Nazotozoto ery i Hery nandeha namonjy ny toeram-piasany ny ampitson’iny. Nanao ny tatitra tamin’ny iraka nataony tany Mahajanga izy aloha, ary fantany fa tsy nametraka ny olana teo anivon’ny orinasa ny dia izay nalehany. Tomombana tsara avokoa ny iraka nampanaovina.
Tsy andriny intsony nony avy eo fa vao nahita solosaina nisokatra i Hery dia nijery ny tranonkala no nataony voalohany. Nosokafany ny mailaka nifanaovany tamin’i Alexia omaly, tsy nisy hafatra voaray. Dia lasa indray ny lehilahy nanoratra vetsovetsom-po vaovao hatolony an’ity olon-tiany lavitra azy.
Alexia,
raha fantatrao mantsy ny alaheloko tsy mahita anao,
dia hitady ahy koa ianao ary fantatro fa hifanena eny amin’ny habakabaka sy ny lanitra eny isika. Irery aho fa tsy eo ianao ! Manina ilay tiako aho, te-hitady anao, ary ho avy tsy ho ela fa ny saiko efa any aminao tanteraka
Alexia, hitady anao any aho,
hitady anao na aiza na aiza misy anao !
Ho avy tsy ho ela arak’izay azoko atao !
Raiso eo an-tratranao ity foko manirery !
Hery !
Tsy kivy fa velom-bolo hatrany i Hery, tena lasa aina namelombelona azy ilay mailaka farany nalefan’i Alexia. Tsy andriny mihitsy ilay antso avy any aminy fa efa nomeny tamin’ny mailaka ny laharan’ny findainy. Raha nisy ny zavatra tsy niala teny aminy dia iny findainy iny. Ary raha maneno iny dia hikoropaka izay tsy izy ny lehilahy hamaly ny antso ao.
Tonga ihany anefa ny hariva, tsy nisy na inona na inona, ny tranokala no nosokafany matetika fa tsy nisy hafatra na dia iray aza, eny fa na dia izay avy amin’i Tiana koa. Ilay finday rahateo na dia kitika kely monja aza tsy nisy naneno.
Tsy nataony nahakivy anefa izany, azony an-tsaina ihany ny manjo an’i Alexia. Mety ho sahirana na koa tsy afaka loatra ny hikitika solosaina ka handefa mailaka isan’andro izao. Izy rahateo moa mbola tsy tena tomombana ny fahasalamany. Tsy mampaninona izany, mbola misy foana ny fanantenany.
Vao nirava izy dia nahatsiaro fa tokony hihaona amin’i Mihary, efa hafatr’ity farany rahateo fa tsy maintsy misy fotoana hifampiresahany mikasika ny fiainan’i Hery. Tsy tian’i Mihary hofaranana mantsy ny fanaraha-maso, indrindra ny fiovan’ny toe-tsain’i Hery tato ho ato.
Lasa izy namonjy ilay birao efa natoron’i Mihary azy. Hitany tsara ny toerana fa ny tena misy ilay birao kosa no tsy maintsy nanontaniany ny mpiandry ny lalantsara ;
Niakatra tany amin’ny rihana faharoa izy aloha, dia niditra varavarana lehibe, olona vitsivitsy no tao, ny sasany bevohoka, mbola tanora koa ny hafa fa saika vehivavy avokoa. Dia variana moa ny sasany mijery an’ity tovolahy sady manam-bika sy tarehy. Nipetraka teo amin’ny efitra fiandrasana aloha i Hery rehefa avy nifampanontany izay olona eo alohany hatao fizahàna. Dia niandry izy, namaky ny revio teo anoloany. Nifampijery ihany izy amin’ireo vehivavy hafa fa toa tsy nahoany akory. Vao nisokatra ny varavaran’ny efitra fizahàna ny marary dia indro i Mihary manao veloma ilay olona vao avy nozahany. Aron’akanjo fotsy no notafiany, ao anatiny ao lobaka mena manifinify dia pataloha lava arahin’ny kiraro mainty somary misy vodi-tongotra. Nitsiky izy nahita an’i Hery, sady toa faly aoka izany. Nifampiarahaba lavitra izy roa. Dia nampidirin’i Mihary ny olona manaraka, dia tahak’izay foana isaky ny 15 mn.
Olona iray sisa no teo alohan’i Hery, injay fa misy olona mandeha any an-dalantsara any, re ny figadogadon’ny tongony ary fantatra avy hatrany ny kiraro avo vody tongotra anaovany fa manako manenika ny rindrina efatry ny lalantsara. Mirindra tsara ny figadon’ny tongony, manakaiky ny efitra fiandrasana dia niditra ilay varavarana lehibe:
Taitra i Hery nahita ilay olona, ilay olona koa toa nitsamboatra tampoka nahita an’i Hery.
- "Hery, fa maninona ato koa ianao?"
- "Oay, Tahiana, tsy nihevitra ny hahita anao aty aho, fa angaha misy tsy salama no…"
- "Non ! salama tsara aho ka, resaka hafa mihitsy no andehanako aty ! Ary ianao, fa angaha ianao misy aretina nahazo anao no aty no dokotera andehananao?"
- "Zavatra hafa koa ka ! tsy resaka aretina fa…"
Toa niahotra tampoka i Hery, tsy sahy nilaza tamin’i Tahiana. Ity farany rahateo tsy nahalala izay nitranga tany Mahajanga na dia sombin-tantara iray aza ! Naleony aloha nangina.
Vao tafapetraka dia hoy i Tahiana nanohy :
- "Tokony hotantaraiko anao ihany fa niara-nisakafo tamin’i dadafaranao ange aho io atoandro io e! Mahafinaritra kosa ny Dadafaranao koa, izy moa tsy mety antsoina izany Dadafara izany, fa sady mahay mampiresaka no mahay mihaino izay teneninao, mahay mikarakara ihany koa. Noheveriko fa saro-kenatra be ange izy tamin’ny voalohany ireny izaho naterinareo tany am-piasàna omaly ireny e! Fa hay izy tena mahafinaritra kosa ko!
Vao tonga tao am-piasàna aho io maraina io dia efa nandrasany tsara teo akaikin’ny varavarana, dia hoy izy:
- "Vehivavy tsara tarehy toa anao izao, hono, dia mendrika omena voninkazo tsara tahaka itony." Dia gaga be aho, izy aloha tonga dia tadidiko tsara mihitsy, fa tena gaga aho notolorany ilay voninkazo; tsy nampoiziko kosa aloha e ! Sady tiako ilay voninkazo.
- "Dia avy eo ahoana," hoy i Hery lasa liana amin’ny tantaran’i Tahiana.
- "Dia hoy izy hoe "fohy ny fotoana ifanenako aminao izao fa raha sitrakao dia hotohizantsika ka manasa anao aho hiara-misakafo isika rahatoandro!"
Dia tsy haiko fa lasa nahatoky be azy izany aho, toa teny tsotra nefa mitory fahatokiana. Eny e! izay mihitsy, dia nifanao fotoana izahay, izaho moa nandeha niasa, ilay voninkazo mbola mipetraka tsara ao anaty biraoko ao.
Dia tonga ny atoandro, iny i Fano efa miandry ahy teo am-baravarana indray. Dia lasa izahay, resaka izany nataonay izany, tena mahafinaritra ahy izy! Tsy lainga lainga!"
- Tsara izany ka," hoy i Hery, <<<il était temps aussi, ouff>>> dia nanao ahoana ny tohiny?
- "Ka izaho aty izao fa tsy maintsy nofaranana ny resakay, dia mbola nifanome fotoana indray izahay amin’ny faran’ny herinandro, sady efa akaiky Krismasy koa."
Nisento tokana i Hery, faly am-po izy, tahaka ny nisy valiny ny fisasarany rehetra ;
Tampoka anefa, nanontany indray i Tahiana:
- "Mbola tsy novalianao tsara ange ny ataonao aty e?
- "Izaho ve," nisalasala kely i Hery, namako i Dr Mihary ka, namako mpiara-mianatra tamiko izy tany amin’ny kilasy famaranana! Dia fantatro fa efa tafaverina izy dia mba mamangy azy aho!"
- "Hay ve? hay ve namanao izy e! Tsara kosa izany! Tena tsara mihitsy. "
- "Fa ahoana? Fa ahoana no ialazanao fa tsara izany?"
Tamin’izay no nisokatra indray ny varavaran’ny efitra fizahana, faly ery i Mihary nahita an’i Tahiana koa, ary gaga izy fa tena mifampiresaka be aminy i Hery. Nanontany izy avy eo:
- "Fa angaha mifankafantatra ianareo?"
- "Ie !" hoy izy roa niara-namaly sady nifampijery.
- "Andraso aloha handray ity olona hozahako farany ity aho dia mifampiresaka isika ! Izay an! rehefa avy eo!"
Tsy nisy nifampiteny aloha i Hery sy Tahiana ! Nifampijery tsara. Farany tsy naharitra i Hery fa nanontany :
- "Fa inonao i Dr Mihary ry Tahiana?"
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Toa tsy nahahetsika teo i Tahiana. Ny varavarana nivoahan'i Hery no nobanjininy mafy. Nalahelo mafy tamin’izay nanjo azy izy. Very ny heviny amin’ity fahasarotam-piarony. Te-hitroatra anefa tsy afaka. Malahelo fa toa handamoka am-boalohany ilay valifaty tiany hatao amin’i Malala. Izy anefa mihevitra fa ho nenina tsy misy fiafarany no hahazo an’i Hery raha mbola midikiditra amin’ny fianakavian-dRatrema ihany izy.
Niverina tao antsainy indray ilay eritreriny teo aloha nony afaka kelikely.
- "Tsy maintsy ampifanatoniko amin’ny zanak’i Flô aloha i Hery mandra-pandehany fa sao dia afaka ny hanova hevitra azy ihany ikalakely iny." Hoy izy anankapo. Noraisiny ny findainy dia niantso an’i Flô izy.
- "Allo Flô!"
- "I Tahiana marina, ahoana akia ! inona ny vaovao?"
- "Tsy dia misy akia an ! Fa te-hanontany aho hoe aiza moa no ahitako ny zanak’indry fa mba te-hiresaka aminy aho."
- "Fa ahoana akia! angaha misy tsy metimety, i Nomena aloha io tadiavin-dry io an!"
- "Ie ! i Nomena mihitsy."
- "Tongava aty amiko rahampitso fa mody misakafo atoandro eo izy, fa indraindray izy aloha dia alina vao mody noho ny asany."
- "Tena ny asako koa tsy ahafahako mankany aminareo, izay anie no mahatonga ahy hanontany ny misy azy e!"
- "Eny ary e ! omeko an-dry ny toerana misy ny biraony fa inona aloha no tena itadiavan-dry azy e ! hilazako mialoha mantsy izy!
- "ttssss ! in-dry ilay niteny tamiko fa tokony hitadiavana vady ikalakely iny sao dia hadino eo koa. Misy akia any an! sao dia mba mahaliana ny zanak’indry. Tsy ratsy an! sady mitovitovy taona aminy tsara."
- "ha, ha, ha ! Tahiana ity koa tena mampihomehy, ary ny an-dry aloha manao ahoana e! Mba efa nahita ve? aza dia fatra-pifidy loatra akia fa indraindray anie anenenana e ! Efa fotoana tsy fanaovana safidy intsony izao taonan-dry izao. Sady efa leo mihitsy aho amin’ity aminareo tsy mahita vady ity. Aiza ka ianareo mirahavavy no mba zanak’i Tatie Hortense, nefa dia tsy mbola misy manambady ihany. Sa ve dia efa tarazo amin’ny fianakaviana mihitsy ity tokan-tena ity? "
- "Ka atao ahoana re ry Flô an ! izahay anie angatahina fa tsy mpangataka e!"
- " Eny e! fa lazaiko fotsiny i Nomena fa ho avy any amin’ny biraony izany ny rahavavin-dreniny. Ilazako ihany indry raha sendra tsy ao izy, mino fa ho faly mihitsy izy mahita an-dry tonga mitsidika azy. Ao antsahavola ao ny biraony."
- " Izay Flô fa aza miteniteny azy hoe misy bandy afaka hiaraka aminy any an! Aleo izaho ihany no hilaza ilay izy rehefa tonga any! Izay! Veloma ary akia an!"
Vita ny antson’izy mirahavavy dia lasa nikarakara sakafo i Tahiana ! I Manitra rahateo moa naka rivotra any ambanivohitra fa dia tokan-tena irery tao izy. Izay koa angamba no mampanahy be ihany ny sainy, tsy manana namana horesahina.
Tadiom-pitiavana ([email protected])
Nivoaka ny fiara i Hery, nanatona ny varavarana dia nampaneno ny kiririoka fanairana. Injay fa nivoha ny trano, i Tahiana io, faly dia faly ery no sady taitra aok’izany.
- "Hery, tena nalahelo be anao aho ! fa naninona ianao e ! tsy niantso ahy mihitsy." Sady namihina mafy an’i Hery ity vehivavy, Radadafara etsy sady mitsiky ihany mahita azy ireo, moa i Hery rahateo somary nitodika no nijery azy. Somary nanainga loha;
- "Miaraka aminao angaha io olona io ; Mandroso aloha e ! tena faly mihitsy aho mahita anao ! asaivo mandroso koa io namanao io fa tsy maninona e!"
" Eisy, mandeha tsara izy izany," hoy i Hery tany an-tsainy.
Nokopahiny tanana i Feno dia nivoaka sady nanidy ny fiarany dia nandroso tao amin'i Tahiana.
Vao tafiditra dia raikitra ny fampifankahalalana.
- "Izy no Tahiana, namako izy dia mikarakara ny pasipaoroko. Dia izy no Fano, rahalahin-draiko, izy no faralahy amin-dry zareo."
- "Faly mahafantatra" , hoy i Tahiana sy Feno saika niara niteny.
i Tahiana toa somary menamenatra, I Dadafara toa saika tsy nahaloa-peo.
"Ohatran'ny mety ho tsara ny fandehan'ireto" hoy i Hery tany antsainy tany " fa toa somay menamenatra sady somary nitsiky kely izy.
Nony afaka kelikely :
- "Fa naninona ho’aho ianao no tsy niantso mihitsy, efa nivarahontsana mihitsy aho taty."
- "Tena very ny findaiko, nefa ny laharan’ny findainao tany anatiny tany. Tsy hitako izay nantsoina moa izaho rahateo sahirana."
- "Fa toa hoe tany amin’ny hopitaly ianao!"
- "Ie! tsy izaho no narary fa namana iray izay!"
- "hay ve! tena mampitaintaina mihitsy ianareo ity. Inona aloha no arosoko anareo e!"
- "Misaotra betsaka fa efa avy nisakafo izahay," sady somary nodomin-dRadadafarany i Hery.
- "Mbola misy dité mafana ange raha te-hisotro ianareo e!"
- "Ianao koa ve tsy handeha hiasa moa ka elingeleninay, fa ny tena nandalovako dia hanontany vaovao mikasika ilay pasipaoro;"
- "Ny an’i hery koa moa izany no zavatra mahamaika azy, efa vita izay ilay izy fa mandalo any fotsiny isika rahariva, azonao alaina aho dia miaraka any isika, afaka miala aloha aho mantsy."
- "Vao mainka tsara!"
Vetivety dia voaroson’i Tahiana ny dite, dia nanasa hipetraka sy hisotro, i Feno etsy faly ery. Te hanontany mafy i Hery mikasika izay vaovao fantatr’i Tahiana nefa naleony aloha niandry. Vita ny sakafo.
- "Ka ianao moa izany Mlle Tahiana, notananay teto nefa mbola hiasa, tsy aleo ve aterinay."
- "Tsy mampaninona mihitsy ka!" hoy koa ity farany.
- "Sady lalantsika ihany ny toeram-piasàny."
Nifampijery tsara izy roa, samy menamenatra, i Hery etsy mipi-kelika fa nahita namana ho an’i Tahiana dia mba afaka amin’izay ny geja an-kolaka mahazo azy.
Nivoaka ny trano avy eo, mailamailaka ery i Feno namoha ny fiara, nefa hoy i Tahiana.
- "Ka tsy aleo izaho no ato aoriana fa izaho ange izany no miala aloha e!"
- "Marina izany," hoy i Feno, sady menamenatra ihany izy.
Tsy dia nisy niresaka firy aloha taorian'izay fa dia toa samy variana nijery ny zava misy tany ivelan'ny fiara avokoa. I Tahiana rahateo moa naka afovoany tao aoriana tao, hitan'i Fano tsara amin’ny fitarafana. Saika nifanojo matetika ny mason'izy roa. Naterin'izy mianaka teo ambaravarana mihitsy i Tahiana. Nivoaka ny fiara izy sady nisaotra no nanao veloma. I Fano tsy nahateny fa nihanahana fotsiny. Asa, raha azony atao ny niodina eran’antananarivo dia nataony.
Lasa izy mirahalahy mianaka, niteny amin’izay i dadafara.
- "Fa taiza letsy no nahitan’ialahy an’ireny sipa ireny le?"
- "Naman’ny bôfin’ny ankizy iny! sady dokotera ange iny e! Miady aminareo tsara mihitsy raha hiditra, sady mbola tsy manambady."
- "Milay kosa izany, ao amin’io farmasia io izany no ahitàna azy."
- "ié ! fa izy manana ny biraony any ambony rihana fa tsy eo am-pivarotana."
- "Mihetsiketsika ianao ry Papa an!" hoy i Hery nananihany an’ity rahalahin-dRainy.
------------------------
Maivamaivana ery i Alexia avy nanoratra ho an'i Hery teo. Lasalasa eritreritra teo anoloan'ny solosaina, nandrevorevo ireo lasa niarahan'izy roa. Ny fotoana nahalalany an'i Hery voalohany, nitsena sy naka azy tany am-pianarana. Ny oroka voalohany nifanaovan'izy roa, tsy ho hainy adinoana. Maika moa fa ilay andro niraisany tamin'i Hery voalohany? naharary nefa toa nahasambatra ihany koa. Izany mivoaka kely ny renivohitra rehefa faran'ny herinandro, aoka fotsiny, sangisangy, resadresaka, orokoroka... " Rehefa any amin'ny toeram-piasana vao miditra maraina izy izao no afaka mamaky iny mailaka iny. Toa tsy andriko ery izay hahenoana indray ny feony. Sa andramako antsoina amin'ny findain'i Neny ihany re rehefa avy eo e?" hoy izy tany antsainy tany sady velontsiky kely irery teo izy nefa koa toa nisento tokana. Mbola tsy tonga ry Malala, ny famantaran'ora koa toa nihisatra dia nihisatra. NIvezivezy nitety ireo pejy isankarazany teo amin'ny vohin-kalam-pifandraisana teo aloha izy. Nidikidirany daholo izao karaza-tranonkala rehetra izao, indrindra indrindra fa ny mahakasika an'i Gasikara sy ny vaovaony. Tafatsofoka tany amin'ny wanadoo.mg no niafarany ary dia tadidiny tampoka ilay adiresy mailakany iray hafa nampiasainy fony izy niserasera tamin'ny karazan'olona sy naneho karazan-kevitra tao amin'ny forum. Adiresy nifandraisany tamin'olona iray izay namboraka ny olany ara-pitiavana taminy, ary nomeny toro-hevitra.
Nosokafany io mailaka, io eny, nanoratra indray ilay tovolahy, efa mailaka telo no avy aminy. Novakiany ... Arahaba, fialan-tsiny, fiangaviana ny mba hanomezana torohevitra azy indray no fehezanteny maromaro niantombohany. Novakiany ... Solafaka indray aho ry Tiana, manahy aho ny tsy ho tafarina intsony, ...., vehivavy ianao, inoako fa afaka manome toro-hevitra ahy satria ianao afaka mipetraka eo amin'ny toeran'ilay olon-tiako. ...., ianao no afaka amborahako ny rehetrako ....
....
- "Andray, dia mbola niaraka ihany kay izy sy ilay rafozany notantariny tamiko farany .... an! ny naman'ilay rafozany hatramin'ny fahazaza koa ve nanaovany firaisana aranofo? Tsy azoko, aleo hoe averiko kely .... tena marina. ... Mba lehilahy tsy vanona koa ity ka, saingy izaho ve moa hiteny azy izany tsy ho asa. Aleo tohizana ny famakiana " Saika namoy fo i T, (izay marihiko fa mpitsabo), ilay naman'ny rafozam-baviko raha vao tsy nety sy nandà mafy ny hiaraka taminy aho." Iee! Raharaha tadiavina ny anao izany ry tovolahy koa. Raha tena te hanohitra ny fakam-panahy marina ianao dia vitanao izany, saingy ianao mihitsy koa no mankafy ilay toetra ratsy, tsss ...."
- "An!...loza ity! ... Andriamanitra o! ... Inona ity lazain'ity? ... notohizany: " ny silipon'i T. adinony tao amiko, nivalombalona tany anaty lambam-pandriako no hitany raha iny izahay avy niray iny. ..... Nirifatra tsy tana izy .... voan'ny lozam-pifamohivohizana ny alina .... tsy maintsy nalefa notsaboina any an-dafy...."
Maizina tamin'i Alexia ny tany aman-danitra. Te hitomany izy, nefa tsy nahalatsa-dranomaso. Te hikiaka mafy izy, nefa toa kenda tanteraka, nitambolombolona be ihany ny tao anatiny. Niondrika moramora izy. Navokony mafy ny totohondriny havia, ny tanany havanana kosa namihina mafy ilay totozin'ilay solosaina nampiasainy.
- "Tsia an! Tsy marina izany e, tsy mino aho," hoy izy nanomboka nifokofoko. Tena i Hery io. Lehilahy tsy vanona, sssh ... tsy mataho-tody sssh... tsy vanona... hheinnnn.... Hay an'i Tatie Tahiana izany iny? ...iny no naman'i Neny, sady mpitsabo, tsy nampoiziko hheinnn! Ranomaso tsy ranomaso amin'izay no nameno ny tavany. Ambonin'akanjo sendra nihantona teo an-damosin'ny seza no notakariny namafana ireo ranomasony mipatrapatraka. Lehilahy tsivanona, tsivanona izay no naverimberiny.
Rehefa avy nanala ny fony elaela teo izy dia... mba tonitony ihany.
- "Noho ianao no efa saika namoizako ny aiko farany teo. Sanatria ny mbola hamoy fo noho ianao ry Hery, tsy mba hiova raha ianao. Tena tsy misy ilàna anao. Nateraka tsy ho vanona angamba, mandratra ihany koa izay rehetra sendra anao. Mieritreritra ny tsy mba ho tratran'ny aloka ianao ry Hery nandrintra ny taona maro niainanao, ka izao tsy mba aloka intsony no hahazo anao fa dia ny aizina mandrakizay. Aizim-pitiavana, manodiava anao ny mahazo ahy sy izay mety ho efa nataonao koa tamin'ny karazam-behivavy rehetra hafa manan'alahelo aminao."
Na dia niezaka ny hampitony tena mafy aza i Alexia, dia toa azony sary an-tsaina izany ny firaisana ara-nofo niarahan'i Hery tamin'i Malala, tamin'i Tahiana, niserana tao an-tsainy koa vehivavy hafa. Ireny nahasambatra azy tamin'i Hery ireny, hay nahasambatra olon-kafa koa, noheveriny fa izy irery. Indraindray tsapany ho voatsindrona mafy ny fony dia mitomany izy. Indraindray mihevitra ny tenany ho vendrana izy ka voafitaka, dia manome tsiny kely ny tenany. Indraindray toa mahatsiaro izy fa voazimbazimba sy voaviravira ny vatany, dia kiriko sy misafoakan'ny hatezerana. Nitsangana izy, nivezivezy eran'ny trano, tsy hitany izay ho sarangotina.
- Te hamaly faty azy aho. Tahak'izay aho tsy nandefa iny mailaka iny, tahak'izay ity aloha no nosokafako izay vao ny tena ahy. Hamaly faty aho ve? amin'ny fomba ahoana anefa? izaho aty, izy any, soa ihany aza aho fa aty lavitra aty! Aleo izy ho any. Tsy hiantso azy aho, tsy hanoratra ho azy intsony, tsy te hanana fifandraisana aminy intsony aho na dia kely aza. Tsy maintsy mitraka aho, hoy ahy sy ho an'ny ho aviko manontolo. Tsaroako ny tenin'i Profesora Mahefa tamiko. Tazomiko ho ahy samirery izao trangan-javatra izao. Iza moa no mba azoko itokiana? Ny reniko, olona tokony ho faran'izay akaiky ahy aza no toa lasa vahavaloko voalohany? Eny e! tsy naloaky ny kibony aho. Izany angamba no nanaovany ireny. Tsy te hanome tsiny azy aho. olombelona ihany ny olombelona, mitoetra foana ny hoe "nateraka" sy "tsy nateraka" na dia tsara fo sy toetra aza ny olona."
Nandinika ny fiainany manontolo teo izy. Nisaina kely ny zava-nitranga taloha notantaraina taminy. Ny amin'ny TENA FIAINANY.
- "Indrisy! nahoana re ry Neny no dia nandao ahy ianao e! Any ianao izao mahalala ny manjo ahy rehetra. Neny a! ampio ny zanakao, inona no tokony ataoko? aiza no tokony izorako? Neny a! tsy afaka ny hiverina ety an-tany intsony ianao. Eny fa na dia izay aza ny faniriako faran-tampony izao. Tarito any amin'izay raiko niteraka ahy aho Neny a! Mahatsiaro loatra ho irery aho eto amin'ity tany fandalovana ity. Tafasaraka samy mbola tao anatiny fitiavana tanteraka hono ianareo, mino aho fa ho tia sy hanaiky ahy zanany izy e! Andriamanitra o! Mino aho fa izao no fotoana tokony mba ahalalàko izay tena raiko niteraka ahy, mahatsiaro ho irery loatra aho.
Loulou ([email protected]) & Tadiom-pitiavana ([email protected])
« | Jiona 2006 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |