Tadiom-pitiavana

« Pejy 7 | Main | Pejy 9 »

Pejy 8
2006/03/29,22:17

- “Aza manahy ianao ry Alex fa ho tanterahiko ny fanirianao... Hidinika amin'i Mama aho rehefa tonga izy, dia alamintsika ny resaka. Ary andao aloha hatory fa mbola hiasa aho rahampitso...” 
- “Sabotsy anie rahampitso ry Hery e!”
- “Hay moa? marina raha haiko intsony! Tena very mihitsy anie ny saiko tamin'iny omaly iny fa tsy hainao e ”
- “Oh! tsapako dia tsapako tokoa izany rahavako, kanefa atao ahoana moa? Ny hangatahako aminao fotsiny dia aoka izay zavatra nitranga rehetra hijanona ho antsika ihany. Tsy tokony hisy hahalala izay tantara rehetra izay ny havanao, na ny reninao aza... Ekena fa zafikeliny izany i Toky, raha ny marina, nefa tsy tsara ho fantany izany vis à vis an'i Papa... Azonao ve?”
- “Azoko tsara mihitsy ry Alexia a...”
Dia nilamina indray aloha ny tamin'iny. Rehefa avy niresaka tamin'i Mama aho, dia faly ery izy nandre ny fanapahan-kevitro hoe hanambady amin'izay. Efa may ery Rafotsy ny hanan-jafikely. Efa tapaka izany fa amin'ny sabotsy faran'ny volana izao no hatao ny fisehoana ary efa nanaiky Ratrema. Dia nifankahita foana izahay sy Alexia isan'andro fa naleonay nifankahita tany antoeran-kafa. Naleonay nihataka an'i Malala aloha, izay nitaraina tsy salamalama foana tao ho ao. I Ratrema no matetika mijanona ao an-trano mikarakara azy sy ny zazakely. 
Andro vitsy tato aoriana anefa dia tonga niandry ahy tao am-piasana ingahy lehibe, efa nampoiziko ihany aloha satria i Alexia efa niteny tamiko fa te hifampidinika amiko alohan'ny raharaha ny rainy ka dia niandry ny antsony aho kanefa tsy nisy... 
- “Manao ahoana Rahery?” hoy izy nitsikitsiky..

- “Manao ahoana Papa! Salama?”
- “Metimety ihany aho fa i Malala no tena mandreraka be mihitsy. Manao malaise be foana izy ka tena mazana ny mikarakara azy...”
- “Sao misy azoko atao ry Papa? Asa! sao tsy tianao anefa?”
- “Tena mila anao mihitsy aho ry Hery amin'izao fotoana izao, kanefa noho i Alexia tsy manaiky intsony ny hifankahitanareo sy Malala, dia manahirana ahy ny hakangataka ny fanampinao.” 
- “Marina izany ry Papa, nefa tsy afenina anao fa miady koa ange ny lohako e... Manana responsabilité koa aho eo anatrehanareo sy Malala, indrindra moa ny zazakely, kanefa dia tsy hitako izay atao... Je tiens beaucoup à Alexia aussi...” 
- “Izao angamba no mety ry Hery a! Mba mandalova any an-trano ianao mijery azy rehefa atoandro avy miasa iny, eo aho manko amin'iny ka na eo aza i Alexia mety tsy hampaninona azy loatra ny fihaonanareo...” 
- “Toa mety tokoa izany hevitrao izany... Aleo aza manomboka rahampitso e! fa misy zavatra tiako holazaina aminao izay koa...”
- “Momba ny inona? Momba ahy ve?”
- “Ie, hay ve zanakao manokana i Alexia fa tsy hitambaranao amin'i Malala e!”
- “Tantara mbola lava ny amin'izany ry Hery...” 
- “Efa notantarain'i Alexia ahy daholo ka...”
Nisento lalina i Ratrema sady nandeha namoaka ny pipany izy... Iny foana ny azy no paoziny rehefa miasa iny ny sainy... 
- “Ny marina rehetra leitsy ry Hery mbola tsy fantatry Alexia a!...” 
- “Ny marina? Fa inona indray ny marina? Mbola diso indray ve ireny reko ireny?” hoy aho toa niteny irery, toa namerin-desona... 
- “Izao no tena marina...” hoy Ratrema sady namoaka setroka ny vavany... Roapolo taona lasa izay, nanambady an'izay vehivavy faran'izay tsara tarehy izay aho... Tena tiako be izy io ary tsy nahatanty niandry ela aho, fa iray volana taorian'ny nifankahitanay fotsiny dia notereko ny ray aman-dreniko hamita ny raharahanay... Tsy tena fantatro loatra anefa izay momba an’i Vololona, izay moa no anarany... Vita ny raharahanay ary gaga aho fa roa volana tao aoriana dia bevohoka be izy... 
Nanontaniako izy hoe ahoana ny anton'izao, dia tsy nafeniny ahy fa tsy zanako io zaza nentiny io. Ny rainy hoy izy dia maty voatifitra tamin'ireny raharaha 1985 ireny, maty voan'ny balles perdues tamin'ireny raharaha Kung Fu ireny ary tsy hita faty hatramin’izao... Efa saika nolazainy ahy ihany ny marina fony izy niahotra ny hanambady ahy, fa izaho no maika ka dia nanaiky ihany izy. Vao avy traumatisée be koa izy tamin'ilay tantarany ka nitsetra azy aho ary nianiana taminy fa ho raisiko ny zanany ho toy ny ahy. Nananosarotra be anefa ny fiterahany ka tsy voavonjy izy fa izay hahavelona ny zaza no natao dia izay... Tonga i Alexia... Nanana rahavavy nitovy aminy izay i Vololona, mbola zandriny be dia be, nefa dia lava sy tsara tarehy koa... Nanampy ahy be izy tamin'ny fikarakarana ny zazakely ka lasa nifankatia izahay. Azon’ise an-tsaina avy hatrany angamba fa tsy iza io olona io fa i Malala ...”
- “Hay izay izany no antony nilazanao indray mandeha iry hoe hozanahanao indray? Azafady aloha fa mamoha fota-mandry...” 
- “Ie... ny mahafaly sy mampionona ahy izao sisa,” hoy Ratrema namono ny pipany, “dia i Toky izay hany zanako... Io izany no mba tena ahy, ary hanadinoiko ny tsy nety rehetra natao'i Malala ahy... Mbola kely tokoa izy iny no novadiako, hany ka tsy nanakana azy aho tamin'izay sitra-pony rehetra...”
Ankona aho... Raha hain-dRatrema indray manko fa tsy zanany anie i Toky, dia asa indray izay hitranga... Izay aho vao tena ho faty! 
- “Tiako ho fantatrao ny marina, alohan'ny raharahanareo satria expériences efa hitako izany nanambady olona tsy fantatro tsara akory izany, ka dia renao izy izay... Tsy nisy tsinin'i Alexia akory izany rehetra izany...”
- “Fa naninona anefa no tsy nampahalalaina azy izany rehetra izany?”
- “Tsy tantiko ny hahita azy mety hanosiboho-tanana ahy hoe  tsy rainy akory aho… Hitanao ny fitiavany ahy, sarotra amiko ny hilaza ny marina... Mety haratra ny fony, tsy haiko... Raha sitrakao, aza lazaina azy aloha izany amin'izao, fa aleo ho vita ny raharahanareo...”
- “Eny ary raha izay no tianao... Rahampitso antoandro izany?”
- “Mampamangy amin'ny reninao ao...”
- “Veloma!”

Vao niditra ny trano aho, dia indro i Mama nitsena ahy, sady nampiseho ilay akanjo vao novidiany anikeheo kasainy hoentina amin’ny fisehoana… 
- “Hery a! Jereo, jereo! Tsara ve ity?”
- “Oadray ry Mama! Taiza iny no hitanao? Tena tsy ratsy mihitsy ny lokony, etsy hoe ilay lamba kasihako? Dray!”
- “Somary lafolafo kely aloha izy ity anaka, kanefa tena nikipy aho fa ny tsy fananana ve anaka no haseho any an-tranon’olona any? Toa mahitahita be mihitsy hono ity rafozanao?” 
- “Ry zareo aloha ry Mama manana izay tsy izy, fa tsotra be ilay Ratrema,” izany no anarany manko... 
- “Hay Ratrema? Ary nanao ahoana ihany ilay vadiny lazainao hoe tsy salamalama izay?”
- “Dia tsy haiko loatra ry Mama ka!” Hoy aho somary niala kely ilay resaka, kanefa tsy te hampiseho be koa hoe tena miala bala, dia mody notohizako ilay resaka... 
- “Ohatry ny hoe bevohoka ange izy iny ry Mama fa tsy haiko loatra e!”
- “Hay? Fa firy taona ilay ramatoa ry Hery, mbola tanora angaha ry zareo?”
- “I Ratrema aloha efa zokinjokiny ihany fa ny vadiny vao efapolo taona latsaka… 38 ans angamba? Ny olana dia vao haingana izy no teraka, vaovalo volana izay ilay zanany farany, ka izany no tena mandreraka azy...”
- “Fa naninona hono no izao ry zareo vao miteraka kanefa i Alexia efa ho roapolo taona?”
- “Asa re tsy fantatro izany ry Mama” hoy aho… 
- “Ary inona no kiraronao? Ahoana koa, ry Dadabe ve afaka hiakatra amin’io andro io?”
- “Tsy maintsy hiakatra ry zareo e! Fa nahoana izy no tsy ho avy? Iza no hiteny eo aminao? Andro lehibe ange izany ry Hery fa ianao no hany zafikeliny e!!!” 
- “Ary ahoana ry Mama ny ambiny rehetra? Ny raharaha sy ny sisa?”
Nisento kely i Rabofy dia naka seza indray aloha rehefa avy nizitizity kely teo anoloako miaraka amin’ity akanjo tsara tarehy…

- “Hery a! Io izao no olana kely... Hitanao ihany fa ny tahiriko tena kely, ny eritreritro izao dia esorina ilay mpanofatranontsika ery Ambohi... dia amidy ilay trano eny...” 
- “An, an, an ry mama a! Dia hivarotra lova amin’izay mariazy ve?” 
- “Ka ny voninahitry ny fianakaviana ange no arovana ry Hery e! Sa ahoana ny eritreritrao amin’izany? Ny lehilahy anie no miantoka ny mariazy e! Na eo aza ve ny volan-dRatrema, tano ny maha-lehilahy anao anaka, fa ny ao aoriana anie no tsy ho tanty e!”
- “Marina izany teninao izany ry Mama fa efa am-potony kely ange ity raharaha, ka ahoana koa no hanalanao mpanofa amin’izao intsony? Mampalahelo ry zareo raha tairinao eo... Aleo aho hitady hevitra hafa ka...” 
- “Asanao anaka!!! Andeha aloha hisakafo fa efa refona koa angamba ianao io… Ny alina hono mitondra fisainana ry Hery ka aleo rahampitso izany tohizana? Andao ho any andakozia e!”
Dia nivadibadika fotsiny ny lohako ny alina fa tsy nahita tory mihitsy aho... Izay aho vao tsaroako nandainga be tamin’i Mama... Tsy sahiko ny nivaky taminy ny marina rehetra... sady menatra azy aho no mahina koa, sao ho fantany ny marina... Ahoana moa no ahalalany raha tsy misy hiteny aminy? Tsy izaho mihitsy aloha e! Na ny iray aminay rehetra... 
Ity resa-bola ity koa tena nandevy ny ati-dohako mihitsy. Aiza no hahitako vola? Efa azoko an-tsaina ny mariazy be kasain-dRatrema ho atao, zanany vavitokany iny sady reharehany erak’izay alehany rehetra... Tsy azoko atao intsony ny mi-défile amin’ity, fa ny voninahitro no voatohitohina... Inona anefa no hevitra? 

Vao maraina dia reko mivovo ny alika... Iza ary izany? Injao feon’olona midobodoboka no reko mandondona koa... Fa iza ary izany? 
- “Haody Ramanga a! Izahay ihany e!”
- “Iza izao?” hoy aho taitra be! Notazaniko avy ety am-baravarankely ka tsinjoko ny satrok’i Dadabe ao ambadiky ny tamboho...
- “Ho avy e!!!”
- “Hay i Bebe sy Dadabe? Mandrosoa e!”
- “Efa ela leitsy izy izany marina!! He ity haben’ialahy? Dia efa hanambady ve leitsy ialahy vao hita indray...” 
Menamenatra aho fa marina ity nolazain’i Dadabe. Efa ela tokoa aho no tsy namangy an-drizareo intsony... Impiry moa i Alex, isaky ny mahazo fiara no tiako hoentina any, fa varimbariana eny foana. Sady tato ho ato koa aho tena fanina tanteraka, ka tsy nahatsiaro izay havako intsony mihitsy... 
- “Fa inona leitsy ity mahavariana a!! ”
- “Ah! Tsy izany fa efa ela marina no tsy nihaona e!!! Etsy horaisiko ny entanareo aloha ary manaraha an’i Mama…; manao ahoana ry Bebe a!” 
- “Salama tsara ka! Izao mbola mandehandeha tonga mijery an’ialahy izao!!!”
Nanao café ho anay rehetra i Mama ary izaho nanararaotra nisolo akanjo sy nisasa fa mbola ndeha hiasa. 
Nafana ny resaka tao an-trano ary ny tena anton-dresaka dia izaho. Somebiseby ery ry zareo ary reko hoe hifamory miaraka amin’ny fianakavian-draiko rahariva. 
- “Izay tapakareo eo dia tapako” hoy aho “fa tara aho, rahariva izany e!!!”
- “Mazotoa anaka,” hoy izy telo mianaka niara-niredona... 
Teny an-dalana aho dia nanenjika ahy indray ny eritreritro... Dia ankiniko amin-drizareo indray ny fakana fanapahan-kevitra izany? Fa ialahy ity ve ry Hery tena tsy misy hazon-damosina mihitsy a!! Na i Alexia no manapaka ny fiainan’ialahy, na i Mama... Tsy ataoko imason’olona aza anefa fa zarako aza aho tsy manapaka... Ratsy fitontona koa ity raharaha ity angamba, fa ao anatin’ilay izaho be olana koa no atao, ka tsy any mihitsy ilay izaho... Eo koa ilay vitan-dratsy mitohy foana... Ny mba faniriako anefa taloha, izany mariaziko izany, dia izaho irery no hanapaka izay tiako ary ny vadiko dia hampiadaniko fotsiny. Izao toa izaho indray no tena taritin’izy rehetra... Te hitroatra aho fa tsy afaka, te hanao aho fa tsy manana hatokona... Ny ao am-piasana koa tena be asa be mihitsy, ary ny ahy ny asa tsy ampifangaroiko amin’ny any ivelany mihitsy... Gaga ihany aloha ilay bandy namako mahita ahy toa miasa saina kanefa tsy lazaiko azy mihitsy ny olana nianjady tamiko… 
- “Reko leitsy fa hivady hono ianareo mitsam? Ela leitsy izay!! ”
- “Fa iza no nilaza izany tamin’ialahy?”
- “Nifanena tamiko i Alexia omaly tao amin’ny librairie, dia izy no niteny tamiko. Izany ve leitsy dia tsy nolazain’ialahy ahy... sa tsy tian’ialahy hasaina hanatrika aho?”
- “Ialahy ve adala e! Ialahy no nahalalako an’iny sipa iny ka tsy ho antsoiko ialahy rehefa raikitra? Tsy izany leitsy fa tena mahafanina ilay manao raharaha a... Hitan’ialahy ary tsy hafenina an’ialahy ny any ankilany...” 
- “Fa inona moa no mahaory an’ialahy ry Hery? Tsy tsara vintana be ve ialahy? Re laza hatraiza hatraiza leitsy ny hatsaram-panahin-dRatrema? Ny hatsaran-tarehin-janany, ny mety ho fiainan’ialahy isany... Ary angaha moa ialahy kely karama? Efa chef de service ange ialahy e! Na ialahy irery aza ve leitsy tsy hahavelona an’i Alexia lavitra nohon’ny rainy?”
- “Aoka leitsy a! Ny tahiriko ange eo ihany fa raha apoaka, tsy ampy hanaovana ilay raharaha akory e!!! Vaka ny lohako!” 
- “Odray, raha misy anampiana leitsy eto aho ry Hery a!” 
- “Misaotra leitsy fa namana tokoa ialahy a!!!”
- “Ny amin’ny faire-part, aza misalasala fa ny vadiko hain’ialahy ihany fa miasa amina librairie sy papeterie, ary ilay patron-ny manana imprimerie ka hanaovany prix ialahy raha ao aminy... Na raha sitrak’ialahy, dia io no fandraisako anjara amin’ialahy isany e! Efa naman’ny rahalahiko ange leitsy no nitondrako an’ialahy e!”
- “Sao mahasosotra leitsy izany fa ieraho aloha ny madaman’ialahy a!”
- “Omeko valiny ialahy anio atoandro! Hiasa aho aloha!”

Nony tamin’ny roa ambin’ny folo dia lasa indray aloha aho nihazakazaka tany amin-dRatrema, araka ilay resakay ny omalin’iny. 
Hatsatra dia hatsatra i Malala sady niha-nahia izany izy. Ny masony koa somary milentika kely... 
- “Manao ahoana i Hery?” hoy izy nisarangotra ny sandriko... Ela ianao izany tsy nandalo...”
- “Manao ahoana ianao izay ry Malala?”
- “Izao hitanao izao... Manasazy ahy angamba ianareo... Nahoana aho no avelanareo mitondra zaza tsy iriako akory? Jereo ity izaho sisa...” 
- “Mahereza ry Malala fa mbola eto aho a!!! Raha mamizana anao anie ny zaza rehefa teraka ianao, azonay taizana e!!! Maka aloha tanjaka fa...” 
- “Tsy raharahako izany zaza izany rehefa teraka” hoy izy, “tsy raharahako daholo ianareo rehetra... Jereo sisa ny amiko, very ny bikako, simba ny fiainako...” 
- “Malala a, inona anefa no azo atao e!!!”
- “Ento mitady dokotera aho fa esoriko ity!!”
- “An, an, an! aza ampidirinao amin’ny kizo intsony aho ry Malala a!”
Dia nitomany idray aloha izy ary nolazainy fa tsy tia azy intsony aho matoa manda ny faniriany... 
Tena mbola tia azy ihany aloha ny fo adalako, kanefa ho fanajako an’i Alexia sy mba tsy hahitako olana intsony, dia niezaka ny hipetraka tsara aho... 
- “Andao hisakafo aloha ry Malala, fa i Papa efa miandry antsika hidina...” 
- “Ho avy aho” hoy izy, “saingy izaho tsy hihinana fa tsy mahatekina akory aho…” 
- “Fa inona no tianao hohanina?”
- “Glace izany no tiako...” 
Dia naniraka ny mpiasa tao an-trano indray aloha Ratrema hividy glace... 
Teo am-pisakafoanana aho no nanararaotra niresaka tamin’izy mivady ny fihavianay hiseho ny sabotsy. 
- “Mba manao metimety izany ianao ry Malala fa he ity ianao... Vizana mafy mihitsy… Mandehana mividy akanjo farafaharatsiny... Lasan’eritreritra teo ity Malala ary tampoka teo dia nitsiky izy... 
- “Handeha hivoaka aho izany,” hoy izy toa velom-bolo tampoka! 
- “Izay tianao hoy i Ratrema, sa entiko ianao?”
- “Raha malalaka moa ianao?”
- “Ho any am-piasana fotsiny aho dia andrasanao vetivety ao anaty fiara, misy dossiers mila signatures fotsiny mantsy any fa niantso ahy teo i Sandra sekreterako. Avy eo isika dia mankany amin’izay tianao, na hanao volo aza ianao handrasako fa tsy maninona…”
Faly kely izany aho nahita ny endrik’i Malala niha-nahazo volony indray... Variana koa aho amin’ity fampihantan-dRatrema azy mihoampampana ity.. Tena hita mihitsy hoe am-pitiavana daholo no ilazany ireny zavatra ireny amin’i Malala fa tsy an-tery... 
I Malala koa dia tena mahay mihanta lozan-tany mihitsy, toa mialona an-dRatrema kely izany aho... Mba rahoviana leitsy ialahy ry Hery vao hanana fo toa izao? He ity ialahy, ny fanambadiana tsy vita akory dia ny zaza efa ho roa!!! Ry lanitro o, azo averina kely ve ny fotoana? 
Nony lany ny sakafo dia lasa izahay telo nandeha. Napetraky ry zareo tao ampiasana aho… Nony hanao veloma azy mivady aho avy aty ivelany dia tsipalotro ny tanan’i Malala any anaty patalohan-dRatrema...

- “Veloma!” hoy ry zareo sady menamenatra ery Ratrema...
- “Raisiko eto ianao rahampitso ry Hery raha ho any antrano,”
- “Eny“ hoy aho. 
Gaga fotsiny aho nahita ilay fihetsika teo!!! Sady gaga aho no faly hafahafa izany... Gaga aho fa tsy nampoiziko ilay fihetsika, nihevitra aho mantsy hoe efa tsy mifankatia intsony ry zareo fa dia fitserana sisa ny an-dRatrema, kanefa tamin’ny fihetsiny rehetra dia tena tia izy... I Malala indray vao eo no nilaza fa mijaly tamiko, nefa he ity izy, toa tsy naninontsimaninona... sa ny fandalovako tampoka no nampisava ny vesatra tao aminy? 
Faly koa anefa aho satria raha miravina ny amin-drizareo, mba ho afaka hiroso tsy am-pisalasalana amin’ny raharahanay amin’izay aho ary hazava ny lalana hombako… Satria efa nazava izany ny resaka. 
Nony hariva tonga tao antrano aho, dia efa teo daholo ny anabavin-draiko sy ny dadatoako, ny rahalahiny ary ireo cousins sy cousines-ko efatra. 
Efa misomebiseby izany ry zareo. Nisy fisotrosotroana kely koa moa ka tena nafana ny resaka. Ry Dadabe no nilaza anikeheo fa hijanona eto Tanà aloha hatramin’ny alahady hariva fa mba hanamboatra tena kely. 
Teny ampovoan-dresaka teny no nitsangana tampoka i Dadabe ary niteny hoe: 
- “Hery a! ianao ihany moa no zafikelinay mivady ka dia amin’izao fotoana izay tena hilanao vola indrindra izao dia indro misy tahiry kelinay mivady, raiso fa vokatry ny fo tokoa... Indro!”
Natolotr’i Dadabe ahy ilay kitapokely teny an-tanany... Inona ary ity? hoy aho??? 
Feno vola taratasy nifatopatotra tao, tsy voavinavinako hoe ohatrinona na ohatrinona fa nakipiko ny masoko ary niantoraka teny amin’i Bebe aho...
- “Sao tsy mety izao ry Bebe?” hoy aho... 
- “Raiso anaka fa fotoana mety izao... Tehirizo izay tahirinao ho anareo mivady any aoriana any... Vitan’ity angamba ny mariazy, na dia indimy hisolo akanjo aza ianao, ary na hamahana olona telonjato aza ianareo!!!” 
- “Telonjato??? An, an, an! tsy hanao an’izany aho ry zareo fa isika ange tena vitsy kely e!!”
- “Ny akanjon’ny ankizy angamba sy ny kiraro no hiantohako, dia ho hita eo ny sakafo sy ny hotely... Mama a! Ankiniko aminao ity vola ity dia tantano amin’izay mahamety azy fa tsy ho harako...” 
Toa mikoriana ohatry ny rano indray ny fiainako izany... Vao maraina aho no mifokofoko nohon’ny vitan-dratsy dia ny hariva aho toa maivamaivana... Nony handeha hisakafo izahay no injay reko i Alexia miklaxon tao ivelany... 
- “Ha, tsara fahatongavana ny vinantonareo fa izy izay...” hoy aho niteny irery, sady nivoaka ny trano hitsena azy. Dia natao ny fifampafantarana ary faly ery izy rehetra nifankahalala… Dia niara-nisakafo teo indray aloha sady nanararaotra ery ry zareo nanadihady ity ho vadiko… Nilaza tamiko i Alexia avy eo fa reny aho hoe tany an-trano ary efa nohazavain-drainy taminy ny resakay omaly... 
- “Metimety mihitsy ao ny anao,” hoy i Alexia momba andreniny... “dray dray... nanolo garde robe mihitsy ny anao vavy, ary toa velombolo be mihitsy... Tsy tezitezitra intsony koa na malahelo fa tena en forme... Nividy akanjo-na bevohoka be dia be, fa mba manana choix hono izy amin’ny lanonana ato ho ato...” 
- “Tsara aminy ihany ny manana objectivité tahaka izany,” hoy aho... “Anikeheo anefa izy mbola miteniteny foana hoe tsy tiany ny zaza ao ankibony...”
- “Asa” hoy Alexia... afaka angamba ilay telo volana mandreraka be rehefa bevohoka... Aleo aloha tsy hotairina koa fa sao hanome problème eo indray amin’ny raharaha, sa ahoana ny hevitrao?”
- “Marina izany!”Hoy aho...
- “Hody ve ianao sa hijanona izao?”
- “Aleo aho hody ry Hery fa mahamenatra an’i Mamanareo a! Mahandrasa kely moa e ”
- “Te hanatitra anao aho...”
- “Tsy aleonao any aminay no matory?”
- “An, an, an... mbola te hiresaka amin’i Mama momba ilay amin’ny sabotsy koa aho…”
- “Fa angaha ianareo tena miomana be? Atao tsotsotra ange ry Hery fa aza asarotina a!!”
- “Tsy hainao mihitsy izay omanin-dRatrema ao!!” hoy aho nisafo ny saokany sady nanoroka azy... 
- “Aleo ary aho handeha fa alina e! Antsoy aho rahampitso!” 
- “Oui ma chérie!”
Ouf!!!! izay vao tena oufff… ny ambiny tsy raharahako intsooooonyyyyy!!! 
Nony niditra tao an-trano aho efa niomana ny handeha koa ireto vahiny…
- “Amin’ny sabotsy izany aty no fotoana e!” hoy ry zareo…
- “Eny ary!” hoy aho. 
Tsy handriko izay nandroako dia nitsoran’ny lamosiko… Vao nidaboka aho dia toa niverina tao an-tsaiko indray ilay sary tao anaty fiara… Ny tanan’i Malala… nanonofy ny toeran-dRatrema indray aho aloha ary izay no nampatory ahy…

Vao avy nametraka ahy tao am-piasana izy mivady dia niverina nody tany an-tranony. Ny tanan'i Malala amin'io tsy nitsahatra nanafosafo ny filahian’ny vadiny izay nanomboka nibontsina tsikelikely tsy hay nafenina. 
- "Aoka aloha Malala fa izaho anie mitondra fiara ka soa dia manao "accident" eto izato isika e!" Ny mifanohitra amin’izay zava-boalazany izay anefa no tena tao an-dohan-dRatrema. Niomehy kely i Malala no sady nanaraby ity vadiny hoe:
- "Tena marina ve izany lazainao izany? Raha ny fahitako an'ity zavatra eto an-tanako ity mantsy dia toa efa fantatro ny zavatra tadiaviny, mino aho fa sahala amin'izay zavatra ilaiko...”
Vao nivoha ny varavaran'ny trano ka voapetraka ireo entana, dia poa toy izay no namahan'i Malala ny fehikibon'i Ratrema, nampidinany ny patalohany. Niondrika sady nandohalika moramora teo anoloan'ny vadiny izy sady nampidiriny tao am-bavany ilay zavatra notadiaviny teny ambony fiara. Toa nahatsiaro nisavoana i Ratrema, eny fa na dia fantany aza ny fombafomban'i Malala rehefa manao firaisana ry zareo. Afaka fotoana vitsivitsy dia natsangany moramora i Malala dia nifanakalo rora teo ry zareo. Ny tanan-dRatrema havanana amin'io manafosafo ny kibon’i Malala sady mitady ny atin’ny silipo mbola teny an-kodiny. Ny tanany havia indray mivezivezy manafosafo ny lohanonony izay efa mihinjitra aoka'izany. Nanomboka nisefosefo i Malala no sady niha nangorintsina ny vatany iray manontolo. Nihataka moramora izy nony avy eo ary notaritiny Ratrema hanaraka azy ho eo ambonin'ilay "canapé" teo amin'ny efitra fandraisam-bahiny. Sady mipetraka izy no manala ilay string fotsy misy sisiny dentelle nanaovany. Nifanoroka indray ry zareo; nampidirin-dRatrema tany anatin’i Malala ny azy. Tsy nisy sakantsakana fa tonga dia nisosa moramora, tsy misy zavatra nandrasan’i Malala hafa tsy iny tsinona fa efa lonaka tanteraka ny tany anatin’ny loharanom-pahasambarany tany. Sady nikiakiaka i Malala no nandrangotra sy nanaikitra an'i Ratrema. Io fahaizany manome ny tenany iray manontolo tsy an-kitsitsy io mihitsy no tena tsy ahafoizan'ny lehilahy izay nifanena taminy tany am-pandriana, ary anisan’ireny aho... 

 Ny ampitso, dia tena nahatsiaro maivamaivana izany aho fa tsy toy ny isan’andro. Miramirana ery ny saiko handray asa… Ry Mama sy izy mivady lehibe hono handeha hiantsena, sady hividy izay akanjo ho ahy koa. Tsy hanam-potoana hampanjairana intsony koa moa fa dia hijery izay tsaratsara eny amin’ny magasin eny. Niangavy ahy i Mama hanao fotoana aminy ny antoandro avy miasa, kanefa ilay fotoana efa nomeko an-dRatrema tsy tiako holavina indray koa. 
Nony tonga tany am-piasana aho dia nisy taratasy kely mipetraka eo ambony biraoko, i Fidy namako no nanoratra azy io ary message koa ilay izy: “Aza mandalo any amin-dRatrema hono ialahy fa hivoaka hono izy mivady hiantsena”. 
Nihomehy aho sady afak’olana... Handeha hiantso an’i Alexia aho no gaga fa hay adinoko ny portable-ko. Noraisiko ny telephone fixe-ko ao am-piasana dia nantsoiko ny telephone-ko sao i Mama mbola ao an-trano… 
- “Allo! Iza izao hoy izy?”
- “Mama, izaho ihany! Andalovy aty am-piasana aho anio atoandro raha hiaraka isika e! Maimaika aho sady tsy afaka miresaka elabe amin’ity!”
- “Eny anaka, rantoandro izany!”
Dia azo ny akanjo sy kiraro vaovao. Ity kiraro ity ihany no entina amin’izy rehetra, fa tena lafo ilay kiraron-dehilahy. Tena nikipy mihitsy aho nividy azy, ka nangarika mihitsy i Bebe izay nifidy izay tsara indrindra ho ahy... 
- “O ry Hery a! Ity fahihiranao?” hoy i Bebe... 
- “Lafo loatra re ka!”(kanefa menatra aho eo anatrehany noho izy niantoka ilay izy...) 
Tsinjon’i Dadabe angamba ny tao an-tsaiko dia hoy izy hoe: “Aza atao ao an-tsainao hoe avy aty aminay ny vola anaka fa zanakay ange ianao e! Aza menatra izany fa andronao io!”
Dia nisosa haingana ny telo andro ary tonga ny sabotsy andro nandrasana... Bebe sy Dadabe ary ilay anabavindraiko mivady no nandeha, fa ny dadatoako niasa tamin’io, fa mpivarotra ry zareo ka tsy afaka nakatona ny tsena. 
Nanomana sakafo be Ratrema fa naka traiteur mihitsy izy mivady hanao ny kanonkanona rehetra. Tsara ery ny akanjon’i Alexia ary miramirana sy hitako sambatra mihitsy ny endriny. Akanjo mavokely tanora somary fohifohy izay no nanaovany, ary navelany hilatsaka ny volony lavabe. I Malala koa tena en forme tsara mihitsy ary tena natanjaka ery. Efa hita kely ny kibony fa saingy mbola tsara ihany ny paoziny ao anatin’ilay akanjo fitondra vohoka miloko grenat lava be, somary manara-tena kely izany, ary misy dakany manaraka ny ranjony hatreny amin'ny manasa-pe mihitsy... Ny lamosiny koa miseho amin’ilay didiny somary milatsaka izay, tena mihaiky ny lamaodiny mihitsy aho... 
Varian-dresaka tamin’i Mama mihitsy izy ary hitako mifankahazo be ry zareo. Na i Ratrema koa aza dia hitako nahazo aina izany miresaka amin’ireto havako. Afa-tahotra ry zareo na dia teo aza ny henatra tamin’ny voalohany hiditra ny tranon-dRatrema. Kevokevoka mihitsy i Madamabe, ka lasa nalainy tany ambony ny zazakely hasehony andry Mama ka teo aho vao mailo . Tsikaritr’i Alexia ilay fihetsiko.

– “Aza matahotra ianao ry Hery fa tsy ho fantany izany io e!” hoy izy nandamina ny saiko.

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype