Tadiom-pitiavana

« Pejy 19 | Main | Pejy 21 »

Pejy 20
2006/04/13,14:11

Nihomehy fotsiny ilay rangahy, nosokafany, hay solosaina ireny azo entina manaraka anao amin'izay alehanao ireny no tao. Faly ery i Hery nahita ilay izy. Tena mbola vaovao izy izany ary an-tapitrisa ariary no vidin'izy ity hoy izy tany antsainy tany.
- "Misy teknisiana ampanarahiko anao izao hanazava aminao ny ifandraisan’ity solosaina ity amin’ny orinasa. Iny izy iny efa vonona rahateo. Manam-bintana ianao rangahy an! Manao sonia eto ianao dia asiana anarana sy ny laharanao atao am-piasàna."
Tsy vintana anefa ny azy fa tena ilainy amin’ny asany io solosaina io. Izy mantsy no mitantana ny fikajiana ny resaka ara-bola amin’ny orinasa iray manontolo. Efa manana solosaina tokoa izy ao amin’ny biraony fa tena vao maika hanampy be azy ny fahafahany mitondra ity solosaina ity manaraka azy mody rehefa misy asa ilaina maika. Hafaliana ny azy ka somary nandihindihy kely mihitsy izy niditra ny biraony. Novelomina avy eo dia natsatoka ny karazana tariby fifandraisana.
Toa nanarina ny alahelon’i hery tampoka teo ity solosaina ity, satria azony entina mody any antrano.

Vita izay rehetra izay dia niditra tamin’ny tranon-kala i Hery, nosokafany ny mailaka dia nanoratra ho an’ity malalany izy, nitory fitiavana, nanontany raha voaray ny hafatra.
Hay efa tonga
dia misy ilay fifandraisana haingana (Messenger) ilay solosaina vaovao ka dia nampidiriny ny adiresiny ary dia nandefa mailaka tany amin’i Tiana izy ;
Tampotampoka teo, nivaly ; vetivety kosa izany an !
Hery : Manao ahoana ianao ?
Tiana: Salama fa ianao no manao ahoana?  
Nanazava izay fandehan-javatra teo i Hery, ny momba ilay disadisa tamin’ny alatsinainy, ny momba an’i Alexia tsy mandray antso hatramin’izao. Namaritra izay anarana izy ireo ka R :Ratrema, M : Malalatiana, A : Alexia ary Hery ny tenany.  
Hery : -Tsy azoko antso mihitsy i A hatramin’izao, alefako avokoa izay karazana fifandraisana rehetra, mailaka, antso an-tariby, finday fa tsy mahazo azy foana.
Tiana: Sao dia nisy zavatra nahatohina ny fony taminao?
Hery : Efa nifona taminy aho, fa mbola tsy namaly izy hatramin’izao ;
Tiana : Manana solosaina ve izy ao an-tranony ?
Hery : Ao amin’ny efitranony mihitsy aza ! Fa ahoana?
Tiana: Sao dia hitany ity lohahevitra noforoninao ity ka heveriny tsy azo itokisana ianao fa mampiahaka ny tsiambaratelon’ny fianakaviana?
Hery : ...........
Tiana : Izay ary ilay efa nampoiziko ! loza ampian’ny loza ny anao raha izany ; tsy maintsy ataonao izay hifankahitàna aminy mivantana ; tandremo anefa, mety mbola tohina ny fony fa tsy maintsy alefanao mailaka ihany aloha ny fifonanao.
Hery : Ka raha toa tsy mbola hitany ilay izy dia hitonon-tena eo ve aho. Tsy vao mainka loza! Ka ilay izy koa anie tena very hevitra aho fa tsy inona akory e! Nila namana aho hilazako ny manjo ahy fa tena tsy tantiko intsony. Te hiantso an’i A mafy aho fa tsy tafita mihitsy tamin’io andro namoronako io takelaka io.
Tiana : Azo eritreretina izay, fa sao dia misy zavatra adinonao tanteraka aza teo amin’izay fotoana nampiova hevitra azy tsy hifandraisany aminao intsony?
Hery : Zavatra toy ny inona ohatra ?
Tiana : Asa, mety fisaorana ohatra. Toa fifonana sy fitoriana fitiavana foana no alefanao nefa mety tsy izay no andrasany ; sao dia nisy zavatra lehibe nataony taminao talohan’io nefa adinonao tanteraka ny nisaotra azy. Vehivavy anie aho e ! Malahelo ihany aho raha misy zavatra ataoko amin’olon-tiako nefa tsy noraharahiany akory. Diniho sy saintsaino tsara aloha ny niainanao hatramin’izay. Jereo ny ora, ny minitra sy ny segondra niarahanareo mbola tena nifandraisanareo be!
Hery : Tena tsy azoko veroka mihitsy, aleo aho aloha hiasa dia misaintsaina lalina ny momba izay. Antsoiko ihany ianao rehefa miverina ato an-tsaiko izay zavatra hadinoko. Veloma.
Tiana : Tsy eto intsony aho aloha raha tsy rahampitso maraina tahaka izao. Mahereza indrindra Hery an! Tena tsapako mihitsy ny fitiavanao an’i A; Raha izaho no manana olon-tiana tahaka anao dia mirehareha mihitsy aho. Veloma ary.
Nofaranana ny fifandraisana, nisaintsaina teo i Hery, namerina tao an-dohany ny tany Ambatofotsy, ny zavatra rehetra nitranga ny alin’ny alatsinainy.
Ny asa rahateo tsy azo avela fa nitombo hatrany amin’ity andro efa akaiky faran’ny volana. Revo tao indray i Hery ka toa nandalo taminy fotsiny iny alakamisy tontolo andro iny.

Nony tonga
tany an-trano avy eo.Tsy mbola azony an-tsaina mihitsy izay zavatra hadinony izay, na dia naverimberiny foana aza ny fotoana niarahan’izy sy Alexia ny alatsinainy sy ny talohan’izany. Tsy hitako mihitsy hoy izy.
Natsofony tamin’ny solosaina ilay tariby fifandraisana an-telefaona dia nampiditra ny fahana izy ary nijery indray ny tohin’ilay tantara nosoratan-dry Tourbillon de l’Amour sy ny tariny, tena mahay maminany ry zalahy ireto, aleoko tsy mamaky ity intsony fa harary fo eo ny farany.
Nisakafo izy dia namindrafindra ny fanaka handraisana ireto namany ny ampitso hariva.
Dia inona izao no hotantaraiko amin’i Haja rahampitso raha tsy mahita an’i Alexia izy, tsy hanontany ve izy fa angaha nisaraka izahay roa ?
Tsy manaiky izany aho, fa raha mbola misy afo mitsilopilopy fotsiny atao anatiko ato dia ampy hanazava ny foko hidraradrarako ny fitiavako an’i Alexia. Tiako izy, tsy mody tia fa tena tia tokoa.

Tsy niala tao an-tsain’i Hery ny endrik’i Alexia. Endrika mahafatifaty mahababo fo avy hatrany. Naveriny tao an-tsainy ilay fotoana niraisan'izy roa ara nofo voalohany. Tsy ho hadinoko mandrakizay iny fotoana iny hoy izy. Tadidiny fa fetim-pahatsiarovana ny vaninandro nahaterahan’i Alexia tamin’izay.  
Vao nandray ny faha-fito ambin’ny folo taonany izy tamin’io. Ny ankizy namany rehetra any ambany mitotorebika tsy ifandrenesana amin’ny dihy sy ny vazo isan-karazany. Izy roa any ambony mifanorokoroka sady nifampiondakondana mifandefa hafatra amin’ny safosafo tsy nisy ohatran'izany.

- "Hery, tiako homena anao androany ny fanomezana faran’izay lafo vidy indrindra aty amiko ; ny tenako iray manontolo no omeko anao. Ianao no tiako hampiala ahy amin’ny maha-tovovavy, hirosoako amin’ny maha-vehivavy ahy amin’izay. Raiso aho ho anao."
Aleo i Hery mihitsy no asaintsika mitantara azy ...
Azoko tsara ny tian’i Alexia ho lazaina. Zavatra tsy mba nangatahiko azy mihitsy izay sady mbola tsy dia ela koa no niarahanay. Faly aho anefa sady norohako teo amin’ny molony izy.
Naveriko vetivety tato an-tsaiko ireo lesona marobe efa voaraiko raha hanao firaisana ara nofo voalohany amin'ny tovovavy virjiny. Sambany aho no hiaraka amin'ny tovovavy virijina na dia efa maro ihany aza ireo vehivavy niarahako.  Nisy iray tamin'ireny vehivavy ireny no nampianatra ahy tamin’ny antsipirihany ny tokony hataoko rehefa tahaka izao. Tojo ilay niriko tokoa aho izao, ary tsy tiako raha hanenina noho ny nataoko ity tovovavy manolotra ny tenany ho ahy manontolo ity. Tsy tiako mihitsy ny hanenenany fa indray mandeha tsy azo iverenana intsony ka mila fahamalinana be dia be avy aty amiko.
Ny fanehoam-fitiavana aloha izany no voalohany indrindra hoy aho niezaka namerina ny lesona efa nianarako. Manaraka izany, izay tsy azo atao ambanin-javatra mihitsy ny fanomanana ny sainy, na dia tiany aza ny hiroso avy hatrany dia tsy maintsy atao izay hampifantoka tanteraka azy sy hahatokisany ahy mba hahazoany fifaliana ka tsy hahenoany firy ny fanaintainany. Rehefa avy eo tsy atao ampirotorotoana mihitsy fa atao ampahatoniana avokoa izay atao rehetra.
Poa toy izay no nisaintsainako an'ireo rehetra ireo dia iny aho no nitsangana nanidy ny efitranony. Tsy niteny mihitsy i Alexia fa nandry teo ambony fandriana izy sady nibanjina ny tenako iray manontolo. Ilay jiro kely teo amin’ny sisim-pandriana no hany sisa nanazava anay roa. Namonjy nipetraka teo anoloany aho dia niharina koa izy, nosokafany ny feny hidirako manakaikikaiky azy dia nifanoroka moramora izahay sady nikaroka mafy ny lelany aho. Nofihiniko izy sady nosafosafoiko malefaka ny lamosiny, notadiaviko ilay tadi-nonony dia nosarahiko moramora. Novako ny bokotry ny ankanjony ambony rehefa avy eo dia nanao tahaka izany koa izy tamiko. Zipo fohifohy izay no nanaovany, misy elasitika, efa tafanika teo amin’ny maojany noho ilay fikisahany hamonjy ny vatako teo, hany ka mora tamiko ny nampiakatra azy handalo ny tratrany, ningainy koa ny sandriny roa handalovan’ilay lamba sady narahin’ny tanako misafo ireto sandry rakofan’ny hoditra malefaka izay toa sasa miandry ny hotolomiko.
Ny atin’akanjony sisa no teny aminy, izaho indray efa tsy nisy akanjo intsony ny tapany amboniko. Nosafosafoiny moramora ny tratrako hitsapany ireo nofo sy hozatra maneho ny tanjako. Mbola tsy navelako hesoriny ny fitafiako ambany mba ahafahako mifehy tsara ny fisehoan-javatra iray manontolo. Nosarihiko moramora ilay tadi-nono teo amin’ny sorony. Tsy naneho fandavana mihitsy i Alexia.  Indro nono roa mahafatifaty tarafin'ny hazavan'ilay jiro mitsilopilopy teo antsisim-pandriana no nanoloana ahy. Notazomiko tamin’ny tanan-droa ny ambany sorony ka ny ankihibeko no nandalo nisafo ireto loha-nono roa iza efa nanomboka taitran’ny fitiavana natolotro azy, nitsiky kely ilay malalako.
Nifanoroka indray izahay, nalefako tany amin’ny lamosiny ny sandriko, nofihiniko, nahodiko hamonjy ny takolany ny molotro dia nampidiniko tamin’ny tendany. Avy hatrany dia niverina nandry tsimoramora tamin’ny lamosiny indray izy, ny molotro kosa, nanaraka ny fatoriny ka nandalo ilay havoana amin’ny nonony iray. Ilay ondana teo ambony fandriana no nisakana azy tsy ho marin-drano tanteraka, vao tafajanona izy dia nifanandrify tamin’ny molotro ny loha-nonony ; norokorohako moramora teo iny ary tsy niala mihitsy aho fa tahaka ireny mpivahiny mitety tendrombohitra ireny, tsy maintsy mandalo havoana aloha raha te hidina eny andohasaha. Nisento mora izy, nafindrako indray ny tanako hamonjy ny takibany, niezaka mafy aho mba tsy hiala amin’ny vatany mihitsy ireto molotro ka hitsapàny ilay fitiavana tsy ankijanona hamelombelony ilay ny lavaky ny fahafinaretany iray manontolo.
Nisefosefo kely i Alexia dia nalefany teny amin’ny lohako ny tanany ilany sady nanindry kely ahy ihany izy.
Nampiako tosika tamin’ny lela avy eo ny orokoroka, tsapany ilay hafanana manenika ny vatany. Izy amin’io ilay kilaoty kely sisa no teny aminy, tsy mbola nokitihiko mihitsy fa ny hahazoany fahafinaretana amin’ity vatany ambony aloha no tiako hatosaka voalohany indrindra aminy.

Nalefako hidina amin’ny kibony amin’izay ny lelako, nihodina moramora manodidina ny foitrany; nisy hozatra mangorintsina azy tany anatiny tany ka nanainga ny maojany nahazaka ny lohako iray manontolo. Reko fa somary nimenomenom-pitiavana izy.
Nosarihiko avy eo ny molotro handalo ny faritra ambany, nolalovako fotsiny ilay tadin’atin’akanjo fotsy ranoray dia nanohy nidina hanaraka ny feny sy ny ranjony aho. Ny tanako indray manainga ilay fe sy ny ranjo hamonjy ny soroko hahamora ny fanorohako azy.
Te hikiakiaka fitiavana ilay malalako fa tsy nahateny, ny tanany no namonjy haingana ilay string, te-hanala azy mafy nefa notazomiko. Asa, mety nanelingelina azy angamba, nefa tena niriko mihitsy fa izaho ihany no hanala azy teo.
Toa azony avy hatrany ilay hafatro na dia tsy nisy teny iram-bava aza naloaky ny vavako. Navelany amin’izay aho hanohy izay ataoko, reko any anatiny any ilay onjam-pitiavana manefika azy, niala teo ambony fandriana aho, ny molotro amin’io mbola eny amin’ny kibon-dranjony ihany mba hampitohy hatrany ilay hafatra ampitiavana alefako any aminy.
Nitsangana teo amorom-pandriana aho, nalefako indray ny tanako hamonjy ny nonony, nidina avy eo hamonjy amin’izay ilay faritry ny fahasambarana tsy hita pesimpesenina. Faritra madio tsy misy pentina, fa toy ireny ala kitroka voaaron-janahary ireny ka tsy nisy sahy nikapa na dia hazo iray aza. Tsapan’ny ratsan-tanako ilay faritra mafana efa mandom-paharavoana. Tsy andriko intsony, nataoko nandroso sy ny niverina ireto ratsan-tanako hanafosafo, hotsaky ny hamandoana tanteraka ny fivaviany. Taratro fa efa lena ilay lamba kely fotsy hany teny an-kodiny. Fantatro avy hatrany fa tena misamboaravoara aminy ilay onjam-pitiavana mampite-hikiakiaka azy ilay malalako. Ny fihetsiky ny tanako dia efa mampiova ny fisefosefony, nesoriny tampoka niala teny amin’ny soroko avy eo ny tongony ka nidaboka teo ambony fandriana, nivezivezy, manokatra ny feny hahamora ny safosafon’ity tanako ilany izy.
Ny filahiako tamin'io efa tena henjana tsy nisy ohatran'izany eo am-pitsapàna ity fivaviana madio hisantatra ny fiainam-baovao. Toa henoko mihitsy ny filahiako mitalao manao hoe « avoahay amin’izay fa mba te hahita hazavana e!" Nampandeferiko ihany anefa aloha ny filako sy ny hetahetako fa tsaroako tsara ilay dingana tsy maintsy andalovako. Efa notsapainy ny filahiako fa mbola tsy hitany ary azoko antoka fa miandrandra mafy ny fotoana hahitany azy izy.
Somary natosik’i Alexia ilay atin’akanjo hiala, tonga
dia nampiako izy fa efa ela loatra angamba no nitadiavany hanalàna azy iny. Niseho teo ambany masoko amin’izay ilay lavaky ny fitiavany izay tena efa vonona handray fahasambarana. Ny ratsan-tanako amin’io mbola manafosafo hatrany ny manodidina azy, nandramako nalefa tany ny fanondroko iray, nisento mafy izy, reny miakatra any anaty lohany any ny fahasambarana entin’ity fitaovana atolony ity malalany ity. Navoaka indray ilay fanondro dia nanafosafo ilay bokotra kely mibotsina miendrika loha-nono tsy lavitra teo aho. Vao voakitika fotsiny anefa iny dia niainga tsimoramora ny maojany fa nahare onjam-pahasambarana hafa indray. Nitombo hatrany ny fahamandoana nivoaka tamin’ny lava-pitiavany. Ny molony amin’io mimonomonona te hiteny fa tsy mahita ambara, ny masony mikipy miezaka manamboatra sary tsaran’ity malalany manome fahasambarana ho azy.  
Novahako tamin'izay avy eo ny bokotry ny patalohako.Tsy nanaosarotra fa tonga
dia niborotsaka raha vao natosika nidina kely fotsiny. Ny tongony no nampiasainy hanala azy tanteraka nony avy eo. Ny silipo sisa no teny an-koditro izay nibotsina aok'izany toy ireny mpanao ady totohondry efa vonona eo ambony ringa. Naveriko indray ilay ratsan-tanako teo hiditra tany anatiny tany, tahaka ny sambokely atopatopan’ny onjan-dranomasina ny fijery azy. Ny fidaboky ny onja amin’ny sisin-dranomasina no mifandraika amin’ny fisentony sy ny fisefosefony. Niondrika aho handefa indray ilay lelako hanafosafo ity vatany, nolelafiko mora teny amin’ny nonony, nidina teny amin’ny kibony, niodinkodina teo amin’ny foitrany, ny ratsan-tanako amin’io mbola mijanona ao aminy ihany manomana mafy ity fivaviana virjiny hiroso amin’ny maha-vehivavy azy. Heniky ny fahasambarana ity malalako, efa tena vonona tokoa.
Saingy tiako ho tsapan’ny lelako izany maha-virijiny izany ka nidina teny amin’ilay faritry ny fitiavana mamy loatra aho, namboloin’ny oroko ny fofona somary masiaka manaitra ny atidohako rehetra, nolalovan’ny lelako ilay fisarahan’ny fivaviany efa vonton’ny ranom-pitiavana, nikiaka kely izy, kiaky ny fitiavana, hafa noho ny hafa tokoa ny herin’ny lela fa io no anisan’ny hozatra faran’izay malemy indrindra no sady ambony hafanana ka tsy misy maharesy azy raha mbola lalovany. Tsy naharitra intsony i Alexia fa nalefany tany amin’i filahiako ny tanany hitsapa ny habeny efa mijaridina, tahaka ireny mpilalao baolina ireny ka mirehareha hiditra ny kianja, nolalaoviny teo amin’izato fahasambarana efa manenika ity malalako amin’ny vatany iray manontolo. Niharina aho dia niezaka nitady ny famonoan-jiro, vao maizina anefa dia hoy izy: " -Hery an ! aza vonoina fa te-hahita aho?" Gaga ihany aho tamin’iny, ankoatry ny andro atoandro izay tsy azo anoharana dia amin’ny maizina hatrany no anaovan’ny vehivavy firaisana, ity malalako nefa te-hahita mafy. Tsy azoko mihitsy fa vao voalohany mampisantatra ny firaisana amina tovovavy virijiny ity, ka nanaiky koa aho, mba te hahita ihany koa na izaho aza.
Novelomiko indray ilay jiro kely, tahaka ireny sary hosodo-doko manintona ny maso ireny i Alexia miaraka amin’ity bikany soa sy mahafinaritra efa vonona tanteraka handray ahy ka hiara-miampita aminy ity fiainana maha-vehivavy.
Nampidiniko amin’izay ny silipiko, tahaka ireny miaramila mijaridina mitoraka fiarahabana amin’ny handriny ireny i Balita, efa tena ela niandrasana fa atao ahoana moa, ny lesona nampianarin’ny olona ahy fahizay anefa tsy maintsy ankatoavina mba tsy hanaonaoko foana.
Niakatra teo ambony fandriana amin’izay aho, novelariko moramora ny fen’ity mamin’ny foko, nikisakisaka moramora aho hanatona ny fivaviany, natohatohako moramora teo ny lohan’ny filahiako, nanafosafo, tsy mitsaha-miraraka ilay ranom-pitiavana, efa tena vonona tanteraka. Nandrasako kely, nampidiniko ambanin’ny fivaviany aloha ny filahiako dia ny ratsan-tanako roa indray no natsofoko moramora, nikiaka kely indray i Alexia, reny misy fanaintainanana miakatra any aminy. Najanoko teo aloha, somary novelariko tamim-pahendrena ireo fanondroko roa, ary tiako raha rovitra amin’izay ity hozatra manify maha-virijiny azy. Niandry kely fotsiny aho, reko mihitsy ny fanaintainany kanefa ny fahasambarana efa nolalovany teo dia mifangaro amin’izany ka nanadinoany ny mety hanjo azy.
Nesoriko amin’izay fanondroko, dia nihorirana aho namonjy ny lohany, nanakatra ny molony dia nibitsibitsika taminy nanao hoe : - "tiako raha eo ambony ianao." Nanaiky izy, sady niharina, izaho kosa nandry tamin’ny lamosiko. Niondrika nanoroka ahy izy dia naka lamba fotsy madio dia madio tao ambany ondany tao, tena efa vonona tokoa hatry ny ela hay i Alexia, tohina ny foko tamin'ny fihetsiny. Notsapainy sy nojereny tsara ity filahiako ary hitany fa tena nihenjana be, napetrako teo amboniko aloha izy, manatrika ahy, voasintona teny amin’ilay fivaviany ny masoko sady tarafin’ilay jiro tsara ka noraiketiko tao an-tsaiko ny firafiny soa izay tsy ho adinoko mandrakizay.
Napetrako teo ambonin’ny ahy izay mbola mitsilany manaraka ny kiboko aloha ilay lavaky ny fitiavany, ningaiko tamin’ny maojako ny vatany iray manontolo. Ny safosafon’ny vatan’i filahiako tamin’ny fivaviany efa mando no nampiakatra indray ilay hasambarana tsy hita noanoa tamin’i Alexia. Nasaiko nihantona kely fotsiny izy hijoroan’ny filahiako dia nampifanandrifiako ny ahy sy ny azy. Nasaiko nidina moramora izy avy eo dia injay fa nitsofoka sady efa vonton’ny hamandoana rahateo koa moa.
Tsapako tokoa ny fanaintainany nefa tsapako ihany koa fa nahatsapa hasambarana toy izay efa nolalovany teo izy. Vao tafiditra tany anatiny tanteraka aho dia tsy navelako nihetsika mihitsy izy aloha. Tsy ela taorian'izay dia indro nivoaka avy tao anatiny tao ilay rà tarafin’ny jiro mitsilopilopy, ra manamarika ilay fahadiovany izay natolony ho ahy samy irery ary ho ahy manontolo.
Nosintomiko teny an-tanany ilay lamba fotsy madio tahaka ny oram-panala dia nofafako ilay ra. Somary niondrika kely izy nijery. Natopiko teny amin'ny masony ny masoko. Te hiara-mizara aminy izay fanaintainana aho. Vao nifanena anefa ny fijerinay dia tsiky no natolony ho ahy. Somary nihetsika kely izy kanjo mbola nisy naharary azy ihany, nijanona teo amin’ny toeranay teo izahay roa, efa ho minitra iray.
Ny masonay nifampijery no nampita hafatra hifampizaràna ny fanaintainany. Ningaiko kely izy avy eo, nakipiny ny masony fa tena mbola maharary azy ilay fihetsika, nohozongozoniko ny maojako hampihetsika azy, narahiny fotsiny izay onja nalefako, elaela tahaka izay ihany , nanomboka niverina taminy ilay fahasambarana teo, tsy fantany intsony fa toa nahafinaritra azy ilay maharary nefa arahin’ity fahasambarana mandondom-baravarana ao anatiny ao. Niainga tsimoramora teo ambony maojako teo izy, nisefosefo mafy, ny fony midobodoboka tsy misy ohatr’izany, nikiaka indray mandeha dia namonjy nidaboka tany aoriana; tamin’izay fotoana izay no tonga
ihany koa ny fahasambarako ka nifatsitsiatra ilay ranon’aina izay efa te hibosesika hivoaka efa hatry ny ela.
Heniky ny fahasambarana izahay roa, tena tsara, tena hafa kay ilay voalohany, tsy hadinoko mandrakizay eo amin’ny fiainako.
Afaka kelikely, nihodina avy eo i Alexia namonjy ahy, nikisakisaka ka somary taitra ny amin’ity hatsiaky ny ranon’aiko teo ambony fandriana, noraisiny indray ilay lamba fotsy misy ra teo dia namafany izay ambiny mbola tavela teo ambony lambam-pandriana. Nifanoroka izay tsy izy izahay roa, velona indray ilay fantsona iray ifampitanay ny hafatra marobe tsy vitan’ny teny ny mamboraka azy.
Nijanona natoritory aloha izahay, nifampisafosafo, nifampijery tamim-pitsikiana.
- "Hery, tiako raha ho ahy irery ianao!"
- "Alexia, fiainam-baovao no iarahako aminao!"

Tsy tapitapitr’izay, injay fa nisy nandondona tao am-baravarana,
- "Ato ve ianao Alexia?"
Tsy nisy namaly izahay fa nangina fotsiny tahaka ireny hoe tsy misy olona ireny. Nony afaka kelikely dia niala teo ambaravarana ihan ilay niantso. Natompiko teny amin'i Alexia ny masoko ary dia tsiky malefaka feno fitiavana no navaliny ahy.

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype