Tadiom-pitiavana

Pejy 51
2006/06/02,13:02
   Iny i Hery nifampitantana tamin’i Alexia, nandeha tamin’ny toerana mahafinaritra, mangingina, tontolo kanto feno zava-boahary maitso mavana mahate-hitoetra. Siotsiokam-boronkely malefaka no mikanto ny hatsaran’ny tontolo, ary toa izy roa irery ihany no olombelona tamin’ilay toerana. Voron-kely mandeha tsiroaroa no misidintsidina toa mitarika ny diany teo akaikiny teo. Miramiran’endrika ery ireto mpifankatia, mifampitantana, toa ho doria.
Mifampiondankondana, mifampitositosy, ny tontolo manodidina no vavolombelona mijoro sy mandrotsirotsy. Toa manaiky ny fiarahan’izy roa hitambatra ho iray izay nanodidina azy rehetra teo. Tsy misy mifampiteny fa mifampita hafatra tamin’ny maso fotsiny ihany. Ny sainy toa mifandray tsy ankijanona, tsy te-hiala amin’ilay toerana soa sy mahafinaritra. Nandeha miadana namakivaky ilay tanàna soa toa zaridaina edena. Tampoka teo, nisy anjomaran’ny fiara iray nanakoako tao aorian’izy roa toa manaitra azy ireo hikisaka hanome làlana.
- "Sao dia diso toerana koa aza izany fiara izany," hoy i Hery nisarika an’i Alexia.  Nitodika i Hery, " fiaran-dRatrema marina,"  mbola manohy ny tabatabany ihany ilay anjomara fanairana. Taitra i Hery, taitra tamin’ny torimasony sady namonjy niarina tampoka. Nihevitra izy fa nanonofy nefa toa mbola reny ihany ilay anjomara any an-tokontany any.
" Fa inona koa ary izany," hoy izy sady naka aina kely aloha izy alohan'ny nitsangana teo am-pandriana. Nosokafany ny varavaran-kely dia nangarangarana tany antokontany ny masony..
- "Fa inona koa ary ity, ssshhhh?" hoy i Hery tany an-tsainy tany sady vinitra dia vinitra. Nojereny ny famantaran’ora, mbola vao amin’ny 6 ora sy sasany.
Nanaovany ny akanjo fitena dia nidina tany ambany izy, namoha ny varavarana sady nanatona ny vavahady.
Tarehy toa tsy dia ravo loatra no namahan’i hery ny vavahady hidiran’ilay fiara. Vao nijanona ny môtera dia nivoaka tao lehilahy iray:
- "Ialahy ity letsy matory maraina, efa andro mazava be izao ve letsy, nampanenoina ny kiririoka fanairana, tsy nisy namoha, ny jiro eo an-tokontany anefa mbola mirehitra."
- "Sshhh, ianareo koa ry Dadafara manapaka torimaso vao maraina mihitsy kah". Sady nifandray tanana izy roalahy mianaka.
- "inona aloha ny vaovao entin’i Dadafara? sady te-hanao ialahy ihany i Hery. "Efa ela mihitsy ange ianareo izany no tsy nandalo e!"
- "Andao aloha hiditra ao an-trano e!" hoy  ny dadafarany namaly..

Lehilahy ranjanana izay no dadafaran’i Hery, izy no faralahy amin-drainy, mahay mihaingo sady ireny tsy miankanjo raha tsy fitafiana lafo vidy hatrany ireny. Tsy dia mifanalavitra loatra ny taonan'izy mianaka. Mety niara-nilalao akory aza tamin’ny fahakeliny. Izay no saika nahatonga an’i Hery saika hifampiatso ialahy taminy.   - "izaho izao vao mifoha, vao avy namita iraka tany Jangil tany aho ange e ! dia vao
tonga omaly e!"
- "Hay ve? mandeha tsara ny asa,"
- "Eny e ! metimety ao ry Dadafara a!"
- "Dadafara, dadafara an’ialahy inona koa letsy. Zaza niara-lehibe izao ihany."
- "izay mihitsy, niara-lehibe fa ianareo niha-lehibe kokoa. Efa hita miavaka amin’izay izao ny 6 taona elanelany."
- "Ny vady aza letsy mbola tsy hita be ny ihany, ka aleo rehefa
tonga amin’izany vao antsoin’ialahy dadafara izany aho e!"
- "Fa angaha mbola tsy nahita foana hatramin’izao e! Bandy tahaka anareo izao ve dia tsy hirara-kopana ny vehivavy hanatona."
- "Ny sipa amin’izao ange letsy ry Hery, toa ilay miriaira miaraka amin’ny fiara sy mandeha mirevirevy etsy sy eroa no tena itadiavany an’ialahy ; Izaho efa mitady sipa mba matotra fa na izy izay tsy mirevy, na izy izay efa lasan’ny sasany."
- "Mbola tsy sendra ny milay izany ianareo koa ! Fa sipa tahaka ny inona izany no tadiavinareo le!"
- "Ho avy foana letsy izany fa aza matahotra ialahy an?"
"Fa ny tena ahatongavako dia izao, manontany ny fianakaviana hoe efa mba vitan’ialahy ve ny nikarakara ny taratasy amin’ny famindrana ny fananan-dRain’ialahy rehetra amin’ialahy?"
- "Eny e !" hoy i Hery, nisafosafo loha, "efa vita ny tombam-pananana fa ny ankoatr’izay mbola sahirana aho."
- "Ka izay mihitsy letsy an ! efa nifampiresaka tamina tale ao amin’ny fanana-tany aho. Afaka manampy amin'ny fikarakarana hono izy. Noho izay no nandehanako taty. Omen’ialahy fotoana fotsiny aho dia miaraka mankany isika."
- "izaho izao androany no afaka satria rahampitso dia miverina miasa indray. Ka maninona moa raha miomana aho dia afaka miaraka isika e!"
- "OK! tsy mampaninona koa, fa rehefa mbola tsy misy azo hohanina aloha ato amin’ialahy dia aleo aho haka rivotra any an-tokontany any."
- "ie, aleo aho aloha hiomana fa tsy maninona e!"

Lasa i Hery niakatra, nandefa ny famanan-drano. Nanomana izay hohaniny izao maraina. Teo am-pikarakaràna ny sakafo izy vao nandalo kely tao an’eritreriny i Tahiana;
- "Oay leaza, hay moa tokony hihaona amin’i Tahiana aho izao maraina izao! tsy maintsy manontany ilay pasipaoro, dia hanontany vaovao koa ! Angamba iny izay nikorapaka fa tamin’ny niantso azy farany aho dia hoe any amin’ny hopitaly. Tena tsy maintsy mankany aloha. Inona indray ary no ataoko. 
 Vita fiomanana i Hery, dia nidina, nandraraka dite mafana, naka ny mofo efa novidiany omaly hariva. Nantsoiny i Feno, ilay dadafarany, hisakafo miaraka aminy.
- "fa angaha leity tsy netsehin’ialahy intsony ilay 504 an-dRabainin’ialahy ao anaty garazy ao io?"
- "Fa ahoana ? Efa ho erin-taona io izay nipetra-potsiny tao. Ohatran’ny alahelovako an’i Neny koa ilay izy dia tsy sahiko kitihina, fa sasako ihany indraindray kah."
- "Fantatr’ialahy moa fa vao teraka ialahy no nividianan-dRatompokolahy an'io. Nataony ho fahatsiarovana hono, dia io izy io. Notantarain-dRenin’ialahy tamiko izany, nanafarany ahy mihitsy aza hoe mba karakarao io fiara io fa mety tsy ho vitan’i Hery rehefa miasa izy."
- "SSshhh ! mbola hisy foana ny fotoana hikarakarako an’io. Fa tsy izao fotsiny. Fa hono ho’aho, ianareo ve afaka mba mandalo kely eny Faravohitra aloha fa mbola misy olona tokony hojereko kely mikasika taratasy samihafa?"
- "Bof, tsy mampaninona izany, fa misy inona?"
- "Tsy dia misy ifandraisany loatra amintsika fa rehefa afaka mandalo any dia tsara;"
- "Andao ary e ! rehefa vonona ialahy dia lasa isika."

Roso ny dia, somary nisy fitohanana teny an-dalana ! Vao nahita vehivavy mba manjamanja Radadafara dia efa nisiotsioka ery, pppssssittt, pppssssiiit !
Nitodika ilay zazavavy sady nitsiky, somary nipihin-dRadadafara maso, dia namaly oroka lavitra koa!
- "Hitan’ialahy, ohatran’izany sipa amin’izao fotoana, rehefa miaraka amina vam milay ialahy dia mitodika koa izy; sady isika koa ange letsy tsy dia hoe ratsy e! fa tsy maintsy misy foana letsy any ny sipa matotra ary mbola hahita ihany aho!

Tsy niteny aloha i hery fa lasa saina lalina.
<<Ary maninona moa raha ampihaonina amin’i Tahiana ity RaDadafara ity e ! sady mety hiaraka mihitsy fa mitovy revy an ! ka maninona moa, ny taonany mifanaraka tsara, sady amin’izay koa aho afaka amin’iny vehivavy iny, na dia fotoana vitsy ihany aza. Mety azo atao tsara an >>

- "Efa itsy akaiky itsy ilay trano fa afaka maka fitoerana tsara eto isika;"
- "Fa iza aloha no tadiavin’ialahy aty e! Sipa sa bandy;"
- 'Sipa be izany ry Dadaf… azafady e!"
- "Hay, fa angaha moa tsy any Ivandry no mipetraka ny sipan’ialahy?"
- "Sipa hafa izany fa sady akama koa, mety miady amin’ny piesinareo an!"
- "Liana be izahay raha izany!"

 Nivoaka ny fiara i Hery, nanatona ny varavarana dia nampaneno ny kiririoka fanairana. Injay fa nivoha ny trano, i Tahiana io, faly dia faly ery no sady taitra aok’izany.

- "Hery, tena nalahelo be anao aho ! fa naninona ianao e ! tsy niantso ahy mihitsy." Sady namihina mafy an’i Hery ity vehivavy, Radadafara etsy sady mitsiky ihany mahita azy ireo, moa i Hery rahateo somary nitodika no nijery azy. Somary nanainga loha;
- "Miaraka aminao angaha io olona io ; Mandroso aloha e ! tena faly mihitsy aho mahita anao ! asaivo mandroso koa io namanao io fa tsy maninona e!"
" Eisy, mandeha tsara izy izany,"  hoy i Hery tany an-tsainy.
Nokopahiny tanana i Feno dia nivoaka sady nanidy ny fiarany dia nandroso tao amin'i Tahiana.
Vao tafiditra dia raikitra ny fampifankahalalana.
- "Izy no Tahiana, namako izy dia mikarakara ny pasipaoroko. Dia izy no Fano, rahalahin-draiko, izy no faralahy amin-dry zareo."
- "Faly mahafantatra" , hoy i Tahiana sy Feno saika niara niteny.  
i Tahiana toa somary menamenatra, I Dadafara toa saika tsy nahaloa-peo.

"Ohatran'ny mety ho tsara ny fandehan'ireto" hoy i Hery tany antsainy tany " fa toa somay menamenatra sady somary nitsiky kely izy.
Nony afaka kelikely :
- "Fa naninona ho’aho ianao no tsy niantso mihitsy, efa nivarahontsana mihitsy aho taty."
- "Tena very ny findaiko, nefa ny laharan’ny findainao tany anatiny tany. Tsy hitako izay nantsoina moa izaho rahateo sahirana."
- "Fa toa hoe tany amin’ny hopitaly ianao!"
- "Ie! tsy izaho no narary fa namana iray izay!"
- "hay ve! tena mampitaintaina mihitsy ianareo ity. Inona aloha no arosoko anareo e!"
- "Misaotra betsaka fa efa avy nisakafo izahay," sady  somary nodomin-dRadadafarany i Hery.
- "Mbola misy dité mafana ange raha te-hisotro ianareo e!"
- "Ianao koa ve tsy handeha hiasa moa ka elingeleninay, fa ny tena nandalovako dia hanontany vaovao mikasika ilay pasipaoro;"
- "Ny an’i hery koa moa izany no zavatra mahamaika azy, efa vita izay ilay izy fa mandalo any fotsiny isika rahariva, azonao alaina aho dia miaraka any isika, afaka miala aloha aho mantsy."
- "Vao mainka tsara!"

Vetivety dia voaroson’i Tahiana ny dite, dia nanasa hipetraka sy hisotro, i Feno etsy faly ery. Te hanontany mafy i Hery mikasika izay vaovao fantatr’i Tahiana nefa naleony aloha niandry. Vita ny sakafo.
- "Ka ianao moa izany Mlle Tahiana, notananay teto nefa mbola hiasa, tsy aleo ve aterinay."
- "Tsy mampaninona mihitsy ka!" hoy koa ity farany.
- "Sady lalantsika ihany ny toeram-piasàny."

Nifampijery tsara izy roa, samy menamenatra, i Hery etsy mipi-kelika fa nahita namana ho an’i Tahiana dia mba afaka amin’izay ny geja an-kolaka mahazo azy.

Nivoaka ny trano avy eo, mailamailaka ery i Feno namoha ny fiara, nefa hoy i Tahiana.
- "Ka tsy aleo izaho no ato aoriana fa izaho ange izany no miala aloha e!"
- "
Marina izany," hoy i Feno, sady menamenatra ihany izy.

Tsy dia nisy niresaka firy aloha taorian'izay fa dia toa samy variana nijery ny zava misy tany ivelan'ny fiara avokoa. I Tahiana rahateo moa naka afovoany tao aoriana tao, hitan'i Fano tsara amin’ny fitarafana. Saika nifanojo matetika ny mason'izy roa. Naterin'izy mianaka teo ambaravarana mihitsy i Tahiana. Nivoaka ny fiara izy sady nisaotra no nanao veloma. I Fano tsy nahateny fa nihanahana fotsiny. Asa, raha azony atao ny niodina eran’antananarivo dia nataony.
Lasa izy mirahalahy mianaka, niteny amin’izay i dadafara.
- "Fa taiza letsy no nahitan’ialahy an’ireny sipa ireny le?"
- "Naman’ny bôfin’ny ankizy iny! sady dokotera ange iny e! Miady aminareo tsara mihitsy raha hiditra, sady mbola tsy manambady."
- "Milay kosa izany, ao amin’io farmasia io izany no ahitàna azy."
- "ié ! fa izy manana ny biraony any ambony rihana fa tsy eo am-pivarotana."
- "Mihetsiketsika ianao ry Papa an!" hoy i Hery nananihany an’ity rahalahin-dRainy.

------------------------

Maivamaivana ery i Alexia avy nanoratra ho an'i Hery teo. Lasalasa eritreritra teo anoloan'ny solosaina, nandrevorevo ireo lasa niarahan'izy roa. Ny fotoana nahalalany an'i Hery voalohany, nitsena sy naka azy tany am-pianarana. Ny oroka voalohany nifanaovan'izy roa, tsy ho hainy adinoana. Maika moa fa ilay andro niraisany tamin'i Hery voalohany? naharary nefa toa nahasambatra ihany koa. Izany mivoaka kely ny renivohitra rehefa faran'ny herinandro, aoka fotsiny, sangisangy, resadresaka, orokoroka... " Rehefa any amin'ny toeram-piasana vao miditra maraina izy izao no afaka mamaky iny mailaka iny. Toa tsy andriko ery izay hahenoana indray ny feony. Sa andramako antsoina amin'ny findain'i Neny ihany re rehefa avy eo e?" hoy izy tany antsainy tany sady velontsiky kely irery teo izy nefa koa toa nisento tokana. Mbola tsy
tonga ry Malala, ny famantaran'ora koa toa nihisatra dia nihisatra. NIvezivezy nitety ireo pejy isankarazany teo amin'ny vohin-kalam-pifandraisana teo aloha izy. Nidikidirany daholo izao karaza-tranonkala rehetra izao, indrindra indrindra fa ny mahakasika an'i Gasikara sy ny vaovaony. Tafatsofoka tany amin'ny wanadoo.mg no niafarany ary dia tadidiny tampoka ilay adiresy mailakany iray hafa nampiasainy fony izy niserasera tamin'ny karazan'olona sy naneho karazan-kevitra tao amin'ny forum. Adiresy nifandraisany tamin'olona iray izay namboraka ny olany ara-pitiavana taminy, ary nomeny toro-hevitra.

Nosokafany io mailaka, io eny, nanoratra indray ilay tovolahy, efa mailaka telo no avy aminy. Novakiany ... Arahaba, fialan-tsiny, fiangaviana ny mba hanomezana torohevitra azy indray no fehezanteny maromaro niantombohany. Novakiany ... Solafaka indray aho ry Tiana, manahy aho ny tsy ho tafarina intsony, ...., vehivavy ianao, inoako fa afaka manome toro-hevitra ahy satria ianao afaka mipetraka eo amin'ny toeran'ilay olon-tiako. ...., ianao no afaka amborahako ny rehetrako ....

....

- "Andray, dia mbola niaraka ihany kay izy sy ilay rafozany notantariny tamiko farany .... an! ny naman'ilay rafozany hatramin'ny fahazaza koa ve nanaovany firaisana aranofo? Tsy azoko, aleo hoe averiko kely .... tena marina. ... Mba lehilahy tsy vanona koa ity ka, saingy izaho ve moa hiteny azy izany tsy ho asa. Aleo tohizana ny famakiana " Saika namoy fo i T, (izay marihiko fa mpitsabo), ilay naman'ny rafozam-baviko raha vao tsy nety sy nandà mafy ny hiaraka taminy aho." Iee! Raharaha tadiavina ny anao izany ry tovolahy koa. Raha tena te hanohitra ny fakam-panahy marina ianao dia vitanao izany, saingy ianao mihitsy koa no mankafy ilay toetra ratsy, tsss ...."

- "An!...loza ity! ... Andriamanitra o! ... Inona ity lazain'ity? ... notohizany: " ny silipon'i T. adinony tao amiko, nivalombalona tany anaty lambam-pandriako no hitany raha iny izahay avy niray iny. ..... Nirifatra tsy tana izy .... voan'ny lozam-pifamohivohizana ny alina .... tsy maintsy nalefa notsaboina any an-dafy...."

Maizina tamin'i Alexia ny tany aman-danitra. Te hitomany izy, nefa tsy nahalatsa-dranomaso. Te hikiaka mafy izy, nefa toa kenda tanteraka, nitambolombolona be ihany ny tao anatiny. Niondrika moramora izy. Navokony mafy ny totohondriny havia, ny tanany havanana kosa namihina mafy ilay totozin'ilay solosaina nampiasainy.

- "Tsia an! Tsy marina izany e,  tsy mino aho," hoy izy nanomboka nifokofoko. Tena i Hery io. Lehilahy tsy vanona, sssh ... tsy mataho-tody sssh... tsy vanona... hheinnnn.... Hay an'i Tatie Tahiana izany iny? ...iny no naman'i Neny, sady mpitsabo, tsy nampoiziko hheinnn! Ranomaso tsy ranomaso amin'izay no nameno ny tavany. Ambonin'akanjo sendra nihantona teo an-damosin'ny seza no notakariny namafana ireo ranomasony mipatrapatraka. Lehilahy tsivanona,  tsivanona izay no naverimberiny.

Rehefa avy nanala ny fony elaela teo izy dia... mba tonitony ihany.

- "Noho ianao no efa saika namoizako ny aiko farany teo. Sanatria ny mbola hamoy fo noho ianao ry Hery, tsy mba hiova raha ianao. Tena tsy misy ilàna anao. Nateraka tsy ho vanona angamba, mandratra ihany koa izay rehetra sendra anao. Mieritreritra ny tsy mba ho tratran'ny aloka ianao ry Hery nandrintra ny taona maro niainanao, ka izao tsy mba aloka intsony no hahazo anao fa dia ny aizina mandrakizay. Aizim-pitiavana, manodiava anao ny mahazo ahy sy izay mety ho efa nataonao koa tamin'ny karazam-behivavy rehetra hafa manan'alahelo aminao."

Na dia niezaka ny hampitony tena mafy aza i Alexia, dia toa azony sary an-tsaina izany ny firaisana ara-nofo niarahan'i Hery tamin'i Malala, tamin'i Tahiana, niserana tao an-tsainy koa vehivavy hafa. Ireny nahasambatra azy tamin'i Hery ireny, hay nahasambatra olon-kafa koa, noheveriny fa izy irery. Indraindray tsapany ho voatsindrona mafy ny fony dia mitomany izy. Indraindray mihevitra ny tenany ho vendrana izy ka voafitaka, dia manome tsiny kely ny tenany. Indraindray toa mahatsiaro izy fa voazimbazimba sy voaviravira ny vatany, dia kiriko sy misafoakan'ny hatezerana. Nitsangana izy, nivezivezy eran'ny trano, tsy hitany izay ho sarangotina.

- Te hamaly faty azy aho. Tahak'izay aho tsy nandefa iny mailaka iny, tahak'izay ity aloha no nosokafako izay vao ny tena ahy. Hamaly faty aho ve? amin'ny fomba ahoana anefa? izaho aty, izy any, soa ihany aza aho fa aty lavitra aty! Aleo izy ho any. Tsy hiantso azy aho, tsy hanoratra ho azy intsony, tsy te hanana fifandraisana aminy intsony aho na dia kely aza. Tsy maintsy mitraka aho, hoy ahy sy ho an'ny ho aviko manontolo. Tsaroako ny tenin'i Profesora Mahefa tamiko. Tazomiko ho ahy samirery izao trangan-javatra izao. Iza moa no mba azoko itokiana? Ny reniko, olona tokony ho faran'izay akaiky ahy aza no toa lasa vahavaloko voalohany? Eny e! tsy naloaky ny kibony aho. Izany angamba no nanaovany ireny. Tsy te hanome tsiny azy aho. olombelona ihany ny olombelona, mitoetra foana ny hoe "nateraka" sy "tsy nateraka" na dia tsara fo sy toetra aza ny olona."

Nandinika ny fiainany manontolo teo izy. Nisaina kely ny zava-nitranga taloha notantaraina taminy. Ny amin'ny TENA FIAINANY.
- "Indrisy! nahoana re ry Neny no dia nandao ahy ianao e! Any ianao izao mahalala ny manjo ahy rehetra. Neny a! ampio ny zanakao, inona no tokony ataoko? aiza no tokony izorako? Neny a! tsy afaka ny hiverina ety an-tany intsony ianao. Eny fa na dia izay aza ny faniriako faran-tampony izao. Tarito any amin'izay raiko niteraka ahy aho Neny a! Mahatsiaro loatra ho irery aho eto amin'ity tany fandalovana ity. Tafasaraka samy mbola tao anatiny fitiavana tanteraka hono ianareo, mino aho fa ho tia sy hanaiky ahy zanany izy e! Andriamanitra o!
Mino aho fa izao no fotoana tokony mba ahalalàko izay tena raiko niteraka ahy, mahatsiaro ho irery loatra aho. 

 Loulou ([email protected]) & Tadiom-pitiavana ([email protected]

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype