Tadiom-pitiavana

Pejy 16
2006/04/09,07:40

Misy taratasiko any dia vakio tsara, sady niteny tamin’ny teny malefaka izy, nampidiriny tao anaty kitapo kelin’i Hery ilay zavatra.
- "fa maninona ianao e ! marary angaha? " Nisento tokana fotsiny izy.
Injay fa nidina i Alexia, tsy niteny intsony i Malala, ny fanondrony roa no natsindriny ny handriny dia lasa izy nipetraka teo amin’ny seza lava.
- "Ity misy fanomezana kely avy taty amiko," hoy i Alexia, boaty kely efajoro voafono mangirana ilay izy sady misy fatorana. Noraisin’i Alex ilay kitapo teny an-tanan’i Hery dia nosokafany hampidirany ity fanomezana. Nojereny ny tao anatiny, antontan-taratasy vitsy nentin’i Hery avy tany am-piasàna, misy horonan-karona ahitàna zavatra mifono, dia nalainy sady hoy izy, - "inona kay ity ry Hery ? "
Nivandravandra be i Malala tetsy amin’ny salon, nivaloharika ohatr’izany. I Hery tsy nahita hotenenina. Nidobodoboka ny fony, ny mason’i Alexia no nobanjininy tsara. Tsy dia nahoan'i Alexia anefa izay tao anatin'ilay fonosana ary dia naveriny tao anaty kitapo ilay zavatra. Nifanoroka indray izy roa dia nandeha nanao veloma an’i Malala i Hery. I Malala anefa amin’io mibanjina ny mason’i Hery tsy misy ohatran'izany mba hampitany ny adin-tsaina mahazo azy kanefa tsy nety tody tamin’i Hery mihitsy izay tiany hambara. Raha rahona mandalo miserana tokoa, tsy ampy hanaloka ilay masoandro mibaliaka niainan’izy roa ny tolakandro teo.

Nandray fiarakaretsaka i Hery nody, nisaintsaina lalina ny fahasambarana niainan’izy roa tany Ambatofotsy. Andro iray tsy ho hadinony amin’ny fiainany iny andro iny. Na dia efa maizina aza ny andro tamin'izay dia toa masoandro mibaliaka no namiratra tao an-tsainy.
Tsaroany ery i Alexia mijoro eo anoloany, ny hafanàna amin’io mamely, sary miraikitra amin’ny masony ny hatsaran-tarehy, ny volo lava any an-damosina, ny tratra lafatra tsy misy toa azy. Raha nisy anjely teto an-tany hoy izy tany antsainy tany dia tsy azo lavina fa i Alexia anisany. "Nahazo letsy ialahy RaHery," hoy izy, iza eto amin’ny tanàna no tsy te-hahazo an’iny sipa iny na ny mitovitovy aminy fotsiny aza ! Nanofinofy teo izy, kanjo, nisy fiara 4x4 nandefa ny jiro mahajambena tamin’ity fiara-karetsaka kely. Ni-klaxon ilay mpamily sady nanapipika ny jirony izay tsy nahaovoka akory fa tafajanona mihitsy. Natorak’i Hery teny amin’ny sisin-dalana ny masony, taitra tamin’ilay nofinofiny teo izy, nandalo tampoka taminy ny sarin’i Malala ilay fotsy hatsatra teo. Nalainy ilay kitapo keliny dia nojereny, tsy azony an-tsaina mihitsy hoe inona ity, sao dia misy manjo an’i Malala ary, ka tsy tiany ho fantatry ny ao an-trano. Tsy andriny izay nahatongavany tao aminy. Tonga
izy dia niakatra tany amin’ny efitranony. Valopy iray sy lamba mifono taratasy hafa ny tao. Nisokafany kanjo...

Nivoaka tao ilay silipiny efa tsy hitany izay ela izay, tsy adinony akory iny resaka iny fa nodiany tsy fantatra fotsiny. Nandalo niserana tao an-tsainy ny enim-bolana lasa, nampikorontana ny sainy indray ity zavatra-mitranga ity.
Nosokafany ilay taratasy, teny vitsy monja ny tao :
« Hery, miady mafy ny saiko fa tratrako Ratrema nampirafy ahy,
kely loatra ny aiko ».
Soratra tahaka izay no hany tao dia nampiova tanteraka ny fara-vodilanitra manga nofinofin’i Hery teo, toa nilentika tampoka ilay masoandro, nangatsiaka, nodimbiasan’ny rahona matevina. " Inona ity, ahoana indray no ataoko ?"
Noraisiny ny finday, hay adinony ny namelona azy hatrany Ambatofotsy. Novelominy dia niantso an’i Malala izy !
- "Allo ! Malala, maninona ianao izao. "
- " Hery, tsy afaka miteny mafy aho fa marary be daholo ny vatako iray manontolo. "
Tsy nahatanty ilay fihetsik’i Alexia teo tokoa ny anao vavy ka niakatra tany ambony niverina natory. Niandry izay higadonan-dRatrema fotsiny sisa; I  Cynthia koa tamin'io fotoana io nitomany foana nefa tsy nety nampinonoana. Izy rahateo tsy manana aina intsony. Ny saina mety ihany, fa ny vatany no torovana tanteraka.
- "Hery an ! miverena aty fa mila anao aho ! "
Tsy hitan’i Hery izay hatao, noraisiny ny akanjo mafàna, niteny tamin-dry Dadabe fa tsy maintsy misy alehany any amin-dry Alexia dia nihazakazaka namonjy nivoaka ny arabe izy hitady fiarakaretsaka. Tsy nandry intsony ny sainy fa nieritreritra an’i Malala sy izay nahazo azy izy teny an-dalana.

Fotoana elaela taorian’ny nandehanan’i Hery vao nigadona teo am-bavahady ny fiaran-dRatrema. Tao anatin’izay no niantsoan’i Hery an’i Malala teo.
Niditra tao an-trano ilay raim-pianakaviana, avy dia nipetraka teo ambony seza namelona ny fahitalavitra. Ren’i alexia ny fahatongavan-drainy, sady hitany rahateo koa ny fiara avy teny am-baravaran-keliny. Nidina izy, falifaly ery, nanoroka an-dRainy.
- " Papa, tsara ve ny tontolo andronao androany ?" Nojeren-dRatrema tsara ity zanany.
- "Han, falifaly indray ange izany zanako izany e ! Tsy androany moa ilay noteneninao ahy tamin’ny zoma fa hivoaka kely ny renivohitra hiaraka amin’i Hery ? Tsy naninona ny fiara an, faly aho rehefa miramirana tahaka izao ity zanako ity."
- "Ie ! sady tena nahafinaritra, tany Ambatofotsy izahay roa, nilalao rano. Amin’ny manaraka isika rehetra angamba mankany, sady nipetraka izy no nitositosy teo amin-drainy teo, tahaka ireny zazavavy kely ireny.
Mahagaga tokoa fa tena miray fo sy saina mihitsy izy mianaka, mety ahatsiarovan-dRatrema an’i Vololona koa angamba i Alexia, indrindra izy izao efa mandia ny fahatanorany izao.

- "Fa aiza ny ankizy kely ? te hahita azy aho izany."
Nitsangana i Ratrema, dia niakatra tany ambony, nojereny aloha ny efitr’i Toky, tsy nisy olona tao, nanantena an’i Malala izy hoe mitaiza an’i Cynthia tao amin’ilay efitra vaovao, mbola tsy tao ihany koa.
- "Malala an !" sady nankany amin’ny efitranony izy.
Hitany teo i Toky kely matory aok’izany eo ambony fandriana sady eo akaikin’ny reniny. I Cynthia koa eo amin’ilay berceau fatoriany taitra sady manomboka mikenfonkefona. Nanatona azy izy dia noraisiny notrotroiny. Taitra tamin’ny fahatongavan-dRatrema i Cynhtia ka niverina nitomany indray.
I Malala amin’izay manome lamosina tsy nahateny tsy nahavolana, sady mibonoka ity lamba matevina nefa ny andro nivaivay aok’izany tamin’ny atoandro teo.
Nipetraka teo ambony fandriana Ratrema, ny zaza amin’io eny an-tanana ihany sady mitomany izay tsy izy. Ny reniny toa tsy taitra akory fa maninona angaha ?
- "Malala an!" hoy indray Ratrema, "mitomany ange ity zaza ity e!" Sady nokitihany ny vadiny hanaitra azy. Vao mainka anefa i Malala nihodina indray ka ny lamosiny no nataony ambony no nafeniny tao anaty ondana ny lohany.
- "Fa maninona ianao e?" Noritin-dRatrema tamin’ny tanany ilany ny lamba ka indro ny vadiny hitany fotsy hatsatra, malemilemy tsy nahasintona intsony ilay lamba. Ny sainy torovana tsy nahavita intsony izay tetika hamaliany faty an-dRatrema. Hany heriny dia nihodina tsimoramora, nandatsaka ny ranomasony sady nifokofoko.
Taitra koa i Toky sady tonga
dia nitomany nahare an-jandriny. Tsy hitan-dRatrema izay hatao, nikoropaka izy, natsoiny i Alexia hiakatra hampangina an’i Toky no hitondra azy hijery fahitalavitra any ambany. Nantsoiny koa ilay mpanampy mpitaiza hanome biberon an’i Cynthia any amin’ny efitranony dia niverina teo amin’i Malala izy.
- "Malala, malala an ! maninona izany havako izany e?" Vao mainka nidradradradra nitomany i Malalatiana. Niezaka ny hanakifika ny tanan-dRatrema fa tsy nahavita intsony. Tomany eran’ny trano, ny zazakely angamba misy maharary azy fa tsy nijanona nitomany na dia nanao izay azony natao aza ilay mpanampy, i Toky raha vao misy mitomany dia iny koa lery manampy trotraka, sahirana ery Alexia mitaiza azy, Rafotsy ao ambony midradradradra aok’izany tsy laitra hampanginina.
Noraisin-Dratrema izy dia natohony tamin’ny tratrany, reny fa tena mafàna be ny lohan’ity vadiny, nosafosafoiny mora teo.
- "Malala an! aok’izay izany havako izany
- "fa misy inona ary ato ? dia ho sanatria ve ho fantatr’i Malala ny nataonay sy Corine tany am-piasàna, tsy mino izany aho, tsy misy mahalala mihitsy izay ataoko ao anaty birao, sao dia ilay Corine iny ary no nanao menace an’i Malala ? aza hitako," hoy Ratrema tany an-tsainy tany.

Noraisiny ny telefaona, niantso dokotera izy, dokotera efa mahazatra ny fianakaviana izy io, ary antsoina rehefa misy marary ato an-trano. Nazavain-dRatrema teo izay zava-mitranga. Naka fitsapàna hafanana izy avy eo, dia nandrotsaka fanafody anaty rano fa izay no nafaran’ilay dokotera mandra-pahatongany. Tena marary mafy ity vadiko ity, hoy izy, aleo aloha ho tonga
i Dokotera dia ampidirina hopitaly indray fa sao dia hanahirana eto. Taitra izy nahita ny hafanàn’i Malala, tena loza ity. Efa nanomboka nitonitony i Malala tamin’izay fa tsy nitomany intsony, tsy nisy sahy niresaka, lasalasa saina i Ratrema amin’ity zavatra mitranga, efa narary ary i Malala ka tsy niantso ahy, fa maninona ary ?
Roapolo minitra taorian’izay vao tonga
ny dokotera, hay niaraka niditra taminy tao koa i Hery.
- " Oay, tonga
niverina ny malalako," hoy i Alexia, nanoroka ery, i Toky amin’io velon-tsiky indray nahita an’i Hery sady nanomboka nibitabitaka.
- " Faly ery izy izany nahita anao, izaho teto tena sahirana mihitsy nampangina azy, sady nomeny an’i Hery hotrotroiny i Toky.
- "Fa maninona i Malala ry Alex fa nantsoiny aho teo, marary hono izy ?"
- "Nitomany be izy teo, tsy haiko fa tena fotsy hatsatra be aloha tamin’izaho nandalo tao. Efa iny ny dokotera niakatra ao aminy ao, aleo aloa isika miandry aty fa tsy hitany eo ve izay tokony hatao?"
Adinodinon’i Hery izay zavatra nitranga, ity zanany faly ery eny an-trotroany no nahafinaritra azy. " Dray letsy ialahy ry Toky  hoy izy aneritreritra, tena misy itovizana be amiko hono ialahy?" ity zazakely amin’io faly ery manafosafo ny lohan'ity "rainy" nitrotro azy . Dia variana teo izy telo mianaka.

Tany ambony kosa tamin’io…
Nanazava Ratrema fa 40°5 ny hafanan’i Malala teo ; vao hitan’ny dokotera ilay marary dia nojereny ny aty vavany,
- "Tena décalcifiée be mihitsy ny vadinao ry Ingahy Ratrema, raha izao fahitako azy izao, sady nojereny ny hohon’i Malala, tsy maintsy mitsindrona haingana, efa nitondra aho aty. Mampinono moa izy io ? Sao dia nisy zavatra nanaitra azy ary androany." Sady naka ny fitaovana fanindromana ihany izy. Reny koa i Cynthia mbola mitomany ao amin’ny efitra ilany ;
- "Ilay zanakareo angaha izany," hoy indray izy, "aleo aloha ho vitako ity dia mijery azy isika. Sao dia taitra tampoka ianao Ramatoa androany, sao dia nisy fiara saika handona anao teny an-dalana?"
Tsy nahateny mihitsy i Malala fa ny masony no natsirempirempiny fa nahatsiaro naharary azy ilay tsindrona.
Aleo aloha izy haka aina tsara, ireto no fanafody tsy maintsy vidianareo izao, any amin’ny farmasia mpiandry raharaha, dia nanoratra izy.
- "andao ary jerena izao zazakely mitomany izao, nivadika tao an’efitra izy dia noraisiny ilay zaza efa tora-kelin’ny tomany ; novahany ny akanjony, nojereny ny atin’akanjony, somary taitra kely izy, nangatahany ilay mpanampy raha mbola hitany ny lamban-jaza fanary teo alohan’io.
- "Andana jereo," hoy Ratrema, dia nidina ilay Ramatoa nitady ilay lamba efa nariany teo. Afaka kelikely, maharary kibo be ity zaza ity, raha izao no fandehany dia nivadi-nono ny reniny, mino mihitsy aho nisy nahataitra azy tampoka tany ho any, asa efa tamin’ny maraina angamba, tsy fantapantatrao ve ?"
- "Toneo tsara ny fon’ny vadinao ry Ingahy Ratrema, mila maka aina be mihitsy izy, mila entina maka rivotra kely koa any ambanivohitra any aza.
Naka tatatasy vaovao indray izy dia nanoratra izay fanafody tokony ho an’i Cynthia sy ny momba izay tokony hampiasàna azy. Efa dokoteran-dry zareo izy io,efa ho 5 taona izay, manana fahaizana manokana momba ny reny sy ny zaza rahateo, ka izy foana no manara-maso an’i Toky, ary amin’izao dia i Cynthia indray.

Gaga i Ratrema, vita izay rehetra izay, dia nidina ry zareo,
- "Rahampitso aho," hoy ilay Dokotera, "tsy maintsy miverina, inoako fa miasa haingana ilay tsindrona teo, rehefa atosiky ny fanafody hafa koa iny dia hiafana haingana ny vadinao. Tandremo fotsiny izy, tsy hampinono aloha fa …"

Vao tafidina tany ambany anefa dia nahita an’i Hery Ratrema, nivandravandra aok’izany mahita an’ity vinantony mitrotro an-janany. Navelany nandeha ilay Dokotera dia niverina izy.
Mody tony aloha, vao niteny tampoka,
- "Tsy efa niteny ve aho fa tsy mahazo mankaty ialahy raha vao alina toy izao, sady nanomboka nitrerona izy. Ialahy an ! rahefa izay dia izay, maninona aty koa ialahy io ? Tsy manana lava-trano hatoriana angaha?"
- " Azafady indrindra ry Papa fa.." sady nosintomin’i Alexia ny rainy, "Papa an, nantsoin’i Neny ange izy hono teo e, ary aza mampiaka-peo fa misy marary ange eto e!"
Na reraka aza i Malala tany ambony dia reny ihany ilay trerona nataon-dRatrema teo, azony an-tsaina fa tonga
i Hery. Nitomany indray izy.
- "Hijery an’i Malala mihitsy no nahatongavako aty amin’izao alina izao. Izy mihitsy no niantso ahy, efa ho antsasak’adiny izay ; aleo aho hiakatra hijery azy.
Tezitra i Ratrema fa tsy nahavita nanainga tanana akory, ny zanany vavy etsy, misarangotra aminy mba hampitony ny fahatezerany.

Lasa i Hery niakatra, i Toky mbola trotroiny ihany; niditra tao amin’ny efitrano, nalahelo kely izy nahita an’i Malala fotsy hatsatra matory eo ambony fandriana.
Nipetraka izy, navelany handehandeha i Toky kely, noraisiny ny tanan’i Malala, azony an-tsaina sahady ny tebiteby mahazo ity renin-janany. Ny mason’i Malala sisa no natopiny teny amin’I Hery hilazany izay manjo sy mampiady mafy ny sainy.
Afaka kelikely dia niteny mora dia mora izy :
- "Hery an ! nivadi-nono hono aho," hoy ilay dokotera teo.
Tsy niteny intsony izy roa, fa ny safosafon’ny tanana no natao hampitony ity marary.

Niakatra moramora i Alexia, narahin-dRatrema tao aoriana, nony niditra izy ireo, niverina indray ny fivandravandrana be ! Tsy hitan’i Alexia izay hatao, i Malala etsy mampikimpy ny masony fotsiny, tsy te-hahita izay zavatra hitranga indray.
Tsy nahatony fo intsony i Hery dia nitsangana :
- "Ianao ihany Rangahy ity no nahatonga izao an!" Sady natsipiny teny amin-dRatrema ilay taratasy kely avy tany amin’i Malala.
Taitra i Ratrema, novakiany ilay taratasy kely. Romotra ny anao lahy, nalatsany tamin’ny tany ilay taratasy dia nisintona an’i Hery izy sady noraisiny ny vozon’akanjony.
- "Iza no miteny an’ialahy mba hiditra amin’ny fiainan-tokantranoko. Tsy anjaran’ialahy ny aty, any amin’ialahy ialahy manatsipitsipy izay tian’ialahy hatsipy fa tsy aty amiko velively. Lehilahy tsy vanona, adinon’ialahy angaha ny nataon’ialahy hatramin’izay; Ny zanako no potipotehin’ialahy tahaka izao. Hahalala an-dRatrema ialahy anio."
Niakatra ny feo, izy mianaka vehivavy etsy mitomany, ilay taratasy efa nalain’i Alexia sady efa novakiany, niverina indray ny tomany, ny dardradradra, ren’ny mpanampy rehetra tany ambany izay nitranga.

Nanalan-dRatrema ny fony teo aloha i Hery, ity farany tsy nahita hotenenina intsony fa nangina aloha.
Asa tokoa, nahatsiaro ho diso ihany angamba Ratrema ka napetrany ihany i Hery fa tsy nokitihany akory. Nafàna ny fony, naleony nidina tany ambany, nanaovany ny akanjony avy niasa teo, nakarapony ny varavarana dia lasa izy namelona ny fiarany. Klaxon nanaitra ny manodidina no niantsoany ilay mpiambina ny tanàna hivoahany. Nigika aok’izany ny fiaingan’ilay 4x4 teo amin’ny arabe. Tsy hita intsony izay hatao, izy mianaka etsy mitomany izay tsy izy, very hevitra amin’izay tokony hatao.

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype