Tadiom-pitiavana

Pejy 73
2006/08/13,20:53

  Nony afaka kelikely dia tsy naharitra i Malala fa namaky ny fahanginana tao anaty fiara nisy azy efa-mianaka.
- " Manao ahoana ny fandehan'ny orinasa aky chéri?, fa inona marina no tena nitranga fa ianao moa tsy nety niteny tamiko fa hoe aleo aho rehefa tonga aty ilazanao azy?"
- " Raharaha sarotra ilay izy ry Malala fa aleo rehefa tonga any antrano isika miresaka azy milamina" hoy i Ratrema sady nivily namonjy an'iny lala-manitsy mivoaka any Alarobia avy eo Ambohimanarina iny izy hamonjy ny tranon'izy ireo eny Ivandry. Nanomboka niketriketrika ny sain'i Malala nanontany tena ny amin'ny olana mety mianjady amin'ny vadiny sy ny orinasa.
Tsy ela taorianan'izay dia indro fa migadona eo anoloan'ny vavahady be miditra ao antananany i Malala mianakavy kely. Toa nahatsapa finaritra izany ny anao vavy nahita ity toerana mahazatra azy. " Hafa ihany lahy izany tonga aty amin'ny an'ny tena izany!" hoy izy tany ampony tany. Nasainy nampidirin'ny mpanampy tany antrano ny entana dia iny izy mivady miaraka ny ankizy nanaraka avy ato aoriana.
- " Tonga soa izany vadiko izany!" hoy i Ratrema sady nosintoniny hanatona azy akaiky i Malala sady norohany moramora teo amin'ny molony nony lasa ireo mpanampy roalahy. " Banga anao mihitsy ity tonkatranon-tsika ity." Hoy ihany Ratrema toa niha fenofeno hafanana izany ny tarehany. "Ilaiko mihitsy ny fisinao eo amin'ny fiainako ry Malala a!"
-  " Misaotra aky chéri fa mila anao koa aho ary tsapako mihitsy ny fahabanganao tamin'ny namelanao anay irery tany andafy tany." Nisento kely aloha i Malala nony avy eo vao nanohy
- " Ity vaovao ratsy momba an'i Hery sy ny resaka orinasa ity no hitako manembatsembana ny fahasambarako tonga soamatsara eto anilan'ny vadiko"
- " Aza alefa lavitra ny eritreritrao aloha fa efa ndeha hijery an'i Hery isika rehefa kelikely. Ny resaka orinasa indray dia inoako fa hahita vaha olana isika" hoy ihany Ratrema sady norohany moramora indray ny handrin'ny vadiny.
- " Mahatsapa fahatoniana izany aho rehefa eto anilako ianao " hoy i Ratrema nony avy eo. Teo vao tena tsapan'i Malala ny hasarobidiny eo anatrehan'ny vadiny.
- "Aleo aloha aho handro vetivety" hoy i Malala "dia mba makamaka aina kely isika vao mandeha misakafo sa ahoana?"
- " Eny ary!" hoy i Ratrema sady nandeha nanantona an'i Toky sy Cinthya tsy dia  lavitra teo izy.
- " Nihalehibe tany andafy tany letsy ialahy ry Toky kely nefa vao vetivety ihany anie izay tsy nifankahitantsika izay eh".  Vao hitan'i Toky fa tamy nanatona azy ny dadany dia inyizy no nIhazakazaka hifanena aminy ihany koa sady namelatra ny tanany anakiroa toa mangataka ny hibatana azy...
Ny nialan'i Malala teo amin'i Ratrema anefa no ela dia niverina tao aminy indray ny fahamaizana te hahalala mafy izay tena nanjo an'i Hery. Nifamadibadika tao antsainy daholo izao eritreritra ratsy isan-karazany rehetra izao. Toa tsy andriny ny fotoana handehanana any amin'ny hopitaly. Midobodoboka mafy ny fony raha vao mieritreritra an'i Hery sady toa mangoritsin'ny tahotra ny vatany.
...
Namonjy natoritory teo ambony fandriana i Ratrema nony avy eo toa miandry ny vadiny hamonjy azy. Tsy ela taorian'izay tokoa dia Indro tamy nanatona azy i Malala manao akanjo malefaka ireny fitondra avy mandro ireny.
- " Tsy andriko mihitsy ny nahatongavanao ry Malala" hoy i Ratrema sady nikisaka nanakaiky kokoa ity vadiny izy.
- " Izaho koa anie!" hoy i Malala ohatran'ny namaly tsy sazoka izany. "Asa na mbola reraky ny dia anefa aho na manao ahoana fa tena ohatran'ny tsy manana aina hanomezana fahafaham-po anao izany mihitsy aho izao? Maninona raha amin'ny hariva vao manao isika?"
Ohatran'ny notapohina ranomangatsiaka ny vatan'i Ratrema naheno ilay tenin'i Malala farany teo ka avy hatrany dia nalefaka avy hatrany ilay filahiany efa somary nibotsina tsikelikely teo ampieritreretana ny fahafinaretana mety ho azony miaraka amin'ny vadiny.
- " Tsy maninona ary!" hoy izy " fa azoko tsara ny havizananao sady mety nanampoka anao koa ilay  vaovao ratsy momba an'i Hery teo.  Rehefa vonona ny handeha ianao dia ilazao aho fa handeha hoany amin'ny hopitaly izany isika" hoy i Ratrema niezaka nanamboatra saina sady te hampitony ny fiasan-dohan'ity vadiny.
- "Aleo ary hatoritory kely fotsiny isika dia mandeha misakafo any ivelany rehefa avy eo sady tonga dia mandeha mivantana any amin'i Hopitaly. Tsy efa fantatrao hoe aiza no toerana misy azy?" Hoy i Malala naka toky ny amin'ny hahitana an'i Hery io andro io ihany.
- " Efa fantatro kah" hoy Ratrema sady niarina moramora niala teo ampandriana izy.
...
Teo ampisakafoanana tao amin'ny hotely mihaja iray eto andrenivohitra.
- " Saika hoe rahariva moa aho vao te hiresaka aminao mikasika ny orinasa fa ohatran'ny tsy andriko ilay izy dia aleo hazavaiko tsotsotra aminao ny fandehany." Hoy i Ratrema toa somary nitankisina tsy dia nahazo aina teo amin'ilay seza nipetrahany.
Na dia ny momba an'i Hery aza no nameno ny sain'i Malala dia tsy afa-niala intsony izy fa dia voatery naneho fahavononana hihaino ity vadiny izay tsinjony fa toa niha malok' endrika tampoka.
Nanomboka nitantara ny zavatra novantaniny avy any ampitan-dranomasina amin'izay ary i Ratrema. Nohazavainy tamin'i Malala teo ny fahabangana ara bola goavana diavin'ny orinasa, ny hetram-panjakana tsy maintsy aloha, ny tsy aneken'ny banky hanpindram-bola azy ireo intsony sy nahavoatery azy nanao antoka ny tranon-dry zareo eny Ivandry amin'ilay namany.  Teo i Malala vao tafatombina tsara tamin'ny resaka resahin'i Ratrema ny sainy.  Toa tsy mampino azy ny zavatra henony. "Dia ho sanatriavin'ny vava ve" hoy izy tany antsainy tany "dia ho lasan'izany olona izany io trano ipetrahanay io?"  Adinon'i Malala tampoka teo ny momba an'i Hery aloha.
- " Dia rahoviana no tokony hamerenanao ny volan'izany namanao izany " hoy i Malala toa mangovitra sady mijery tsara an'i Ratrema mipetraka amin'ny eo amin'ny seza mifanatrika aminy.
- " Mbola manana roa volana aho" hoy i Ratrema " Fa raha vao dify kosa anefa io dia izay ny amin-tsika fa dia votsitra ny trano... Tsy maintsy mitady vaha olana hafa isika fa tena tsy foiko ho lasan'olona io trano io kah. Tao daholo no lehibe ny zanako ka tena tsy foiko mihitsy e... Inona no mety ho hevitra hitanao?" hoy Ratrema sambany nanontany an'i Malala amin'ny fanapahan-kevitra goavana mikasika orinasa sy ny fiainan'izy ireo tahak'izao. Niherikerika nijery ny manodidina azy teo aloha i Malala tsy nanampo ity fanontaniana miantefa eny aminy vao namaly:
- " Tena tsy hitako izay hatao Ratrema fa aleo aloha aho hieritreritra dia rahariva indray isika miresaka fa tena mila sainina milamina izany zavatra izany. Aza manary toky fotsiny fa mino aho fa tsy maintsy hisy làlana hosokafan' Andriamanitra hoantsika" sady noraisiny moramora ny tanan'i Ratrema nipetraka teo ambony latabatra mba hankahery azy.
-  " Misaotra Malala a. Mahatsiaro sambatra aho manana anao" sady nitsangana i Ratrema no nametraka ny hafaliam-po hoan'ilay mpandroso sakafo teo ambony latabatra. Tsy ela taorian'izay dia indro izy mivady nizotra moramora namonjy  ny fiara tao ivelany.
Afaka antsasa-kadiny taty aoriana...
Niantsona teo amin'ny fametrahan'ny mpamangy ao amin'ny hopitaly fiara i Ratrema. Tsy dia nahitana teny firy loatra moa i Malala teny andalana. Niha mafy indray ny fidobodoboky ny anao vavy. Noezahiny naverina tao antsaina ny endriky Hery. Dia sanatria ve hoy izy dia tsy ho ohatran'izay no zavatra ho hitako ato? ...Efa azon'i Ratrema tamin'ny maraina avokoa moa ny laharan'ny efitrano nisy an'i Hery dia indro izy mivady namikiviky moramora niakatra ny tohatra sy namakivaky ny lalantsara lava be hoany amin'ity tovolahy izay nampisavoaravoara ny fiainan'izy ireo.
Niahotra kely aloha izy mivady nony tonga teo ambaravarana fa toa nisy olona maromaro tao amin'ilay efitrano. Sendra nahatsikaritra an'ireto mpivady  nisalasala anefa ny iray tamin'ireo tao anatiny ka dia namonjy nivoaka sady nanontany:
- " Misy azo anampiana anareo ve tompoko?"
- "Saika hanontany fotsiny izahay raha ato no itazonana an'i Hery, ilay tovolahy voan'ny lozam-piarakodia tamin'iny làlan'ny fahaleovantena iny, andro vitsivitsy lasa izay?"
- " Fa iza moa ianareo" hoy ihany ilay tovovavy nanohy nanadihady.
- " Namany akaiky izahay, i Malala no anarako ary izy no Ratrema vadiko" hoy i Malala toa tsy namela an'i Ratrema hamaly ilay fanontaniana.
- " Faly mahalala anareo tompoko. Ato indrindra izy ary io mbola matory tsy mahatsiaro tena io.  Izaho no Dr Mihary. Sady mpitsabo ato aho no namana akaiky an'i Hery ihany koa. Mandroso ary ianareo" hoy ihany i Mihary sady nanome seza ireto mpivady izay sambany vao hitany. Betsaka ny fanontaniana nifandimby nifanesisesy tao antsainy teo ampahitana ireto mpivady toa olona manan-katao mitady an'i Hery ireto. Mbola tsy henoko niresadresaka ny fisian'izy ireto tamiko mihitsy i Hery hoy ihany izy tany antsainy tany.  Mino anefa aho fa misy ifandraisany akaiky aminy izy ireo matoa misahirana mankaty mihitsy. Raha mbola somary lasa fisainana kely teo moa i Mihary no nandeha  nifampiharahaba tamin'i Tahiana sy Fano ry ingahy Ratrema mivady.
Valaka i Malala tamin'ny zavatra hitany. Moa tsy toa ireny tsy misy aina ireny intsony ny fahitany an'i Hery matory eo amin'ny farafaran'ny hopitaly.  Nanganohano ny ranomasony. Tsaroany avokoa ireny fotoana mamy niarahany tamin'i Hery rehetra ireny. Dia ho sanatria ve dia ho faty na hanan-kilema mandrakizay ity rain-janako ity hoy izy tany antsainy tany. Toa tsy nanaiky ny sainy na dia kely dia kely aza ny tsirim-panantenana tao ampony mihaino ny fanazavana nomen'i Mihary an'i Ratrema.
- "Efa ho telo andro izy io izao" hoy i Mihary "no tsy nahatsiaro tena. Nisy tapaka moa ny taolan'ny feny dia efa io nasiana platira io hitazona azy tsy hihetsiketsika. Miandry azy hifoha izahay izao. Nisy voadona mafy ihany koa tamin'ny hoza-masony ka izay no nahatonga anay nanapa-kevitra ny hanarona ny masony ohatran'io. Mbola tsy tena fantatra aloha izay tena fandehany fa raha vao mahatsiaro saina izy dia ho tarafina amin'izay ny lohany hahitana raha zavatra mandalo ihany ilay fahajambana andalovany izao na hoe mety hijanona ho takaitra mandra-maty ho azy mihitsy."
- " Mbola tsy nahatsiaro tena mihitsy ve izany izy io " hoy i Ratrema nitompy maso tany amin'i Mihary sady nifindra haingana nijery ny tarehin'i Hery izay mitsilany eo ampandriana.
- " Nisy fotoana izy taitra kah. Izay no nanome fanantenana anay fa efa natahotra ihany aloha izahay tamin'ny voalohany. Ni-delira niantsoantso an'i Alexia izy...Toa hoe fofombadiny lasa nalefa notsaboina any andafy any izany Alexia izany raha araka ny fahafantarako azy " hoy ihany i Mihary nanohy.
Gina tsy nisy nahateny ingahy Ratrema mivady fa ny mason'izy ireo fotsiny no nifampijery toa nifanontany an'eritreritra.  Nisento kely aloha i Ratrema vao nanohy hoe:
- "Zanakay vavimatoa izay Alexia notadiaviny izay. Vao anikeo moa aho vao naheno ny vaovao ary dia izao hitanao tonga aty izao. Ramatoa vadiko aza mbola reraky ny dia lavitra avy any Paris fa dia tsy nety mandry mihitsy ny sainay raha tsy tonga aty izahay.
- " Ianareo izany no ray amandrenin'i Alexia" hoy i Mihary tamin'ny feo somary malefaka. " Niresaka matetika tamiko momba an'i Alexia tokoa izy ry izy mivady ary dia tena tiany tokoa izany zanakareo izany..." sady niserana tao anatin'indray mipi-maso tao antsain'i Mihary indray ilay hariva nanomezan'i Hery azy ilay rojo volamena izay noheveriny ho fanehoam-pitiavana azy. Tadidiny fa nitady fitiavana mafy tamin'i Hery izy saingy toa nahatsapa ho voatosi-boho tanana. Tsaroany ihany koa ny hadisoam-panantenany ary toa mbola hitan'ny masony tsara mihitsy izy nirintona nivoaka ny trano fiasany sady nandray ilay fiara karetsaka izay narahin'i Hery avy ato aoriana ary dia niafara tamin'iny lozam-piaradia iny ... toa tsy tiany ho heritrerentina intsony anefa ny tohiny avy eo...
 "Izahay ireo hitanao ireo moa no ohatran'ny hoe havany akaiky eto na dia namany fotsiny ihany aza." Hoy i Mihary nanohy ny resany rehefa avy eo.
- " Dia misaotra anareo be dia be" hoy i Malala fa raha tsy nisy anareo izany izy dia asa izay nanjo azy.
- " Marina tokoa izany " hoy i Ratrema nanohy " fa raha misy ilanareo fanampiana dia aza misalasa miantso anay mivady sady navoakany ny baoritra kely misy ny laharan'ny fidainy sy ny adiresin'ny birao fiasany eny Ankorondrano sady nomeny an'i Mihary.
- " Hoavy mitsidika eo ihany izahay mivady na mifandimby mandalo aty. Mba ilazao mihitsy izahay raha vao misy vaovao ny momba ny fikarakarana azy na ny toe-pahasalamany an!" hoy ihany i Ratrema nony avy eo sady toa nioman-komana ny handeha.
- " Tsy misy isaorana" hoy izy telo mianadahy mianaka toa saika niara-namaly saingy i Mihary ihany no nitohy nanohy avy eo nanao hoe
- " Aza manahy ianareo fa ianareo no antsoiko voalohany raha vao mifoha eo izy."
- " Eny ary" hoy Ratrema fa hangata-dalana aloha izahay mivady fa mbola reraka mafy ramatoa vadiko sady nanolotra valopy avy any ampaosiny izy hoan'i Mihary. "Ity mba misy fanampiana kely avy aminay mivady hanampiana amin'ny fitsaboana ny mararintsika."
- " Na dia tsy fianankaviana aza moa aho" hoy i Mihary dia raisiko izy ity satria izahay telo no miara mitsabo azy eto dia onera be ny nialany sady marary iaraha manana ny antsika io fa dia misaotra. Aza manahy ianareo fa miantso aho raha vao misy vaovao na dia anio ihany aza."
Nitopy teny amin'ny Hery indray ny mason'i Malala. Toa tsy mino ny sainy fa io ilay tovolahy tomady sady bikana mpanome fahafinaretana azy sady nanova tanteraka ny lalam-piainany. Tsy maintsy miverina aty ihany aho rahariva na rahampitso hoy izy tany antsainy tany fa aleo aloha hody kely haka saina amin'izay tokony hatao.
Nanantona manokana an'i Tahiana tamin'izay i Malala nony avy eo sady ohatran'ny nibitsibitsika moramora hoe:
- " Fa dia nanao ahoana loatra aky ity indry no tsy henoheno mihitsy. Raha tsy i Ratrema nandeha nanontany tany ampiasan'i Hery ve izany dia tsy ho nahafantatra an'izao mihitsy izahay?
- " Ialako tsiny be dia be akia fa tena be loatra ny erehan'ny lohako niakitra ny zava-niseho taty ah. Efa nieritreritra ny hiantso an-dry ihany aho hay moa indry no tonga taty mialoha... Manao ahoana i Alexia any?
- " Eny e, mba gagagaga fotsiny aho hoe zavatra ohatran'izao ve no mitranga dia kobokoboninareo aty fotsiny. ... efa mihatsara mihitsy i Alexia kah! Ny tena mahavaka ny sainay mivady izao dia fomba hilazana aminy ny vaovao. Asa izay hanjo azy. Izy mihitsy mantsy no nagataka tamin'i Ratrema ny hitadiavana  an'i Hery tamin'izaho niala tany. "
- " Raharaha tokoa aky izany" hoy i Tahiana toa vaka mihaino ity namany.
- " Aleo akia aloha handeha izahay fa miverina eo aho na antsoiko indry rehefa avy eo." Sady lasa namonjy nanao dia maika hanenjika an'i Ratrema efa namindra moramora tao andalan-tsara izy.
Hita soritra teny amin'izy roa ny hakiviana raha iny izy ireo nidina ny tohatra hivoaka ny hopitaly iny. Toa adinon'i Ratrema ilay disadisa teny amin'ny seranam-piaramanidina teny Ivato mialoha ny nitondra an'i Alexia tany Frantsa. Ontsa an'ity tovolahy indray ny tenany.
- " Ahoana izany ny hevitrao" hoy i Malala tamin'i Ratrema.
- " Ahoana ny amin'ny ahoana moa no tinao tenenina ry Malala " hoy ity farany.
- " Ny fomba hampitana ny vaovao amin'ny Alexia izao no tena ho raharaha" hoy ingahy Ratrema nony avy eo.  "Hanao ahoana re izy raha ilazana izao vaovao mampalahelo izao?"
- " Na tiantsika na tsy tiantsika" hoy i Malala "dia tsy maintsy tsorina aminy ny marina fa sao sanatria ny vava ka misy fivadihan-javatra tampoka eo izay vao tena mety ho raharaha be ny mety ho vokany."
Sady namoha ny varavaran'ny fiarany ingahy Ratrema no nijery ny famataran'ora teny antanany. Mbola mety afaka miantso an'i Profesora aho izao hoy izy tany antsainy tany sady noraisiny ny fiday nihantona teo amin'ny fehikibony. Naka toerana tsara tao anaty fiara izy nony avy eo.  I Malala moa amin'io fotoana io naka toerana moramora ihany koa sady nangina tanteraka toa lasa fisainana lalina mandinika ny zavatra rehetra niandry azy taty Madagasikara. "Inona loatra re ity mahazo anay mianankavy ity eh" hoy izy tany antsainy tany. Ho tafavoaka amin'izao olana izaho ihany ve?
Nony afaka iray minitra...
- " Allo, Profesora Mahefa? ...ingahy Ratrema ihany ity! Manankorontana anareo mianaka fa azafady indrindra?"
- " An, an, An. Tsy misy olana mihitsy" hoy i Mahefa henon'i Malala nanako amin'ilay famoaham-peon'ilay telefona finday.
- " Ao akaikinao ao angaha i Alexia?"
- " Atsy anefitra fandraisam-bahiny atsy izy mijery fahitalavitra , hantsoiko vetivety ve?"
- " An, an, an. Aleo aloha isika mirahalahy no miresaka dia avy eo hita eo izay hatao" hoy i Ratrema somary nandamina ny feony.
- " Eny ary ry ingahy Ratrema fa alefaso fa mihaino anao aho " sady nandeha nivadika nikatontrano moramora tao amin'ny efitrano fatoriany izy.

Tadio ([email protected])

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype