Tadiom-pitiavana

Pejy 14
2006/04/06,09:25
Rehefa vita ny fikarakaràna tao amin’ny hopitaly dia nentina tany an-trano ity nofo mangatsiakan-dRamatoa Ramihary. Ankona ny fianakaviana rehetra, tsy misy mahalala ny antony. 
Nifanjohy ny mpanao famangiana, tonga nampahery ireo havana, narahin'ireo tapaka sy namana.
Na dia teo aza ireo olona marobe nidodododo nampahery an'i Hery dia toa tsapany fa mitombo lanja hatrany ny havesatry ny adin-tsainy izay mila hampitolefika azy tanteraka. Tsy dia nahitana teny firy izy. Tsy ny alahelony ny reniny izay lasa nodimandry ihany anefa no nitambolona tao am-pony, fa teo ihany koa ny halahelony noho ireo hadalàna vitany. Notsakotsakoiny tsara ny hafatra farany navelan-dreniny ho azy. Manako tao an-tsainy foana ilay hoe: “Tadiavo foana ilay fitiavana nananan-drainao, izay no omeo an’i Alexia…”
Alexia, hoy izy tany an-tsainy tany, tena zohim-pahoriana miampy fahoriana aho raha miditra amin’io fianakaviana io. Jereo ity ialahy ry Hery, ny zanaka efa ho roa, ny vady hokasaina anefa tsy renin-janaka akory. Ary ity renin-janaka indray no renin’ity ho vady. Latsa-dranomaso matetika Hery nandritra io fotoana io.Toa rivotra mitsoka tao an-tsofiny fotsiny ny teny fankaherezana nolazain'ny olona taminy, toy ny hoe: "mahereza r’ise, aza misosoka alahelo intsony…" 
Efa nanomboka alina vao tonga Ratrema sy Alexia. Raha vao niditra anefa izy dia notsenain’i Hery, ka tsy nahavita izay fitsapàna alahelo akory. 
- "Aleo aloha hamangy anareo izahay mianaka," hoy Ratrema somary sadaikatra. 
Niverina nipetraka i Hery, natao ny fombafomba rehetra. Vita izay dia niara-nipetraka tamin’ny fianakaviana izy mianaka, Alexia moa namonjy nipetraka teo akaikiny. 
- "Nanao ahoana i Malala ry Alexia?" hoy Hery tampoka teo.
- "Tsy maninona intsony izy ka! angamba rahampitso maraina izy dia efa hiverina hody any an-trano. Andao aloha hivoaka ity efitra ity isika mba haka rivotra kely sady tsy mbola misy mpamangy koa tsinona."
Niara-nitsangana izy roa, dia nivoaka naka rivotra teny an-tokontany. Namonjy nipetraka tamin’ny dabilio, nofihinin’i Alexia ity malalany sady niondana teo amin’ny sorony izy. Tsy ela taorian'izay anefa dia latsaka indray ny ranomason’i Hery. Nitomany mafy izy sady nidradradradra tsy nisy toa izany, ka nanaitra ny olona tao an-trano izay namonjy nivoaka nampahery ity tovolahy toa diso fanantenana fa nilaozan'ity reny malalany. Niverina tao antsain'i Hery indray ny fahotana tsy roa aman-tany nataony tamin’i Malala, ka nahatonga izao fahafatesan-dreniny izao. 

Ny ampitso, nandalo avokoa ny mpamangy rehetra, ny fiangonana, ny mpiara-miasa, ny fianakaviana lavitra, sy ireo rehetra tratr’antso. Nanotrona azy teo anilany teo foana Alexia nandritra ny naha-teo am-bohitra ny razana mandra-pahavitan'ny fandevenana. 

Nandalo nitsidika azy ny mpiray tampo tamin’ny rainy saika isaky ny faran’ny herinandro. Matetika Hery no manontany azy ireo ny toetran’ity rainy, izay tsy misy tsaroany mihitsy fa mbola kely loatra izy tamin’ny nandaozany azy. Tsapany fa marina tokoa ireo hafatra napetraky ny reniny taminy. 

Taorian'iny voina nitranga tamin'i Hery iny dia toa adinodinon-dRatrema ny fikasany hamaly faty an’i Hery tamin’ilay resaka silipo. Efa vitany tamin’i Malala tany amin’ny hopitaly moa araka ny eritreriny ny fanalàna ny fony. 

Efa antomotra ny fotoana hahaterahan'i Malala. Tsy nanao firaisana intsony izy taorian’iny nanaovan-dRatrema azy iny. Somokotra ery ny anao vavy mibaiko ny mpanampy hanamboarana tsara ny efitra handraisana ity vahiny. Jejojejo ery mampiseho ity kibony amin’izay olona tonga ao an-trano. Tsy handriny ny fotoana hiterahany ity zanany tamin-dRatrema… 

Isaky ny talata sy alakamisy ary sabotsy antoandro Hery no tonga misakafo any amin-dRatrema mianakavy. Matetika izy no avelan’i Malala hitaiza an’i Toky kely, ary toa adinodinon'i Malala ilay eritreritra hanao hadalàna toy ny teo aloha. Tsy nasian' i Hery resaka intsony ny momba ilay disadisa nahafaty ny reniny, satria mety hitarika zavatra hafa, fa dia naleony navalona mora tany. Hanangana olana vaovao eto amin’ny fianakaviana ve? hoy izy tany an-tsainy tany, ny efa lasa anefa tsy hiverina intsony. 

Nifankahita matetika izy sy Alexia. Nandeha tany an-tranon'i Hery matetika izy roa saingy tsy navelan-dRatrema mihitsy ny hatorian’i Alexia tany. Efa nahita stage hatao koa moa izy eo amin’ny sehatra informatika izay nianarany, ka dia nilamindamina teo ny fiainany. 
Na dia toa nilamina tahaka izany aza nefa ny fiainan'i Alexia dia toa tsikariny fa mihena tsy tahaka ny taloha ny fifankatiavan’izy sy Hery. Tsapany indraindray iny rehefa eo am-panaovana firaisana ara-nofo iny izy roa fa ohatra ny tsy mifantoka aminy mihitsy ny sain' i Hery. Azony ihany anefa ny antony, fa na dia izany aza dia nampametra-panontaniana azy ny mahatonga an’i Hery toa tsy dia manam-pitiavana be azy tahaka ny taloha intsony. Ny momba ny hanaovana ny raharahan’izy roa koa dia mahalana mihitsy vao mba noresahana, "vanim-potoana fisaonana tokoa angamba?" hoy Alexia niteny irery tany an-tsainy tany nandinika ny zavatra niainany. 

Roa volana taorian’ny nahafatesan-dRamihary dia teraka i Cynthia, zanak’i Malala. Tena reniny navela ilay zazakely, tsy nahitàna endrika hafa fa kapoka iray. Hafaliana moa ny an-dRatrema, mazoto mody aloha mihitsy ny lehilahy mba ahafahany mitaiza ity zanany vavikely mahafatifaty. 

Enim-bolana izay no lasa taorian’ny nahafatesan-dramatoa Ramihary. Enim-bolana nanalàna ny fahoriana tao am-pon’i Hery. Enim-bolana nifonan’i Hery ny fahotana be vitany. Enim-bolana koa anefa tsy mba niraisan’i Malalatiana tamin’ny vadiny. Ka atao ahoana moa? Ity farany, dia tena safononoky ny hafaliana isaky ny mahita ireto zanany; ny iray efa mitsangana ka miana-mandeha, ny iray tezaina ary mbola mena vava. Ny zokiny vavimatoa koa somokotra ery mamita ny fizaran’asa, fa hanomana mémoire ho famaranana ny fianarany dingana voalohany. 
Olona tena tia zanaka dia tena tia zanaka tokoa raha i Ratrema. “Mino aho” hoy Malala “fa izay fahafenoan’ny fitiavany amin-janany izay no mahatonga an-dRatrema tsy rototra mihitsy hiray amiko. Ampy ahy koa ny tambitamby ataony, ny fanolorana fanomezana samihafa. Ividianany akanjo lafo vidy izaho sy ny ankizy”. Matetika Malala no mitady hanao amin-dRatrema, kanefa ity farany mandà sady milaza ho reraka sns… Efa nahazoazo taona koa angamba Ratrema ka tsy manana hery intsony hanatanterahana ny adidiny. 
Asa! hita sy tsapan’i Malala koa ny toe-batany niova be taorian’ny niterahany an’i Cynthia. 

Hany herin’i Malala dia ny mitady ilay fahatongavan’ny fahasambarany samirery izay efa niangaliany fotoana maromaro izay. Asesiny ampandalovina ao an-tsainy ireo fotoana mamy niarahany tamin’i Hery, toy ilay fanerena an-kolaka tany am-boalohany sy ilay tamin’izy bevohoka an'i Cynthia. Vao mieritreritra an'ireny izy dia henony toa misy varatra milatsaka izany any anaty lohany any ary injay fa henony tonga amin’ny faratampon’ny fahasambarany izy. "Mmmmhhhhh, Hery, raha teto mantsy ianao," hoy Malala tany an-tsainy tany… 
Manao toy izany matetika izy eo am-pandriana rehefa renoka iny Ratrema, na koa indraindray any amin'ny douche mandritra ny fotoana handroany samy irery iny. 
Rehefa mandinika ny zavatra iainany izy anefa dia toa tsy mandry ny saina mandinika hoe efa ho enimbolana izy mivady no tsy niray ara-nofo intsony. Tsy te-hiresaka amin-dRatrema mivantana ny momba izany anefa izy sao dia fohazin-dRatrema eo ilay resaka silipo tany amin’ny hopitaly, ka dia naleony navela tamin'izao. Tsy foiny hariana anefa ilay silipon'i Hery fa nafeniny tany amin’ny toerana tsy misy mpahita, sao misy ilàny azy hono any aoriana. Nivalona ho azy taorian'ilay firaisana tany amin'ny hopitaly moa iny resaka iny, ary dia tsy nisy tohiny intsony; ka na dia ny fifonana aza tsy nataon’i Malala akory.

Indray alatsinainy maraina, nandeha niantsena Malala sady nitondra an’i Cynthia. 
Nentin’ny mpamily tamin’ny fiara izy ireo niaraka tamin’ny mpanampy iray, ka nandalo teo akaikin’ny toeram-piasana vaovaon-dRatrema. 
- "Andao tsika ry Cynthia hamangy an’i Dada fa efa mandalo eto ihany, ho faly ery izao ny dadan-dry mahita an-dry mamangy azy any am-piasàny; dia amin’izay koa faly ery ireo mpiara-miasa aminy mahita an-dry a! sady nosafosafoiny kely ny takolak’ity menaky ny ainy. 
Najanon’ny mpamily teo amin’ny parking ny fiara. Nivoaka Malala nitrotro an’i Cynthia. Naterin’ilay mpamily teo amin’ny ascenseur izy mianaka. Nolazainy fa ao amin’ny rihana faha-efatra no mijanona, ka vao misokatra ny ascenseur dia misoratra eo ny fampahafantarana ny orinasa. Orinasa matanjaka moa no tantanan-dRatrema, ka nahay nanararoatra ny fisokafan’ilay trano fitaratra lehibe mijoalajoala eny Ankorondrano nametrahana ny biraony. 
Dia lasa niakatra Malala mianaka. Tsy nananosarotra azy tokoa fa vetivety dia hitany ny misy ny biraon'ny vadiny. 

Fa nanao inona tokoa moa Ratrema tamin’izay fotoana izay?
Vehivavy eo amin’ny 36 taona eo ho eo, bikàna sady tsara tarehy no ao amin’ny biraony. Vehivavy mpanara-damaody, ireny manaitra ny mason'ny mpitazana ireny. Eo ambony latabatra izy no mipetraka, ny zipony miforiporitra tafakatra eny amin’ny maojany, ny atin’akanjony efa tafalan-dRatrema hatry ny ela. Akanjo ambony mangamanga no nanaovany ary efa vovahan'i Ratrema avokoa ny bokotra rehetra teny aminy. Maka fihiny ery izy roa migoka ny fahasambarana eo ambony birao. Miverimberina avokoa izao teny rehetra manambitamby izao. Mihozongozona ny latabatra nisy azy ireo; tsy nahatàna intsony ilay ramatoa ka nanala tampoka ny tanany avy any aoriana hamonjy ny hatok’i Ratrema, hanoroka azy. Voasaringotra anefa ny tadin'ilay téléphone ka niala tamin’ny toerany. Tsy nahoan'izy roa anefa izany fa izay naharepotra azy ihany no notohizany. 

Nanatona ny sekreteran-dRatrema Malala mianaka: 
- "Manao ahoana ianao Mme Malalatiana? Ity ve ilay zanak’i Ramose Tale?" hoy ilay sekretera sady nitsangana izy; "andray, mahafatifaty kely izy izany!" 
- "Afaka mahita ny vadiko ve aho ry Mme Sahondra, mahafinaritra be kosa kay ato amin’ity toeram-piasanareo ity ; hafa ihany ny trano vaovao e?"
- "Iee! tena mahafinaritra tokoa ato, tonga soa ato aminay ary ianao Mme Malalatiana! Andraso fa tonga dia antsoiko amin’ny téléphone izy fa misy cliente-nay mantsy miresaka aminy ao amin’ny biraony ao. Sa tonga dia omeko anao mivantana izy, tsy aleo ve manao surprise kely e! Matetika firesany mantsy io zanany vavy kely io ka ho faly ery izy izao mandre fa ato izy sy ny reniny, Cynthia moa ny anarany teo?"
Tonga dia nomen’i Mme Sahondra an’i Malalatiana ilay combiné dia notsindriany ny bokotra mandefa ny antso ao amin’ny biraon-dRatrema! 
Vao naneno nefa ilay izy, tonga dia tafiditra, ary ren’i Malala avokoa ny tabatabam-pitiavana nifanaovan-dRatrema tamin’ilay ramatoa. 
Efa niova tokoa ny hairaha, fa hay moa ity téléphone ao amin’ny birao ity efa voabaiko, ka raha toa vao miala ny combiné dia mandray izay antso, tsy misy bokotra tsindriana intsony, eny fa na dia ny vao miditra aza… 
Ren’i Malala avokoa ny zava-nitranga tao amin’ny birao, nikentrona izy, nisaina kely vetivety monja. Natolony an’ilay sekretera ny téléphone, nankeny amin’ilay varavaram-be misy soratra hoe: DIRECTEUR GENERAL izy; ny zazakely amin’io eny an-tanany ihany.

 (tohiny)
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype