Tadiom-pitiavana

Pejy 27
2006/04/19,10:09

Mihitsan-dravina ireo hazo manodidina ny faritr'i Paris. Efa manomboka mitsoka ny rivotry ny hatsika mamirifiry ny faritr'i Eropa iny. Manakaiky ny faramparan'ny taona, efa miravaka ny endriky Krismasy ny magazy lehibe. Nigadona tany amin'ny seranan'i Roissy ny fiaramanidina nitondra an-dRatrema mianakavy. Tsy mandrimandry saina, tsy tony fo fa maika ny hahita an-janany. Ny fiandrasana ny entana nivoaka no ela dia ireny izy ireo nidodododo nandray fiarakaretsaka ary namonjy ny hotely efa vonona handray azy mianakavy.  Nifampiantso tamin'i Pr Mahefa teny an-dalana, nanontany ny vaovao sy ny fahasalaman'i Alexia. Nilaza i Mahefa fa mananosarotra ny raharaha satria mbola tena ratsy ny fahasalamany. Fitazoman'aina no natao hatrizay, soa fa ampy fitaovana sy fikarakarana ry zareo, fa na dia izany aza, tsy maintsy atao arak'izay maika ny fitadiavana taova hatao grefy sy ny fandidiana. I Malala rahateo moa efa nanaiky ny hanome ny voa hatolony ity zanany.
Manahirana ny saina ny manjo azy ireo, ireto zazakely roa atao ahoana, ny andro mamirifiry tsy misy ohatr'izany, miova tampoka ny toetr'andro, ary izay aza vao mba nivoaka ny nosy ireto zazakely roa ireto, nefa ity reniny hatao fandidiana.
Tsy maintsy nitady mpitaiza maika Ratrema noho izany ary tsy nampaninona azy izay sarany fa avotr'aina ho an'ity zanany tsy foiny no mibahana any an-tsainy.
Inona tokoa moa, misy mamy mihoatra noho ny zanaka ve?
Zanaka, io no menaky ny aina, io no sombin'ny aina. Ny asa, ny vola rehetra tadiavina sy izay nohariana hatramin'izay dia natao ho an'ny zanaka avokoa.
"Ny zavatra vitan'ny tanako, dia atolotro ho an'ny zanako", hoy Razilinah izay. Ary rehefa misy ny manjo io zanaka io dia tahaka izao mahazo an-dRatrema izao no mifamahofaho ao an-tsaina.
Fitotototana etsy sy eroa ny an-dRatrema, soa fa efa zatra ny tanànan'i Paris izy satria efa nandranto fianarana tany. Raha vao afaka nifankahita izy sy Mahefa dia niresaka momba ny fandidiana sy ny mikasika an'i Malala. Nazavainy teo ny zavatra tokony hatao. Niantso an'i Malala izy ho any amin'ny hopitaly nony avy eo.
Natao azy ny fitsapàna rehetra ny amin'i Malala, teo vao hankina ny rehetra fa tsy mifanaraka mihitsy amin'ny sokajin-drà ananan'i Malala ny an'i Alexia. Very hevitra ny rehetra, ny tahirin-taova rahateo tsy misy, ary raha mbola hitady dia inoana fa mbola tsy maintsy miandry afaka fotoana mety ho elaela, mety ho haingana anefa, fa ny finoana sy fanantenana no atao be.
Efa fantatr'i Mahefa tsara anefa fa mitovy amin'i Alexia ny sokajiny. tsy sahy niteny izy satria, efa niomana ny handidy an'i Alexia, ary sarotra aminy indrindra eo anivon'ny mpiara-miasa ny hanome maimaim-poana izany (satria ireto dia tsy mahalala mihitsy izay tantara nitranga tany Madagasikara).
Nitomany Ratrema, nangataka ny hanaovana fitiliana farany raha toa ka mba mety aminy ny hanome voa an-janany. Saingy tsy mety mihitsy fa mifanipaka tanteraka ny valim-pitiliana natao. Very hevitra Ratrema, latsaka ny ranomasony, nitomany i Malala. Inona no hatao? Nifampionona teo izy mivady!
- "Manàna finoana ianareo mivady fa tsy maintsy ahitantsika hevitra ny zanatsika!" hoy i Mahefa nanarina azy ireo teo amin'ny toloko. Nantsoiny hanaraka azy Ratrema sady noresahiny hoe:
- "Tsy afaka hilaza zavatra betsaka aminao aho ry Ingahy Ratrema, fa tsy maintsy ataoko ny hahita voa ho an-janakao! Ary hanao izay fara-heriko rehetra aho ary araho amin'ny finoana fa raha sitrak'Andriamanitra ny hahavelona ny zanatsika dia homeny foana izany." Gaga Ratrema. Sady faly izy noho ny fampanantenana nataon'i Mahefa, nisoritra indray teny amin'ny masony ny ranomaso.
- "Na vola ohatrinona na ohatrinona no angatahinao Profesora mba hahatanterahan'izany, raha mbola azoko atao dia atolotro avokoa hahitàna izay voa mety ho an-janako. Zanako tiako indrindra izy io. Ary ahatsiarovako ny tena reniny mandra-pahafatiko."
- "Aza manahy foana ianao ry ingahy Ratrema," hoy i Mahefa sady toa manganohano ny masony. Tsy nahatàna intsony izy fa niala teo ary namonjy ny biraony, nandatsa-dranomaso ary nahatsiaro ireo fotoana mamy sy mangidy niarahany tamin'i Vololona. Teo vao tsapany ny fahoriana nanjo ity malalany roapolo taona lasa tamin'izy narary sy nafenin'ny fianakaviany.
Nitsangana izy nony avy eo dia namonjy ny biraon'ilay Profesora namany mpiara-mandidy taminy. Fotoana ela no nifampiresahan'izy ireo tao, ary taorian'izay dia tsy nahitàna taratra an'i Mahefa intsony tao amin'ny hopitaly.
Koa satria i Malala moa tsy hiatrika fandidiana indray dia nalefa niverina tany amin'ny hotely hikarakara sy hitaiza ireto zanany. I Ratrema kosa nijanona tao amin'ny hopitaly niandry an-janany tsy mahatsiaro tena intsony fa fitaovana marobe no hany sisa mitazona ny ainy.
Profesora vazaha roa no nifandimby nandalo tao amin'ny efitry ny marary. Nanontany foana i Ratrema ny amin'izay nisy ny Pr Andriamahefa nefa tsy nisy mety namaly ireo mpiasan'ny hopitaly noho ny raharaha maika tsy maintsy nataony
...
Fa nanao ahoana ary i Hery taty Antananarivo e!
- "ssssshhhuut..." hoy ilay vehivavy! aza mitabataba fa manjary mahamenatr'olona! Nojeren'i Hery tsara izy kanefa manjavona taminy ny endrik'ilay vehivavy. Tsy fantany intsony fa ny herin'ny alikaola no nandavo azy. Tsy naharin-tena intsony izy fa nitolefika. Niezaka nanarina azy ihany ilay vehivavy fa tsy nahavita. Nitsangana izy, nijery ny manodidina raha toa ka misy afaka hanampy azy. Indro nisy lehilahy iray nanatona sady nanontany.
- "Azafady madama fa olona fantatrao angaha izy io?"
- "Ann! eny e! fa azonao ampiana kely ve anefa aho hanarina azy!"
- "Madama an! izaho ange no mpamilin'ny fiarakaretsaka nitondra azy ity nankaty e! dia nametraka vola kely izy fa mbola hiverina hono, efa teny an-dalana aza izahay mianaka no nifamaly fa niboboka toaka tsikelikely tao aoriana tao izy fa norarako, kanjo izao izy mamo tampina izao."
- "Hay, mbola ao izany ny fiaranao, ento aty dia aleo izy haterina mody, fa onerako avokoa ny volanao rehetra fa aza matahotra ianao."
Lasa ilay mpamily naka ny fiarany, mahafinaritra kosa ny olona tahaka izany, hoy ilay vehivavy anakam-po. tsy afaka hamela ity Hery ity irery aty aho fa raisiko adidy na ny manatitra azy any an-tranony fotsiny aza.
Iny fa natonin'ilay fiarakaretsaka izy ireo, nanampy nibata azy ilay mpamily, soa fa tsy dia nisy olona koa fa nahay niafina tany amin'ny takotakona ity tovolahy. Tafiditra dia nanainga ry zareo.
Teny an-dalana dia tsy naharitra ilay mpamily ka nanontany:
- "Madama an! Fa dia loza tahaka ny inona fa hitako ange izy io nobatain'ny polisy teo e! Tsy hitako izay natao fa dia nanaraka azy teny lavidavitra teny no nataoko. Mbola nananako vola koa moa izy fa tsy ny saran'ny fitaterana rehetra akory no nomeny ahy fa ny ampahany tsy mahafeno azy, ary izy aza niteny tamiko hiandry azy fa hitondra vehivavy sy zazakely izany hono izy rehefa miverina. Mampalahelo, ary raha ny fahitako azy izao dia tsy olona mpisotro mihitsy nedala fa tratry ny adin-tsaina dia mihevitra fa any amin'ny toaka no hahitany vahaolana. Mahagaga mihitsy ny fiainan'ny tanora ankehitriny ry Madama," hoy ihany izy, " raha tsy mivarilavo amin'ny fijangajangàna dia mivarilavo amin'ny toaka sy ny zava-mahadomelina. Dia izao no iafarany, fanalam-bara-batana tsy misy toy izany."
- "Eny e! fantatro tsara ny tianao hotenenina" hoy ilay vehivavy, "fa olona fantatro izy ary fantatro koa ny olana mitranga aminy."
Vao vita izay teny izay dia taitra tampoka i Hery ary tonga dia nandoha eran'ny fiara. Fofona izany, mila tsy ho tanty, ny andro alina, tsy hita izay atao, hany sisa nokinasa dia ny hamonjy haingana ny tranon'i Hery ary hanadiovana ity fiarakaretsaka voaloto.
Tonga teo am-bavahady dia nosavain'ilay vehivavy ny paosin'i Hery ary hitany tao ny fanalahidy, novoahainy ilay varavaram-be dia nampidirina ilay fiarakaretsaka. Novoahaina ny trano ary nobataina tao ilay tovolahy efa mila tsy mahatsiaro tena intsony fa lavon'ny toaka.
- "Dia ataoko ahoana madama ity fiarako feno loto ity?"
Namonjy ny varavarana ilay vehivavy dia nahita ilay fampirehetana jiro, notsindriany ary indro fa nazava ny teny an-tokontany ary nahita fanasan-damba izy ary natorony ilay mpamily.
- "Miala tsiny indrindra re Ramose fa tena mahate-ho tia tokoa ianao! Raha tahaka anao daholo ny mpitondra fiarakaretsaka dia mahafinaritra ny lazan'ity Antananarivo ity."
- "Izao madama an! tsy maintsy tondrahanao rano ny lohany hampangatsiatsika azy fa raha tsy izany mety harary tampoka eo io ka ho loza."
Iny ilay rangahy naka siny ary nanomboka nanasa ny fiarany tao anatiny.
Ilay vehivavy kosa nanomboka nikarakara an'i Hery izay manomboka miteniteny foana: "malala, alexia, nahoana aho no nilaozanareo e!"
Nanomboka naharin-tena i Hery fa mbola marefo dia marefo, iny izy ireo niakatra moramora tany amin'ny efitra fandroana, nesorin'ity vehivavy ny akanjon'i Hery rehetra. teo dia hitany indray ity vatana nofosana nefa lavon'ny toaka ka tsy manan-kery intsony. Tsy nisalasala izy nampandro azy tsimoramora ary rehefa vita izany dia nentiny indray nankao amin'ny efitra fandriana ary nampatoriany tsara. Nidina izy avy eo nijery ilay mpamily.
- "Misaotra indrindra Ramose fa inty ny saran'ny asanao androany alina. Tena miala tsiny noho ny fanelingelenana fa raha olon-kafa dia tsy nahavita ny nataonao teo."
- "E! madama an, efa teo amin'izany aho ange no niala e! efa tahaka azy izao no nataoko taloha dia mba anjarako indray no manao izay nataon'ny nanavotra ahy. Fa inony moa ianao azafady tompoko?"
- "An an an! olona tena fantatro tsara fotsiny izy fa aza manahy ianao!"
Nifanao veloma izy ireo ary lasa ilay mpamily nitondra ny fiarany.
Nohidiana ny vavahady dia niverina tao an-trano ilay vehivavy namonjy an'i Hery. Nivezivezy tao an-dakozia izy nikarakara izay azony natao. I Hery kosa renoky ny torimaso nony farany.
Rehefa tsapan'ity vehivavy ity fa tsy tanty intsony ny torimasony dia iny izy naka fitafiana azony nanaovana tao anaty larimoara ary nisolo ny teny an-kodiny. Namonjy ny fandriana nisy an'i Hery dia nisalobona tao anaty lamba.
Nosafosafoiny ny tratran'ity soavaly voafantina mandra-pahitàny tory, ary nihafy izay fofon-toaka nivoaka tamin'ny vavan'i Hery teo izy.
Vao maraina mangiran-dratsy dia taitra mialoha ilay vehivavy;
Nojereny ny endrik'i Hery, mbola renoka tanteraka ary anatin'ny torimason-toaka. Asa izay hataon'io rehefa mifoha eo! Niarina izy dia nidina tany ambany, nikarakara ravim-boafotsy hitany tao anaty vata sarihana iray. Nampangotrahany ny rano ary nataony tao anaty siny plasitika dia nentiny niakatra. Niomana ny handro irery tao izy. Nokarokarohiny izay mety ahitany savony sy ny servieta hifafàny. Gaga izy anefa raha nanokatra vata iray raha nahita ilay kilaoty mitaditady mainty ahatsiarovany tantara efa nandalovany teo amin'io toerana io. Noraisiny moramora tamin'ny ratsan-tanany dia nojereny tsara. Nitsiky izy sady lokilokin'ny hehy. Fantany tsara fa azy iny; ary tena fanadinoana satria mando ilay izy tamin'izay hariva izay, hany ka nananosarotra taminy ny hametaka azy nefa ny poketrany nisy fitaovana elektronika lafo vidy tsy tia hamandoana ka hanimba azy. Dia adinony tao amin'io efitra fandroana io ity kilaoty ity.
Loza izany! hoy izy tany an-tsainy tany. Dia nataon'i Hery tsara pirina tokoa.
Nojereny tsara indray, hitany fa madio dia napetrany teo ambony latabatra kely akaikin'ny bakoly.
Lasa aloha izy nivoaka nijery raha sendra taitra i Hery, kanjo mbola matory.
Dia iny izy niverina handro amin'izay.
Nararany tsimoramora tamin'ny vatany ny rano mafana sady nahatsiaro ilay fotoana niarahan'izy sy Hery tao amin'io trano fandroana io izy. Nanala ny sorisory sy ny fahavizanana teny aminy tamin'ity alina mangina nahitan-javatra mifamahofaho.
- " Hery, fantatrao ve fa miredareda ato anatiko ny fitiavana anao?
Avia izany malalako horohako fa mbola tsy tafatsangana eto am-pandriana aho!
Avia! Avia!" hoy i Alexia tamin'i Hery! Ny masony mitalaho mafy ny hankanesan'i Hery eny aminy. I Hery anefa mahita izany rehetra izany, te-hitsangana nefa tsy naharin-tena mihitsy, tahaka ny misy lanja mavesatra any anatiny any mampitorombona azy ary tsy mamela azy hitsangana akory.
- "Alexia! feno fitiavana anao aho, te ho eny aminao," hoy i Hery, natolony ny tanany saingy vetivety dia vizana ny sandriny toa tsy afaka handray tanana ity malalany akory.
- "Hery! Hery! Heerryyyy! avia fa tady ho entin'ity fandriana ity handeha aho."
Nisokatra ny rindrina, ary nanomboka nikisaka ilay fandriana nisy an'i Alexia, niezaka nitsangana i Hery fa tsy afaka, tahaka ny gadra voafatotra tsy mahefa na inona na inona.
- "Alexia, Alexia, Alexiiaaaa!" poa tahak'izay dia efa lasa lavitra ilay fandriana! Loza ity, nikiakiaka mafy i Hery, nanainga ny heriny rehetra hampitsangana azy.
Toa nivaha tampoka ny fatorany ary afaka ilay lanja mavesatra any anatiny any; Vao tafarina izy dia nijery kanjo tsy hitany intsony ny malalany.
Taitra tampoka tamin'ny torimasony i Hery, nojereny ny manodidina azy, toa ato an-trano, tao amin'ny efitra fatoriany. Nofy ratsy, nisefosefo mafy izy, nisy tahotra nandrakotra ny fiainany. Nanao ahoana izay Alexia, aza hitako ka hafatra napetrany farany iny. Latsaka ny ranomasony. Rindrina no hitany amin'izao ary teo izy vao namerina ny nataony omaly alina. Ny hany tsaroany dia izy teny Ivato saika hifanandrina tamin-dRatrema, tsaroany koa ilay nibatàn'ny polisy azy, fa ny taorian'izay, tsy azony an-tsaina intsony.
Misy fofona afahafa eran'ny trano, toa fofon-toaka ratsy sy tsy tiany akory. Ny vavoniny toa mivaivay tahaka ny misy afo mandoro ka ny setroka mila hiakatra any an-tendany.
Nitsangana izy, kanjo tsy nisy na inona na inona teny an-kodiny. Nosintominy ny lambam-pandriana dia nahodiny tamin'ny valahany dia namonjy varavaran-kely izy hosokafana.
Tamin'izay no nisokatra ny varavaram-be, indro i Tahiana mitondra dité mafana mbola ivoahan’ entona. Nojereny tsara i Hery:
- "Hay efa nifoha ianao?"
- "Tahiana ! Tsy azoko," hoy izy, "fa maninona aty ianao?"
Gaga i Hery fa ny akanjo fanaovany rehefa mandro no teny an-koditr’ity vehivavy. Ny volony mbola mandon'ny rano ka miloko mainty aok'izany.
- "Tantara lava ny amin'izany fa mipetraha aloha ianao!"
Nopolipolesiny dia novakiany ilay fanafody an-tanany ary nasainy nohanin'i Hery.
- "Tsy maintsy mihinana ity ianao mba tsy hamparary vavony anao."
Saika tsy handray i Hery kanefa, fantany fa farmasiana ity vehivavy manoloana azy dia notsentsafiny ihany ary tsy ela akory taorian'izay dia nahatsiaro metimety kokoa izy fa somary niala ilay fanaintainan’ny vavony nanaikitra azy teo. Nokarakarain'i Tahiana ilay dite, ary afaka fotoana vitsy rehefa antonontoniny ny hafanana dia nomeny hosotroin'i hery amin'izay.
- "Fa ahoana no nahatongavako tato an-trano?," hoy indray i Hery naka toky.
- "Ssshh! sotroy aloha ny dité fa rehefa avy eo."
Teo am-pisotroana ny ranon-dravim-boafotsy i Hery dia notantarain'i Tahiana ny nanjo teny Ivato. Nolazainy fa nanatitra namany iray teny Ivato izy ho any Paris ary teny no nahitàny an'i Malala. Teo vao fantany fa hay marary mafy i Alexia ary natao famoahana vonjy maika tany an-dafy, dia iny ianao nobedain'ny polisy iny.
- "Ianareo koa ange ry Hery tahaka ny zazakely, fa mitondra soa inona aminao izao ny nibobohanao toaka teo. jereo izao ianao! soa fa teo ihany aho nahita ny zava-nitranga fa raha tsy izany dia tena efa nifanaritahan'ny jiolahy tany ianao, na koa nohidin'ny polisy tany amin'ny biraony tany! ilay mpitondra taxi no nanampy ahy nanatitra anao taty. Dia inona izao no hataonao?"
Tsy nahateny i Hery fa ny dité no notsofitsofiny teo alohan'ny nisotroiny azy. Tsapany ny fahadisoana nataony. Te hisaotra mafy an'i Tahiana izy nefa menatra. Menatra ny amin'ity fahafaham-baraka tsy roa aman-tany. Naleony nangina fa tsy niteny.
Tampoka, nipetraka teo ambony fandriana i Tahiana, nampifanaingeniny ny tongony dia niseho tampoka ny foto-peny satria ilay akanjo mivaky eo afovoany, saingy nosarihiny hanakona azy ilay lamba. Nahodin'i Hery ny masony sady niondrika izy.
- "Aleo aho aloha hisolo akanjo atsy amin'ny efitra ilany atsy, sady nalainy ny akanjony nihantona teo ambony seza, dia iny lasa sady nakatony varavarana tsy hahitan'i Hery azy.
Niharina tsimoramora i Hery, dia namoa ny larimoara naka akanjo hafa. Nandeha namonjy ilay efitra ilany izy nony avy eo. Nandondona kely izy sady niditra. Indro i i Tahiana efa vita akanjo sady nijery azy.
- "Merci!" hoy i Hery sady menamenatra tsy nahajery akory.
- "De quoi?" , hoy i Tahiana.
- "Tamin'ny zavatra nataonao rehetra."
- "sshhh, zavatra tsy maintsy nataoko ireny," sady nitsiky kely izy nijery an'i Hery.
- "Ary ianao ity angaha tsy handeha hiasa, efa amin'ny 7 ora ange izao e!" hoy ihany i Tahiana!
- "Sshhh! tsy misy dikany intsony izay zavatra rehetra ataoko fa tahaka ny angidina entin'ny rivotra aho izao…"
- "Dia ny asa no ajanona, tena adala mihitsy ianao ity, sa naka fialan-tsasatra ?"
- "Efa nangataka mihitsy aho fa hay efa lany ny congé rehetra tamin’ireny nahafatesan’i Mama ireny dia raha tsy amin’ny taom-baovao indray vao afaka maka lavalava, izany aza mbola tsy fantatra raha hahazo."
- "Hay ve ! Ianao io ange raha ny fahafantarako azy toa manana poste à responsabilité e! Ka ndàna ary miomana dia miasa fa tsy misy na inona na inona azonao atao eo! sa afaka hanidina ity ianao hanenjika an’i Alexia any an-dafy ; aza ampifangaroana mihitsy ry Hery ny asa sy ny fihetsem-po an! izay fa lasa aho handeha hiasa ihany koa. Raha misy itadiavanao ahy dia any amin’ny farmasia aho. Efa vitako ao ny varinao sy ny rano mafàna dia andana miomana.
Izay fa lasa aho !!!" sady norohany kely ny takolak’i Hery, dia iny izy nitsoriaka haingana namonjy ny vavahady.
I Hery kosa lasalasa saina tamin’ilay nofy ratsiny teo:
- Mba nanao ahoana ary izay i Alexia. Inona no dikan’iny nofy iny. Aza hitako. Inona marina moa no azoko hatao. Tsy ray, tsy reny, tsy vady, tsy rafozana. I Dadabe sy Bebe no hany sisa havana nefa izy mivady aza izay mitoetra tsara any ambanivohitra any. Dia ahoana izao no ahafahako mifandray amin’i Alexia. Tsy misy afa-tsy ny antso avy any aminy no ifandraisanay, kanefa Ratrema ve dia hamela azy hanao izany taorian’iny teny amin’ny seranam-piaramanidina iny.
Dia ahoana koa ity Tahina nanatitra ahy taty an-trano, asa mihitsy. Nilaza izy fa nifampiresaka tamin’i Malala talohan’ny fiaingàna, noho izany, mety azon’iny atao tsara ny mifampiantso amin’i Malala ahafantarana ny vaovao.
Tsy maintsy mbola mitady an’i Tahiana aho androany na inona fitrangany eo!
Iny izy nankao andakozia naka rano mafana dia nandro, avy eo niverina indray nandoa-bary sy nisakafo. Nahita ireo sakafo mafàna efa vonona tao am-bilany izy dia tsaroany indray ny reniny fahiny nikarakara azy toy izao rehefa maraina alohan’ny hiasa. Hafa ihany rehefa misy vehivavy afaka mikarakara ao an-trano.
Ny vehivavy, ravaka hono izy ireny: eny an-dalana izy ravaky ny saha, ao an-trano izy ravaky ny tokantrano. Asa tokoa fa mba nanao ahoana tokoa ity fiainana ity raha tsy nisy ny vehivavy? Hoy izy lasa saina samy irery teo.
Maro ny olona tsy mahatsapa ny tena lanjan’izany vehivavy izany fa mihevitra azy foana ho toy ny fanaka malemy, hany ka voatery handefitra hatrany ao an-tokantrano, nefa manana hery izy tsy hay tohaina izy ireny fa na dia I Samsona izay tamin’ny heriny rehetra aza lavon’i Dalila tamin’ny langolangon’ny sadriny malefaka.
Varimbariana Ratrema mitazana ireo hazo manitsan-dravina eo an-tokontanin’ny hopitaly. Ny rivotra mitsoka no mitondra ireo ravin-kazo marobe, miraraka amin’ny tany. Tazana eo fa manomboka hamirifiry ny tontolo, ary efa migadona sy manakaiky ny ririnina.
Any izay Antananarivo, fotoam-pahavaratra nilaozana. Hafanana no nialàna tany ary hatsiaka kosa no vantanina aty. Tanàna nilaozana vao andro vitsivitsy nefa toa mampite-hiverina sahady.
- Ndry, izaho ity mikarakara an-janako, hoy Ratrema anakam-po, fa dia naninona loatra ity zanako ity no tahak’izao no nanjo azy. Asa tokoa lahy.
Nisento teo Ratrema nijery an-janany izay misy fantsona samihafa arahim-panjaitra eny amin’ny sandriny. Eo am-bava orona koa tahak’izay mitondra rivotra madio mamelona azy. Manako ho azy ao an-tsaina ny feon’ny fitaovana manaraka ny fitempon’ny fon’i Alexia.
Fotoana fohy taorian’izay dia indro fa nitsirempirempy ny mason’ity tovovavy. Nanatona Ratrema. Vizana dia vizana ny fijery azy.
- "Dada… , efa firy andro aho izao no tato? hoy Alexia tamin’ny feo marefo dia marefo.
Noraisin-drainy moramora ny tanany dia nosafosafoiny mora teo.
- "Aza manontany ny amin’izany ianao fa efa mitsabo isika, mbola be fanantenana ny mpitsabo rehetra. Misy zavatra tianao ve ho entiko aminao, sady nanondrika ny lohany ihany izy nanoroka ny lohan’ity zanany."
- "Dada an ! Aiza i Hery ? mbola ao ve izy ? Raha azonao atao dia te-hahita azy aho izany!"
Tsy nahateny tsy nahavolana Ratrema. Toa onena izy amin’ny lafiny iray te-hamaly ny hetahetan-janany. Nefa nisy fahatezerana voasarona tany anatiny tany fa tsy nasehony an’i Alexia. Naleony nangina tsotr’izao.
Injay nisy nandondona teo am-baravarana ary avy hatrany dia niditra ny mpandidy roalahy. Ny iray nanao fizahàna marary, ny iray kosa nijanona teo am-baravarana ary niantso an-dRatrema hiaraka aminy fa misy resaka tokony hatao.
Nifampiresaka izy roalahy fa hiomana amin’izay ny rehetra hiatrika ny fandidiana an’i Alexia. Efa nahita voa rahateo ny hopitaly noho ny fandraisan’i Pr Andriamahefa an-tanana ny raharaha. Kanefa noho ny antony manokana mikasika ny fitadiavana izany voa izany dia tsy Pr Andriamahefa no hanatanteraka ny fandidiana.
Nisoritra teny amin’ny tavan-dRatrema ny fanantenana narahin-kafaliana. Izay vao mba nitsiky izy taorian’ny lozam-pifamoivozana nanjo an’ity zanany. Fantany fa ho avotra amin’izay ity zanany.
Nantsoiny tamin’ny finday i Malala hilazàny ny vaovao.
Mandra-piandry ny fiomanan’ny mpitsabo rehetra dia niantso tany Antananarivo izy nanontany ny vaovao rehetra mikasika ny fiainan’ny orinasa sy izay ao an-trano. Nataony kosa anefa izay hanalàna ao an-tsaina izay mombamomba an’i Hery. Tapaka tampoka rahateo ilay antson’i Alexia dia zarany aza nivalona hatreo izay resaka izay.
Iny fa tonga ny fandriana hitondràna ny marary. Folo minitra taorian’izay dia iny Alexia nentina ho any amin’ny efitra fandidiana. Nanaraka azy Ratrema ary nasain’ny mpitsabo mpanampy nijanona teo alatrano fa tsy nahazo niditra tany.
Feno fitaintainana sy fiontanam-po ny an’ity raim-pianakaviana. Iny fa tonga i Malala nanontany izay mitranga.
- "Avotra ny zanatsika ry Malala, nahita voa ny dokotera homena an’i Alexia. Efa miroso amin’ny fandidiana izao ry zareo. Fa ny tsy azoko dia hoe : fa angaha moa tsy Pr Andriamahefa no hanatanteraka ny fandidiana? Nefa tena nanamarina mihitsy ilay mpitsabo teo fa misy tsy fahafahana indray.
- "Asa," hoy i Malala, ny fanavotana ity marary izao no vaindohan-draharaha. "Nanao ahoana anefa i Alexia?"
- "shh, efa taitra izy teo dia nanontany ny misy an’i Hery, dia naleoko tsy namaly. Sady tonga tampoka koa ireo mpitsabo dia iny izy izao nampidirina bloc opératoire iny."
Tsy niteny intsony i Malala fa lasalasa vinany, nanontany tena ny amin’ izay niafaran’i Hery. Asa izay na niditra violon, nefa izy irery izao no any, tsy ray tsy reny, tsy inona na inona, na koa … aleo tsy heverina hoy izy fa hankarary fo. Tsy nety afaka tao an-tsainy mihitsy anefa na dia nalefany lavitra aza ny eritreriny hanadinoana an-i Hery fa toa misangodingodina ao aminy ao foana. I Hery sy ny hadalàny, i Hery sy ny fitiavana nangalarina hatramin’izay, i Hery nanana fitiavana nozaraina tamin'izy mianaka, i Hery rain’ireto zanany, Hery tsy foin’ity zanany vavy voalohany. Varimbariana teo izy raha tsy nodomin-dRatrema tampoka ka nanontaniany hoe:
- "Fa ianao io anefa izao manao ahoana?"
- "Tsy azoko, manao ahoana amin’ny inona?"
- "Manao ahoana ianao e! Taorian’iny adintsika nampivadi-nono anao iny?"
Gaga i Malala, fa na dia indray maraina aza Ratrema tsy nanontany izany hatramin’iny fotoana iny.
- "Tsy haiko!" valy boraingina tahak’izay no navaliny sady niondrika izy tsy nahajery an-dRatrema.
Samy tsy nisy nifampiteny izy mivady fa toa samy niara-namelona ilay lolom-po nifanaovany tany Antananarivo. Toa samy mahatsiaro tena ho diso. Ny iray nampirafy tsotr’izao, ny iray nanao valifaty, ny iray nisintaka. Dia nifamerina tampoka tao anatin’ny olana dia tsy misy fifamelana, tsy misy fialan-tsiny sy fifonana akory na dia indraim-bava aza. Nitsangana i Ratrema dia lasa nidina tany ambany naka rivotra sy nifoka ny pipany. Dia nilentika tany izy ary navelany irery teo aloha i Malala.
Naharitra ora vitsy ny fandidiana, iny fa nivoaka tamin’izay ilay mpitsabo nanatona an’i Malala nipetraka teo alatrano.
- "Vitanay avokoa ny fandidina rehetra izay natao! kanefa toneo tsara ny fonao madama fa …"

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype