Tadiom-pitiavana

« Pejy 35 | Main | Pejy 37 »

Pejy 36
2006/05/07,12:49

Tena hita ho nihatsara tokoa ny fahasalaman'i Alexia. Na dia mbola lalimaso sy vizana tanteraka aza. Ny ferifery nameno ny vatany koa efa tsy dia nanaintaina azy intsony. Ny hidihidy naterak’ireny no somary tsy maintsy iaretany sisa. Vao nigadona kelikely tao ry Mahefa dia injao naneno ny findainy. I Ratrema, nanome ny laharana miafin’ilay nadefasana vola. Nila resaka tamin’i Alexia izy avy eo. Tsy nisy naheno izay resaka nifanaovan’izy mianaka tao, i Malala mantsy nivoaka kely hikaroka izay azon’ny marary atao ody am-bava fo, moa i Mahefa variana tao amin’ny birao natokana ho an’ny mpitsabo, toa nisy antontan-taratasy tsy maintsy nokarakarainy mantsy.

- "Adinoko ny nanontany na masirasira no tian-dry na mamimamy dia samy nitondrako kely avy. Tsara aloha rehefa mazoto homana ianao e! izany ihany no tena iverenan’ny aina haingana. Mba mahery misotro rano ve nefa?" Hoy i Malala toa navitribitrika niverina avy any.
- "Eny e! efa miezaka aho, izay indray i Neny sy ilay rano, rano , rano, rano foana. Sitrapoko ve ry Neny ijanona ato amin’ity hopitaly ity na dia iray minitra aza a! Ataoko daholo izay fomba ahafahako miala ato faran’izay haingana. Oadray, saika adinoko, niantso i Papa teo, ity ny mombamomba ilay vola nalefany hono hangalan’i Neny azy. Mampamangy amin’izy dahy kely koa hono. Toa tsapako nalahelo ery izy na dia niezaka ny nanafina aza. Miezaka mikaroka teny holazaina izany izy nefa tsy mahita lazaina firy, ohatran'ny misy zavatra hafa iasan'ny sainy izany. fantatro miady mafy ery izao ny sainy any. Diso fantatro loatra raha i Papa."
- "Mahareta anaka fa kely sisa. Miandry vava avy amin’ny mpitsabo fotsiny dia hanao ny famandrihan-toerana amin’ny zotran’ny fiaramanidin'i Air Madagasikara aho hodiantsika efa-mianaka. Any indray tohizana ny fitsaboana sisa."

Somary toa nihaotra kely i Alexia vao nanohy ny teniny. Nobanjininy tsara amin'ny fijery miangola ity reniny.
- "Neny a! ahoana ny hevitry Neny raha mijanona aty aho, dia aty no manohy ny fianarako? Efa aty ihany tsinona koa, sady efa izany no faniriako?"
- "An! Avy aiza tampoka teo koa no nahazoanao izany fikasana izany anaka?"
- "Rehefa voafehin’ity rindrina efatra sy farafara ity anie ry Neny dia tsy maintsy lasa lavitra ny saina aman’eritreritra e! Efa noresahiko i Papa teo dia nanaiky izy, hevitra tsara hoy izy."
Aok’izany ny hafalian’ i Malala. Tsy latsak’izany koa ny an-dRatrema. Toa mahita ity zanany afaka tanteraka sahady amin’ny gadran’ny fitiavana an’i Hery. Toy ny tsy vao nizaka fanaintainana mafy ny fony. Fitiavana be toy iny dia adinony sahady tokoa va re?
- "Tsara rehefa mandray fanapaha-kevitra sahala amin’izany ianao ka!" Hoy I Malala nitsiky, sady nandray ny felan-tanan’ity zanany. Fanapahan-kevitra tsy ratsy tokoa, mino aho fa efa nandinika tsara tokoa izato ianao. Dia sehatra mikasika inona no tianao ianarana? Sa ny teny Ankatso ihany no ho tohizana? Tsara rehefa nanaiky rainao, dia tonga dia resaho koa i Mahefa rehefa avy eo, sa efa niresaka koa ianareo?" Toa adinon’i Malala fa tsy mbola mahafantatra ny marina anie ity Alexia. Faly loatra angamba izy noho ity zanany ka zary tsy ho voafehiny intsony ny fipetsopetson’ity vavany.
- "Nahoana moa izaho no tsy maintsy tokony hiresaka amin’i Profesora Mahefa? F’angah miankina aminy izany? Rehefa manaiky ianareo sy Dada dia izay."
- "Eny e!" hoy i Malala toa tonga saina tampoka, nikaroka hevitra haingana hanarenana ilay teo. "Nieritreritra aho mantsy fa afaka mikarakara ny taratasy fiantohana anao aty izy, ny trano ipetrahana sy ny sisa. Sa ahoana hoy ianao?"

Noresahina tamin’i Mahefa avy hatrany tokoa ny fikasan-drazazavavy. Aoka fotsiny ny hafaliany. Afaka hitondra ny anjara fitaizàna ity zanako aho izany hoy izy tany anatiny tany. Satriny tokoa aza hanonerana ny fotoana tsy mba niainany teo akaikin’ity zanany ny andro rehetra sisa iainany. Toa i Alexia no nanjary hany antoka ahavelomany. Toa noho i Alexia dia foiny avokoa izay rehetra sarobidy taminy, eny fa na dia ny ainy aza. Porofo mivaingana ny tsy nisalasalany akory ny hanomezeny taova ho an’i Alexia. Porofon’ny maha olona be fitiavana azy, mbola porofom-pitiavana an’i Vololona, porofom-pitiavan-janaka asehon’i Mahefa. Saingy… porofom-pitiavana anivon’olon-droa, lehilahy manana faniriana mafy ny hifampitantana aminy no… nandraisan’i Alexia azy.


“Endrey izany fikarakarany ahy, tsy adinony mihitsy ny mivily ato amiko manontany sao misa zavatra ilaiko. Endrey izato hery mivoaka amin’izato fijeriny, toa misy faniriana lalina tsikaritro na dia toneny mafy aza. Endrey ny fandinihany ahy, toa ankafiziny ery izato fihetsiko, indrindra moa rehefa misy zavatra ilaiko ka somary iangotiako izy. Dinihiny ery izato firafitry ny endriko, toa satrin’izato masony baliaka horombahina tsy ho ety amiko, hanaraka azy, honofinofisina isaky ny alina. Vao sendra mifanojo ny fijerinay dia, na ahodiny miankavia ny azy, mody mijery iretsy karazan’odin’ny fanaintainako, na aviliny miankavanana mba hitopy etsy amin’iretsy sakafo sy rano fisotroko, na aondriny moramora ny fijeriny, toa itoriany fa resin’ny fitiavana izy, nefa toa mahery loatra ny henatra tiany horesena, noho izato elanelan-taona misy aminay, sy noho ny fifankahazoany amin-dry Dada sy Neny angamba a!” Hoy ny fiventiventin’i Alexia rehefa iny izy lasalasa fisainana mandinika ny manodidina azy iny, babon’ireo fihetsiky Mahefa tanteraka.

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype