Tadiom-pitiavana

« Pejy 78 | Main | Pejy 80 »

Pejy 79
2006/09/13,17:55

 

Efa tsy andrin'i Hery mihitsy ny ahatongavan'ny andro alahady hiondranany any Frantsa hanaovana ny fandidiana azy ary indrindra indrindra moa ny hahitany ilay malalany. Raha iny izy mbola variana naka sary antsaina ny mety ho fizotran'ny fihaonany indray amin'i Alexia iny indrindra no indro niditra ny varavarana i Haja.
- " Ah! i Haja marina!" hoy i Hery nitsiky nahita ity zakaizany fahazaza nanatona sady naka seza hipetraka teo akaikin'ny fandriana nisy azy.
- " Fa taiza foana letsy ialahy no izao vao nipoitra nefa izaho efa firy andro izay no taty?" hoy i Hery somary nanadroadro.
- " Miala tsiny be dia be leitsy ry Hery fa vao io maraina io mihitsy anie aho no
tonga avy namita iraka tany amin'ny faritany e. Natsipiko tao antrano fotsiny ny entako, dia nandalo kely tany ampiasanantsika aho, dia izao tonga aty amin'ialahy izao. Fa inona marina no nahazo an'ialahy ity?" hoy i Haja liana fatratra hahalala izay tena zava-niseho nahatonga an' i Hery any amin'ny hopitaly izao.
- " Saika vita lesy aho raha ny tena marina fa mbola fitahian' Andriamanitra kely fotsiny ah!" hoy i Hery nanomboka nitantara ny fitrangan'ny loza nahazo azy...
- " Gravy letsy izany!" hoy i Haja tsy naharitra. " Mbola tsy anjaran'ialahy marina ny ho faty fa raha izany fitantaran'ialahy azy izany anie ka tena ialahy mihitsy no nitsian'ny lohan'ilay fiara eh! Hnnnn"
- " Tsy te hieritreritra an'izay intsony letsy aho aloha izao ry Haja" hoy i Hery nony avy eo "izay hahasitrana ahy sy ny ihaonako amin'i Alexia izao no amenoako ny saina aman'eritreritro."
- "
Marina aloha ny an'ialahy ry Hery fa miala tsiny aho ohatran'ny be fanontaniana ny momba iny zava-nitranga iny."
- " Ka manao ahoana letsy tany amin'ny nalehan'ialahy tany, ny ao ampiasana?" hoy i Hery nanohy rehefa avy eo sady namadika ny zavatra noresahin'izy mirahalahy.
- " Nahafinaritra ny tany fa valaka koa aho vao vita ny asa natao tany an! Ny ao ampiasana indray letsy milamina fa efa nifampizaran-dry zareo vonjy maika ao aloha hono ny asan'ialahy mandra-pa."
- " Efa henoko izay vaovao izay" hoy i Hery namaly moramora " efa niantso ahy teo mantsy ingahy tale nanotany ny toe-pahasalamako. ...Nolazaiko azy koa moa fa handeha hodidina any Frantsa aho. Efa fantany izany hoe tsy voafetra ny fotoana hijanonanoko any. "
- " Rahoviana ialahy no handeha?" hoy i Haja ohatran'ny tsy dia nanampo loatra fanazavan'i Hery teo.
- " Rahampitso Alahady letsy!"
- " Tena saika tsy nahita an'ialahy aho hay izany raha mbola be kenona tany ampandehanana tany! Efa fantatry Alexia ve izao zavatra mahazo an'ialahy izao? "
- " Ie!, Ka izy sy ny dadany any Frantsa mihitsy anie no nanolon-tena hisahana ny fikarakarana sy ny fitsaboana ahy e.
- " Fa mbola any angaha i Ratrema amin'zao?"
- " An, an, an efa aty izy kah, fa inona no mahatonga an'ialahy manontany an'izany?"
- " ka iza izany dadan'i Alexia lazain'ialahy izany?"
- " Hay tokoa moa ..." hoy i Hery nahazo ny
antony mampametra-panontaniana ity sakaizany. Nofitimpitinin'i Hery maimaika teo ny tantara momba an'i Alexia sy Mahefa.
- " Mba dadany indray letsy izany fandehan'izy izany. Ohatran'ny tsy mampino! Mirary ny fitsaboana an'ialahy ho tontosa soamatsara izany leitsy, dia mirary anareo roa ho tojo amin'izay iriana ihany koa. Lazao manokana mihitsy i Alexia rehefa tonga any ialahy hoe veloma hono hoe hoy i Haja fa sao dia adinon'ialahy an."
- " Misaotra leitsy Haja sady mbola misaotra an'ialahy ihany aho nampihaona anay fa tena tsapako mihitsy ankehitriny fa izy no anjarako."
- " Inona moa lesy no isaoran'ialahy ahy amin'izany fa efa natao hiaraka koa angamba ianareo roa eh.

Raha mbola niresadresaka teo izy roalahy no indro nipoitra teo ambaravarana ingahy Ratrema mivady. Vao nahita ireto mpamangy i Haja dia nitsangana tamin'ny seza nipetrahany sady nangata-dalana tamin'i Hery.
- " Ary ohatran'ny hoe izahay no mandroaka anao raha izany" hoy i Ratrema somary nisangisangy tamin'i Haja.
- " An, an, an. Tsy izany mihitsy ry ingahy Ratrema fa efa tena vonona ny handeha mihitsy aho io" sady nandray tanana azy roa izy no nandeha namonjy ny varavarana hivoaka tany andalan-tsara.

Toa nahatsiaro finaritra izany i Hery nahita an'i Malala sy ingahy Ratrema tonga namangy azy indray. Miramirana velon-tsiky koa moa ny mpamangy ka hita fa toa adinon'ny roa tonta ireny disadisa nila hampisara-bazana azy ireo teo aloha ireny.
- " Efa vonona ny handeha izany ise izao ry Hery?" hoy i Ratrema nitari-dresaka rehefa avy eo.
- " Efa vonona mihitsy aho ary tsy andriko aza koa. Ny hahita an'i Alexia no tena mahamaika ahy noho ny tena antodiako any " hoy i Hery somary nitsiky.
- " Tsy manome tsiny an'ise aho kah!" hoy i Ratrema namaly tamim-pitsikiana ihany koa " Fa na izany na tsy izany aloha ny fahasalaman'ise no tokony karakaraina mialoha ny zava-drehetra"
- " Marina mihitsy ny teninao " hoy i Hery tsy naka sarotra.
- "Ireto r'ise mba misy zavatra kely hoentina hoan'i Alexia sy Profesora Mahefa" hoy ihany Ratrema nony avy eo. " Mba azon'ise omena an'i Dr Mihary ve? Ary eo ihany ve moa izy izay?"
- " Vao haingana teo mihitsy izy no lasa niverina any amin'ny biraony any haka zavatra vetivety hono" hoy i Hery. Tsy ela taorian'izay anefa dia indro niditra i Mihary.
- " Ah!, misy mpamangy ny havako marina!" hoy izy sady nitompy tany amin'i Malala sy Ratrema ny masony sady nitsiky nandray tanana azy ireo. Somary taitra kely i Malala tao anatin'ny segondra vitsy raha iny nifanojo iny indrindra ny masony sy ny an'i Mihary. Toa efa nisy toerana nahitako an'ity Mihary ity hoy izy tany antsainy tany fa izao aho vao tena mahita tsara ny endriny. Namadibadika ny fitadidiany teo anefa i Malala saingy tsy nety nitamberina tao antsainy mihitsy ny zavatra tiany ho tadidiana. Hany heriny dia niverina nangilan-tsofina tamin'izay resaka nifankalozan'izy telo mianaka teo akaikiny teo.
- " Mety tsy ho afaka ny hanatitra anareo eny Ivato izahay hoy Ratrema rahampitso fa tena alina loatra ny fiaingan'ny zotra handehananareo ka izay no nandalovanay aty androany. Dia mirary an'ise mba ho sitrana soamatsara dia mba ho finaritra hifakahita indray amin'ny olontian'ise. Ianao koa moa dokotera hanatitra azy any?" hoy ihany i Ratrema.
- " Izaho no hanaraka azy any sao misy zavatra mitranga tampoka eny andalana" hoy i Mihary.
- " Dia misaotra anao be dia be dokotera fa vitsy ny mahavita ny toa izao ataonao izao."
I Malala mandritra izay fotoana izay mangalam-pijery mandinika tsara an'i Mihary ihany izay hita fa mifantoka tsara amin'ny resaka nataon'i Ratrema.
- " Efa nisy fotoana nahitako an'ity Mihary ity mihitsy eh." Hoy ihany i Malala miketriketrika samy irery tany antsainy tany. " Taiza re?..."
Rehefa ela nivadibadihana teo ny sain'i Malala dia nitamberina tampoka tao antsainy ny zavatra notadiaviny. "Tena izy mihitsy ity " hoy ihany izy niteny anakampo.
...
Ny nivoahan'izy roa tao amin'i Hery sy Mihary no ela dia indro i Malala fa nikarokaroka ny boky kely fitehirizany ny laharan'ny fidain'ireo olom-pantany.
- " ndry! Ary iza ity olona hantsoinao maika be tampoka be toa io" hoy i Ratrema mantsy ity vadiny.
- " Misy zavatra tiako anontaniana an'i Mahefa maika dia maika Ratrema!" sady ohatran'ny sorisorena izany i Malala namaly ity vadiny.
Tsy afaka niresaka tamin'i Mahefa anefa izy fa tonga dia namantana avy hatrany tany amin'ilay fametrahana hafatra ny antsony.
- " Mahefa a, mba antsoy anie aho raha vao voarainao ity hafatro ity fa misy zavatra tiako resahina anao maika!" hoy i Malala dia notapahany ny antso

Afaka adiny iray taorinan'io tao amin'ny biraon'ingahy Ramanana teny Tanjombato.

- " Izy no Malala, vadiko" hoy ingahy Ratrema tamin' ingahy Ramanana sy ireo zanany roalahy efa niandry tao amin'ilay birao midadasika sady feno fanaka mihaja mampiseho taratra ny farim-piainana ireto olona nandray azy mivady.
- " Faly mahalala anao Madame Malala" Hoy i Ramanana sady namonjy nitsangana nanatona teo akaikiny koa ny zanany roalahy izay nipetraka teo amin'ireo seza lava vita amin'ny hoditra miloko volon-tany antitra tsy dia lavitra teo.
- " Patrick," no anarako hoy ilay voalohany sady nandray tanana an' Malala izy toa zara raha nitsiky.
- " Christian" hoy ilay tovolahy faharoa . Faly mahafantatra anareo tompoko" hoy i Malala namaly sady somary nitsiky.
- " Mandroso ianareo mivady" hoy ingahy Ramanana sady namonjy naka toerana teo amin'ny seza afovoany tsy dia lavitra ireto zanany izy.
- "Tsy maintsy nanasa azy mirahalahy zanako aho " hoy ihany izy nanohy avy eo raha vantany vao tafapetraka ingahy Ratrema mivady. " izy ireto mantsy no tena mitantana ny orinasanay rehetra ankehitriny fa izaho dia naman'ny hoe manara maso sy manoro hevitra amin'ny ankapobeny ihany raha ny tena marina" Efa nampitaiko tamin'izy mirahalahy ilay soson-kevitrareo mivady ary efa nodinihinay tsara" sady somary nihato kely ingahy Ramanana toa miezaka mafy mifantina ny vohambolana hampiasainy. "Rehefa tena nandinika izahay ry izy mivady" hoy ihany izy nanohy indray ny teniny " dia mety tsy hety aminay ity sehatra iasanareo ity, ankoatran'izay, efa tafiditra ao anatin'ny kizo ny orinasa ankehitriny amin'ny fotoana hanasanareo anay hampiasa vola ao aminy, ka ohatran'ny sarotsarotra ihany ny hanarina azy."

Tankina tsy nisy nahateny aloha ingahy Ratrema mivady tanatin'ny segondra vitsy. Na dia te hiherika tany amin'i Malala hizara ny hakiviany aza i Ratrema dia toa tsy nahahetsika tamin'ny toerany teo izy. Somary nanantena ihany mantsy izy fa hahaomby iny hevitra hitany iny saingy izao fandavana mazava izao no azony. Nikaroka izay teny heveriny fa mety tokony hampiova hevitra an'ingahy Ramanana mianankavy izy saingy toa nihodina tamin'ny ny tany aman-danitra ka tsy hitany izay ho lazaina.
- " Dia tena tsy misy hevitra mihitsy ve izany tompoko?" hoy i Malala nandray fitenenana haingana rehefa tsinjony fa toa tsy nahaloa peo ity vadiny.
- " Mba itadiavo hevitra any izay azonareo hanampiana anay re ry izy mianankavy fa tena tafiditra amin'ny lalina mihitsy izahay." Efa ho vita ny tenin'i Malala izay vao nahitana teny ingahy Ratrema:
- " Eny tokoa hoy aho, sao dia mba misy hevitra hafa afahantsika miara miasa re ?" hoy izy nanohy ny fiangaviana nataom-badiny teo.

Asa izay zavatra niseho teo fa nandray fitenenana tampoka ilay lahimatoan'ingahy Ramanana.
- " ...Aleo ary fa hifampiresaka indray mandeha izahay dia hampitainay aminareo rahampitso ny valiny" hoy izy .
Somary gaga ingahy Ratrema amin'izao fiovan-kevitra tampoka izao nefa faly ihany koa izy fa mbola mety hisy irika kely ihany izany ny haneken'ireto olona ireto ny fanampiana azy. Nisaotsaotra teo ingahy Ratrema dia nangata-dalana izy mivady ny handeha. Teo ampifandraisan-tanana hanao veloma no indro tsinjon'i Malala fa toa mibanjina azy fatratra ilay lahimatoa. Mody tsy taitra loatra anefa ny anao vavy fa ny tanan'ingahy Ramanana teo anoloany no noraisiny natao veloma haingana sady nampiany kely hoe :
- " Miandry anareo re izany izahay tompoko rahampitso, ary dia misaotra mialoha na inona na inona fanapahan-kevitrareo."
- " Tsy misy fisaorana Madama" hoy ingahy Ramanana namaly " fa aleo aho aloha hifampidinika kely amin-dry zalahy ireto dia ho hampitaiko aminareo eo izany ny tohiny."

Nony tao antokontany...
- " Tena kivy aho ry Malala fa dia ho lasan'ireto olona ireto ve izany io tranontsika io?" hoy i Ratrema kivy amboniny ihany taorinan'ilay fihaonana teo.
- " Aza mbola manary toky izany aky aloha Cheri ah!" hoy i Malala niezaka nankahery ity vadiny. " Aleo aho no hiresaka amin-dry zareo raha ohatra ka tena tsy manana hery handresen-dahatra an'ireo intsony ialahy!"
- " Ohatran'ny tsy dia tena mahavelom-panantenana ahy mihitsy ny fandehan'izy teo iny e Kah." Hoy ihany Ratrema... " Fa inona ary no nahatonga an'ilay zanany lahy iny niova hevitra tampoka teo? I Nedala mihitsy angamba no tena mitantana azy ity matoa tena tsy nisy nanohitra mihitsy izy mianaka, sa ahoana ny fahitanao azy teo iny" hoy ihany Ratrema nanontany an'i Malala.
- " Mety ho izay tokoa aloha . Iny Patrick iny izany no tena mila resena lahatra tsara. Somary masiaka fijery izy raha ny fahitako azy teo." Hoy i Malala.

Tany Paris tamin'io fotoana io,...

- " Tojo a, tsy andriko mihitsy ny hahatongavan'ny Alatsinainy " hoy i Alexia nientanentana ery nivoaka ilay toeram-pilalaovana sarimihetsika.
- " Fa misy inona moa amin'io Alatsinainy io ry Alexia?" hoy i Tojo mody niseho tsy nahalala ny antony mampientanentana ity tovovavy.
- " Enao ity koa tsss! Modinao fanina eo indray. Fa efa hoe amin'ny Alatsinainy hoy aho no ho tonga i Hery !" sady somary nodominy kely moramora teo amin'ny soroky i Tojo ankavia.
Samy tsy nisy niteny aloha izy roa nandritra ny segondra vitsy izay vao namaly i Tojo niteny hoe:
- " Mety androany izany no fotoana hijerentsika sarimihetsika samy irery farany eh?"
- " Fa maninona no androany no farany?" hoy i Alexia tsy nahatakatra ny tian'ity Tojo ho lazaina.
- " Rehefa tonga tsinona i Hery ka sitrana soamantsara dia mety ho hadinonao tanteraka mihitsy ny fisiako fa izy indray no hameno ny fiainanao"
Tsy nampoizin'i Alexia ny zava-boalazan'i Tojo. F'angaha moa hoy izy tany antsainy tsy efa mazava ny fifandraisako amin'i Tojo no mbola milaza zavatra ohatran'izany amiko izy.
- " Tojo a!," hoy i Alexia nanohy ny resaka rehefa avy eo. " Izaho sy ianao anie efa niresaka tsara indray mandeha izay raha tadidinao eh? Nilaza ny hanamboatra saina ianao sady handray ahy ho toy ny namana akaiky indrindra anao dia tiako raha mba hajainao izay teninao izay sa ahoana?"
- " Eny eh! Marina ny anao ry Alexia fa ny foko fotsiny no adala a. Aleo fa hiezaka aho " hoy i Tojo nangasihasy sady namoha ny varavaran'ny fiara hidiran'i Alexia.

Tany an-tranon'i Mahefa ...
- " Mba inona loatra ary izany zavatra tena ilan'i Malala ny hiantsoako azy maika izany?"
- " Allo! Malala?"


Mbola hitohy.

Tadio ([email protected])

 

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype