Tadiom-pitiavana

Pejy 24
2006/04/15,19:27

Mbola tsy nisy niteny ihany avy eo izy roa fa samy niala moramora, samy niakatra ny tohatra namonjy ny fandrianany...efa rava manko ilay fifanarahana napetraka aninkeheo, ka samy miandry izay ho tohiny...tsy te-hanenina intsony izy roa, nefa tany am-pony lalina tany, samy namolivoly ny fanahiny tao anaty bodofotsy tao: i Malala mbola manantena anaty ihany fa hipoitra eo ambaravarana i Ratrema rahampitso maraina hamerina azy any aminy indray, ka tsy hisy ny olany na ara-bola, na ara-tsosialy, ary hiezaka izy hamafa tanteraka an’i Hery eo amin’ny fiainany ary hanolotra ny fitiavany sy ny fiainany rehetra ho an-dRatrema, eny fa na somary tara aza izany...tiany hadinoina i Hery fa tsy hainy, I Hery izay avy niray taminy. Menatra ve izy? ny nofo ihany ve no mpiray azy roa? Sa noho izy rain-janany?
I Hery koa etsy andaniny toa faly, toa sahirana, satria indreo ao an-tranony ny zanany ary mitoetra ao aminy koa ny reniny izay fantany fa tia azy, kanefa sarotra aminy ny hanadino an’i Alexia, mariky ny fitiavana madio, fitiavana mbola tokony hanana ny hoaviny raha tsy nisy i Malala...
 ...
Vao nihiratra ny mason’i Hery iny maraina iny dia nanokatra ny solosainy izy. Efa tamin’ny herinandro izy no namoha ity farany ka liana dia liana ny hahita na dia sombina hafatra ihany aza. Nalaina ery izy io maraina io, ka naleony niverina tery ampandriana sady nitrotro ity milina hahafahany maka aina tsara hamaky izay ao anatiny ao. Toy ny tsianjery no hanokafany ny takelaka fahazoana miresaka. Nalahelo anefa izy fa tsy nisy inoninona ho azy tao. Napetrany teo amin’ny tany ny solosaina ary iny indray izy no nibonoka tao anaty lambany tao ka nitomany mafy... nahatsiaro ho singan’olona izy sisa, tsy nisy intsiny ny fanantenana tao aminy, nidradradradra tao izy ary resin-tory tampoka indray iny alahady maraina iny.

Efa atoandro be koa Ratrema vao nitsangana ary naniraka an’i Zefa hividy mofo maraina. Izy kosa no nankao andakozia hikarakara ny vary sosoa maraina ho an’izy roalahy. I Alexia moa fantany fa dité fotsiny ny azy rehefa maraina ka tsy dia nisahirana be izy fa namana rano fotsiny ihany.
Nangina dia nangina tao an-tranoben-dRatrema. Sambany indray izy vao niaina tao anaty fahanginana. Efa zatra mandre hehin-jaza ny sofiny ary tsaroany teo ny kilalao fanaon’izy sy Toky isaky ny alahady. Izy lehilahy lehibe efa misy volofotsy iny no mbola mandady eran’ny trano ihany sady taingenan’i Toky ary kapohany amin’ilay tanan-keliny hamindra haingana. Toa mbola hitany i Malala mampinono an’i Cynthia sady lokin’ny hehy no mampitandrina an-dRatrema tsy dia handoto akanjo loatra, fa saro-kosehina ny lohaliky ny patalohany...
Latsaka ny ranomasony...dia tsy hisy intsony ve izany rehetra izany e? Dia hanao ahoana izany ny fiainako? Ary ireto zanako?
Raha ny sitra-pony dia lasa izy hiridana haingana haka ny vady aman-janany, kanefa fantany tsara fa tsy izay no vahaolana satria na izy na i Malala mbola mila maka fotoana tsara handinihin-tena.
I Malala moa mbola fatoran’i Hery amin’ny hery tsy fantatra...asa inona? Ary izy mbola manana olon-tiana ihany koa, eny fa na dia vadin’olona koa aza no iarahany...
Tapaka anefa ny eritreriny fa indro i Zefa niditra tao an-trano nanolotra ilay mofo.
- "Fa ho aiza indray ise ry Zefa?" Hoy Ratrema nahita azy nivoaka ny trano.
- "Handeha hanao zaridaina aho izao maraina izao!" Hoy i Zefa nitsiky taminy...
- "Avia ise hisakafo fa toa tsy nihinana akory ise?" Hoy Ratrema nanasa azy hipetraka.
- "Ka tsy izany ange M’se Ratrema" hoy Zefa nanainga indray ny kasiketiny sady nihaotra ny lohany ho mariky ny fahagagany sy ny fahamenarany. Hatrizay manko izy tsy mba niray latabatra tamin’ny patiraony izany mihitsy, ary gaga izy tamin’ny fiovan-dRatrema tampoka teo...
- "Mazotoa homana r’ise fa io ny vary soa a! Tsy misy hena ato fa dia io ny saucisson teteho hihinanana azy! Sa kafe no tian’ise?"
- "Mmmety ity Mse Ratrema a!" Hoy i Zefa niondrikondrika ery nandrapaka ity vary sosoa mafana tany ambavany.
- "Aza matahotra ise ry Zefa fa manomboka androany dia miova tanteraka ny lalana mifehy ity trano ity. Ise indray izany aloha no miandraikitra ny raharaha ato an-trano sy ny fiambenana; tsy afaka ny hahita olona mahatoky izao dia izao aho ka dia miantehitra amin’ise!"
- "Mse Ratrema! Efa niteny izany ihany ianao fa i Bema....iBema manko omaly niteny tamiko hoe tsy mahita asa hono izy nefa efa manam-bady aman-janaka ka tsy mety ve raha mba raisinao izy?"
Niketrona kely Ratrema, toa nampatahotra azy izany handray olona tsy fantany izany, nahatsiaro kely ny tantaran’izy mirahalahy anefa izy ka nalahelo kely an’ity mpiasany mahafatra-po: - "hieritreritra ary aho ny amin’izay ary avelako ise rahariva handeha hijery azy sy htondra azy aty amiko."
Miramirana ery i Zefa niala teo ambony latabatra ary nandeha naka ny borosy handeha hamafa trano. Indro i Alexia nifanena taminy mbola bongobongo maso ary gaga nahita an’i Zefa velon-tsioka ery.
Nojereny fotsiny anefa ity mpiasany fa indro izy nitontona teo ambony seza hisakafo. Nitsangana haingana Ratrema haka ilay casserole teny ampatana hanao dite ho an’ny zanany.
- "Inona no ataonao androany?" Hoy izy nila resaka..
- "Andeha handehandeha aho," hoy Alexia fa omeo fiara.
- "Tsy aleo miaraka?" Hoy izy nanambitamby.
- "an an, te-handehandeha irery aho ry Papa fa aza atao mahatezitra a! Te-hiova rivotra kely aho, te-hanao ny fanaon’ny ankizy mitovy amiko aho..."
- "Eny ary," hoy Ratrema tsy te-hiady hevitra. Hitany teo amin’ny firesaky Alexia fa tapa-kevitra ny hanova fiainana izy ary tsy hisy hahasakana azy intsony.
- "Alex, a! tsarovy fa mbola eto aho anaka raha misy ilanao ahy."
- "Eny ry Papa," hoy Alexia nisafo ny tanan-drainy eo ampanosorana dibera ny mofo hohanin-janany izy.
Nony lany ny sakafony dia lasa izy niakatra tany ambony hisolo akanjo. Nampiditra pataloha jean teritery izay izy, akanjo novidian’i Malala ho azy taloha io fa tsy azoazony noho izy matetika manao akanjo; ary nampiditra akanjokely fohy tanana sy mampiseho foatra. Kapa kely no nampiarahany azy ary novahany ny volony tsy hifatotra.
Nidina izy avy eo hangataka ny lakilen’ny fiara tamin-drainy. Gaga kely i Ratrema nahita ny fiovan-janany, nefa hitany fa tsara tarehy i Alexia ary tsy manaratsy azy velively ny fomba fiakanjony.
Nomeny azy ny lakile ary indro izy nanaraka an-janany nivoaka ny trano. Raha teo ampamelomana fiara i Alexia dia io izy nandray ny angadikely teo amin’ny tany fa tapa-kevitra ny hanary dia hanao zaridaina.

Lasa saina mafy Alexia eny am-pitondrana fiara mizotra iny lalam-pirenena faha fito iny. Hery, Malala, Dada, Toky, Cynthia, Izy... mifandimby tao an-tsaina na sarim-pifaliana, na sarim-pahorina. Nandalo teo imasony avokoa ny fotoana rehetra niarahan'ny tamin'ilay voaloham-pitiavany, ary nampitsiky kely izato masony nanganohano. Saingy nanembatsembana izany revorevo izany ny rahon'ny fahoriany : fampirafesana, famitahana.
Nanjavozavo tampoka ny masony ary niverina tao an-tsaina ny nahazo azy vao nifoha maraina teo. Toa malemilemy tsy mahazaka tena ary misaleboleo. Tsy te ho lasa lavitra ny sainy ary hoy izy anankam-po : "Reraka loatra angamba no mahatonga izany ka tokony hanatona mpitsabo aho, aza hitako..."

Asabotsy moa ny andro ka somebiseby ny olona mitsangantsangana, ao ny mandeha miantsena. Rakotra olona n'aiza n'aiza toerana aleha indrindra amin'izao andro antomotry ny fety izao. Isan'ireny ny Grande Surface ary tsy ambaka ireny ny Jumbo Score etsy Tanjombato.
Andian-jatovo dimy lahy ranjanana no indro nigadona teo am-pidirana ary
tonga dia namonjy ny toerana fandoavam-bola nanambana basy ilay tovovavy mpikirakira vola. Tsy nisy nahetsika izay nilahatra teo ary tsy nisy nivolana. Lasa ireo vola rehetra tao anaty vata ary firavaka maromaro izay sendra ny tanan'ireto jiolahy. Efa dify any anaty fiara izy dimy lahy vao tonga
saina ny mpiambina ka namelona ny kiririoka ary niantso polisy faingana. Nitrena mafy ity fiara ary toy ny tselatra ny fialany teo anoloan'ny fiantsonan'ny fiara, ary lasa niridana. Nandeha mafy loatra ilay mpamily ka tsy tafajanona stop teo amin'ny tetezan'ny Tanjombato ka dia nifatratra tamin'ny fiara kely nandeha mora nentina tovovavy iray.

Tsy nitsahatra nijery famataran'andro Ratrema satria efa nihamaizina ny andro.
- Mba migafy kosa Alexia raha izao mbola tsy tafody ihany kah! hoy izy miteny irery.
Amin'ny fito ora sasany.
Tonga
ny fampahalalam-baovao amin'ny fahitalavitra ary nipetraka hijery Ratrema : "Lozam-piarakadia mahatsiravina no nitranga androany tetsy amin'ny tetezan'ny Tanjombato. Fiara mitondra ny laharana xxxx TAF no nodomina 4x4 iray. Efa eny amin'ny hopitaly Ravoangy ireo naratra mafy ary nisy koa ny maty tsy tra-drano"
- "Alexia, Alexia, maty aho zanako", hoy ny kiakan-dRatrema, "Alexia" sady nigogogo toa ireny zazakely ireny ity rangahy efa ho fotsy folo
Nofohazin-dRatrema tamin'ny torimasony i Zefa iny alina iny ary lasa izy roalahy mianaka niriotra teny amin'ny hopitaly. an-tongotra no nanaovan'izy roalahy iny lalana mangina mankany aminy iny hatreny amin'ny arabe ary efa ana taneraka ry zareo vao sendra taxi niasa alina nandalo hitondra azy teny amin'ny hopitaly.
Mbola nisefosefo mafy Ratrema teo ampanontaniana ny anaran-janany. Nikentrona ihany ilay rangahy teo ampidirana aloha sady namadibadika ny lisitra teny aminy...Niahotra kely ilay Rangahy, ary nikohakohaka, toy ny sakodiavatra mafy hanambara izay zava-pantany momba an'i Alexia...
- "Ato ve izy?" hoy Ratrema nanesika ny fanontaniany ihany..."Ato ve ny zanako?"
- "Mahazoa aloha ianao aina Ramose fa..."
- "Misy inona? fa misy inona? maninona ny zanako?" hoy Ratrema nanery ilay Rangahy hiteny. Raha azony atao dia nopotseriny mihitsy ny tendan'ilay rangahy hamboraka haingana izay vaovao azony omena...
- "Ramose a! ato ny zanakao saingy ... tsy ho afaka ny hijery azy mihitsy ianao izao"...hoy izy tony sady matotra.
- "Fa misy inona e!" hoy Ratrema tsy nanaiky. I Zefa amin'io mivandravandra fotsiny koa tsy mahita fomba hampanginana ity patiraony.
- "Mbola ao anefitra fandidiana izy amin'izao ora izao!" hoy ilay Rangahy taminy. Tena mafy dia mafy ny zavatra nahazo an-janakao Ramose ka ny vavaka sisa atao be...Efa manao izay fara-heriny ny dokotera rehetra. Tsara vintana aza izy satria sendra
tonga
ato ny professeur mpandidy mahay miasa any Eropa ka mikarakara azy...."
Tsy niteny Ratrema fa ny lohany no nahivingiviny..toa tsy mino izy, toa manonofy ny niheverany ny tenany. Te-hitomany izy nefa te-hangina koa tsy hiteny intsony. Efa elaela izy vao nahasoka-bava indray:
- "Fa inona no tena mahazo azy?" hoy izy nitraka hihaino izay holazain'ilay Rangahy.
- "Tsy fantatro marina Ramose fa izaho anie tsy mpitsabo e! vaovao mahatsiravina izy ity ka izany no nahenoako azy teo nohon'ny resaky ny mpitsabo nivezivezzy teo. Tsaratsara aminao miditra any manontany fa tsy te-hiteniteny foana aho!" hoy ilay Rangahy.
Tsy nahavita nisaotra akory Ratrema dia nimaona niditra tany anatiny tany. Jemby kely ny masony nohon'ny ranomasony sy ity jiro be ato amin'ny lalatsaran'ny hopitaly. Efa namindra elaela izy vao
tonga
teo ambaravaran'ny bloc opératoire. Tsy nisy na iza na iza anefa teo... soa i Zefa fa nanaraka azy tao aoriana ihany nampahery azy.
Efa ho adiny roa tato aoriana vao indro nivoha ny varavarana ary nivoaka avy ao ireo dokotera mpandidy telolahy be izao sy mpitsabo mpanampy vitsivitsy. Tsy niandry Ratrema fa
tonga
dia nisarangotra teny amin'ny iray amin'izy ireo:
- "Dokotera! ato ve ny zanakovavy?" hoy izy nitalaho.
Niketrona ny handrin'ilay dokotera izay nisy hatsembohana kely nipentipentina, nijanona izy ary nandray ny tanan-dRatrema...
- "Hay zanakao izy io?" hoy ilay Mpandidy...
- "Eny Tompoko," hoy Ratrema.
- "Pr Herimanjaka!" hoy izy maotina. "Mafy ny nahazo ny zanakao nefa efa nanao izay faraherinay izahay..."
- "Ka ahoana profesora?" hoy Ratrema niandry ny tohiny..
- "Voadona mafy ny lohany sy ny tratrany," hoy ilay Mpandidy..."tsy naninona anefa ny ati-dohany," hoy ihany izy namelona fanantenana kely teo amin-dRatrema... "ny taolan-tratrany no nisy tapaka ary efa nataonay izay mety..."Niahotra ihany ilay ddokotera vao nanohy indray...
"Voadona mafy ny kibony ary afaka ny zanany...."
- "Ny zanany?" hoy Ratrema taitra...
- "Miala tsiny Ramose," hoy ilay mpandidy nijery azy..."bevohoka efa ho roa volana ny zanakao"...Voatery nesorina koa anefa ny tranon-janany nohon'ny rà niangona sy ny faharovitana nahazo azy. Ny taova hafa koa misy voadona ihany fa mbola azo tsaboina amin'ny fotoana hafa..."
Ketraka Ratrema. Tafatombina teo amin'ilay seza lava izy. Nigogogogo teo izy nanala ny fony ary nitehina ny sorony ilay Dokotera.
- "Mahereza Ramose," hoy izy. Raha misy ilainao dia ato ihany aho hatramin'ny alahady fa garde aho izao. Miaraka amiko mijanona ato Pr Andriamahefa avy any andafy hanampy ahy.
- "Pr Andriamahefa?" hoy Ratrema
tonga
saina tampoka...toa anarana efa reko izay, hoy izy lasa saina.
- "Fantatrao angaha izy," hoy ilay Dokotera faly anaty fa nahay nanova izay tao an-tsain-dRatrema kely aloha hanary dia azy. Efa roapolo taona izay izy no nandao an'i Gasikara ka izao miverina mizara ny fahaizany eto antanindrazana indray. Tsara vintana mihitsy izahay io alina io sendra azy.
Nangata-dalana ilay Dokotera ary indro i Zefa sy Ratrema teo, samy ketraka sy tsy nahaloa-peo. Indro indray nivoha ilay varavarana ary nivoaka avy tao ny fandriana nisy an'i Alexia.
Nitsangana izy roalahy ary samy nijery...
Tsy nisy hamantarana azy intsony ilay zazavavy. Mifono bandy matevina ny lohany ary feno fantsona ny tarehiny. Misy platre be koa ny tratrany ary misarona ny kibony. Mbola tsy mifoha hono izy ary entina any amin'ny salle de reveil. Noraran'ireo mpitsabo mpanampy anefa i Ratrema tsy hanaraka andry zareo:
- "Ramose a! mandehana aloha mody maka aina," hoy ry zareo. Rahampitso miverena fa raha izao tsy misy inoninona ataonao aty. Miala sasatra tsara ary angony ny herinao fa izao vao ilaina izany."
Ankona Ratrema. Notarihin'i Zefa nody izy ary indreny izy roalahy nitsidaikadaika nitodi-doha hiverina any an-tranony.
Nony tany an-trano Ratrema dia nandray ny telefonina...nisalasala indray anefa izy ary tsy fantany akory hoe hiantso an'iza...I Malala no
tonga
tao an-tsainy tampoka...
- "Malala!"
- "Ratrema!" hoy i Malala mbola tao anaty torimasony...."fa misy inona?"
- "Malala! tongava haingana aty an-trano fa misy ilako anao..."
- "Ka ny zazakely matory..."
- "Avelao ny zazakely hatory fa asaivo haterin'i Hery ianao izao ankehitriny izao fa misy ilako anao. Tsy ilaiko miditra aty izy fa asaivo miverina hiandry ny zazakely. Haingana ianao!"
Nihataka kely i Hery raha nandre ilay telefonina naneno. Mbola teo ampiondanana tamin'i Malala izy manko talohan'izay. Nitsangana haingana i Malala ary poa toa izay izy dia vita akanjo. I Hery anefa mbola nibonoka tao anaty lamba tsy mahalala na inona na inona...
- "Hery, andao aho hatero fa miantso ahy Ratrema!" hoy izy nikoropaka.
- "Ratrema? amin'izao alina izao? fa olona adala angaha iny?"
- "Haingana ianao Ry Hery a! hatero ahy dia miverina haingana ianao hiandry an'izy dahy! izay no teniny."
- "Fa sao heverinareo fa andevokely mihitsy ary aho ka rehefa te-hifankahita ianareo na amin'ny firy na amin'ny firy dia tokony ho vonona aho. Ary nahoana no andrasako ny zazakely?"
- "Mbola hampahatsiahiviko anao indray ve ry Hery fa zanakao ireo?" hoy Malala nampiditra ny akanjo mafanany sady nandray poketra. "Haingana ianao fa mbola hitady taxi e!"
Niomana tsy sazoka i Hery sady ningonongonona izay tsy izy. I Malala kosa maika tsy nisy ohatr'izany fa nivaly ihany ny vavaka mangina notononiny tany anatiny tany. Tena nantsoin-dRatrema ihany aho! hoy izy lokiloky.
Indreny izy roa niara-nivoaka ny trano ary nihazakazaka handroso alohaloha kokoa hihazo ny sampanana mety hahitana taxi. 

Pejy 23
2006/04/15,13:47
- "an ! tena . . . tsy haiko, fa . . . ."
Nojeren’i Alexia akaiky teo ampototry ny jiro,
- "Hery an ! an’iza hoy aho ity, dia sahinao ve?
- "Tsia, ry Alexia, azafady fa tena tsy afa-nanoatra aho."
Tsy hitan’i Hery intsony izay hambara fa tohina ny lelany. Very hevitra ary nisangodiana taminy ny tany aman-danitra.
I Alexia etsy toa nidobodoboka mafy ny fony, tsy fantany intsony ny lalan-kalehany, nahodiny teny amin’ny vatany ilay lamba lehibe dia nivoaka izy. I Hery etsy manenina ity zava-bitany, fanadinoana faharoa, lozan’ity lamba fotsy nanakona ny hamaintin’ny fiainako. Nihazakazaka izy nanaraka an’i Alexia, nisintona ny tanany nefa nakifiny.
- "Hery, dia sahinao ve ny nanao ahy tahaka izao. Fantatrao fa tiako ianao dia fitahinao amin’ny lainga tsara lahatra. Tononkalom-pitiavana nefa miharo famitahana ahy? Hery an ! tsy tantiko mihitsy izao. Handeha aho!"
Nanaovan’i Alexia ny akanjony, i Hery amin’io tsy hitany intsony izay hatao fa nitoloko teo amorom-pandriana fotsiny, vaky fo, very hevitra amin’izay fifonana tokony hataony.
Efa namoha ny varavarana ity tovovavy vao nidradradradra nitomany i Hery, nifona mafy fa tsy nohainoin’i Alexia intsony;
Efa tafidina any ambany i Alexia vao
tonga
saina ny lehilahy fa hiakanjo hanenjika ity malalany. Tsy tafakanjo tsara akory dia injay izy migodogodona midina ny tohatra nanaitra ny rehetra.
I Alexia efa eny antsorok’i Vero mitalaho mafy ny haterina hody sady latsa-dranomaso.
Tsy misy intsony ny hoe fa misy inona, fa gina ny rehetra, ny sasany tsy mahazo mihitsy izay mitranga. Hany herin’i Vero dia nitondra an’i Alexia tany anaty fiara ary nanakana an’i Hery sy ny namany tsy hanatona ity tovovavy lonahan’ny ranomaso ity aloha ambara-pahafantarana izay zava-nitranga.
Gaga i Ratrema nahita an-janany vavy mena maso sy mivaloharika tsy misy ohatr'izany miditra ny vavahady, fa izy mihitsy moa no namoha tany ivelany tany. Tsy navelany handroso koa ry Vero mivady vao nahita an-janany nitomany izy. Hany herin'iretsy mpivady niverina nandray ny fiarany ary nitodi-doha nody, tsy nihevitr'izay hijery izay niafaran'i Hery akory satria efa notantarain'i Alexia tamimbangovangony ny fandehany. Hay koa ingahy Ratrema tsy nipoizin-tory mihitsy iny alina iny fa lasa saina... Fantany tsara tany andohany tany fa i Hery no tao ambadik'iny fety io hariva io fa izy tsy te-hamasoka an'i Vero fotsiny. Somary nanaitra azy koa moa Razazavavy ka izany no tena nanginany satria, hoy izy, mety mbola misy andro hifankahitako amin'izy iny ihany any aoriana any.
Nosakambininy ny zanany ary nifamihina mafy izy mianaka namakivaky ny tokotany sy niditra tany an-trano. Mbola mando sy misavoritaka ny volon'i Alexia nefa tsy avy akory ny orana iny alina iny... azokazon-dRatrema ny fandehan-javatra nefa nangina izy ho fiaraha-miory amin'ity zanany...
- "Papa a, tena olon-tsy vanona izy iny!" hoy i Alexia sady nitomany mafy teo an-tratran-drainy indray izy.
- "Mangina anaka fa aza mitomany toy izao fa marary eo ianao. Aoka izay fa isika mianaka efa nahalala hatrizay fa tsy dia mazava loatra ny toe-tsain'izy iny..."
- "Nefa ange ry Papa ohatry ny efa niova ihany izy iny e! indrindra tato ho ato!"
- "Alexia a! ny olona toy ireny dia mijanona toy izay foana, mandrakizay!"
Toa hitan'i alexia indray ilay Rainy taloha, mananatra sy mora fo hatry ny nahakely azy. Hadinony ny fahotana mahafaty vitan-drainy fa reny ny fidobodoboky ny fony fantany fa tia azy. Tsy misy mahatoky mihoatra ny fitiavan'ny ray amandreny marina eto an-tany, hoy izy tany antsainy tany...
- "Alex a! ndana reitsy miakatra fa reraka a! rahampitso tohizana ny resaka..."
- "Papa a! ary ahoana ihany ianareo sy Mama?"
- "Eee! indrisy anaka! toa rano raraka angamba izy ity fa na izaho na izy toa tsy misy miezaka ny handravina izy ity e!"
- "Fa nahoana ianao ry Papa no minia tsy miezaka?"
- "Efa vehivavy lehibe ianao anaka ka tsy hanafenako inoninona: tsy nisy niafina taminao ny zioga nentiko hatramin'izay tato amin'ity tokatrano ity. Tsy nisy tsy nandeferako rehefa mety ho ditra sy hadalana isan-karazany, eny na dia nitranga tato amin'ny tokatranoko sy hatreny amin'ny fandrianan'ny fanambadiako aza, noleferiko teny foana... indray mandeha ve aho reitsy no solafaka dia hanaovana scène tsy misy ohatr'izany?
- "Papa! efa ela ihany ange ianao sy iny vehivavy iny no niaraka e!"
- "
Marina
izany fa izaho tsy nanana afa-tsy olona iray. I Malala iza no tsy efa hitako niaraka taminy?"
- "Tsy afaka hitsabaka izay fiainanareo mivady aho ry Papa fa anareo ny anareo sady mbola zanaka aho. Ny fiainako koa ity he ambony ambany, ny fiainantsika mianakavy ity, olona iray dia nahapotika azy... handeha hiakatra aho ry Papa hamisavisa izay hataoko fa bonne nuit ianao..." sady norohany teo amin'ny handriny ny rainy dia lasa izy niakatra. Nony nandingana zana-tohatra iray i Alexia no niverina tampoka tao an-dakozia hisotro rano mangatsiaka hampitoniany ny fony mafana loatra.
Saika tratra teo an-tohatra indray i Malala nihaino ny resak'izy mianaka teo. Hay reny ny nidinan-dRatrema sy ny resaka rehetra nataon'izy mianaka...
Niditra haingana tao anefiny izy ary nihodinkodina eran'ny trano...inona re no ataoko e? hoy izy nitana ny handriny...
Tampoka teo dia navoakany ny valizy be iray ary nampiriminy tao ny akanjony vitsivitsy. Nivoaka ny efitra izy ary niditra tao anefitranon'izy mianadahy kely. Nojereny kely ireto zanany mianadahy izay efa tena renoky ny torimaso, tsy mahalala izay rahona mitatao iainan'ny fianakaviany akory...I Toky mivelatra tanana toy ny fiaramanidina, asa manonofy hiakatra any amin'ireo anjelikely namany angaha izy io, ary i Cynthia toa minono ny tanany havia sady mandry mihorirana, tsy misy valaka amin'ireny saribakoly mahafatifaty ireny.
Ireo sisa no nanankinan'i Malala ny ho aviny ary tsy ahoany intsony izay harenan-dRatrema tazan'ny masony.
Noraofiny izay akanjon-jaza zakany dia nentiny tany anefitra hampiriminy ao anatin'ny valiziny, ary natosiny tao ambanin'ny fandrianany rehefa voahidy.
-Efa vonona ity ny entana fa dia hiandry ny andro ho maraina aho! hoy i Malala niverina namonjy fandriana haingana satria reny ny fikatrokatroky ny kapan-dRatrema.
Fa mba nanao ahoana kosa i Hery nony lasa ny vahiny?
Nisava ho azy ny hamamoan'izy efatra mianadahy nahare ny tabataba sy ny godogodona nidina ny tohatra teo ireny. Toy ny noroahana ry zareo fa indreny nanao izay azony atao hamonjy varavarana, samy nihanahana tsy nahazo resaka kanefa tsy te-ho tratra farany hiandronan'ny rihitra eo ka dia lasa izao, nifanosika nanao diabe teo daholo.
Tsy nisy inoninona hitan'i Hery izany rehetra izany...jenjin'ny ranomaso tanteraka izy ary nihodina taminy ny tany aman-danitra...nahatsiaro ny tenany ho very tanteraka izy...Nony elaela, nitraka izy ary ny loto sy ny trano misavoritaka ny nameno ny masony...Mikorontana toy ny tranony koa ny sainy ka tsy hitany marina izay atao, fantany izy fa tsy hahita tory amin'izany fahoriany izany. Nitsangana tsy fidiny ny anao lahy ary nanomboka nadroaka ireto vera sy lovia niparitaka eran-ny trano. Niondrika nitsindroka izay potika sigara nisisitsisika teny ambony latabatra ka tsy tao anaty cendrier.
Nalainy ny kifafa ary lasa izy namafa trano, niezaka ny hamafa ny alahelo tao anatiny ihany koa. Iny alina iny dia voahosony savoka ny trano ary tafaveriny ny entana rehetra. Toy ny tsy nisy iny fety iny taminy satria fahatsiarovana ratsy loatra hiraiki-tapisaka ao ampony. Fantany fa ho sarotra amin'ity indray mitoraka ity no hamerina ny olon-tiany. Tsy te-hanenjika ny tenany intsony anefa izy fa efa be izay latsa sy nenina izay... Poa toa izay dia nilamina ny trano, voasasa ny vera ary iny izy no niakatra natory miaraka amin'ny toaka mbola nanasaka tavoahangy, hany fanafody hitany hitsabo ny aretim-po mikiky ny ainy iny alina iny.
Hadinony anefa fa toaka ihany iny antanany iny: tsy hampikatona ny feriny akory fa alikaola vao maika hampangirifiry azy mafy ary hampangina vetivety fotsiny ny fahatsiarovany fa handoro ny atiny sy ny aferony rehefa mifoha izy ny maraina.

Teo ambavahadin'i Hery i Malala telo mianaka vao nijanona iny maraina iny. Hitany fa mbola mihidy avokoa ny varavarankely rehetra. Fantany fa mbola matory i Hery.
Notsindriany ny bokotra fanairana ka efa fanimpitony izy vao nisokatra ny varavarana tao ambany. Mbola fanin'ny toaka anefa izy ka nivandravandra nahita an'i Malala mitrotro an'i Toky ary eo amin'ny tany valizy be iray sy couffin misy an'i Cynthia kely.
- "Maninona aty nareo?" hoy i Hery gaga...
- "Ampandrosoy aloha izahay raha azonao atao!" hoy Malala nangata-dalana hiditra.
Rehefa avy nametraka an'i Toky teo ambony seza i Malala dia nanomboka nitantara ny fandehany rehetra, ny tsy inoany intsony ny fanambadiany andRatrema ary ny fahalalany ny nitranga iny alina iny...
- "Tsy hoe manararaotra ny fahavoazanao aho ry Hery," hoy izy niondrika, "fa tena tsy hitako izay aleha! vaky ny lohako."
- "Tsy sarotiny amin'izay hijanonanareo telo mianaka mihitsy aho, satria manana adidy be dia be aminao, sy amin'izy ireo, nefa fantatrao i Ratrema fa olona tsy hanaiky ho very voninahitra izany ka matahotra aho! izay no mampanahy ahy."
- "Hery a! tsy voatery ho fantany ange hoe aty izahay e, sa mety ianao raha mba any amin'ny Dadabe sy Bebenao izahay no mipetraka?"
- "Aoka itsy, hoy i Hery nanda mafy. Tsy ho hainao ny miaina any Ambanivohitra ry Malala fa sois réaliste a! ary raha maninomaninona any ny zazakely, aiza no entina? misy dokotera any sa farmasia?"
- "Aza tezitra toa io moa ry Hery a! efa mivadika koa ange ny saiko fa aza omena tsiny aho e!"
- "Eny aza, mijanona eto fa à condition que..."
- "Que? inona?" hoy i Malala gaga...
- "Qu'on ne fera jamais l'amour," hoy i Hery nitsangana sady niodina tsy hifanojoan'ny masony amin'ny an'i Malala.
- "Manaiky aho," hoy izy nanapoapoaka ny ratsan-tanany.
- "Andeha hiakatra any ambony," hoy i Hery nandray ilay couffin kely "fa halamintsika ny trano. Mety hevitra tsara ihany ny nankanesanao aty amiko satria tena tsy te-ho irery mihitsy aho izao sao manaonao foana ato."
Nosokafany avokoa ny varavarankely ary notarihiny tao amin'ny efitry Ramihary i Malala.
- "Amboarintsika ato dia ato izany no efitranonareo," hoy i Hery nanakipaka ny rideau sy namoha ny varavarankely hidiran'ny rivotra sy ny hainandro maraina. "Efa fotoana koa angamba izao hanesorana ny entan'i Mama amin'izay" hoy ihany izy ampisentoana.
Iny i Malala dia nisolo akanjo ary nampiditra jean hahazoany miasa. Nosokafany ny valizy ary navoakany tao ny kilalao isan-karazany izay zakany holalaovin'i Toky. Notarihin'i Hery tany anefiny izy dahy fa efa mba madio any tsinona ka tany no napetrany hilalao. Nasiany fanaka lehibe iray nibahana teo andalatsara tsy hahafahan'i Toky midina.
- "Tokony hasiana fefy izany eto," hoy izy ary hasiana takony daholo ireto prises miharihary ireto." Nojereny i Malala efa vonona amin'ny kifafa sy borosy tongotra ary lasa izy nitady scotch aloha farafaharatsiny hanampenany ireo zavatra mety hitera-doza ireo.
Nony vitany izay dia niverina namonjy an'i Malala indray izy ary namoha ireo armoaran-dreniny anakiroa..." Ataoko ahoana ireto akanjo ireto ry Malala?"
- "Toa tsaroako ianao tamin'ireny fisehoanareo sy Alex ireny fa nanana
havana
akaiky ihany, aiza izy ireny izao? maninona raha omena azy ireo izay mbola tsara?"
- "Hevitra mety izany ary ny ambiny?"
- "Asa, omena ny mahantra ohatra, tsy haiko! izany aloha no fanaon'ny olona ry Hery fa tsy haiko ka! reninao izy iny ka tsy sahy miteny be loatra aho..."
- "Aleo aho haka harona lehibe any ambany dia hatototra ao anatiny ao aloha. Amin'ny herinandro izany hita eo. "
- "Oadray! any ihany aho dia hoentiko miakatra eo ny berceau ko taloha!" hoy izy nitsikitsiky. "Mbola tena tsara mihitsy izy izay ary izany no tsy nanarian'i Mama azy. "Ho an-jafikeliko", hoy izy isaky ny tadiaviko ariana ilay izy..."
- "Tanteraka ihany ity ny teniny ry Malala..."
Malefaka dia malefaka ny feon'i Hery ka nahababo ny fon'i Malala izay miezaka ny tsy ho lavo intsony. Efa tantara hafa izao, hoy izy nanitsy ny sainy ary efa fiainana hafa...
- "Hery a! hitady asa koa aho," hoy izy nibanjina ity rain-janany...
- "Tsisy hevitra izany ry Malala fa ataonao aiza izy dahy? ny rainy efa tsy hitany, ianao koa hivoaka ho aiza? adidiko ianareo izao ary aza matahotra fa hiezaka mafy aho!"

Raha nody tao an-trano Ratrema iny hariva iny dia gaga fa nangina dia nagina ny tanàna. I Zefa mpiambin-tanàna no nitsena azy ary nitantara izay niseho. Tsy namaly i Ratrema fa niditra tao an-trano, nanipy ny palitaony teo ambony sezan'ny salon dia niakatra tany ambony. Novohainy tsirairay ny varavaran'efitra dia tsy nahita na iza na iza izy. Ny entan'i Alexia no tsy nisy nipika, izay izy vao nisento kely. Lasa indray izy nidina tany ambany dia naka ny findainy tao anaty palitaony.
- "Hery, allô?"
- "Ie, izaho ihany Monsieur Ratrema" hoy i Hery niavonavona koa
- "Tsy hi-creer problème amin'ise aho," hoy izy niteny moramora, "any angaha ry Malala? aza mandainga ialahy fa te hi rassurer ny tenako fotsiny aho, any ve izy?"
- "Ie, nankaty ry zareo..."
Nisento i Ratrema dia nakimpiny ny masony...
- "Ho alainao aty angaha ry zareo?" hoy i Hery
- "Tsia, aleo aloha izy ho any fa amin'ny manaraka aho miantso an'ise. Veloma ao amin'izy dahy ao."
- "Veloma!" hoy i Hery mbola saika hanohy resaka hanontany izay momba an'i Alexia, kanjo ny veloman-dRatrema no
tonga
aloha.
Niverina niakatra tany ambony indray i Ratrema ary nandamina ny efitranon-janany. Tiany loatra mantsy ireny zaza ireny sady mpiara-milalao aminy isan-kariva, hany ka nahatsiaro tena ho banga izy.
Efa hariva i Alexia vao niditra ny trano... Hatsatra kely ny tarehiny nefa velontsiky aoka izany izy nahita an-drainy.
- "Papa!" hoy izy sady nanoroka an-drainy izy.
- "Alexia!" hoy ny rainy namihina mafy azy...nahavariana an'i Alexia ilay fihina mafy nataon-drainy ka nihataka kely izy ,
- "Misy inona ry Papa?"
- "Lasa nipetraka any amin'i Hery i Malala," hoy izy hendratrendratra.
- "Any amin'i Hery? ary izy dahy?"
- "Lasany any koa!"
- "Papa a, ndao alaina any fa inona no
antony
hitondrany ireny zaza ireny any? ramatoa tsy misy saina, raha te-hiaraka amin'i Hery izy, tsy nadeha tany hatrizay, fa maninona ny zandriko no entiny any? sady amin'izay fahavaloko! hoy i Alexia niefonefon'ny hatezerana.."
- "E! aoka re anaka fa aleo aloha amin'izao a! tsaratsara ho anay aloha ny misara-toerana mba samy hieritreretanay..."
- "Fa tsy any amin'i Hery!" hoy i Alexia namaly andrainy...
- "Tsara kokoa aza izy any amin'i Hery amin'izay ny olona rehetra tsy hahalala izay miseho ato amintsika..."
- "Papa a, ny voninahitra aloha avelao any fa ahoana no hamelomany ireny zaza ireny aminao? ny karaman'i Hery? sa hanao inona ity Mama hono? olona tsy niasa hatrizay niainany!"
- "Hanampy azy ankolaka ihany aho," hoy Ratrema niverina nipetraka..."mbola vadiko izy ary any aminy ny zanako..."
- "Izaho aloha ry Papa miala tsiny fa izay hifanatri-tava an'i Hery dia tsy hisy mandrakizay a!"
- "Avelao aloha izany any fa inona ity hohanintsika? inona no masaka ao?"
- "Asa, andeha hojerena izay nandrahoin-dRazay ao..."
- "Ary lasa aiza Razay?" hoy i Alexia gaga nahita ny fatana nangatsiaka sy ny blouse fotsy nihantona tao andakozia...
- "Efa nolazain'i Zefa ahy fony aho vao tonga fa lasa nalefan'i Malala nandeha izy."
Natonton'i Alexia tamin'ny carreaux ny kitapony sy ny poketrany.
- "Papa, nefa izaho izany noana!" hoy izy nidongy tamin-drainy...
- "Ndao handeha hihinana any ivelany ary koa inona moa izany?" - "Dia inona no ho hanin'i Zefa ato?"
- "Entintsika izy ko maninona moa? hidina mafy ny trano dia lasa isika! sa tsy mazoto ianao anaka?"
- "Ka inona moa no atao eo? mba hinatra hanao lakozia amin'izay aho hoy i Alexia nitsindroka ny poketrany..."
Nihomehy ny rainy ary nandray ny lakilen'ny fiara sady nampiditra ny palitaony.
- "Zefa a!" hoy izy nipoitra teo ambaravarana. "Miomana ise fa hiaraka hisakafo aminay!"
Afaka atsasa-kadiny dia lasa izy telo niverina niditra ny renivohitra. Mahafinaritra ery ny mahita an'Iarivo mirehitra jiro amin'ny alina fa toy ny fanala manazava eny antsefatsefan'ny havoana izany. Mbola feno olona mivezivezy sy mitsangatsangana moa ny arabe satria Asabotsy hariva ny andro. Indreny ny mpifankatia mifampidoladola mamindra miadana hamonjy fodiana ka ny fisakambinan'izy ireny no nampamolivoly ny fanahin'i Alexia nahatsiaro ny fotoana rehetra niarahany tamin'i Hery...Ny feon'i Zefa avy ao aoriana no nanaitra azy tampoka nony nandalo teo Behoririka ry zareo raha iny handroso ho any Analakely iny.
- "Bema! i Bema marina," hoy izy nihoraka!
- "Iza indray ity i Bema?" hoy i Ratrema gaga fa anarana mbola tsy henony mihitsy izany...
- "I Bema rahalahiko!" hoy i Zefa, "izy mihitsy io, mijanona hoe M'se Ratrema?"
Naka toerana hijanonana i Ratrema ary nanalava ny masony hijery ireo olona mijoro miamboho eo ampihinanana vary mitsangana...
- "I Bema io e!" hoy ihany i Zefa nanamafy.
- "Mandehana jereo tsara aloha ry Zefa fa aza eo no miantso fotsiny a!" hoy i Alexia sorena sady nanara-maso ity mpiasany...
Nierika ilay tovolahy natao hoe Bema ka taitra mafy nahita an'i Zefa nitsikitsiky nanantona azy. Latsaka ny sotro teny an-tanany fa may koa izy hiarahaba an'i Zefa..
- "Mama a! ny rahalahiko marina!" hoy izy nitsinjaka, "i Zefa! hay ialahy mbola tany?"
- "Inty aho ka!" hoy i Zefa tsy nino koa ny fahitany ny rahalahiny...nifampijery bika izy roalahy, samy efa lehilahy lehibe...ny endrika no mbola tsy niova loatra na nandroso aza ny taona...
Niherika nijery an-dRatrema i Zefa ary hitany izy mianaka fa gagagaga, ka notarihiny hanantona teny i Bema.
- "Andraso aloha aho handoa vola!" hoy izy nisikotra ilay vola taratasy malotoloto tany ampaosiny handoavana ilay loha-kisoa matsiro vao nohaniny teo... Namafamafa molotra aoka izany izy aloha ary namafa ireo tanany tamin'ny patalohany vao nanatso-tanana hiarahaba an-dRatrema.
- "M'se Ratrema," izy no Bemananjara zandrikolahy!
- "Izy kosa no M'se Ratrema patiraoko!" hoy i Zefa faly ery
- "Fa efa ela angaha ianareo no tsy nifankahita?" hoy i Ratrema gaga..."toa mbola tsy reko mihitsy ny anaranao manko!" hoy izy.
- "Efatra mianadahy izahay no zanaky Dada sy Neny," hoy i Zefa niezaka namintina ny tantarany. "Tany Ambanivohitry Toamasina izahay no nipetraka, araka ny efa notantaraiko anao. Maty tamin'ireny rotaka tamin'ny 2002 ireny anefa ny Ray aman-dreniko ary ny zandriko roa vavy nentin'ny milisy an-keriny ka izahay roalahy samy nirifatra nitsoaka ary tsy nifankahita intsony raha tsy izao indray..." hoy izy latsa-dranomaso kely.
Nanganohano kely koa izy mianaka nandre izany tantara mahonena izany, hany ka tsy nisy te-hihetsika teo...
Samy nangina kelikely aloha, kanefa i Alexia tsy naharitra intsony ny hanohanany ka dia niteny:
- "Tsy aleo ve mihinana eto rehefa izany?" hoy izy
- "Asa!" hoy i Ratrema tsy te-hanaiky nefa koa tsy te-handà, nahita ireto olona be dia be milahatra mihitsy hihinana eo...
- "Sa hijanona eto ise ry Zefa hiresadresaka amin'ny zandrin'ise? alainay eo ise avy eo fa i Alexia tsy tiako hisakafo eo!" hoy izy nivantana.
- "Tsy maninoa M'se Ratrema ka! vao maika tiako," hoy izy namaly.
- "Ity ny vola ary hisakafoananareo roalahy dia eto ihany ny fotoana avy eo, afaka adiny roa! mety?"
- "Eny Tompoko," hoy i Zefa nanara-maso an-dRatrema namelona ny fiara.
Nony lasa izy mianaka dia samy nangina kelikely aloha...
- "Fa maninona aho no tsy avelan'i Papa nihinana teo?"
- "Dray! fa ianao ve adala e! taiza koa no nisy vehivavy nihinana tamin'ireny?" hoy i Ratrema nitrerona kely an-janany.
- "Oay! nisy vehivavy nihinana teo!" hoy i Alexia namaly kely, "sady izaho angaha voatery hihinana teny fa nentinao tato anaty fiara ny anjarako!"
- "Dia tsy leo doika mihitsy ianao ity ka! nandritry ny fiainako aho ry alexia niasa mafy mba tsy hahitanao izany mihinana eny amoron-dalana izany, nefa ity ianao te-hietry hidina..."
- "Papa a! diso hevitra ianao! tsy mahantra mihitsy ireny olona hitanao mihinana teo ireny! sady izao ange ry Papa e: tsy mba nisy mihitsy ny fotoana tamin'ny fiainako hifangaroako amin'ny olon-tsotra: tsy mba mana-namana aho, mihidy ao anatin'io villa be io foana aho rehefa tsy any ampianarana... te-hiova aho, te-hifanerasera aman'olona," hoy i Alexia
Lasa ho azy teo ny fisainan-dRatrema nihaino an-janany.
Marina izany fa tsy mba mana-namana afa-tsy Hery tokoa ity zanany. Nihidy tao anaty faribolan'ny fianakaviany sy ny fianarany ary ny fitiavany tao izy ka lasa te-hitroatra...efa fotoana angambany izao hanokafana ny lalany sao tara
loatra, hoy i Ratrema nisento kely.
- "Ka atombokao amin'ny inona ary ity fiovanao?" hoy i Ratrema nanatongilana ny lohany hihaino izay hevitra hafahafa mety holazain'i Alexia.
- "Asa? inona re? tsy afaka ny hieritreritra intsony aho aloha izao fa noana!" hoy izy nanova resaka.
Teny Ambatonakanga izy mianaka vao nijanona hihinana tao amin'ity hotely iray. Efa be be olona ihany tao sady nisy hirahira hialana voly. Hadino vetivety teo aloha ny sorisory sy ny olana mamatotra azy mianaka fa injany hira mamelovelo, mitory fitiavana no asandratr'itsy tovolahy mpihira; manome fahafinaretana ho an'izay rehetra nisakafo teo.

Lasa saina kely i Hery rehefa avy niantso iny Ratrema. Gaga izy nahita fa tsy tezitra mihitsy Ingahy lehibe. Nanontany tena izy hoe fa nahoana, nefa tsy hitany mihitsy ny valiny. Nanatona azy i Malala sady nandray ilay finday teny aminy.
- "Hery? fa iza ilay teo?" hoy izy sady nanokatra ilay finday izy hijereny ilay anaran'olona niantso teo...
- "Ratrema? dia ahoana?" hoy izy natahotra..
- "Nolazaiko azy hoe aty ianareo," hoy i Hery natahotra izay mety ho valiny...
- "Hay!" hoy i Malala nampifamatotra ny tanany. "Dia rahoviana hono izy no haka anay?"
- "Tsy haka anareo izy ka!" hoy i Hery nibanjina azy...
- "Tena hafoiny izany ireo zaza ireo?" hoy i Malala tezitra indray. Tany anatiny tany manko nisy tsirimpanantenana fa alain-dRatrema izy telo mianaka. Nanomboka nitebiteby i Malala ny amin'izay ho tohin'ny fiainany. Hatrizay manko dia teo foana i Ratrema niahy azy, ary tao antokatranony izy dia ny vavany fotsiny no misokatra dia
tonga
eo anatrehany izay tadiaviny.
Nandritr'izay roapolo taona nanambadiany izay, dia milomano tao anaty harena be izy ary tsy nandalo tao amin'ny sainy mihitsy hatrizay izany hoe tsy hisy izany. Efitra kely izao no hany hitoeran'izy telo mianaka. I Hery ity no voatery hiahy azy aloha...marina fa rain-janany nefa mbola tanora loatra i Hery sady mbola tokony hanana fiainana hafa noho izao sahady...
Fantatr'i Hery ny tany andohany, nangina tsy niteny anefa izy satria mba niasa koa ny sainy amin'ity fiainany, zary manan-janaka hokarakaraina tsy satry.
- "Malala a! fantatro sady azoko tsara izay mampiasa ny sainao, nefa mahereza ry Malala! anatra ho antsika angamba izao fiainana izao, ka samia isika hitraka... veloko ireo ary veloko ianareo fa aza matahotra!"
- "Misaotra ry Hery!" hoy i Malala.
Niandriandry ihany i Malala iny hariva iny sao hiverina hiantso i Ratrema nefa dia nangina ny finday, zary natory tsy nahatsiaro ny kiririoka fahiny intsony...Niverina tao an-tsainy ny fahiny, fony Ratrema tia azy, izy ilay saribakoly nampihantaina tao antokatranony. Tsy niakanjo afa-tsy izay avy any ampita ary tsy nivoaka ny trano raha tsy nihaingo. Fantany ankehitriny fa efa nivadika ny tantara ary izy no niala tao an-tokatranony...nefa mahatsiaro tena ho meloka izy nohon'ny nitondrany ny zanany hanalavitra ny rainy. Izy dahy izay tsy mendrika ny hijaly toa azy...fa zanak'olona manankarena!
Nony nahatsiaro izany izy dia
tonga
saina! teo izy vao namerina indray ny lasa tao andohany ary nahatsiarovany saina fa zanak'i Hery i Toky...i Cynthia indray dia araky ny échograpfie tamin'ireny no nikajiana azy hoe zanaky Ratrema, tsy hainy anefa izay tena marina...
Nandinika mafy teo ampitoerana teo izy dia tsaroany nihorohoro ny sainy... nanahy ireto zanany izy, izay mety halain-dRatrema raha mitohy izao fisarahana izao...kanefa mety tsy ho azon-dRatrema koa raha fantany ny marina rehetra! Vizana mafy ny sainy iny hariva iny ka resin-tory teo amin'ny sezalava tao amin'ny efitra fandraisam-bahiny izy. I Hery kosa no nanome sakafo sy nampandro ary nampatory an'izy dahy. Toy ny efa zatra sahady izy mikarakara an'ireto zaza.
Nidina izy avy eo ary nandrakotra an'i Malala izay efa resin-tory, nefa raha iny hamonjy tohatra hiakatra iny izy no niantso tampoka i Malala...
- "I Hery a! aza miakatra aloha fa avia eto fa misy tiako lazaina anao."
- "Hay ianao tsy matory akory?" hoy i Hery nitehina teo amin'ny arofanin'ny tohatra...
- "An an! nakimpiko fotsiny ny masoko fa lasan'eritreritra aho," hoy i Malala niverina nipetraka..."Hery a, misy zavatra tiako ho fantatrao..."
- Momba ny inona?" hoy izy variana
- "i Cynthia!"
- "Maninona i Cynthia, marary?"
- " An, an...mbola tsy nampiasa ny sainao mihitsy ve hoe iza no rainy?"
- "fa.., fa angaha tsy Ratrema? tsy tiako hiverenana intsony ireny lasa ireny ka!" hoy i Hery andeha hitsangana indray. Nefa notazonin'i Malala ny tanany ka indro izy nipetraka tsy fidiny.
- "Hery a! misy itovizana amin'i tompokovavy mamanao anie izy io e!
- "Angaha?" hoy i Hery nanongilana ny lohany..."fa tsy azoko, fa ahoana e! fa angaha tsy hoe an-dRatrema io zaza io? tsy izany ve no resaka nandeha taloha ireny?"
- "Ie, ny kajin-dRadoko fotsiny no nilaza izany fa he ity zazakely, io hariva nampirina ny entan'i Mamanao iny aho no nahita ny sariny fony mbola zaza, dia i Cynthia napetraka!"
Tsy nandry loha i Hery fa lasa indray aloha nisava ireto baoritra nadoboka tao andakozia iny andro iny... efa natsikafona daholo indray izay voampirina vao hitany ilay fitoeran-tsary efa vasoky ny taona.
Navadibadiny haingana ary io tokoa! i Cynthia sa i Mama? tena mitovy hoy izy nisento lalina...
Te-hifaly izy hanakatra ny lanitra fa misy ihany sarivongana mety hahatsiarovany ny reniny, izay lasa tsy nialany nenina akory, sady amin'izay sary mandehandeha, zanany! tsy misy hiadina hevitra akory...mahagaga azy no tsy nahitany izany teo no ho eo hatramin'izay!
Te-hitomany indray izy satria efa an-dRatrema ireo zanany ireo izao. Raha halain-dRatrema ny zanany dia hiala maina izy...
- "Dia ahoana?" hoy i Hery nijery an'i Malala izay nangina tanteraka nandritr'izay minitra vitsy izay..."dia ahoana ry Malala?"
- "Asa ry Hery, fantatrao angamba izao no mampitebiteby ahy!"
- "Izaho koa matahotra," hoy izy nanainga ny tongotry Malala tsy hikasika ny gorodona...
Nifamihina teo izy roa ary lasa ho azy ny tanan'i Hery nanafosafo ny volon'i Malala...nosafoiny koa ny sorony, ny lamosiny ary i Malala kosa nisisika tsy nihetsika. toa maka tsirony ery amin'izato tanan'i Hery malandilandy mikasika ny vatany...Nihorirana kely izy ary notakariny tamin'ny molony ny molotry Hery izay tsy nandà fa nanome izay notadiaviny...oroka naharitra ela, toa nitondra fanantenana, toa midika fahatokisana, toa mampahery tampoka ilay saina niady mafy teo, ary koa mitory fitiavana...ilay fitiavana efa nitsilopy nezahina novonoina, hay tso-drivotra malefaka fotsiny dia nety hampidedaka azy indray.
Nifanatrika ry zareo avy eo, ary nakarin'i Hery moramora ny akanjo ambonin'i Malala. Natsotran'ity farany ny tanany roa hahamora ny hialan'ity tee-shirt naneritery ireo tratrany efa nivoitra be. Nopihin'i Hery avy tao andamosina ny tadin'ilay soutien nanafina ny tratrany. Nohararaotin'i Malala io paoziny io namahany ny bokotry ny lobany hampiseho ny vatany tanora sady nofosana...
Tsy nisy teny izany rehetra izany, tsy nisy eritreritra fa dia lasa tamin'izao...toa tsianjery fotsiny tany antsaina tany dia vetivety dia niala ireo akanjo nanelingelina azy roa.
Ilay lamba notafian'i Malala teo sisa no nisaronan'izy roa ary indreo ny vatany zary nofo iray indray, toa tsy hisaraka intsony fa hijanona ho toy izao mandrakizay...hadino izao rehetra izao, hadino ny manodidina rehetra fa ny fanahiny kosa efa tafakatra any ambony tsy hita maso any,
fa nofo roa samy nangetaheta mafy ilay firaisana niriany ho tanteraka tany anaty tany saingy tsy sahy navoaka fa nahamenatr'olona, kanjo nifanena tampoka teo amin'ny toerana mangina, tao antaty fotoana tsy nampoizina...ka mbola mety hisaraka ve?

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype