Tadiom-pitiavana

« Pejy 71 | Main | Pejy 73 »

Pejy 72
2006/08/08,19:00

 Tapakevitra i Rado fa hanome izay tadiavin'ity vehivavy sendra nandalo tamin'ny fotoana tsy nampoiziny teo amin'ny fiainany ity. Narosony hidina lalindalina tany anaty atin'akanjon'i Malala tany ny tanany ankavia ary ny  tanany ankavanana indray kosa dia nitohy nanafosafo moramora ny lohan'ity farany. Niverina nikipy indray ny mason'i Malala toa nankafy ny safosafon'izato olon-tsy fantany fa nahasarika azy tsotra izao fotsiny.  Tiany ny mahatsapa ny fahasahian'ilay tovolahy mamakivaky tsy ampihambahambana ny tenany iray manontolo. Zipo fotsy malefaka vita amin'ny lamba landy ireny moa no teny ankoditr'i Malala. Elastika no nitazona azy teo ambalahany ka tsy nananosarotra tamin'ny ratsan-tananan'i Rado ny nitsofoka tao anatiny. Tsy ela akory dia tonga teo amoron'ilay dongona teo anelanelam-pen'i Malala izy. Somary niahotra kely aloha i Rado sady nijery ny manodidina azy. Tsaroany tampoka mantsy fa tsy irery akory izy roa. Efa voaentanin'ny filana anefa i Rado ka tsy poa toy izay dia efa niroso moramora niditra tao anatin'ilay silipon'i Malala ny rantsan-tanany vitsivitsy.  Somary taitra kely ny anao vavy sady ohatran'ny hoe ndeha hanakatona ny feny vao naheno ny safosafon'i Rado efa tafapaka hatreo amin'ny  tampon'ny zohim-pahafinaretany. Iny Malala mbola varimbariana iny no nampidinin'i Rado hiditra lalindalina ny fanondrony sy ny fanondro adalany. Niontana kely ny fon'ny tovolahy nahatsapa fa hay efa tena hotsaky ny rano  tanteraka ny fivavian'i Malala. Navezivezin'i Rado moramora tamin'izay ary ny rantsantanany anankiroa nony avy eo sady somary nataony niaka-nidina rehefa avy nampandaloviny kely teo amin'ilay kitsom-pahafinaretan'i Malala izay tena nihijitra aoka izany. Tsapan'i Malala fa miha manenika ny tenany ny hasambarana. Novelariny kely ny feny hisabaka tsara mba ahafahan'ny tanan'i Rado nanafosafo tsara ny fivaviany efa tena lonaka tanteraka. Toa tsy misy zavatra tian'i Malala ho tadidiana intsony tamin'izay fotoana izay afatsy ny fahafinaretana tsapany miha mananika tsikelikely ny tenany iray manontolo. Henony fa nihamafy ny fisefony sady toa niha nafana ny fofon'aina nivoaka tamin'ny vava orony. Niezaka naina moramora izy mba tsy hanaitra ny manodidina na dia toa ila tsy ho voafehiny intsony aza izato fahasambarana mananika ny vatany. Nampidirin'i Rado lalina tany anatin'i Malala tany ny rantsantanany iray ka tsapany fa toa somary mikentron-tarehy izay i Malala isaky ny voakasiny ilay faritra misy nofo kely mihantona ao anatin'ny fivavian'i Malala ao. Noverenany nokasihina indray ilay faritra ka somary nimaona tsirom-pahafinaretana izay ny anao vavy. Teo i Rado vao tena nahatsiaro fa mety tsy hahatana ny haka fafiny ampahanginana ao intsony i Malala raha mitohy izao ataony azy izao ka dia novonjeny notapenana haingana tamin'ny tanany ilany ny vavan'i Malala mba ty hamoaka feo. Toa vao maika nampihodina ny bokotra fampandehanana tao anatin'i Malala anefa izany fihetsiky Rado toa manakana azy izany ka vao maika nitankisina tamin'ny toerana natoriany teo ny anao vavy sady toa nanenjika ireo rantsan-tanana niditra sy nivoaka ary namakivaky ny halavan'ny zohim-pahafinaretany. Natahotra tampoka i Rado nanoloana ny zava nisy fa toa miha tsy tompon'ny tenany hatrany ilay vehivavy omeny fahafinarentana. Tamin'izay fotoana izay indrindra no nisy vehivavy lehibe iray nipetraka tsy dia lavidavitra kely teo alohan'i Rado nizotra nanatona ny lalantsara hoan'ny amin'ny toerana fivoahana izay tany aoriana. Nahenan'i Rado avy hatrany ny fihetsin'ireo rantsantanany havia mbola tavela teo anelakelam-pen'i Malala sady nikoropaka haingana ny tanany ankavanana nanarona tsara ny lamba nirakofan'i Malala izay efa ila ho latsaka tamin'ny tany. Nihiratra tampoka i Malala sady niandradra nijery an'i Rado toa manontany hoe fa maninona no ajanonao. Tsy namaly anefa i Rado fa ny tanany ankavia no nosintoniny moramora hiala tao anaty silipon'i Malala. Niondrika moramora i Rado nony avy eo dia nibitsibitsika  tamin'i Malala izay niondana teo amin'ny feny hoe:

- "misy olona!!".
 Kivy be ny anao vavy fa tapaka tampoka ilay hasambarana efa henony ila handifotra azy teo.
- " Aoka izay!" hoy i Rado niverina nibitsibitsika teo ampoto-tsofiny indray " fa rehefa
tonga any Tana tohizana". Tsy namaly anefa i Malala fa ny masony no naverina nakipy. Toa sorena tampoka izany no fahatsapany ny tenany. Toa nandalo tamin'ny sofiny fotsiny ilay tenin'i Rado tamin'ny teo ny amin'ny  hanohizana ny fiarahan'izy ireo rehefa tonga any Antananarivo. Niverina tao antsainy tampoka ny endriky Ratrema tonga mitsena azy eo Ivato afaka ora vitsivitsy.
- " izay izany " hoy izy tany antsainy tany. I Rado moa tamin'io fotoana io tsy niteny fa toa nanaraka ambokony fotsiny izay tian'ity vehivavy atao.
Samy varimbariana tamin'izay noheritrerentina avy teo izy roa ary dia resin-tory ihany no niafarany.  Ny feo manga somary mikasokasoka an'ilay hotesy nilaza fa miditra ny moron-tsiraky Madagasikara izy ireo no nanaitra ireto olon-droa toa samy tsy nahazo izay tena notadiaviny. Ny ankamaroan'ny mpandeha moa tamin'io efa somary taitra avokoa ary efa avy nisakafo maraina aza. Niharina moramora I Malala nony kelikely sady nijery ireo zanany mbola sondrian-tory no nanontany an'i Rado izay efa tafafoha mialoha.
- " Tonga ve?" hoy izy
- " Efa kely sisa " hoy i Rado nitsiky nijery azy. " Natory tsara?" sady ohatran'ny nanao fijery hafahafa izay i Rado tamin'i Malala toa te hampita hafatra mihoatra lavitra noho izay naloaky ny vavany.
- " Enao mampijaly!" hoy i Malala tamin'ny feo miangoty miaro henatra sady ohatran'ny nahankiny moramora teo amin'ny soroky Rado ny lohany. " Menatra anao aho" hoy izy nony avy eo nanohy. " Vao omaly ve isika no nifakahalala dia ireny no zava-bitan-tsika?" sady nangala-maso tany amin'ity tovolahy teo akaikiny izy.
Tsy namaly avy hatrany aloha i Rado fa toa namadibadika ny voambolana tao amin'ny tahiriny.
- " izaho no tena menatra anao" hoy i Rado nony avy eo. Mbola tsy nanao zavatra toa ireny mihitsy aho. ... efa mba nonofinofisiko ihany anefa aloha ilay hoe hiaraka amin'ny olona tsy fantatro amin'ny fotoana tsy ampoiziko ety ambony fiara manidina fa tsy noheveriko ho tanteraka.  Dia ahoana izany izao ny tohiny? " sady nijery tany amin'i Malala ilay tovolahy.
- " Tsy haiko!" hoy i Malala. " Za io hitanao manan-janaka roa be izao io, ny vadiko rahateo koa hoavy hitsena anay ao Ivato rehefa avy eo, de ..." sady niahotra kely izy aloha.
- " Izaho koa aloha efa manambady saingy tsy mbola mananjanaka eh" hoy i Rado toa ila tsy hahaloam-peo. Tsy haiko anefa ry Malala fa ohatran'ny misy zavatra tsapako aminao izany ah"
Teo vao tonga saina i Malala naheno ity tenin'i Rado farany ity.
- " Rado ah!" hoy izy nony avy eo. " Tsy manome tsiny anao aho nefa tsy te handratra ny fonao na koa hoe hanimba ny tokantranonao ka aleo ataontsika ho toy ny tsy nisy ihany ireny zavatra niainantsika teo ireny. Sa tsy mety aminao izay?"
- " Eny e, mety misy mahamarina ny teninao fa aleo ary ataoko hoe nanonofy fotsiny aho tamin'izay niainako sy tsapako rehetra teo. Tiako ho fantatrao fotsiny anefa fa somary diso fanantenana kely aho fa mbola nanantena be mantsy aho hoe mbola hitohy ilay izy rehefa tonga aty Dago isika"
- " Na izaho koa aza anie diso fanantenana saingy aleo samy manamboatra saina isika". Toa nisy fahanginana kely aloha teo amin'izy roa izao vao nanohy  moramora i Malala hoe:
- " Tsy fantatra koa anie izay haloaky ny hoavy ". Toa te hanamboatra ny sain'ity tovolahy lasa saina tsy fantatra izany ny anao vavy..
- " Mety mbola afaka mihaona aminao ve aho rehefa tonga isika?" hoy i Rado nony avy eo.
- " Ahoana moa no tsy ho afaka mihaona" hoy i Malala "saingy tsy afaka mampanantena ny hitohizan'ny  fiarahantsika aho. Tsy fantatro hoe inona marina no tena miandry ahy aty Dago" sady toa niverina tao antsainy tampoka ny resaka nifanaovan'izy sy Ratrema vadiny faram-parany tamin'ny telefona.
- "Firy ny laharana mety ahazoana miantso anao ry Malala?" hoy i Rado toa nisisika izany nony avy eo.
- " Sarotra be ilay hihantsonao ahy ry Rado fa hanahirana ahy amin'ny vadiko kah. Raha manana adiresy mailaka ianao dia aleo aho any no manoratra dia ho hitantsika eo, sa ahoana?"
Na dia tsy nahafapo loatra an'i Rado aza ny valinteny azony dia navoakany moramora ihany ny karatra misy ny fomba ahazoana mifandray aminy na amin'ny telefona na amin'ny mailaka sady natolony an'i Malala.
- " Tsara tarehy kely izy izany" hoy i Malala. " Hita mihitsy hoe avy any Etazonia ianao. Anoratako ianao fa aza matahotra fa raha tsy mihaona intsony dia any anaty mailaka indray izany miresaka sady ohatran'ny nokapohiny kely ny fen'ilay tovolahy toa diso fanantenana.
- " Manorata rehefa mazoto ianao" hoy i Rado mody tsy rototra toa nankahery tena. " Telo herinandro ihany aho no aty Dago dia miverina any aminay any amin'ny be kintana indray." Hoy izy nony avy eo.
....
Niantsona ny seranam-piaramanidina teo Ivato ny zotra Air Madagascar nitondra an'i Malala telo mianaka. Nikenokenona aoka izany ireo mpiasa mpandray ny mpandeha vao tonga. Dondona dia dondona ery ny mpandeha hivoaka sady mitazana eo amin'ny varavaran-kely. Toa mikisaka ny fandehan'ny segodran'ny famataran'ora miandry ny hidonan'ilay tohatra eo amin'ny varavaran'ny fiara. Noraisin'i Malala i Cinthya sy ny entana iray nony avy eo ary i Rado kosa no nitantana an'i Toky hamonjy ny lalantsara fivoahana. Hafa mihitsy ny rivotry gasikara raha mitaha tamin'ny rivotra mangatsiaka nilaozana tany Eoropa.
Miramirana aok'izany avokoa ny mpandeha midina ny tohatra hamonjy ny trano fandraisan'entana. Nasain'ilay polisy vavy nandeha teo amin'ny filaharana voalohany avy hatrany i Malala sy Rado miaraka amin'ny ankizy nony avy eo na dia somary taraikiraiky aza ry zareo vao tafiditra tao. Tazan'i Ratrema izay niandry tery ivelan'ny rindrina fitaratra akaikin'ny fisavana entana avy hatrany ny vadiny aman-janany na dia tsy mbola nahita azy aza. Nidobodoboka ny fony fa toa efa ela loatra no niandrasany an'io fotoana io. "Tonga ihany lahy ianareo telo mianaka " hoy izy anakampo. " Misaotra anao aho Andriamanitro o fa nontantanao tamin'iny lalana lavitra iny ny ankohonako" hoy ihany izy toa nivavaka tany anatiny tany sady manara-maso tsara ny toerana alehan'i Malala sy i Toky izay notantaran'i Rado. Taitra kely aloha i Ratrema nahita an'i Rado toa mitantana anjanany.  " Mba iza koa ary iny tovolahy iny " hoy i Ratrema somary niady saina. Vetivety ihany anefa izany eritreritra izany dia afaka tao antsainy raha iny hitany fa tamy nanantona ilay rangahy mijoro miaraka amin'ny zandary mpisava entana i Malala narahin'ilay tovolahy mbola nampiketrika ny sainy.
- " Ary tena tsara tarehy mihitsy anie ity vadiko ity" hoy izy mandinika an'i Malala avy any ambony ka hatrany ambany. Tadidiny tampoka tamin'izay koa anefa ny endriky Mme Corine izay toa nampatsiahy  tebiteby niserana tao anatiny.
Eritreritra niserana daholo ihany anefa izany fa indro tamy nanatona ny varavaram-be fivoahana ny fisavana i Malala telo mianaka niaraka tamin'i Rado. Hazakazaka ny an'i Ratrema nanatona ny vadiny. Toa adinony ny fisian'ilay tovolahy nitantana an'i Toky fa dia ny hanoroka sy ny hamihina an'i Malala no nahamaika azy.
- " Tonga soa aty amintsika" hoy izy. " Manina anareo mafy mihitsy aho. Tsy nisy olana teny andalana?"
- " Tsy nisy olana kah. " hoy i Malala. " Faly be koa aho aky mahita anao" Efa tsy andriko ery." Niherika tany amin'i Rado i Malala nony avy eo sady namonjy nitodika tany amin'ny vadiny no sady niteny hoe" "Mba mila misaotra kely an'ity tovolahy avy any Etazonia ity ianao Ratrema fa raha tsy nisy azy izahay telo mianaka nanomboka tany Paris an,  tena sahirana mihitsy! Rado no anarany." Hoy ihany i Malala sady somary nitopy kely tany amin'ny Rado ny masony miandry fatratra izay ho fihetsiky i Rado manoloana an'i Ratrema.
- " Misaotra betsaka r'ise fa tena sahirana ise, An, an dia mba mila mandalo kely misakafo any antrano izany ise rehefa malalaka sa ahoana?"Tsy i Rado anefa no afaka namaly ny tenin'i Ratrema fa i Malala no avy dia nitsatsaingoka hoe:
- " Telo herinandro fotsiny anie izy hono no eto dia miverina any Etazonia indray e."
- " Eny eh, na dia izany aza ve tsy aleo mba mandroso kely any antrano mba ho fisaorana ny fanampian'ise an'ireto vady amanjanako ireto?"
 Toa tsy araky ny nieritreretan'i Rado sy Malala aza mihitsy ny zava niseho ka dia toa nanaiky tsy sazoka i Rado nony farany.
- " Eny re tompoko fa efa nomeko an'i ramatoa vadinao any moa ny fomba ifandraisana amiko ka mba anoraty mailaka aho izany ry Mme Malala amin'ny Alatsinainy dia hampitaiko aminao eo ny programako" Sady nangata-dalana tamin'ny fihetsiny ihany i Rado niherikerika nijery ny rahalahiny izay efa sasa miandry tsy dia lavitra teo tonga nitsena azy.
- " Eny ary" hoy i Malala "fa anoratako ianao fa dia miala sasatra tsara fa lavitra iny lalana iny" sady ohatran'ny nanaovany tsiky toa manohy ny teniny ilay tovolahy.
...
- " Avelao ho entindry zalahy iretsy ny entana" sady nantsoin'i Ratrema  hanatona ireo tovolahy mpanosika entana efa niandry tsy lavitra teo. Asa izay nahazo an'i Ratrema teo fa dia hoy izy tamin'i Malala hoe:
- " F'angaha tsy raharaha be ry Malala ny zava-misy aty fa tena vaky mihitsy ny lohako mieritreritra azy" hoy i Ratrema toa tsy dia tena nisaina loatra ny mety ho akon'ny teny navoakany.
- " Fa misy inona" hoy i Malala sadaikatra sady nanao tsara jery an'ity vadiny.
- " Niantso tany ampiasan'i Hery aho dia nilaza ry zareo tao fa hoe voan'ny lozam-pifamoivoizana hono i leiry andro vitsivitsy lasa izay ary dia mbola any amin'ny hopitaly foana hatramin'izao."
- " Ahoana tsara hoe Ratrema" hoy i Malala saika nitambotsitra nianjera niaraka tamin'i Cinthya eny antrontrony.  
- " Eh, eh. Toneo tsara aloha ny fonao fa efa mahatsiaro tena hono izy.
Vao maika anefa nanampitrotraka ny fahatairan'i Malala ny nahenoany an'ilay hoe " efa mahatsiaro tena hono izy".
- " Fa tena saika maty mihitsy izany izy raha izany Ratrema a!" sady namonjy nipetraka teo amin'ilay sisin'arabe ndeha hidina hamonjy ny kianja malalaka fametrahana fiara iny i Malala. Niahotra kely aloha i Ratrema toa nikoropaka tampoka izany nahita ity vadiny ila tsy hahazaka tena hitsangana.
- " Malala a," hoy izy nony avy eo sady somary niodrika nakeo akaikin'i Malala izy. " Ndao aloha hody any antrano dia rehefa tony tsara isika mandeha mijery azy any amin'ny hopitaly".
Izay fampanantenana ny handehanan'izy ireo hijery an'i Hery any amin'ny hopitaly izany no toa nanome tanjaka tampoka an'i Malala nitsangananany niaraka tamin'ny zazakely teny antanany. I Toky moa nandritra izay fotoana izay dia toa tsy dia maharaka loatra hoe inona no mitranga fa ny fitaritana an'i Ratrema hamonjy ny fiara izay efa tsy dia lavitra teo ihany no nasesiny.
Nalohan' i Ratrema ny hafaliam-po hoan'ireo tovolahy nanatitra ny entana tao anaty fiara dia indro izy efa mianaka fa nitodi-doha hiakatra ny renivohitra.
- " Manao ahoana izay zanako vavy ao izay" hoy i Ratrema toa te hanova ny resaka tamin'i Malala nony efa tonitony ity farany izay tsy nahitana teny na dia indray mandeha akory aza nanomboka teo Ivato mandrapiditra an'i Talatamaty.
- " Efa tena miha tsara mihitsy izy. Vao avy nanao fizahana tany amin'ny hopitaly izy ny omalin'ny niaiganay tany. ...Eisy! Hay moa ianao niresaka taminy tamin'ny telefona ary koa..."
Somary nangina kely aloha i Ratrema vao nanohy indray.
- " Ahoana izao no hilazana an'ity vaovao ity amin'i Alexia?  Tena tsy mampino ahy le izy eh!.."
- " Ny inona?" hoy i Malala somary taitra indray.
- " I Alexia nilaza fa nanonofy ratsy be momba an'ilay adala lahy iny...dia inona tokoa fa sanatria ny vava hoe tena hitan'i zanako vavy tamin'ny nofy mihitsy ny zavatra nanjo azy taty. Fa tena afaka mifandray an'eritreritra foana ve ny olona na dia mifanalavitra be aza eh? Tena tsy mampino! Tsy haiko hoe ahoana izao no fomba hampitako an'ity vaovao ity amin-janako nefa dia tena miandry ahy mafy izy any izay." Hoy ihany Ratrema sady toa nihivingivina ny lohany mieritreritra izato olana miampy olana tsy maintsy ho vahany.


Tadio
[email protected]

 

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype