Tadiom-pitiavana

« Pejy 16 | Main | Pejy 18 »

Pejy 17
2006/04/10,11:06
 Lasa nirifatra i Ratrema, nandeha mafy aok’izany. Tezitra ny anao lahy, be loatra ny hambom-pony. Tendrim-po tsy mba namana tokoa, ka naleony aloha niala izao trangan-javatra mety hanahirana azy izao. Fantany tsara tokoa ny fahadisoana nataony, ary azony tsara ny mahatonga izao zavatra rehetra miseho izao. Nijanona vetivety teny amin’ny sisin-dalana izy, noraisiny ny finday ; nantsoiny i Corine :
- "Allo ! Aiza ianao io izao? "
- "Fa misy inona ?" hoy ny feon’i Corine tao anaty finday.
- " Mety ho afaka mifankahita ve isika izao fa tena henjana ny raharaha."
- "Ianao ve Ratrema adala sa mody fanina an ! Amin’ity andro efa alina be, tsy fantatrao angaha fa manambady aho. Zaranao aza tsy eto akaikiko eto izy fa tsy noraisiko akory ianao raha tsy izany."
- "Tratran’i Malala ilay nataontsika aninkeo."
- "Tsy problemako izay tratra any fa anao izany," sady notapahin’i Corine ny antsony.
Vao mainka romotra I Ratrema, naviliny lalana ny fiarany dia nankany am-piasàny izy. Eken’ny sainy tokoa ny fahadisoany fa ity Hery misolantsolana miditra amin’ny fiainan-tokantranony no tena mampirehitra ny fahatezerany.
Na izaho, na ilay Herin-doza iny, hoy Ratrema tany an-tsainy, fa tsy ifandrombonana mihitsy ny mitondra ny fiainan-tokantranoko. Nandefitra sy honena an’ialahy aho hatrizay, fa ho hitan’ialahy amin’izay izay tsy mbola niainan’ialahy.

Tany an-trano anefa, sahiran-tsaina aok’izany ny rehetra tao, ny fanafody mbola tsy nisy voavidy, Malala mbola vizana dia vizana tsy mahateny fa ny ranomasony no mijohy amin’ny tarehiny, izy mianadahy kely tsy mitsahatra ny mitomany. I Alexia tsy antenaina fa latsa-dranomaso mahita an’ity reniny. Ilay taratasy kely amin'io mbola teny an-tanany ihany. 
Nidina i Hery nitady ireo taratasim-panafody, mbola teo ambony latabatra lehibe. Noraisiny dia niakatra izy.
- "Tsy maintsy vidiana haingana ireto fanafody ireto," hoy izy. " Aleo aho omena lakilen’ny fiara iray dia handeha hividy ireto." Nampahereziny teo i Alexia sady nampangininy fa tsy maintsy handeha vetivety izy.
- "Andraso tsara eo aloha i Malala fa tsy maintsy mila anao izy amin’izao tsy salama izao."
_ "Tena loza ny nafitsok’i Ratrema, lehilahy loham-pianakaviana ve no sahy handao ny vady aman-janany marary nefa ny andro alina ? Tsy mety izany," hoy izy. "Na inona tendrom-po, na inona fahatezerana, ny tokantrano tsy azo avela indrindra amin’ny fotoana tahaka izao. Izaho aza mbola tsy manam-bady mahatsapa izany, koa lehilahy lehibe tahaka iny ve?"

Nomen’i Alexia azy ny fanalahidin’ny fiara dia lasa i Hery. Nasainy niaraka taminy ny mpiambina ny tanàna iray dia novelominy ny fiara ary nivoaka ny vavahady izy nandeha hitady ny fivarotam-panafody miandry raharaha. Teny an-dalana vao tsaroany fa tokony haka vola, naviliny lalana tampoka ny fiara handalo ireny fakana vola mampiasa karatra ireny. Rehefa azony izay nilainy dia nihazo izay farmasia akaiky azy indrindra teo izy.
Teo vao tsapany izany hoe mandray andraikitra eo anivon’ny ankohonana izany, izao tokoa moa izany no mitranga rehefa misy marary ny ao an-trano, ary tena mahatsiaro sahirana tokoa rehefa ny vady aman-janaka no iharany.
Vady aman-janaka.. iza moa letsy no itotototoan’ialahy toy izao fa tsy ny zanak’ialahy, dia ny reniny. Toa fanaintainana hafa fa tsy tahaka ny tamin’izy nitsabo an-dReniny taloha no tsapany. Ireto hay moa hoy izy no tena silaky ny aiko.

Raha tsy naditra tokoa letsy ialahy ry Hery, dia tsy nisy mihitsy ny tahaka izao. Lasa tsy hiverina intsony ireny, nefa mamela takaitra tsy mety afaka eo amin’ny tarehin’ialahy ; ary isaky ny misy zavatra mitranga dia ren’ialahy mangirifiry foana, ary mbola miboba-rà aza indraindray.
Verivery saina teo i Hery, varimbariana, vizana sady torovana. Ilay mpivarotra nanontany raha mila faktiora izy no nanaitra sy nahatonga saina azy.
- "Ramose an, asiana faktiora ve?"
- "Ann ! fa ahoana tokoa moa ? Tsy tokony hasiana ve?"
- "Gaga aho mantsy raha tsy asiana, fantatro tsara anie i Mme Malalatiana e !" Niara-nianatra izahay taloha, ary iray dabilio mihitsy, isaky ny mividy fanafody izy dia manketo amiko foana, dia miresaka izahay. Mahita ireto lisitra ireto aho, angaha tena marary be i Malala sy ny zazakely ? Fa ianao moa no iza raha tsy mahadiso?
Kaodikaody i Hery.
- " Niara-nianatra taminy ianao ? Euuh, (tsy hitan’i Hery izay hotenenina), fofombadin’i Alexia aho ka!"
- "Hay ! Hay ianao izany ilay Hery, firesany matetika mihitsy ianao. Ary tena hay mbola bôgôsy kosa kay ianao noho ilay nolazainy ahy," sady nitsikitsiky be izy.
Fa inona indray ary no nolazain’i Malala tamin’ity Ramatoa ity, aza hitako ka fantany avokoa ny momba ahy iray manontolo. Ilay vehivavy amin’io mitsikitsiky ihany. Asa izay ao an-tsainy.
Nataony ny faktiora rehetra, dia nomeny ny fanafody rehefa avy nandoa vola i Hery;
- "Mirary fahasalamana an’i Malala, rahampitso maraina aho, rehefa vita ny garde, dia mandalo any aminy any. Mampamangy e!"
- "Misaotra tompoko," hoy i Hery, "Mme iza moa raha tsy mahadiso?"
- "Mademoiselle ka, Mlle Tahiana, faly mahafantatra an’i Hery." Sady natolony ny tanany ho mariky ny fifankafantarana.

Sadaikatra be i Hery nivoaka ilay farmasia. Kivy be ihany izy fa tena fantatr’ilay vehivavy teo hatramin’ny anarany. Loza koa ity vava tsy ambina ataon’i Malala. Raha izao ve tsy tsara tatitra avokoa izay nataoko rehetra hatrizay. Loza miampy loza angamba.

Nodiany tsy noraharahiana izay zavatra nitranga teo fa ireto marary itondrany ny fanafody no nohezahiny nabahana ny sainy.
Raha izao moa Ratrema no niverina, ary mety izany mihitsy no ao an-trano ao, asa angamba izay hitranga ; aleo izany tsy hirariana fa hisy hifamono ho faty eo angamba.
Eny an-dalana izy tsy miteny mihitsy, ilay mpiambina nanaraka azy amin’io mangitikitika sy te-hanontany izay nitranga. Tsy naharitra intsony ity farany ka niteny sady somary nivazivazy.
- "Ramose an ! Tena misy inona marina ao fa Ingahy Rainy be lasa nirifatra aok’izany nefa izao isika avy nividy fanafody."
- "Sshhhh ! ho fantatrareo eo ihany ny tohiny, marary fotsiny i Madama ao, ny zazakely an-tanana ihany koa. Aza dia asiana resaka be fa manjary manahirana."

Tonga
izy mirahalahy, vao nijanona ny fiara dia nivoaka ilay mpiambina namoa ny vavahady.
- "Jereo aloha ilay 4x4 an’Ingahy Rainy teo raha efa tafaverina ao!"
- " Tsy mbola ao kah!"
- " Voahay tsara ary ny vavahady dia aleo aho hiditra."

Niakatra tany amin’ny efitr’i Malala i Hery, nojereny, hay efa matory. I Alexia lasa nidina any ambany nikarakara izay ranon-dravim-boafotsy fanampiny homena ity marary. Noraisin’i Hery moramora ny tanany. Ny ilany mitazona ny taratasim-panafody milaza izay tokony hatao. Navoakany tsirairay izay fanafody tao anaty harona, dia natokatokany teo ; tsy maintsy hofohazina ve izany i Malala hanomezana ireto? Hoy izy  niteny irery.
Niditra i Alexia :
- "Hery, hay efa tato ianao ? Efa nihafana ny hafanany, nomeko ravim-boafotsy mafana izy dia nitonitony rehefa avy tsemboka be, nasiako tavoahangy misy rano mafana koa tany amin’ny tongony dia izy io natory io;"
- "Ary i Cynthia ? Nanao ahoana izy izay ?"
- "Hay efa nomen’ilay dokotera fanafody izy fa soloina fotsiny rahampitso rehefa tonga
eo. Dia nomena azy izay tokony hohaniny. Efa matory ihany koa."
- "Ouff ! izay vao milamina ny saiko."
- "Ity bandikely ity no tsy mety matory fa variana milalao, i Toky amin’io nanaraka an’i Alexia nandady niakatra ny tohatra ; Faly ery vao nahita an’i Hery sady nihazakazaka kely ery niantsampy teny aminy."

- "Ahoana ny ataontsika ry Alex ? Tsy niverina mihitsy ve ny Papanao. Aleo aho handeha amin’izay fa tsy maintsy hiverina eo izy, asa indray angamba izay hitranga."
- Aza mirohirohy saina ianao fa efa niantso azy aho. Mbola tsy hiverina hono izy aloha fa aleony mijanona any am-piasany ihany ; misy efitra kely fakàny aina koa ange any e ! mangotraka be ny fony ka aleony aloha mampitony tsara izany vao miverina aty;"
- "Ka na teo aza izy, izaho koa tsy hamela anao handeha mihitsy. Jereo ange ity mahazo anay e!" sady nanafosafo ny lohan’i Hery ihany izy.
- "Andao aloha hisakafo fa hitako mihitsy hoe : tsy mbola nanendry hanina izao ialahy ity hatramin’ny avy any Ambatofotsy."
I Toky amin’izay efa miha-mavesatra ny maso keliny te hatory, dia nampandrian’izy roa tao amin’ny efitranony. Niara-nidina izy ireo, norosoan’i Alexia trondro izy ka ninosanosana ery. Vao vita ny sakafo dia nitsangana i Hery, nanoroka ity malalany sady nisaotra.

Injay fa re misokatra ny vavahady lehibe, mitaratra miditra any an-trano ny jiron’ny fiara. Fiaran-dRatrema io, tsy isalasalàna mihitsy.
Tampoka, misy mikiakiaka any ambony, i Malala izay, misy zavatra nitontona mafy sady mikodiadia amin’ny gorodona .
Nihazakaza i Hery niakatra ny tohatra...........inona indray no zavatra hiseho ?

Nihazakazaka tahaka ny tsy teo i Hery raha vao nandre ilay kiakiaka nataon’i Malala tany ambony. Niditra izy, i Malala amin’io tafarina mihitsy, hay taitra tampoka fa nanao nofy ratsy angamba, ilay tavoahangy nisy rano mafana koa mikodiadia amin’ny tany fa voadakan’ity marary tamin’ilay fahatairana teo. Nanatona i Hery sady nipetraka teo ambony fandriana, i Malala amin’io niezaka ny hatory ary natohony teo amin’ny tratran’ity malalany ny lohany. Fantany fa eo no ahazoany aina, eny na dia fotoana kely fotsiny aza. Nitady tambitamby teo izy, nangataka horotsirotsiana mba hampihena ny fanaintainany izay sady manjo ny sainy no manjo ihany koa ny vatany iray manontolo. Mafy tokoa marina izany hoe voafitaka. Soa fa i Hery no hitany teo ka nanamaivana ihany ny fanaintainany izy efa mila tsy ho tantiny intsony.

Tany ambany anefa, Ratrema niditra ny trano, efa nandrairay whisky tany am-piasàny tany angamba. Notsenain’i Alexia ka nosarihiny hipetraka aloha.
- "Mbola ao angaha i Hery?"
Nanainga soroka fotsiny i Alexia fa tsy niteny. Nitsangana indray Ratrema hijery am-badiny.
- "Papa, efa nampanantena ianao fa tsy hamoa-doza eo imason’i Neny intsony. Mangataka mihitsy aho raha azo atao, aza mbola miakatra any aloha, sady nosintoniny ihany ny tanan-drainy. Papa ho’aho, je t’en supplie;"
Tsy nahasakana an-dRatrema anefa ity fitalahoan-janany fa niakatra tany ambony ihany izy hijery izay manjo am-badiny.
Nony efa akaiky ny tokonam-baravarana izy dia niahotra kely, nijanona aloha ; nangalarany fijery kely izay tao an’efitra. Indro hitany i Malala miondana amin’ny tratran’i Hery, ity farany manafosafo moramora ny tarehiny. Nisento tokana indray rangahy be, reny miakatra ny hasarotam-piaro mahita ity ataon’i Malala, amin’ny lafiny iray anefa dia nahatsiaro koa ny fahadisoany ihany izy raha nitsoaka ireto ankohonany tamin’ny fotoana sarotra, eo ihany koa ny alahelo noho ny famitahana ankitsirano ity vadiny. Ny fitsabahan’i Hery amin’izay andraikitra raisiny izay angamba no mampitroatra azy tahaka izao.

Niala moramora ny varavarana izy, saika hidina, nefa nijanona sy nisaina kely aloha. Afaka segondra vitsivitsy, niditra ny efitranony ihany.
Izy roa, na lazaina ihany koa hoe : izy mianaka koa, tsy nahita na nandre ny fidiran-dRatrema, ka raha tsy somary nikohaka ingahy rainy tsy nitodika i Hery.
Fantatr’i Hery tsara fa efa ao an-trano Ratrema fa asa na mody tsy noraharahiany na tena fiantsiana tsotra izao. Ratrema amin’io mamonkona ny totohondriny sady toa mivandravandra azy. Vao nahita izany i Hery dia nitsangana, niezaka nampatory an’ i Malala handray ondana, ity farany nisintona ny lamba ka nisakobona tao anaty fandriana tsy te-hahita indray izay ady mety hitranga eo.
Samy nifampivandravandra izay tsy izy teo aloha i Ratrema sy Hery. Toa nifandinika teo izy mianaka, tahaka ireny biby masika te-hampiseho ny heriny amin’ny masony ireny. Nilefitra tampoka anefa i hery :
- "Papa," hoy izy, "tsy mila ady amin’ity andro alina aho fa aleo aho handeha hody izao dia izao ihany;" sady nivily lalana izy tsy hifanehatra amin-dRatrema. Vao tafavoaka ny varavarana anefa dia niteny mafy Ratrema :
- "Ho aiza ialahy iny ! Raha mandingana ny tokonam-baravarako eo ialahy dia aza mihevitra ny hiditra ato amiko intsony mandakizay; ny lalan’ialahy zorina, tsy mila izay ialahy aho ! matesa any amin’izay odian’ialahy any ! olon-tsy vanona."

Nigogogogo nitomany indray i Malala tao anaty bodofotsiny tao. Taitra i Alexia nandre ny feon’ity rainy. I Hery teo amin’ny tohatra saika hijanona, mafy taminy loatra ilay tenin-dRatrema, ary tahaka ireny kibay mively ny lamosiny ireny. Notohizany ny lalany, nodinganiny ihany ilay tokonam-baravarany, nivoaka ny trano izy hamonjy ny vavahady. Hazavana kelin’ny jiro sisa no nahatazanan’i Alexia ity malalany teo am-bavahady, nihazakazaka nivoaka izy fa tsy nahatratra an’i Hery intsony. Nandeha mafy i Hery hamonjy izay arabe akaiky azy amin’iny lalan’Ivandry iny. Soa fa vao tafavoaka ilay lalana izy dia nisy fiarakaretsaka sendra nandalo ka dia nosakanany hitondra azy mody tany antranony.

Mafy ity mahazo ahy, aza mba halan-dRafozana ihany, hoy izy. Nalahelo kely an’i Alexia izy, tsy niala tao an-tsainy ilay alok’i Alexia niantsoantso azy hoe : Hery an ! miverena fa aza manao ohatran'io moa e …

Vao
tonga tao an-trano i Hery dia namoha ny efitranony. Namonjy fandriana haingana hanalàny ity vesatry ny fiainana babeny tao an-damosiny. Navoakany avokoa izay zavatra rehetra tany am-paosiny tany, hay adinony tany amin-dry Alexia ny findainy. Nieritreritra kely teo izy, avy eo nidina tany ambany, noraisiny ilay telefaona tao an-trano, saika hiantso ilay Malalany kanjo napetrany ; notsoahiny avy eo ny tariby fa fantany tsara fa hanenoneno eo io mandra-paha marainan’ny andro.
Niakatra izy avy eo natory, nivadibadika am-pandriana teo nefa zara raha nahazo torimaso fa niady saina lalina ;

Nony maraina, raha tsy nigodongodona tao amin’ny efitra ilany tsy taitra i Hery, niarina teo am-pandriana izy dia nankao amin’ny efitra nisy ny raibeny sy ny renibeny. Harona efa vita fatotra sy sacoches roa lehibe no hitany teo amin’ny gorodona, i Dadabe sy Bebe amin’io somokotra ery manangona izay akanjon’izy mivady sisa tavela ao anaty larimoara.
- "Fa ho aiza ianareo ry Bebe?"
- "Izao ry ise an!" hoy i dadabe, angamba efa tena ampy kosa angamba izay izay nitoeranay mivady teto amin’ise izay, nisy hafatra tonga avy any ambanivohitra fa miandry anay ny akoho amam-borona, efa omaly izay no azonay, fa ise vao tonga
omaly alina dia lasa indray ; tsy maintsy mandeha izahay mivady fa efa lehibe koa ange ise e ! Io ny tranon-dRay amandrenin’ise dia kolokoloy tsara, mety afaka tapa-bolana any izahay miverina mandalo indray."
Tsy nahateny i Hery, amin’ny lafiny iray te hanana fahanginana tanteraka izy amin’izao mahazo azy izao, amin’ny lafiny iray anefa, mila ny tambitamby avy amin’ireto raibeny sy renibeny ireto koa izy, tsy sahy nilaza izay nanjo azy anefa ny anao lahy, hany heriny dia nanaiky fotsiny ny handehanan’ireto ray aman-drenibe ireto.
Niomana sy nisakafo izy avy eo, varimbariana ery, tsy mahatsiaro izay hanina alefa ao am-bava. Niandry fotsiny izay hiaingàn’izy rehetra avy eo. Nibata ny entana tao anatin’ny fiarakaretsaka dia nandefa an’izy mivady tany amin’ny taxi-brousse. Nohidiany ny trano, dia lasa koa i Hery namonjy ny toeram-piasàny.

Vao lavidavitra tsy ho tonga
i Hery dia efa nahita i Alexia miandry azy eo am-bavahady. Tsara tarehy izay tsy izy, asa tokoa anefa izay tena mandifotra ny sainy fa raha vao nifanakaiky izy roa dia ny fanontaniana momba ny fahasalaman’i Malala no  nivoaka ny vavany voalohany.
- "Tsy misy bonjour akory ve?" hoy i Alexia, "sady niezaka hanakatra ny molotr’i Hery izy. Zara raha oroka no nataon’i Hery ary naviliny teny amin’ny takolany akory aza ny molony ; Tsy nisy azon'i Alexia natao afatsy ny nanaiki-molotra fotsiny nony avy eo. Novohainy ny poketrany dia natolony an’i Hery ilay finday hadino tany an-trano ny alin'io.
- "Fa angaha misy simba izao ny telefaoninareo any an-trano no tsy mahazo mihitsy." Fantatr’i Alexia fa tena lotika ny fon’i Hery ka nataony mihitsy izay tsy hahazoana miantso azy. Efa niantso tokoa mantsy izy talohan’ny nahatongavan’i Hery tany an-tranony ny alina, nefa tsy nisy nandray, ary tena nandeha tsara ilay antso, avy eo anefa occupé foana mandra-paharainan’ny andro ka naleony niandry an’i Hery tany am-piasàny mihitsy.
- "lasa aho," hoy izy tamin'ny feo toa feno hatezerana nefa toa mifono alahelo ampo ihany koa. Vao dify teo anatrehan'i Hery  anefa izy dia nanganohano ny masony nieritreritra ny zavatra niainany vao segondra vitsy monja teo.
- "Alexia ! andraso aho aloha," vao mainka anefa i Alexia nihazakazaka niala ilay toerana. Tsy hitan’i Hery izay hatao, ny tena efa ho diso fidirana. Hany heriny dia niverina namonjy ny vavahady handray ny asany.

Tsy nitombin-tsaina intsony i Hery, ilay notiavina nitsoaka ny tena, ny tena voaroaka sady tsy afaka mandia tany any amin-dRafozana, i Malala tsy fantatra intsony izay nahazo azy izay, i Cynthia sy Toky koa mba nanao ahoana izay? I Dadabe sy Bebe lasa tampoka tsy misy fifampidinihana, sanatria ve tezitra izy mivady fa tsy eo lava aho dia ataoko ho tahaka ny mpiandry tanàna fotsiny izy ireo?
Very hevitra teo i Hery, niezaka nanala ny fony tamin’ny asa izy ka tsy niraharaha izay hitranga. Tsy nisy niantsoantso azy rahateo moa tany am-piasàna.

Niezaka mafy mihitsy izy hahavita izay sonia, kajikajy, tatitra ara-bola maro samihafa efa niandry azy izay hadinodinony tamin'iny herinandro lasa iny. Tsy niala sasatra mihitsy izy ary tsy nihato raha tsy nahatsiaro torovana ny sainy sy ny tanany. Nataony avokoa izany hanadinoany izay olana nandreraka ny sainy hatramin'ny omaly harivan'io. Tena lotika ny fony, vao mijanona kely anefa izy amin'ny asa izay nataony dia toa ny tenin-dRatrema foana no manakoako ao an-tsainy. Izy ilay nandroaka ary koa tsy hanaiky ny hidiran'i Hery any aminy intsony. Izao izany ilay atao hoe : halan-drafozana, nefa hoy izy misy fitenenan'ny ntaolo hoe : " raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha ".
Shhh, hoy i Hery tany an-tsainy tany, aleo izany ho any, raha Ratrema moa no tsy tia, aleo izy ho any fa izy efa-mianaka no tena tsy mampilamina ny eritreritro. Raha ny tena tiako izao dia hanala azy miaraka amin'ny bandy akama, hilaboraingy rahalina, kanefa, ahoana moa no iantsoana an-dry zalahy izao, ny andro ity Talata, gorôbaka rahateo araka ny filazan-dry zalahy ihany. Aleo aloha jerena ato anatin'ity diary ity. Ireto sy ireto avy, aleo asiana marika. Maroamaro ihany izy izany no misy mailaka.  Ndeha handefasana mailaka miaraka in-dray mipoaka ry zalahy, izay tsy tratra antso ihany no antsoina an-tariby na finday. Aleo raiketina amin'ny zoma hariva rangahy an! ny trano malalaka tsy misy olona rahateo.
Nosokafany ny tranonkala www.wanadoo.mg, nojereny ny mailaka. Feno hafatr'i Alexia marobe tao. Ndryyy ! malahelo kely ilay malalako indray aho izany. Dia loza koa letsy izany fa tahaka ny tsy noraharahiako akory ange izy tamin'ny maraina teo e ! Izy rahateo tonga
dia lasa nirintona. Very ialahy Ra-Hery raha ilaozan'iny sipa iny, sady nojereny tsirairay izao hafatra mamy marobe mitory fitiavana saika efa ho isan'andro.
Izany letsy no tena fitiavana, nefa dia potehin'ialahy, raha nahay nifehy tena kely fotsiny ialahy dia… sshhh, rano raraka tsy azo raofina intsony izany.

Nanoratra izay hafatra alefany amin'ireto namany izy, nilaza tamin-dry zalahy hoe : amin'ny zoma hariva izao any an-trano. Samy mitondra izay tiany ho entina.
Aleo koa handefasana SMS avokoa dia amin'izay tonga
tsara ny hafatra.
Dia variana teo ampototry ny solosaina teo izy ny atoandro iray manontolo. Talata tokoa moa, andro fahazarany nankany amin-dRatrema nefa indrisy.
Rehefa vita izay nataony dia tafaverina teo amin'ny takila voalohany ilay tranokala izy.
- Aleo mba hijery izay ato anaty forum ato fa efa elaela aho izao no tsy nanokatra ity. I Alexia ihany mantsy no nahitako azy ity. Nosokatsokafany teo izay nahaliana azy, olana, mitady an'izao, mitady fitiavana, misy zava-betaveta ihany koa. Dia lasa saina teo izy ka mba namorona sujet vaovao tao amin'ny sampana " séduction et sexualité " : " reny sy zanaka ampirafesim-binanto. Loza fa vonjeo ! "

Dia izao no nosoratany tao :
*******************************************************
Nandalo tany amin'ilay ilay Jobako aho fa fotoananay tamin'io. 17 taona izy ary izaho 25 taona. Zoma tolakandro ny andro. Tsy ao izy hoy ilay mpanampiny fa mbola nirahin'i mamany ary mety ho elaela vao ho avy. Nadroso ihany aho satria nampandrosoina. Ilay mamany no tao amin'ny salon nijery fahitalavitra. Naka vera izy dia nampidina zavam-pisotro misy alikaola kely ho ahy. 15 minitra taty aoriana, naka kapila mangirana izy dia nilaza tamiko fa hoe aleo mijery horonantsary mihetsika fa tsy mamely ilay tao amin'ny fahitalavitra. Tantaram-pitiavana masaka be ilay horonantsary nojerenay. Nisy ampahany maromaro ahitana olona manao firaisana ara-nofo tao. Teo amin'ilay ampahany fahatelo amin'ilay olona manao firaisana iny indrindra dia toa tsy naharitra intsony ilay mamany fa nosafoiny ny filahiako sady hoy izy, " tsy dangitra ve ialahy amin'izao? " Niala kely aho saingy tonga dia nobedainy sady mbola vao maika nangaroniny ny tao anaty patalohako no notereny hovahana ny hidiny. Izaho moa efa te hanao dia navelako izy nanao izay tiany hatao teo. Sady nanafosafo ny fivaviany mbola tao anaty silipony teo izy no nitsetsitsetsitra ny filahiako. Tsy naharitra intsony izy nony kelikely fa noesoriny tanteraka ny silipo teny ankodiny ary dia nanao be teo izahay. 35 taona eo angamba ilay mamany ary tena mbola mitana na tarehy na ny bika. Vita ny natao dia menamenatra aho fa izy mody tsy nanisy sira. Efa somary harivariva vao tonga ilay zanany. Nitady hevitra hivoahana tao haingana aho dia nilaza fa mbola maimaika. Sankodiavatra be anefa aho no tena marina. Tsy nadalondalo tany amindry zareo intsony aho taorianan'io fisehoan-javatra io. Roa herinandro taty aoriana, nisy nametraka hafatra tao am-piasana fa mila ahy maika dia maika ary miandry ahy any ivelany hono io olona io. Nivoaka aho ary akory ny hagagako fa ilay maman'ilay Jobako no tao. Tonga aho dia notaritiny hoe mila miresaka aminy. Niditra tamin'ilay Salon de thé tsy dia lavitra teo izahay dia nilaza izy vao tafapetraka izahay fa matahotra hono izy sao misy mahita ka dia notaominy aho haka toerana mangingina miaraka aminy ao anaty fiara. Vao tafiditra tao anaty fiarany izahay dia efa tsy tratra ny tanany iray fa efa mitady hanafosafo sahady ny filahiako mbola mifono tsara tao anaty pataloha. Tsy hay tohaina ny tao anatiko fa tonga dia nivonto avy hatrany ary dia tsy aritro intsony ka navelako izy hanarapo tamin'izay tiany hatao teo. Bikan'olona kosa aloha izy e ! Tena ao amin'ilay mampatsiro azy mihintsy. Vita ny natao dia nody fanina indray ny anao vavy. Telo volana taty aoriana, efa lasa fahazaranay ny mangala-dia mandeha manao firaisana aranofo antselika. Mandritra izay fotoana rehetra izay anefa dia mbola miaraka amin'ilay jobako ihany aho. Eni-mbolana aty aoriana izao, Bevohoka hono i rabofy ary izaho no lazainy fa tompony ary ho tazoniny ilay zaza fa reveny be hono aho.

 Dia tsy nitsahatra ny revy fa nitohy ihany, izao efa teraka koa ny zaza faharoa izay mbola ahy, ary fantatry ny rafozan-dahiko satria efa tratran'izy sy ny jobako ambody omby izahay.
Voaroaka aho izao tsy mahazo mankany amin-dry zareo intsony. Dia tsy hitako izay hatao : tsy hiraharaha, zanaky ny tena roa tsy foiko mihitsy, ilay jobako nefa mbola tena tiako sady tia ahy koa.
Vonjeo re olona fa loza.
****************************************************

Dia tsy nisalasala i Hery nandray ny solon'anarana hoe : Ikelimaditra. Ary mailaka vao noforonony no nataony ifandraisana tao.
Ikelimaditra : Maditra marina letsy ialahy ity ry Hery. Izao hadalàna izao vitan'ialahy daholo. Leo sahady indray izy fa toa mampisaina azy zavatra betsaka ity nataony ity.
-Asa indray izay mbola hadalako nandefa io sujet io, sady toa niontana tampoka teo ny fony.
Aleo hitranga any izay hitranga fa ho hitantsika eo.
Najanony ny solosaina dia nandeha nivoaka izy hitady harapaka tany ivelany.

Loza fa hay lany fahana ny findainy. Ny chargeur any an-trano. Tsy nampaninona azy akory anefa izany, sao dia manenoneno eo koa, hoy izy, ka vao mainka mankarary an-doha.
Nony tafaverina avy nisakafo izy dia nanohy ny asany indray. Na izany aza anefa toa mahatsiarotsiaro an'i Alexia foana, i Malala ve izay nanao ahoana, i Toky sy Cynthia. Mba nanao ahoana ange izy ireo izay e !

Variana tamin'ny asany teo izy ka saika tsy nahatsiaro ny firavàna. Raha tsy nanao veloma azy ny mpiara-miasa vao taitra ny lehilahy, dia mba nampirin'entana koa dia lasa nody.
-Tsy misy olona izao ao an-trano mikarakara sakafo, fa aleo aloha mandalo ato amin'ity snack ity, hividy sakafo efa vonona ka hafanaina fotsiny rehefa hatory.
Nataony ny commande, niandry elaela kely. Nipetraka teo amin'ny seza fiandrasana, sady misy fitaratra lehibe velarana nanoloana azy. Tsy sahiny akory ny nijery ny tarehiny fa tahaka ny misy omby masiaka izany tady hanoto azy ao aoriana ao. Aleo marina enjehin'ny omby masiaka toy izay enjehin'ny eritreritra hoy izy sady niondrika izy fa tsy nijery.
Tampoka anefa, tao aoriany tao nisy feo henony toa niteny hoe : " SALUT MON BEAU-GOSSE "
« salut mon beau-gosse !!!! » Feom-behivavy tsy dia fandreny matetika ilay izy. Nefa vao haingana no nahatadidiavany azy. Nitraka kely i Hery, somary nikentrona, dia nojereny teo amin’ilay fitaratra lehibe. Indro vehivavy mitsikitsiky izay maniry hiresaka mafy no mifanila aminy, ary tonga
dia vavany fa tsy mba fijery mifanena akory. Mody mangata-maso, mibory volo hatreo amin’ny hatoka, manana endrika falifaly aok’izany. Nihodina tsimoramora teo ambonin’ilay seza i Hery hifanatrika amin’ity vehivavy, kanjo somary voasarika vetivety ny masony hibanjina ireto nono mampite-hamehy anaty tanan-droa ireto. Nifampijery tsara izy ireo avy eo.
- "Hay ve ianao e ! Gaga be aho."

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype