Tadiom-pitiavana

« Pejy 11 | Main | Pejy 13 »

Pejy 12
2006/04/01,18:48

- "Maninona no tonga eto ity fiaran’ny hopitaly ity?" hoy Ratrema, nivaloharika ny tarehany sady nisefosefo be izy! 
Tafavoaka ny fiara avokoa ny rehetra namonjy ny vavahady. Saingy nosakanan’ilay olona nanontany Ratrema: 
- "Azafady ramose fa tsy misy tokony hitaintainanao mihitsy: tsy misy maninona akory ato." 
Tahaka ny tsy ren-dRatrema akory ny tenin’ilay rangahy fa ny varavaram-by no noezahany novahana, kanjo nosintonin’ilay rangahy izy. 
- "Aza taitra mihitsy ianao ramose a!" hoy indray izy, "fa tena tsy misy olana hoy aho!"
Nijanona kely Ratrema sady nijery tamin-piketronana ilay rangahy; 
- "Ka inona no ahatongavanareo ato, tsy fantatrareo angaha fa bevohoka be ny vadiko ka mila hanapaka lalan-drà ahy mihitsy ity ianareo tahaka ny manao be fihavy ity! Fa misy inona eh?"
- "Miala tsiny indrindra ary Ramose fa efa fantatray tokoa izany" hoy ilay rangahy, “fa ny vadinao mihitsy no misy resaka tianay hatao aminy, raha tsy mahadiso tompoko!"
- "Ny vadiko ?? efa miteny aminareo aho fa efa miandry vohoka be izy ka raha taitra amin’izao fahatongavanareo izao, dia asa izay hanjo antsika rehetra eto," hoy Ratrena namaly. 
- "Azafady re tompoko ô!" hoy ilay rangahy, “mino mihitsy ary aho fa tonga dia ho fantany raha vao mampilaza aminy izahay.” 
- "Vadiny aho rangahy ity a!" hoy Ratrema, “ambarao amiko izay anton-dianareo!"
- "Eny ary tompoko!" (nifanatona ny rehetra izay teo am-bavahady), - "dokotera miasa ao amin’ny hopitaly aho, ary asa raha fantatrareo fa nalefanay taty aminareo ny ambulance omaly vao maraina. Nisy ramatoa safotra teto araky ny voalazan’ny mpamily ka i madama vadinao, ilay bevohoka be, no nampiantso anay. Nilaza izy fa olona tsy fantany io ramatoa io; nahita ny toe-batan’ny vadinao koa ireo mpamily sy ny mpitsabo vonjy taitra, dia nibata fa tsy nanao fanontaniana firy, ary tonga dia lasa. Fantatray ny misy io ramatoa io satria tany aminy ny kara-panondrony, saingy nandehananay ny adiresiny dia mihidy tanteraka ny tranony ary ankizy madinika no tao an-tanàna. Koa nirahin’ny hopitaly izahay hiverina aty sao dia misy mahafantatra azy ihany eto amin’ny manodidina eto! Tsy mahatsiaro tena mantsy hatramin’izao ilay ramatoa, ka mila mitady haingana izay havany izahay…"
- "Fa olona tahaka an’iza izany ramatoa izany?" hoy Hery, nitsatsaingoka. 
- "Andraso fa alaiko ao anaty kitapoko ao ilay kara-panondrony sao dia fantatrareo," 
………………………………………………………….. 
- "Maninona ialahy ry Néné no tsy nilaza tamiko momba izany ambulance izany omaly?" hoy Ratrema nitrerona mafy ilay mpiambina. 
- "Azafady mose fa noheveriko fa efa noresahin’i Madama anao izany omaly dia tsy niteny intsony aho!"
- "Ialahy ho'a tena tsss! Tsy fantatr’ialahy angaha fa izaho no tompo-mandidy ato amin’ity trano ity??" 
Niverina ilay dokotera, nitondra ilay kara-panondro teny aminy.
- "Ity ilay izy," hoy izy, ary nomeny an-dRatrema,. Nanatona azy Alexia ary taitra be! 
- "Hery! Kara-panondron’i mamanareo ity! Sariny mihitsy io!"
Taitra koa Hery, nanatona: "tena azy marina ity!!", hoy izy, "Dadabe a! tsy mahatsiaro tena i Mama???" Taitra be Dadabe ary niezaka niankina tamin-jafikeliny. 
- "Ahoana koa ary izany," hoy ilay dokotera…. 
- "Ampidiro avokoa aloha ny fiara rehetra," hoy Ratrema, "dia mandrosoa daholo fa higagan’ny olona isika eto am-bavahady eto."
Novahan’i Alexia ny vavahady kely vy dia nampandrosoiny tao an-trano i Hery sy Dadabe ary ilay dokotera. Ratrema sy ilay mpamilin’ny hopitaly kosa samy nampiditra ny fiarany avy. 
Malala, mandritra io fotoana io, dia mbola resin-tory tany ambony rihana. Asa na izy ilay nivoaka vao maraina, na vizan’ny fahafinaretana nifanaovan’izy sy Hery, fa torimaso hany izany! Na ny fifamaliana teo am-bavahady, na ny klaxon nataon-dRatrema aza, tena tsy nanaitra azy akory. 
Nony tonga tao an-trano ny rehetra, ilay karatra amin’io eny amin’i Hery ihany, dia nasain’i Alexia nipetraka teo amin’ny salon i Hery sy ny Dadabeny ary ilay dokotera, fa izy kosa naka ranom-boankazo tany an-dakozia. 
Very hevitra Hery, toa mihodina aminy avokoa ny tany aman-danitra. Inona ity mahazo azy! Nitady fahatonian-tsaina izy kanefa tsy azony mihitsy ny ainy. I Dadabe etsy mivaloharika malahelo an-janany vavy sy ity zafikeliny lahitokana. 
Niverina Alexia nitondra ranom-boankazo mangatsiatsiaka tsara, nasainy nandray teo avokoa izy rehetra, dia nitombina nipetraka teo akaikin’i Hery izy. 
- "Dia ahoana ny atao?" hoy Ratrema. "Fa maninona ny maman’i Hery?"
- "Aretim-po goavana ny mahazo azy," hoy ilay dokotera, "tsy maintsy mankany izao dia izao isika fa mi-delire foana hoe Hery, Hery, mijaly ny zanako, ilay ramatoa. Ka tsara raha manainga tsy misy hatak’andro izao isika ho any aminy. 
- "Misaotra anao izahay dokotera fa efa hatry ny alina izao no nitaintaina ity zanany ity momba ny misy ny reniny," hoy Dadabe.
Fa tamin’izay fotoana izay indrindra, Malala nihaino moramora ny resaka tao alatrano, fa taitra ihany izy noho ny figodongodon’ny olona tao ambany. Nanarangarana nijery ary reny Ratrema niteny hoe : 
- "Fa dia ahoana loatra ary no tsy nampandrenesan’i Malala ahy izany zavatra nitranga izany? Olona fantany tsara ange i ramatoa Ramihary, nahoana ary? Tsy azoko mihitsy."
Toa nanako tao an-tsain’i Malala ny tenin-dRatrema, nitazona ny fisefosefony izy. Nangorintsina tany an-dohany tany sady tsy tanany intsony fa dia naleony nisefosefo mafy tamin’ny vavany, sady niezaka nitsaitsaika hiala ilay toerana nihainoiny resaka. Tsipalotry Ratrema tampoka anefa ity vadiny toa saika nianjera ka nihazakazaka haingana izy namonjy azy. Tamin’izay indrindra no voasaringony ny tongotry ny latabatra kely misy ny abat-jour bakoly tsara tarehy, izay tena lafo vidy tokoa, ka nitontona ary niparitaka tamin’ny tany. Tsy nahoany izay nitranga fa hamonjy ity vadiny niankina ny rindrina ary nikorisa hipetraka amin’ny tany no tao an-tsainy voalohany. 
- "Malala!" hoy izy," nanarina ny lohany, “maninona ianao????" 
- "Hery, maman’i Hery," hoy Malala tamin’ny feo tena vizana tokoa! 
Nikoropaka ny iray trano namonjy an’i Malala, ity vao tena loza. 
- "Aza itangoronanareo eo izy," hoy ilay dokotera "fa mila rivotra madio. Tazony eto dia somary orina kely tahaka izao… Haka masque à oxygène atsy anaty fiara aho. Batao tsimoramora izy ho eo ambony canapé;eo, fa mangatsiaka loatra amin’ny tany." 
Samy nanao izay ho afany teo ny rehetra hamelombelona an’i Malala. Niverina avy any ilay dokotera nitondra ny fitaovany ary nametaka ilay saron-tava tamin’ny tarehan’i Malala. Nojereny ny tosi-drany… Afaka kelikely dia hoy ilay dokotera : 
- "Tsara raha tonga dia manainga dieny izao isika rehetra mitondra an’ity reny bevohoka ity any amin'ny hopitaly, fa sao misy tampoka tsy azontsika anoharana. Tadidio fa olon-droa izy ka mila mitandrina tsara. Aleo misoroka mba tsy hanenenana."
- "Alexia!" hoy rainy taminy, “mandehana haingana ianao, alaivo Toky ao ambony ao fa sao mitomany eo raha tsy eo ny mamany. Izahay rehetra eto hibata ny reninao ho any anaty fiara. Haingàna ianao fa vonjy aina ity."
Lasa alexia niakatra, noraofiny ambongadiny avokoa izay entana fitondra miaraka amin’i Toky, ary nentiny nidina tany ambany ka nataony tao anaty fiaran-dRatrema. Niakatra izy avy eo naka ny zazakely. Ny hafa rehetra kosa somebiseby ery nibata sy nampiditra ity ramatoa bevohoka ao anaty fiara, izay tsy mahatsiaro ny tenany intsony. 
- "Entin’ialahy ry Hery ny fiarako," hoy Ratrema, "ary Alexia no mitaiza an’i Toky ambara pahatongantsika any amin’ny hopitaly. Aza ilaozanareo mihitsy izahay fa hampiasa detresse eny an-dalana."
Novelomina ny fiara, novahana ny vavahady, dia nifanaraka teny ny fiara roa, ka ilay an’ny hopitaly nanana anjomara sy jiro no nitari-dalana. 
Teny an-dalana, Hery no nitondra ny fiara ary Alexia sy Toky no nipetraka teo anilany teo. Asa na nisy inona fa najoron’i Alexia i Toky ka niezaka nisarangotra amin’ity tanany kely tamin'ity "rainy". Taitra tampoka Hery nahita ity zanany niezaka hisarangotra taminy. Io ilay zanako tsy foiko, hoy izy niteny irery tany an-tsainy, tazain’ilay malalako izay tokony hanomezako ny fitiavako iray manontolo, kanefa toa zarazaraiko amin’olon-kafa. Nanganohano ny masony ary latsaka ny ranomasony. 
Onena i Alexia nahita an’i ity malalany latsa-dranomaso. Dadabe nipetraka tao aoriana tamin'io tsy dia nahatsikaritra ny zava-niseho fa lasa fisainana sady nivavabavaka mafy mba hampitony ity onjan-dranomasina mitady handetika ny fiainan'izy mianakavy ity. 
Rehefa tonga tany amin'ny hopitaly ireto fiara roa, avy hatrany dia nalefa tao amin'ny sampana miandraikitra ny fampiterahana i Malala. Efa niandry tao ny fandriana hitondràna azy sy ny mpitsabo mpanampy vitsivitsy. Nivoaka ny fiara ny rehetra ary nanampy nibata sy nametraka azy teo ambony fandriana. Dia natosika niditra tany anatiny. Tsy niala teo akaikin'ny vadiny mihitsy Ratrema tamin'io na dia iray segondra aza. Alexia no nitrotro an’i Toky nanaraka azy avy ato aoriana. Hery sy ny Dadabeny kosa mbola taraiky nanidy ny fiara tany ivelany. 
Nony tafiditra tao anatiny Hery mianaka dia nanontany an'i Alexia hoe: 
- "Nalefa aiza?"
- "Tsy haiko," hoy Alexia, "fa tsy navelan-drizareo nanaraka tany aho sy ny zazakely fa tsy maintsy miandry eto hono, niditra tetsy amin’itsy varavarana itsy ry zareo."
Nisy zavatra tena nahamahana an’i Hery, ary tena tsy azony mihitsy. Inona marina ny zavatra nitranga omaly, naninona Malala no tsy nilaza nefa izy izany nahita an’i Mama nitambotsitra teo am-bavahadiny??? Tsy mino mihitsy aho fa tsy fantatr’i Malala i Mama!" hoy izy niteny irery tany an-tsainy.
Nanatona ny accueil izy dia nanontany, 
-"Ianareo ve mety naheno hoe nisy ramatoa nentina tamin'ny ambulance taty amin’ity hopitaly ity omaly, nefa tsy fantatra ny havany?"
- "Ié," hoy ilay ramatoa, "tonga hatraty aminay tokoa izay resaka izay, andraso fa i dokotera Herinaivo teo no mahalala azy fa tokony hiverina eo izy. Tsy ato amin’ity service ity mantsy izy iny no miasa, ka tsy afaka hijanona ela any."
Nisokatra ilay varavarana nampidirana an'i Malala teo, nivoaka tao ilay dokotera Herinaivo, nitsangana Alexia 
- "Nanao ahoana izy dokotera?" hoy Alexia nanatona. 
- "Non! tsy maninona ka, efa voarain’ny dokotera tsara izy satria vao teny an-dalana aho dia niantso azy tamin’ny findainy. Efa nanome toky izy fa tsy misy maninona fa mety malaise kely fotsiny, nisy nanaitra azy tampoka!!! aza matahotra intsony ianareo. Efa miomana hanao echographie ry zareo mba hijerena akaiky ny zava-misy, sao…"
- "Dokotera a!" hoy Hery, "ianao ihany izao no mahalala ny misy ny reniko fa aiza no misy azy?"
- "Izay mihitsy no nivoahako tao haingana, manaraha ahy ianareo mianaka. Oay, ity zazakely ity tsy mahazo mandeha mankany fa tsy maintsy mijanona eto, sady nijery an’i Alexia izy. Zanakao angaha izy io?"
Nojeren’i Alexia i Hery; 
- "Zandriko ity ka," hoy Alexia, mamanay ilay niditra tany teo. 
- "Andao ary," hoy ilay dokotera. 
Norohan’i Hery ny malalany dia lasa izy telo mianaka nandeha, fa i Alexia sy Toky kosa nijanona teo amin’ny efitra fiandrasana ihany. 
Teny an-dalana: 
- "Tsy haiko intsony izay mitranga ato fa toneo mihitsy ny fonareo. Zanakao ilay Mme Ramiara rangahy be ô? manana endrika mitovy aminy ianao izany."
Tsy nisy nahateny intsony teny an-dalana fa ny ahatongavana haingana ao amin’ny réanimation no tao an-tsaina. Rehefa tonga dia nanontany ny dokotera namany izy ary nanatona azy mianaka: 
- "Tsy afaka miara-miditra any ianareo mianaka fa mandehana tsirairay!"  
- "Ndàna letsy" hoy Dadabe.
Niditra Hery, nidobodoboka be ny fony, nalahelo mafy izy nahita ity mamany sous-sérum ary mbola tsy mahatsiaro tena. Noraisiny ny tanany sady nanganohano ny masony. 
- "Mama!" hoy izy nibitsibitsika, “aza ilaozanao aho fa ho very!!!"
Tao anatin'izay fotoana izay indrindra koa anefa no injay fa niraondraona ny vibreur-n’ny findain’i Hery tany am-paosiny tany. Nojereny, numeraon-dRatrema ary dia noraisiny : 
- "Hery a! Tongava aty ialahy fa tadiavin’i Malala," mikitakita be no tahaka ny tezitra izany ny feony! 
- "Mama anie ato tsy mbola mahatsiaro tena e!"
- "Ie, azoko tsara fa i Malala no mitady an’ialahy fa tsy izaho, tongava araka izay azon’ialahy atao," sady notapahiny ny antso. 
Fa inona indray izany, tena tsy mazava amiko mihitsy. Rehefa mbola velona aloha ny mamako dia izay no zava-dehibe amiko hoy izy tany an-tsainy. 
Nitsangana izy nony avy eo dia nivoaka niantso ny Dadabeny: 
- "Aleo aloha Dadabe indray no miandry azy ao fa tsy maintsy miverina ary amin’ny maternité ary aho fa misy niantso ahy." 
Tonga dia niditra Dadabe fa tsy nanisy fanontaniana. I Hery kosa nandeha moramora nivoaka hamonjy an’i Malala sy Alexia. 
Toa nisy lanja mavesatra niala tamin’i Hery nony nahita an-dreniny mbola miaina izy, eny fa na dia mbola tsy nahatsiaro tena aza. Tsy mampandry saina azy koa anefa ity nataon’i Malala tsy nampahafantatra ny zava-nitranga akory fa tahaka ny nody fanina ary nanao fanahy iniana ny tsy hilaza mihitsy aza. 
Raha sendra nampiditra ny tanany tany am-paosiny iny i Hery teny an-dalana hamonjy ny trano nisy an'i Malala, dia tsapany tao ny fanalahidin’ny fiaran-dRatrema izay tavela tany aminy. 
- "Afa-baraka!" hoy izy, "mety ity angamba no nahatezitra an-drabaininy be teo. Mety saika haka zavatra tao anaty fiara izy kanjo ny lakile taty amiko. Izay mihitsy no niantsoany ahy. Asa izay ho vavan’iny, nefa nambarany mazava fa i Malala no mitady ahy. Tsy te-hieritreritra an’i Malala sy izay nanjo azy koa aho satria tsy nianjera mafy akory izy tany an-trano. Sady nisy dokotera teo, raha oharina ny manjo an’i Mama dia tahaka ny sila-hoho ny nahazo azy… Izy bevohoka rahateo ka izay no nampikoropaka ny rehetra."
Nony tafiditra ilay efitrano fiandrasana izy dia indreo izy mianaka niandry azy: 
- "Mandehana mankao amin’ny efitra 236 fa mitady an’ialahy i Malala," hoy Ratrema sady nivandravandra be izy. Tsy nisy fanontaniana akory ny momba an'i Mama na dia kely aza. Natolotr’i Hery ilay lakilen'ny fiara no taitra izy tsy nahita an'i Toky.
- "Fa aiza i Toky?" hoy i Hery. 
-"Efa nampidirana berceau tao amin’ny efitr’i Neny," hoy i Alexia, "dia napetraka ao izy."

- "Nanao ahoana i Mamanareo ry Hery?" sady nosakambininy ity malalany. 
- "Mbola tsy mahatsiaro tena izy fa ... tsy haiko ny ilazàna azy fa mbola nikoropaka koa aho tamin’ilay nantsoinareo." 

Naterin’i Alexia tany amin’ny efitra nisy an’i Malala i Hery ary dia niara-niditra izy roa, Malala amin’io matory mihorirana mijery ny varavaran-kely toa nanome lamosina azy ireo. Nony tafiditra sy voakatona ny varavarana dia nihodina Malala ka niharihary ilay lambam-pandriana avoitran’ity kibo beny. 
- "Alexia a! Ndàna miaraka amin’i Dadanao maka izay fitaovako rehetra any an-trano fa efa eto i Hery afaka hiambina tsara ahy."
- "Ka ny maman’i Hery anie ry Neny mbola tsy mahatsiaro tena e! Tokony ho any aloha izahay roa izao kanefa irahinao indray aho hody sahady. " 
-"Ndàna fa i Dadanao teo ange nilaza fa hampilaza ny any am-piasàny momba ny tsy fahafahany e!"
Tsinjon’i Alexia fa misy zavatra konikononin-dreniny indray ka te hahita an’i Hery samy irery izy, sady aleo koa ireo hifanazava eo hoy izy tany antsainy tany fa tsy tiako ho hita akory. 
Nivoaka i Alexia sady nisintona an’i Hery ihany koa; tao amin’ny lalantsara izy vao niteny hoe: 
- "Anontanio azy tsara ny anton’izao rehetra izao fa tsy azoko mihitsy ity tantara ity. Lasa aho fa tena tiany mihitsy ianao hiresaka samy irery aminy."

Lasa Alexia, ary dia niverina niditra moramora i Hery. 
- "Azonao hidina tsara ve io varavarana io ry Hery?"
Nodinihin’i Malala izy dia nasainy nankeny aminy. Tsy noraharahian’i Hery akory ny teniny fa i Toky no nojereny, kanjo natory be ny anao lahy. Nitodika teny amin’i Malala izy avy eo sady nanatona. 
- "Hery a!" sady noraisin’i Malala ny tanany dia nasainy nisafo ny kibony. “Tsapanao tsara ve? Io ilay fitiavako anao” sady nesoriny ilay lamba firakotra ka ilay akanjo fitena sisa no teny aminy izay hany nanakona ny kibony. Notazoniny ihany ny tanan’i Hery hisafosafo ity vohoka eny aminy ary nosintoniny niakatra ilay akanjo mba tsy hisy elanelany intsony fa tiany ho re ny hafanan’ny tanan’i Hery. Ity farany rahateo mihevitra tanteraka fa zanany ity ao an-kibo ka nanomboka naka fihiny ery. 
- "Tiako loatra ianao, ary satriko ho ianao foana no ho eto anilako eto, Hery a! Avia aty, fa fohy loatra ilay tamin’ny vao maraina teo."
Nalefany tany amin’ny patalohan’i Hery ny tanany, ity farany moa tahaka ny nosintomin-javatra ka nanadino ny olana mianjady aminy rehetra fa nifantoka tanteraka tamin’i Malala. Novahan'i Malala izay bokotra rehetra teny amin'i Hery sady nesoriny ny akanjony. Noraisiny ilay filahian'i Hery izay efa niha henjana sady nolalaoviny. Tsy nahatohitra ny fankampanahy teo anoloany i Hery, ka dia niondrika moramora sady nampidina ny tanany tany amin’ny fivavian'i Malala izay efa tsy nisy rakotra intsony. Novelarin'i Malala ny feny sady hoy izy tamin'ny feo miangoty:
- "Mmmmhhhhh, avia fa efa miandry anao mafy aho, sady nikisakisaka izy hanatomotra ny sisim-pandriana mba hahafahan'ity olon-tiany miditra any anatiny. Nanatona I Hery, niditra tao anatin'I Malala izy ary nakariny hifamatotra teo amin'ny valahany ny fe sy ny ranjon'i Malala. Tsy ela akory taorian'izay dia henony niakatra ny tsirom-pahafinaretana tany anatiny tany ary dia nahatsiaro sambatra ery izy. Samy namikitra teo amin'ny kibon'i Malala izy roa mba tsy hihetsehany be loatra. Tampoka tsy nampoizin'i Hery akory, dia injay fa nikiaka nisintona azy mafy araka izay azony natao i Malala. Fantatr’i Hery avy hatrany fa tojo ny farantampom-pahasambaran'ny nofo izy ary izay ihany koa no nanaitra ny tao anatiny te hibosesika hivoaka. Asa anefa izay nandalo tao an-tsainy fa notsoahany haingana ny filahiany ary dia navelany hifantsitsitra teo amin'ny fen'i Malala teo ny ranonainy iray manontolo. Difotry ny hasambaran'ny nofo izy roa, ary dia ohatran'ny resintory avy hatrany i Malala. Lasa fisainana i Hery nony niverina tamin'ny zava-misy ny saina aman'eritreriny mandinika ity reny bevohoka efa ho teraka afaka roa volana nefa toa mitady firaisana ara-nofo tsy an-kijanona aminy!! 
Niherikerika nitady seza izy nony avy eo fa godro tanteraka ny lohaliny ka hila tsy hahatsangana intsony. Naka toerana izy no sady nanontany an'eritreritra hoe: Fa inona mihitsy no mahazo ahy amin’ity Malala ity eh, ohatran'ny azon'odimpitia tsy haiko resena izany aho aminy???
Afaka kelikely, nitsangana izy nampiditra ny silipony. Nifoha tampoka anefa i Malala sady niharina ary nibanjina azy tsara…. 
- "Oay!!!!! Ny siliponao……. oadray marina, tena adinoko…. aza hitako!!!” hoy Malala. 
- "Fa misy inona?" hoy Hery taitra tsy nahahetsika.


 

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype