Tadiom-pitiavana

« Pejy 61 | Main | Pejy 63 »

Pejy 62
2006/06/26,20:23

Nanaraka moramora avy ao aoriana ilay mpamily, izy amin’io tsy tena mifantoka tsara fa toa varimbariana nanara-dia ilay fiara karetsaka teo alohany fotsiny. Tampoka teo, tsy hitany akory fa nisy fiarabe mpitatitra olona nirimorimo mafy avy any ankavanany toa nanezaka mafy ny hijanona amin’izato figikan’ny kodiarana nefa mbola tsy tafajanona ihany raha tsy efa nidona mafy tamin’ilay varavarana manakaiky ny nisy an’i Hery. Avy hatrany dia nipitika teny amin’ny dimy metatra ilay fiara karetsaka, ary i Hery no voadona mafy tamin’ny fiforetan’ilay varavarana.
Nisy olona naratra koa tao anatin’ilay fiarabe fa nidona tamin’ny fitaratra teo alohany. Taitra sady nikoropaka avokoa ny mpandalo rehetra.
Nitangorona ny olona, tao ny nisomaritaka fa saika voadona, tao koa ny avy hatrany dia namonjy ny tao anaty fiara, navoaka ilay mpamily, tsy dia naninona loatra ilay rangahy fa i Hery sady naratra mafy no voadona koa ny lohany, toa tsy mahatsiaro tena…

Ilay fiarakaretsaka iray nitondra an’i Mihary kosa vao lasa lavidavitra ka nahare ilay lozam-pifamoivozana dia nijanona:
- "Azafady ramose mba ajanony kely hoe fa toa nisy loza nitranga io ao aoriantsika io. Mpitsabo mantsy aho ka tsy mandry ny saiko raha handao fotsiny ny zavatra toa izao. Aza mandeha anefa ianao fa andraso aho an."

Avy hatrany dia nivoka ny fiara i Mihary, ny andro rahateo efa maizimaizina fa efa madiva ho alina.
Vao
tonga teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza izy, ny olona, mamoaka ity naratra mafy, tsy voavoha mihitsy ilay varavarana voadona fa avy aty amin’ny ilany no nosintonina ity tovolahy tsy mahatsiaro tena. Nihamaro hatrany ny olona nitangorongorona teo.

- "azafady, azafady," hoy i Mihary etsy, misisisisika sady manavatsava anatin’ireto olona marobe nifamahofaho sy nihazakazaka nijery.
- "azafady tompoko ô ! azafady fa dokotera aho hijery izay mitranga e ! azafady indrindra!"

Nomen’ny olona làlana izy, nijery ity lehilahy efa vonton-dra amin’ny tarehiny.
Tsy mbola azony an-tsaina na iza na iza, ny andro koa mihamaizina, ny olona nifanetinety ihany.

- "Azafady ry ise an ! raha azonao atao, dia aza avela hifanototra eto ireo olona marobe ireo, fa mila rivotra isika."
- "Raha misy olona afaka miantso fiara-mpamonjy voina rey olona dia mba antsoy azafady e!" hoy i Mihary niangavy ihany.

- "Angony daholo izay vatam-panafody vonjy taitra anatin’ireo fiara ireo, aingàna ianareo izay mahita izany e!"

Vetivety teo dia nipoitra avy any ny fitaovana nangatahiny, novahana ny vovon-dandihazo, nofafàna izay ra tamin’ny tarehin’ny maratra. I Hery amin’io mbola tsy mahatsiaro tena ihany, notsapaina ny fony mbola mitempo fa malefaka, izy zara raha miaina.
Injany fa re manakoako avy any ny anjomaran’ny mpitondra marary satria tsy lavitra avy teo ny toby misy azy, mitarataratra ny jiro manga, manavatsava ireo fiara mitohana noho ity lozam-pifamoivozana.

Vao
tonga
teo amin’ny toerana dia nobataina i Hery, nakarina teo ambony fandriana kely, nampidirina tao anaty fiara nony avy eo.
I Mihary moa tamin'io tsy maintsy mbola nijery ilay maratra hafa sy ireo mpamily.  Nifampiresaka tamin’ilay mpamonjy voina izy nony avy eo  ny amin’ny hitondrana ireo maratra hafa!

Alohan’ny hiaingàna dia niakatra tao anatin’ilay fiara i Mihary ary akory ny hatairany, tsy azony an-tsaina mihitsy hatramin’izay, fa i Hery anie ity maratra mafy manoloana azy. Taitra tsy mbola nisy ohatran'izany izy! tsy hitany anefa izay ho tenenina fa ny fony no tsapany nidobodoboka mafy. "Loza ity," hoy izy tany antsainy tany nony avy eo.
- "Tsy maintsy manaraka anareo aho izao fa olom-pantatro io maratra io!" hoy izy tamin'ireo mpamonjy voina. Soa fa lehibe ihany ilay fiara ka afaka nitondra izay tena naratra aloha. Niazakazaka i Mihary namonjy ilay fiara karetsaka niandry azy dia nanazava ny zava-misy tamin'ilay mpamily teo sady nandoa ny volany dia niverina haingana namonjy ilay fiara hitondra an'i Hery tany amin'ny hopitaly.

Natahotra mafy i Mihary teny an-dalana. Nohenoiny matetika ny fitempon’ny fon'i Hery izay tsapany fa toa malefaka dia malefaka. Nisento izy nijery ity olon-tiany rakofan'ny saron-tava mba hifohany rivotra madio iainany. Tsy mbola mahatsiaro tena hatrany i Hery. Ilay mpitsabo mpanampy mpamonjy voina moa mandritra izay fotoana izay tsy nitsahatra nanadio ny ratra amin’ireo marary hafa.
Vao
tonga
tao amin’ny hopitaly dia nikoropaka ny rehetra ary efa vonona ny handray azy ireo avokoa ny mpitsabo, mahafantatra an’i Mihary avokoa izy ireo satria hopitaly iasan’i Mihary koa ny nitondrana ireo maratra ireo.

- "Tsy maintsy miakatra any amin’ny efitra fandidiana izao dia izao, mila fitarafana izy ity hoy i Mihary fa mety misy tapaka any amin’ny tongony any,"
Nirodorodo ny rehetra. Ny maratra hafa moa navelan'ny Mihary nosahanin'ny mpitsabo hafa fa dia noraisiny antanana mihitsy ny momba an'i Hery.

Vao tonga tao amin’ny efitra fandidiana, napetaka avokoa ny fitsapàna rehetra, napetrak’i Mihary tamin’ny mpitsabo namany aloha ny marary fa naka ny akanjo sy nanao ny fanadiovana ny tenany izy.
Fotoana vetivety ihany dia iny i Mihary niditra ny efitra, injany ny feon’ny milina mipipika manambara ny fitempon’ny fon’i Hery, malefaka dia malefaka. Miha-miadana hatrany.
- "Mila mitandrina isika, miha-miadana hatrany ny fitempon’ny fony izany."
- "Ahoana ny valin’ny fitarafana?"
- "Misy tapaka ny taolam-peny dokotera!"
- "Ary ny tratra sy ny ratsam-batana hafa?"
- "Tsy maninona ka! azo tsapaina tsara!"
Notsindritsindrian’i Mihary aloha ny tratran’i Hery, ilay feon’ny milina niha-niadana hatrany. Nanomboka manganohano ny mason'i Mihary.
<<piiip, …piiiiiiip,…. piiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii>>>>
Tsy nitempo intsony ny fon’i Hery, nikoropaka ny rehetra, nisamahotaka ny eran’ny trano, i Mihary etsy ila ho latsa-dranomaso toa tsy nahita hotenenina. Loza ity, loza marina.
- "Tsy tanantsika intsony, tsy tanantsika intsony, aingàna ianareo, .... "


Tadiom-pitiavana ([email protected])

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype