirany ity fanomezana. Nojereny ny tao anatiny, antontan-taratasy vitsy nentin’i Hery avy tany am-piasàna, misy horonan-karona ahitàna zavatra mifono, dia nalainy sady hoy izy, - "inona kay ity ry Hery ? "
Nivandravandra be i Malala tetsy amin’ny salon, nivaloharika ohatr’izany. I Hery tsy nahita hotenenina. Nidobodoboka ny fony, ny mason’i Alexia no nobanjininy tsara. Tsy dia nahoan'i Alexia anefa izay tao anatin'ilay fonosana ary dia naveriny tao anaty kitapo ilay zavatra. Nifanoroka indray izy roa dia nandeha nanao veloma an’i Malala i Hery. I Malala anefa amin’io mibanjina ny mason’i Hery tsy misy ohatran'izany mba hampitany ny adin-tsaina mahazo azy kanefa tsy nety tody tamin’i Hery mihitsy izay tiany hambara. Raha rahona mandalo miserana tokoa, tsy ampy hanaloka ilay masoandro mibaliaka niainan’izy roa ny tolakandro teo.
Nandray fiarakaretsaka i Hery nody, nisaintsaina lalina ny fahasambarana niainan’izy roa tany Ambatofotsy. Andro iray tsy ho hadinony amin’ny fiainany iny andro iny. Na dia efa maizina aza ny andro tamin'izay dia toa masoandro mibaliaka no namiratra tao an-tsainy.
Tsaroany ery i Alexia mijoro eo anoloany, ny hafanàna amin’io mamely, sary miraikitra amin’ny masony ny hatsaran-tarehy, ny volo lava any an-damosina, ny tratra lafatra tsy misy toa azy. Raha nisy anjely teto an-tany hoy izy tany antsainy tany dia tsy azo lavina fa i Alexia anisany. "Nahazo letsy ialahy RaHery," hoy izy, iza eto amin’ny tanàna no tsy te-hahazo an’iny sipa iny na ny mitovitovy aminy fotsiny aza ! Nanofinofy teo izy, kanjo, nisy fiara 4x4 nandefa ny jiro mahajambena tamin’ity fiara-karetsaka kely. Ni-klaxon ilay mpamily sady nanapipika ny jirony izay tsy nahaovoka akory fa tafajanona mihitsy. Natorak’i Hery teny amin’ny sisin-dalana ny masony, taitra tamin’ilay nofinofiny teo izy, nandalo tampoka taminy ny sarin’i Malala ilay fotsy hatsatra teo. Nalainy ilay kitapo keliny dia nojereny, tsy azony an-tsaina mihitsy hoe inona ity, sao dia misy manjo an’i Malala ary, ka tsy tiany ho fantatry ny ao an-trano. Tsy andriny izay nahatongavany tao aminy. Tonga izy dia niakatra tany amin’ny efitranony. Valopy iray sy lamba mifono taratasy hafa ny tao. Nisokafany kanjo...
Nivoaka tao ilay silipiny efa tsy hitany izay ela izay, tsy adinony akory iny resaka iny fa nodiany tsy fantatra fotsiny. Nandalo niserana tao an-tsainy ny enim-bolana lasa, nampikorontana ny sainy indray ity zavatra-mitranga ity.
Nosokafany ilay taratasy, teny vitsy monja ny tao :
« Hery, miady mafy ny saiko fa tratrako Ratrema nampirafy ahy,
kely loatra ny aiko ».
Soratra tahaka izay no hany tao dia nampiova tanteraka ny fara-vodilanitra manga nofinofin’i Hery teo, toa nilentika tampoka ilay masoandro, nangatsiaka, nodimbiasan’ny rahona matevina. " Inona ity, ahoana indray no ataoko ?"
Noraisiny ny finday, hay adinony ny namelona azy hatrany Ambatofotsy. Novelominy dia niantso an’i Malala izy !
- "Allo ! Malala, maninona ianao izao. "
- " Hery, tsy afaka miteny mafy aho fa marary be daholo ny vatako iray manontolo. "
Tsy nahatanty ilay fihetsik’i Alexia teo tokoa ny anao vavy ka niakatra tany ambony niverina natory. Niandry izay higadonan-dRatrema fotsiny sisa; I Cynthia koa tamin'io fotoana io nitomany foana nefa tsy nety nampinonoana. Izy rahateo tsy manana aina intsony. Ny saina mety ihany, fa ny vatany no torovana tanteraka.
- "Hery an ! miverena aty fa mila anao aho ! "
Tsy hitan’i Hery izay hatao, noraisiny ny akanjo mafàna, niteny tamin-dry Dadabe fa tsy maintsy misy alehany any amin-dry Alexia dia nihazakazaka namonjy nivoaka ny arabe izy hitady fiarakaretsaka. Tsy nandry intsony ny sainy fa nieritreritra an’i Malala sy izay nahazo azy izy teny an-dalana.
Fotoana elaela taorian’ny nandehanan’i Hery vao nigadona teo am-bavahady ny fiaran-dRatrema. Tao anatin’izay no niantsoan’i Hery an’i Malala teo.
Niditra tao an-trano ilay raim-pianakaviana, avy dia nipetraka teo ambony seza namelona ny fahitalavitra. Ren’i alexia ny fahatongavan-drainy, sady hitany rahateo koa ny fiara avy teny am-baravaran-keliny. Nidina izy, falifaly ery, nanoroka an-dRainy.
- " Papa, tsara ve ny tontolo andronao androany ?" Nojeren-dRatrema tsara ity zanany.
- "Han, falifaly indray ange izany zanako izany e ! Tsy androany moa ilay noteneninao ahy tamin’ny zoma fa hivoaka kely ny renivohitra hiaraka amin’i Hery ? Tsy naninona ny fiara an, faly aho rehefa miramirana tahaka izao ity zanako ity."
- "Ie ! sady tena nahafinaritra, tany Ambatofotsy izahay roa, nilalao rano. Amin’ny manaraka isika rehetra angamba mankany, sady nipetraka izy no nitositosy teo amin-drainy teo, tahaka ireny zazavavy kely ireny.
Mahagaga tokoa fa tena miray fo sy saina mihitsy izy mianaka, mety ahatsiarovan-dRatrema an’i Vololona koa angamba i Alexia, indrindra izy izao efa mandia ny fahatanorany izao.
- "Fa aiza ny ankizy kely ? te hahita azy aho izany."
Nitsangana i Ratrema, dia niakatra tany ambony, nojereny aloha ny efitr’i Toky, tsy nisy olona tao, nanantena an’i Malala izy hoe mitaiza an’i Cynthia tao amin’ilay efitra vaovao, mbola tsy tao ihany koa.
- "Malala an !" sady nankany amin’ny efitranony izy.
Hitany teo i Toky kely matory aok’izany eo ambony fandriana sady eo akaikin’ny reniny. I Cynthia koa eo amin’ilay berceau fatoriany taitra sady manomboka mikenfonkefona. Nanatona azy izy dia noraisiny notrotroiny. Taitra tamin’ny fahatongavan-dRatrema i Cynhtia ka niverina nitomany indray.
I Malala amin’izay manome lamosina tsy nahateny tsy nahavolana, sady mibonoka ity lamba matevina nefa ny andro nivaivay aok’izany tamin’ny atoandro teo.
Nipetraka teo ambony fandriana Ratrema, ny zaza amin’io eny an-tanana ihany sady mitomany izay tsy izy. Ny reniny toa tsy taitra akory fa maninona angaha ?
- "Malala an!" hoy indray Ratrema, "mitomany ange ity zaza ity e!" Sady nokitihany ny vadiny hanaitra azy. Vao mainka anefa i Malala nihodina indray ka ny lamosiny no nataony ambony no nafeniny tao anaty ondana ny lohany.
- "Fa maninona ianao e?" Noritin-dRatrema tamin’ny tanany ilany ny lamba ka indro ny vadiny hitany fotsy hatsatra, malemilemy tsy nahasintona intsony ilay lamba. Ny sainy torovana tsy nahavita intsony izay tetika hamaliany faty an-dRatrema. Hany heriny dia nihodina tsimoramora, nandatsaka ny ranomasony sady nifokofoko.
Taitra koa i Toky sady tonga dia nitomany nahare an-jandriny. Tsy hitan-dRatrema izay hatao, nikoropaka izy, natsoiny i Alexia hiakatra hampangina an’i Toky no hitondra azy hijery fahitalavitra any ambany. Nantsoiny koa ilay mpanampy mpitaiza hanome biberon an’i Cynthia any amin’ny efitranony dia niverina teo amin’i Malala izy.
- "Malala, malala an ! maninona izany havako izany e?" Vao mainka nidradradradra nitomany i Malalatiana. Niezaka ny hanakifika ny tanan-dRatrema fa tsy nahavita intsony. Tomany eran’ny trano, ny zazakely angamba misy maharary azy fa tsy nijanona nitomany na dia nanao izay azony natao aza ilay mpanampy, i Toky raha vao misy mitomany dia iny koa lery manampy trotraka, sahirana ery Alexia mitaiza azy, Rafotsy ao ambony midradradradra aok’izany tsy laitra hampanginina.
Noraisin-Dratrema izy dia natohony tamin’ny tratrany, reny fa tena mafàna be ny lohan’ity vadiny, nosafosafoiny mora teo.
- "Malala an! aok’izay izany havako izany
- "fa misy inona ary ato ? dia ho sanatria ve ho fantatr’i Malala ny nataonay sy Corine tany am-piasàna, tsy mino izany aho, tsy misy mahalala mihitsy izay ataoko ao anaty birao, sao dia ilay Corine iny ary no nanao menace an’i Malala ? aza hitako," hoy Ratrema tany an-tsainy tany.
Noraisiny ny telefaona, niantso dokotera izy, dokotera efa mahazatra ny fianakaviana izy io, ary antsoina rehefa misy marary ato an-trano. Nazavain-dRatrema teo izay zava-mitranga. Naka fitsapàna hafanana izy avy eo, dia nandrotsaka fanafody anaty rano fa izay no nafaran’ilay dokotera mandra-pahatongany. Tena marary mafy ity vadiko ity, hoy izy, aleo aloha ho tonga i Dokotera dia ampidirina hopitaly indray fa sao dia hanahirana eto. Taitra izy nahita ny hafanàn’i Malala, tena loza ity. Efa nanomboka nitonitony i Malala tamin’izay fa tsy nitomany intsony, tsy nisy sahy niresaka, lasalasa saina i Ratrema amin’ity zavatra mitranga, efa narary ary i Malala ka tsy niantso ahy, fa maninona ary ?
Roapolo minitra taorian’izay vao tonga ny dokotera, hay niaraka niditra taminy tao koa i Hery.
- " Oay, tonga niverina ny malalako," hoy i Alexia, nanoroka ery, i Toky amin’io velon-tsiky indray nahita an’i Hery sady nanomboka nibitabitaka.
- " Faly ery izy izany nahita anao, izaho teto tena sahirana mihitsy nampangina azy, sady nomeny an’i Hery hotrotroiny i Toky.
- "Fa maninona i Malala ry Alex fa nantsoiny aho teo, marary hono izy ?"
- "Nitomany be izy teo, tsy haiko fa tena fotsy hatsatra be aloha tamin’izaho nandalo tao. Efa iny ny dokotera niakatra ao aminy ao, aleo aloa isika miandry aty fa tsy hitany eo ve izay tokony hatao?"
Adinodinon’i Hery izay zavatra nitranga, ity zanany faly ery eny an-trotroany no nahafinaritra azy. " Dray letsy ialahy ry Toky hoy izy aneritreritra, tena misy itovizana be amiko hono ialahy?" ity zazakely amin’io faly ery manafosafo ny lohan'ity "rainy" nitrotro azy . Dia variana teo izy telo mianaka.
Tany ambony kosa tamin’io…
Nanazava Ratrema fa 40°5 ny hafanan’i Malala teo ; vao hitan’ny dokotera ilay marary dia nojereny ny aty vavany,
- "Tena décalcifiée be mihitsy ny vadinao ry Ingahy Ratrema, raha izao fahitako azy izao, sady nojereny ny hohon’i Malala, tsy maintsy mitsindrona haingana, efa nitondra aho aty. Mampinono moa izy io ? Sao dia nisy zavatra nanaitra azy ary androany." Sady naka ny fitaovana fanindromana ihany izy. Reny koa i Cynthia mbola mitomany ao amin’ny efitra ilany ;
- "Ilay zanakareo angaha izany," hoy indray izy, "aleo aloha ho vitako ity dia mijery azy isika. Sao dia taitra tampoka ianao Ramatoa androany, sao dia nisy fiara saika handona anao teny an-dalana?"
Tsy nahateny mihitsy i Malala fa ny masony no natsirempirempiny fa nahatsiaro naharary azy ilay tsindrona.
Aleo aloha izy haka aina tsara, ireto no fanafody tsy maintsy vidianareo izao, any amin’ny farmasia mpiandry raharaha, dia nanoratra izy.
- "andao ary jerena izao zazakely mitomany izao, nivadika tao an’efitra izy dia noraisiny ilay zaza efa tora-kelin’ny tomany ; novahany ny akanjony, nojereny ny atin’akanjony, somary taitra kely izy, nangatahany ilay mpanampy raha mbola hitany ny lamban-jaza fanary teo alohan’io.
- "Andana jereo," hoy Ratrema, dia nidina ilay Ramatoa nitady ilay lamba efa nariany teo. Afaka kelikely, maharary kibo be ity zaza ity, raha izao no fandehany dia nivadi-nono ny reniny, mino mihitsy aho nisy nahataitra azy tampoka tany ho any, asa efa tamin’ny maraina angamba, tsy fantapantatrao ve ?"
- "Toneo tsara ny fon’ny vadinao ry Ingahy Ratrema, mila maka aina be mihitsy izy, mila entina maka rivotra kely koa any ambanivohitra any aza.
Naka tatatasy vaovao indray izy dia nanoratra izay fanafody tokony ho an’i Cynthia sy ny momba izay tokony hampiasàna azy. Efa dokoteran-dry zareo izy io,efa ho 5 taona izay, manana fahaizana manokana momba ny reny sy ny zaza rahateo, ka izy foana no manara-maso an’i Toky, ary amin’izao dia i Cynthia indray.
Gaga i Ratrema, vita izay rehetra izay, dia nidina ry zareo,
- "Rahampitso aho," hoy ilay Dokotera, "tsy maintsy miverina, inoako fa miasa haingana ilay tsindrona teo, rehefa atosiky ny fanafody hafa koa iny dia hiafana haingana ny vadinao. Tandremo fotsiny izy, tsy hampinono aloha fa …"
Vao tafidina tany ambany anefa dia nahita an’i Hery Ratrema, nivandravandra aok’izany mahita an’ity vinantony mitrotro an-janany. Navelany nandeha ilay Dokotera dia niverina izy.
Mody tony aloha, vao niteny tampoka,
- "Tsy efa niteny ve aho fa tsy mahazo mankaty ialahy raha vao alina toy izao, sady nanomboka nitrerona izy. Ialahy an ! rahefa izay dia izay, maninona aty koa ialahy io ? Tsy manana lava-trano hatoriana angaha?"
- " Azafady indrindra ry Papa fa.." sady nosintomin’i Alexia ny rainy, "Papa an, nantsoin’i Neny ange izy hono teo e, ary aza mampiaka-peo fa misy marary ange eto e!"
Na reraka aza i Malala tany ambony dia reny ihany ilay trerona nataon-dRatrema teo, azony an-tsaina fa tonga i Hery. Nitomany indray izy.
- "Hijery an’i Malala mihitsy no nahatongavako aty amin’izao alina izao. Izy mihitsy no niantso ahy, efa ho antsasak’adiny izay ; aleo aho hiakatra hijery azy.
Tezitra i Ratrema fa tsy nahavita nanainga tanana akory, ny zanany vavy etsy, misarangotra aminy mba hampitony ny fahatezerany.
Lasa i Hery niakatra, i Toky mbola trotroiny ihany; niditra tao amin’ny efitrano, nalahelo kely izy nahita an’i Malala fotsy hatsatra matory eo ambony fandriana.
Nipetraka izy, navelany handehandeha i Toky kely, noraisiny ny tanan’i Malala, azony an-tsaina sahady ny tebiteby mahazo ity renin-janany. Ny mason’i Malala sisa no natopiny teny amin’I Hery hilazany izay manjo sy mampiady mafy ny sainy.
Afaka kelikely dia niteny mora dia mora izy :
- "Hery an ! nivadi-nono hono aho," hoy ilay dokotera teo.
Tsy niteny intsony izy roa, fa ny safosafon’ny tanana no natao hampitony ity marary.
Niakatra moramora i Alexia, narahin-dRatrema tao aoriana, nony niditra izy ireo, niverina indray ny fivandravandrana be ! Tsy hitan’i Alexia izay hatao, i Malala etsy mampikimpy ny masony fotsiny, tsy te-hahita izay zavatra hitranga indray.
Tsy nahatony fo intsony i Hery dia nitsangana :
- "Ianao ihany Rangahy ity no nahatonga izao an!" Sady natsipiny teny amin-dRatrema ilay taratasy kely avy tany amin’i Malala.
Taitra i Ratrema, novakiany ilay taratasy kely. Romotra ny anao lahy, nalatsany tamin’ny tany ilay taratasy dia nisintona an’i Hery izy sady noraisiny ny vozon’akanjony.
- "Iza no miteny an’ialahy mba hiditra amin’ny fiainan-tokantranoko. Tsy anjaran’ialahy ny aty, any amin’ialahy ialahy manatsipitsipy izay tian’ialahy hatsipy fa tsy aty amiko velively. Lehilahy tsy vanona, adinon’ialahy angaha ny nataon’ialahy hatramin’izay; Ny zanako no potipotehin’ialahy tahaka izao. Hahalala an-dRatrema ialahy anio."
Niakatra ny feo, izy mianaka vehivavy etsy mitomany, ilay taratasy efa nalain’i Alexia sady efa novakiany, niverina indray ny tomany, ny dardradradra, ren’ny mpanampy rehetra tany ambany izay nitranga.
Nanalan-dRatrema ny fony teo aloha i Hery, ity farany tsy nahita hotenenina intsony fa nangina aloha.
Asa tokoa, nahatsiaro ho diso ihany angamba Ratrema ka napetrany ihany i Hery fa tsy nokitihany akory. Nafàna ny fony, naleony nidina tany ambany, nanaovany ny akanjony avy niasa teo, nakarapony ny varavarana dia lasa izy namelona ny fiarany. Klaxon nanaitra ny manodidina no niantsoany ilay mpiambina ny tanàna hivoahany. Nigika aok’izany ny fiaingan’ilay 4x4 teo amin’ny arabe. Tsy hita intsony izay hatao, izy mianaka etsy mitomany izay tsy izy, very hevitra amin’izay tokony hatao.
Somary nihorirana kely Malala hamoha ity varavarana, nahodiny moramora ny poignet, kanjo nihidy ilay izy. Naveriny fanindroany dia najanony tampoka.
Nitodika nijery ilay sekretera izy:
- "Tena cliente-nareo be mihitsy moa izany ramatoa izany e?"
- "Eny Mme Malalatiana, efa ho valo volana izy izay no manana tolotr’asa atao ato aminay. Sady orinasa tena mifandray be aminay koa no tantanan’io ramatoa io."
- "Hay," sady nanapotsitra ny handriny tamin’ny fanondrony izy fa nahare nanaintaina teo ambony masony teo. Ny zazakely amin’io eny an-trotroana ihany. Niezaka ny hitandrina Malala mba tsy hianjera sady nanatona ny biraon’ilay sekretera.
- "An! nieritreritra aho fa aleo angamba izy tsy helingelenina sao dia tena manahirana azy. Manjary mampifangaro ny asany amin’ny tokantranony koa izy raha niditra tampoka teo aho. Nandalo fotsiny aho fa tsy hoe inona akory ka! Aza tenenina azy akory hoe teo aho; fa raha manontany izy dia… eny e! aza tenenina akory fa teo aho. Misaotra betsaka Mme Sahondra an!"
Lasa Malala niverina teny amin’ny amin’ny ascenceur, dia naterin’ilay sekretera izy mianaka. Tsy tantin’i Malala intsony ity zavatra nahazo azy, hitany amin’izao fa hay nisy zavatra hafa nandalo teo amin’ny fiainan-tokantranony kanefa tsy reny sady tsy fantany akory.
- "Valo volana…" Izay ilay valifaty, loza tokoa.
Raha ny tena tian’i Malala tokoa angamba dia ny hampitsikafona amin’ny tany izao ramatoa izao fa saingy nihidy ilay biraon-dRatrema. Tsy tiany hahoraka eo amin’ny mpiasa koa sao ny ho avin’ireto zazakely no ho sampona tampoka eo. Noraisiny ny findainy, nantsoiny Ratrema, saingy teo am-piandrasana ilay antso dia notapahiny. Nanganohano ny masony ary mila tsy ho tantiny intsony ny hitana izay ranomaso latsaka, ka i Cynthia no natohany tamin’ny takolany mba hanalàny izay mavesatra rehetra mianjady taminy. Soa tokoa fa feo no reny fa raha izany rehetra izany angamba no hitany maso mivantana, dia ho nivadi-po tampoka teo izy.
- "Ratrema, efa nampoiziko ihany. Hitako tokoa ny vehivavy maro no saro-piaro, kay ny tsy hitrangan’ny toy izao."
Nezahiny naverina tao an-tsaina avokoa ny valo volana lasa: taiza avy Ratrema? Hay izany tena hambaboana ahy amin’ny hafaliana fotsiny ireny tambitamby, fanomezana sarobidy, fa ny akon’izay tany am-badika tany tena loza! Ity izy nanana fahaizana manokana tsy nandairan’ny safosafo rehefa izaho miara-matory aminy iny! Kay tamin’olon-kafa no tiany hampisehoana ny heriny. Lehilahy tokoa izany.
Hay izany izy ilay nandeha tournée tampoka taorian’ny nandevenana ny maman’i Hery iny ka… Lehilahy tsy vanona!
- "Tsy hanaiky ny hitsakitsahinao amin’izao fotsiny raha i Malalatiana! Ho hitanao ny valy bontana ataoko aminao."
Lasa izy namonjy ny fiarany hitondra azy sy Cynhtia any an-tranony.
Fa tao amin’ny biraon-dRatrema,
Olon-droa mananika ny lanitra fahafito no mifampitolona eo ambony birao. Mihamafy hatrany ny fihetsika rehetra, mandeha avokoa izao teny mitalaho, ny sefosefo, ny orokoroka samihafa; ny teny frantsay amin’io tsy teny frantsay intsony, voambolana hafa no re.
Hatraiza marina ny fiafaran’ny fahasambaran’ny lehilahy nahazoazo taona no ho tapitra raha tahaka izao e!
Sendra nitopy teny am-baravarana ny mason-dRatrema ka nahita ilay poignet nihodina; nijanona tampoka ny fihetsiny rehetra. Mbola hitany indray fa nihodina fanindroany; niala tamin’ilay ramatoa izy (Corine no anarany). Ity farany anefa tena efa eny amin’ny lanitra faha-fito, saingy mbola latsaka fahefany ihany; nofatorany tamin’ny sandriny roa ny valahan-dRatrema hanatona azy kokoa.
Tafala taminy ihany anefa Ratrema, tonga dia niezaka nandao ny biraony, kanjo voasaringotry ny patalohany teo amin’ny moro-tongony ka nampianjera azy. Nahay nitazona ny sezany izy ka tsy potraka, niharina, nampidiriny ny patalohany dia namonjy moramora ilay varavarana izy. Nahodiny koa ilay poignet dia hitany fa nihidy tsara. Nisento indray mandeha izy dia niverina teo amin’ny biraony ka naka ny sezany.
Corine amin’io naka toerana hitsilany teo ambony birao.
- "Ialahy kosa leitsy Ratrema tena tsss… efa tena kely ve leitsy sisa dia asa izay nahazo an’ialahy tampoka teo! Sa nahatsiaro tampoka an’i Madama indray ialahy ity ? Izaho ho’aho indraindray, ny vadiko tena manirikiry ahy mihitsy, tampotampoka eo izy tonga dia tsy te hanao intsony. Mbola tena mitana aloha raha ialahy e!" hoy i Corine nanohy ihany.
- "Sshhh, tahaka ny nahita olona namoha varavarana aho teo" sady naka afokasika izy no namelona ny pipany.
-"Angaha hadinon’ialahy fa izaho mihitsy aza no nanidy an’io teo?"
Noraisin-dRatrema ny telefaonina dia niantso an’i Mme Sahondra izy, kanjo tsy nisy namaly. Nampidiriny ny palitaony sady nankeny amin’ny varavarankely izy hanokatra ny lamba fanakonana. Nojereny Corine, tsy taitra akory fa maka aina eo ambony biraony. Ny akanjony amin’io mbola misokatra be mampiseho ireto tendrombohitra roa mampite-hiondana. Dray, dray, dray!
- "Anaovy ny akanjonao, dia mialà eo ambony biraoko eo, fa hosokafako ity lambam-baravaran-kely ity e!" hoy Ratrema
- "Sokafy fa maninoma moa, andro atoandro be io ka hisy hahita ve? Fitaratra be mangamanga no hitan’izay mpitily eny ivelany fa tsy ny ataontsika eto akory. Sady ialahy leitsy, izaho mbola tena te hankafy! Avia indray moa faranana ilay nataontsika teo e!"
Tsy nanaiky intsony Ratrema. Izaho hoy izy te hivoaka…
Nipotikana ery Corine nandray ny akanjony, nampiditra ny atin’akanjony ambany, ny zipony moa tsy niala teny aminy. Nesoriny tahaka ny tsy teo ilay akanjo ambony teny an-kodiny, ka nampiseho ny vatany ambony manontolo. Bika izany, ireny mahararak’ivy ny lehilahy sendra manara-maso ireny, ary koa maha-saro-piaro ny vehivavy izay efa manambady.
Nalainy ny tati-nono latsaka tamin’ny moquette dia nanaovany. Ratrema amin’io manara-maso azy ihany, mbola te hanafosafo kanefa…
Nampidirin’i Corine avy eo ny lobaka lava tanana misy peta-kofehy fotsy ranoray. Naveriny nanaovana ilay akanjo ambony nesoriny teo, dia namonjy fitaratra lehibe izy nijery ny maha-metimety azy kokoa, manjamaso, lokomena sns. Vita izay rehetra izay dia niverina nipetraka manoloana ny biraon-dRatrema izy.
Namerina niantso indray Ratrema, fa mbola tsy nisy namaly.
Novahany ny varavarana kanjo Mme Sahondra no indro hitany niditra teo amin’ny biraony, avy nanatitra an’i Malala.
- "Avy taiza ianao fa indroa aho teo no niantso?"
- "Azafady Ramose fa … (tsaroany ilay tenin’i Malala), nanatitra an’i …
- "Nisy olona nitady ahy angaha teo?"
Tsy hitan’ilay sekretera intsony izay hotenenina.
- Tsy haiko Ramose fa i Madama vadinao sy ilay zazakely trotroina iny no tonga teo. Nanontany fotsiny izy raha afaka hihaona aminao dia nolazaiko azy fa Mme Corine no miresaka aminao ao. Nefa nolazainy fa sao manelingelina anao hono dia lasa izy nony avy eo. Avy nanatitra azy teo amin’ny ascenceur aho izao tonga eto izao."
- "Madama a?! fa naninona taty koa i Malala? Naninona aho no tsy nantsoina tamin’ny telefaonina?"
- "Azafady Ramose fa efa niantso anao ange izy fa tsy nisy namaly fa angamba occupé! dia lasa izy namoha ny varavarana kanjo nihidy. Naleony nandeha fa sao hono manelingelina anao."
Tsy notohizan-dRatrema intsony ny resaka fa niditra avy hatrany izy sady niresaka tamin’i Corine:
- "Izay ary ilay efa nahiako, kely fotsiny dia tratran’i Malala teto isika. Mila malina fa tena hafahafa izany fandehan-javatra izany.
- "Hafahafa ahoana?" hoy Corine.
Tonga tany an-trano Malala afaka kelikely. Namonjy ny efitranony izy dia nidiny ny varavarany. Nataony tanaty berceau Cynthia avy eo, namonjy nipetraka ambony fandriana izy dia nitsilàny. Nalainy indray ny finday tany anaty poketrany dia nantsoiny Hery. Messagerie vocale no azony tao, dia naleony notapahana. Namerina niantso indray izy avy eo, fa mbola tahaka izay ihany.
Niharina kely izy dia nitanondrika indray. Nirotsaka ny ranomasony, nanala ny fony teo izy. Teo vao tsapany ny maha irery azy. “Navadiky ny vadiko” aho hoy izy niteny irery. Nisangodina ny sainy ary nahatsiaro fanina izy.
- "Hery, Hery tsy foiko, aiza ilay malalako?" Nidaboka tamin’ny fandriana indray… Nanaintaina be ny lohany ka lasa izy naka fanafody hampihafana azy. Dia niverina natory indray mba haka torimaso hanalàna ity zaka mavesatra reny tao an-tsofiny.
Nitatao vovonana ny andro vao niharina teo am-pandriana izy. Naka ny findainy indray dia namerina niantso an’i Hery.
Fa aiza moa Hery amin’io …
Eny an-dalana i Hery no nantsoin’ i Malala. Vao nahita ilay soratra MALALATIANA teo amin’ny findainy izy dia notapahany. Efa akaiky koa ny toerana nifanaovany fotoana tamin’i Alexia, ka naleony notapahana aloha.
Alexia tamin'io fotoana io efa niherikerika teo am-baravaran’ny restaurant nitady azy.
- "Soa fa tsy noraisiko," hoy izy niteny irery "fa aleo koa ho any…"
- "Manao ahoana ny malalako?" hoy Alexia, sady nifanoroka kely izy roa.
- "Andao tonga dia hiditra fa miha-vitsy ny toerana ato."
- "Efa ela angaha ianao no teo!"
- "Vao teo mihitsy fa andao hiditra e!"
Naka seza sy latabatra izy roa, navoakan’i Hery teo ny findainy tany am-paosiny tany.
- "Aleo aho aloha hamonjy efitra fivoahana fa efa tany am-piasàna aho no poritra kanefa maika hamonjy anao; sao dia lasa niandry elabe teo ny malalako ka tsy tantiko ny hampijoro irery anao teo."
Lasa izy nandeha. Afaka kelikely, niverina naneno indray ilay finday an'i Hery. Noraisin’i Alexia:
- "Allo Neny! fa ahoana?"
Diso fanantenana Malala fa i Hery no tiany hotadiavina.
- "An!" (nangina tampoka ny fifandraisana)… "fa angaha ianareo tsy ho avy hisakafo antoandro aty? Miandry anareo ange aho e!" hoy Malala.
- "O ry Neny a! alatsinainy anie androany e! rahampitso Hery vao mankany amintsika (efa tafaverina teo amin’ny toerany i Hery amin’io). Neny koa, fa maninona ary no manelingelina olona aty amin’ny restaurant aty!"
Nanontany Hery hoe iza no miresaka amin’i Alexia? Novaliany tamin’ny baiko moana fa ny reniny. Hendratrendratra ihany Hery, fa efa ela tokoa mantsy izay Malala no tsy niantso azy. Tadidiny ny tamin’ny andro taloha, ilay antsoantso an-telefaonina miverimberina milaza loza. Fa inona indray ity? Misy zavatra mitranga indray any ho any hoy izy tany an-tsainy tany.
Nony nifarana ilay antso dia nanontany Hery:
- "Fa misy inona indray hono?"
- "Sshhhh, asa indray izay mahazo an’i Neny fa lazainy hoe miandry antsika hono izy hisakafo, nefa alatsinainy androany. Ny fandaharam-potoanantsika roa efa vita. Efa naka permission aloha ialahy ity an!" sady nitsikitsiky ery Alexia.
- "Ieee! efa tamin’ny alakamisy aho no nangataka dia navelan-dry zareo. Tena tsy afaka mihitsy aho aloha raha androany maraina e! fa hoentin’ialahy ho aiza tokoa aloha ity izaho ity e!"
- "Surprise izany"! hoy Alexia. Notakariny horohana i Hery sady tsy menatra akory izy. Izy rahateo: ny bika aman’endrika ananany avokoa, ka narahan’ny olona maso tahaka ireny mpanakanto malaza ireny, na dia efa eny an-tratran’i Hery aza.
Nanatona avy eo ny serveuse, nandray an-tsoratra ny sakafo hohanin’izy roa.
Fa i Malalatiana tany an-trano, vao maika nalahelo. Tsy sahy niteny tamin’i Alexia hoe omeo ahy i Hery fa namorona izay tao an-tsainy tao. Fantany tsara fa rahampitso vao ho tonga any aminy Hery, ka naleony mody navadika ny resaka hoe: aiza ianareo no tsy tonga sns.
Nitsangana izy, dia nijery an-janany. Efa nampitonitony azy koa ilay fanafody ka afaka nijoro ihany izy. Misy manitontsintona azy anefa ny hozany iray manontolo; ny nonony toa reny misy mangidihidy. Rehefa hitany fa matory Cynthia dia nandeha nidina tany ambany rihana izy. Gaga izy nony avy eo nahita an-dRatrema mamaky gazety teo amin'ny salon. Tonga dia namonjy ny latabatra fisakafoanana izy mody tsy nahita an'ity vadiny.
- "Ary hay ve nareo mianaka nandalo tany am-piasàna e? Naninona ary raha niandry."
- "Ka efa namoha ny biraonao mihitsy ange aho fa nihidy dia naleoko tsy nanelingelina intsony sao manahirana anao e!"
- "Hay ve ianao ilay nanodina ny poignet teo. Nivory izahay dia nidina ny birao. Fa raha fantatro ange hoe tao ianao dia nivoaka aho e! “Rien n’est plus important que ma famille” sady naka an’i Toky izy hotrotroiny ary nentiny nanatona ny latabatra nisy an’i Malala.
- "Tsy maninona re izany fa mba nandalo fotsiny aho hijery izany biraonao vaovao ao amin’io trano fitaratra be io izany e!"
- "Fivoriana aho, fivoriana, plus important aho hoe, plus important…" hoy Malala tany an-tsainy tany. Nampitony fo mafy fotsiny izy mba tsy hitroatra.
Mafy ny mahazo azy fa nafeniny an-dRatrema. Ity farany indray kosa, toa faly ery mitaiza an’i Toky sady namahana azy ihany koa. Tsy azony an-tsaina anefa fa fantatr’i Malala izay nataony tany am-piasàna niaraka tamin’i Corine.
Tsy nahatelin-kanina Malala fa toa te hilaza amin-dRatrema ny mahazo azy, nefa tsy sahy. Ny hamaly faty no nibosesika tao an-tsainy
Nanomboka indray ny lohataona, nampidi-drano-ketsa i Betsimitatatra. Niova endrika avokoa ny voahary rehetra. Efa mihitsan-dravina ny zakarandahy ary mivonona ny hamonina volomparasy indray. Nanomboka namelana ny voninkazo rehefa avy niharitra ny hatsiaka mamirifirin’ny ririnina teto andrenivohitra.Zara raha nahitana rahona madinika teny amin’ny fara-vodilanitra.
Amin'ny iray ora antoandro ny andro tamin'izay. Indro Alexia sy Hery nivoaka ny toeram-pisakafoanana iray. Nafana ny andro tamin’izay ka akanjo ambony fotsy manifinify sy zipo lava mikopakopaka manaraka ny famindrany, ary kiraro misy taditady madinika izay rafetin’izato vodi-tongotra avo mampihenjana ny ranjony sady mapisongadina ny bikany tsy manam-paharoa, no nianjaikan'i Alexia. Hatsaran-tarehy izany. Maro tamin'ireo mpiandry taxi be nahita azy ireo no tsy naharitra fa nanara-maso azy ireo mandra-pidifiny tao anaty fiara izay najanona teo amin'ny kianja MDRM teo Ambohijatovo.
Niresaka kely izy roa:
- "Aleoko izaho no mitondra fa izaho no mahalala ny misy ilay toerana nofinidiko handehanantsika" hoy Alexia tamin'ny feo miangoty.
Nitsiky kely Hery ;
- "Tsy mampaninona mihitsy kah" hoy izy feno fahatokiana an’ity malalany sady niditra tao anaty fiara izy.
- "Tsy mampaninona anao akory fa mba hivoaka kely ny renivohitra isika? efa malalaka koa izao ny lalana ka vetivety isika dia tonga any."
- "Ianao no eo amin’ny familiana ka tsy afaka hiteny intsony aho," hoy Hery.
Nitsikitsiky ery Alexia. Nanaraka iny lalambem-pirenena mizotra mankany Antsirabe iny ry zareo. Afaka telopolo minitra taty aoriana dia nivily tamin'izay toerana mahafinaritra amoron-drano sady tsara rivotra izay ry zareo. Nisy Bungalow maorimaorina tao amin'io toerana io ary dia tsy nisalasala fa nanatona ny reception avy hatrany ry zareo. Gaga Hery nony nahafantatra fa efa nanantena ny fahatongavan'izy ireo ny mpiasa tao amin'ilay hotely. Hay efa nomanin’i Alexia tamin’ny antso an-taroby mialoha ny fahatongavan’izy roa. Efitrano voaravaka voninkazo mahafinaritra sady nisy sakafo efa voaomana no niandry azy roa handaniany ny alatsinainy harivany iray manontolo. Tsy niditra avy hatrany ny efitrano anefa izy roa fa mbola nijoro kely nitazatazana teo an-davarangana, ary finaritra ery nahatsinjo ilay farihy tsy dia lavitra teo nahitàny ankizy maromaro milalao pédalo.
- "Tsara e!" hoy Alexia, sady naka seza fipetrahana azo hatoritoriana izy, dia nasainy nipetraka teo i Hery. "Mbola tsy taty mihitsy ianao e?"
-"Iee, efa fantatro fotsiny ny fisiany, fa izao aho vao nahita maso azy. Marobe ny vahiny na tompon-tany mandalo aty. Merci Alexia," hoy indray Hery sady nisarika azy hiara-mipetraka taminy teo ambonin’ilay seza izy no nitrotro ilay malalany. Nifanoroka mafy izy roa tahaka ny mifandefa hafatra mangina mampiseho ny fisaorana sy mampifamatotra mafimafy kokoa ny fifankatiavany.
Afaka kelikely...noraisin’i Alexia ny finday rehetra dia novonoiny avokoa.
-"Hery a! efa natolotro anao ny tenako ary mbola hatolotro anao ihany koa ny ho aviko iray manontolo. Tiako mihitsy ny handefa any an-damosiko any ny olana mianjady amintsika, ny disadisa hatrizay afitsoky ny ao an-trano, te hiara-dia aminao aho, hitantana ny tananao. Tiako loatra ianao ry Hery a! Tsy mahay mitia hafa aho ankoatra anao,fa ianao irery."
Niondana moramora teo an-tratran’i Hery izy, hay nanganohano ny masony.
- "Tiako dia tiako tokoa ianao Alexia, ary raha ny faniriako aza dia ny hampakatra anao na dia izao anio dia anio izao ihany aza. Kenefa tadidio fa mbola mianatra ianao, ampiako tokoa ianao amin’ny lafiny rehetra hahavitanao izany, tsy handao anao mihitsy aho na oviana na oviana fa aza matahotra. Tsy ahoantsika izay disadisa any fa ny fifankatiavantsika no asandratro ambony."
Nisotro ranom-boankazo teo aloha izy roa, dia avy eo niara-niditra tao an-trano. Nitohy ny safosafo sy orokoroka misantatra sahady ny firaisan’izy roa ho nofo iray.
.................
Efa harivariva mody masoandro vao nihevitra ny hiverina izy roa, rehefa avy nitsidika ity toerana mahafinaritra. Nandeha sambokely nitety an’i Madagasikara tao anatin’ny ora iray monja.
Nahafinaritra aok’izany iny tontolo andro hariva iny. Tsy ho hadinon’izy roa mihitsy akory iny alatsinainy hariva iny; fa hafa tokoa raha ny mpifankatia no mandalo maka rivotra any, indrindra raha mbola tsy tany mihitsy. Toa nisava tanteraka ny sorisory sy ny alahelon’i Hery rehetra navesatra taminy hatrizay. Tahaka ny hoe: adinony tany amin’ilay toerana mahafinaritra tany ny olana mianjady taminy nandritra ny taona iray sy tapany mahery, ka maivamaivana ery izy mitondra ny fiara nody, sady akaikin’olon-tiana rahateo.
Fa Malala kosa tany an-tranony mieritreritra lalina izay hataony. Tsy azony mihitsy ny ainy fa mararirary avokoa ny vatany. Tsy sahy nilaza tamin-dRatrema izay nitranga taminy izy, fa ny tetika hamaliana faty no nameno ny fony. Te hiantso dokotera nefa tsy sahy fa sao.........
Nantsoiny indray ny findain’i Hery, tsy nahazo mihitsy mandra-paharivan’ny andro.
Efa maizimaizina vao tonga tao an-drenivohitra izy roa. Nifanena tamin’izy ireo ny fitohanan’ny fifamoivozana mandalo an’Andoharanofotsy, Tanjombato, Akandimbahoaka iny; ny lalan’izy roa kosa, misosa satria ny rehetra andeha hody mivoaka ny tanàna, izy roa miverina hiditra ny renivohitra. Teny an-dalana dia nandeha ny resaka ny amin’ity Alexia tsy maintsy mody aloha any an-trano ity; indrindra moa fa tsy afaka matory any amin’i Hery mihitsy. Taorian’ilay nidiran’i Malala tany amin’ny hopitaly sy nahafatesan-dramatoa Ramihary dia niova be ny fiainan-dRatrema mianakavy. Niha-entitra izy amin’ireto zanany.
Raha ny tena tian’i Alexia dia ny hanatitra an’i Hery aloha vao mody, nefa ity andro efa miha-maizina ka tsy maintsy ny any aminy aloha no novonjena, avy eo i Hery mandray fiarakaretsaka mody.
Nampidirina ny tokontany ny fiara dia niara-niditra ny trano izy roa, faly ery sady mifampitantana aok’izany.
- "Mandrosoa aloha dia mipetrapetraha; misy zavatra tiako homena anao fa any ambony ilay izy," hoy Alexia.
-"An, aann annnnn! tena efa maizina ny andro fa tsy aleo aho aloha handeha!"
Tsy nohenoin’i Alex akory Hery fa tonga izy dia niakatra. Kanjo, iny Malala nijaikojaiko moramora avy any ambony, hay raha nahare ny fiara niditra sy nahita an’i Hery nitantana an’i Alexia teo izy dia nitsangana avy hatrany naka ity zavatra kely mifono efa nomaniny homena ity vinantony no sady olon-tiany rahateo.
Nitsikitsiky fotsiny Alexia nahita an-dreniny sady mampidoladola ny lohany. Nandrasany tsara Alexia ho tafiditra tany an’efitranony dia natolony an’i Hery ilay zavatra mifono.
- "Inona indray ity," hoy i Hery tamin’i Malala.
- "Shhhhut! sady nataon’i Malala teo amin’ny molony ny fanondrony."
Tonga tao an-tokontany ny fiaran-dRatrema, niara-nivoaka izy mianaka dia niditra ny trano. Alexia nankany an-dakozia nitady izay hohaniny fa efa tena atoandro be ny andro. Ratrema kosa tonga dia nankany amin’ny efitranony fa haka izay akanjo sy fitaovana samihafa mety hampiasain’i Malala any amin’ny hopitaly, sady koa nandray ny telefaonina hiantso ny any am-piasàny mba hanontany vaovao sy hametrapetraka izay tokony hataon’ny mpiasany amin’ny tsy maha-eo azy afaka fotoana vitsy.
Vita izay dia nangonin-dRatrema ny peignoir, ny akanjo fitena sy ny serviettes isan-karazany ka napetrany teo ambony latabatra kely. Nosintoniny koa ny vata sarihana akaikin’ny fandriana hangalàny nyranomanitr’i Malala… nisy zavatra nanohana anefa tao, ka voatery nisintona mafy ilay vata izy, izay nisokatra ihany. Nalainy ilay ranomanitra dia notazoniny; mbola nanohana ihany anefa ilay zavatra raha hanidy ilay vata izy ka nokarohany tamin’ny tànany ilany izay tao.
Nosintoniny ilay zavatra, kanjo... silipo gris no hitany tao. Nojereny tsara ilay izy, ary nanomboka nikentrona izay tsy izy ny tarehany. An’iza ity??? Efa fantatr’i malala tsara fa tsy tia silipo toa itony aho fa kalisaona no fanaoko. Tsy ahy ity, sady toa efa nampiasaina izy izany? Tsy ho ahy mihitsy ity fa…. tena an’ilay boriky lahin-doza iny ity!!!
- "Herin-dooozzzzaaaatra!!" sady natsipiny mafy terý amin’ny rindrina ilay silipon’i Hery niaraka tamin’ilay ranomanitra teny an-tànany. Nipoaka mafy ilay izy ka vaky terý ilay tavoahangy.
- "Vonoiko iny! Tsy vanona! Olom-boaozona!..." sady notohizan-dRatrema an’izao teny ratsy rehetra izao!!!
Nahare izany Alexia dia nihazakazaka niakatra tany ambony tao amin’ny efitranon-drainy. Nijery izay nitranga kanjo fofon-dranomanitra midofaka no henon'ny orony.
- "Inona izany ry Papa? fa misy inona? inona izany ranomanitra be mameno trano izany???"
Tsy namaly Ratrema fa izay lamba teo am-pandriana teo no natsipitsipiny tamin’ny tany. Novonjen’i Alexia ny rainy hampitony azy.
- "Shhhh," hoy Ratrema sady lasa nidina tany ambany izy.
- "Fa maninona i Papa e!" sady nijery ny manodidina azy izy, ka nanontany tena. “Sanatria ve dia ho fantatr’i Papa ny zavatra nitranga tamin’ny vao maraina teo?” hoy izy. Saingy tsy azon’i Alexia veroka kosa ilay silipon’i Hery.
Ratrema amin’io any ambany mampitony ny fony kanefa manefika azy ny fialonana hamono hahafaty ity sipan-janany mpamoa-fady.
Fa tany amin’ny hopitaly…
- "Fa maninona ny silipoko?” hoy i Hery, “noheveriko fa nanonofy nanao isika tamin’ny vao maraina be iny fa tsy tadidiko intsony. Gaga be aho tamin’ny maraina nifoha raha tsy nanao silipo intsony."
- "Sahiran-tsaina tokoa ialahy ry Hery ka adinon’ialahy hatramin’ny nataontsika,” sady nihomehy ihany Malala, nisintona ny lamba firakotra fa nahatsiaro nangatsiaka izy.
- "Fa ahoana ilay resaka silipo," hoy i Hery nanatona an’i Malala.
- "Aan, aan, ann! Nampirimiko ao anaty tiroara fotsiny ilay izy; fa ny atahorako dia sao hitan-dRatrema ka loza. Fantatrao moa fa Ratrema tsy manao silipo mihitsy? Efa nampirisika azy hanao ihany aho fa tsy tiany?? Ka tena nahafinaritra ahy ilay siliponao dia nalaiko nony vita ny nataontsika."
- "Tssss! ianao ity!! Fa mbola tsy azoko mihitsy ity nataonao omaly, fantatrao tsara fa mitady ny reniko aho, dia sahinao nandaingàna hatramin’ny maraina teo, fa ny hanao amiko ihany no tena mahafinaritra anao!"
- "Izaho koa aza ange ry Hery tsy nahita hatao tamin’ilay Mamanareo safotra iny e!"
- "Shhh, lasa aho fa ny Mamako izay ary tsy fantatra izay nahazo azy!" sady nankeo amin’ilay berceau nisy an’i Toky izy no nanafosafo ny lohany, dia lasa nony avy eo!
Nifanena tamin'ny Dadabeny i Hery nony teny an-dàlana…
- "Fa taiza ialahy letsy an? andao haingana fa nasain’ny dokotera tadiavina maika ialahy. Andao haingana mihitsy! Fa ialahy ity ve mba misaina e! mbola amin’ny toeram-pamelomana anie ny maman’ialahy e!"
- “Fa maninona i Mama ry Dadabe?" sady sempotsempotra izany i Hery.
Nony afaka kelikely, rehefa avy nisakafo Ratrema ka somary tony, dia niantso an’i Alexia hanangona izay entana ilain-dreniny. Rehefa tafidina ny zanany, dia niverina tao amin'ny efitrano fandriany indray izy ka io eo mbola hitany teo ilay silipo. Noraisiny dia nataony tao anaty harona sachet kely ary nataony am-paosy. Niantso ny mpanampy izy rehefa avy eo handroaka ny vaki-tavoahangy sady namoha ny varavaran-kely fa nanentoento loatra ilay fofon-dranomanitra. Nataony anaty harona izay sakafo mety ho tian’i Malala dia nanainga izy mianaka.
Niriodriotra mafy Ratrema teny an-dàlana, sady mieritreritra izay valifaty hataony an’i Hery, satria tena sangy mihoatra ny loha izao ataon’izy sy Malala izao. Hitany sy tsapany ihany koa fa manao mody marary ity Malala ity, ka zarany aza izy any amin’ny hôpitaly mba tsy hisian’ny gidragidra.
- "Papa a! aza mandeha mafy be ho’aho fa kely ny aiko!"
- "Shhhh," hoy Ratrema… Dia mbola tsy azonao ihany ve anaka ny mahazo ahy?"
- "Fantatro e! fa na izany aza!"
Tsy niteny intsony Alexia fa hoy izy tany an-tsainy tany: Tena fantatr’i Papa ilay nataon’i Hery sy Malala tamin’ny maraina teo. Ny ahy moa dia toneko foana ny foko na dia tsy fantatro aza izay hiafaràny. Ataoko ahoana moa, tahaka ny voasinton-javatra mihitsy i Hery amin-dreniko… nefa izaho tena tia azy koa.
Mandritra izay fotoana izay Ratrema dia hita tena lasan’eritreritra lalina feno hatezerana toa miteny hoe: hitan’ialahy eo ry Hery ny hanaovako an’ialahy, hihinana ny *#&$£¤n’ialahy ialahy anio, fa andraso aho ho tonga any!!!
Tany amin’ny hôpitaly kosa tamin’izay:
Nafana i Malala ka namonjy ny efitra fandroana. Nesoriny ilay akanjon’ny hôpitaly dia nalefany ny rano, nahazo aina erý izy naheno ny fikorinan'ny rano teo amin'ny kibony. Notakariny ny fivaviany izay nolalovan’ny rano mafampàna dia nosafosafoiny mora ary nampidiriny tany ny fanondrony roa hanasàny ilay lavaky ny fahafinaretany. Natosiny indroa na intelo tany ny fanondrony ka tsapany fa nisy onjam-pahafinaretana niakatra moramora tany anatin’ny ati-dohany tany. Tsaroany ilay nataon’i Hery azy vao teo; nahatsiaro sambatra erý zy… satriny hanohy izany eo foana.
- "Mhhhhhh, Hery, ilay malalako, mhhhhhh!"
Najanony ihany anefa afaka kelikely fa reny mitambesatra taminy ity lanjan’ny kibony. Izy rahateo mitsangana. Nidiny ny robinet dia nosintoniny ilay serviette teo akaikiny ary namaininy ny vatany. Nampidiriny ilay akanjo fitena, saingy tsy nanidy bokotra izy, ka niseho ny kibony sy ny feny. Izy rahateo moa nanantena ny maha-irery azy tao amin’ilay efitra.
Nony nanokatra ny varavarana anefa izy dia taitra nahita ny vadiny nipetraka teo amin’ny sezan’ny mpiandry marary.
- "Ratrema, hay efa tonga ianao? efa ela angaha ianao no teo?"
- "Ie, naka ny akanjonao sy nitondra sakafo aho dia niverina; Alexia nankany amin’i Hery, fa izaho tonga dia nankatý."
Nizitizity erý Malala nampiseho ity kibony amin’ny vadiny dia natohotohony teo amin’ny tarehin-dRatrema sady nanafosafo ny lohany izy.
- "Aleo aho aloha hatoritory etsy", hoy Malala, sady namonjy ny fandriana izy nony avy eo.
Nitsangana Ratrema sady namoaka ilay harona sachet kely tany am-paosiny:
- "Inona ity?" hoy Ratrema, sady nomeny an’i Malala.
Nosokafan’i Malala ka ilay silipon’i Hery no tao…
- "Sao dia eritreretinao fa badolahy aho ka tsy hahafantatra ny ataonareo amiko!" sady
noritin-dRatrema teny an-tànan’i Malala ilay silipo ka natsipiny tamin’ny tany.
Asa na nanao ahoana fa lasa niseho tanteraka mihitsy ny fihanjahan'i Malala taorian'ilay fihetsika mahery nataon'i Ratrema nisintona ny silipo teny an-tànany. Hitan-dRatrema avokoa ny vatany iray manontolo. Naforitr’i Malala ny ranjony ary nosokafany ny feny ka nanaitra ny fijerin’ity vadiny.
Tezitra ny anao lahy, kanjo tsapany fa mihenjana ny filahiany tany anaty patalohany tany. Nosintoniny ny fe sy ny ranjon’i Malala hanatona ny azy, novahany ny fehikibony ary naborotsany ny patalohany. Navoakany ny filahiany efa tena nihenjana be, Malala amin’io tsy nahateny fa dia nanaiky tsy sazoka nefa koa toa te-hanohy ilay fahafinaretana notapahany tao anaty douche. Nosokafany be ny feny tahaka ny nataony tamin’i Hery teo, dia niditra tany anatiny lalina tany i Ratrema sady tsy niteny mihitsy fa ny fihetsiny mahery vaika tsy ankitsitsy no toa tiany hampita amin'ity vadiny ny valifaty ataony.
Miezaka ny maka fihiny i Malala amin'izay nanaovan’ny vadiny azy, ny tànany mitazona ny kibony ihany tsy handona mafy ny kibon-dRatrema. Nihozongozona mafy ny fandriana ka nandona ilay latabatra kely tsy lavitra teo. Very nianjera ny vera nisy rano teo amboniny. Tsy nahataitra azy roa anefa izany, fa ny nataony ihany no notohizany. Rehefa tsapan-dRatrema fa nanatomotra ny ho tonga ny azy, dia navoakany ny filahiany ary nanatona ny loham-pandriana izy sady niteny hoe: "Ao nonoy…" Nanaiky tsy fidiny i Malala sady nikisakisaka nanatona ny lohany amin’ny sisim-pandriana. Vao nitohaka teo amin'ny vavan'i Malala ny an-dRatrema anefa dia nifantsitsitra tonga ny azy, sady nitabataba menomenom-pahasambarana teo izy!
Nandeha naka toerana izy rehefa avy eo mba haka aina aloha, Malala kosa naka mosoara fanary namafa ilay ranon’aina nifafy tamin'ny tarehany sy ny ondam-pandriana.
Tsy tapitapitr’izay, nitsangana Ratrema dia nankao amin’ny douche sady nanidny ny varavarana. Nijanona teo am-pandriana Malala fa reraka sady nahatsapa te hatory.
Tary amin’ny hôpitaly ilany kosa…
Nihazakazaka mafy Hery namonjy ny efitra nisy ny reniny. Nifanena tamin’ny dokotera teo am-baravarana izy, ka ity farany no nilaza taminy mba hilamina sy ho tony. Niditra tao an’efitra izy ka io eo ny reniny hitany efa nahatsiaro tena, nefa tena mbola reraka dia reraka. Nibanjina an-janany ity ramatoa, hita misoritra eny amin’ny tavany ny alahelo, ny fahadisoam-panantenana, ny havizanana. Nitsiky kely izy nahita ity zanany mijoro eo akaikiny!
- "Hery!" hoy izy tamin’ny feo malefaka dia malefaka.
Nanatona azy Hery, nitady hiarina ramatoa fa tsy afaka; narenin’i Hery tsimoramora izy ary nampanarahany ondana tao an-damosiny hiankinany.
- "Hery a! sombin’aiko; avia ianao atý fa malahelo mafy aho!"
- "Mama a! makà aloha aina tsara fa mbola vizana be ange Mama e!"
- "Avia izany zanako izany!” sady niezaka izy hanainga ilay tànany misy fantsona mitondra serum, saingy nosakanan’i Hery.
- "Hery a! mamelà ahy fa diso ny nataoko taminao."
- "Tsy diso izany ianao ry Mama a! izaho daholo no fototr’izao rehetra izao; izaho sy ny hadalako, ny tsy fahafehezako ny tenako… ka aza manahy ny amin’izany ianao fa izay hahasitrana an’i Mama izao no tanjontsika."
- "Zanako ô, kely sisa no hiarahanao amin’ity reninao!"
Nilatsaka ny ranomason’i Hery, ataony ahoana tokoa moa, raha ilay hositranina aza tsy mino intsony ny fanasitranana mbola tokony ho azony? Tsy hirotsaka ve ny ranomaso…
- "Tantaraiko aminao anaka izay mbola tsy fantatrao hatramin’izao mason’andro anio izao: tovovavy bikana sy tsara tarehy tokoa aho talohan’ny nanambadiako. Marobe ireo tovolahy no nisari-zoro tamiko satria tena nanaitra ny olona maro tokoa izany bika aman’endriko izany; eny fa na dia ireo ray aman-dreny sasany aza. Nandalo teto amintsika ny foto-pisainana “hippie”, ka voatarik’ireo namako aho hanao izao rendrarendra sy hadalàna rehetra izao. Tsy nankasitraka ny zavatra nataoko ny ray aman-dreniko. Hany herin’izy ireo dia nitady olona ho vadíko. Lehilahy tsotra izay, tsy noraharahiako mihitsy sady nitsoahako tany am-boalohany, no niarahako. Tsy fantatry ny ray aman-dreniko akory fa efa bevohoka aho tamin’izany fotoana izany! Nesoriko io zaza io, ary tsy nambarako azy ireo mihitsy, noho ny hadisoam-panantenako tamin'ilay lehilahy nampitoe-jaza ahy.
Toy ny noterena aho hanambady ny rainao tatý aoriana satria tsy dia sitrako loatra izy.
Nananosarotra tokoa ny nahazoanay anao, satria efa nivady enin-taona izahay mbola tsy nitoe-jaza ihany aho. Natao daholo ny ala-nenina rehetra, ka teo vao fantatry ny rainao, noho ny filazan’ny dokotera, fa olona efa nanala zaza aho. Kivy be izy tamin’izay, ary nanomboka teo no nahafantarako ny ratram-pony, ka nahatonga ny aretiny nihombo nahafaty azy.
Nisy fotoana aza nisaraka izahay, ka lasa aho nitady lehilahy hafa ary nivezivezy tetsy sy teroa, nanararoatra ny fahatanorana ka nanohy ny filibàna handravàna tanteraka ity tokantrano. Ny fianakaviana amin’io tsy misy mahalala izany fa dia tahaka ny mpivady misaraka tsotra izao no hitany. Fotoana vitsivitsy tato aoriana dia nampodian-drainao indray aho, ka navelany avokoa ny fahotako rehetra. Olon-kendry anaka ny rainao, tsy mba nanao am-po fa tena tsara toetra. Izaho no jamba tsy nahatsapa izany akory. Tsy fantatro mihitsy, fa nony nifampody izahay, dia nitoe-jaza indray aho. Mbola nanohy ny fiarahako tamin'ny lehilahy hafa ihany anefa aho. Toa tsy nahoako akory ny fitiavan-drainao ahy, fa izay sitrapoko sy nahafinaritra ahy ihany no nataoko. Efa bevohoka be tahaka an’i Malala izao aza aho mbola sahy nanao firaisana tamin’olon-kafa ihany. Tsaroako ilay tenin’izay sipako iray izay hoe: “sao dia mba hanody anao izao ataonao izao ry Mihary, tsy fantatrao ange ny ampitso e!” Nisafoaka aho naheno an'io; nofelahako ny teha-maina izy satria tsy nampoiziko ho izay sakaizako izay no hiteny zavatra toa izany tamiko. Ny rainao nandritra io fotoana io, tena tsy nahalala na inona na inona mihitsy! Tonga teto an-tany ianao, tsy noraharahiako akory izay hoe: iza marina ny rainao, fa dia nalefako hanaraka ny onjany teny! Asa, raha fantatry ny rainao tokoa moa izany dia angamba… saingy roa taona taty aoriana monja dia maty ny rainao anaka, noho ny aretim-po tafahoatra nanjò azy. Kapoka mafy tsy zakan’ny aiko no nahazo ahy, ka raha tsy nisy ny ireo raibenao sy renibenao ireo, dia asa izay niafarako. Nanomboka niverina tamin’ny làlan’ny fahitsiana aho rehefa noteren’i Dada sy Mama niditra am-piangonana. Nifona sy nangataka famelan-keloka, saingy tsy nolazaiko tamin’izy ireo kosa ny zava-dratsy vitako taloha, fa ahy sy ny Tompo samy irery izany.
Koa ankehitriny anaka, mahita ny zava-manjò anao aho dia onena ary tena tsapako ny lanjan’ny fahotana rehetra vitako. Izao tokoa no atao hoe: “tsy ny tody no misy fa ny atao no miverina, fa dia tena mandrendrika ahy ny adalana vitako. Izao, milanja ny vesatra mafy noho ny nahazo ahy ity zanako… zanako tsy foiko, hany navelan’ny vadiko ho ahy! Efa tatý aoriana aho anaka vao nahita tokoa, tsy mihambahamba, fa mitovy tanteraka amin’ny rainao ianao. Be fitiavana, eny fa na ny endrika amam-bika aza. Kanefa izao manjò anao izao dia toetra tahafinao avy atý amiko, reninao tsy nahatsiaro hafa-tsy ny nigoka ny tsiron’ny fiainan’izao tontolo izao."
Nisento mafy ramatoa Ramihary, Hery amin’io latsa-dranomaso sady tsy nahateny, nihaino ity reniny mitantara ny fiainany amin'ny feo marefo dia marefo.
- "Mama a!" hoy izy nony avy eo (sady toa niserana tao an-tsainy izay rehetra nataony tamin’i Malala, ka toy ny nisy kanota nively ny hatony) "helok’iza? heloko samirery, helok’i Mama? tsia an! Ny hadalako avokoa no nahatonga izao rehetra izao."
- "Hery a! tadiavo foana ilay fitiavana nananan-drainao, izay no omeo an’i Alexia, ary aza miala amin’ny vavaka fa izay no hany hanavotra ahy tsy ho tafalatsaka amin’ny hantsana mandrendrika izao tontolo izao."
Nisefosefo mafy Ramihary, sady niezaka nisintona ny tanan’i Hery izy.
- "Veloma fa efa io rainao haka ahy, sady latsaka ny ranomasony!" nisento farany izy, dia tapitra ny ainy.
Nigogogogo nitomany i Hery, "Mama! Mama!" sady nanozongozona ny vatany nefa tsy mitempo intsony ny fony…
Nidradradradra sady nitomany mafy izy ka ren’ny raibeny tao ivelany, nikoropaka niditra tao an’ efitra ity farany, ary injay fa nibosesika nihazakazaka ihany koa ny infirmiers nampaneno ny fanairana. Noezahina novelomina Ramihary saingy tara loatra ary tsy nisy azo atao intsony fa efa nitsahatra tsy nitempo intsony ny fony. Ranomaso havozona no nameno ny efitra, na i Dadabe, na i Hery, samy difotry ny ranomaso avokoa. Nanjombona ny fiainan'i Hery; soa fa teo Alexia niezaka mba nampahery azy.
« | Jolay 2022 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
31 |