Tadiom-pitiavana

Pejy 18
2006/04/11,07:44

Niezaka mafy i Hery hitadidy ny anarany, fantany tsara mantsy, fa ilay naman’i Malala nivarotra fanafody taminy tamin’ny alina teo no manoloana azy. 
- "Fa angaha ianao tsy manao « garde », sa izao vao andeha hiasa?"
- "Manao ahoana aloha i Hery e!" sady natolony ny tanany hiarahaba.
- "Manao ahoana ianao? Tany amin’i Malala ihany ve ianao androany, dia nanao ahoana izy sy ny zazakely izay?"
- "Tany amin’i Malala tokoa aho tamin’ny maraina dia io hariva io koa; ary efa tena mihatsara izy fa aza matahotra ianao. Nahazo fialan-tsasatra kely aho anio tontolo andro dia rahampitso maraina indray no miditra miasa."
- "Tsara izany," hoy i Hery sady nisento kely izy ; toa azo resahina tsara ity vehivavy ity izany, tsy nisy nahodiny mihitsy ny fanontaniako, tsy maintsy fantatro eto androany izay nolazain’i Malala tamin’ity sipa ity momba ny fiainanko sy izay hadalako nataoko hatrizay. Tena tsy matiko lolo mihitsy mantsy ny nahafantarany ny anarako ; misy zavatra ao.
- "Hisakafo ato angaha ianao?" hoy ihany i Hery.
- "Eny tokoa ! saika hisakafo irery aho kanjo nahita anao dia nanatona. Tsy aleo ve miaraka misakafo e! Dia mba miresadresaka koa fa tahaka ny fohy loatra ilay omaly alina."
Mahamahana ihany i Hery. Kanefa ny trangan-javatra tsy misy tahaka izao, nanaiky mihitsy izy, dia nilaza tamin’ilay serveuse fa tsy ho fonosina entina mody indray ny safako vao nafarany teo fa hohaniny eo ihany. Dia nanafatra ny sakafo tiany koa ilay vehivavy. Tena tsy niverina tao an-tsainy mihitsy ny anaran’ilay vehivavy ka nibaboka ny anao lahy hoe :
- "tena tsy tadidiko mihitsy ilay anaranao fa iza moa? azafady indrindra."
- "Tsss ! tena tsy tadidinao ve, menatra be aho izao hilaza : Tahiana hoy izy!"
- "Azafady Mademoiselle Tahiana fa tena hadinoko tokoa."
- "Aza antsoinao Mademoiselle izany aho fa tsy tiako ka ! Antsoy hoe : Tahiana fotsiny aho dia ampy izay."
Marina tokoa ny azy. Raha olona niray dabilio tamin’i Malala izany dia tokony hitovitovy taona aminy, izany hoe : eo amin’ny 37 eo ho eo, fa mbola azo lazaina hoe : mitàna aloha e ! misy ahareseny an’i Malala tokoa ; asa mety mbola tsy manan-janaka koa angamba ; nefa hita ihany hoe manakaiky tokoa ny faha-efapolo taona.
Dia niara-nisakafo teo i Tahiana sy Hery. Nitantara ny fahasalaman’i Malala hatramin’izay. Nitantara ny fiainan’izy roa tany aloha tany. Ny asa ataony amin’izao izy miandry raharaha izao. Fa toa tsy voalaza mazava mihitsy izay notantarain’i Malala mikasika ny nataon’i Hery antsokosoko efa ho telo taona mahery izao. Tsy mampandry ny sain’i Hery mihitsy hoe : nahoana marina no mahatonga ity vehivavy ity mahafantatra be loatra ny momba azy. Tena havanana amin’ny fampiresahana aloha ity Tahiana ity e !

Vita ny sakafo dia niara-nandeha hody izy ireo; dia mahagaga tokoa fa mitovy lalana hodiana. Naleon’izy ireo niaraka nandray fiarakaretsaka. Nitohy ihany ny resaka.
- "Tsy aleo ve mba tohizana ato an-trano fa mahaliana be ny miresaka aminao. Te hahalala misimisy kokoa ny momba anao aho," hoy i Hery mody manatsafa, fa ny tena tanjony dia ny hanapotsitra mafy ny resaka mba hivoahan’ny marina.
Tsy nisalasala mihitsy i Tahiana nanaiky, asa koa izay notadiaviny.
Nampandrosoin’i Hery rehefa novoahainy ny trano.
-"Angaha ianao irery no ato?" hoy indray i Tahiana.
- "Marina izany, izaho irery aloha no ato fa lasa tamin’ny maraina teo ny ray amandrenibe-ko."
- "Tsara kosa izany ! Manana fahalalahana tsara ianao amin’izao ! Mahafinaritra anie izany hoe mahazo manao izay tianao hatao sady tsy misy mibedy izany eh."
- "Mahazo manao izay tiako hatao tahaka ny hoe mitondra an’i Malala aty ve? sa koa mitondra anao samirery tahaka izao ataoko izao dia avy eo…"
Nojeren’i Tahiana tsara i Hery dia niverina nitsiky indray izy sady somary latsaka hehy.
- "Izy roa mitambatra, mampaninona moa e !!!!!"

Gagagaga be i Hery tamin'ny valinteny azony.
- "Ianao ity koa tsss, aleo aho aloha hikarakara ravim-boafotsy sy mofomamy harosoko anao." Sady lasa ihany i Hery nankany an-dakozia.
I Tahiana amin’io variana mijery izay hoso-doko mirenty amin’ny rindrina, sy izay sary teny ambony latabatra teny. Niverina avy eo i Hery tonga dia niteny.
- "Tena tsy azoko mihitsy ry Tahiana ny hoe ahoana ny ahalalanao ny anarako sy izay momba ahy? Efa hatramin’ny omaly izay no fanontaniana nipetraka tamiko ka mba tiako hazava. Inona avy no notantarain’i Malala anao fa manjary mampikorontana ny saiko fotsiny ny fisianao."
Tsy niteny mihitsy i Tahiana fa nobanjininy tsara i Hery sady nanatona azy ihany izy. Notazominy teo amin’ny sandriny roa aloha i Hery dia nalefany ny indray ny tanany hisafo ny tratrany ary hamonjy ny vozon’akanjony izay mody namboariny teo.
- "Dia tsy azonao an-tsaina mihitsy ve?" hoy ihany izy, sady nanakatra moramora ny molotr’i Hery izy, ny tanany lasa nisarika ny hatoka sady mangeja an-kolaka ity tovolahy bikana sady tsara tarehy.
Nifanoroka efa ho folo segondra teo izy roa. Tsy hitan’i Hery izay natao. Ity iray vao mainka namihina mafy ka tsapany ny lanjan’ireo nono roa mitohoka teo amin’ny vatany. Tahaka ireny ondana malemy dia malemy tsara fono ireny ka manonja raha vao kitihina. Nijanona tampoka izy sady toa tonga saina amin'ity zavatra ataony. I Tahiana amin'io toa tsy nanaiky fa vao maika nisarika indray ny lohan’i Hery hanatona azy. Tsy nahatohitra ny lehilahy dia nitohy indray ny  orokoroka, ny lelan'izy roa amin’io mifampitady mafy  te hifandray am-pitiavana. Tsy nahaleo intsony i Hery fa tonga dia nanafosafo ny lamosin’i Tahiana, nikaroka ny vodi-lamba hampidirany ny tanany hamonjy ny faritra mafana any anaty akanjo any. Ny oroka amin’io tsy misy fitsaharany. Ny tanany koa moa efa zatra mamaha tsy ankasarotana ny faraingoka amin’ny tadi-nono ka poa toy izay dia tsy nisy sakantsakana intsony izay tian'ny tananay haleha. Safosafo izao, tahaka ny tsy teo ny nanalàn’i Tahiana ny akanjo ambony somary mifintina manara-batana hahamora ny fanalàna ity tati-nono teny ankodiny.
Hatsaran-tarehina nono izany. Naleon’i Hery aloha somary niondrika hitsapàn’ny takolany ny hafanan’ireto nono roa nanoloana azy. Norokorohany teo ka nampiakatra ny onjam-pahasambarana tany anatin’i Tahiana tany. Ity farany tonga dia nisarika indray ny lohan’i Hery hanoroka azy sady nanala ilay lobaka mba hampifangaro ny hafanan’ny vatan’izy roa. Ny safosafo amin’io nitohy tsy ankijanona toa mikaroka mafy izay onjam-pasahambarana hoan'izy roa.
Tampotampoka teo, tonga dia nobatain’i Hery hipetraka teo amin’ny seza lava I Tahiana. Novahany ilay fehikibo lamba sy ny bokotra dia nosintosintoniny teo ny pataloha jean’s manara-batana izay avy hatrany koa dia nanala ny kiraro teny an-tongotr’i Tahiana. Hatsaran-batan'olona izany hoy izy tany antsainy tany. I Tahiana amin’io manafosafo ny faritra mahavehivavy azy izay efa tsapany fa mando saroman’ny string maintimainty mbola teny aminy. Tsy nihetsika intsony i Hery nony avy eo fa niandry fotsiny izay hataon’i Tahiana manaraka. Tsy nisy niteny, tsy nisy nivolana izy roa fa i Tahiana no tonga dia namaha avy hatrany izay teny amin'i Hery. Tsy nisalasala izy fa naborotsany avokoa izay akanjo sisa tavela teny aminy. Ny maha-lehilahy azy amin’io mihenjana mafy tsy nisy ohatran'izany. Niala vetivety i Hery ary noraisiny ny tanan’i Tahiana ilany, dia nosarihiny hitsangana. Notaritarihin’i Hery izy hiakatra tsimoramora tany ambony, ary navelan’izy ireo teo amin’ny fandraisam-bahiny ny akanjony. I Tahiana amin’io string kely sisa no teny an-kodiny. Tonga dia nampidirin’i Hery tao amin’ny efitra fandroana dia nitohy indray ny safosafo sy ny orokoroka samihafa manenika ny vatan’izy roa. Nalefan’i Hery tampoka ny rano ka saika nitsamboatra i Tahiana niantsampy teny aminy sady nikiakiaka kely, nefa vao mainka nampifikitra mafy tamin’ity akaiky azy izany. Tsy naharitra intsony ny anao vavy fa nanala ilay string.  Niteny tampoka I Hery hoe: " Andraso kely aloha fa haka zavatra vetivety aho." Sady lasa nivoaka ny efitrano fandroana izy.  Ny rano amin'io mifatsitsitra moramora manaraka ny vatan’i Tahiana, mahafinaritra ery ny mijery ny nonony irarahan’ny rano tahaka ireny tendrombohitra ivoahan’ny loharano ireny, sady safosafoiny ihany. Tsy andriny izay hiverenan'i Hery teo anilany. Iny tokoa ny lehilahy nitondra fimailo avy any. Novahany dia natolony an’i Tahiana izay tsy nisalasala nampiditra azy.
Tsy ela taorian'izay dia tavela tao anatin'ny firaisana ara-nofo tanteraka izy roa ka tsy nahoany akory ny rano mandeha mikoriana nifafy tamin'ny vatany sy ny  hatsiaky ny taila fotsy manemitra ny efitra izay niankinan'izy roa nifandimby. Satrin’i Hery foana hampitohaka ny tarehiny ao anatin’ireto nono  tsara bika toa tendrombohitra tsy manam-paharoa. Tsy nitsahatra izy ireo raha tsy samy tojo tamin'ny faratampo-pahafinaretan'ny nofony avy. Rehefa vita izay dia nivoaka ny efitrano fandroana izy ireo. I Tahiana amin’io feno tsikitsik toy ny nahitan'i Hery azy tamin'ny voalohany ihany.

Niverina nidina izy ireo namonjy ny efitra fandraisam-bahiny, tsy nisy nifampiteny fa niara-nipetraka teo amin’ny seza lava, dia samy nampiditra ny ankajony. Vita izany dia nampofoin’i Hery i Tahiana sady nanomboka ny resaka.
- "Tsy diso mihitsy i Malala milaza fa « étalon » mihitsy kay ianao ity. Tena lafatra, mbola tsy nanao tahaka izay aho fa hafa mihitsy aloha iny hevitrao tany anaty fandroana iny e!" sady nanoroka indray an’i Hery izy.
- "Te hitsapa ilay sensation an’i Malala nanana fisakaizana taminao fotsiny aho."
- "Fa inona marina no nambaran’i Malala anao e!" hoy indray i Hery somary tezitra. Niondana i Tahiana dia niteny hoe :
- "Efa fantatro daholo ny momba anao rehetra, fa ianao fotsiny no sisa mbola tsy hitako. Izaho koa tonga dia babo avy hatrany raha vao nahita anao. Tiako ho fantatrao fotsiny fa valifaty ataoko amin’i Malala izao, ary efa elabe mihitsy no nandrasako izany. Efa nisy sipako izay mantsy taloha, bandy milay izany fa dia nangalarin’i Malala, tezitra be aho tamin’izay an ! dia mba anjarako indray izao ny mamaly izay nataony tamiko. Fa aza matahotra ianao e ! Tsy hiditra amin’izay olana mianajady aminao mihitsy aho fa mba te hanana aventure kely fotsiny ! Sa tianao ny miaraka amiko?"
- "Tsss !" sady tsy niteny intsony i Hery no nalahelo kely ihany nandre izany. Amin’ny lafiny  iray, nanenina izy noho ity Malala izay neveriny ho azo itokisana amin’ny nataon’izy roa, nefa hay mamboraka ny tsiambaratelo amin’izao olona tsy fantany izao akory. Amin’ny lafiny faharoa kosa, ny tenin’i Tahiana izay mandratra azy noho ity izy toa andrakandraman'ny olona fotsiny. Ary ny lafiny fahatelo dia izy tsy naharitra ela akory dia efa nivadika tamin’ny toky nomeny an’i Alexia vao omaly harivan’io.
Tena ditran’olona marina letsy ny an’ialahy ry Hery, sady nanongo tena izy.
Nitsangana avy eo i Tahiana dia niteny hoe :
- "Aleo aho handeha fa efa miha-alina ny andro ; tsy aleo ve mba aterinao kely vetivety."
- "Tsy maninona," hoy izy, "aleo mihitsy ianao ateriko eny amin’ny arabe ka rehefa mahita fiarakaretsaka vao miverina aho."
- "Misaotra fa tena nahafinaritra ahy mihitsy ianao. Mbola mifankahita foana isika an! aza atao mahakivy anao mihitsy ny fihetsiko fa mba mila ny tahaka ireny nataontsika teo ireny aho indraindray. Tena marina anie izany fa tena milay ilay teo e!"
Tsy novalian’i Hery intsony ny resaka fa ny handehanan’ity Tahiana ity no mahamaika azy. Efa azony koa moa izay nilainy tsy ampy azy ve izay ; ilay ravim-boafotsy rahateo efa nangatsiaka tsy nisy nikitika akory.
Nony niverina tao an-trano izy dia niakatra hamafa ny efitra fandroana, hay najanon’i Tahiana iny tao ilay string maintimainty mbola hotsaky ny rano.
Ahoana indray ary ny hanaovako ity. Tsss !
Noraisin'i Hery ilay izy mbola tena lena be iny dia niasa saina teo izy na hariany na hafeniny. Raha hafenina amin'ity izy mbola lena be ity anefa hoy izy tany antsainy tany mety hasiso any ity. Tsy hitany izay hatao fa nahantony tamin’ny tady fanamainana ilay izy no niafarany.

Nidina tany ambany izy avy eo nikarakara izay sakafo kely mbola azony nohanina fa nahatsiaro noana indray. Vita ny sakafo dia nijery fahitalavitra hanaraka horonan-tsarimihetsika tany amin’ny efitranony. Ny ampitso maraina vao taitra hamonjy indray ny asa.

Tonga tany am-piasana i Hery, nahatsiarotsiaro an’i Alexia, te-hiantso mafy ka nandray ny findainy, nantsoiny ary avy hatrany dia nahazo ; tampoka teo anefa tapaka indray. Aza hitako, hoy i Hery, mety niantso ahy foana i Alexia fa tsy nahazo mihitsy ; tena tsy afaka namelona ity finday ity mihitsy aho hatramin’ny omaly. Dia maninona ary raha nantsoiny tato am-piasàna? Aza hitako ka tsy te-hiresaka amiko intsony izy.
Tsy nihevitra ny momba izay resaka izay intsony i Hery, fa manjary hanenina eo indray ny amin’ity nataony omaly hariva. Henjana kosa aloha ilay nataon’i Tahiana e ! Amin’izao, na handalo eo amin’io farmasia io aza rehefa mody toa misalasala ihany. Ny nenina marina hoy izy tsy ao aloha hananatra, fa aoriana handatsa.
Notohizany ny asany. Nony tonga ny atoandro dia nojereny ilay tranon-kala novangiany omaly. Nosokafany ilay lohahevitra noforoniny. Efa ho 35 ny valin-teny tao ; saika isaky ny 30 minitra dia misy mamaly foana. Valin-teny izany, ao ny tonga dia manome tsiny avy hatrany, ao ny manolo-kevitra ny hoe : ndàna mitsoaka ny tany misy anao izao fa hahavanon-doza eo indray, ny teny amin’io vary amin’anana tsy ifankahazoana. Ao koa ny manolotra sahady izay mety ho tohin’ny fiainako amin’ny alalan’ny tantara. Lava izany valim-panontaniana izany, tsy nampoiziny ho tahaka izao mihitsy. Asa tokoa, fa hafa nohon’ny hafa angamba ity ditra nataoko ity hoy izy. Tsy nisy vonoan’olona akory, satria hafa ny heloka izay mampigadra, fa ity fahotana mampigatra ara-tsaina amam-panahy no mihatra aminy.
Tapitra vinakiny avy eo ilay takila noforoniny dia nisento tokana izy. Toa tsy ahitako vahaolana akory izy izany fa fanomezan-tsiny ny be dia be.
- Ataoko ahoana tokoa moa ny handao ny asako sy izy efa-mianaka, ireo no fiainako na dia manahirana ahy aza. Tsy maintsy mitraka fa lehilahy.
Nosokafany ihany koa ny mailaka dia nisy hafatra tao ny momba ilay fotoana amin’ny zoma hariva. Faly ery ry zalahy izany, hisy revy be izany ao an-trano. Aleo marina manala azy fa mila tsy ho tanty intsony raha izao foana no iainana, sady faran’ny volana rahateo moa ny andro tamin'io. Nandefa mailaka tany amin’i Alexia izy avy eo, hafatra mitory fitiavana fa tsy manadino azy akory i Hery.
Teo vao tadidiny fa hay moa namorona mailaka vaovao izy omaly, izay nataony hoe : [email protected] mba ahafahany mifandray amin’izay olona te-hifampitafa aminy momba io lohahevitra nosokafany io. Nojereny izay tao.
« Bienvenu Kelimaditra »
Vous avez 1 nouveau(x) message(s).
Nosokafany indray. Mbola tsy fantany mihitsy ilay adiresy. Mazava koa ange fa tsy hisy olona hanome izay tena anarany akory raha ny amin’ny fifandraisana tahaka izao e! Notohizany nidirana ka izao no soratra tahaka tao :

Slt à toi Kelimaditra !
Nahita ny forum nataonao aho ka mba hanoro hevitra fa mety hisy vahaolana ihany omeko anao. Koa raha sitrakao indrindra dia hifanoratra isika.
Mianatra manokana momba ny sociologie eny Ankatso aho ary manomana maitrise ka mba te-hahafantatra izay manjo anao, ary afaka mihitsy koa manoro hevitra amin’izay tokony hataonao.
Manantena valiny avy aminao.>>>

Tsss ! sociologie, inona koa no hifandraisan’izany. Manomana maitrise, mpianatra eny ankatso izany, hafa dia hafa tokoa aloha ny fiainana atrehin’ialahy ry Hery ka izay angamba no ilàny an’ialahy. Kanefa izy moa nilaza fa misy vahaolana azony atolotra. Mety efa niainany koa angamba izany e ! aleo valiana amin’ny manaraka fa tsy izao aloha. Tsy fantatro akory na lehilahy na vehivavy izao manoratra izao.
Nofaranany avokoa ny asany teo ambodin’ny solosaina dia nivoaka izy hisakafo atoandro.

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype